Amos (Malagasy)
1
1:1b.AMO.001.001 Ny tenin'i Amosa, izay isan'ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin'ny Isiraely tamin'ny andro nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andro nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, roa taona talohan'ny horohorontany.
1:2b.AMO.001.002 [Ny loza hanjo ny firenena enina amin'ny jentilisa sy ny Joda, ary indrindra fa ny Isiraely] Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.
1:3b.AMO.001.003 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada; [Heb. tsy hahemotro]
1:4b.AMO.001.004 Fa haterako afo ny tranon'i Hazaela, ka handevona ny tranoben'i Beni-hadada izany.
1:5b.AMO.001.005 Hotorotoroiko koa ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan'i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah. [Na: mpanapaka]
1:6b.AMO.001.006 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
1:7b.AMO.001.007 Fa haterako afo ny mandan'i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;
1:8b.AMO.001.008 Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an'i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina, hoy Jehovah Tompo
1:9b.AMO.001.009 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;[Heb. tsy hahemotro]
1:10b.AMO.001.010 Fa haterako afo ny mandan'i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany
1:11b.AMO.001.011 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava; [Heb. tsy hahemotro]
1:12b.AMO.001.012 Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben'i Bozra izany
1:13b.AMO.001.013 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'ny taranak'i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny; [Heb. tsy hahemotro]
1:14b.AMO.001.014 Fa hampirehitra afo ao amin'ny mandan'i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin'ny andro iadiana sy rivo-mahery amin'ny andron'ny tadio;Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
1:15b.AMO.001.015 Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
2
2:1b.AMO.002.001 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
2:2b.AMO.002.002 Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben'i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin'ny tabataba sy amin'ny akora ary ny fanenon'ny anjomara;
2:3b.AMO.002.003 Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
2:4b.AMO.002.004 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn'i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon'ny razany; [Heb. tsy hahemotro]
2:5b.AMO.002.005 Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben'i Jerosalema izany.
2:6b.AMO.002.006 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, [Heb. tsy hahemotro]
2:7b.AMO.002.007 Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina; [Na: ho eo]
2:8b.AMO.002.008 Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy ao an-tranon'ireo andriamaniny izy. [Heb. divain'y voasazy]
2:9b.AMO.002.009 Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
2:10b.AMO.002.010 Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita,
2:11b.AMO.002.011 Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah.
2:12b.AMO.002.012 Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
2:13b.AMO.002.013 Indro, Izaho no hitambesatra aminareo toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara. [Na: Izaho dia itambesaranareo]
2:14b.AMO.002.014 Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
2:15b.AMO.002.015 Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;Ary na dia izay sahy ao amin'ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
2:16b.AMO.002.016 Ary na dia izay sahy ao amin'ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
3
3:1b.AMO.003.001 [Ny hamaliana ny Isiraely noho ny fahotany] Henoy izao teny izao, izay lazain'i Jehovah ny aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta io:
3:2b.AMO.003.002 Hianareo ihany no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
3:3b.AMO.003.003 Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
3:4b.AMO.003.004 Mierona any an'ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
3:5b.AMO.003.005 Voan'ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
3:6b.AMO.003.006 Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
3:7b.AMO.003.007 Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
3:8b.AMO.003.008 Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
3:9b.AMO.003.009 Ambarao ao an-tranoben'i Asdoda sy ao an-tranobe any amin'ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny. [Na: ny ampahorina]
3:10b.AMO.003.010 Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.
3:11b.AMO.003.011 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.
3:12b.AMO.003.012 Izao no lazain'i Jehovah: Toy ny famonjin'ny mpiandry ondry ny tongotr'ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan'ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak'Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin'ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
3:13b.AMO.003.013 Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak'i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:
3:14b.AMO.003.014 Amin'ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin'ny tany.Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
3:15b.AMO.003.015 Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
4
4:1b.AMO.004.001 [Ny hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fetezany hibebaka] Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr'ombivavin'i Basana, izay eny an-tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin'ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika. [Na: ny tomponareo: Heb. tompony, na vadiny]
4:2b.AMO.004.002 Jehovah Tompo efa nianiana tamin'ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin'ny farango sy izay sisa aminareo amin'ny fintana.
4:3b.AMO.004.003 Ary avy eo amin'ny banga no hivoahanareo, samy amin'izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona ianareo, hoy Jehovah.[Na: an-tranobe][Na: ary harianareo ny fahefana (?)]
