Titus (Malagasy)
1
1:1b.TIT.001.001 [Fiarahabana] Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan'ny olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
1:2b.TIT.001.002 amin'ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
1:3b.TIT.001.003 fa tamin'izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin'ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
1:4b.TIT.001.004 ho an'i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
1:5b.TIT.001.005 [Ny miendrika hotendrena ho loholona, sy ny faharatsian'ny toetry ny olona tany Kreta] Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; [ Gr. presbytera]
1:6b.TIT.001.006 raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra.
1:7b.TIT.001.007 Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
1:8b.TIT.001.008 fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,
1:9b.TIT.001.009 mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra. [ Gr. salama]
1:10b.TIT.001.010 Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin'ny voafora -
1:11b.TIT.001.011 tsy maintsy hotampenam-bava ireo - izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
1:12b.TIT.001.012 Hoy ny anankiray amin'ireny, izay mpaminany teo aminy: "Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda".
1:13b.TIT.001.013 Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny finoana, [ Gr. salama]
1:14b.TIT.001.014 tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana.
1:15b.TIT.001.015 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
1:16b.TIT.001.016 Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
2
2:1b.TIT.002.001 [Ny mety hataon'ny anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon'olona, ary fananarana sy hafatra samy hafa] Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema; [ Gr. salama]
2:2b.TIT.002.002 ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana. [ Gr. salama]
2:3b.TIT.002.003 Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
2:4b.TIT.002.004 mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
2:5b.TIT.002.005 hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin'Andriamanitra. [ Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat. 9,3]
2:6b.TIT.002.006 Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
2:7b.TIT.002.007 ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
2:8b.TIT.002.008 ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. [ Gr. salama]
2:9b.TIT.002.009 Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,
2:10b.TIT.002.010 tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.
2:11b.TIT.002.011 Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
2:12b.TIT.002.012 mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao,
2:13b.TIT.002.013 miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, [ Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
2:14b.TIT.002.014 Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
2:15b.TIT.002.015 Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
3
3:1b.TIT.003.001 Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin'ny asa tsara rehetra,
3:2b.TIT.003.002 tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin'ny olona rehetra.
3:3b.TIT.003.003 Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon'ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
3:4b.TIT.003.004 Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
3:5b.TIT.003.005 dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,
3:6b.TIT.003.006 Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
3:7b.TIT.003.007 mba hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
3:8b.TIT.003.008 Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman'izay efa mino an'Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
3:9b.TIT.003.009 Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
3:10b.TIT.003.010 Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, [ Na: olona mitokana ho azy]
3:11b.TIT.003.011 satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
3:12b.TIT.003.012 Rehefa maniraka an'i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
3:13b.TIT.003.013 Mazotoa hamoaka an'i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
3:14b.TIT.003.014 Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.
3:15b.TIT.003.015 Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Titus (Malagasy). Titus (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A5D6-C