Philippians (Malagasy)
1
1:1b.PHI.001.001 [Fitarihan-teny sy fiarahabana ary fisaorana] Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy; [ Gr. episkopo]
1:2b.PHI.001.002 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
1:3b.PHI.001.003 Misaotra an'Andriamanitro amin'ny fahatsiarovako anareo
1:4b.PHI.001.004 mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana,
1:5b.PHI.001.005 noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
1:6b.PHI.001.006 ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy;
1:7b.PHI.001.007 fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
1:8b.PHI.001.008 Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy.
1:9b.PHI.001.009 Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
1:10b.PHI.001.010 mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy ianareo, [ Na: samy hafa]
1:11b.PHI.001.011 sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.
1:12b.PHI.001.012 [Ny toetr'i Paoly tao amin'ny fifatorana, sy ny fanantenany] Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
1:13b.PHI.001.013 ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin'ny olona hafa rehetra; [ Gr. mpiambina pretoriana rehetra; na: eran'ny pretoria]
1:14b.PHI.001.014 ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.
1:15b.PHI.001.015 Fialonana sy fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany;
1:16b.PHI.001.016 fitiavana ny an'ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
1:17b.PHI.001.017 fifampiandaniana kosa no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
1:18b.PHI.001.018 Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
1:19b.PHI.001.019 Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin'i Jesosy Kristy, [ Na: fanomezan']
1:20b.PHI.001.020 araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana.
1:21b.PHI.001.021 Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
1:22b.PHI.001.022 Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
1:23b.PHI.001.023 fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;
1:24b.PHI.001.024 kanefa kosa ny hitoetra eo amin'ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
1:25b.PHI.001.025 Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin'ny finoanareo,
1:26b.PHI.001.026 mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny hankanesako atỳ aminareo indray.
1:27b.PHI.001.027 Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
1:28b.PHI.001.028 ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamanitra.
1:29b.PHI.001.029 Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
1:30b.PHI.001.030 dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
2
2:1b.PHI.002.001 [Anatra hamporisika ny Filipiana hitondra tena tsara sy hanetry tena tahaka an'i Jesosy Kristy] Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,
2:2b.PHI.002.002 dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
2:3b.PHI.002.003 tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
2:4b.PHI.002.004 Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.
2:5b.PHI.002.005 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,
2:6b.PHI.002.006 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,
2:7b.PHI.002.007 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;
2:8b.PHI.002.008 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
2:9b.PHI.002.009 Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
2:10b.PHI.002.010 mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany,
2:11b.PHI.002.011 sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
2:12b.PHI.002.012 Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.
2:13b.PHI.002.013 Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.
2:14b.PHI.002.014 Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,
2:15b.PHI.002.015 mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao,
2:16b.PHI.002.016 mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
2:17b.PHI.002.017 Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
2:18b.PHI.002.018 Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
2:19b.PHI.002.019 [Ny amin'i Timoty sy Epafrodito] Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka an'i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
2:20b.PHI.002.020 Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. [ Na: aminy]
2:21b.PHI.002.021 Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an'i Jesosy Kristy;
2:22b.PHI.002.022 izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin'ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.
2:23b.PHI.002.023 Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.
2:24b.PHI.002.024 Fa matoky ao amin'ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.
2:25b.PHI.002.025 Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko. [ Gr. apostolinareo]
2:26b.PHI.002.026 Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.
2:27b.PHI.002.027 Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.
2:28b.PHI.002.028 Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.
2:29b.PHI.002.029 Koa raiso ao amin'ny Tompo izy amin'ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.
2:30b.PHI.002.030 fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.
3
3:1b.PHI.003.001 [Anatra nataon'i Paoly mba tsy haneken'ny Filipiana izay mpampianatra sandoka, fa hitady handroso amin'ny fitondran-tena tsara rehetra] Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. [ Na: veloma]
3:2b.PHI.003.002 Tandremo ny tenanareo amin'ny amboa, tandremo ny tenanareo amin'ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ny voakilema.
3:3b.PHI.003.003 Fa isika no voafora, izay manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo;
3:4b.PHI.003.004 kanefa mba manana izay hitokiako amin'ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin'ny nofo, mainka fa izaho;
3:5b.PHI.003.005 fa voafora tamin'ny andro fahavalo aho, avy amin'ny fototr'isiraely, dia avy amin'ny firenen'i Benjamina; Hebreo sady avy amin'ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
3:6b.PHI.003.006 araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny. [ Gr. eklesia]
3:7b.PHI.003.007 Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy.
3:8b.PHI.003.008 Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy;
3:9b.PHI.003.009 ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana;
3:10b.PHI.003.010 eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany,
3:11b.PHI.003.011 raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty.
3:12b.PHI.003.012 Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy.
3:13b.PHI.003.013 Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, [ Na: (tsy nataoko)]
3:14b.PHI.003.014 eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy. [ Na: ho any ambony]
3:15b.PHI.003.015 Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon'Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.
3:16b.PHI.003.016 Kanefa aoka ho amin'ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.
3:17b.PHI.003.017 Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.
3:18b.PHI.003.018 Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny;
3:19b.PHI.003.019 fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy.
3:20b.PHI.003.020 Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
3:21b.PHI.003.021 Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
4
4:1b.PHI.004.001 Ary amin'izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin'ny Tompo ianareo, ry malalako.
4:2b.PHI.004.002 Mananatra an'i Eodia aho, ary mananatra an'i Syntyke, mba hiray saina ao amin'ny Tompo izy.
4:3b.PHI.004.003 Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin'ny filazantsara izy, mbamin'i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin'ny bokin'ny fiainana.
4:4b.PHI.004.004 Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia. [ Na: veloma]
4:5b.PHI.004.005 Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
4:6b.PHI.004.006 Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.
4:7b.PHI.004.007 Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.
4:8b.PHI.004.008 Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
4:9b.PHI.004.009 Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
4:10b.PHI.004.010 [Saotra nataon'i Paoly ny Filipiana noho ny fanomezana nampitondrainy an'i Epafrodito, ary fanaovam-beloma sy tso-drano. Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
4:11b.PHI.004.011 Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
4:12b.PHI.004.012 Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
4:13b.PHI.004.013 Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.
4:14b.PHI.004.014 Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.
4:15b.PHI.004.015 Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. [ Gr. eklesia]
4:16b.PHI.004.016 Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy.
4:17b.PHI.004.017 Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
4:18b.PHI.004.018 Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra sady ankasitrahany.
4:19b.PHI.004.019 Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.
4:20b.PHI.004.020 Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
4:21b.PHI.004.021 Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.
4:22b.PHI.004.022 Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan'i Kaisara.Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.
4:23b.PHI.004.023 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Philippians (Malagasy). Philippians (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A5C4-0