Matthew (Malagasy)

Matthew (Malagasy)

1

1:1b.MAT.001.001 Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida zanak'i Abrahama.

1:2b.MAT.001.002 Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy;

1:3b.MAT.001.003 ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara; ary Fareza niteraka an'i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;

1:4b.MAT.001.004 ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona;

1:5b.MAT.001.005 ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an'i Jese;

1:6b.MAT.001.006 ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria;

1:7b.MAT.001.007 ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an'i Abia; ary Abia niteraka an'i Asa;

1:8b.MAT.001.008 ary Asa niteraka an'i Josafata; ary Josafata niteraka an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia;

1:9b.MAT.001.009 ary Ozia niteraka an'i Jotama; ary Jotama niteraka an'i Ahaza; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia;

1:10b.MAT.001.010 ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka an'i Amona; ary Amona niteraka an'i Josia;

1:11b.MAT.001.011 ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona.

1:12b.MAT.001.012 Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an'i Zerobabela;

1:13b.MAT.001.013 ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima; ary Eliakima niteraka an'i Azora;

1:14b.MAT.001.014 ary Azora niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Akima; ary Akima niteraka an'i Elihoda;

1:15b.MAT.001.015 ary Elihoda niteraka an'i Eleazara; ary Eleazara niteraka an'i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;

1:16b.MAT.001.016 ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.

1:17b.MAT.001.017 Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.

1:18b.MAT.001.018 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.

1:19b.MAT.001.019 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.

1:20b.MAT.001.020 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,

1:21b.MAT.001.021 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [Jesosy = Jehovah no Mpamonjy]

1:22b.MAT.001.022 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe:

1:23b.MAT.001.023 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.

1:24b.MAT.001.024 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.

1:25b.MAT.001.025 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.

2

2:1b.MAT.002.001 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:[Magy = olon-kendry]

2:2b.MAT.002.002 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.

2:3b.MAT.002.003 Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra.

2:4b.MAT.002.004 Dia namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan'i Kristy?

2:5b.MAT.002.005 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an'i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:

2:6b.MAT.002.006 Ary ianao, ry Betlehema, tanin'ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin'ny andrianan'ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan'izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko (Mik. 5.1).

2:7b.MAT.002.007 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana.

2:8b.MAT.002.008 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

2:9b.MAT.002.009 Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely.

2:10b.MAT.002.010 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.

2:11b.MAT.002.011 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.

2:12b.MAT.002.012 Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy tsy hiverina any amin'i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany.

2:13b.MAT.002.013 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.

2:14b.MAT.002.014 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta;

2:15b.MAT.002.015 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (Hos. 11. 1).

2:16b.MAT.002.016 Ary nony efa fantatr'i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin'ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin'ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin'ny Magy.

2:17b.MAT.002.017 Dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe:

2:18b.MAT.002.018 Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny (Jer. 31. 15).

2:19b.MAT.002.019 Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tany Egypta tamin'ny nofy ka nanao hoe:

2:20b.MAT.002.020 Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin'ny tanin'ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain'ny Zazakely.

2:21b.MAT.002.021 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin'ny tanin'ny Isiraely.

2:22b.MAT.002.022 Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy, dia lasa nankany amin'ny tany Galilia.Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.

2:23b.MAT.002.023 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.

3

3:1b.MAT.003.001 Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao hoe:

3:2b.MAT.003.002 Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

3:3b.MAT.003.003 Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3).

3:4b.MAT.003.004 Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.

3:5b.MAT.003.005 Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona,

3:6b.MAT.003.006 ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.

3:7b.MAT.003.007 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

3:8b.MAT.003.008 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;

3:9b.MAT.003.009 ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.

3:10b.MAT.003.010 Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

3:11b.MAT.003.011 Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;

3:12b.MAT.003.012 eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty.

3:13b.MAT.003.013 Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa.

3:14b.MAT.003.014 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?

3:15b.MAT.003.015 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.

3:16b.MAT.003.016 Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.

3:17b.MAT.003.017 Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.

4

4:1b.MAT.004.001 Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly fanahy.[Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika]

4:2b.MAT.004.002 Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.

4:3b.MAT.004.003 Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.

4:4b.MAT.004.004 Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3).

4:5b.MAT.004.005 Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly,

4:6b.MAT.004.006 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).

4:7b.MAT.004.007 Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).

4:8b.MAT.004.008 Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,

4:9b.MAT.004.009 dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.

4:10b.MAT.004.010 Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13).

4:11b.MAT.004.011 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.

4:12b.MAT.004.012 Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.

4:13b.MAT.004.013 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,

4:14b.MAT.004.014 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:

4:15b.MAT.004.015 Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa,

4:16b.MAT.004.016 Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1).

4:17b.MAT.004.017 Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

4:18b.MAT.004.018 Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.

4:19b.MAT.004.019 Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.

4:20b.MAT.004.020 Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.

4:21b.MAT.004.021 Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.

4:22b.MAT.004.022 Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.

4:23b.MAT.004.023 Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona.

4:24b.MAT.004.024 Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.[Demoniaka = olona nidiran'ny demonia; izahao Mat.7.22]Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.

4:25b.MAT.004.025 Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.

5

5:1b.MAT.005.001 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.

5:2b.MAT.005.002 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:

5:3b.MAT.005.003 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

5:4b.MAT.005.004 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.

5:5b.MAT.005.005 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11).

5:6b.MAT.005.006 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.

5:7b.MAT.005.007 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.

5:8b.MAT.005.008 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra,

5:9b.MAT.005.009 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.

5:10b.MAT.005.010 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

5:11b.MAT.005.011 Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.

5:12b.MAT.005.012 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.

5:13b.MAT.005.013 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.

5:14b.MAT.005.014 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

5:15b.MAT.005.015 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.

5:16b.MAT.005.016 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.

5:17b.MAT.005.017 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.

5:18b.MAT.005.018 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.[Dia yod, izay litera kely indrindra amin'ny Abidy Hebreo]

5:19b.MAT.005.019 Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.

5:20b.MAT.005.020 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.

5:21b.MAT.005.021 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana.

5:22b.MAT.005.022 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo. [Na: tezitra foana]

5:23b.MAT.005.023 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,

5:24b.MAT.005.024 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.

5:25b.MAT.005.025 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.

5:26b.MAT.005.026 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

5:27b.MAT.005.027 Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14).

5:28b.MAT.005.028 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.

5:29b.MAT.005.029 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.[Ny teny Grika adika hoe manafintohina amin'ny Testamenta Vaovao, dia mamandrika no tena dikany]

5:30b.MAT.005.030 Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin'ny helo.

5:31b.MAT.005.031 Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo. 24. 1).

5:32b.MAT.005.032 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.

5:33b.MAT.005.033 Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12).

5:34b.MAT.005.034 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany;

5:35b.MAT.005.035 na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.

5:36b.MAT.005.036 Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.

5:37b.MAT.005.037 Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy.[Na amin'ilay ratsy]

5:38b.MAT.005.038 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks. 21. 24).

5:39b.MAT.005.039 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.

5:40b.MAT.005.040 Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.

