Acts (Malagasy)
1
1:1b.ACT.001.001 [Fitarihan-teny sy filazana ny nanafaran'i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho any an-danitra] Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay nataon'i Jesosy sy nampianariny,
1:2b.ACT.001.002 hatramin'ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny,
1:3b.ACT.001.003 sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
1:4b.ACT.001.004 Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [Na: niara-nihinana]
1:5b.ACT.001.005 fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.
1:6b.ACT.001.006 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely?
1:7b.ACT.001.007 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany. [Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany]
1:8b.ACT.001.008 Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
1:9b.ACT.001.009 Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.
1:10b.ACT.001.010 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
1:11b.ACT.001.011 izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
1:12b.ACT.001.012 Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).
1:13b.ACT.001.013 Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak'i Jakoba. [ Na: rahalahin']
1:14b.ACT.001.014 Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.
1:15b.ACT.001.015 [Ny nifidianan'ny Apostoly ny anankiray ho namany hisolo an'i Jodasy] Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona vory teo) ka nanao hoe:
1:16b.ACT.001.016 Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesosy;
1:17b.ACT.001.017 fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao fanompoana izao koa.
1:18b.ACT.001.018 Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin'ny tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
1:19b.ACT.001.019 Ary fantatr'izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran'izany saha izany amin'ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.
1:20b.ACT.001.020 Fa voasoratra eo amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao (Sal. 69. 25); ary koa: Aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara-raharahany (Sal. 109. 8).
1:21b.ACT.001.021 Koa amin'ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,
1:22b.ACT.001.022 hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany.
1:23b.ACT.001.023 Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
1:24b.ACT.001.024 Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto,
1:25b.ACT.001.025 mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany.Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.
1:26b.ACT.001.026 Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.
2
2:1b.ACT.002.001 [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra.
2:2b.ACT.002.002 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
2:3b.ACT.002.003 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany.
2:4b.ACT.002.004 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
2:5b.ACT.002.005 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra.
2:6b.ACT.002.006 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.
2:7b.ACT.002.007 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
2:8b.ACT.002.008 Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
2:9b.ACT.002.009 - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
2:10b.ACT.002.010 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
2:11b.ACT.002.011 Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra?
2:12b.ACT.002.012 Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany?
2:13b.ACT.002.013 Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
2:14b.ACT.002.014 Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
2:15b.ACT.002.015 Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
2:16b.ACT.002.016 Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe:
2:17b.ACT.002.017 Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
2:18b.ACT.002.018 Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy;
2:19b.ACT.002.019 Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka;
2:20b.ACT.002.020 Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
2:21b.ACT.002.021 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5).
2:22b.ACT.002.022 Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
2:23b.ACT.002.023 Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalàna;
2:24b.ACT.002.024 fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina Izy.
2:25b.ACT.002.025 Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an'i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
2:26b.ACT.002.026 Dia izany no nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny fanantenana;
2:27b.ACT.002.027 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao;
2:28b.ACT.002.028 Nampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao (Sal. 16. 8-11).
2:29b.ACT.002.029 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
2:30b.ACT.002.030 Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany, [Na: hapetrany]
2:31b.ACT.002.031 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò.
2:32b.ACT.002.032 Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.
2:33b.ACT.002.033 Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. [ Na: ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra]
2:34b.ACT.002.034 Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
2:35b.ACT.002.035 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
2:36b.ACT.002.036 Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
2:37b.ACT.002.037 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
2:38b.ACT.002.038 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
2:39b.ACT.002.039 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
2:40b.ACT.002.040 Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo.
2:41b.ACT.002.041 Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany.
2:42b.ACT.002.042 Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
2:43b.ACT.002.043 Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.
2:44b.ACT.002.044 Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
2:45b.ACT.002.045 ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.
2:46b.ACT.002.046 Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
2:47b.ACT.002.047 nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
3
3:1b.ACT.003.001 [Ny nahasitranan'i Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona] Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
3:2b.ACT.003.002 Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly;
3:3b.ACT.003.003 nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
3:4b.ACT.003.004 Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
3:5b.ACT.003.005 Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
3:6b.ACT.003.006 Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
3:7b.ACT.003.007 Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
3:8b.ACT.003.008 Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.
3:9b.ACT.003.009 Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra.
3:10b.ACT.003.010 Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
3:11b.ACT.003.011 Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona.
3:12b.ACT.003.012 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
3:13b.ACT.003.013 Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [ Na: Zanany]
3:14b.ACT.003.014 Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
3:15b.ACT.003.015 fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay.
3:16b.ACT.003.016 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
3:17b.ACT.003.017 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.
3:18b.ACT.003.018 Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny.
3:19b.ACT.003.019 Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo,
3:20b.ACT.003.020 ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
3:21b.ACT.003.021 Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra.
3:22b.ACT.003.022 Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo.
3:23b.ACT.003.023 Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo. 18. 15, 19).
3:24b.ACT.003.024 Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
3:25b.ACT.003.025 Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Gen. 22. 18).Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona. [Na: ny Zanany]
3:26b.ACT.003.026 Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona. [Na: ny Zanany]
4
4:1b.ACT.004.001 [Ny namatorana an'i Petera sy Jaona, sy ny nataon'ny Synedriona taminy] Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;
4:2b.ACT.004.002 fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty.
4:3b.ACT.004.003 Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay.
4:4b.ACT.004.004 Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.
4:5b.ACT.004.005 Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna
4:6b.ACT.004.006 sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe.
4:7b.ACT.004.007 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
4:8b.ACT.004.008 Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
4:9b.ACT.004.009 raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
4:10b.ACT.004.010 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo.
4:11b.ACT.004.011 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22).
4:12b.ACT.004.012 Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
4:13b.ACT.004.013 Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy.
4:14b.ACT.004.014 Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny.
4:15b.ACT.004.015 Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy
4:16b.ACT.004.016 ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
4:17b.ACT.004.017 Fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.
4:18b.ACT.004.018 Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony.
4:19b.ACT.004.019 Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.
4:20b.ACT.004.020 Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
4:21b.ACT.004.021 Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra efa natao.
4:22b.ACT.004.022 Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.
4:23b.ACT.004.023 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy.
4:24b.ACT.004.024 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,
4:25b.ACT.004.025 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena?
4:26b.ACT.004.026 Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2).
4:27b.ACT.004.027 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [Na: ny Zanakao]
4:28b.ACT.004.028 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.
4:29b.ACT.004.029 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra,
4:30b.ACT.004.030 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao Masina. [: Na: Zanakao]
4:31b.ACT.004.031 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
4:32b.ACT.004.032 [Ny nifankatiavan'ny mpianatra sy ny fahazotoany] Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
4:33b.ACT.004.033 Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra.
4:34b.ACT.004.034 Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo,
4:35b.ACT.004.035 ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy
4:36b.ACT.004.036 Ary Josefa, izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
4:37b.ACT.004.037 dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
5
5:1b.ACT.005.001 [Ny amin'i Ananiasy sy Safira] Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,
5:2b.ACT.005.002 ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
5:3b.ACT.005.003 Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany?
5:4b.ACT.005.004 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.
5:5b.ACT.005.005 Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
5:6b.ACT.005.006 Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
5:7b.ACT.005.007 Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
5:8b.ACT.005.008 Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.
5:9b.ACT.005.009 Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
5:10b.ACT.005.010 Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy.
5:11b.ACT.005.011 Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
5:12b.ACT.005.012 [Ny fahagagana nataon'ny Apostoly sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona;
5:13b.ACT.005.013 ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
5:14b.ACT.005.014 Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
5:15b.ACT.005.015 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy.
5:16b.ACT.005.016 Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
5:17b.ACT.005.017 [Ny namatorana ny Apostoly rehetra, sy ny nitondrana azy teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
5:18b.ACT.005.018 dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
5:19b.ACT.005.019 Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:
5:20b.ACT.005.020 Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.
5:21b.ACT.005.021 Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly.
5:22b.ACT.005.022 Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:
5:23b.ACT.005.023 Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
5:24b.ACT.005.024 Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany.
5:25b.ACT.005.025 Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona.
5:26b.ACT.005.026 Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
5:27b.ACT.005.027 Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy
5:28b.ACT.005.028 ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany.
5:29b.ACT.005.029 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
5:30b.ACT.005.030 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo teo amin'ny hazo.
5:31b.ACT.005.031 Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely. [ Na: nasandratra ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra]
5:32b.ACT.005.032 Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.
