Ecclesiastes (Malagasy)

Ecclesiastes (Malagasy)

1

1:1b.ECC.001.001 [Fitarihan-teny milaza ny maha-zava-poana ny zavatra rehetra] Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.

1:2b.ECC.001.002 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!

1:3b.ECC.001.003 Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin'ny masoandro?

1:4b.ECC.001.004 Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.

1:5b.ECC.001.005 Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany.

1:6b.ECC.001.006 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.

1:7b.ECC.001.007 Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray.

1:8b.ECC.001.008 Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.[Heb. Feno fahasasarana][Na: Feno fahasasarana ny zavatra rehetra ka tsy hain'ny olona lazaina]

1:9b.ECC.001.009 Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin'ny masoandro.

1:10b.ECC.001.010 Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany.

1:11b.ECC.001.011 Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy.

1:12b.ECC.001.012 [Ny tsy ahitana fahafaham-po, na dia amin'ny fitadiavam-pahendrena aza] Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema;

1:13b.ECC.001.013 ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omen'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona izany.

1:14b.ECC.001.014 Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.[Na: Homan-drivotra]

1:15b.ECC.001.015 Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.[Na: ny tsi-fahampiana dia tsy tambo isaina]

1:16b.ECC.001.016 Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.

1:17b.ECC.001.017 Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,[Na: Homan-drivotra]satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.

1:18b.ECC.001.018 satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.

2

2:1b.ECC.002.001 [Ny maha-zava-poana ny fahafinaretana sy ny voninahitra momba izao fiainana izao, na dia omban'ny fahendrena aza] Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.

2:2b.ECC.002.002 Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?

2:3b.ECC.002.003 Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany.

2:4b.ECC.002.004 Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,

2:5b.ECC.002.005 nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;

2:6b.ECC.002.006 nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;

2:7b.ECC.002.007 nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.

2:8b.ECC.002.008 Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka. [Na: fahafinaretan'ny zanak'olombelona be dia be]

2:9b.ECC.002.009 Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.

2:10b.ECC.002.010 Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra.

2:11b.ECC.002.011 Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin'ny masoandro.[Na: Homan-drivotra]

2:12b.ECC.002.012 [Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny fahadalana, ary ny mahatsara ny fiononana, na dia hita aza fa misy zavatra maro itovian'ny hendry sy ny adala] Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon'ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin'ny ela ihany.

2:13b.ECC.002.013 Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran'ny mazava noho ny maizina.[Heb. mihoatra][Heb. fihoaran']

2:14b.ECC.002.014 Ny mason'ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin'ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.

2:15b.ECC.002.015 Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin'ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.

2:16b.ECC.002.016 Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin'ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.

2:17b.ECC.002.017 Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana izy rehetra.[Na: Homan-drivotra]

2:18b.ECC.002.018 Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro, fa havelako ho an'ny olona izay handimby ahy izany,

2:19b.ECC.002.019 ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon'izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin'ny fahendreko tatỳ ambanin'ny masoandro. Zava-poana koa izany.

2:20b.ECC.002.020 Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin'ny fahakiviana ny amin'ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro.

2:21b.ECC.002.021 Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.

2:22b.ECC.002.022 Fa inona no azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra sy amin'ny fikatsahan'ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin'ny masoandro?

2:23b.ECC.002.023 Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.

2:24b.ECC.002.024 Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra [Na: Tsy misy tsara amin'ny olona. Ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenanay amin'ny fisasaranay dia hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra koa]

2:25b.ECC.002.025 (fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]

2:26b.ECC.002.026 Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]

3

3:1b.ECC.003.001 [Ny filaharan'ny zavatra samy amin'ny fotoany avy, sy ny mbola hitsaran'Andriamanitra ny ratsy fanahy, ary ny anton'ny nanaovana ny olombelona ho faty toy ny biby] Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra:

3:2b.ECC.003.002 Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;

3:3b.ECC.003.003 Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;

3:4b.ECC.003.004 Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;

3:5b.ECC.003.005 Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;

3:6b.ECC.003.006 Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;

3:7b.ECC.003.007 Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;

3:8b.ECC.003.008 Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.

3:9b.ECC.003.009 Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany?

3:10b.ECC.003.010 Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany.

3:11b.ECC.003.011 Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.[na: izao tontolo izao]

3:12b.ECC.003.012 Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy.[Na: mahazo soa]

3:13b.ECC.003.013 Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.

3:14b.ECC.003.014 Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.

3:15b.ECC.003.015 Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay efa lasa. [Heb. voaroaka]

3:16b.ECC.003.016 Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.

3:17b.ECC.003.017 Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain'Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.

3:18b.ECC.003.018 Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan'Andriamanitra]

3:19b.ECC.003.019 Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak'olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin'izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan'ny iray no ahafatesan'ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan'izy rehetra; ary tsy misy ihoaran'ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.[Na: Fa izay manjo ny zanak'olombelona dia manjo ny biby koa]

3:20b.ECC.003.020 Izy rehetra samy mankamin'ny fitoerana iray: avy tamin'ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray izy rehetra.[Na: hody]

3:21b.ECC.003.021 Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia? [Na: Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona izay miakatra any ambony, na ny fanahin'ny biby izay midina amin'ny tany?]Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?