5:41b.MAT.005.041 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.[Na: kilometatra]

5:42b.MAT.005.042 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.

5:43b.MAT.005.043 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao.

5:44b.MAT.005.044 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,

5:45b.MAT.005.045 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.

5:46b.MAT.005.046 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?

5:47b.MAT.005.047 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.

5:48b.MAT.005.048 Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.

6

6:1b.MAT.006.001 Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.[Na: ny fiantrana]

6:2b.MAT.006.002 Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

6:3b.MAT.006.003 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana,

6:4b.MAT.006.004 mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.

6:5b.MAT.006.005 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

6:6b.MAT.006.006 Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.

6:7b.MAT.006.007 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.

6:8b.MAT.006.008 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.

6:9b.MAT.006.009 Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.

6:10b.MAT.006.010 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.

6:11b.MAT.006.011 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.

6:12b.MAT.006.012 Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. [Na: trosa] [Na:nitrosa]

6:13b.MAT.006.013 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy. [Na: amin'ilay] [ Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena]

6:14b.MAT.006.014 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.

6:15b.MAT.006.015 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.

6:16b.MAT.006.016 Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

6:17b.MAT.006.017 Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,

6:18b.MAT.006.018 mba tsy ho hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.

6:19b.MAT.006.019 Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra.

6:20b.MAT.006.020 Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.

6:21b.MAT.006.021 Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.

6:22b.MAT.006.022 Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.

6:23b.MAT.006.023 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany!

6:24b.MAT.006.024 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna ianareo.[Mamôna = harena]

6:25b.MAT.006.025 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?

6:26b.MAT.006.026 Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?

6:27b.MAT.006.027 Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza? [ Na: Ny halavan'ny tenany] [ Gr. Hakiho iray]

6:28b.MAT.006.028 Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;[Karazan'ny lilia]

6:29b.MAT.006.029 nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.

6:30b.MAT.006.030 Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?

6:31b.MAT.006.031 Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay?

6:32b.MAT.006.032 Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.

6:33b.MAT.006.033 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.

6:34b.MAT.006.034 Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.

7

7:1b.MAT.007.001 Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.

7:2b.MAT.007.002 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.

7:3b.MAT.007.003 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

7:4b.MAT.007.004 Ary ahoana no hilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin'ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin'ny masonao?

7:5b.MAT.007.005 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.

7:6b.MAT.007.006 Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo. [perilanareo]

7:7b.MAT.007.007 Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.

7:8b.MAT.007.008 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.

7:9b.MAT.007.009 Ary iza moa aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato?

7:10b.MAT.007.010 ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana?

7:11b.MAT.007.011 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?

7:12b.MAT.007.012 Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.

7:13b.MAT.007.013 Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.

7:14b.MAT.007.014 Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.

7:15b.MAT.007.015 Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.[lopa]

7:16b.MAT.007.016 Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo?

7:17b.MAT.007.017 Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.

7:18b.MAT.007.018 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.

7:19b.MAT.007.019 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

7:20b.MAT.007.020 Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.

7:21b.MAT.007.021 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.

7:22b.MAT.007.022 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy]

7:23b.MAT.007.023 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.

7:24b.MAT.007.024 Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.

7:25b.MAT.007.025 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin'ny vatolampy.

7:26b.MAT.007.026 Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika.

7:27b.MAT.007.027 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.

7:28b.MAT.007.028 Ary nony efa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany,satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.

7:29b.MAT.007.029 satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.

8

8:1b.MAT.008.001 Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.

8:2b.MAT.008.002 Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.

8:3b.MAT.008.003 Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin'ny habokany niaraka tamin'izay izy.

8:4b.MAT.008.004 Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian'i Mosesy ho vavolombelona amin'ireo.

8:5b.MAT.008.005 Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy

8:6b.MAT.008.006 nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra.

8:7b.MAT.008.007 Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.

8:8b.MAT.008.008 Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

8:9b.MAT.008.009 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.

8:10b.MAT.008.010 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza.

8:11b.MAT.008.011 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra;

8:12b.MAT.008.012 fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

8:13b.MAT.008.013 Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy.

8:14b.MAT.008.014 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin'i Petera nandry teo nanavin'ny tazo.

8:15b.MAT.008.015 Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.

8:16b.MAT.008.016 Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,

8:17b.MAT.008.017 mba, hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa. 53. 4).

8:18b.MAT.008.018 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.

8:19b.MAT.008.019 Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.

8:20b.MAT.008.020 Fa hoy Jesosy taminy : Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.[volpa]

8:21b.MAT.008.021 Ary nisy hafa koa tamin'ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.

8:22b.MAT.008.022 Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.

8:23b.MAT.008.023 Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany.

8:24b.MAT.008.024 Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin'ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.

8:25b.MAT.008.025 Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!

8:26b.MAT.008.026 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.

8:27b.MAT.008.027 Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!

8:28b.MAT.008.028 Ary nony tonga teny am-pita teo amin'ny tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin'ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin'izany lalana izany.

8:29b.MAT.008.029 Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak'Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan'ny fotoana?

8:30b.MAT.008.030 Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.

8:31b.MAT.008.031 Ary ny demonia nifona tamin'i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin'ireo kisoa andiany ireo.

8:32b.MAT.008.032 Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin'ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina, ka dia maty tany anatin'ny rano.

8:33b.MAT.008.033 Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin'ireo demoniaka.Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.

8:34b.MAT.008.034 Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.

9

9:1b.MAT.009.001 Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.

9:2b.MAT.009.002 Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.

9:3b.MAT.009.003 Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.

9:4b.MAT.009.004 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?

9:5b.MAT.009.005 Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?

9:6b.MAT.009.006 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.

9:7b.MAT.009.007 Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.

9:8b.MAT.009.008 Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.

9:9b.MAT.009.009 Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.[Dia ny hetra sy ny fadin-tseranana, etc]

9:10b.MAT.009.010 Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany.

9:11b.MAT.009.011 Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?

9:12b.MAT.009.012 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.

9:13b.MAT.009.013 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.

9:14b.MAT.009.014 Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?

9:15b.MAT.009.015 Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.

9:16b.MAT.009.016 Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.

9:17b.MAT.009.017 Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.

9:18b.MAT.009.018 Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.

9:19b.MAT.009.019 Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin'ny mpianany.

9:20b.MAT.009.020 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany.

9:21b.MAT.009.021 Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho.[Na: voavonjy]

9:22b.MAT.009.022 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay. Na: namonjy.[Na: voavonjy]

9:23b.MAT.009.023 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,

9:24b.MAT.009.024 dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.

9:25b.MAT.009.025 Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.

9:26b.MAT.009.026 Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany.

9:27b.MAT.009.027 Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô!

9:28b.MAT.009.028 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.

9:29b.MAT.009.029 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.

9:30b.MAT.009.030 Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao.

9:31b.MAT.009.031 Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.

9:32b.MAT.009.032 Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin'ny olona tany amin'i Jesosy.

9:33b.MAT.009.033 Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin'ny Isiraely.

9:34b.MAT.009.034 Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.

9:35b.MAT.009.035 Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny synagoga sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.

9:36b.MAT.009.036 Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.

