Colossians (Malagasy)

Colossians (Malagasy)

1

1:1b.COL.001.001 [Fiarahabana ny Kolosiana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny toetr'ireo] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,

1:2b.COL.001.002 mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika.

1:3b.COL.001.003 Misaotra an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,

1:4b.COL.001.004 rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,

1:5b.COL.001.005 noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,

1:6b.COL.001.006 izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina;

1:7b.COL.001.007 tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay, [ Na: (anareo)]

1:8b.COL.001.008 sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.

1:9b.COL.001.009 [Fivavahan'i Paoly ho an'ny Kolosiana, sy filazana ny fahalehibiazan'ny voninahitr'i Kristy] Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,

1:10b.COL.001.010 mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra,

1:11b.COL.001.011 ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana,

1:12b.COL.001.012 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava,

1:13b.COL.001.013 sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany,

1:14b.COL.001.014 Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.

1:15b.COL.001.015 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao;

1:16b.COL.001.016 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; [ Gr. seza fiandrianana]

1:17b.COL.001.017 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.

1:18b.COL.001.018 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [ Gr. eklesia]

1:19b.COL.001.019 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra,

1:20b.COL.001.020 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.

1:21b.COL.001.021 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny

1:22b.COL.001.022 tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,

1:23b.COL.001.023 raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.

1:24b.COL.001.024 Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana, [ Gr. eklesia]

1:25b.COL.001.025 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra,

1:26b.COL.001.026 dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina,

1:27b.COL.001.027 izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;

1:28b.COL.001.028 Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra.Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.

1:29b.COL.001.029 Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.

2

2:1b.COL.002.001 [Fananaran'i Paoly ny Kolosiana mba haharitra tsara tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka] Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin'ny nofo,

2:2b.COL.002.002 mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy,

2:3b.COL.002.003 Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.

2:4b.COL.002.004 Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin'ny teny toa marina.

2:5b.COL.002.005 Fa na dia tsy manatrika anareo amin'ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin'ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i Kristy.

2:6b.COL.002.006 Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,

2:7b.COL.002.007 ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin'ny fisaorana. [ Na: (mitombo amin'izany)]

2:8b.COL.002.008 Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy.

2:9b.COL.002.009 Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra;

2:10b.COL.002.010 ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,

2:11b.COL.002.011 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy;

2:12b.COL.002.012 fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.

2:13b.COL.002.013 Ary ianareo, izay efa matin'ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;

2:14b.COL.002.014 ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana,

2:15b.COL.002.015 ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy. [ Na: noreseny ka nobaboiny]

2:16b.COL.002.016 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;

2:17b.COL.002.017 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.

2:18b.COL.002.018 Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [ Na: (tsy)]

2:19b.COL.002.019 ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra.

2:20b.COL.002.020 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe:

2:21b.COL.002.021 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry -

2:22b.COL.002.022 levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona?Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.

2:23b.COL.002.023 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.

3

3:1b.COL.003.001 [Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara] Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra.

3:2b.COL.003.002 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.

3:3b.COL.003.003 Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.

3:4b.COL.003.004 Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo.

3:5b.COL.003.005 Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;

3:6b.COL.003.006 fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;

3:7b.COL.003.007 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.

3:8b.COL.003.008 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo.

3:9b.COL.003.009 Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany; [ Gr. olona]

3:10b.COL.003.010 ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy. [ Gr. olona]

3:11b.COL.003.011 Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [ Gr. Grika]

3:12b.COL.003.012 Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.

3:13b.COL.003.013 Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. [ Na: (Kristy)]

3:14b.COL.003.014 Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.

3:15b.COL.003.015 Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.

3:16b.COL.003.016 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

3:17b.COL.003.017 Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.

3:18b.COL.003.018 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo.

3:19b.COL.003.019 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra aminy. [ Gr. mangidy]

3:20b.COL.003.020 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany.

3:21b.COL.003.021 Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.

3:22b.COL.003.022 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;

3:23b.COL.003.023 ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona,

3:24b.COL.003.024 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,

3:25b.COL.003.025 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,

4

4:1b.COL.004.001 Hianareo tompo, ataovy amin'ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.

4:2b.COL.004.002 [Ny amin'ny naman'i Paoly, sy fanaovam-beloma ny sakaizany tao Kolosia] Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana,

4:3b.COL.004.003 ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy,

4:4b.COL.004.004 mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.

4:5b.COL.004.005 Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.

4:6b.COL.004.006 Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.

4:7b.COL.004.007 Ny toetro rehetra dia holazain'i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin'ny Tompo;

4:8b.COL.004.008 ny anton'ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;

4:9b.COL.004.009 ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ .

4:10b.COL.004.010 Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),

4:11b.COL.004.011 ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.

4:12b.COL.004.012 Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. [ Na: ho tanteraka]

4:13b.COL.004.013 Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy.

4:14b.COL.004.014 Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.

4:15b.COL.004.015 Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony.

4:16b.COL.004.016 Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonan'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana. [ Gr. eklesia]

4:17b.COL.004.017 Ary lazao amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany.Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

4:18b.COL.004.018 Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.


Holder of rights
Multilingual Bible Corpus

Citation Suggestion for this Object
TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Colossians (Malagasy). Colossians (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A5C7-D