4:4b.AMO.004.004 Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;
4:5b.AMO.004.005 Mandoroa zavatra misy masirasira ho fanati-pisaorana, ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
4:6b.AMO.004.006 Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin'ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
4:7b.AMO.004.007 Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin'ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin'ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan'ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
4:8b.AMO.004.008 Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin'ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
4:9b.AMO.004.009 Efa nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan'ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin'ny valala; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. [Heb. mpikiky]
4:10b.AMO.004.010 Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan'ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
4:11b.AMO.004.011 Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
4:12b.AMO.004.012 Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô.Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
4:13b.AMO.004.013 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
5
5:1b.AMO.005.001 [Ny handravana ny fanjakan'Isiraely] Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak'Isiraely;
5:2b.AMO.005.002 Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin'ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.
5:3b.AMO.005.003 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an'ny taranak'Isiraely.
5:4b.AMO.005.004 Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
5:5b.AMO.005.005 Fa aza mitady an'i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.
5:6b.AMO.005.006 Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,
5:7b.AMO.005.007 Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin'ny tany.
5:8b.AMO.005.008 Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany,
5:9b.AMO.005.009 Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin'ny tanàna mimanda ny fandravana.
5:10b.AMO.005.010 Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. [Na: Halany izay mananatra eo am-bavahady]
5:11b.AMO.005.011 Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
5:12b.AMO.005.012 Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. [Heb. avotra]
5:13b.AMO.005.013 Koa izay manan-tsaina dia hangina amin'izao andro izao, fa andro mampahory izao.
5:14b.AMO.005.014 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.
5:15b.AMO.005.015 Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa. [Heb. am-bavahady]
5:16b.AMO.005.016 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.
5:17b.AMO.005.017 Ary any amin'ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.
5:18b.AMO.005.018 Lozan'izay maniry ny andron'i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron'i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,
5:19b.AMO.005.019 Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin- tanana amin'ny rindrina, dia kekerin'ny menarana.
5:20b.AMO.005.020 Moa tsy aizina va ny andron'i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?
5:21b.AMO.005.021 Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina.
5:22b.AMO.005.022 Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
5:23b.AMO.005.023 Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny lokanganareo Aho. [Heb. Hiranao, lokanganao]
5:24b.AMO.005.024 Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
5:25b.AMO.005.025 Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak'i Isiraely?
5:26b.AMO.005.026 Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin'ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan'ny sampinareo ihany no nataonareo, dia ny kintan'ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo [Na: Dia ho entinareo][Na: Tsia fa ny mitondra an'i Sikota, mpanjakanareo, sy Kiona, sampinareo, no nataonareo]Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
5:27b.AMO.005.027 Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
6
6:1b.AMO.006.001 Lozan'ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr'i Samaria, dia ireo malaza eo amin'ny firenena malaza indrindra sady hatonin'ny taranak'Isiraely.
6:2b.AMO.006.002 Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midina ho any Gatan'ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin'ireo va ny taninareo?
6:3b.AMO.006.003 Hianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra sy mampanakaiky ny seza fandozana,
6:4b.AMO.006.004 Dia ireo izay mandrimandry ao amin'ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin'ny fandriandriany ary homana ny zanak'ondry avy amin'ny andian'ny ondry sy ny zanak'omby avy ao am-pahitra,
6:5b.AMO.006.005 Dia ireo izay mivovo foana manaraka ny feon-dokanga ary mamorona zava-maneno toy ny nataon'i Davida,
6:6b.AMO.006.006 Dia ireo izay misotro divay amin'ny lovia famafazana sady mihosotra diloilo tsara Indrindra, nefa tsy onena ny fahasimban'i Josefa.
6:7b.AMO.006.007 Koa amin'izao dia ho voalohany amin'izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin'izay mitsilailay foana.
6:8b.AMO.006.008 Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin'ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan'i Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin'izay rehetra ao anatiny.
6:9b.AMO.006.009 Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
6:10b.AMO.006.010 Ary ny havan'izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin'izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangina re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran'i Jehovah. [Heb. handoro]
6:11b.AMO.006.011 Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
6:12b.AMO.006.012 Mihazakazaka eny amin'ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
6:13b.AMO.006.013 Dia ianareo izay mifaly amin'ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin'i Hamata izy ka hatramin'ny lohasahan-driaka any amin'ny tani-hay.