9:37b.MAT.009.037 Dia hoy Izy tamin'ny mpianany:Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.

9:38b.MAT.009.038 Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.

10

10:1b.MAT.010.001 Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.

10:2b.MAT.010.002 Ary izao no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;

10:3b.MAT.010.003 Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak'i Alfeo,

10:4b.MAT.010.004 sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy. [ Na: Zelota, izahao Lio.6. 15]

10:5b.MAT.010.005 Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny lalan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana,

10:6b.MAT.010.006 fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.

10:7b.MAT.010.007 Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

10:8b.MAT.010.008 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

10:9b.MAT.010.009 Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin'ny fehin-kibonareo,

10:10b.MAT.010.010 na kitapom-batsy ho amin'izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.

10:11b.MAT.010.011 Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.

10:12b.MAT.010.012 Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.

10:13b.MAT.010.013 Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.

10:14b.MAT.010.014 Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin'izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo.

10:15b.MAT.010.015 Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny ho amin'izany tanàna izany.

10:16b.MAT.010.016 Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala. [ lopa] [ Gr. aoka ho tsotra]

10:17b.MAT.010.017 Ary mitandrema ianareo noho ny amin'ny olona; fa hatolony ho amin'ny Synedriona sy hokapohiny ao amin'ny synagogany ianareo;

10:18b.MAT.010.018 ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa.

10:19b.MAT.010.019 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.

10:20b.MAT.010.020 Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo.

10:21b.MAT.010.021 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.

10:22b.MAT.010.022 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

10:23b.MAT.010.023 Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.

10:24b.MAT.010.024 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.

10:25b.MAT.010.025 Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?

10:26b.MAT.010.026 Koa amin'izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.

10:27b.MAT.010.027 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano.

10:28b.MAT.010.028 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.[Gr. gehena]

10:29b.MAT.010.029 Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.[Gr. asaria, izay ampahafolon'ny denaria]

10:30b.MAT.010.030 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.

10:31b.MAT.010.031 Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

10:32b.MAT.010.032 Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

10:33b.MAT.010.033 Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

10:34b.MAT.010.034 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

10:35b.MAT.010.035 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozanivavy;

10:36b.MAT.010.036 ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6).

10:37b.MAT.010.037 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.

10:38b.MAT.010.038 Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.[Gr. mandray]

10:39b.MAT.010.039 Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.

10:40b.MAT.010.040 Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.

10:41b.MAT.010.041 Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian'ny olona marina.Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

10:42b.MAT.010.042 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

11

11:1b.MAT.011.001 Ary rehefa vitan'i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin'ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan'ny olona.

11:2b.MAT.011.002 Ary rehefa ren'i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon'i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy

11:3b.MAT.011.003 hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?

11:4b.MAT.011.004 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin'i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:

11:5b.MAT.011.005 Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.

11:6b.MAT.011.006 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.

11:7b.MAT.011.007 Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?

11:8b.MAT.011.008 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[Gr. malemy]

11:9b.MAT.011.009 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.

11:10b.MAT.011.010 Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).

11:11b.MAT.011.011 Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy.

11:12b.MAT.011.012 Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.

11:13b.MAT.011.013 Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona.

11:14b.MAT.011.014 Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.

11:15b.MAT.011.015 Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

11:16b.MAT.011.016 Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:

11:17b.MAT.011.017 Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo.

11:18b.MAT.011.018 Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.

11:19b.MAT.011.019 Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany.[Na: (ny zanany)]

11:20b.MAT.011.020 Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:

11:21b.MAT.011.021 Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.

11:22b.MAT.011.022 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.

11:23b.MAT.011.023 Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.

11:24b.MAT.011.024 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao.

11:25b.MAT.011.025 Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika.

11:26b.MAT.011.026 Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.

11:27b.MAT.011.027 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.

11:28b.MAT.011.028 Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

11:29b.MAT.011.029 Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo.Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.

11:30b.MAT.011.030 Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.

12

12:1b.MAT.012.001 Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.

12:2b.MAT.012.002 Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata.

12:3b.MAT.012.003 Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,

12:4b.MAT.012.004 Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?

12:5b.MAT.012.005 Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?

12:6b.MAT.012.006 Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.

12:7b.MAT.012.007 Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.

12:8b.MAT.012.008 Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.

12:9b.MAT.012.009 Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin'ny synagoga;

12:10b.MAT.012.010 ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany Azy.[Gr. efa maina, na malazo]

12:11b.MAT.012.011 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?

12:12b.MAT.012.012 Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.

12:13b.MAT.012.013 Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.

12:14b.MAT.012.014 Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.

12:15b.MAT.012.015 Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;

12:16b.MAT.012.016 ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,

12:17b.MAT.012.017 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:

12:18b.MAT.012.018 Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy;

12:19b.MAT.012.019 Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;

12:20b.MAT.012.020 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;

12:21b.MAT.012.021 Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).

12:22b.MAT.012.022 Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.

12:23b.MAT.012.023 Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?

12:24b.MAT.012.024 Fa nony ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia.

12:25b.MAT.012.025 Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.

12:26b.MAT.012.026 Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany?

12:27b.MAT.012.027 Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.

12:28b.MAT.012.028 Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra.

12:29b.MAT.012.029 Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.

12:30b.MAT.012.030 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.

12:31b.MAT.012.031 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.[Gr.blasfemia,izahao 9. 3]

12:32b.MAT.012.032 Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.

12:33b.MAT.012.033 Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.

12:34b.MAT.012.034 Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava.

12:35b.MAT.012.035 Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.

12:36b.MAT.012.036 Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.

12:37b.MAT.012.037 Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.

12:38b.MAT.012.038 Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.

12:39b.MAT.012.039 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany;

12:40b.MAT.012.040 fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.

12:41b.MAT.012.041 Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.

12:42b.MAT.012.042 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.

12:43b.MAT.012.043 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.

12:44b.MAT.012.044 Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.

12:45b.MAT.012.045 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.

12:46b.MAT.012.046 Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin'ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.

12:47b.MAT.012.047 Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin'ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.

12:48b.MAT.012.048 Fa namaly Izy ka nanao tamin'ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?

12:49b.MAT.012.049 Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

12:50b.MAT.012.050 Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

13

13:1b.MAT.013.001 Ary tamin'izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron'ny ranomasina.

13:2b.MAT.013.002 Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.

13:3b.MAT.013.003 Ary nilaza zavatra maro taminy tamin'ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy;

13:4b.MAT.013.004 ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy.

13:5b.MAT.013.005 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.

13:6b.MAT.013.006 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.

13:7b.MAT.013.007 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.

13:8b.MAT.013.008 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.

13:9b.MAT.013.009 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino. [Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]

13:10b.MAT.013.010 Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?

13:11b.MAT.013.011 Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela. [ Gr. nomena] [ Gr. nomena]

13:12b.MAT.013.012 Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.

13:13b.MAT.013.013 Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.

13:14b.MAT.013.014 Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;

13:15b.MAT.013.015 Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).

13:16b.MAT.013.016 Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.

13:17b.MAT.013.017 Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.

13:18b.MAT.013.018 Koa amin'izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin'ny mpamafy:

13:19b.MAT.013.019 Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.

