1 Thessalonians (Malagasy)
1
1:1b.1TH.001.001 [Fiarahabana ny Tesaloniana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny nandraisan'ireo ny filazantsara sy ny nandrosoany tamin'ny finoana sy ny fitiavana] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
1:2b.1TH.001.002 Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay,
1:3b.1TH.001.003 sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika;
1:4b.1TH.001.004 fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
1:5b.1TH.001.005 fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
1:6b.1TH.001.006 Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina,
1:7b.1TH.001.007 ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
1:8b.1TH.001.008 Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
1:9b.1TH.001.009 Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina,ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.
1:10b.1TH.001.010 ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.
2
2:1b.1TH.002.001 Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tatỳ aminareo;
2:2b.1TH.002.002 fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin'Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana.
2:3b.1TH.002.003 Fa ny fananaranay dia tsy avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky.
2:4b.1TH.002.004 Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay.
2:5b.1TH.002.005 Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona);
2:6b.1TH.002.006 ary tsy nitady voninahitra tamin'olona izahay, na taminareo, na tamin'ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy anay,.
2:7b.1TH.002.007 Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany,
2:8b.1TH.002.008 dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny filazantsaran'Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.
2:9b.1TH.002.009 Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman'alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo.
2:10b.1TH.002.010 Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino,
2:11b.1TH.002.011 toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin'ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo,
2:12b.1TH.002.012 mba handehananareo miendrika an'Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny.
2:13b.1TH.002.013 Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.
2:14b.1TH.002.014 Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia sahafa amin'ny nanjo ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy,
2:15b.1TH.002.015 izay namono an'i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,
2:16b.1TH.002.016 ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.
2:17b.1TH.002.017 Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin'ny fanatrehana, fa tsy tamin'ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.
2:18b.1TH.002.018 Koa naniry hankany aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan'i Satana izahay.
2:19b.1TH.002.019 Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany va?Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.
2:20b.1TH.002.020 Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.
3
3:1b.1TH.003.001 Ary amin'izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena,
3:2b.1TH.003.002 ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon'Andriamanitra amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin'ny finoanareo,
3:3b.1TH.003.003 mba tsy hisy ho taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no nanendrena antsika.
3:4b.1TH.003.004 Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.
3:5b.1TH.003.005 Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.
3:6b.1TH.003.006 Fa raha vao tonga atỳ aminay ankehitriny Timoty avy tatỳ aminareo ka nilaza teny taminay ny amin'ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay aminareo koa,-
3:7b.1TH.003.007 noho izany, ry rahalahy, dia nampionona anay teo amin'ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo;
3:8b.1TH.003.008 fa ankehitriny velona izahay, raha tomoetra tsara amin'ny Tompo ianareo.
3:9b.1TH.003.009 Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an'Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan'Andriamanitray,
3:10b.1TH.003.010 amin'ny fangatahanay fatratra andro aman'alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin'ny finoanareo?
3:11b.1TH.003.011 Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho atỳ
3:12b.1TH.003.012 Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.
3:13b.1TH.003.013 mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.
4
4:1b.1TH.004.001 [Fananarana ny Tesaloniana hitondra tena miendrika ny filazantsara] Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin'i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo bebe kokoa.
4:2b.1TH.004.002 Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin'i Jesosy Tompo.
4:3b.1TH.004.003 Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana,
4:4b.1TH.004.004 mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra,
4:5b.1TH.004.005 tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra,
4:6b.1TH.004.006 mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin'izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. [ Na: amin'ny raharaha]
4:7b.1TH.004.007 Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana.
4:8b.1TH.004.008 Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.
4:9b.1TH.004.009 Fa ny amin'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia.
4:10b.1TH.004.010 Fa manao izany ihany ianareo amin'ny rahalahy rehetra eran'i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,
4:11b.1TH.004.011 ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin'ny tananareo araka ny nandidianay anareo,
4:12b.1TH.004.012 mba handehananareo amin'izay fitondran-tena mahamendrika amin'ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo.
4:13b.1TH.004.013 [Ny hihavian'i Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry] Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
4:14b.1TH.004.014 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy. [ Na: tamin'ny alalan'i Jesosy]
4:15b.1TH.004.015 Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
4:16b.1TH.004.016 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
4:17b.1TH.004.017 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.
4:18b.1TH.004.018 Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.
5
5:1b.1TH.005.001 Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
5:2b.1TH.005.002 satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.
5:3b.1TH.005.003 Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
5:4b.1TH.005.004 Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
5:5b.1TH.005.005 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.
5:6b.1TH.005.006 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena. [ Gr. hiari-tory]
5:7b.1TH.005.007 Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.
5:8b.1TH.005.008 Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
5:9b.1TH.005.009 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,
5:10b.1TH.005.010 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
5:11b.1TH.005.011 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
5:12b.1TH.005.012 [Fananarana sy fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,
5:13b.1TH.005.013 ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
5:14b.1TH.005.014 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.
5:15b.1TH.005.015 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
5:16b.1TH.005.016 Mifalia mandrakariva.
5:17b.1TH.005.017 Mivavaha, ka aza mitsahatra.
5:18b.1TH.005.018 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.
5:19b.1TH.005.019 Aza mamono ny Fanahy.
5:20b.1TH.005.020 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
5:21b.1TH.005.021 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
5:22b.1TH.005.022 Fadio ny fanao ratsy rehetra.
5:23b.1TH.005.023 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.
5:24b.1TH.005.024 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
5:25b.1TH.005.025 Ry rahalahy, mivavaha ho anay.
5:26b.1TH.005.026 Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina.
5:27b.1TH.005.027 Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy rehetra ity epistily ity. [ Na: (rahalahy masina)]Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
5:28b.1TH.005.028 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. 1 Thessalonians (Malagasy). 1 Thessalonians (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A5CA-A