3:22b.ECC.003.022 Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?

4

4:1b.ECC.004.001 [Ny manjo ny olona noho ny fampahorian'ny sasany azy, sy ny lolom-po, sy ny fitoerany irery ary ny ataon'ny mpitondra azy] Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro; ary indro ny ranomason'ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon'ny tanan'ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.

4:2b.ECC.004.002 Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,

4:3b.ECC.004.003 nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin'ny masoandro akory.

4:4b.ECC.004.004 Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]

4:5b.ECC.004.005 Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.

4:6b.ECC.004.006 Tsara ny eran-tànan'ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.[Na: Tsara ny fiadanana eran-tànan'ila noho ny fisasarana,][Na: Homan-drivotra]

4:7b.ECC.004.007 Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin'ny masoandro:

4:8b.ECC.004.008 Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.

4:9b.ECC.004.009 Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.

4:10b.ECC.004.010 Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.

4:11b.ECC.004.011 Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?

4:12b.ECC.004.012 Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.

4:13b.ECC.004.013 Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;

4:14b.ECC.004.014 fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin'alahelo tamin'ny fanjakany aza izy. [na: fa na dia nateraka tamin'ny fanjakany aza izy, dia tamin'alahelo ihany]

4:15b.ECC.004.015 Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin'ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo.

4:16b.ECC.004.016 Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra][Ny mety hatao amin'Andriamanitra na amin'ny fivavahana na amin'ny voady] Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.

4:17b.ECC.004.017 [Ny mety hatao amin'Andriamanitra na amin'ny fivavahana na amin'ny voady] Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.

5

5:1b.ECC.005.001 Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan'Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.

5:2b.ECC.005.002 Fa ny haben'ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben'ny teny no isehoan'ny rediredin'ny adala.

5:3b.ECC.005.003 Raha mivoady amin'Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao.

5:4b.ECC.005.004 Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.

5:5b.ECC.005.005 Aza avela hahatonga heloka amin'ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason'ny anjely hoe: Niteny tsy nahy aho; nahoana no ho tezitra amin'ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan'ny tananao? [Na: iraka;]

5:6b.ECC.005.006 Fa amin'ny haben'ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben'ny teny, fa Andriamanitra no atahory.

5:7b.ECC.005.007 [Ny mbola hitsarana ny mpampahory sy ny mpamadika ny rariny ary ny maha-zava-poana ny harena sy ny tokony hifaliana amin'izay omen'Andriamanitra] Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin'ny tany, dia aza gaga amin'izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.

5:8b.ECC.005.008 Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mahasoa ny tany ny fisian'ny mpanjaka amin'izay tany volena.

5:9b.ECC.005.009 Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.

5:10b.ECC.005.010 Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon'ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?

5:11b.ECC.005.011 Mamy ny torimason'ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben'ny ananan'ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.[Na: ny fahavokisan']

5:12b.ECC.005.012 Misy ratsy mahory efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, dia harena tehirizin'ny tompony, nefa mampidi-doza amin'ny tenany;

5:13b.ECC.005.013 sady levona izany harena izany noho ny loza manjo; ary miteraka zazalahy ralehilahy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tànany,

5:14b.ECC.005.014 Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin'ny tànany ho valin'ny fisasarany.

5:15b.ECC.005.015 Dia ratsy mahory koa izany, fa toy izay nihaviany indrindra no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an'ny rivotra?

5:16b.ECC.005.016 Ary koa, homa-maizina amin'ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.

5:17b.ECC.005.017 Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana rehetra izay isasaran'ny olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy iainany omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.

5:18b.ECC.005.018 Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan'ny fony no avalin'Andriamanitra azy.

5:19b.ECC.005.019 Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan'ny fony no avalin'Andriamanitra azy.

6

6:1b.ECC.006.001 [Ny fahantran'ny sasany noho ny tsy ahitany soa amin'ny zavatra ananany] Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ary mitambesatra amin'ny olona izany:

6:2b.ECC.006.002 dia olona izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen'Andriamanitra fahefana hihinana amin'izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.

6:3b.ECC.006.003 Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.

6:4b.ECC.006.004 Fa toa zava-poana no nihavian'io, ary mandeha ao amin'ny maizina izy, sady ho voasaron'ny aizina ny anarany,

6:5b.ECC.006.005 ary koa, tsy nahita na nahalala ny masoandro akory izy, mahita fitsaharana bebe kokoa noho ilay teo izy.

6:6b.ECC.006.006 Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin'ny fitoerana iray ihany va no alehan'izy rehetra?

6:7b.ECC.006.007 Ny fisasarana rehetra ataon'ny olona dia ho an'ny vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.

6:8b.ECC.006.008 Fa inona no soa azon'ny hendry noho ny adala? Inona no azon'ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason'ny velona?

6:9b.ECC.006.009 Ny fahitan'ny maso dia mahafinaritra noho ny firenirenin'ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]

6:10b.ECC.006.010 Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin'izay mahery noho izy.