13:20b.MAT.013.020 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana;

13:21b.MAT.013.021 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.

13:22b.MAT.013.022 Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.

13:23b.MAT.013.023 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.

13:24b.MAT.013.024 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;

13:25b.MAT.013.025 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha.

13:26b.MAT.013.026 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.

13:27b.MAT.013.027 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:

13:28b.MAT.013.028 Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?

13:29b.MAT.013.029 Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.

13:30b.MAT.013.030 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.

13:31b.MAT.013.031 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain'olona ka nafafiny tany an-tsahany;

13:32b.MAT.013.032 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin'ny rantsany.

13:33b.MAT.013.033 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.

13:34b.MAT.013.034 Fanoharana no nilazan'i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin'ny fanoharana,

13:35b.MAT.013.035 mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho (Sal. 78. 2).

13:36b.MAT.013.036 Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary.

13:37b.MAT.013.037 Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona;

13:38b.MAT.013.038 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy;

13:39b.MAT.013.039 ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely.

13:40b.MAT.013.040 Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin'ny afo, dia toy izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao.

13:41b.MAT.013.041 Ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin'izay manao meloka,

13:42b.MAT.013.042 dia hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

13:43b.MAT.013.043 Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino. [Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]

13:44b.MAT.013.044 Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.

13:45b.MAT.013.045 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa;[Gr.perila]

13:46b.MAT.013.046 ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.[Gr. perila]

13:47b.MAT.013.047 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra;

13:48b.MAT.013.048 ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.

13:49b.MAT.013.049 Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina,

13:50b.MAT.013.050 dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

13:51b.MAT.013.051 Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.

13:52b.MAT.013.052 Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.

13:53b.MAT.013.053 Ary rehefa vitan'i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.

13:54b.MAT.013.054 Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?

13:55b.MAT.013.055 Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran'ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny?

13:56b.MAT.013.056 Ary ny anabaviny, moa tsy eto amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra rehetra izany?

13:57b.MAT.013.057 Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin'ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.

13:58b.MAT.013.058 Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.

14

14:1b.MAT.014.001 Tamin'izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan'i Jesosy,

14:2b.MAT.014.002 ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.

14:3b.MAT.014.003 Fa Heroda efa nisambotra an'i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny.

14:4b.MAT.014.004 Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy.

14:5b.MAT.014.005 Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon'ireo ho mpaminany Jaona.

14:6b.MAT.014.006 Fa nony tonga ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin'i Herodiasy ka nahafaly an'i Heroda.

14:7b.MAT.014.007 Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.

14:8b.MAT.014.008 Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.

14:9b.MAT.014.009 Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.

14:10b.MAT.014.010 Ary dia naniraka hanapaka ny lohan'i Jaona tao an-tranomaizina izy.

14:11b.MAT.014.011 Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny.

14:12b.MAT.014.012 Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin'i Jesosy.

14:13b.MAT.014.013 Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.[Na: nandeha tongotra]

14:14b.MAT.014.014 Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.

14:15b.MAT.014.015 Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy.

14:16b.MAT.014.016 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.

14:17b.MAT.014.017 Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.

14:18b.MAT.014.018 Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.

14:19b.MAT.014.019 Dia nasainy nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.

14:20b.MAT.014.020 Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.

14:21b.MAT.014.021 Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.

14:22b.MAT.014.022 Ary niaraka tamin'izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.

14:23b.MAT.014.023 Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.

14:24b.MAT.014.024 Ary efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely tamin'izay, dia natopatopan'ny alon-drano izy, fa notohain'ny rivotra.

14:25b.MAT.014.025 Ary tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny amin'ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina.

14:26b.MAT.014.026 Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.

14:27b.MAT.014.027 Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.

14:28b.MAT.014.028 Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho.

14:29b.MAT.014.029 Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy.

14:30b.MAT.014.030 Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho![ Na: (rivotra mahery)]

14:31b.MAT.014.031 Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?

14:32b.MAT.014.032 Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.

14:33b.MAT.014.033 Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.

14:34b.MAT.014.034 Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.

14:35b.MAT.014.035 Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin'ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.

14:36b.MAT.014.036 Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.

15

15:1b.MAT.015.001 Dia nankeo amin'i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe:

15:2b.MAT.015.002 Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina.

15:3b.MAT.015.003 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?

15:4b.MAT.015.004 Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).

15:5b.MAT.015.005 Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

15:6b.MAT.015.006 Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.

15:7b.MAT.015.007 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe:

15:8b.MAT.015.008 Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy.

15:9b.MAT.015.009 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13).

15:10b.MAT.015.010 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:

15:11b.MAT.015.011 tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no mahaloto ny olona.

15:12b.MAT.015.012 Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?

15:13b.MAT.015.013 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.

15:14b.MAT.015.014 Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.

15:15b.MAT.015.015 Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr'izany fanoharana izany.

15:16b.MAT.015.016 Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?

15:17b.MAT.015.017 Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana?

15:18b.MAT.015.018 Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.

15:19b.MAT.015.019 Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy;[Gr. blasfemia, izahao 9. 3]

15:20b.MAT.015.020 izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin'ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.

15:21b.MAT.015.021 Dia niala teo Jesosy ka nankany amin'ny fari-tanin'i Tyro sy Sidona.

15:22b.MAT.015.022 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.

15:23b.MAT.015.023 Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.

15:24b.MAT.015.024 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.

15:25b.MAT.015.025 Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.

15:26b.MAT.015.026 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.

15:27b.MAT.015.027 Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.

15:28b.MAT.015.028 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay.

15:29b.MAT.015.029 Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo;

15:30b.MAT.015.030 ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin'ny tongotr'i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;

15:31b.MAT.015.031 ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy.

15:32b.MAT.015.032 Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.

15:33b.MAT.015.033 Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao!

15:34b.MAT.015.034 Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.

15:35b.MAT.015.035 Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin'ny tany.

15:36b.MAT.015.036 Dia nandray ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an'ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.

15:37b.MAT.015.037 Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.

15:38b.MAT.015.038 Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin'ny sisin-tanin'i Magadana.

15:39b.MAT.015.039 Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin'ny sisin-tanin'i Magadana.

16

16:1b.MAT.016.001 Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.

16:2b.MAT.016.002 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.

16:3b.MAT.016.003 Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin'ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.

16:4b.MAT.016.004 Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.

16:5b.MAT.016.005 Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.

16:6b.MAT.016.006 Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.

16:7b.MAT.016.007 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.

16:8b.MAT.016.008 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?

16:9b.MAT.016.009 Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?

16:10b.MAT.016.010 na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?

16:11b.MAT.016.011 Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.

16:12b.MAT.016.012 Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.

16:13b.MAT.016.013 Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?[Na: (Aho)]

16:14b.MAT.016.014 Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany.

16:15b.MAT.016.015 Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?

16:16b.MAT.016.016 Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.

16:17b.MAT.016.017 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.

16:18b.MAT.016.018 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. [Petera = Vato; izahao Jao.1, 42]

16:19b.MAT.016.019 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.

16:20b.MAT.016.020 Ary tamin'izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin'olona akory fa Izy no Kristy.