5:33b.ACT.005.033 Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
5:34b.ACT.005.034 Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
5:35b.ACT.005.035 Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo.
5:36b.ACT.005.036 Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
5:37b.ACT.005.037 Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
5:38b.ACT.005.038 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
5:39b.ACT.005.039 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra ianareo.
5:40b.ACT.005.040 Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
5:41b.ACT.005.041 Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany.Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.
5:42b.ACT.005.042 Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.
6
6:1b.ACT.006.001 [Ny nifidianana ny fito lahy, sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.
6:2b.ACT.006.002 Ary ny roa ambin'ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
6:3b.ACT.006.003 Koa amin'izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
6:4b.ACT.006.004 Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.
6:5b.ACT.006.005 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
6:6b.ACT.006.006 ireo dia narosony teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
6:7b.ACT.006.007 Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
6:8b.ACT.006.008 [Ny amin'i Stefana] Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.
6:9b.ACT.006.009 Fa ny sasany, izay avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin'i Stefana.
6:10b.ACT.006.010 Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
6:11b.ACT.006.011 dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an'i Mosesy sy Andriamanitra ity. [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3]
6:12b.ACT.006.012 Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin'i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin'ny Synedriona;
6:13b.ACT.006.013 ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna;
6:14b.ACT.006.014 Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr'i Mosesy antsika.Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]
6:15b.ACT.006.015 Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]
7
7:1b.ACT.007.001 Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
7:2b.ACT.007.002 fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin'i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,
7:3b.ACT.007.003 ka nanao taminy hoe: Mialà amin'ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin'ny tany izay hasehoko anao (Gen. 12. 1).
7:4b.ACT.007.004 Dia niala tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran'Andriamanitra niala teo izy hankany amin'ny tany izay onenanareo ankehitriny.
7:5b.ACT.007.005 Ary tsy nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.
7:6b.ACT.007.006 Ary nolazain'Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin'ny tanin'ny firenena hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.
7:7b.ACT.007.007 Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin'ity tany ity (Gen. 15. 13, 14).
7:8b.ACT.007.008 Ary nomeny fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'isaka izy ka namora azy tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin'ny folo lahy.
7:9b.ACT.007.009 Ary nialona an'i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy
7:10b.ACT.007.010 ka nahafaka azy tamin'ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason'i Farao, mpanjakan'i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin'izay rehetra tao an-dapany.
7:11b.ACT.007.011 Ary nisy mosary eran'i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.
7:12b.ACT.007.012 Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin'ny voalohany.
7:13b.ACT.007.013 Ary tamin'ny fanindroany dia fantatr'izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr'i Farao koa ny havan'i Josefa.
7:14b.ACT.007.014 Ary Josefa naniraka ka nampaka an'i Jakoba rainy mbamin'ny mpianakaviny rehetra, dia olona dimy amby fito-polo izy.
7:15b.ACT.007.015 Ary Jakoba nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;
7:16b.ACT.007.016 ary nentina ho any Sekema izy ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hamora tany Sekema.
7:17b.ACT.007.017 Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
7:18b.ACT.007.018 mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
7:19b.ACT.007.019 Ary izy nanao hafetsena tamin'ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.
7:20b.ACT.007.020 Tamin'izany andro izany no nahaterahan'i Mosesy, ary tsara teo anatrehan'Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon'ny rainy.
7:21b.ACT.007.021 Fa rehefa nariana izy, dia nalain'ny zanakavavin'i Farao ka notezainy ho zanany.
7:22b.ACT.007.022 Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny teniny sy ny asany izy.
7:23b.ACT.007.023 Ary rehefa ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak'isiraely, rahalahiny
7:24b.ACT.007.024 Ary raha nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana ary namonjy ilay nampahorina.
7:25b.ACT.007.025 Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen'Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany.
7:26b.ACT.007.026 Ary nony ampitson'iny dia niseho tamin'ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
7:27b.ACT.007.027 Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
7:28b.ACT.007.028 Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana omaly? (Eks. 2. 13, 14.)
7:29b.ACT.007.029 Ary tamin'izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
7:30b.ACT.007.030 Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy.
7:31b.ACT.007.031 Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon'ny Tompo nanao hoe:
7:32b.ACT.007.032 Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks. 3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
7:33b.ACT.007.033 Ary hoy Jehovah taminy: Esory ny kapa amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io.
7:34b.ACT.007.034 Hitako tokoa ny fahorian'ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10).
7:35b.ACT.007.035 Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban'ny tanan'ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy.
7:36b.ACT.007.036 Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
7:37b.ACT.007.037 Izany no Mosesy izay nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo. 18. 15).
7:38b.ACT.007.038 Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.
7:39b.ACT.007.039 Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an'i Egypta ny fony,
7:40b.ACT.007.040 ka hoy izy tamin'i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy (Eks. 32. 1).
7:41b.ACT.007.041 Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin'izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin'ny sampy ka niravoravo tamin'ny asan'ny tànany.
7:42b.ACT.007.042 Fa Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin'ny lanitra; araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany an-efitra va ianareo, ry taranak'isiraely?
7:43b.ACT.007.043 Tsia, fa nobetainareo ny tranolain'i Moloka sy ny kintan'ny andriamanitra atao hoe Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo ho any ankoatr'i Babylona Aho (Amo. 5. 25-27).
7:44b.ACT.007.044 Ny trano-lain'ny Vavolombelona dia teo amin'ny razantsika tany an-efitra, tahaka ny voatendrin'izay niteny tamin'i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany.
7:45b.ACT.007.045 Izany koa dia noraisin'ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin'i Josoa tamin'ny nahazoany ny tanin'ny firenena izay noroahin'Andriamanitra hiala teo anoloan'ny razantsika hatramin'ny andron'i Davida;
7:46b.ACT.007.046 izy nahita fitia anatrehan'Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
7:47b.ACT.007.047 Fa Solomona kosa no nanao trano ho Azy.
7:48b.ACT.007.048 Kanefa ny Avo Indrindra tsy mitoetra ao amin'izay nataon-tànan'olona; araka ny nolazain'ny mpaminany hoe:
7:49b.ACT.007.049 Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
7:50b.ACT.007.050 Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao? (Isa. 66. 1, 2.)
7:51b.ACT.007.051 Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa.
7:52b.ACT.007.052 Iza no mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian'ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo,
7:53b.ACT.007.053 dia olona izay nahazo ny lalàna tamin'ny nandaharan'anjely azy, nefa tsy nankato izany.
7:54b.ACT.007.054 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
7:55b.ACT.007.055 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra,
7:56b.ACT.007.056 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra.
7:57b.ACT.007.057 Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
7:58b.ACT.007.058 dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
7:59b.ACT.007.059 Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
7:60b.ACT.007.060 Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
8
8:1b.ACT.008.001 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
8:2b.ACT.008.002 Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra.
8:3b.ACT.008.003 Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
8:4b.ACT.008.004 Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.
8:5b.ACT.008.005 Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.
8:6b.ACT.008.006 Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.
8:7b.ACT.008.007 Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
8:8b.ACT.008.008 Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany.
8:9b.ACT.008.009 Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
8:10b.ACT.008.010 ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.
8:11b.ACT.008.011 Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny.
8:12b.ACT.008.012 Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
8:13b.ACT.008.013 Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
8:14b.ACT.008.014 Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy.
8:15b.ACT.008.015 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.
8:16b.ACT.008.016 Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy.
8:17b.ACT.008.017 Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.
8:18b.ACT.008.018 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy
8:19b.ACT.008.019 ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.
8:20b.ACT.008.020 Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra.
8:21b.ACT.008.021 Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra.
8:22b.ACT.008.022 Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao.
8:23b.ACT.008.023 Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.
8:24b.ACT.008.024 Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.
8:25b.ACT.008.025 Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny Samaritana.
8:26b.ACT.008.026 Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.
8:27b.ACT.008.027 Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;
8:28b.ACT.008.028 dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany
8:29b.ACT.008.029 Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io.
8:30b.ACT.008.030 Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
8:31b.ACT.008.031 Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [ Gr. mitari-dalana]
8:32b.ACT.008.032 Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy;
8:33b.ACT.008.033 Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy ? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [ Na: ny fianakaviany]
8:34b.ACT.008.034 Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?
8:35b.ACT.008.035 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy.
