Ephesians (Malagasy)

Ephesians (Malagasy)

1

1:1b.EPH.001.001 [Fiarahabana nataon'i Paoly, sy fiderany an'Andriamanitra noho ny soa avy amin'ny avotra nataon'i Kristy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky ao amin'i Kristy Jesosy: [ Na: mino an']

1:2b.EPH.001.002 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

1:3b.EPH.001.003 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,

1:4b.EPH.001.004 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,

1:5b.EPH.001.005 rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, [ Na: amin'ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika]

1:6b.EPH.001.006 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala.

1:7b.EPH.001.007 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,

1:8b.EPH.001.008 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,

1:9b.EPH.001.009 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany,

1:10b.EPH.001.010 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy; [ Na: hanangonany indray]

1:11b.EPH.001.011 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [ Na: no nandraisantsika ny lova]

1:12b.EPH.001.012 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.

1:13b.EPH.001.013 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.

1:14b.EPH.001.014 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.

1:15b.EPH.001.015 [Fivavahana ho an'ny Kristiana tao Efesosy mba handrosoany hahalala ny hatsaran'ny famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan'ny olona masina rehetra, [ Na: (ny finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo)]

1:16b.EPH.001.016 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,

1:17b.EPH.001.017 mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,

1:18b.EPH.001.018 ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina,

1:19b.EPH.001.019 ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany,

1:20b.EPH.001.020 izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra,

1:21b.EPH.001.021 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa,

1:22b.EPH.001.022 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana, [ Gr. eklesia]izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.

1:23b.EPH.001.023 izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.

2

2:1b.EPH.002.001 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,

2:2b.EPH.002.002 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;

2:3b.EPH.002.003 teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.

2:4b.EPH.002.004 Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika,

2:5b.EPH.002.005 na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);

2:6b.EPH.002.006 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy,

2:7b.EPH.002.007 mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.

2:8b.EPH.002.008 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;

2:9b.EPH.002.009 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.

2:10b.EPH.002.010 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.

2:11b.EPH.002.011 [Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora -

2:12b.EPH.002.012 eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao;

2:13b.EPH.002.013 fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.

2:14b.EPH.002.014 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,

2:15b.EPH.002.015 fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,

2:16b.EPH.002.016 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.

2:17b.EPH.002.017 Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin'izay akaiky koa. [ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19]

2:18b.EPH.002.018 Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.

2:19b.EPH.002.019 Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra,

2:20b.EPH.002.020 natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;

2:21b.EPH.002.021 ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo.Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.

2:22b.EPH.002.022 Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.

3

3:1b.EPH.003.001 [Ny nanendrena an'i Paoly ho Apostolin'ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an'ny fiangonana tao Efesosy] Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -

3:2b.EPH.003.002 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,

3:3b.EPH.003.003 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo.

3:4b.EPH.003.004 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy,

3:5b.EPH.003.005 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany,

3:6b.EPH.003.006 dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,

3:7b.EPH.003.007 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny.

3:8b.EPH.003.008 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany,

3:9b.EPH.003.009 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;

3:10b.EPH.003.010 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana, [ Gr. eklesia]

3:11b.EPH.003.011 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,

3:12b.EPH.003.012 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy.

3:13b.EPH.003.013 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.

3:14b.EPH.003.014 Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray

3:15b.EPH.003.015 Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,

3:16b.EPH.003.016 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo;

3:17b.EPH.003.017 mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo,

3:18b.EPH.003.018 mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.

3:19b.EPH.003.019 ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra.

3:20b.EPH.003.020 Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]

3:21b.EPH.003.021 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]

4

4:1b.EPH.004.001 [Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [ Gr. ao amin']

4:2b.EPH.004.002 amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana,

4:3b.EPH.004.003 mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.

4:4b.EPH.004.004 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;

4:5b.EPH.004.005 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,

4:6b.EPH.004.006 iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.

4:7b.EPH.004.007 Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.

4:8b.EPH.004.008 Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).