16:21b.MAT.016.021 Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo.

16:22b.MAT.016.022 Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!

16:23b.MAT.016.023 Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.

16:24b.MAT.016.024 Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.

16:25b.MAT.016.025 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.

16:26b.MAT.016.026 Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?

16:27b.MAT.016.027 Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.

16:28b.MAT.016.028 Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.

17

17:1b.MAT.017.001 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.

17:2b.MAT.017.002 Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.

17:3b.MAT.017.003 Ary, indreo, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy.

17:4b.MAT.017.004 Dia niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.

17:5b.MAT.017.005 Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.

17:6b.MAT.017.006 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.

17:7b.MAT.017.007 Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.

17:8b.MAT.017.008 Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.

17:9b.MAT.017.009 Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.

17:10b.MAT.017.010 Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?

17:11b.MAT.017.011 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.

17:12b.MAT.017.012 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak'olona.

17:13b.MAT.017.013 Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.

17:14b.MAT.017.014 Ary rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe:

17:15b.MAT.017.015 Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano.

17:16b.MAT.017.016 Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy.

17:17b.MAT.017.017 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.

17:18b.MAT.017.018 Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay.

17:19b.MAT.017.019 Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?

17:20b.MAT.017.020 Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.

17:21b.MAT.017.021 [Ampio hoe: (21 Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina)]

17:22b.MAT.017.022 Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Ny Zanak'olona efa hatolotra ho eo an-tànan'ny olona

17:23b.MAT.017.023 ka hovonoiny, nefa amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.

17:24b.MAT.017.024 Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin'i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va?[Gr. didrakma]

17:25b.MAT.017.025 Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan'i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin'iza moa no andraisan'ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin'ny zanany va, sa avy amin'ny olon-kafa?

17:26b.MAT.017.026 Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin'ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.

17:27b.MAT.017.027 Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.

18

18:1b.MAT.018.001 Tamin'izany ora izany dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra?

18:2b.MAT.018.002 Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany

18:3b.MAT.018.003 ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.[Gr. mitodika]

18:4b.MAT.018.004 Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra.

18:5b.MAT.018.005 Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.

18:6b.MAT.018.006 Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina lalina izy.[Na: ahodim-boriky]

18:7b.MAT.018.007 Lozan'izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan'izay olona mahatonga ny fahatafintohinana.

18:8b.MAT.018.008 Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin'ny afo maharitra mandrakizay.

18:9b.MAT.018.009 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo.

18:10b.MAT.018.010 Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra.[Ampio hoe:]

18:11b.MAT.018.011 (Fa tonga ny Zanak'olona hamonjy ny very.)

18:12b.MAT.018.012 Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?

18:13b.MAT.018.013 Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania.

18:14b.MAT.018.014 Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin'ireny madinika ireny.

18:15b.MAT.018.015 Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;

18:16b.MAT.018.016 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo (Deo. 19. 15).

18:17b.MAT.018.017 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. [ Gr. eklesia] [ Gr. eklesia]

18:18b.MAT.018.018 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.

18:19b.MAT.018.019 Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany.

18:20b.MAT.018.020 Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.

18:21b.MAT.018.021 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va?

18:22b.MAT.018.022 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo.[Na: fito-polo impito]

18:23b.MAT.018.023 Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany.

18:24b.MAT.018.024 Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.[Anaram-bola; ny talenta volafotsy dia sekely telo arivo]

18:25b.MAT.018.025 Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa.

18:26b.MAT.018.026 Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.

18:27b.MAT.018.027 Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.

18:28b.MAT.018.028 Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.[Anaram-bola tokony ho venty no heviny]

18:29b.MAT.018.029 Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.

18:30b.MAT.018.030 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.

18:31b.MAT.018.031 Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany.

18:32b.MAT.018.032 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao;

18:33b.MAT.018.033 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?

18:34b.MAT.018.034 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy ianareo.

18:35b.MAT.018.035 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy ianareo.

19

19:1b.MAT.019.001 Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny an-dafin'i Jordana, dia tonga tany amin'ny sisin'i Jodia.

19:2b.MAT.019.002 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy, dia nahasitrana azy teo Izy.

19:3b.MAT.019.003 Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?[Na: (Ary nanatona Azy ny Fariseo)]

19:4b.MAT.019.004 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin'ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen. 1. 27), ka dia nanao hoe:

19:5b.MAT.019.005 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. (Gen. 2. 24)?

19:6b.MAT.019.006 ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.

19:7b.MAT.019.007 Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24. 1).

19:8b.MAT.019.008 Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany.

19:9b.MAT.019.009 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.

19:10b.MAT.019.010 Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo tsy manambady.

19:11b.MAT.019.011 Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany;

19:12b.MAT.019.012 fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon'ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.

19:13b.MAT.019.013 Ary tamin'izany dia nisy zazakely nentina teo amin'i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny.

19:14b.MAT.019.014 Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.

19:15b.MAT.019.015 Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.

19:16b.MAT.019.016 Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?[Na: (Mpampianatra tsara ô)]

19:17b.MAT.019.017 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)]

19:18b.MAT.019.018 Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,

19:19b.MAT.019.019 Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18).

19:20b.MAT.019.020 Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?

19:21b.MAT.019.021 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.

19:22b.MAT.019.022 Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be.

19:23b.MAT.019.023 Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.

19:24b.MAT.019.024 Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

19:25b.MAT.019.025 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena?

19:26b.MAT.019.026 Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.

19:27b.MAT.019.027 Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?

19:28b.MAT.019.028 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo.[Gr.fiteraham-baovao]

19:29b.MAT.019.029 Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.[Ampio hoe: (na vady.)]Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.

19:30b.MAT.019.030 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.

20

20:1b.MAT.020.001 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.

20:2b.MAT.020.002 Ary rehefa nifanekeny tamin'ny mpiasa fa ho denaria isan'andro ny karamany, dia nasainy nankany amin'ny tanim-boalobony ireny.

20:3b.MAT.020.003 Ary nivoaka tamin'ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,

20:4b.MAT.020.004 ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin'ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.

20:5b.MAT.020.005 Ary nivoaka tamin'ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.

20:6b.MAT.020.006 Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?

20:7b.MAT.020.007 Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin'ny tanim-boaloboka.

20:8b.MAT.020.008 Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo taoriana ka vao hatramin'ireo voalohany.

20:9b.MAT.020.009 Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.

20:10b.MAT.020.010 Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.

20:11b.MAT.020.011 Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano ka nanao hoe:

20:12b.MAT.020.012 Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.

20:13b.MAT.020.013 Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?

20:14b.MAT.020.014 Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.

20:15b.MAT.020.015 Tsy mahazo manao izay tiako amin'ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?

20:16b.MAT.020.016 Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.

20:17b.MAT.020.017 Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe:

20:18b.MAT.020.018 Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy

20:19b.MAT.020.019 ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.

20:20b.MAT.020.020 Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.

20:21b.MAT.020.021 Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao.

20:22b.MAT.020.022 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.

20:23b.MAT.020.023 Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena.

20:24b.MAT.020.024 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy.

20:25b.MAT.020.025 Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.

20:26b.MAT.020.026 Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;

20:27b.MAT.020.027 ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.