8:36b.ACT.008.036 Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
8:37b.ACT.008.037 [ Ampio hoe: 37 Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra]
8:38b.ACT.008.038 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy.
8:39b.ACT.008.039 Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly.Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
8:40b.ACT.008.040 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
9
9:1b.ACT.009.001 [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy
9:2b.ACT.009.002 ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
9:3b.ACT.009.003 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy;
9:4b.ACT.009.004 dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
9:5b.ACT.009.005 Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
9:6b.ACT.009.006 fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.
9:7b.ACT.009.007 Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.
9:8b.ACT.009.008 Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
9:9b.ACT.009.009 Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
9:10b.ACT.009.010 Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
9:11b.ACT.009.011 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;
9:12b.ACT.009.012 ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
9:13b.ACT.009.013 Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.
9:14b.ACT.009.014 Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
9:15b.ACT.009.015 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely;
9:16b.ACT.009.016 fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
9:17b.ACT.009.017 Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.
9:18b.ACT.009.018 Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
9:19b.ACT.009.019 ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. [Ny nitorian'i Saoly tany Damaskosy sy Jerosalema] Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy.
9:20b.ACT.009.020 Ary niaraka tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa Zanak'Andriamanitra.
9:21b.ACT.009.021 Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.
9:22b.ACT.009.022 Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy. [ Gr. Ity]
9:23b.ACT.009.023 Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
9:24b.ACT.009.024 nefa fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman'alina hamonoany azy.
9:25b.ACT.009.025 Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda.
9:26b.ACT.009.026 Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
9:27b.ACT.009.027 Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.
9:28b.ACT.009.028 Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,
9:29b.ACT.009.029 sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
9:30b.ACT.009.030 Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
9:31b.ACT.009.031 Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.
9:32b.ACT.009.032 [Ny nandehanan'i Petera nitety tany, sy ny nananganany an'i Dorkasy tamin'ny maty] Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona masina nonina tany Lyda koa.
9:33b.ACT.009.033 Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.
9:34b.ACT.009.034 Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.
9:35b.ACT.009.035 Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
9:36b.ACT.009.036 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany. [ Dorkasy = Gazela; izahao 2 Sam. 2,18]
9:37b.ACT.009.037 Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.
9:38b.ACT.009.038 Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
9:39b.ACT.009.039 Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.
9:40b.ACT.009.040 Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina.
9:41b.ACT.009.041 Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
9:42b.ACT.009.042 Ary dia fantatra eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.
9:43b.ACT.009.043 Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.
10
10:1b.ACT.010.001 [Ny amin'i Kornelio] Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana;
10:2b.ACT.010.002 ary mpivavaka tsara sady natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva.
10:3b.ACT.010.003 Ary izy nahita miharihary tamin'ny fahitana, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin'Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio.
10:4b.ACT.010.004 Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra.
10:5b.ACT.010.005 Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera;
10:6b.ACT.010.006 mitoetra ao amin'i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
10:7b.ACT.010.007 Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin'i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan'izay nanaraka azy isan'andro.
10:8b.ACT.010.008 Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
10:9b.ACT.010.009 Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.
10:10b.ACT.010.010 Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
10:11b.ACT.010.011 ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany;
10:12b.ACT.010.012 ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voro-manidina.
10:13b.ACT.010.013 Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.
10:14b.ACT.010.014 Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.
10:15b.ACT.010.015 Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
10:16b.ACT.010.016 Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra.
10:17b.ACT.010.017 Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka nijanona teo am-bavahady,
10:18b.ACT.010.018 dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
10:19b.ACT.010.019 Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;
10:20b.ACT.010.020 fa mitsangàna ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.
10:21b.ACT.010.021 Ary Petera nidina tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton'ny ahatongavanareo atỳ?
10:22b.ACT.010.022 Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
10:23b.ACT.010.023 Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
10:24b.ACT.010.024 Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.
10:25b.ACT.010.025 Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy.
10:26b.ACT.010.026 Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.
10:27b.ACT.010.027 Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
10:28b.ACT.010.028 Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
10:29b.ACT.010.029 Ary amin'izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?
10:30b.ACT.010.030 Dia hoy Kornelio: Loak'andro afak'omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
10:31b.ACT.010.031 ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny fiantranao.
10:32b.ACT.010.032 Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
10:33b.ACT.010.033 Koa niaraka tamin'izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan'Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian'ny Tompo anao.
10:34b.ACT.010.034 Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra;
10:35b.ACT.010.035 fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
10:36b.ACT.010.036 Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin'ny Zanak'isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin'ny alalan'i Jesosy Kristy (Izy no Tompon'izao rehetra izao),
10:37b.ACT.010.037 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i Jesosy avy any Nazareta,
10:38b.ACT.010.038 Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.
10:39b.ACT.010.039 Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra izay nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin'ny hazo;
10:40b.ACT.010.040 nefa natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro fahatelo ka nasehony marimarina,
10:41b.ACT.010.041 tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.
10:42b.ACT.010.042 Ary Izy nandidy anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
10:43b.ACT.010.043 Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
10:44b.ACT.010.044 Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.
10:45b.ACT.010.045 Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'i Petera, satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
10:46b.ACT.010.046 Fa nandre azy niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe:
10:47b.ACT.010.047 Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.
10:48b.ACT.010.048 Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.
11
11:1b.ACT.011.001 [Ny namalian'i Petera ny olona izay nanome tsiny azy] Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra.
11:2b.ACT.011.002 Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora
11:3b.ACT.011.003 ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin'ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
11:4b.ACT.011.004 Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe:
11:5b.ACT.011.005 Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
11:6b.ACT.011.006 ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
11:7b.ACT.011.007 Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
11:8b.ACT.011.008 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio.
11:9b.ACT.011.009 Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady.
11:10b.ACT.011.010 Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.
11:11b.ACT.011.011 Ary tamin'izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
11:12b.ACT.011.012 Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
11:13b.ACT.011.013 Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
11:14b.ACT.011.014 izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
11:15b.ACT.011.015 Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
11:16b.ACT.011.016 Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.
11:17b.ACT.011.017 Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?
11:18b.ACT.011.018 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
11:19b.ACT.011.019 [Ny nandrosoan'ny tenin'Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran'i Barnabasy sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.
11:20b.ACT.011.020 Ary ny sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. [ Gr. Grika; na Helenista]
11:21b.ACT.011.021 Ary ny tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo.
11:22b.ACT.011.022 Ary ren'ny sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
11:23b.ACT.011.023 Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra.
11:24b.ACT.011.024 Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo.
11:25b.ACT.011.025 Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an'i Saoly.
11:26b.ACT.011.026 Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe.
11:27b.ACT.011.027 [Ny naminanian'i Agabo fa hisy mosary] Ary tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
11:28b.ACT.011.028 Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.
11:29b.ACT.011.029 Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin'ny loholona. [ Gr. presbytera]
11:30b.ACT.011.030 Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin'ny loholona. [ Gr. presbytera]
12
12:1b.ACT.012.001 [Ny amin'ny nanenjehana ny fiangonana, sy ny nanafahana an'i Petera tao an-tranomaizina] Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin'ny fiangonana.
12:2b.ACT.012.002 Ary izy namono an'i Jakoba, rahalahin'i Jaona, tamin'ny sabatra.
12:3b.ACT.012.003 Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy. (Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.)
12:4b.ACT.012.004 Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. [ Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy]
12:5b.ACT.012.005 Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy.
12:6b.ACT.012.006 Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera tamin'iny alina iny, sady voafatotra tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
12:7b.ACT.012.007 Ary, indro, nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra.
12:8b.ACT.012.008 Ary hoy ilay anjely taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
12:9b.ACT.012.009 Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy.
12:10b.ACT.012.010 Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy i]ay anjely.
12:11b.ACT.012.011 Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny fanantenan'ny Jiosy rehetra.
12:12b.ACT.012.012 Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
12:13b.ACT.012.013 Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.
12:14b.ACT.012.014 Ary rehefa nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
12:15b.ACT.012.015 Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
12:16b.ACT.012.016 Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.
12:17b.ACT.012.017 Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa.
12:18b.ACT.012.018 Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
12:19b.ACT.012.019 Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
12:20b.ACT.012.020 Ary Heroda tezitra loatra tamin'ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an'i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin'ny tanin'i Heroda. [ Gr. ny mpanjaka]
12:21b.ACT.012.021 Ary tamin'ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin'ny vahoaka.
