Isaiah (Malagasy)
1
1:1b.ISA.001.001 Ny fahitan'Isaia, zanak'i Amoza, izay hitany ny amin'ny Joda sy Jerosalema tamin'ny andron'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan'ny Joda.
1:2b.ISA.001.002 [Ny alahelon'i Jehovah noho ny niodinan'ny Isiraely, ary ny nananarany azy sy ny nokasainy hatao aminy] Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
1:3b.ISA.001.003 Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
1:4b.ISA.001.004 Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.
1:5b.ISA.001.005 Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
1:6b.ISA.001.006 Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy.
1:7b.ISA.001.007 Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia lanin'ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan'ny fahavalo.[Heb. hafa firenena]
1:8b.ISA.001.008 Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an'ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.[voantangom-bazaha]
1:9b.ISA.001.009 Raha tsy nosisan'i Jehovah. Tompon'ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma Ary nitovy tamin'i Gomora.
1:10b.ISA.001.010 Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.
1:11b.ISA.001.011 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.
1:12b.ISA.001.012 Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
1:13b.ISA.001.013 Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
1:14b.ISA.001.014 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
1:15b.ISA.001.015 Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona ny tananareo.[Heb. rà nalatsaka]
1:16b.ISA.001.016 Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
1:17b.ISA.001.017 Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena.
1:18b.ISA.001.018 Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
1:19b.ISA.001.019 Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany;
1:20b.ISA.001.020 Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin'ny sabatra: Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
1:21b.ISA.001.021 Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
1:22b.ISA.001.022 Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
1:23b.ISA.001.023 Ny lehibenao dia mpiodina sady naman'ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
1:24b.ISA.001.024 Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
1:25b.ISA.001.025 Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin'ny lavenona ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo]
1:26b.ISA.001.026 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
1:27b.ISA.001.027 Ziona havotana amin'ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin'ny fahamarinana;[Heb. miverina]
1:28b.ISA.001.028 Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.
1:29b.ISA.001.029 Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin'ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin'ny saha izay natokanareo.[Heb. izy]
1:30b.ISA.001.030 Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
1:31b.ISA.001.031 Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
2
2:1b.ISA.002.001 [Ny voninahitra marina voatendry ho an'ny Isiraely, sy ny hanafoanana ny voninahiny tsy izy] Ny teny izay hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny Joda sy Jerosalema.
2:2b.ISA.002.002 Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
2:3b.ISA.002.003 Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
2:4b.ISA.002.004 Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
2:5b.ISA.002.005 Ry taranak'i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin'ny fahazavan'i Jehovah.
2:6b.ISA.002.006 Fa efa nanary ny taranak'i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be zana-bahiny.[Na sady efa nanao fanekena tamin'ny]
2:7b.ISA.002.007 Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;
2:8b.ISA.002.008 Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan'ny asan'ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon'ny rantsan-tanany;
2:9b.ISA.002.009 Koa ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
2:10b.ISA.002.010 Midira ao amin'ny vatolampy, Ary miere ao amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
2:11b.ISA.002.011 Ny fiandranandran'ny mason'ny zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
2:12b.ISA.002.012 Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
2:13b.ISA.002.013 Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
2:14b.ISA.002.014 Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
2:15b.ISA.002.015 Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
2:16b.ISA.002.016 Sy ny sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
2:17b.ISA.002.017 Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
2:18b.ISA.002.018 Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
2:19b.ISA.002.019 Ary hiditra ao amin'ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
2:20b.ISA.002.020 Amin'izany andro izany dia harian'ny olona Ho an'ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
2:21b.ISA.002.021 Mba hidirany eo amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
2:22b.ISA.002.022 Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
3
3:1b.ISA.003.001 Fa, indro, Jehovah, Tompon'ny maro, Manaisotra amin'i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan'aina,
3:2b.ISA.003.002 Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
3:3b.ISA.003.003 Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
3:4b.ISA.003.004 Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
3:5b.ISA.003.005 Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin'ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza.
3:6b.ISA.003.006 Raha misy olona angatahin'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,[Heb. hazon']
3:7b.ISA.003.007 Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
3:8b.ISA.003.008 Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny.
3:9b.ISA.003.009 Ny fisehon'ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an'i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan'ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin'ny tenany izy.
3:10b.ISA.003.010 Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
3:11b.ISA.003.011 Lozan'ny ratsy fanahy! hiharan'ny ratsy izy, Satria ny valin'ny nataon'ny tànany ihany no hanody azy.
3:12b.ISA.003.012 Ny amin'ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.
3:13b.ISA.003.013 Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
3:14b.ISA.003.014 Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben'ny olony amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
3:15b.ISA.003.015 Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan'ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
3:16b.ISA.003.016 Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin'i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
3:17b.ISA.003.017 Noho izany dia hataon'ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan'ny zanakavavin'i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
3:18b.ISA.003.018 Amin'izany andro izany dia hesorin'i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, [Na: voavola]
3:19b.ISA.003.019 Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara,[Na: haba]
3:20b.ISA.003.020 Na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,[Heb. diadema]
3:21b.ISA.003.021 Na ny peratra, na ny kavin'orona,
3:22b.ISA.003.022 Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra,
3:23b.ISA.003.023 Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana;[He. hamama]
3:24b.ISA.003.024 Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin'ny vy mahamay.[Heb. lamba malailay]
3:25b.ISA.003.025 Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an'ady;Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
3:26b.ISA.003.026 Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
4
4:1b.ISA.004.001 Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso
4:2b.ISA.004.002 Amin'izany andro izany ny rantsan'i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an'ny Isiraely sisa afaka; [Na: solofon']
4:3b.ISA.004.003 Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina. Dia izay rehetra voasoratra ho isan'ny velona any Jerosalema.
4:4b.ISA.004.004 Rehefa voasasan'ny Tompo ho afaka amin'ny fahalotoany ireo zanakavavin'i Ziona, Ary rehefa voadion'ny fanahy fitsarana,sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin'ny ran'olona nalatsany.
4:5b.ISA.004.005 Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin'ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin'ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy eloeloKa hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.
4:6b.ISA.004.006 Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.
5
5:1b.ISA.005.001 [Ny amin'ny Isiraely. tanim-boalobok'i Jehovah, sy ny hanjo azy] Aoka aho hihira ny amin'ny Malalako, dia hiran'ny Malalako ny amin'ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;[Na: ho an']
5:2b.ISA.005.002 Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.
5:3b.ISA.005.003 Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin'ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.
5:4b.ISA.005.004 Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
5:5b.ISA.005.005 Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;
5:6b.ISA.005.006 Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy. [Heb. rahona matevina]
5:7b.ISA.005.007 Fa ny taranak'i Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.[Na: fampahoriana]
5:8b.ISA.005.008 Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin'ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran'ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin'ny tany ianareo!
5:9b.ISA.005.009 Izao no ren'ny sofiko avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.
5:10b.ISA.005.010 Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo Zemeda, Ary rehefa iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran'ny homera.[Zemeda dia anaram-pandrefesana, tokony ho antsasaky ny akera]
5:11b.ISA.005.011 Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan'ny andro ka ampirehetin'ny divay!
5:12b.ISA.005.012 Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan'i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon'ny tanany tsy mba hitany.
5:13b.ISA.005.013 Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main'ny hetaheta.
5:14b.ISA.005.014 Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an'i Jerosalema; Ary any no hivarinan'ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin'izay mifalifaly ao aminy;[He. Sheola][Heb. azy]
5:15b.ISA.005.015 Ary ny zanak'olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason'ny miandranandrana dia haidina.
5:16b.ISA.005.016 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no hisandratra amin'ny fitsarana, Ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin'ny fahamarinana.
5:17b.ISA.005.017 Ary ny zanak'ondry hikania toy ny eny amin'ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan'ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
5:18b.ISA.005.018 Lozan'izay mitari-keloka amin'ny kofehin'ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin'ny mahazakan-tsariety,
5:19b.ISA.005.019 Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
5:20b.ISA.005.020 Lozan'izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
5:21b.ISA.005.021 Lozan'izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
5:22b.ISA.005.022 Lozan'izay fatratra nefa amin'ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto nefa amin'ny fampiharoharoana toaka ihany! [Heb. mahery]
5:23b.ISA.005.023 Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin'ny marina!
5:24b.ISA.005.024 Koa toy ny fandevonan'ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan'ny fakany sy hijofoan'ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn'i Jehovah, Tompon'ny maro izy Sy nanamavo ny tenin'ny Iray Masin'ny Isiraely.
5:25b.ISA.005.025 Koa izany no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin'ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
5:26b.ISA.005.026 Ary hanangana faneva ho amin'ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran'ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo; [Heb. mahery]
5:27b.ISA.005.027 Tsy hisy reraka na tafintohina ao aminy; Tsy ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny fehin-kapany,
5:28b.ISA.005.028 Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;
5:29b.ISA.005.029 Ny fierony dia tahaka ny fieron'ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.
5:30b.ISA.005.030 Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.
6
6:1b.ISA.006.001 [Ny nanendrena an'Isaia ho mpaminany] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly.
6:2b.ISA.006.002 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.
6:3b.ISA.006.003 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.[Na: Voninahiny avokoa ny eran'ny tany]
6:4b.ISA.006.004 Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano.
6:5b.ISA.006.005 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko.
6:6b.ISA.006.006 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain'afo teny an-tànany, izay nalainy tamin'ny ny tandra avy teo amin'ny alitara.[Na: vato mahamay]
6:7b.ISA.006.007 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.
6:8b.ISA.006.008 Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.
6:9b.ISA.006.009 Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.
6:10b.ISA.006.010 Ataovy adala ny fon'ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.
6:11b.ISA.006.011 Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;
6:12b.ISA.006.012 Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin'ny tany;Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.
6:13b.ISA.006.013 Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.
7
7:1b.ISA.007.001 [Ny amin'ny hahaterahan'Imanoela, sy ny amin'ny handravana ny fanjakan'i Siria sy Efraima] Ary tamin'ny andron'i Ahaza, zanak'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, hanafika an'i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
7:2b.ISA.007.002 Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra.
7:3b.ISA.007.003 Ary hoy Jehovah tamin'Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba,[Seara-jasoba = Hisy sisa hiverina]
7:4b.ISA.007.004 ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia.
7:5b.ISA.007.005 Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak'i Remalia ka nanao hoe:
7:6b.ISA.007.006 Andeha isika hananika an'i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak'i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
7:7b.ISA.007.007 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
7:8b.ISA.007.008 Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
7:9b.ISA.007.009 Ary ny lohan'i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan'i Samaria dia ny zanak'i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.
7:10b.ISA.007.010 Ary Jehovah mbola niteny tamin'i Ahaza ihany ka nanao hoe:
7:11b.ISA.007.011 Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony.
7:12b.ISA.007.012 Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah
7:13b.ISA.007.013 Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?
7:14b.ISA.007.014 Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela. [Na: zazavavy][Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]
7:15b.ISA.007.015 Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.
7:16b.ISA.007.016 Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
7:17b.ISA.007.017 Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin'ny andro nialan'i Efraima tamin'ny Joda (Dia ny mpanjakan'i Asyria);
7:18b.ISA.007.018 Ary amin'izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin'ny faran'ny onin'i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin'ny tany Asyria;
7:19b.ISA.007.019 Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin'ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny saha fiandrasana rehetra.
7:20b.ISA.007.020 Amin'izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza nohofana any amoron'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin'iny koa.[Eofrata]
7:21b.ISA.007.021 Ary amin'izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
7:22b.ISA.007.022 Ary noho ny haben'ny ronono azo avy amin'ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan'ny olona sisa rehetra ao amin'ny tany.
7:23b.ISA.007.023 Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
7:24b.ISA.007.024 Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin'izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']
7:25b.ISA.007.025 Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']
8
8:1b.ISA.008.001 [Ny amin'ny hahaterahan'ny zanaky ny mpaminanivavy, sy ny handresen'i Asyria ny Joda, ary ny toky ho azon'ny tena Isiraely noho ny nahaterahan'ny Zaza Mahagaga] Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an'i Mahera-salala-hasi-baza." [Na: amin'][Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
8:2b.ISA.008.002 Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin'i Jeberekia.
8:3b.ISA.008.003 Ary nankany amin'ny mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.[Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
8:4b.ISA.008.004 Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy ny fananan'i Samaria.
8:5b.ISA.008.005 Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
8:6b.ISA.008.006 Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak'i Remalia,
8:7b.ISA.008.007 Dia, indro, hampiakarin'ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; [Eofrata]
8:8b.ISA.008.008 Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin'ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.[Heb. fampivelatra ny elany]
8:9b.ISA.008.009 Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
8:10b.ISA.008.010 Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra. [Heb. Imanoela; izahao and. 8]
8:11b.ISA.008.011 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin'ny falehan'ity firenena ity aho:
8:12b.ISA.008.012 Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain'ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
8:13b.ISA.008.013 Jehovah, Tompon'ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
8:14b.ISA.008.014 Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin'ny firenena roa amin'ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin'ny mponina any Jerosalema.
8:15b.ISA.008.015 Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
8:16b.ISA.008.016 Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro.