20:28b.MAT.020.028 Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

20:29b.MAT.020.029 Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesosy.

20:30b.MAT.020.030 Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!

20:31b.MAT.020.031 Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!

20:32b.MAT.020.032 Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?

20:33b.MAT.020.033 Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.

20:34b.MAT.020.034 Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.

21

21:1b.MAT.021.001 Ary raha nanakaiky an'i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe:

21:2b.MAT.021.002 Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin'izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.

21:3b.MAT.021.003 Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin'izay izy.

21:4b.MAT.021.004 Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:

21:5b.MAT.021.005 Lazao amin'i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa (Zak. 9. 9).[Gr. mitondra zioga]

21:6b.MAT.021.006 Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian'i Jesosy azy,

21:7b.MAT.021.007 dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.

21:8b.MAT.021.008 Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany.

21:9b.MAT.021.009 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).[Hosana = vonjeo re!]

21:10b.MAT.021.010 Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?

21:11b.MAT.021.011 Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.

21:12b.MAT.021.012 Ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempolin'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;

21:13b.MAT.021.013 dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana (Isa. lvi. 7); fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer. 7. 11).

21:14b.MAT.021.014 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan'ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.

21:15b.MAT.021.015 Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! - dia tezitra izy

21:16b.MAT.021.016 ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana (Sal. 8. 2)?

21:17b.MAT.021.017 Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy.

21:18b.MAT.021.018 Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana.

21:19b.MAT.021.019 Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.[aviavimbazaha]

21:20b.MAT.021.020 Ary nony hitan'ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io?

21:21b.MAT.021.021 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.

21:22b.MAT.021.022 Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.

21:23b.MAT.021.023 Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?

21:24b.MAT.021.024 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany:

21:25b.MAT.021.025 Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?[Na:nieritreritra]

21:26b.MAT.021.026 Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona.

21:27b.MAT.021.027 Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.

21:28b.MAT.021.028 Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio.

21:29b.MAT.021.029 Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany.

21:30b.MAT.021.030 Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy.

21:31b.MAT.021.031 Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

21:32b.MAT.021.032 Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.

21:33b.MAT.021.033 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy.

21:34b.MAT.021.034 Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra.

21:35b.MAT.021.035 Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.

21:36b.MAT.021.036 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.

21:37b.MAT.021.037 Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.

21:38b.MAT.021.038 Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.

21:39b.MAT.021.039 Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka, dia namono azy.

21:40b.MAT.021.040 Koa raha tonga ny tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?

21:41b.MAT.021.041 Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin'ny fotoany avy.

21:42b.MAT.021.042 Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23).

21:43b.MAT.021.043 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.

21:44b.MAT.021.044 Ary izay potraka amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.[Gr. haely toy ny vovoka]

21:45b.MAT.021.045 Ary rehefa ren'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin'izany.Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.

21:46b.MAT.021.046 Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.

22

22:1b.MAT.022.001 Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:

22:2b.MAT.022.002 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zananilahy.

22:3b.MAT.022.003 Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.

22:4b.MAT.022.004 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin'ny fampakaram-bady ianareo.

22:5b.MAT.022.005 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony.

22:6b.MAT.022.006 Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.

22:7b.MAT.022.007 Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.

22:8b.MAT.022.008 Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.

22:9b.MAT.022.009 Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady.

22:10b.MAT.022.010 Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.

22:11b.MAT.022.011 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.

22:12b.MAT.022.012 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.

22:13b.MAT.022.013 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

22:14b.MAT.022.014 Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.

22:15b.MAT.022.015 Ary tamin'izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin'ny teniny.

22:16b.MAT.022.016 Dia naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona.

22:17b.MAT.022.017 Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?

22:18b.MAT.022.018 Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?

22:19b.MAT.022.019 Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin'ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.

22:20b.MAT.022.020 Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity?

22:21b.MAT.022.021 Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.

22:22b.MAT.022.022 Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.

22:23b.MAT.022.023 Tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy hoe:

22:24b.MAT.022.024 Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).

22:25b.MAT.022.025 Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny;

22:26b.MAT.022.026 ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito.

22:27b.MAT.022.027 Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

22:28b.MAT.022.028 Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.

22:29b.MAT.022.029 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.

22:30b.MAT.022.030 Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.[Na: (anjelin'Andriamanitra)]

22:31b.MAT.022.031 Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:

22:32b.MAT.022.032 Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.

22:33b.MAT.022.033 Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany.

22:34b.MAT.022.034 Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.

22:35b.MAT.022.035 Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:

22:36b.MAT.022.036 Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?

22:37b.MAT.022.037 Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5).

22:38b.MAT.022.038 Izany no didy lehibe sady voalohany.

22:39b.MAT.022.039 Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).

22:40b.MAT.022.040 Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.

22:41b.MAT.022.041 Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:

22:42b.MAT.022.042 Ahoana no hevitrareo ny amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida.

22:43b.MAT.022.043 Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:

22:44b.MAT.022.044 Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal. 110. 1)?

22:45b.MAT.022.045 Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

22:46b.MAT.022.046 Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

23

23:1b.MAT.023.001 Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe:

23:2b.MAT.023.002 Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;

23:3b.MAT.023.003 koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.

23:4b.MAT.023.004 Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray asa.

23:5b.MAT.023.005 Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.

23:6b.MAT.023.006 Ary tia ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga

23:7b.MAT.023.007 sy ny hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny hataon'ny olona hoe: Raby ô!

23:8b.MAT.023.008 Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.

23:9b.MAT.023.009 Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.

23:10b.MAT.023.010 Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.

23:11b.MAT.023.011 Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.

23:12b.MAT.023.012 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.

23:13b.MAT.023.013 Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.[Ampio hoe:]

23:14b.MAT.023.014 (Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon'ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)

23:15b.MAT.023.015 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.

23:16b.MAT.023.016 Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia haningo-tena izy.

23:17b.MAT.023.017 Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?

23:18b.MAT.023.018 Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.

23:19b.MAT.023.019 Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?

23:20b.MAT.023.020 Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny alitara, dia mianiana aminy mbamin'ny zavatra rehetra izay eo amboniny.

23:21b.MAT.023.021 Ary izay mianiana amin'ny tempoly dia mianiana aminy mbamin'izay mitoetra ao anatiny.

23:22b.MAT.023.022 Ary izay mianiana amin'ny lanitra dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra mbamin'izay mipetraka eo amboniny.

23:23b.MAT.023.023 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[Anaran-java-maniry ireo]

23:24b.MAT.023.024 Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.

23:25b.MAT.023.025 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.

23:26b.MAT.023.026 Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.

23:27b.MAT.023.027 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra.

23:28b.MAT.023.028 Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.

23:29b.MAT.023.029 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan'ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan'ny olona marina,

23:30b.MAT.023.030 ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin'ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.

23:31b.MAT.023.031 Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak'izay namono ny mpaminany.

23:32b.MAT.023.032 Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran'ny razanareo.

23:33b.MAT.023.033 Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin'ny helo?

23:34b.MAT.023.034 Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,-

23:35b.MAT.023.035 mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin'ny tany, hatramin'ny ran'i Abela marina ka hatramin'ny ran'i Zakaria, zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny tempoly sy ny alitara.