12:22b.ACT.012.022 Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon'Andriamanitra izany, fa tsy an'olona!
12:23b.ACT.012.023 Ary niaraka tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy; ka dia nohanin'ny kankana izy ka maty.
12:24b.ACT.012.024 Ary nandroso sy niely ny tenin'Andriamanitra.Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. [ Na: niverina tany]
12:25b.ACT.012.025 Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. [ Na: niverina tany]
13
13:1b.ACT.013.001 [Ny nandefasana an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera, sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
13:2b.ACT.013.002 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
13:3b.ACT.013.003 Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
13:4b.ACT.013.004 Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
13:5b.ACT.013.005 Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
13:6b.ACT.013.006 Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
13:7b.ACT.013.007 izay nitoetra tao amin'i Serygio Paolo, governoran'ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin'Andriamanitra.
13:8b.ACT.013.008 Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
13:9b.ACT.013.009 Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy
13:10b.ACT.013.010 ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
13:11b.ACT.013.011 Ary, indro, ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
13:12b.ACT.013.012 Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo.
13:13b.ACT.013.013 Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
13:14b.ACT.013.014 Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo.
13:15b.ACT.013.015 Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny olona, dia ataovy.
13:16b.ACT.013.016 Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an'Andriamanitra, mihainoa;
13:17b.ACT.013.017 Andriamanitr'izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin'ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
13:18b.ACT.013.018 Ary Izy nandefitra tamin'ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona. [ Na: (nitondra azy tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany; izahao Deo. 1.31)]
13:19b.ACT.013.019 Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin'ireny izy
13:20b.ACT.013.020 tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin'i Samoela mpaminany.
13:21b.ACT.013.021 Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen'Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak'i Kisy, lehilahy avy tamin'ny firenen'i Benjamina.
13:22b.ACT.013.022 Ary rehefa nanaisotra an'i Saoly Izy, dia nanandratra an'i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an'i Davida, zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1 Sam. 13. 14; Sal. 89. 20).
13:23b.ACT.013.023 Avy tamin'ny taranak'izany lehilahy izany no nitondran'Andriamanitra an'i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,
13:24b.ACT.013.024 rehefa notorin'i Jaona tamin'ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan'ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy.
13:25b.ACT.013.025 Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
13:26b.ACT.013.026 Ry rahalahy, taranak'i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an'Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao.
13:27b.ACT.013.027 Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon'ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin'ny nanamelohany Azy.
13:28b.ACT.013.028 Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin'i Pilato ihany izy hamonoana Ary.
13:29b.ACT.013.029 Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin'i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin'ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
13:30b.ACT.013.030 Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin'ny maty.
13:31b.ACT.013.031 Ary Izy niseho andro maro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin'ny olona ankehitriny.
13:32b.ACT.013.032 Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin'ny razana,
13:33b.ACT.013.033 dia ny nahatanterahan'Andriamanitra izany tamin'ny zanatsika, raha nanangana an'i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany (Sal. 2. 7).
13:34b.ACT.013.034 Ary ny amin'ny nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy hiverina ho amin'ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida (Isa. 55. 3).
13:35b.ACT.013.035 Fa hoy Izy ao amin'ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao (Sal. 16. 10).
13:36b.ACT.013.036 Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lò; [Na. Fa Davida, rehefa nanompo ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry araka ny sitrapon'Andriamanitra]
13:37b.ACT.013.037 fa Izay natsangan'Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò.
13:38b.ACT.013.038 Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
13:39b.ACT.013.039 ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.
13:40b.ACT.013.040 Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin'ny mpaminany hoe:
13:41b.ACT.013.041 Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza (Hab. 1. 5)
13:42b.ACT.013.042 Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka.
13:43b.ACT.013.043 Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
13:44b.ACT.013.044 Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra.
13:45b.ACT.013.045 Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain'i Paoly, sady niteny ratsy. [ Gr. nanao blasfemia, izahao Mat. 9.3]
13:46b.ACT.013.046 Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay;
13:47b.ACT.013.047 fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa. 49. 6).
13:48b.ACT.013.048 Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino. [ Na: ny tenin'ny Tompo]
13:49b.ACT.013.049 Ary ny tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany.
13:50b.ACT.013.050 Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny.
13:51b.ACT.013.051 Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.
13:52b.ACT.013.052 Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.
14
14:1b.ACT.014.001 [Ny nitorian'i Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe, sy ny niverenany nankany Antiokia indray] Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa. [ Gr. Grika]
14:2b.ACT.014.002 Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy.
14:3b.ACT.014.003 Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany
14:4b.ACT.014.004 Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.
14:5b.ACT.014.005 Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny loholony,
14:6b.ACT.014.006 ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany manodidina, izy,
14:7b.ACT.014.007 dia nitory ny filazantsara tany.
14:8b.ACT.014.008 Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
14:9b.ACT.014.009 izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,
14:10b.ACT.014.010 dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.
14:11b.ACT.014.011 Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik'olona!
14:12b.ACT.014.012 Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra. [ Gr. Zeosy] [ Gr. Hermesy]
14:13b.ACT.014.013 Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
14:14b.ACT.014.014 Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe:
14:15b.ACT.014.015 Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,
14:16b.ACT.014.016 Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin'ny lalana tiany haleha tamin'ny andro lasa.
14:17b.ACT.014.017 Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana.
14:18b.ACT.014.018 Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.
14:19b.ACT.014.019 Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.
14:20b.ACT.014.020 Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.
14:21b.ACT.014.021 Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,
14:22b.ACT.014.022 nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
14:23b.ACT.014.023 Ary rehefa nanendry loholona teo amin'ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an'ny Tompo Izay efa ninoany. [ Na: nampananga-tanana nifidy] [ Gr. presbytera]
14:24b.ACT.014.024 Ary rehefa nandeha namaky an'i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.
14:25b.ACT.014.025 Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.
14:26b.ACT.014.026 Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny asa izay novitainy.
14:27b.ACT.014.027 Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an'ny jentilisa.Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.
14:28b.ACT.014.028 Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.
15
15:1b.ACT.015.001 [Ny nifandiran'ny sasany ny amin'ny famorana, sy ny nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin'izany] Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
15:2b.ACT.015.002 Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin'ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran'izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin'ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany. [ Gr. presbytera]
15:3b.ACT.015.003 Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
15:4b.ACT.015.004 Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin'ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy. [ Gr. presbytera]
15:5b.ACT.015.005 Fa ny mino sasany, izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn'i Mosesy.
15:6b.ACT.015.006 Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany. [ Gr. presbytera]
15:7b.ACT.015.007 Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin'ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin'ny vavako no handrenesan'ny jentilisa ny tenin'ny filazantsara ka hinoany.
15:8b.ACT.015.008 Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
15:9b.ACT.015.009 fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony.
15:10b.ACT.015.010 Koa nahoana ianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?
15:11b.ACT.015.011 Fa mino isika fa ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
15:12b.ACT.015.012 Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa.
15:13b.ACT.015.013 Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:
15:14b.ACT.015.014 Simeona efa nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
15:15b.ACT.015.015 Ary mifanaraka amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
15:16b.ACT.015.016 Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;
15:17b.ACT.015.017 Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
15:18b.ACT.015.018 Izay manao izany zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany (Amo. 9. 11, 12).
15:19b.ACT.015.019 Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa izay miverina ho amin'Andriamanitra;
15:20b.ACT.015.020 fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.
15:21b.ACT.015.021 Fa hatramin'ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
15:22b.ACT.015.022 Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy; [ Gr. presbytera]
15:23b.ACT.015.023 ary nanoratra taratasy izy ho entin'ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin'ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia. [ Gr. presbytera]
15:24b.ACT.015.024 Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,
15:25b.ACT.015.025 dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,
15:26b.ACT.015.026 lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.
15:27b.ACT.015.027 Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.
15:28b.ACT.015.028 Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
15:29b.ACT.015.029 dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.
15:30b.ACT.015.030 Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.
15:31b.ACT.015.031 Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.
15:32b.ACT.015.032 Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy.
15:33b.ACT.015.033 Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin'ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin'izay naniraka azy.
15:34b.ACT.015.034 [ Ampio hoe: 34 Nefa mbola sitrak'i Silasy ny hitoetra ao]
15:35b.ACT.015.035 Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin'ny Tompo izy roa lahy mbamin'ny maro koa.
15:36b.ACT.015.036 [Ny niaingan'i Paoly fanindroany hitety vohitra tany Asia Minora] Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin'i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin'ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.