6:14b.AMO.006.014 Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin'i Hamata izy ka hatramin'ny lohasahan-driaka any amin'ny tani-hay.
7
7:1b.AMO.007.001 [Ny fahitana ny amin'ny valala, sy ny afo, ary ny Pilao] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin'ny voalohan'ny nitsimohan'ny kolokolon'ahitra Izy; ary, indro, kolokolon'izay nojinjana ho an'ny mpanjaka izany.
7:2b.AMO.007.002 Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin'ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
7:3b.AMO.007.003 Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.
7:4b.AMO.007.004 Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin'ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.
7:5b.AMO.007.005 Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
7:6b.AMO.007.006 Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.
7:7b.AMO.007.007 Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin'ny manda natao amin'ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany.
7:8b.AMO.007.008 Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin'ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;[Heb. handalo azy]
7:9b.AMO.007.009 Dia ho foana ny fitoerana avon'Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin'Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak'i Jeroboama.
7:10b.AMO.007.010 [Ny natao tamin'i Amosa tao Betela, sy ny teny nataony tamin'izany] Dia naniraka tany amin'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin'ny taranak'Isiraely, ary tsy zakan'ny tany ny teniny rehetra,
7:11b.AMO.007.011 satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa ny Isiraely.
7:12b.AMO.007.012 Ary hoy Amazia tamin'i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin'ny tanin'ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;
7:13b.AMO.007.013 fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin'ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.
7:14b.AMO.007.014 Dia namaly Amosa ka nanao tamin'i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,[Na: mpandraotra][sykomora]
7:15b.AMO.007.015 saingy nalain'i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin'ny Isiraely oloko.
7:16b.AMO.007.016 Ka mba henoy ny tenin'i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak'Isaka;Koa izao no lazain'i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin'ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin'ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa.
7:17b.AMO.007.017 Koa izao no lazain'i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin'ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin'ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa.
8
8:1b.AMO.008.001 [Ny fahitana nentin'Andriamanitra nilaza tamin'i Amosa ny fahantomotry ny loza hanjo ny Isiraely] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.
8:2b.AMO.008.002 Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy intsony Aho. [Heb. handalo azy]
8:3b.AMO.008.003 Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re! [Na: tempoly]
8:4b.AMO.008.004 Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany
8:5b.AMO.008.005 Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga
8:6b.AMO.008.006 Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?
8:7b.AMO.008.007 Jehovah nianiana tamin'ny Reharehan'i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!
8:8b.AMO.008.008 Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an'i Neily sy hihena indray toy ny Neilin'i Egypta.
8:9b.AMO.008.009 Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;
8:10b.AMO.008.010 Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy. [Heb. lamba malailay]
8:11b.AMO.008.011 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin'i Jehovah; [Heb. mosary]
8:12b.AMO.008.012 Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
8:13b.AMO.008.013 Amin'izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
8:14b.AMO.008.014 Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
9
9:1b.AMO.009.001 [Ny fahitana ny amin'ny handravana ny fanjakana be ota, sy ny hananganana indray ny tabernakelin'i Davida] Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory. [Na: ambonin']
9:2b.AMO.009.002 Na dia mibosesika ho any amin'ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan'ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy. [Heb. Sheola]
9:3b.AMO.009.003 Ary na dia miery any an-tampon'i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin'ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan'ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
9:4b.AMO.009.004 Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
9:5b.AMO.009.005 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an'i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin'i Egypta,
9:6b.AMO.009.006 Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany, Jehovah no anarany.
9:7b.AMO.009.007 Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira?
9:8b.AMO.009.008 Indro, ny mason'i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin'ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak'i Jakoba, hoy Jehovah.
9:9b.AMO.009.009 Fa, indro, Izaho no handidy, ka hosivaniko any amin'ny firenena rehetra ny taranak'Isiraely, tahaka ny fanasivana vary amin'ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin'ny tany na dia iray akory aza.
9:10b.AMO.009.010 Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin'ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay.
9:11b.AMO.009.011 Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
9:12b.AMO.009.012 Mba hananany izay sisa amin'i Edoma sy amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.
9:13b.AMO.009.013 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.
9:14b.AMO.009.014 Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.
9:15b.AMO.009.015 Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Amos (Malagasy). Amos (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A588-4