23:36b.MAT.023.036 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.

23:37b.MAT.023.037 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!

23:38b.MAT.023.038 Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.

23:39b.MAT.023.039 Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.

24

24:1b.MAT.024.001 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.

24:2b.MAT.024.002 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. [Na:Tsy hitanareo izany rehetra izany]

24:3b.MAT.024.003 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao.

24:4b.MAT.024.004 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.

24:5b.MAT.024.005 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.

24:6b.MAT.024.006 Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.

24:7b.MAT.024.007 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa.

24:8b.MAT.024.008 Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana.[Gr. faharariam-piterahana; izahao 19. 28]

24:9b.MAT.024.009 Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.

24:10b.MAT.024.010 Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.

24:11b.MAT.024.011 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.

24:12b.MAT.024.012 Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro.

24:13b.MAT.024.013 Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

24:14b.MAT.024.014 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.

24:15b.MAT.024.015 Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany),

24:16b.MAT.024.016 dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;

24:17b.MAT.024.017 ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;

24:18b.MAT.024.018 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.

24:19b.MAT.024.019 Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo!

24:20b.MAT.024.020 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo.

24:21b.MAT.024.021 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.

24:22b.MAT.024.022 Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.

24:23b.MAT.024.023 Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro,y Kristy, na: Indro, ar ; aza mino ianareo.

24:24b.MAT.024.024 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.

24:25b.MAT.024.025 Indro, voalazako aminareo rahateo izany.

24:26b.MAT.024.026 Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino.

24:27b.MAT.024.027 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.

24:28b.MAT.024.028 Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery.

24:29b.MAT.024.029 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina.

24:30b.MAT.024.030 Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.

24:31b.MAT.024.031 Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.[Gr. rivotra]

24:32b.MAT.024.032 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.[aviavimbazaha]

24:33b.MAT.024.033 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.[Na: izany]

24:34b.MAT.024.034 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany.

24:35b.MAT.024.035 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

24:36b.MAT.024.036 Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.

24:37b.MAT.024.037 Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona.

24:38b.MAT.024.038 Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara,

24:39b.MAT.024.039 ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.

24:40b.MAT.024.040 Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.

24:41b.MAT.024.041 Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.

24:42b.MAT.024.042 Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.

24:43b.MAT.024.043 Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.

24:44b.MAT.024.044 Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.

24:45b.MAT.024.045 Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana?

24:46b.MAT.024.046 Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.

24:47b.MAT.024.047 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.

24:48b.MAT.024.048 Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,

24:49b.MAT.024.049 ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo,

24:50b.MAT.024.050 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany,dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.[Na: hokapohiny mafy]

24:51b.MAT.024.051 dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.[Na: hokapohiny mafy]

25

25:1b.MAT.025.001 Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.[Na: fanilony]

25:2b.MAT.025.002 Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.

25:3b.MAT.025.003 Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;[Na: fanilony]

25:4b.MAT.025.004 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.[Na: fanilony]

25:5b.MAT.025.005 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.

25:6b.MAT.025.006 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.

25:7b.MAT.025.007 Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.[Na: fanilony]

25:8b.MAT.025.008 Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.[Na: fanilonay]

25:9b.MAT.025.009 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.

25:10b.MAT.025.010 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.

25:11b.MAT.025.011 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.

25:12b.MAT.025.012 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.

25:13b.MAT.025.013 Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

25:14b.MAT.025.014 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:

25:15b.MAT.025.015 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.

25:16b.MAT.025.016 Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy.

25:17b.MAT.025.017 Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.

25:18b.MAT.025.018 Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony.

25:19b.MAT.025.019 Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany.

25:20b.MAT.025.020 Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.

25:21b.MAT.025.021 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc]

25:22b.MAT.025.022 Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.

25:23b.MAT.025.023 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc]

25:24b.MAT.025.024 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao;

25:25b.MAT.025.025 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao.

25:26b.MAT.025.026 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako;

25:27b.MAT.025.027 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.

25:28b.MAT.025.028 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.

25:29b.MAT.025.029 Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.

25:30b.MAT.025.030 Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

25:31b.MAT.025.031 Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;

25:32b.MAT.025.032 ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy;[Gr: zanak'osy]

25:33b.MAT.025.033 ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany.

25:34b.MAT.025.034 Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;

25:35b.MAT.025.035 fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;

25:36b.MAT.025.036 tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.

25:37b.MAT.025.037 Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?

25:38b.MAT.025.038 Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?

25:39b.MAT.025.039 Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay?

25:40b.MAT.025.040 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.

25:41b.MAT.025.041 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;

25:42b.MAT.025.042 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;

25:43b.MAT.025.043 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo.

25:44b.MAT.025.044 Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?

25:45b.MAT.025.045 Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.

25:46b.MAT.025.046 Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.

26

26:1b.MAT.026.001 Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe Izy:

26:2b.MAT.026.002 Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak'olona dia hatolotra hohomboana amin'ny hazo fijaliana.

26:3b.MAT.026.003 Ary tamin'izany dia nivory ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.

26:4b.MAT.026.004 Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy;

26:5b.MAT.026.005 kanefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin'ny olona.

26:6b.MAT.026.006 Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon'i Simona boka,

26:7b.MAT.026.007 dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.

26:8b.MAT.026.008 Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana izao?

26:9b.MAT.026.009 Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.

26:10b.MAT.026.010 Ary fantatr'i Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.

26:11b.MAT.026.011 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.

26:12b.MAT.026.012 Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin'ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.

26:13b.MAT.026.013 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.

26:14b.MAT.026.014 Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona

26:15b.MAT.026.015 ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.

26:16b.MAT.026.016 Ary hatramin'izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.

26:17b.MAT.026.017 Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?

26:18b.MAT.026.018 Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.

26:19b.MAT.026.019 Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain'i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.

26:20b.MAT.026.020 Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy.[Na: (mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy)]

26:21b.MAT.026.021 Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.

26:22b.MAT.026.022 Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?

26:23b.MAT.026.023 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin'ny lovia, izy no hamadika Ahy.

26:24b.MAT.026.024 Ny Zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.

26:25b.MAT.026.025 Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.

26:26b.MAT.026.026 Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.

26:27b.MAT.026.027 Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;[ Na: (ny kapoaka)]

26:28b.MAT.026.028 fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.[Na: (ny fanekena vaovao)]

26:29b.MAT.026.029 Ary lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko.

26:30b.MAT.026.030 Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Oliva.

26:31b.MAT.026.031 Ary tamin'izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak. 13. 7).

26:32b.MAT.026.032 Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.

26:33b.MAT.026.033 Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.

26:34b.MAT.026.034 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.

26:35b.MAT.026.035 Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.

26:36b.MAT.026.036 Ary Jesosy mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.

26:37b.MAT.026.037 Ary nitondra an'i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.

26:38b.MAT.026.038 Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.

26:39b.MAT.026.039 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.

26:40b.MAT.026.040 Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!

26:41b.MAT.026.041 Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

26:42b.MAT.026.042 Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.

26:43b.MAT.026.043 Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.