15:37b.ACT.015.037 Ary tian'i Barnabasy ny hitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
15:38b.ACT.015.038 Nefa nataon'i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin'ny raharaha.
15:39b.ACT.015.039 Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an'i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy.
15:40b.ACT.015.040 Fa Paoly kosa nifidy an'i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin'ny fahasoavan'ny Tompo izy.Dia nandeha namaky an'i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.
15:41b.ACT.015.041 Dia nandeha namaky an'i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.
16
16:1b.ACT.016.001 Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy - [ Gr. Grika]
16:2b.ACT.016.002 ary tsara laza teo amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
16:3b.ACT.016.003 Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy. [ Gr. Grika]
16:4b.ACT.016.004 Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.
16:5b.ACT.016.005 Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro.
16:6b.ACT.016.006 [Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao Filipy] Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
16:7b.ACT.016.007 ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy.
16:8b.ACT.016.008 Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
16:9b.ACT.016.009 Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
16:10b.ACT.016.010 Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any.
16:11b.ACT.016.011 Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
16:12b.ACT.016.012 Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. [ Gr. kolonia]
16:13b.ACT.016.013 Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo.
16:14b.ACT.016.014 Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly.
16:15b.ACT.016.015 Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
16:16b.ACT.016.016 Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.
16:17b.ACT.016.017 Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
16:18b.ACT.016.018 Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.
16:19b.ACT.016.019 Ary nony hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe;
16:20b.ACT.016.020 ary rehefa nentiny tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
16:21b.ACT.016.021 ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
16:22b.ACT.016.022 Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy.
16:23b.ACT.016.023 Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
16:24b.ACT.016.024 Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
16:25b.ACT.016.025 Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
16:26b.ACT.016.026 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra.
16:27b.ACT.016.027 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
16:28b.ACT.016.028 Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
16:29b.ACT.016.029 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy.
16:30b.ACT.016.030 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
16:31b.ACT.016.031 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
16:32b.ACT.016.032 Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony.
16:33b.ACT.016.033 Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra.
16:34b.ACT.016.034 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.
16:35b.ACT.016.035 Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
16:36b.ACT.016.036 Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
16:37b.ACT.016.037 Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin'ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
16:38b.ACT.016.038 Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin'ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
16:39b.ACT.016.039 Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
16:40b.ACT.016.040 Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
17
17:1b.ACT.017.001 [Ny nankanesan'i Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy Beria] Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao.
17:2b.ACT.017.002 Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao.
17:3b.ACT.017.003 Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.
17:4b.ACT.017.004 Ary ny sasany tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin'ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy nanan-kaja. [ Gr. Grika]
17:5b.ACT.017.005 Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon'i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin'ny olona.
17:6b.ACT.017.006 Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an'i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin'ny lehiben'ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;
17:7b.ACT.017.007 ary efa nampandrosoin'i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin'i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.
17:8b.ACT.017.008 Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben'ny tanàna, raha nahare izany.
17:9b.ACT.017.009 Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.
17:10b.ACT.017.010 Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.
17:11b.ACT.017.011 Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia.
17:12b.ACT.017.012 Koa maro tamin'ireo no nino, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy jentilisa nanan-kaja sy ny lehilahy.
17:13b.ACT.017.013 Fa raha ren'ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin'Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.
17:14b.ACT.017.014 Ary niaraka tamin'izay dia nasain'ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.
17:15b.ACT.017.015 Ary izay nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin'i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.
17:16b.ACT.017.016 [Ny nataon'i Paoly tany Atena] Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.
17:17b.ACT.017.017 Ary izy niady hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta tao amin'ny synagoga sy tamin'izay tafavory tany an-tsena isan'andro.
17:18b.ACT.017.018 Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny. [ Gr. mpitsindroka]
17:19b.ACT.017.019 Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?
17:20b.ACT.017.020 Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr'izany zavatra izany.
17:21b.ACT.017.021 (Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)
17:22b.ACT.017.022 Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo.
17:23b.ACT.017.023 Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
17:24b.ACT.017.024 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,
17:25b.ACT.017.025 sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra;
17:26b.ACT.017.026 ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany,
17:27b.ACT.017.027 mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
17:28b.ACT.017.028 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
17:29b.ACT.017.029 Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona.
17:30b.ACT.017.030 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,
17:31b.ACT.017.031 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.
17:32b.ACT.017.032 Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany.
17:33b.ACT.017.033 Ary Paoly dia niala teo aminy.Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.
17:34b.ACT.017.034 Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.
18
18:1b.ACT.018.001 [Ny nahatongavan'i Paoly tao Korinto, sy ny nampianarany tao herintoana sy enim-bolana] Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto.
18:2b.ACT.018.002 Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin'izy mivady Paoly.
18:3b.ACT.018.003 Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany.
18:4b.ACT.018.004 Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa.
18:5b.ACT.018.005 Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
18:6b.ACT.018.006 Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho.
18:7b.ACT.018.007 Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga.
18:8b.ACT.018.008 Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.
18:9b.ACT.018.009 Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina;
18:10b.ACT.018.010 fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho.
18:11b.ACT.018.011 Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy.
18:12b.ACT.018.012 Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an'i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin'ny fitsarana,
18:13b.ACT.018.013 ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin'Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna.
18:14b.ACT.018.014 Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin'ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo.aho;
18:15b.ACT.018.015 fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany.
18:16b.ACT.018.016 Ary nandroaka azy hiala teo anoloan'ny fitsarana izy.
18:17b.ACT.018.017 Ary izy rehetra nisambotra an'i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan'ny fitsarana. Nefa tsy nahoan'i Galio izany zavatra izany.
18:18b.ACT.018.018 [Ny niverenan'i Paoly nankany Antiokia, sy ny nandehanany indray namaky an'i Galatia sy Frygia, ary ny nahatongavany tao Efesosy sy ny nampianarany tao] Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.
18:19b.ACT.018.019 Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tamin'ny Jiosy.
18:20b.ACT.018.020 Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy,
18:21b.ACT.018.021 fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha sitrapon'Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.
18:22b.ACT.018.022 Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.
18:23b.ACT.018.023 Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.
18:24b.ACT.018.024 Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina.
18:25b.ACT.018.025 Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan'ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany.
18:26b.ACT.018.026 Ary izy niteny tamin'ny fahasahiana teo amin'ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny lalan'Andriamanitra.
18:27b.ACT.018.027 Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.
18:28b.ACT.018.028 fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.
19
19:1b.ACT.019.001 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
19:2b.ACT.019.002 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.
19:3b.ACT.019.003 Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona.
19:4b.ACT.019.004 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
19:5b.ACT.019.005 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo.
19:6b.ACT.019.006 Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
19:7b.ACT.019.007 Ary tokony ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra.
19:8b.ACT.019.008 Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
19:9b.ACT.019.009 Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano. [ Gr. lalana]
19:10b.ACT.019.010 Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa. [ Gr. Grika]
19:11b.ACT.019.011 Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
19:12b.ACT.019.012 ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
19:13b.ACT.019.013 Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho.
19:14b.ACT.019.014 Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany.
19:15b.ACT.019.015 Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
19:16b.ACT.019.016 Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
19:17b.ACT.019.017 Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran'i Jesosy Tompo.
19:18b.ACT.019.018 Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
19:19b.ACT.019.019 Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
19:20b.ACT.019.020 Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny.
19:21b.ACT.019.021 Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an'i Roma koa.
19:22b.ACT.019.022 Ary ny roa lahy tamin'izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
19:23b.ACT.019.023 [Ny tabataba nataon'i Demetrio sy ny namany tao Efesosy] Ary tamin'izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin'izany fampianarana izany. [ Gr. lalana]
19:24b.ACT.019.024 Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin'ny tempolin'i Diana tamin'ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy; [ Gr. Artemisy]
19:25b.ACT.019.025 ireny mbamin'ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin'izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
19:26b.ACT.019.026 Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an'i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
19:27b.ACT.019.027 Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan'i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
19:28b.ACT.019.028 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
19:29b.ACT.019.029 Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an'i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin'i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
19:30b.ACT.019.030 Ary raha te-hiditra ho any amin'ny olona Paoly, dia tsy navelan'ny mpianatra.
19:31b.ACT.019.031 Ary ny lehibe sasany tany Asia, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana. [ Gr. Asiarka]
19:32b.ACT.019.032 Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton'ny niangonany teo.
