Obadiah (Malagasy)
1
1:1b.OBA.001.001 [Ny fahitan'i Obadia ny amin'ny handravana an'i Edoma mbamin'ny jentilisa sasany noho ny ratsy nataony tamin'ny Isiraely, ary ny hampiorenana ny fanjakan'i Jehovah any Ziona] Ny fahitan'i Obadia. Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'i Edoma: Nahare filazana avy tamin'i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!
1:2b.OBA.001.002 Indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba indrindra ianao.
1:3b.OBA.001.003 Ny avonavon'ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin'ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?
1:4b.OBA.001.004 Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
1:5b.OBA.001.005 Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny ? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
1:6b.OBA.001.006 Endrey ny fitady ny an'i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!
1:7b.OBA.001.007 Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin'ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
1:8b.OBA.001.008 Moa tsy amin'izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr'i Esao?
1:9b.OBA.001.009 Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin'ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr'i Esao.
1:10b.OBA.001.010 Noho ny fampahoriana an'i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay.
1:11b.OBA.001.011 Tamin'ilay andro namitsahanao teny am-pita, Tamin'ny andro namaboan'ny vahiny ny fananany, Sy nidiran'ny hafa firenena teo amin'ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an'i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin'ireny koa ianao.[Heb. nijanonanao]
1:12b.OBA.001.012 Aza finaritra mijery ny andron'ny rahalahinao amin'ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin'ny taranak'i Joda amin'ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin'ny andro fahoriana
1:13b.OBA.001.013 Aza miditra amin'ny vavahadin'ny oloko amin'ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin'ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin'ny andro ahitany loza
1:14b.OBA.001.014 Aza mamitsaka eo amin'ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin'ny andro fahoriana.[Heb. mijanona]
1:15b.OBA.001.015 Fa efa antomotra amin'ny jentilisa rehetra ny andron'i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
1:16b.OBA.001.016 Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan'ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.
1:17b.OBA.001.017 Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny taranak'i Jakoba hahalasa ny fananany.
1:18b.OBA.001.018 Ny taranak'i Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr'ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.
1:19b.OBA.001.019 Ny any amin'ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr'i Esao;Ary ny any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin'ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an'i Gileada. [Heb. sefela]
1:20b.OBA.001.020 Ary ny babo amin'izao Zanak'Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin'ny tany atsimo. [Na: marobe izao, izay any amin'ny Kananita hatrany Zerefata, sy ny babo, etc..]Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1
1:21b.OBA.001.021 Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Obadiah (Malagasy). Obadiah (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A58B-1