26:44b.MAT.026.044 Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.

26:45b.MAT.026.045 Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.[Na: Mbola matory ihany va ianareo ka miala sasatra?]

26:46b.MAT.026.046 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.

26:47b.MAT.026.047 Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.

26:48b.MAT.026.048 Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.

26:49b.MAT.026.049 Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.

26:50b.MAT.026.050 Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an'i Jesosy ary nitana Azy.[Na: haninona eto ianao?]

26:51b.MAT.026.051 Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.

26:52b.MAT.026.052 Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra.

26:53b.MAT.026.053 Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?

26:54b.MAT.026.054 Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?

26:55b.MAT.026.055 Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.

26:56b.MAT.026.056 Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin'izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.

26:57b.MAT.026.057 Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.

26:58b.MAT.026.058 Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.

26:59b.MAT.026.059 Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy;

26:60b.MAT.026.060 fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:

26:61b.MAT.026.061 Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny hateloana.

26:62b.MAT.026.062 Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?

26:63b.MAT.026.063 Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.

26:64b.MAT.026.064 Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.

26:65b.MAT.026.065 Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.[Gr. blasfemia, izahao 9. 3]

26:66b.MAT.026.066 Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.

26:67b.MAT.026.067 Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.

26:68b.MAT.026.068 ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?

26:69b.MAT.026.069 Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy, ilay Galiliana.

26:70b.MAT.026.070 Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.

26:71b.MAT.026.071 Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.

26:72b.MAT.026.072 Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.

26:73b.MAT.026.073 Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina tokoa fa naman'ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.

26:74b.MAT.026.074 Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.

26:75b.MAT.026.075 Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.

27

27:1b.MAT.027.001 Ary nony maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an'i Jesosy mba hamonoany Azy.

27:2b.MAT.027.002 Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an'i Pilato governora.

27:3b.MAT.027.003 Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona

27:4b.MAT.027.004 ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.

27:5b.MAT.027.005 Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.

27:6b.MAT.027.006 Ary ny lohan'ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin'ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.

27:7b.MAT.027.007 Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan'ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.

27:8b.MAT.027.008 Koa izany no anaovana ny anaran'izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.

27:9b.MAT.027.009 Ary tamin'izany dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin'ilay notombanana, dia ilay notombanan'ny Zanak'Isiraely,[Na: Nohajaina]

27:10b.MAT.027.010 ka nomeny hamidy ny sahan'ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah ahy (Jer. 18. 2; Zak. 11. 13).

27:11b.MAT.027.011 Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan'ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.

27:12b.MAT.027.012 Ary raha nampangain'ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.

27:13b.MAT.027.013 dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?

27:14b.MAT.027.014 Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.

27:15b.MAT.027.015 Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an'ny vahoaka, araka izay tiany.

27:16b.MAT.027.016 Ary tamin'izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.

27:17b.MAT.027.017 Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?

27:18b.MAT.027.018 Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ireo Azy.

27:19b.MAT.027.019 Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin'izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.

27:20b.MAT.027.020 Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an'i Barabasy ary hamono an'i Jesosy.

27:21b.MAT.027.021 Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.

27:22b.MAT.027.022 Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy.

27:23b.MAT.027.023 Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy!

27:24b.MAT.027.024 Ary raha hitan'i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin'ny ran'ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.

27:25b.MAT.027.025 Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin'ny zanakay.

27:26b.MAT.027.026 Ary dia nandefa an'i Barabasy ho an'ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin'ny hazo fijaliana.[Gr. dia nokapohiny; ny teny Grika milaza ny nokapohina tamin'ny fikapohana hoditra lehibe nisy varahina]

27:27b.MAT.027.027 Ary ny miaramilan'ny governora dia nitondra an'i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.[Gr. pretoria]

27:28b.MAT.027.028 Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.

27:29b.MAT.027.029 Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!

27:30b.MAT.027.030 Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.

27:31b.MAT.027.031 Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.

27:32b.MAT.027.032 Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.

27:33b.MAT.027.033 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,

27:34b.MAT.027.034 dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.

27:35b.MAT.027.035 Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.

27:36b.MAT.027.036 Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.

27:37b.MAT.027.037 Ary napetany teo ambonin'ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan'ny Jiosy.

27:38b.MAT.027.038 Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.

27:39b.MAT.027.039 Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha[Gr. nanao blasfemia; izahao 9. 3]

27:40b.MAT.027.040 ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin'ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, midina hiala amin'ny hazo fijaliana.

27:41b.MAT.027.041 Ary dia naneso toy izany koa ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:

27:42b.MAT.027.042 Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan'ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin'ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;

27:43b.MAT.027.043 natoky an'Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy (Sal. 22. 8), satria hoy Izy: Zanak'Andriamanitra Aho.

27:44b.MAT.027.044 Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana.

27:45b.MAT.027.045 Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.

27:46b.MAT.027.046 Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 1).

27:47b.MAT.027.047 Ary ny sasany tamin'izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an'i Elia Ilehio.

27:48b.MAT.027.048 Ary niaraka tamin'izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy.

27:49b.MAT.027.049 Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.

27:50b.MAT.027.050 Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.

27:51b.MAT.027.051 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;

27:52b.MAT.027.052 ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana,

27:53b.MAT.027.053 ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro.[Na:ary taorin',etc]

27:54b.MAT.027.054 Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an'i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin'izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.

27:55b.MAT.027.055 Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.

27:56b.MAT.027.056 Isan'ireny Maria Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy Josesy, ary ny renin'ny zanak'i Zebedio.

27:57b.MAT.027.057 Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr'i Jesosy.

27:58b.MAT.027.058 Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy. Dia nasain'i Pilato homena azy izany.

27:59b.MAT.027.059 Ary rehefa nalain'i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,

27:60b.MAT.027.060 dia naleviny tao amin'ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha.

27:61b.MAT.027.061 Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin'ny fasana.

27:62b.MAT.027.062 Ary nony ampitson'ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin'i Pilato ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo

27:63b.MAT.027.063 ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.

27:64b.MAT.027.064 Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin'ny olona hoe: Efa natsangana tamin'ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.

27:65b.MAT.027.065 Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.

27:66b.MAT.027.066 Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.

28

28:1b.MAT.028.001 Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.

28:2b.MAT.028.002 Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.

28:3b.MAT.028.003 Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;

28:4b.MAT.028.004 ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.

28:5b.MAT.028.005 Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.

28:6b.MAT.028.006 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.

28:7b.MAT.028.007 Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.

28:8b.MAT.028.008 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin'ny mpianatra.

28:9b.MAT.028.009 Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.

28:10b.MAT.028.010 Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.

28:11b.MAT.028.011 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.

28:12b.MAT.028.012 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila

28:13b.MAT.028.013 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay;

28:14b.MAT.028.014 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.

28:15b.MAT.028.015 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany.

28:16b.MAT.028.016 Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany.

28:17b.MAT.028.017 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.

28:18b.MAT.028.018 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;

28:19b.MAT.028.019 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masinasady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.

28:20b.MAT.028.020 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.


Holder of rights
Multilingual Bible Corpus

Citation Suggestion for this Object
TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Matthew (Malagasy). Matthew (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A5A6-2