19:33b.ACT.019.033 Ary nisy nisarika an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona.
19:34b.ACT.019.034 Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
19:35b.ACT.019.035 Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera ? [ Gr. Zeosy]
19:36b.ACT.019.036 Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
19:37b.ACT.019.037 Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
19:38b.ACT.019.038 Koa raha manan-teny hifamaliana amin'olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
19:39b.ACT.019.039 Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin'izay fivoriana voatendrin'ny lalàna.
19:40b.ACT.019.040 Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
19:41b.ACT.019.041 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
20
20:1b.ACT.020.001 [Ny nankanesan'i Paoly tany Grisia indray, sy ny niverenany tany Asia] Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy.
20:2b.ACT.020.002 Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin'ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia.
20:3b.ACT.020.003 Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i Makedonia.
20:4b.ACT.020.004 Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
20:5b.ACT.020.005 Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy.
20:6b.ACT.020.006 Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.
20:7b.ACT.020.007 Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.
20:8b.ACT.020.008 Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.
20:9b.ACT.020.009 Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
20:10b.ACT.020.010 Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.
20:11b.ACT.020.011 Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha.
20:12b.ACT.020.012 Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.
20:13b.ACT.020.013 Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an'i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety izy. [ Na: handeha tongotra]
20:14b.ACT.020.014 Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.
20:15b.ACT.020.015 Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin'i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson'iny. [ Ampio hoe: (rehefa nitoetra any Trogilio, dia)]
20:16b.ACT.020.016 Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
20:17b.ACT.020.017 [Ny anatra nataon'i Paoly tamin'ny loholon'ny fiangonana tao Efesosy] Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon'ny fiangonana hankeo aminy. [ Gr. presbytera]
20:18b.ACT.020.018 Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin'izany andro rehetra izany,
20:19b.ACT.020.019 dia ny nanompoako ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy,
20:20b.ACT.020.020 ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano;
20:21b.ACT.020.021 ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. [ Gr. Grika]
20:22b.ACT.020.022 Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, [ mifatotra]
20:23b.ACT.020.023 afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.
20:24b.ACT.020.024 Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
20:25b.ACT.020.025 Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana.
20:26b.ACT.020.026 Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin'ny ranareo rehetra aho.
20:27b.ACT.020.027 Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra.
20:28b.ACT.020.028 Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan'Andriamanitra, izay novidiny tamin'ny ràny.
20:29b.ACT.020.029 Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. [ Gr. lopa]
20:30b.ACT.020.030 Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
20:31b.ACT.020.031 Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman'alina tamin'ny ranomaso.
20:32b.ACT.020.032 Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina.
20:33b.ACT.020.033 Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban'olona aho.
20:34b.ACT.020.034 Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.
20:35b.ACT.020.035 Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
20:36b.ACT.020.036 Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.
20:37b.ACT.020.037 Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon'i Paoly ka nanoroka azy,sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy. [Ny nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy]
20:38b.ACT.020.038 sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy. [Ny nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy]
21
21:1b.ACT.021.001 [Ary nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy] Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;
21:2b.ACT.021.002 ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
21:3b.ACT.021.003 Ary nony nahatsinjo an'i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin'ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan'ny sambo.
21:4b.ACT.021.004 Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin'ny Fanahy hilaza amin'i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.
21:5b.ACT.021.005 Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan'ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka;
21:6b.ACT.021.006 ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody.
21:7b.ACT.021.007 Ary ny niafaran'ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro.
21:8b.ACT.021.008 Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon'i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin'izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
21:9b.ACT.021.009 Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
21:10b.ACT.021.010 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia.
21:11b.ACT.021.011 Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy.
21:12b.ACT.021.012 Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema.
21:13b.ACT.021.013 Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo.
21:14b.ACT.021.014 Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao.
21:15b.ACT.021.015 Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
21:16b.ACT.021.016 Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana.
21:17b.ACT.021.017 Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy.
21:18b.ACT.021.018 Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra. ]Gr. presbytera]
21:19b.ACT.021.019 Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy.
21:20b.ACT.021.020 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,
21:21b.ACT.021.021 sady efa novokisan'olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.
21:22b.ACT.021.022 Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.
21:23b.ACT.021.023 Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay nivoady;
21:24b.ACT.021.024 raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.
21:25b.ACT.021.025 Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
21:26b.ACT.021.026 Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.
21:27b.ACT.021.027 [Ny nisamborana an'i Paoly, sy ny teny nalahany tamin'izany] Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly ny Jiosy avy tany Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an'i Paoly,
21:28b.ACT.021.028 ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan'ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina. [ Gr. Grika]
21:29b.ACT.021.029 (fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly izy).
21:30b.ACT.021.030 Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan'ny tempoly; ary niaraka tamin'izay dia narindrina ny vavahady.
21:31b.ACT.021.031 Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin'ny mpifehy arivo tamin'ny antokon'ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
21:32b.ACT.021.032 ary niaraka tamin'izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an'i Paoly.
21:33b.ACT.021.033 Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin'ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
21:34b.ACT.021.034 Ary ny sasany tamin'ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.
21:35b.ACT.021.035 Ary rehefa tonga teo amin'ny ambaratonga izy, dia nobetain'ny miaramila noho ny fifanosehan'ny olona;
21:36b.ACT.021.036 fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio!
21:37b.ACT.021.037 Ary rehefa nentiny tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin'ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao?
21:38b.ACT.021.038 Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra?
21:39b.ACT.021.039 Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin'izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin'ny olona.Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin'ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin'ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:
21:40b.ACT.021.040 Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin'ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin'ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:
22
22:1b.ACT.022.001 Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako.
22:2b.ACT.022.002 Ary nony ren'ny olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly:
22:3b.ACT.022.003 Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.
22:4b.ACT.022.004 Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin'ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina; [ Gr. lalana]
22:5b.ACT.022.005 ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin'ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.
22:6b.ACT.022.006 Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;
22:7b.ACT.022.007 dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
22:8b.ACT.022.008 Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao.
22:9b.ACT.022.009 Ary izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon'izay niteny tamiko izy.
22:10b.ACT.022.010 Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.
22:11b.ACT.022.011 Ary raha tsy nahajery aho noho ny famirapiratan'izany mazava izany, dia notantanan'ireo niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy.
22:12b.ACT.022.012 Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin'ny Jiosy rehetra izay nonina teo,
22:13b.ACT.022.013 dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin'izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
22:14b.ACT.022.014 Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
22:15b.ACT.022.015 fa ho vavolombelony amin'ny olona rehetra ianao ny amin'izay efa hitanao sy renao.
22:16b.ACT.022.016 Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.
22:17b.ACT.022.017 Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan'ny tempoly, dia azon-tsindrimandry
22:18b.ACT.022.018 ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an'i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.
22:19b.ACT.022.019 Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin'ny synagoga rehetra;
22:20b.ACT.022.020 ary raha nalatsaka ny ran'i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian'izay namono azy.
22:21b.ACT.022.021 Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin'ny jentilisa.
22:22b.ACT.022.022 Ary ny olona nihaino azy hatramin'izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin'ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!
22:23b.ACT.022.023 Ary raha niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin'ny rivotra izy,
22:24b.ACT.022.024 dia nasain'ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin'ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran'ny olona azy toy izany.
22:25b.ACT.022.025 Ary raha namatotra azy tamin'ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina?
22:26b.ACT.022.026 Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin'ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io.
22:27b.ACT.022.027 Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny.
22:28b.ACT.022.028 Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.
22:29b.ACT.022.029 Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
22:30b.ACT.022.030 [Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
23
23:1b.ACT.023.001 Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara mandraka androany.
23:2b.ACT.023.002 Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
23:3b.ACT.023.003 Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
23:4b.ACT.023.004 Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben'Andriamanitra?
23:5b.ACT.023.005 Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao (Eks. 22. 27).
23:6b.ACT.023.006 Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.
23:7b.ACT.023.007 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.
23:8b.ACT.023.008 Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
23:9b.ACT.023.009 Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
23:10b.ACT.023.010 Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.
23:11b.ACT.023.011 Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.
23:12b.ACT.023.012 [Ny namindrana an'i Paoly nankany Kaisaria mba tsy ho azon'izay efa nianiana hahafaty azy] Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an'i Paoly.
23:13b.ACT.023.013 Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.
23:14b.ACT.023.014 Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly.
23:15b.ACT.023.015 Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.