8:17b.ISA.008.017 Ary hiandry an'i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
8:18b.ISA.008.018 Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin'ny Isiraely Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
8:19b.ISA.008.019 Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
8:20b.ISA.008.020 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina.[Na: Eny, izany no holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina]
8:21b.ISA.008.021 Dia samy hivezivezy amin'ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;[Na: hanozona amin'ny anaran'][Na: ny andriamaniny]
8:22b.ISA.008.022 Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy.Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.
8:23b.ISA.008.023 Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.
9
9:1b.ISA.009.001 Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava.
9:2b.ISA.009.002 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo.
9:3b.ISA.009.003 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana.
9:4b.ISA.009.004 Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany.
9:5b.ISA.009.005 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]
9:6b.ISA.009.006 Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.
9:7b.ISA.009.007 [Ny amin'ny aninjiran'i Jehovah ny tànany hampijaly ny olona noho ny ratsy nataony] Ny Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra amin'ny Isiraely izany.
9:8b.ISA.009.008 Ary ho fantatr'izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin'ny fiavonavonany sy ny fireharehan'ny fony manao hoe:
9:9b.ISA.009.009 Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.
9:10b.ISA.009.010 Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony,
9:11b.ISA.009.011 Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
9:12b.ISA.009.012 Fa ny olona tsy miverina amin'Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, tsy mba tadiaviny.
9:13b.ISA.009.013 Ka dia nofongoran'i Jehovah amin'ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro [palma]
9:14b.ISA.009.014 (Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
9:15b.ISA.009.015 Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
9:16b.ISA.009.016 Ary noho izany dia tsy mahafaly an'i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: ratsy fanahy]
9:17b.ISA.009.017 Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
9:18b.ISA.009.018 Noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia efa maintin'ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin'ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
9:19b.ISA.009.019 Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
9:20b.ISA.009.020 Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
10
10:1b.ISA.010.001 Lozan'izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,
10:2b.ISA.010.002 Hampialany ny mahantra amin'ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin'izay ory eo amin'ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
10:3b.ISA.010.003 Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo? [Heb. voninahitrareo]
10:4b.ISA.010.004 Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: Izay tsy mihohoka voatsindrin'ny babo dia ho lavo voatsindrin'ny voavono; na: Raha misaraka amiko, dia hihohoka, etc]
10:5b.ISA.010.005 [Ny amin'ny fanjakan'i Asyria sy ny mbola handravana azy] Endrey! ry Asyria, tsorakazon'ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
10:6b.ISA.010.006 Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan'ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.[Na: ratsy fanahy]
10:7b.ISA.010.007 Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin'ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
10:8b.ISA.010.008 Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
10:9b.ISA.010.009 Tsy tahaka an'i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an'i Damaskosy va Samaria ?
10:10b.ISA.010.010 Tahaka ny nahatraran'ny tanako ny fanjakan'ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an'i Jerosalema sy ny an'i Samaria aza ny sampin'ireo,[Heb. sarin-javatra voasokitra]
10:11b.ISA.010.011 Dia tsy tahaka ny nataoko tamin'i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin'i Jerosalema sy ny sampiny koa ? [Heb. sarin-javatra voasokitra]
10:12b.ISA.010.012 Kanefa rehefa vitan'ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan'ny fon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny reharehan'ny fiandranandran'ny masony; [Heb: hovaliako]
10:13b.ISA.010.013 Fa izy manao hoe: Tamin'ny herin'ny tanako no nanaovako izany, sy tamin'ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin'ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka; [Na: Ary tahaka ny fanaon'ny lehilahy mahery no nanonganako mpanapaka]
10:14b.ISA.010.014 Ary tahaka ny fakàna ny ao amin'ny akanim-borona no nakan'ny tanako ny haren'ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin'ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
10:15b.ISA.010.015 Ny famaky va hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony! [Heb. manandratra izay tsy hazo]
10:16b.ISA.010.016 Koa izany no anateran'ny Tompo, dia ny Tompon'ny maro, fahahiazana amin'ny tremalahiny; Ary ao ambanin'ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
10:17b.ISA.010.017 Ary ny fahazavan'ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;
10:18b.ISA.010.018 Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak'izay marary mafy izany.[Na: ho tahaka ny fahatoranan'ny mpitondra faneva]
10:19b.ISA.010.019 Ary ho vitsy ny hazo sisa any an'alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
10:20b.ISA.010.020 Ary amin'izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin'ny taranak'i Jakoba, dia tsy hiankina amin'izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin'ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
10:21b.ISA.010.021 Ary izay sisa amin'i Jakoba dia hiverina ho amin'Andriamanitra Mahery.
10:22b.ISA.010.022 Fa na dia tahaka ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
10:23b.ISA.010.023 Fa fahafonganana voatendry no hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ao amin'ny tany.
10:24b.ISA.010.024 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
10:25b.ISA.010.025 Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.
10:26b.ISA.010.026 Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, hamely azy amin'ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin'ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
10:27b.ISA.010.027 Ary amin'izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin'ny vozonao, ary ho tapaka ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.[Heb. simba]
10:28b.ISA.010.028 Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an'i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
10:29b.ISA.010.029 Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean'i Saoly;
10:30b.ISA.010.030 Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin'i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!
10:31b.ISA.010.031 Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.
10:32b.ISA.010.032 Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.
10:33b.ISA.010.033 Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.
10:34b.ISA.010.034 Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.
11
11:1b.ISA.011.001 [Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany;
11:2b.ISA.011.002 Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah;
11:3b.ISA.011.003 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny;
11:4b.ISA.011.004 Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
11:5b.ISA.011.005 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony
11:6b.ISA.011.006 Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa]
11:7b.ISA.011.007 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;
11:8b.ISA.011.008 Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky ny menarana. [Na: voamason']
11:9b.ISA.011.009 Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
11:10b.ISA.011.010 Ary amin'izany andro izany ny solofon'i Jese, Izay hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy no hotadiavin'ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
11:11b.ISA.011.011 Ary amin'izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin'ny moron-dranomasina.
11:12b.ISA.011.012 Dia hanangana faneva ho an'ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin'ny vazan-tany efatra.
11:13b.ISA.011.013 Ary hitsahatra ny fialonan'i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana an'i Joda: Efraima tsy hialona an'i Joda, Ary Joda tsy handrafy an'i Efraima.[Na: mpandrafy][Na: ao amin'ny]
11:14b.ISA.011.014 Fa hipaoka ny tanin'ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin'i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak'i Amona hanoa azy.
11:15b.ISA.011.015 Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin'ny ony ka hamely azy amin'ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.[Na: hanao azy ho herema][Eofrata]Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.
11:16b.ISA.011.016 Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.
12
12:1b.ISA.012.001 Ary hiteny ianao amin'izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao. [Na: Fa tezitra tamiko Hianao, nefa]
12:2b.ISA.012.002 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.
12:3b.ISA.012.003 Koa amin'ny fifaliana no hantsakanareo rano amin'ny loharanom-pamonjena.
12:4b.ISA.012.004 Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.
12:5b.ISA.012.005 Mankalazà an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany.Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin'ny Isiraely.
12:6b.ISA.012.006 Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin'ny Isiraely.
13
13:1b.ISA.013.001 [Faminaniana ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona.
13:2b.ISA.013.002 Manangàna faneva eo an-tampon'izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin'ny vavahadin'ireo mpanapaka.
13:3b.ISA.013.003 Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
13:4b.ISA.013.004 Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an'ny vahoaka be! Dia ny fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon'ny maro, no manomana miaramila hiady,[Na: firenena lehibe]
13:5b.ISA.013.005 Izay avy any amin'ny tany lavitra, any amin'ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan'ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
13:6b.ISA.013.006 Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
13:7b.ISA.013.007 Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon'ny zanak'olombelona rehetra;
13:8b.ISA.013.008 Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny.
13:9b.ISA.013.009 Indro, avy ny andron'i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan'ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
13:10b.ISA.013.010 Fa ny kintan'ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin'ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.
13:11b.ISA.013.011 Ary hatsingeriko amin'izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin'ny ratsy fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny fireharehan'ny mpiavonavona, Ary haetriko ny fiavonavonan'ny mpampahory.
13:12b.ISA.013.012 Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.
13:13b.ISA.013.013 Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin'ny fitoerany noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy noho ny andro firehetan'ny fahatezerany.
13:14b.ISA.013.014 Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman'osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin'ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any amin'ny taniny avy izy.
13:15b.ISA.013.015 Izay rehetra azo dia holefonina, ary izay rehetra tratra dia ho lavon'ny sabatra.
13:16b.ISA.013.016 Ary ny zanany madinika hotorotoroina eo imasony; Ny tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina.
13:17b.ISA.013.017 Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.
13:18b.ISA.013.018 Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran'ny masony.
13:19b.ISA.013.019 Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan'ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora;
13:20b.ISA.013.020 Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin'ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
13:21b.ISA.013.021 Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,[Na: hyena][Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7]Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin'ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.[Heb. jakala][Heb. mpitondratenany][Na: jakala]
13:22b.ISA.013.022 Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin'ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.[Heb. jakala][Heb. mpitondratenany][Na: jakala]
14
14:1b.ISA.014.001 Fa Jehovah hamindra fo amin'i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin'ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak'i Jakoba ho namany
14:2b.ISA.014.002 Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak'Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin'ny tanin'i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
14:3b.ISA.014.003 [Hira fifaliana hataon'ny Isiraely noho ny nanetrena ny mpanjakan'i Babylona] Ary amin'ny andro hanomezan'i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin'ny fahorianao sy ny fitebitebin'ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,
14:4b.ISA.014.004 dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena! [Na: mampandoa hetra]
14:5b.ISA.014.005 Jehovah efa nanapatapaka ny tehin'ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan'ny mpanapaka,
14:6b.ISA.014.006 Izay namely firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.
14:7b.ISA.014.007 Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
14:8b.ISA.014.008 Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.
14:9b.ISA.014.009 Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.[Heb. Sheola][Heb. osilahy]
14:10b.ISA.014.010 Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!
14:11b.ISA.014.011 Efa navarina ho etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.[Heb. Sheola]
14:12b.ISA.014.012 Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
14:13b.ISA.014.013 Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
14:14b.ISA.014.014 Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
14:15b.ISA.014.015 Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao.[Heb. Sheola]
14:16b.ISA.014.016 Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
14:17b.ISA.014.017 Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
14:18b.ISA.014.018 Ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena samy mandry amin'ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany avy;[Heb. tranony]
14:19b.ISA.014.019 Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin'ny fatin'ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midina ho ao amin'ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin'ny tongotra.
14:20b.ISA.014.020 Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
14:21b.ISA.014.021 Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran'izao tontolo izao.
14:22b.ISA.014.022 Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
14:23b.ISA.014.023 Ary hataoko fonenan'ny sokina sy fihandronan'ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
14:24b.ISA.014.024 Jehovah, Tompon'ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
14:25b.ISA.014.025 Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin'ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin'ireo, ary ny entany ho afaka amin'ny sorony
14:26b.ISA.014.026 Izany no fikasana ny amin'ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin'ny firenena rehetra.
14:27b.ISA.014.027 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?
14:28b.ISA.014.028 [Faminaniana ny loza hanjo an'i Filistia] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
14:29b.ISA.014.029 Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon'ny bibilava no hihavian'ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran'afo manidina.[Heb. fakan'][Heb. sarafa]
14:30b.ISA.014.030 Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny.[Heb. matoan'ny mahantra][Heb. ny fakanao]
14:31b.ISA.014.031 Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin'ny laharany akory ny miaramilany.Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony ory.
14:32b.ISA.014.032 Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony ory.
15
15:1b.ISA.015.001 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba. Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Kira-moaba, ka fongotra izy;
15:2b.ISA.015.002 Miakatra ho ao amin'ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin'ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran'i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.[Na: ho ao Baita]
15:3b.ISA.015.003 Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
15:4b.ISA.015.004 Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan'i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.[Heb. voaomany]
15:5b.ISA.015.005 Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima. [Na: ny hidiny (na: ny fiarovana azy) dia hatrany Zoara][Na: Dia ilay ombivavy kely telo taona]
15:6b.ISA.015.006 Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
15:7b.ISA.015.007 Ary amin'izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan'ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
15:8b.ISA.015.008 Fa ny fitarainany manodidina ny sisin'i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.Fa ny ranon'i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an'i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin'ny tany.
15:9b.ISA.015.009 Fa ny ranon'i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an'i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin'ny tany.
16
16:1b.ISA.016.001 Atero ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, dia miala an'i Sela ka mamaky ny efitra hatramin'ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy.
16:2b.ISA.016.002 Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin'ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin'i Moaba ao amin'ny fitàna any Arnona.
16:3b.ISA.016.003 Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
16:4b.ISA.016.004 Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy.[Na: Aoka ho fereny ianao ry Moaba]
16:5b.ISA.016.005 Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
16:6b.ISA.016.006 Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
16:7b.ISA.016.007 Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok'i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.[Na: faharavany]
16:8b.ISA.016.008 Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina. [Na: Dia ireo izay nankaleo ny andrianan'ny firenena ny sakeliny]
16:9b.ISA.016.009 Koa izany no hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny fitomanian'i Jazera, handena anao amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin'ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.[Na: fitomaniana an'i]
16:10b.ISA.016.010 Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin'ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin'ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin'ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin'ny fararano.