4:9b.EPH.004.009 (Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin'ny tany koa? [ Na: (nidina aloha)]

4:10b.EPH.004.010 Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)

4:11b.EPH.004.011 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,

4:12b.EPH.004.012 ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [ Gr. eklesia]

4:13b.EPH.004.013 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;

4:14b.EPH.004.014 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;

4:15b.EPH.004.015 fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy;

4:16b.EPH.004.016 Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.

4:17b.EPH.004.017 [Fananarana enti-mamporisika azy mba hadio fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin'ny toetry ny tokan-tranony] Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy;

4:18b.EPH.004.018 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony,

4:19b.EPH.004.019 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.

4:20b.EPH.004.020 Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy,

4:21b.EPH.004.021 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy,

4:22b.EPH.004.022 mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka; [ Gr. olonareo]

4:23b.EPH.004.023 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,

4:24b.EPH.004.024 ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [ Gr. olona]

4:25b.EPH.004.025 Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika.

4:26b.EPH.004.026 Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.

4:27b.EPH.004.027 Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.

4:28b.EPH.004.028 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.

4:29b.EPH.004.029 Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.

4:30b.EPH.004.030 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.

4:31b.EPH.004.031 Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [ Gr. fangidiana]ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.

4:32b.EPH.004.032 ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.

5

5:1b.EPH.005.001 Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;

5:2b.EPH.005.002 ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. [ Gr. fanatitra alatsa-drà]

5:3b.EPH.005.003 Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,

5:4b.EPH.005.004 na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.

5:5b.EPH.005.005 Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).

5:6b.EPH.005.006 Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana.

5:7b.EPH.005.007 Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.

5:8b.EPH.005.008 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava

5:9b.EPH.005.009 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),

5:10b.EPH.005.010 mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo.

5:11b.EPH.005.011 Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.

5:12b.EPH.005.012 Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.

5:13b.EPH.005.013 Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.

5:14b.EPH.005.014 Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.

5:15b.EPH.005.015 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,

5:16b.EPH.005.016 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.

5:17b.EPH.005.017 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.

5:18b.EPH.005.018 Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,

5:19b.EPH.005.019 ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo,

5:20b.EPH.005.020 misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,

5:21b.EPH.005.021 sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,

5:22b.EPH.005.022 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.

5:23b.EPH.005.023 Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. [ Gr. eklesia]

5:24b.EPH.005.024 Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [ Gr. eklesia]

5:25b.EPH.005.025 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [ Gr. eklesia]

5:26b.EPH.005.026 mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny;

5:27b.EPH.005.027 mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [ Gr. hatolony] [ Gr. eklesia]

5:28b.EPH.005.028 Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.

5:29b.EPH.005.029 Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana; [ Gr. eklesia]

5:30b.EPH.005.030 fa momba ny tenany isika.

5:31b.EPH.005.031 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).

5:32b.EPH.005.032 Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana aho. [ Gr. eklesia]Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. [ Gr. hatahotra]

5:33b.EPH.005.033 Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. [ Gr. hatahotra]

6

6:1b.EPH.006.001 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany.

6:2b.EPH.006.002 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),

6:3b.EPH.006.003 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16).

6:4b.EPH.006.004 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.

6:5b.EPH.006.005 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,

6:6b.EPH.006.006 tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo,

6:7b.EPH.006.007 amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona,

6:8b.EPH.006.008 satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.

6:9b.EPH.006.009 Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.

6:10b.EPH.006.010 [Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.

6:11b.EPH.006.011 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.

6:12b.EPH.006.012 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. [ Gr. lanitra]

6:13b.EPH.006.013 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.

6:14b.EPH.006.014 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,

6:15b.EPH.006.015 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;

6:16b.EPH.006.016 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.

6:17b.EPH.006.017 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;

6:18b.EPH.006.018 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra,

6:19b.EPH.006.019 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara

6:20b.EPH.006.020 (iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [ Gr. ambasadôra]

6:21b.EPH.006.021 Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;

6:22b.EPH.006.022 izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.

6:23b.EPH.006.023 Fiadanana anie ho an'ny rahalahy ary fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena.

6:24b.EPH.006.024 Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena.


Holder of rights
Multilingual Bible Corpus

Citation Suggestion for this Object
TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Ephesians (Malagasy). Ephesians (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A5C1-3