23:16b.ACT.023.016 Ary nony ren'ny zanak'anabavin'i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anatirova izy ka nilaza tamin'i Paoly.
23:17b.ACT.023.017 Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.
23:18b.ACT.023.018 Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.
23:19b.ACT.023.019 Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
23:20b.ACT.023.020 Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an'i Paoly ho any amin'ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.
23:21b.ACT.023.021 Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.
23:22b.ACT.023.022 Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.
23:23b.ACT.023.023 Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin'ny ora fahatelo;
23:24b.ACT.023.024 ary itondray biby koa hitaingenan'i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin'i Feliksa mpanapaka.
23:25b.ACT.023.025 Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao:
23:26b.ACT.023.026 Klaodio Lysia miarahaba an'i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra.
23:27b.ACT.023.027 Ity lehilahy ity dia nosamborin'ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.
23:28b.ACT.023.028 Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin'ny Synedriona izy;
23:29b.ACT.023.029 dia hitako fa ady hevitra ny amin'ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.
23:30b.ACT.023.030 Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy. [ Ampio hoe. [Veloma]
23:31b.ACT.023.031 Dia nalain'ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin'iny alina iny ho any Antipatria.
23:32b.ACT.023.032 Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova.
23:33b.ACT.023.033 Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin'ny mpanapaka sady nanolotra an'i Paoly ho eo anatrehany koa.
23:34b.ACT.023.034 Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan'i Heroda izy. [ Gr. pretoria]
23:35b.ACT.023.035 dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan'i Heroda izy. [ Gr. pretoria]
24
24:1b.ACT.024.001 [Ny nitsarana an'i Paoly teo anatrehan'i Feliksa, sy ny nifatorany roa taona tao Kaisaria] Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka ny niampangany an'i Paoly.
24:2b.ACT.024.002 Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
24:3b.ACT.024.003 Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin'ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô.
24:4b.ACT.024.004 Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin'ny faharetana izahay.
24:5b.ACT.024.005 Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko atao hoe Nazarena.
24:6b.ACT.024.006 Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy; [ Ampio hoe: ka tianay hotsaraina araka ny lalànay]
24:7b.ACT.024.007 [Fa tonga Lysia, mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka naka azy teo an-tananay. Ary nasainy nankaty aminao ny mpiampanga azy]
24:8b.ACT.024.008 ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.
24:9b.ACT.024.009 Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
24:10b.ACT.024.010 Ary rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
24:11b.ACT.024.011 fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin'ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
24:12b.ACT.024.012 Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo an-kianjan'ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao an-tanàna;
24:13b.ACT.024.013 ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
24:14b.ACT.024.014 Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany,
24:15b.ACT.024.015 ary manantena amin'Andriamanitra aho, izay antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny marina sy ny meloka.
24:16b.ACT.024.016 Ary amin'izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin'Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva.
24:17b.ACT.024.017 Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko.
24:18b.ACT.024.018 Ary tamin'izay dia hitany voadio teo an-kianjan'ny tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na tamin'ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,
24:19b.ACT.024.019 - tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
24:20b.ACT.024.020 Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan'ny Synedriona aho,
24:21b.ACT.024.021 afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin'ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
24:22b.ACT.024.022 Ary satria fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. [ Gr. lalàna]
24:23b.ACT.024.023 Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an'i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin'ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
24:24b.ACT.024.024 Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an'i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an'i Kristy Jesosy.
24:25b.ACT.024.025 Ary raha nitory ny amin'ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho.
24:26b.ACT.024.026 Sady nanantena koa izy fa homen'i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
24:27b.ACT.024.027 Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
25
25:1b.ACT.025.001 [Ny hevitra nataon'ny Jiosy hahafaty an'i Paoly, sy ny nangatahan'i Paoly hotsarain'i Kaisara] Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.
25:2b.ACT.025.002 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin'ny Jiosy nanambara taminy izay niampangany an'i Paoly sady niangavy taminy
25:3b.ACT.025.003 ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalana izy hamonoany azy.
25:4b.ACT.025.004 Ary Festosy namaly fa Paoly dia ambenana any Kaisaria, sady izy koa efa hankany faingana.
25:5b.ACT.025.005 Koa izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko ka hiampanga an-dralehilahy, raha manan-keloka izy.
25:6b.ACT.025.006 Ary rehefa nitoetra teo aminy tsy mihoatra noho ny havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany Kaisaria; ary nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ka nasainy halaina Paoly.
25:7b.ACT.025.007 Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy;
25:8b.ACT.025.008 fa Paoly nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin'ny lalàn'ny Jiosy, na tamin'ny tempoly, na tamin'i Kaisara.
25:9b.ACT.025.009 Nefa Festosy ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, dia namaly an'i Paoly ka nanao hoe: Tianao va hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any ny amin'izany zavatra izany?
25:10b.ACT.025.010 Fa hoy Paoly: Eto amin'ny fitsaran'i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na ianao aza dia mahafantatra izany marina.
25:11b.ACT.025.011 Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan'ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin'ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan'i Kaisara aho.
25:12b.ACT.025.012 Ary rehefa niresaka tamin'ny mpanolo-tsaina Festosy, dia namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara ianao, ka dia ho any amin'i Kaisara ihany ianao.
25:13b.ACT.025.013 [Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'i Agripa sy Berenika] Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an'i Festosy.
25:14b.ACT.025.014 Ary rehefa nitoetra teo andro maro izy, dia nambaran'i Festosy tamin'ny mpanjaka ny amin'i Paoly, ka hoy izy: Misy mpifatotra anankiray ato navelan'i Feliksa,
25:15b.ACT.025.015 koa tamin'izaho tany Jerosalema ny mpisorona sy ny loholon'ny Jiosy niampanga azy ka nangataka izay hanamelohana azy.
25:16b.ACT.025.016 Fa namaly azy kosa aho hoe: Tsy fanaon'ny Romana ny manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga, ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny amin'izay niampangan'ireo azy izy.
25:17b.ACT.025.017 Ary raha tonga tatỳ izy, dia tsy mba nijanonjanona aho, fa nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana, ka nasaiko nalaina ralehilahy.
25:18b.ACT.025.018 Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko izy tsy akory,
25:19b.ACT.025.019 fa nanana ady hevitra taminy ny amin'ny fivavahany sy ny amin'izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain'i Paoly ho velona.
25:20b.ACT.025.020 Ary satria variana ny hevitro ny amin'ny hitsarana izany zavatra izany, dia nanontany aho na tian-dralehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin'izany zavatra izany, na tsia,
25:21b.ACT.025.021 Ary rehefa nangataka hambenana hotsarain'ny mpanjaka Paoly, dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin'i Kaisara.
25:22b.ACT.025.022 Dia hoy Agripa tamin'i Festosy: Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary dia handre azy ihany ianao.
25:23b.ACT.025.023 Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin'ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin'ny trano fihaonana niaraka tamin'ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny didin'i Festosy.
25:24b.ACT.025.024 Ary hoy Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io lehilahy io, izay notarainan'ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio.
25:25b.ACT.025.025 Nefa nony hitako fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta-handahatra amin'ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho.
25:26b.ACT.025.026 Ny amin'io lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin'ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako.Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.
25:27b.ACT.025.027 Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.
26
26:1b.ACT.026.001 Ary hoy Agripa tamin'i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe:
26:2b.ACT.026.002 Ny amin'ny zavatra rehetra iampangan'ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,
26:3b.ACT.026.003 indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin'ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy.
26:4b.ACT.026.004 Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin'ny fireneko tany Jerosalema hatramin'ny voalohany;
26:5b.ACT.026.005 eny, fantany hatramin'ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahantsika.
26:6b.ACT.026.006 Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon'Andriamanitra tamin'ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto,
26:7b.ACT.026.007 dia ilay fanantenana andrasan'ny firenentsika roa ambin'ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra andro aman'alina. Izany fanantenana izany no iampangan'ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.
26:8b.ACT.026.008 Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?
26:9b.ACT.026.009 Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran'i Jesosy avy any Nazareta,
26:10b.ACT.026.010 sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
26:11b.ACT.026.011 Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza. [ Gr. hanao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
26:12b.ACT.026.012 Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny lohan'ny mpisorona,
26:13b.ACT.026.013 koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
26:14b.ACT.026.014 Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.
26:15b.ACT.026.015 Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao.