16:11b.ISA.016.011 Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin'i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin'i Kira-haresa.
16:12b.ISA.016.012 Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin'ny fitoerana avo. Ary mankao amin'ny fitoerany masina mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
16:13b.ISA.016.013 Izany no tenin'i Jehovah nataony fahiny ny amin'i Moaba.Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]
16:14b.ISA.016.014 Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]
17
17:1b.ISA.017.001 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Damaskosy] Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
17:2b.ISA.017.002 Efa lao ny tanànan'i Aroera ka ho an'ny andian'ny ondry aman'osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
17:3b.ISA.017.003 Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin'i Syria dia hitovy voninahitra amin'ny Zanak'Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
17:4b.ISA.017.004 Ary amin'izany andro izany dia hihena ny voninahitr'i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
17:5b.ISA.017.005 Ary ho tahaka ny fanangon'ny olona ny vary an-tahony amin'ny fararano izany, ka tangosan'ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon'ny olona salohim-bary eny amin'ny lohosahan'ny Refaita;
17:6b.ISA.017.006 Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin'ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin'ny rantsan'ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
17:7b.ISA.017.007 Amin'izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'ny Isiraely,
17:8b.ISA.017.008 Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an'ny masoandro.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny][Na: tsangam-bato]
17:9b.ISA.017.009 Amin'izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an'ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan'ny olona teo anoloan'ny Zanak'Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
17:10b.ISA.017.010 Fa nanadino an'Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin'ny firenena hafa no nambolenao teo;
17:11b.ISA.017.011 Tamin'ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin'ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina. [Na: Nefa ho levona ny vokatra amin'ny andro hahazoana azy]
17:12b.ISA.017.012 [Ny handringanana ny Asyriana] Indrisy ny fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon'ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny rano manonja ny firohondrohony!
17:13b.ISA.017.013 Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon'ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin'ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin'ny tadio.Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.
17:14b.ISA.017.014 Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.
18
18:1b.ISA.018.001 [Ny haneken'ny Etiopiana an'i Jehovah noho ny handrenesany ny nandringanana ny Asyriana] Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia,
18:2b.ISA.018.002 Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin'ny ony maro ny taniny.[Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indindra; na: mahery mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]
18:3b.ISA.018.003 Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
18:4b.ISA.018.004 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin'ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin'ny hainandro fararano.[Na: Toy ny hainandro mipoaka tsara sy ny][Heb; rahon'ando]
18:5b.ISA.018.005 Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin'ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
18:6b.ISA.018.006 Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any.Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona. [Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]
18:7b.ISA.018.007 Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona. [Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]
19
19:1b.ISA.019.001 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Egypta] Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon'i Egypta dia ketraka ao anatiny.[Na: mandositra azy]
19:2b.ISA.019.002 Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin'ny rahalahiny avy sy amin'ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin'ny tanàna, ary ny fanjakana amin'ny fanjakana.
19:3b.ISA.019.003 Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin'ny andriamani-tsi-izy sy amin'ny mpibitsibitsika amin'ny odiny izy sy amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin'ny mpanao sikidy.
19:4b.ISA.019.004 Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin'izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
19:5b.ISA.019.005 Ny rano amin'ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
19:6b.ISA.019.006 Ho maimbo ny sampantsampan'ny ony; Ary ny lahin-dranon'i Egypta hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo; [Heb. Mazora]
19:7b.ISA.019.007 Ny tany eny amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron'i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
19:8b.ISA.019.008 Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin'ny rano.[Heb; mpamelatra]
19:9b.ISA.019.009 Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin'ny fihogo sy izay manenona hariry.
19:10b.ISA.019.010 Ny andrin'ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.[Na: fanorenan']
19:11b.ISA.019.011 Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak'izay hendry indrindra amin'ny mpanolotsain'i Farao; Ahoana no ilazanareo amin'i Farao hoe: Zanak'olon-kendry aho sady taranak'ireo mpanjaka fahagola?
19:12b.ISA.019.012 Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amin'i Egypta.
19:13b.ISA.019.013 Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an'i Egypta ireo fehizoron'ny fireneny. [Heb. Nofa]
19:14b.ISA.019.014 Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa. [Heb. nangaroharo]
19:15b.ISA.019.015 Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia na ny zozoro. [palma]
19:16b.ISA.019.016 Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
19:17b.ISA.019.017 Ary ny tanin'ny Joda dia ho fahatahoran'i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan'i Jehovah, Tompon'ny maro, izay kasainy ny amin'ny hamelezana azy.
19:18b.ISA.019.018 Amin'izany andro izany dia hisy tanana dimy amin'ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin'i Kanana sy hianiana ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa. [Ira-haresa = Tanàna haringana, na Tanànan'ny masoandro]
19:19b.ISA.019.019 Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Jehovah eo amin'ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an'i Jehovah.
19:20b.ISA.019.020 Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin'i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. [Na: ary izao no ho famantarana sy vavolombelona, etc.: Raha mitaraina]
19:21b.ISA.019.021 Ary Jehovah hanao izay hahafantaran'ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an'i Jehovah amin'izany andro izany; Dia hanompo Azy amin'ny fanatitra alatsa-drà sy amin'ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin'i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
19:22b.ISA.019.022 Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin'i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
19:23b.ISA.019.023 Amin'izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka. [Heb. hiara-manompo]
19:24b.ISA.019.024 Amin'izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin'i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin'ny tany;Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako.
19:25b.ISA.019.025 Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako.
20
20:1b.ISA.020.001 [Fanoharana ny amin'ny handravana an'i Etiopia sy Egypta] Tamin'ny taona nankanesan'i Tartana tany Asdoda, raha nirahin'i Sargona, mpanjakan'i Asyria, izy ka namely an'i Asdoda ary nahafaka azy,
20:2b.ISA.020.002 tamin'izany andro izany no nampitondran'i Jehovah teny an'Isaia, zanak'i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin'ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin'ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
20:3b.ISA.020.003 Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan'Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin'i Egypta sy Etiopia,
20:4b.ISA.020.004 dia ho toy izany no hitondran'ny mpanjakan'i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr'i Egypta.
20:5b.ISA.020.005 Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin'i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.[Heb. izy]Ary amin'izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
20:6b.ISA.020.006 Ary amin'izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
21
21:1b.ISA.021.001 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina]
21:2b.ISA.021.002 Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
21:3b.ISA.021.003 Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
21:4b.ISA.021.004 Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.
21:5b.ISA.021.005 Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga![Na: velarina ny tsihy]
21:6b.ISA.021.006 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.
21:7b.ISA.021.007 Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;
21:8b.ISA.021.008 Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin'ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin'ny fiambenako aho mandritra ny alina;
21:9b.ISA.021.009 Koa, indreo, avy ny olona an-diany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin'ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin'ny tany.[Heb. sarin-javatra voasokitra]
21:10b.ISA.021.010 Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.[Heb. zanaky ny famoloako]
21:11b.ISA.021.011 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma. Misy miantso ahy any Seira manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? [Heb. Doma]
21:12b.ISA.021.012 Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena. [Na: avia indray]
21:13b.ISA.021.013 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia. Any an'ala any Arabia no andrianareo, ry andian'ny Dedanita.
21:14b.ISA.021.014 Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin'ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;
21:15b.ISA.021.015 Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.
21:16b.ISA.021.016 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny herintaona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara;Ary ny tsipìka sisa izay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
21:17b.ISA.021.017 Ary ny tsipìka sisa izay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
22
22:1b.ISA.022.001 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Jerosalema] Faminaniana ny amin'ny lohasahan'ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo, [Heb. anao][Heb. ianao]
22:2b.ISA.022.002 Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an'ady.
22:3b.ISA.022.003 Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza. [Na: Nafatotry ny mpandefa zana-tsipìka]
22:4b.ISA.022.004 Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
22:5b.ISA.022.005 Fa ao amin'ny lohasahan'ny fahitana dia misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
22:6b.ISA.022.006 Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin'ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon'ampinga
22:7b.ISA.022.007 Izay tsara indrindra amin'ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady
22:8b.ISA.022.008 Dia alana ny fisalobonan'i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin'izany andro izany.
22:9b.ISA.022.009 Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan'i Davida; Ary mamory ny rano avy amin'ny kamory ambany ianareo.
22:10b.ISA.022.010 Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.
22:11b.ISA.022.011 Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan'ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin'ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
22:12b.ISA.022.012 Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
22:13b.ISA.022.013 Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
22:14b.ISA.022.014 Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
22:15b.ISA.022.015 [Ny amin'ny nanonganana an'i Sebna sy ny nanendrena an'i Eliakima ho solony] Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha mankao amin'ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin'i Sebna, lehiben'ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
22:16b.ISA.022.016 Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin'ny harambato? [Heb. ho azy]
22:17b.ISA.022.017 Indro, Jehovah hanipy mafy anao, eny, hofiazany mafy ianao,[Na: hosaronany]
22:18b.ISA.022.018 Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin'ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin'ny tomponao.
22:19b.ISA.022.019 Ary horoahiko hiala amin'ny fitoeranao ianao sy haongako hiala amin'ny raharahanao [Heb. haongany]
22:20b.ISA.022.020 Ary amin'izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak'i Hilkia;
22:21b.ISA.022.021 Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin'ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain'ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak'i Joda izy.
22:22b.ISA.022.022 Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin'ny tranon'i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.
22:23b.ISA.022.023 Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin'ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an'ny mpianakavin-drainy.
22:24b.ISA.022.024 Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra.Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
22:25b.ISA.022.025 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
23
23:1b.ISA.023.001 [Faminaniana ny amin'loza hanjo an'i Tyro] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
23:2b.ISA.023.002 Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao.[Heb. nameno]
23:3b.ISA.023.003 Teny amin'ny rano be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan'ny firenena izy.
23:4b.ISA.023.004 Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.
23:5b.ISA.023.005 Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an'i Tyro.
23:6b.ISA.023.006 Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.
23:7b.ISA.023.007 Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any? [Izao va no tanànanao miravoravo?]
23:8b.ISA.023.008 Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony.
23:9b.ISA.023.009 Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany.
23:10b.ISA.023.010 Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an'i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony.[Heb. fehin-kibo]
23:11b.ISA.023.011 Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.
23:12b.ISA.023.012 Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
23:13b.ISA.023.013 Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.[Na: Indro ny tanin'ny Kaldeana, Izay tsy mbola firenena fahiny, Fa ny Asyriana no nanorina azy ho an'ny mponina any an-efitra]
23:14b.ISA.023.014 Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
23:15b.ISA.023.015 Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe:
23:16b.ISA.023.016 "Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao."
23:17b.ISA.023.017 Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika. [Na: mateza]
23:18b.ISA.023.018 Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika. [Na: mateza]
24
24:1b.ISA.024.001 [Ny hitsarana ny tany, sy ny hanjakan'i Jehovah ao Ziona] Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
24:2b.ISA.024.002 Koa ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampanàna vola sy ny mpanana vola.
24:3b.ISA.024.003 Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.
24:4b.ISA.024.004 Misaona sy malazo ny tany; Milofika sy malazo izao tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra amin'ny olona etỳ an-tany.
24:5b.ISA.024.005 Ary ny tany dia efa voavetavetan'ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay.
24:6b.ISA.024.006 Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin'ny tany ka dia olona vitsy foana no sisa ao.
24:7b.ISA.024.007 Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po;
24:8b.ISA.024.008 Mitsahatra ny firavoravoana amin'ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban'ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
24:9b.ISA.024.009 Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin'izay misotro azy ny toaka;
24:10b.ISA.024.010 Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran'olona;
24:11b.ISA.024.011 Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan'ny tany.
24:12b.ISA.024.012 Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
24:13b.ISA.024.013 Fa ao amin'ny tany, ao amin'ny olona, dia hisy toy ny amin'ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.
24:14b.ISA.024.014 Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan'i Jehovah dia hiantso mafy eny amin'ny ranomasina izy hoe:
24:15b.ISA.024.015 Mankalazà an'i Jehovah any amin'ny tany atsinanana, dia ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin'ny amoron- dranomasina.
24:16b.ISA.024.016 Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an'ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.
24:17b.ISA.024.017 Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin'ny tany.
24:18b.ISA.024.018 Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin'ny lavaka dia ho voan'ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin'ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan'ny tany.
24:19b.ISA.024.019 Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
24:20b.ISA.024.020 Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.
24:21b.ISA.024.021 Ary amin'izany andro izany dia any an-danitra no hamalian'i Jehovah ny antokon'ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan'ny tany.
24:22b.ISA.024.022 Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy. [Na: hovaliana]Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon'ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan'ny loholony dia misy voninahitra.
24:23b.ISA.024.023 Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon'ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan'ny loholony dia misy voninahitra.
25
25:1b.ISA.025.001 [Hira fisaorana an'Andriamanitra noho ny soa nataony ho an'ny olony sy ny nampijaliany ny fahavalony kosa] Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
25:2b.ISA.025.002 Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan'ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny; [Heb. hafa firenena]
25:3b.ISA.025.003 Ka dia hankalaza Anao ny firenena masiaka, Hatahotra Anao ny tanànan'ny firenena lozabe.
25:4b.ISA.025.004 Fa fiarovana mafy ho an'ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo amin'ny fahoriany, fierena amin'ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin'ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
25:5b.ISA.025.005 Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban'ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin'ny hainandro resin'ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran'ny olon-dozabe.
25:6b.ISA.025.006 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny zavatra matavy, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
25:7b.ISA.025.007 Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra.
25:8b.ISA.025.008 Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
25:9b.ISA.025.009 Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika.
25:10b.ISA.025.010 Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra;
25:11b.ISA.025.011 Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany. [Heb. Izy]Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.
25:12b.ISA.025.012 Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.
26
26:1b.ISA.026.001 Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana.
26:2b.ISA.026.002 Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
26:3b.ISA.026.003 Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
26:4b.ISA.026.004 Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
26:5b.ISA.026.005 Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka :azerany ho amin'ny vovoka.
26:6b.ISA.026.006 Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra.
26:7b.ISA.026.007 Voaravona ny lalan'ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan'ny marina.[Na: Hianao, Izay mahitsy, no manamarina]
26:8b.ISA.026.008 Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay.
26:9b.ISA.026.009 Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
26:10b.ISA.026.010 Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.
26:11b.ISA.026.011 Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin'ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy ka ho menatra noho ny fialonany ny olonao]
26:12b.ISA.026.012 Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
26:13b.ISA.026.013 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
26:14b.ISA.026.014 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
26:15b.ISA.026.015 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
26:16b.ISA.026.016 Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan'ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
26:17b.ISA.026.017 Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
26:18b.ISA.026.018 Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin'izao tontolo izao.
26:19b.ISA.026.019 Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty. [Na: ando amin'ny anana][Heb. ny matoatoa]
26:20b.ISA.026.020 Mandehana, ry oloko, midìra ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan'ny fahatezerana.Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
26:21b.ISA.026.021 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
27
27:1b.ISA.027.001 Amin'izany andro izany ny sabatr'i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
27:2b.ISA.027.002 Amin'izany andro izany no hihiranareo ny amin'ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:
27:3b.ISA.027.003 Izaho Jehovah no mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, Fandrao misy manimba azy; Na andro na alina dia miaro azy aho.
27:4b.ISA.027.004 Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!
27:5b.ISA.027.005 Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.
27:6b.ISA.027.006 Amin'ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin'ny fahavokarany.
27:7b.ISA.027.007 [Ny namaizan'i Jehovah ny Isiraely sy ny mbola hamindrany fo aminy] Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
27:8b.ISA.027.008 Tamin'ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin'ny rivony mahery izy tamin'ny andron'ny rivotra avy any atsinanana.
27:9b.ISA.027.009 Ka izao no hamelana ny helok'i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin'ny anaovany ny vato rehetra amin'ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na sariny][Na: tsangam-bato]
27:10b.ISA.027.010 Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan'ny zanak'omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
27:11b.ISA.027.011 Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
27:12b.ISA.027.012 Ary amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon'i Jehovah hatramin'ny ony mandriaka ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak'Isiraely.[Na: fivelezam-bary]Ary amin'izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny tendrombohitra masina any Jerosalema.
27:13b.ISA.027.013 Ary amin'izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny tendrombohitra masina any Jerosalema.
28
28:1b.ISA.028.001 [Ny hitsarana an'i Samaria sy Jerosalema, sy fanoharana mahamarina ny fitondran'Andriamanitra] Lozan'ny satro-boninahitra, izay reharehan'ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.[Heb. matavy]
28:2b.ISA.028.002 Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin'ny tany.
28:3b.ISA.028.003 Dia hohitsahin'ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan'ny mpimamo any Efraima.
28:4b.ISA.028.004 Ary ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan'aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany. [Heb. matavy]
28:5b.ISA.028.005 Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an'ny olony sisa,
28:6b.ISA.028.006 Ary ho fanahy fitsarana ho an'izay mipetraka eo amin'ny fitsarana, sy ho hery ho an'izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
28:7b.ISA.028.007 Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon'ny divay ary mivembena azon'ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon'ny toaka; Resin'ny divay ireo; Mivembena azon'ny toaka izy; Miraingiraingy amin'ny fahitana izy ary midoladola eo amin'ny fitsarana.
28:8b.ISA.028.008 Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.
28:9b.ISA.028.009 Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?
28:10b.ISA.028.010 Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;
28:11b.ISA.028.011 Eny, amin'ny molotra miambakambaka sy amin'ny fiteny baiko no hitenenany amin'ity firenena ity,
28:12b.ISA.028.012 Izay nilazany hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo. [Na: Dia Izy Izay nilaza taminy]
28:13b.ISA.028.013 Ary ny tenin'i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
28:14b.ISA.028.014 Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
28:15b.ISA.028.015 Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin'ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena, [Heb. Sheola][Heb. kotopia]
28:16b.ISA.028.016 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.
28:17b.ISA.028.017 Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin'ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin'ny rano ny fierena.
28:18b.ISA.028.018 Hofoanana ny fanekenareo amin'ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin'ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo.[Heb. Sheola][Heb. kotopia]
28:19b.ISA.028.019 Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
28:20b.ISA.028.020 Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon'ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.
28:21b.ISA.028.021 Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin'ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin'ny lohasahan'i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.
28:22b.ISA.028.022 Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.
28:23b.ISA.028.023 Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.
28:24b.ISA.028.024 Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
28:25b.ISA.028.025 Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin'izay va ny voan'ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin'ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny? [Na: spelta]
28:26b.ISA.028.026 Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy. [Na: Samy ataony araka izay tandrifiny ho azy avy; Fa Andriamaniny no mampianatra azy]
28:27b.ISA.028.027 Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian'ny sariety no akodiadia amin'ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin'ny fantàka, ary ny komina amin'ny tehina.
28:28b.ISA.028.028 Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian'ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro; Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena.
28:29b.ISA.028.029 Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro; Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena.
29
29:1b.ISA.029.001 [Ny loza hanjo an'i Jerosalema, sy ny mbola hamonjena azy] Lozan'i Ariela, lozan'i Ariela, Tanàna nitoeran'i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana; [Ariela = Fatan'Andriamanitra, na: Lionan'Andriamanitra][Heb. nitobian']
29:2b.ISA.029.002 Dia hampahory an'i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
29:3b.ISA.029.003 Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
29:4b.ISA.029.004 Dia haetry ianao ka hiteny ao amin'ny tany, ary ao amin'ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin'ny tany tahaka ny an'ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin'ny vovoka no ikiakiahan'ny teninao.
29:5b.ISA.029.005 Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
29:6b.ISA.029.006 Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hihavian'ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
29:7b.ISA.029.007 Ary ho tahaka ny fahitana eo amin'ny nofy amin'ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an'i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
29:8b.ISA.029.008 Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
29:9b.ISA.029.009 Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin'ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin'ny toaka.
29:10b.ISA.029.010 Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
29:11b.ISA.029.011 Ary ny fahitana ny amin'izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin'ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
29:12b.ISA.029.012 Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.
29:13b.ISA.029.013 Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany,
29:14b.ISA.029.014 Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany.
29:15b.ISA.029.015 Lozan'izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
29:16b.ISA.029.016 Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
29:17b.ISA.029.017 Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
29:18b.ISA.029.018 Amin'izany andro izany dia ho ren'ny marenina ny tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason'ny jamba.
29:19b.ISA.029.019 Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin'i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin'ny olona hifaly amin'ny Iray Masin'ny Isiraely,
29:20b.ISA.029.020 Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin'ny ratsy,
29:21b.ISA.029.021 Dia ireo manameloka olona amin'ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin'ny lainga foana.
29:22b.ISA.029.022 Koa ny amin'ny taranak'i Jakoba dia izao no lazain'i Jehovah, Izay nanavotra an'i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
29:23b.ISA.029.023 Fa raha ny zanany mahita ny asan'ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin'i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan'Andriamanitry ny Isiraely.Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
29:24b.ISA.029.024 Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
30
30:1b.ISA.030.001 [Ny hanjo ny Isiraely noho ny nanaovany fihavanana tamin'i Egypta, sy ny mbola hamindrana fo aminy] Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko, mba hanampy ota amin'ny ota, [Heb.mandrary harato][Heb. fialokalofanareo]
30:2b.ISA.030.002 Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin'ny vavako, handositra ho any amin'ny fiarovana mafin'i Farao sy hialokaloka ao amin'ny alokalok'i Egypta.
30:3b.ISA.030.003 Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin'i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin'ny alokalok'i Egypta.[Heb. anareo]
30:4b.ISA.030.004 Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
30:5b.ISA.030.005 Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin'ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
30:6b.ISA.030.006 Faminaniana ny amin'ny behemota any amin'ny tany atsimo. Any amin'ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian'ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran'afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin'ny boriky tanora ary ny fananany teo amin'ny trafon'ny rameva ho any amin'ny firenena tsy mahasoa azy.[hipopotamosy]
30:7b.ISA.030.007 Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen'ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona! [Na: Rehareha foana ireny, ka aoka izay!]
30:8b.ISA.030.008 Mandehana ankehitriny soraty amin'ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin'ny taratasy mba haharitra amin'ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
30:9b.ISA.030.009 Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn'i Jehovah,
30:10b.ISA.030.010 Izay manao amin'ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin'ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
30:11b.ISA.030.011 Mialà amin'ny lalana, mivilia amin'ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin'ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
30:12b.ISA.030.012 Koa izao no lazain'ny Iray Masin'ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin'izany,
30:13b.ISA.030.013 Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin'ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
30:14b.ISA.030.014 Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin'ny vilanin'ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
30:15b.ISA.030.015 Fa izao no lazain'ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin'ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian'ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
30:16b.ISA.030.016 Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
30:17b.ISA.030.017 Ny arivo handositra, raha rahonan'ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan'ny dimy, Mandra-pahatongan'ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon'ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin'ny havoana.
30:18b.ISA.030.018 Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
30:19b.ISA.030.019 Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
30:20b.ISA.030.020 Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
30:21b.ISA.030.021 Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
30:22b.ISA.030.022 Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy. [Heb.holotoinareo]
30:23b.ISA.030.023 Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka;
30:24b.ISA.030.024 Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin'ny sahiratsy sy ny fikororohana.
30:25b.ISA.030.025 Ary any amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin'ny andro lehibe famonoana, dia amin'ny andro hianjeran'ny tilikambo.
30:26b.ISA.030.026 Ary ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan'ny hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny fahatorotoroan'ny olony sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy.
30:27b.ISA.030.027 Indro, avy any lavitra any ny anaran'i Jehovah, mirehitra amin'ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin'ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
30:28b.ISA.030.028 Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin'ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin'ny valanoranon'ny olona.
30:29b.ISA.030.029 Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin'ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian'ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban'ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr'i Jehovah, dia any amin'ny Vatolampin'ny Isiraely; [Heb. fanamasinana]
30:30b.ISA.030.030 Ary Jehovah hanandratra ny feon'ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan'ny sandriny amin'ny firehetan'ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
30:31b.ISA.030.031 Fa ny feon'i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin'ny tsorakazo ireo.
30:32b.ISA.030.032 Ary na aiza na aiza no amelezan'ny tsorakazo voatendry, izay amelin'i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin'ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony ]alina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
30:33b.ISA.030.033 Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony ]alina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
31
31:1b.ISA.031.001 [Ny hampijaliana ny Isiraely noho ny niankinany tamin'i Egypta sy ny hiarovan'Andriamanitra izay mibebaka, ary ny hanendreny mpanjaka izay hitondra azy amin'ny fahamarinana] Lozan'izay midina any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin'ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin'ny Isiraely, na mitady an'i Jehovah.
31:2b.ISA.031.002 Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin'ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
31:3b.ISA.031.003 Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr'i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
31:4b.ISA.031.004 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo amin'ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.[Na: hamely ny tendrombohitra]
31:5b.ISA.031.005 Tahaka ny vorona manomba no hiarovan'i Jehovah, tompon'ny maro, an'i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka. [Heb. handalo; izahao Eks. xii.13]
31:6b.ISA.031.006 Koa miverena ho amin'izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak'Isiraely ô.
31:7b.ISA.031.007 Fa amin'izany andro izany dia harian'ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany, izay fahotana nataon'ny tananareo. [Heb. andriamani-tsi-izy]
31:8b.ISA.031.008 Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema. [Na: harambatony]
31:9b.ISA.031.009 Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema. [Na: harambatony]
32
32:1b.ISA.032.001 Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
32:2b.ISA.032.002 Ary hisy lehilahy ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana. [Na: Ary samy]
32:3b.ISA.032.003 Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino.
32:4b.ISA.032.004 Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
32:5b.ISA.032.005 Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr'andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be. [Heb. mpanankarena]
32:6b.ISA.032.006 Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina. [Na: ratsy]
32:7b.ISA.032.007 Ary ratsy ny hafetsen'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo; [Heb. fiasan']
32:8b.ISA.032.008 Fa ny mitoetr'andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.