26:16b.ACT.026.016 Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao, [Na: (izay efa hitanao)]
26:17b.ACT.026.017 hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,
26:18b.ACT.026.018 hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.
26:19b.ACT.026.019 Ary amin'izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho;
26:20b.ACT.026.020 fa nambarako voalohany tamin'izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin'ny tany Jodia rehetra ary tany amin'ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana.
26:21b.ACT.026.021 Ary izany no nisamboran'ny Jiosy ahy teo an-kianjan'ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
26:22b.ACT.026.022 Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy,
26:23b.ACT.026.023 fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.
26:24b.ACT.026.024 Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin'ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao.
26:25b.ACT.026.025 Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin'ny fahamarinana sy ny fahononana.
26:26b.ACT.026.026 Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin'ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin'ny takona izany.
26:27b.ACT.026.027 Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.
26:28b.ACT.026.028 Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.
26:29b.ACT.026.029 Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany.
26:30b.ACT.026.030 Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin'izay niara-nipetraka teo aminy;
26:31b.ACT.026.031 ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany.Ary hoy Agripa tamin'i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara izy.
26:32b.ACT.026.032 Ary hoy Agripa tamin'i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara izy.
27
27:1b.ACT.027.001 [Ny nitondrana an'i Paoly nankany Roma, sy ny zavatra nanjo azy teny an-dalana] Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto.
27:2b.ACT.027.002 Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin'i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
27:3b.ACT.027.003 Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran'i Jolio an'i Paoly, fa navelany hankany amin'ny sakaizany izay hiahy azy izy.
27:4b.ACT.027.004 Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an'i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.
27:5b.ACT.027.005 Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
27:6b.ACT.027.006 Ary tao no nahitan'ny kapiteny sambon'Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.
27:7b.ACT.027.007 Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin'i Salmona izahay;
27:8b.ACT.027.008 ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin'ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin'izany ny tanàna Lasea.
27:9b.ACT.027.009 Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy Paoly [ Ny Andro Fanavotana izany]
27:10b.ACT.027.010 ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin'ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.
27:11b.ACT.027.011 Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain'i Paoly.
27:12b.ACT.027.012 Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana. [Na: mianavaratra-atsinanana sy mianatsimo-atsinanana]
27:13b.ACT.027.013 Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin'i Kreta.
27:14b.ACT.027.014 Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.
27:15b.ACT.027.015 Ary raha nopaohin'ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy.
27:16b.ACT.027.016 Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy; [ Na: (Klaoda)]
27:17b.ACT.027.017 ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin'ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo. [ Gr. Syrtisy]
27:18b.ACT.027.018 Ary raha nasian'ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;
27:19b.ACT.027.019 ary nony ampitso'io indray dia narian'ny tànany ihany ny fanaka teo amin'ny sambo;
27:20b.ACT.027.020 fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
27:21b.ACT.027.021 Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
27:22b.ACT.027.022 Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very.
27:23b.ACT.027.023 Fa nisy anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina
27:24b.ACT.027.024 ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
27:25b.ACT.027.025 Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.
27:26b.ACT.027.026 Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin'ny nosy anankiray isika.
27:27b.ACT.027.027 Ary tamin'ny alina fahefatra ambin'ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon'ny matilo fa efa manakaiky tany izy;
27:28b.ACT.027.028 dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin'ny folo refy.
27:29b.ACT.027.029 Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin'ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.
27:30b.ACT.027.030 Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
27:31b.ACT.027.031 dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.
27:32b.ACT.027.032 Dia notapahin'ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka.
27:33b.ACT.027.033 Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
27:34b.ACT.027.034 Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
27:35b.ACT.027.035 Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an'Andriamanitra teo anatrehan'ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
27:36b.ACT.027.036 Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
27:37b.ACT.027.037 Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
27:38b.ACT.027.038 Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo. [Na: ny vary tritika]
27:39b.ACT.027.039 Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
27:40b.ACT.027.040 Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon'ny rivotra ka nanatona ny tany.
27:41b.ACT.027.041 Ary raha tonga tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin'ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny onja.
27:42b.ACT.027.042 Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
27:43b.ACT.027.043 Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany,ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
27:44b.ACT.027.044 ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
28
28:1b.ACT.028.001 Ary rehefa voavonjy izahay, vao fantatray fa Melita no anaran'ilay nosy.
28:2b.ACT.028.002 Ary tsy kely ny soa nasehon'ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra, satria nilatsaka tamin'izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro.
28:3b.ACT.028.003 Dia namory kitay hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin'ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin'ny afo ka niraikitra tamin'ny tànany.
28:4b.ACT.028.004 Ary raha hitan'ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin'ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin'ny ranomasina aza izy, tsy avelan'ny todin'aina ho velona.
28:5b.ACT.028.005 Fa nakifiny ho eo amin'ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza.
28:6b.ACT.028.006 Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an'i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io.
28:7b.ACT.028.007 Ary teo akaikin'io dia nisy sahan'i Popilo, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana.
28:8b.ACT.028.008 Ary nararin'ny tazo sady nivalan-drà ny rain'i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy.
28:9b.ACT.028.009 Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana.
28:10b.ACT.028.010 Ary voninahitra be no nomen'ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara.
28:11b.ACT.028.011 Ary rehefa afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin'ny sambon'Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina teo amin'izany nosy izany sady nisy sarin'ny Zaza Kambana. [ Gr. Dioskory; dia Kastora sy Poloksa]
28:12b.ACT.028.012 Ary rehefa nitody tany Syrakosa izahay, dia nitoetra teo hateloana.
28:13b.ACT.028.013 Ary nony niala teo izahay, dia nisompirana nankany Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia nifofofofo avy any atsimo ny rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly izahay;
28:14b.ACT.028.014 tao no nahitanay ny rahalahy sasany, ary izy niangavy anay hitoetra tao aminy hafitoana. Ary toy izany no nandrosoanay nankany Roma.
28:15b.ACT.028.015 Ary nony nahare ny dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin'ny Tsenan'Apio sy ny Tranombahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an'Andriamanitra izy ka nahazo toky.
28:16b.ACT.028.016 [Ny toetr'i Paoly tany Roma, sy izay nataony tany] Ary rehefa tonga tany Roma izahay, Paoly dia navelany hitoetra mitokana teo amin'ny miaramila anankiray izay niambina azy. [ Ampio hoe: ny mpifatotra dia natolotry ny kapiteny ho amin'ny lehiben'ny mpiambina; fa]
28:17b.ACT.028.017 Ary rehefa afaka hateloana, dia nampanalain'i Paoly hiangona izay lohandohany tamin'ny Jiosy; ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan'ny Romana, na dia tsy diso tamin'ny firenentsika aza, na tamin'ny fanaon-drazana;
28:18b.ACT.028.018 ary rehefa nanadina ahy mafy ireo, dia saiky nandefa ahy ihany, satria tsy nisy nataoko izay tokony hahafaty ahy.
28:19b.ACT.028.019 Fa raha notoherin'ny Jiosy izany, dia tery aho ka nilaza fa handahatra amin'i Kaisara, nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory.
28:20b.ACT.028.020 Ary izany zavatra izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan'ny Isiraely no ifatorako amin'ity gadra ity.
28:21b.ACT.028.021 Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;
28:22b.ACT.028.022 fa tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin'izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.
28:23b.ACT.028.023 Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan'Andriamanitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ary ny teny eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an'i Jesosy.
28:24b.ACT.028.024 Ary ny sasany nino izay nolazainy, fa ny sasany kosa tsy mba nino.
28:25b.ACT.028.025 Ary raha tsy niray saina ireo dia niala, rehefa nanao teny indraim-bava Paoly hoe: Marina izay nampilazain'ny Fanahy Masina an'Isaia mpaminany tamin'ny razanareo
28:26b.ACT.028.026 manao hoe: Mandehana any amin'ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
28:27b.ACT.028.027 Fa efa adala ny fon'ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).
28:28b.ACT.028.028 Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen'Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin'ny jentilisa, ary izy hihaino azy.
28:29b.ACT.028.029 [ Ampio hoe: [29 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa ny Jiosy ka niady hevitra fatratra]
28:30b.ACT.028.030 Ary Paoly nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay rehetra nankeo aminy,dia nitory ny fanjakan'Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.
28:31b.ACT.028.031 dia nitory ny fanjakan'Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Acts (Malagasy). Acts (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A5B2-4