32:9b.ISA.032.009 [Anatra mafy tamin'ny vehivavy tao Jerosalema] Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
32:10b.ISA.032.010 Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
32:11b.ISA.032.011 Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
32:12b.ISA.032.012 Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
32:13b.ISA.032.013 Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin'ny oloko, eny, na dia ny ao amin'ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
32:14b.ISA.032.014 Fa ho foana ny lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman'ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian'ny ondry aman'osy, [Na: Ny havoana]
32:15b.ISA.032.015 Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin'ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
32:16b.ISA.032.016 Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin'ny saha mahavokatra.
32:17b.ISA.032.017 Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
32:18b.ISA.032.018 Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;
32:19b.ISA.032.019 Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
32:20b.ISA.032.020 Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
33
33:1b.ISA.033.001 [Ny hampijaliana an'i Asyria, sy ny soa ho hitan'i Ziona kosa] Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
33:2b.ISA.033.002 Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin'ny andro fahoriana. [heb. sandriny]
33:3b.ISA.033.003 Ny feon'ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.
33:4b.ISA.033.004 Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon'ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
33:5b.ISA.033.005 Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin'ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.
33:6b.ISA.033.006 Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren'ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an'i Jehovah no rakitrao. [Heb. rakiny]
33:7b.ISA.033.007 Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
33:8b.ISA.033.008 Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
33:9b.ISA.033.009 Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
33:10b.ISA.033.010 Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin'ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.
33:11b.ISA.033.011 Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
33:12b.ISA.033.012 Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin'ny afo izy.
33:13b.ISA.033.013 Mihainoa ny amin'izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.
33:14b.ISA.033.014 Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin'ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin'ny lelafo mandrakizay? [Na: ratsy fanahy]
33:15b.ISA.033.015 Izay mandeha amin'ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin'ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin'ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
33:16b.ISA.033.016 Izy no honina ao amin'ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin'ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
33:17b.ISA.033.017 Ny masonao hahita ny mpanjaka amin'ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
33:18b.ISA.033.018 Hotsaroan'ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra ? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?
33:19b.ISA.033.019 Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.
33:20b.ISA.033.020 Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin'ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an'i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
33:21b.ISA.033.021 Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan'ny sambo voizina, na hovakin'ny sambo lehibe.
33:22b.ISA.033.022 Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
33:23b.ISA.033.023 Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan'andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin'izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.Tsy hisy amin'ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
33:24b.ISA.033.024 Tsy hisy amin'ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
34
34:1b.ISA.034.001 [Ny hampijaliana ny fahavalon'ny Isiraely, indrindra fa Edoma, sy ny fahasambaran'ny navotan'i Jehovah] Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
34:2b.ISA.034.002 Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.[Heb. hatao herema]
34:3b.ISA.034.003 Ary izay voavono amin'ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon'ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon'ny ràny.
34:4b.ISA.034.004 Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy.
34:5b.ISA.034.005 Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy. [Heb. hatao herema]
34:6b.ISA.034.006 Ny sabatr'i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny osilahy ary amin'ny fonomboan'ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin'ny tany Edoma.
34:7b.ISA.034.007 Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin'ny vantotr'omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
34:8b.ISA.034.008 Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an'i Ziona.
34:9b.ISA.034.009 Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
34:10b.ISA.034.010 Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
34:11b.ISA.034.011 Fa ho zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
34:12b.ISA.034.012 Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. [Heb. hiantso ny fanjakana]
34:13b.ISA.034.013 Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny trano fiarovany; Ary ho fonenan'ny amboadia sy fitoeran'ny ostritsa izy. [Heb.jakala]
34:14b.ISA.034.014 Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin'ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin'ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.[Na: jakala][Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7][Heb. lilita]
34:15b.ISA.034.015 Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin'ny alokaloka any; Any koa no hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany avy.
34:16b.ISA.034.016 Izahao ao amin'ny bokin'i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan'i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.[Heb. vavako]Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
34:17b.ISA.034.017 Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
35
35:1b.ISA.035.001 Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
35:2b.ISA.035.002 Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr'i Libanona dia homena azy mbamin'ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr'i Jehovah izy sy ny famirapiratan'Andriamanitsika.
35:3b.ISA.035.003 Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
35:4b.ISA.035.004 Lazao amin'izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika]
35:5b.ISA.035.005 Dia hampahiratina ny mason'ny jamba, ary hampahaladina ny sofin'ny marenina.
35:6b.ISA.035.006 Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina.
35:7b.ISA.035.007 Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.[ny miraja][Na: jakala]
35:8b.ISA.035.008 Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza. [Na: Fa ho an'ireo izy]
35:9b.ISA.035.009 Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
35:10b.ISA.035.010 Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
36
36:1b.ISA.036.001 [Ny nanafihan'i Sankeriba an'i Joda, sy ny teny nampitondrainy ho any amin'i Hezekia, ary ny fitarainan'i Hezekia sy ny teny nasain'Andriamanitra nolazain'Isaia taminy] Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
36:2b.ISA.036.002 Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
36:3b.ISA.036.003 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.
36:4b.ISA.036.004 Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona moa izato itokianao?
36:5b.ISA.036.005 Hoy izaho: Teny foana ny hoe: Manana saina sy hery hiady aho. Fa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
36:6b.ISA.036.006 Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
36:7b.ISA.036.007 Fa raha hoy ianao amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara ity no hiankohofanareo?
36:8b.ISA.036.008 Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
36:9b.ISA.036.009 Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
36:10b.ISA.036.010 Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara ho amin'izany tany izany, ka ravao izy.
36:11b.ISA.036.011 Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy amin'ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny manda. [Heb. Aramiana]
36:12b.ISA.036.012 Fa hoy Rabsake: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no nanirahan'ny tompoko hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo? [Heb. ny tainy][Heb. ny amaniny]
36:13b.ISA.036.013 Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria.
36:14b.ISA.036.014 Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety hofitahin'i Hezekia ianareo; fa tsy hahavonjy anareo izy tsy akory.
36:15b.ISA.036.015 Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
36:16b.ISA.036.016 Aza mihaino an'i Hezekia ianareo; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
36:17b.ISA.036.017 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka.
36:18b.ISA.036.018 Aza mety homen'i Hezekia vohony ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?
36:19b.ISA.036.019 Aiza moa ny andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ny andriamanitr'i Sefarvaima? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo andriamaniny?
36:20b.ISA.036.020 Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ireo tany ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
36:21b.ISA.036.021 Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
36:22b.ISA.036.022 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
37
37:1b.ISA.037.001 [Ny teny nampitondrain'i Sankeriba fanindroany, sy ny vavaka nataon'i Hezekia ary ny teny nampitondrain'Isaia hanome toky azy] Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
37:2b.ISA.037.002 ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana avokoa, hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza,
37:3b.ISA.037.003 ary nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
37:4b.ISA.037.004 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
37:5b.ISA.037.005 Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
37:6b.ISA.037.006 Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
37:7b.ISA.037.007 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
37:8b.ISA.037.008 Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
37:9b.ISA.037.009 Ary ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia nanao hoe:
37:10b.ISA.037.010 Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
37:11b.ISA.037.011 Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema]
37:12b.ISA.037.012 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena izay tao Telasara ?
37:13b.ISA.037.013 Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada sy ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
37:14b.ISA.037.014 Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
37:15b.ISA.037.015 Ary Hezekia nivavaka tamin'i Jehovah nanao hoe:
37:16b.ISA.037.016 Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
37:17b.ISA.037.017 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain'i Sankeriba hihaika an'Andriamanitra velona.
37:18b.ISA.037.018 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny [Heb. tany]
37:19b.ISA.037.019 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.
37:20b.ISA.037.020 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tànany izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao ry ihany no Jehovah.
37:21b.ISA.037.021 Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria,
37:22b.ISA.037.022 dia izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
37:23b.ISA.037.023 Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
37:24b.ISA.037.024 Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka,
37:25b.ISA.037.025 Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta. [Heb. Mazora]
37:26b.ISA.037.026 Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
37:27b.ISA.037.027 Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
37:28b.ISA.037.028 Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
37:29b.ISA.037.029 Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
37:30b.ISA.037.030 Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin'ity taona ity ianareo; ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
37:31b.ISA.037.031 Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
37:32b.ISA.037.032 Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
37:33b.ISA.037.033 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.
37:34b.ISA.037.034 Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
37:35b.ISA.037.035 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
37:36b.ISA.037.036 Dia avy Ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
37:37b.ISA.037.037 Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
37:38b.ISA.037.038 Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
38
38:1b.ISA.038.001 [Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanalavan'Andriamanitra ny androny, ary ny fiderana nataony amin'izany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
38:2b.ISA.038.002 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin'i Jehovah
38:3b.ISA.038.003 hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
38:4b.ISA.038.004 Dia tonga tamin'Isaia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
38:5b.ISA.038.005 Mandehana, ka lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao,
38:6b.ISA.038.006 sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.
38:7b.ISA.038.007 Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin'i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
38:8b.ISA.038.008 Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. [Heb. ambaratonga]
38:9b.ISA.038.009 Ny teny nosoratan'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:
38:10b.ISA.038.010 Hoy izaho: Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita; nesorina tamiko ny androko sisa. [Heb. Sheola]
38:11b.ISA.038.011 Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola]
38:12b.ISA.038.012 Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
38:13b.ISA.038.013 Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain'ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
38:14b.ISA.038.014 Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
38:15b.ISA.038.015 Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin'ny taonako sisa rehetra noho ny fangidian'ny aiko. [Na: rehefa afaka]
38:16b.ISA.038.016 Tompo ô, izany no iveloman'ny olona, ary amin'izany tokoa no iainan'ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
38:17b.ISA.038.017 Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
38:18b.ISA.038.018 Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. [Heb. Sheola]
38:19b.ISA.038.019 Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
38:20b.ISA.038.020 Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon'i Jehovah izahay Amin'ny andro rehetra iainanay.
38:21b.ISA.038.021 Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy, ary apetaho amin'ny vay izany, mba ho sitrana izy.Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon'i Jehovah aho?
38:22b.ISA.038.022 Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon'i Jehovah aho?
39
39:1b.ISA.039.001 [Ny nandraisan'i Hezekia ny iraky ny mpanjakan'i Babylona, sy ny teny nolazain'Isaia noho izany] Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Merodaka-baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.
39:2b.ISA.039.002 Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.
39:3b.ISA.039.003 Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
39:4b.ISA.039.004 Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin'ny firaketako rehetra.
39:5b.ISA.039.005 Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro:
39:6b.ISA.039.006 Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.
39:7b.ISA.039.007 Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo. [Heb. ionoka]Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin'ny androko handry fahizay.
39:8b.ISA.039.008 Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin'ny androko handry fahizay.
40
40:1b.ISA.040.001 [Teny mahafaly, fampiononana ny Isiraely] Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
40:2b.ISA.040.002 Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony. [Na: tapitra ny fe-taom-panompoany]
40:3b.ISA.040.003 Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.
40:4b.ISA.040.004 Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
40:5b.ISA.040.005 Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
40:6b.ISA.040.006 Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
40:7b.ISA.040.007 Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
40:8b.ISA.040.008 Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
40:9b.ISA.040.009 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema]
40:10b.ISA.040.010 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
40:11b.ISA.040.011 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
40:12b.ISA.040.012 Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana? [Heb. ampahatelon'ny efaha]
40:13b.ISA.040.013 Iza no nanome hevitra ny Fanahin'i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
40:14b.ISA.040.014 Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena ?
40:15b.ISA.040.015 Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra. [Na: tahaka ny vovoka madinika paohin'ny rivotra]
40:16b.ISA.040.016 Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.
40:17b.ISA.040.017 Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman'ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
40:18b.ISA.040.018 Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra ? Ary endrik'inona no ampanahafinareo Azy ?
40:19b.ISA.040.019 Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
40:20b.ISA.040.020 Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
40:21b.ISA.040.021 Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany?
40:22b.ISA.040.022 Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
40:23b.ISA.040.023 Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin'ny tany ho tahaka ny zava-poana.
40:24b.ISA.040.024 Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
40:25b.ISA.040.025 Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.
40:26b.ISA.040.026 Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
40:27b.ISA.040.027 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
40:28b.ISA.040.028 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
40:29b.ISA.040.029 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
40:30b.ISA.040.030 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
40:31b.ISA.040.031 Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
41
41:1b.ISA.041.001 [Ny fahalehibiazan'i Jehovah, izay miseho amin'ny fitondrany ny firenena sy ny fiarovany ny Isiraely, ary ny fanambarany rahateo ny zavatra mbola ho avy] Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin'ny fitsarana.
41:2b.ISA.041.002 Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban'ny fahamarinana tamin'ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? [Na: nantsoin'ny fahamarinana hanaraka azy]
41:3b.ISA.041.003 Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin'izay lalana tsy mbola nodiavin'ny tongony.
41:4b.ISA.041.004 Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
41:5b.ISA.041.005 Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
41:6b.ISA.041.006 Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin'ny rahalahiny avy hoe: Matokia.
41:7b.ISA.041.007 Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin'ny tantanana nampahery izay nively teo amin'ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin'ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
41:8b.ISA.041.008 Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako,
41:9b.ISA.041.009 Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
41:10b.ISA.041.010 Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
41:11b.ISA.041.011 Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.
41:12b.ISA.041.012 Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.
41:13b.ISA.041.013 Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
41:14b.ISA.041.014 Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao.
41:15b.ISA.041.015 Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
41:16b.ISA.041.016 Hikororoka azy ianao, ka hopaohin'ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin'i Jehovah, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no ho reharehanao.
41:17b.ISA.041.017 Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan'ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
41:18b.ISA.041.018 Hampiboika renirano ao amin'ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin'ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.
41:19b.ISA.041.019 Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay, [myrta][Heb. oliva maniry ho azy]
41:20b.ISA.041.020 Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan'i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no nahary izany.
41:21b.ISA.041.021 Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny Mpanjakan'i Jakoba.[Heb. fiarovana mafy]
41:22b.ISA.041.022 Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay. [Heb. zavatra voalohany]
41:23b.ISA.041.023 Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.
41:24b.ISA.041.024 Indro, ianareo dia naman'ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman'ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.
41:25b.ISA.041.025 Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
41:26b.ISA.041.026 Iza no nitory izany hatramin'ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny teninareo.
41:27b.ISA.041.027 Izaho no voalohany Izay milaza amin'i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema.
41:28b.ISA.041.028 Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho.Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny anidina.
41:29b.ISA.041.029 Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny anidina.
42
42:1b.ISA.042.001 [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy.
42:2b.ISA.042.002 Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.
42:3b.ISA.042.003 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.
42:4b.ISA.042.004 Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.
42:5b.ISA.042.005 Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy:
42:6b.ISA.042.006 Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
42:7b.ISA.042.007 Hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana.
42:8b.ISA.042.008 Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra.
42:9b.ISA.042.009 Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.
42:10b.ISA.042.010 Hianareo izay midina any amin'ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany.
42:11b.ISA.042.011 Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan'i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon'ny tendrombohitra izy.[Na: any amin'ny harambato]
42:12b.ISA.042.012 Aoka hanome voninahitra an'i Jehovah izy Ary hitory ny fiderana Azy any amin'ny nosy.
42:13b.ISA.042.013 Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon'ny mpiady no amohazany ny fahatezerany; Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.[Na: fahasaro-piarony]
42:14b.ISA.042.014 Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina.
42:15b.ISA.042.015 Hataoto mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy, ary ny ony ho tonga nosy, Ary hataoko tankina ny farihy.
42:16b.ISA.042.016 Hitarika ny jamba amin'izay lalana tsy fantany Aho; ary amin'ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
42:17b.ISA.042.017 Hihemotra sady ho menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay manao amin'ny sarin-javatra an-idina hoe: Hianareo no andriamanitray.
42:18b.ISA.042.018 Mihainoa ianareo, ry marenina; Ary mijere, ry jamba, mba hahita.
42:19b.ISA.042.019 Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan'i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?
42:20b.ISA.042.020 Mahita zavatra maro ianao, nefa tsy mitandrina; Manongilana ny sofiny izy, nefa tsy mihaino.
42:21b.ISA.042.021 Sitrak'i Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.
42:22b.ISA.042.022 Kanefa ity dia firenena nobaboina sy norobaina; Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voàfina ao an-trano-maizina; Voababo izy, ka tsy misy mamonjy; Voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: Ampodio.
42:23b.ISA.042.023 Iza aminareo no hihaino iza-ny? Iza no handre, dia hitandrina izany amin'ny andro ho avy?
42:24b.ISA.042.024 Iza no nanolotra an'i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an'ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin'ny lalany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny;Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony
42:25b.ISA.042.025 Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony
43
43:1b.ISA.043.001 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
43:2b.ISA.043.002 Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
43:3b.ISA.043.003 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
43:4b.ISA.043.004 Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao.
43:5b.ISA.043.005 Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
43:6b.ISA.043.006 Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany,
43:7b.ISA.043.007 Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
43:8b.ISA.043.008 Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina. [Na: Entiko mivoaka]
43:9b.ISA.043.009 Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany. [Na: Miangona][Na: mivory]
43:10b.ISA.043.010 Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
43:11b.ISA.043.011 Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
43:12b.ISA.043.012 Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.
43:13b.ISA.043.013 Eny, hatramin'izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin'ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? [Na: Hatrizay nisian'ny andro]
43:14b.ISA.043.014 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, sy ny hampodiany azy avy amin'ny fahababoana, ary ny hampidinany ny Fanahiny] Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin'ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin'ny sambo izay efa nifaliany.[Na: dia]
43:15b.ISA.043.015 Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
43:16b.ISA.043.016 Izao no lazain'i Jehovah, Izay manao lalana eny amin'ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin'ny rano manonja,
43:17b.ISA.043.017 Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
43:18b.ISA.043.018 Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
43:19b.ISA.043.019 Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin'ny tany sao no hasiako ony;
43:20b.ISA.043.020 Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin'ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko. [Na: jakala]
43:21b.ISA.043.021 Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
43:22b.ISA.043.022 Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao, ry Isiraely. [Na: Na nisasaranao akory]
43:23b.ISA.043.023 Tsy nitondranao ny zanak'ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin'ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin'ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. nampanompo]
43:24b.ISA.043.024 Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin'ny saboran'ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin'ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin'ny helokao. [Heb. nampanompo]
43:25b.ISA.043.025 Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
43:26b.ISA.043.026 Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
43:27b.ISA.043.027 Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko, [Heb. rainao]Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa. [Heb. herema]
43:28b.ISA.043.028 Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa. [Heb. herema]
44
44:1b.ISA.044.001 Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;
44:2b.ISA.044.002 Izao no lazain'i Jehovah Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, Ary ianao, ry Jesorona, izay nofidiko; [Jesorona dia anaran'ny Isiraely]
44:3b.ISA.044.003 Fa handatsaka rano amin'izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin'izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin'ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin'ny terakao;
44:4b.ISA.044.004 Dia haniry eny amin'ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan'ny rano mandeha ireny.
44:5b.ISA.044.005 Ny anankiray hilaza hoe: An'i Jehovah aho: Ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; Ary ny anankiray koa indray hanoratra amin'ny tànany hoe: An'i Jehovah, Ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.[Na: eo amin']
44:6b.ISA.044.006 [Ny amin'i Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, sy ny amin'ny sampin'ny jentilisa] Izao no lazain'i Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
44:7b.ISA.044.007 Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
44:8b.ISA.044.008 Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin'ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.
44:9b.ISA.044.009 Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon'ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
44:10b.ISA.044.010 Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory?
44:11b.ISA.044.011 Indro, ho menatra ny namany rehetra; Fa ny mpiasa dia olona ihany; Aoka hivory izy rehetra ka handroso; Aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.
44:12b.ISA.044.012 Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin'ny arina izy ary manamboatra azy amin'ny tantanana sy miasa azy amin'ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.[Na: manasa]
44:13b.ISA.044.013 Ny mpandrafitra manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin'ny fitsipihana; Manamboatra azy amin'ny vankona izy, dia manamarika azy amin'ny kompà ary mahavita azy ho tahaka ny endrik'olona, dia tahaka ny hatsaran-tarehin'ny olona, Mba hampitoerina ao an-trano.
44:14b.ISA.044.014 Tsy maintsy mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo ileksa sy ôka Ary mifidy hazo any an'ala; Mamboly ny hazo orno izy, ka ampanirin'ny ranonorana izany;
44:15b.ISA.044.015 Ary dia anaovan'ny olona kitay izany ka analany hamindroany; Eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; Anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; Eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany.
44:16b.ISA.044.016 Ny sasany dorany amin'ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy! [Heb. ihinanany]
44:17b.ISA.044.017 Ary ny sisan'izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
44:18b.ISA.044.018 Tsy mahalala na mahafantatra ireny; Fa voatampina ny masony ka tsy mahita, Ary ny fony, ka tsy mahalala.
44:19b.ISA.044.019 Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin'ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin'ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan'izay vatan-kazo? [Na: vokatry ny hazo]
44:20b.ISA.044.020 Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
44:21b.ISA.044.021 Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô,
44:22b.ISA.044.022 Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
44:23b.ISA.044.023 Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin'ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin'izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin'Isiraely.
44:24b.ISA.044.024 [Ny amin'i Kyrosy, izay voahosotr'i Jehovah ho mpanafaka ny Isiraely] Izao no lazain'i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
44:25b.ISA.044.025 Izaho mahafoana ny famantarana lazain'ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
44:26b.ISA.044.026 Ary mahatò ny tenin'ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin'i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin'ny tanànan'ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo, [Heb. mpanompony][Heb. irany]
44:27b.ISA.044.027 Ary milaza amin'ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao,Ary milaza an'i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
44:28b.ISA.044.028 Ary milaza an'i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
45
45:1b.ISA.045.001 Izao no lazain'i Jehovah amin'ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin'ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon'ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
45:2b.ISA.045.002 Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy;
45:3b.ISA.045.003 Dia homeko anao ny rakitra ao amin'ny maizina sy ny harena nafenina ao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin'ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely.
45:4b.ISA.045.004 Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.
45:5b.ISA.045.005 Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,
45:6b.ISA.045.006 Mba hahafantarana hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatrany amin'ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,
45:7b.ISA.045.007 Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.
45:8b.ISA.045.008 Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny tany hisosatra, Ary aoka ho vokatra avy amin'ireo ny famonjena; Ary aoka hitsimoka miaraka amin'izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.
45:9b.ISA.045.009 Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
45:10b.ISA.045.010 Lozan'izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny hoe: Inona no aloaky ny kibonao? [Heb. ny vehivavy]
45:11b.ISA.045.011 Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
45:12b.ISA.045.012 Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra. [Heb. nandidy]
45:13b.ISA.045.013 Izaho no nanaitra azy io tamin'ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
45:14b.ISA.045.014 Izao no lazain'i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran'i Egypta sy ny tombom-barotr'i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
45:15b.ISA.045.015 Marina tokoa fa Hianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô.
45:16b.ISA.045.016 Ho menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra,
45:17b.ISA.045.017 Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin'i Jehovah Amin'ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
45:18b.ISA.045.018 Fa izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.
45:19b.ISA.045.019 Tsy tao amin'ny mangingina, dia tao amin'ny fitoera-maizina amin'ny tany no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak'i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
45:20b.ISA.045.020 Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin'izay andriamanitra tsy mahavonjy.
45:21b.ISA.045.021 Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin'ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
45:22b.ISA.045.022 Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.
45:23b.ISA.045.023 Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe: [Na: Nisy teny naloaky ny vavan'ny fahamarinana]
45:24b.ISA.045.024 Ao amin'i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin'ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.Ao amin'i Jehovah no hanamarinana ny taranak'Isiraely rehetra sy hananany rehareha.
45:25b.ISA.045.025 Ao amin'i Jehovah no hanamarinana ny taranak'Isiraely rehetra sy hananany rehareha.
46
46:1b.ISA.046.001 [Ny fahatsinontsinon'ny sampin'i Babylona, sy fanomezan-toky ny Isiraely hifikitra amin'i Jehovah, ary ny hery sy ny fahalalan'i Jehovah] Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin'ireo biby reraka.
46:2b.ISA.046.002 Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.
46:3b.ISA.046.003 Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
46:4b.ISA.046.004 Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
46:5b.ISA.046.005 Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?
46:6b.ISA.046.006 Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
46:7b.ISA.046.007 Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.
46:8b.ISA.046.008 Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina. [Na: misehoa ho lehilahy]
46:9b.ISA.046.009 Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy,
46:10b.ISA.046.010 Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
46:11b.ISA.046.011 Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.
46:12b.ISA.046.012 Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana:Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.
46:13b.ISA.046.013 Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.
47
47:1b.ISA.047.001 [Ny handravana an'i Babylona] Mialà, ka mipetraha amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
47:2b.ISA.047.002 Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
47:3b.ISA.047.003 Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.[Na: tsy hiera amin'olona; na: tsy hihaona amin'olona]
47:4b.ISA.047.004 Ny anaran'ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon'ny maro, Iray Masin'ny Isiraely.
47:5b.ISA.047.005 Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao.
47:6b.ISA.047.006 Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
47:7b.ISA.047.007 Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
47:8b.ISA.047.008 Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan'anaka.
47:9b.ISA.047.009 Kanjo hanjo anao tampoka amin'ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
47:10b.ISA.047.010 Fa nitoky tamin'ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.[Na: hafetsenao]
47:11b.ISA.047.011 Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.[Na: iposahany]
47:12b.ISA.047.012 Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan'ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
47:13b.ISA.047.013 Sasatra noho ny hamaroan'ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao. [Heb. mpizarazara] [Na: Aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao amin'izay hanjo anao]
47:14b.ISA.047.014 Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin'ny herin'ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
47:15b.ISA.047.015 Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
48
48:1b.ISA.048.001 [Fampahatsiarovana ny lasa, sy filazana ny ho avy, indrindra fa ny hanafahana ny Isiraely avy any Babylona] Mihainoa, ry taranak'i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin'ny anaran'Isiraely sy avy amin'ny loharanon'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'i Jehovah ary mankalaza ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;
48:2b.ISA.048.002 Fa milaza ny tenany ho avy amin'ny tanana masina izy ka miankina amin'Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
48:3b.ISA.048.003 Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin'ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.
48:4b.ISA.048.004 Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
48:5b.ISA.048.005 Dia nambarako taminao hatramin'ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra anidina no nandidy izany.
48:6b.ISA.048.006 Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin'izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
48:7b.ISA.048.007 Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin'ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan'ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.
48:8b.ISA.048.008 Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin'ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
48:9b.ISA.048.009 Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
48:10b.ISA.048.010 Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin'ny memy fahoriana Aho.
48:11b.ISA.048.011 Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.
48:12b.ISA.048.012 Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.
48:13b.ISA.048.013 Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin'ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.
48:14b.ISA.048.014 Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin'ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian'i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin'i Babylona ary ny sandriny ho amin'ny Kaldeana.
48:15b.ISA.048.015 Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany.
48:16b.ISA.048.016 Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin'ny taloha no efa tsy nitenenako tamin'ny mangingina, hatry ny fony vao nisian'ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
48:17b.ISA.048.017 Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin'ny lalana tokony halehanao.
48:18b.ISA.048.018 Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao, [Na: Enga anie ka hihaino ny didiko ianao]
48:19b.ISA.048.019 Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako.
48:20b.ISA.048.020 Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin'ny Kaldeana; torio amin'ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin'ny faran'ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba mpanompony.
48:21b.ISA.048.021 Ary tsy nangetaheta ireo tamin'ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin'ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.
48:22b.ISA.048.022 Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.
49
49:1b.ISA.049.001 [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, Izay voatendry hamory sy hamonjy ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon'ineny no efa nankalazainy ny anarako.
49:2b.ISA.049.002 Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin'ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin'ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
49:3b.ISA.049.003 Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.
49:4b.ISA.049.004 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin'i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamanitro.
49:5b.ISA.049.005 Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason'i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
49:6b.ISA.049.006 Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany.
49:7b.ISA.049.007 Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin'Ilay hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena ka tonga mpanompon'ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
49:8b.ISA.049.008 Izao no lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
49:9b.ISA.049.009 ka hanao amin'ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin'izay ao amin'ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany; .
49:10b.ISA.049.010 Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
49:11b.ISA.049.011 Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko.
49:12b.ISA.049.012 Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin'ny tany Sinima ireto.
49:13b.ISA.049.013 Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra.
49:14b.ISA.049.014 Fa hoy Ziona'Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoto efa nanadino ahy.
49:15b.ISA.049.015 Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
49:16b.ISA.049.016 Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.
49:17b.ISA.049.017 Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
49:18b.ISA.049.018 Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon'ny ampakarina.
49:19b.ISA.049.019 Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin'izany noho ny habetsahan'ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.
49:20b.ISA.049.020 Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
49:21b.ISA.049.021 Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
49:22b.ISA.049.022 Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin'ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin'ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.
49:23b.ISA.049.023 Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin'andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin'ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.
49:24b.ISA.049.024 Azo alaina eny amin'ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina?
49:25b.ISA.049.025 Nefa izao no lazain'i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
49:26b.ISA.049.026 Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
50
50:1b.ISA.050.001 [Ny amin'ny nisaorana ny Isiraely, sy ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah] Izao no lazain'i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin'izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
50:2b.ISA.050.002 Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin'ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian'ny rano sady matin-ketaheta.
50:3b.ISA.050.003 Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.
50:4b.ISA.050.004 Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay [Heb.efa nampianarina]
50:5b.ISA.050.005 Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.
50:6b.ISA.050.006 Ny lamosiko natolotro ho amin'ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin'izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin'ny henatra sy ny rora.
50:7b.ISA.050.007 Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.
50:8b.ISA.050.008 Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.
50:9b.ISA.050.009 Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin'ny kalalao izy.
50:10b.ISA.050.010 Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin'Andriamaniny. [Na: Na dia mandeha amin'ny maizina aza izy ka tsy misy famirapiratana]He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.
50:11b.ISA.050.011 He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.
51
51:1b.ISA.051.001 [Ny fiposahan'ny famonjena, sy ny fanesorana ny kapoaky ny fahatezeran'i Jehovah] Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an'i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo. [Heb. Jereo]
51:2b.ISA.051.002 Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. [Heb. Jereo]
51:3b.ISA.051.003 Fa Jehovah mampionona an'i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an'i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan'i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin'ny fisaorana sy ny feo fiderana.
51:4b.ISA.051.004 Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
51:5b.ISA.051.005 Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
51:6b.ISA.051.006 Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.[Na: tahaka ny fahafatin'ny moka]
51:7b.ISA.051.007 Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon'ny zanak'olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
51:8b.ISA.051.008 Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon'ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby.
51:9b.ISA.051.009 Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona? [Na: mamba; izahao Ezek. xxix. 3]
51:10b.ISA.051.010 Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan'ny navotana?
51:11b.ISA.051.011 Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
51:12b.ISA.051.012 Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona hatao tahaka ny ahitra
51:13b.ISA.051.013 ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran'ny mpampahory?
51:14b.ISA.051.014 Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
51:15b.ISA.051.015 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarako. [Na: Izay mampitsahatra ny rano, raha mirohondrohona ny onjany] [Heb. anarany]
51:16b.ISA.051.016 Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin'ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an'i Ziona hoe: Oloko ianao. [Heb. Hamboly]
51:17b.ISA.051.017 Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin'ny tànan'i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin'ny faikany.
51:18b.ISA.051.018 Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
51:19b.ISA.051.019 Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?
51:20b.ISA.051.020 Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin'ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran'i Jehovah sy ny teny mafy ataon'Andriamanitrao.
51:21b.ISA.051.021 Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
51:22b.ISA.051.022 Izao no lazain'i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an'ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian'ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.
51:23b.ISA.051.023 Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.
52
52:1b.ISA.052.001 [Ny hanafahana an'i Jerosalema amin'ny fahandevozana sy ny fatorana] Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
52:2b.ISA.052.002 Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
52:3b.ISA.052.003 Fa izao no lazain'i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
52:4b.ISA.052.004 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan'ny oloko tamin'ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
52:5b.ISA.052.005 Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
52:6b.ISA.052.006 Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin'izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.[Na: Eny, ho fantany amin'izany andro izany Aho]
52:7b.ISA.052.007 Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
52:8b.ISA.052.008 Injany ny feon'ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian'i Jehovah ho any Ziona.
52:9b.ISA.052.009 Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an'i Jerosalema.
52:10b.ISA.052.010 Jehovah efa nampiseho ny sandriny masina teo imason'ny firenena rehetra; ary ny faran'ny tany rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitsika. [Heb. nampitanjaka]
52:11b.ISA.052.011 Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak'i Jehovah.
52:12b.ISA.052.012 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
52:13b.ISA.052.013 [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, dia ny zava-mahagaga nataony, sy ny nandavan'ny maro Azy, sy ny fahoriana nentiny, sy ny avotra vitany, ary ny voninahitra homena Azy] Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. [Heb. hambinina]
52:14b.ISA.052.014 Fa toy ny nigagan'ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin'olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak'olombelona),Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. [Heb. hanafànany]
52:15b.ISA.052.015 Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. [Heb. hanafànany]
53
53:1b.ISA.053.001 Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?
53:2b.ISA.053.002 Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
53:3b.ISA.053.003 Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.[Heb. lehilahy be fanaintainana sady fantatry ny faharariana]
53:4b.ISA.053.004 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb. fanaintainantsika]
53:5b.ISA.053.005 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana]
53:6b.ISA.053.006 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
53:7b.ISA.053.007 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.
53:8b.ISA.053.008 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?]
53:9b.ISA.053.009 Ary nokasaina hatao tao amin'ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin'ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. [Na: Sy ho eo amin'ny mpanankarena, rehefa novonoina Izy]
53:10b.ISA.053.010 Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. [Na: Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy]
53:11b.ISA.053.011 Noho ny fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan'ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok'ireo. [Heb.fahalalany]Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao fifonana ho an'ny mpanota. [Na: dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][Na: nanao]
53:12b.ISA.053.012 Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao fifonana ho an'ny mpanota. [Na: dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][Na: nanao]
54
54:1b.ISA.054.001 [Ny hanitarana ny Fiangonana, sy ny voninahitra ho azony] Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
54:2b.ISA.054.002 Halalaho ny itoeran'ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao;
54:3b.ISA.054.003 Fa hitatra any amin'ny ankavanana sy any amin'ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
54:4b.ISA.054.004 Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
54:5b.ISA.054.005 Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
54:6b.ISA.054.006 Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao. [Heb.niantso]
54:7b.ISA.054.007 Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin'ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.
54:8b.ISA.054.008 Tamin'ny firehetan'ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin'ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
54:9b.ISA.054.009 Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon'i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon'i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
54:10b.ISA.054.010 Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
54:11b.ISA.054.011 Hianao, ry ory izay afotofoton'ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin'ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin'ny safira,
54:12b.ISA.054.012 Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina.
54:13b.ISA.054.013 Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin'i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan'ny zanakao.
54:14b.ISA.054.014 Amin'ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany. [Heb. Manalavira]
54:15b.ISA.054.015 Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao kosa. [Na: ho lavo noho ny aminao]
54:16b.ISA.054.016 Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin'ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana. [Na: fiadiana araka ny asany]Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
54:17b.ISA.054.017 Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
55
55:1b.ISA.055.001 [Fiantsoana ny olona rehetra handray ny fahavoavan'Andriamanitra] He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
55:2b.ISA.055.002 Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo.[Na: mandanja]
55:3b.ISA.055.003 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida.
55:4b.ISA.055.004 Indro, nataoko vavolombelona ho an'ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin'ny firenena.
55:5b.ISA.055.005 Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
55:6b.ISA.055.006 Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
55:7b.ISA.055.007 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
55:8b.ISA.055.008 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
55:9b.ISA.055.009 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
55:10b.ISA.055.010 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana, [Heb; nampiteraka]
55:11b.ISA.055.011 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.
55:12b.ISA.055.012 Fa amin'ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin'ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.Ny hazo kypreso haniry ho solon'ny tsilo, ary ny rotra ho solon'ny sampivato; ary ho anarana ho an'i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. [myrta]
55:13b.ISA.055.013 Ny hazo kypreso haniry ho solon'ny tsilo, ary ny rotra ho solon'ny sampivato; ary ho anarana ho an'i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. [myrta]
56
56:1b.ISA.056.001 [Anatra ny amin'ny, fitanana ny marina sy fitandremana ny Sabata, ary toky ho an'ny proselyta sy ny ionoka] Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
56:2b.ISA.056.002 Sambatra ny zanak'olombelona izay manao izany, ary ny zanak'olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
56:3b.ISA.056.003 Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin'i Jehovah tsy ho isan'ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho.
56:4b.ISA.056.004 Fa izao no lazain'i Jehovah: Ny amin'ny ionoka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko,
56:5b.ISA.056.005 Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an'ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.
56:6b.ISA.056.006 Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko
56:7b.ISA.056.007 Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra.
56:8b.ISA.056.008 Izao no lazain'i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.
56:9b.ISA.056.009 [Ny nahadiso ny lehiben'ny Isiraely, sy ny nataon'ny olona koa] He, ianareo bibi-dia rehetra! Avia hihinana, ianareo biby rehetra any an'ala. [Na: He, ianareo bibi-dia rehetra, Avia hihinana ny biby rehetra any an'ala]
56:10b.ISA.056.010 Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.
56:11b.ISA.056.011 Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin'ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin'ny filàny harena avokoa izy rehetra.Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza
56:12b.ISA.056.012 Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza
57
57:1b.ISA.057.001 Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon'ny loza hanjo. [Na: noho ny ratsy]
57:2b.ISA.057.002 Miditra amin'ny fiadanana izy, mandry amin'ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin'ny hitsiny.
57:3b.ISA.057.003 Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin'olona sy ny mpijangajanga.
57:4b.ISA.057.004 Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga? [Na: zanaky ny fijangajangana]
57:5b.ISA.057.005 Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin'ny hazo terebinta eny ambanin'ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin'ny tsefatsefaky ny harambato. [Na: amin'ny sampy]
57:6b.ISA.057.006 Ao amin'ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin'izany va Aho?
57:7b.ISA.057.007 Teo an-tampon'ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
57:8b.ISA.057.008 Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin'izay hataon'ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao.[Na: Ary nojerenao ny famantarana (Heb. tanana)]
57:9b.ISA.057.009 Dia nivezivezy nankany amin'ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao. [Na: nihosotra][Na: nietry][Heb. Sheola]
57:10b.ISA.057.010 Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
57:11b.ISA.057.011 Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
57:12b.ISA.057.012 Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
57:13b.ISA.057.013 Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan'ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan'ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
57:14b.ISA.057.014 Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin'ny alehan'ny oloko.
57:15b.ISA.057.015 Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo;
57:16b.ISA.057.016 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko. [Heb. fofonaina]
57:17b.ISA.057.017 Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin'ny lalana tian'ny fony ihany.
57:18b.ISA.057.018 Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin'ny malahelo ao aminy,
57:19b.ISA.057.019 Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho an'izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
57:20b.ISA.057.020 Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
57:21b.ISA.057.021 Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
58
58:1b.ISA.058.001 [Ny fivavahana marina, sy ny fivavahana tsy izy] Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany Ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany;
58:2b.ISA.058.002 Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan'andro isan'andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik'Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian'Andriamanitra. [Na: Sy fifaliany hanakaiky an']
58:3b.ISA.058.003 Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao ? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin'ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo. [Heb. hitanareo][Na: Ary mbola arosonareo fatratra ihany sy asanareo]
58:4b.ISA.058.004 Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton'ny ifadianareo ary ny hamely amin'ny totohondrin'ny faharatsiana; Izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin'ny avo.
58:5b.ISA.058.005 Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian'ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan'i Jehovah?
58:6b.ISA.058.006 Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
58:7b.ISA.058.007 Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao ianao? [Heb. hiery ny nofonao]
58:8b.ISA.058.008 Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao
58:9b.ISA.058.009 Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
58:10b.ISA.058.010 Ary afoinao ho an'ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;
58:11b.ISA.058.011 Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
58:12b.ISA.058.012 Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany.
58:13b.ISA.058.013 Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin'ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, [Na: Azy]Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
58:14b.ISA.058.014 Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
59
59:1b.ISA.059.001 [Ny amin'ny ota, izay efitra fisarahana, sy ny fandravana azy] Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
59:2b.ISA.059.002 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
59:3b.ISA.059.003 Fa ny tananareo dia voaloto amin'ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin'ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
59:4b.ISA.059.004 Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
59:5b.ISA.059.005 Mikotrika ny atodin'ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin'ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.
59:6b.ISA.059.006 Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
59:7b.ISA.059.007 Ny tongony miriotra ho amin'ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany.
59:8b.ISA.059.008 Ny lalan'ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin'ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
59:9b.ISA.059.009 Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin'ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
59:10b.ISA.059.010 Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny maizimaizina isika, ary eo amin'ny matanjaka dia tahaka ny maty isika. [Na: any an-efitra]
59:11b.ISA.059.011 Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
59:12b.ISA.059.012 Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,
59:13b.ISA.059.013 Dia ny miodina sy ny mandà an'i Jehovah, ary ny miala amin'ny fanarahana an'Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po. [Heb. torontoronina]
59:14b.ISA.059.014 Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.
59:15b.ISA.059.015 Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom'ny sasany. Ary hitan'i Jehovah ny tsi-fisian'ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;
59:16b.ISA.059.016 Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
59:17b.ISA.059.017 Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin'ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
59:18b.ISA.059.018 Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an'ny fahavalony, famaliana ho an'ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.
59:19b.ISA.059.019 Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran'i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin'ny fiposahan'ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin'ny Fanahin'i Jehovah.[Na: Fa raha avy toy ny ony ny fahavalo. Ny Fanahin'i Jehovah hanangana faneva hisakana azy]
59:20b.ISA.059.020 Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin'ny Jakoba izay miala amin'ny fahadisoana, hoy Jehovah.Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
59:21b.ISA.059.021 Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
60
60:1b.ISA.060.001 [Ny ho voninahitr'i Jerosalema amin'ny andro ho avy] Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.
60:2b.ISA.060.002 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny.
60:3b.ISA.060.003 Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao.
60:4b.ISA.060.004 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
60:5b.ISA.060.005 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny firenena.
60:6b.ISA.060.006 Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
60:7b.ISA.060.007 Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.
60:8b.ISA.060.008 Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?
60:9b.ISA.060.009 Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
60:10b.ISA.060.010 Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
60:11b.ISA.060.011 Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren'ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
60:12b.ISA.060.012 Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.
60:13b.ISA.060.013 Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
60:14b.ISA.060.014 Ny zanak'izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin'ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan'i Jehovah, Zionan'ny Iray Masin'ny Isiraely.
60:15b.ISA.060.015 Ho solon'ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
60:16b.ISA.060.016 Ary hinono amin'ny jentilisa ianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
60:17b.ISA.060.017 Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny mpampiasa anao]
60:18b.ISA.060.018 Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
60:19b.ISA.060.019 Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
60:20b.ISA.060.020 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.
60:21b.ISA.060.021 Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.
60:22b.ISA.060.022 Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.
61
61:1b.ISA.061.001 [Ny amin'ny Voahosotr'i Jehovah, Izay hanavotra ny Isiraely sy hampody ny voninahiny] Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy]
61:2b.ISA.061.002 Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,
61:3b.ISA.061.003 Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
61:4b.ISA.061.004 Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela.
61:5b.ISA.061.005 Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo,
61:6b.ISA.061.006 Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren'ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo. [Heb. Hohaninareo][Na: Ary ho reharehanareo sy voninahiny]
61:7b.ISA.061.007 Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
61:8b.ISA.061.008 Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny valin'asany amin'ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy. [Na: Halako ny halatra atao fanatitra odorana]
61:9b.ISA.061.009 Ny taranany ho fantatra any amin'ny jentilisa ary ny terany any amin'ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin'i Jehovah.
61:10b.ISA.061.010 Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan'i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.
61:11b.ISA.061.011 Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan'i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.
62
62:1b.ISA.062.001 [Ny handrosoan'ny voninahitr'i Jerosalema] Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.
62:2b.ISA.062.002 Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin'ny vavan'i Jehovah; [Heb. hotendren']
62:3b.ISA.062.003 Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok'andriana eo am-pelatanan'Andriamanitrao.
62:4b.ISA.062.004 Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak'i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
62:5b.ISA.062.005 Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran'ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny ampakariny no hifalian'Andriamanitrao aminao. [Heb. zanakao-lahy]
62:6b.ISA.062.006 Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an'i Jehovah, aza mitsahatra;
62:7b.ISA.062.007 Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an'i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin'ny tany.
62:8b.ISA.062.008 Jehovah efa nianiana tamin'ny tànany ankavanana, dia tamin'ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin'ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao;
62:9b.ISA.062.009 Fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an'i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin'ny kianjako masina.
62:10b.ISA.062.010 Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan'ny firenena.
62:11b.ISA.062.011 Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin'ny faran'izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin'i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.Ary Ireny hotononina hoe Firenena masina, dia olona navotan'i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
62:12b.ISA.062.012 Ary Ireny hotononina hoe Firenena masina, dia olona navotan'i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
63
63:1b.ISA.063.001 [Ny hamaliana an'i Edoma sy ny jentilisa sasany koa] Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin'ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.
63:2b.ISA.063.002 Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an'izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?
63:3b.ISA.063.003 Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin'ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin'ny fahavinirako, dia nipitipitihan'ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
63:4b.ISA.063.004 Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan'ny voavotro.
63:5b.ISA.063.005 Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
63:6b.ISA.063.006 Nanitsaka firenena tamin'ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin'ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin'ny tany.
63:7b.ISA.063.007 [Fivavahana sy fiaiken-keloka ary fiderana noho ny famonjen'Andriamanitra hatramin'ny taloha] Ny famindram-pon'i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony.
63:8b.ISA.063.008 Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.
63:9b.ISA.063.009 Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin'ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra.
63:10b.ISA.063.010 Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
63:11b.ISA.063.011 Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin'i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin'ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin'ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,
63:12b.ISA.063.012 Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan'i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,
63:13b.ISA.063.013 Dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan'ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy?
63:14b.ISA.063.014 Tahaka ny fidinan'ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan'ny Fanahin'i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
63:15b.ISA.063.015 Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin'ny fonenan'ny fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin'ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko.
63:16b.ISA.063.016 Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.
63:17b.ISA.063.017 Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin'ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin'ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.
63:18b.ISA.063.018 Vetivety foana no nananan'ny olonao masina ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masina.Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra, [Na: hiempo]
63:19b.ISA.063.019 Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra, [Na: hiempo]
64
64:1b.ISA.064.001 Dia tahaka ny fandevon'ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.
64:2b.ISA.064.002 Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra.
64:3b.ISA.064.003 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren'ny olona, na nohenoiny, Na hitan'ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an'ny miandry Azy afa-tsy Hianao. [Na: niempo]
64:4b.ISA.064.004 Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin'ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; Hatramin'ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va? [Na: Miantra][Na: ary efa nanota]
64:5b.ISA.064.005 Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,
64:6b.ISA.064.006 Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.
64:7b.ISA.064.007 Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan'ny tananao izahay rehetra.
64:8b.ISA.064.008 Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masina Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.
64:9b.ISA.064.009 Tonga efitra ireo tanànanao masina, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.
64:10b.ISA.064.010 Ny tranonay masina sady mendrika, Izay nideran'ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.Ary mbola mahatsindry fo amin'izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?
64:11b.ISA.064.011 Ary mbola mahatsindry fo amin'izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?
65
65:1b.ISA.065.001 [Ny fandavan'i Jehovah ny maro noho ny fanao tsy marina narahiny, sy ny fitahiana kasainy ho amin'ny mibebaka] Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
65:2b.ISA.065.002 Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin'ny firenena miodina, izay mandeha amin'ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
65:3b.ISA.065.003 Dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin'ny tanimboly Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin'ny tanimanga,
65:4b.ISA.065.004 Dia izay mipetraka any amin'ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron'ny hena fahavetavetana no ao amin'ny loviany,
65:5b.ISA.065.005 Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
65:6b.ISA.065.006 Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo [Heb. azy][Heb. tratrany]
65:7b.ISA.065.007 Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin'ny havoana; eny, hamatra ny valin'ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
65:8b.ISA.065.008 Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon'ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin'ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
65:9b.ISA.065.009 Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
65:10b.ISA.065.010 Sarona ho tonga fiandrasana ondry ary ny lohasaha akora ho fandrian'omby, ho an'ny oloko izay nitady Ahy.
65:11b.ISA.065.011 Fa ny aminareo izay mahafoy an'i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an'i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an'i Meny, [Gada = Zara, ary Meny = Vintana; samy anaran'andriamani-tsi-izy ireo][Heb. mameno]
65:12b.ISA.065.012 Dia hotendreko ho voan'ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
65:13b.ISA.065.013 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;
65:14b.ISA.065.014 Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.[Heb. fanaintanam-po][Heb. fahatorotoroam-panahy]
65:15b.ISA.065.015 Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin'ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
65:16b.ISA.065.016 Ka izay miarahaba tena etỳ ambonin'ny tany dia hanao izany amin'ny anaran'Andriamanitry ny Amena; ary izay mianiana etỳ ambonin'ny tany dia hianiana amin'Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan'ny masoko. [Amena = fahamarinana]
65:17b.ISA.065.017 Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
65:18b.ISA.065.018 Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
65:19b.ISA.065.019 Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.
65:20b.ISA.065.020 Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona]
65:21b.ISA.065.021 Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
65:22b.ISA.065.022 Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany.
65:23b.ISA.065.023 Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy.[Na: Mbamin'ny terany koa]
65:24b.ISA.065.024 Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.Ny amboadia sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa]
65:25b.ISA.065.025 Ny amboadia sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa]
66
66:1b.ISA.066.001 [Ny toe-panahin'ny tena Isiraely sy ny fandavana ny tsy izy, ary ny fandrosoan'ny Fiangonana sy ny hamoriana ny firenena rehetra hankany Jerosalema, ary ny handringanana ny ratsy fanahy] Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako ?
66:2b.ISA.066.002 Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
66:3b.ISA.066.003 Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon'alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan'ireny ny halehany, Sy ny nifalian'ny fanahiny tamin'ny fahavetavetany,
66:4b.ISA.066.004 Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy, Sy handatsahako ny fahatahorany ho aminy, Satria niantso Aho, fa tsy nisy namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy; Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary izay tsy sitrako no nofidiny.
66:5b.ISA.066.005 Mihainoa ny tenin'i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin'ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.
66:6b.ISA.066.006 Injany! horakoraka any an-tanàna, Ary feo ao amin'ny tempoly, Dia feon'i Jehovah izay mamaly ny ataon'ny fahavalony.
66:7b.ISA.066.007 Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy.
66:8b.ISA.066.008 Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.
66:9b.ISA.066.009 Izaho moa hahatonga ho eo amin'ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.
66:10b.ISA.066.010 Miaraha mifaly amin'i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,
66:11b.ISA.066.011 Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin'ny nonony mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka hiravoravo amin'ny haben'ny voninahiny.
66:12b.ISA.066.012 Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.
66:13b.ISA.066.013 Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.
66:14b.ISA.066.014 Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy.
66:15b.ISA.066.015 Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo.
66:16b.ISA.066.016 Fa ny afo sy ny sabany no ho entin'i Jehovah hifandahatra amin'ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan'i Jehovah.
66:17b.ISA.066.017 Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.
66:18b.ISA.066.018 Fa Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.[Na: mahalala]
66:19b.ISA.066.019 Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin'ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin'ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin'ny jentilisa izy.[Heb. Loda]
66:20b.ISA.066.020 Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy, Avy any amin'ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an'i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana, Ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy Jehovah, Dia tahaka ny fitondran'ny Zanak'Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin'ny vilia madio ho any an-tranon'i Jehovah;
66:21b.ISA.066.021 Ary avy amin'ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah.
66:22b.ISA.066.022 Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo.
66:23b.ISA.066.023 Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin'ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon'ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.
66:24b.ISA.066.024 Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin'ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon'ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Isaiah (Malagasy). Isaiah (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A573-C