6:11b.ECC.006.011 Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon'ny olona?Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin'izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin'ny aloka? Fa iza no hahalaza amin'ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin'ny masoandro?

6:12b.ECC.006.012 Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin'izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin'ny aloka? Fa iza no hahalaza amin'ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin'ny masoandro?

7

7:1b.ECC.007.001 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny mahasoa ny olombelona] Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.

7:2b.ECC.007.002 Tsara ny mankamin'ny trano misy fisaonana noho ny mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no hiafaran'ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.

7:3b.ECC.007.003 Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.[Na: faly]

7:4b.ECC.007.004 Ny fon'ny hendry dia ao amin'ny trano misy fisaonana; fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano misy fifaliana.

7:5b.ECC.007.005 Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ny adala.

7:6b.ECC.007.006 Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin'ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan'ny adala; zava-poana koa izany.

7:7b.ECC.007.007 Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.

7:8b.ECC.007.008 Tsara ny iafaran'ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.

7:9b.ECC.007.009 Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.

7:10b.ECC.007.010 Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.

7:11b.ECC.007.011 Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an'izay mahita masoandro izany.

7:12b.ECC.007.012 Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain'ny manana azy ny fahendrena.

7:13b.ECC.007.013 Saino ny asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?

7:14b.ECC.007.014 Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.

7:15b.ECC.007.015 Izao rehetra izao dia efa hitako tamin'ny androko mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin'ny haratsiany.

7:16b.ECC.007.016 Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?

7:17b.ECC.007.017 Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?

7:18b.ECC.007.018 Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany.

7:19b.ECC.007.019 Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.

7:20b.ECC.007.020 Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.

7:21b.ECC.007.021 Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;

7:22b.ECC.007.022 fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.

7:23b.ECC.007.023 Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin'ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.

7:24b.ECC.007.024 Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?

7:25b.ECC.007.025 Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;

7:26b.ECC.007.026 ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.

7:27b.ECC.007.027 Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.

7:28b.ECC.007.028 Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin'ny arivo; fa tao amin'ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.[Heb. teo amin'ireo dia tsy nisy vehivavy hitako,etc]Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.

7:29b.ECC.007.029 Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.

8

8:1b.ECC.008.001 Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren'ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan'ny endriny.

8:2b.ECC.008.002 Hoy izaho: Tandremo ny didin'ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin'Andriamanitra.

8:3b.ECC.008.003 Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin'ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;

8:4b.ECC.008.004 fa ny tenin'ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?

8:5b.ECC.008.005 Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana amin'ny fanaovan-dratsy; ary ny fon'ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;[Heb. mahalala]

8:6b.ECC.008.006 fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.[Na: fahorian']

8:7b.ECC.008.007 Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?

8:8b.ECC.008.008 Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin'ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin'ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin'ny faharatsiany.

8:9b.ECC.008.009 Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin'ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro. Misy andro anapahan'ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.

8:10b.ECC.008.010 Ary tamin'izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin'ny fitoeran'ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.[Na: ary tafiditra izy ka niala tamin'ny fitoeran'ny masina, ary nohadinoin'ny tao an-tanàna izay efa nanaovany izany]

8:11b.ECC.008.011 Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.

8:12b.ECC.008.012 Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an'izay matahotra an'Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.

8:13b.ECC.008.013 Fa tsy hisy soa ho an'ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan'Andriamanitra.

8:14b.ECC.008.014 Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin'ny tany: Misy olo-marina iharan'izay tokony ho valin'ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin'ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.

8:15b.ECC.008.015 Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin'ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin'ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen'Andriamanitra azy atỳ ambanin'ny masoandro.

8:16b.ECC.008.016 [Ny tsi-fahatakaran'ny saina ny fitondran'Andriamanitra, sy ny tokony hifaliana amin'izay soa hita ary hahazotoana amin'izay rehetra azo atao] Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin'ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.

8:17b.ECC.008.017 dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.

9

9:1b.ECC.009.001 Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia samy eo an-tànan'Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.

9:2b.ECC.009.002 Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin'ny tsara fanahy sy ny amin'ny mpanota, ary ny amin'ny mianiana sy ny amin'izay tsy sahy hianiana.

9:3b.ECC.009.003 Izao no fahoriana amin'izay rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon'ny zanak'olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin'ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin'ny maty izy.

9:4b.ECC.009.004 Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.[Na: Fa iza no ho afaka? Ny amin'ny velona rehetra dia mbola misy hantenaina]

9:5b.ECC.009.005 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.

9:6b.ECC.009.006 Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao atỳ ambanin'ny masoandro izy.

9:7b.ECC.009.007 Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.

9:8b.ECC.009.008 Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.

9:9b.ECC.009.009 Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin'ny masoandro.

9:10b.ECC.009.010 Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.[Heb. Sheola]

9:11b.ECC.009.011 [Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny hery] Ary hitako atỳ ambanin'ny masoandro indray fa tsy ho an'ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho an'ny hendry ny hanina, ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an'ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.

9:12b.ECC.009.012 Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon'ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan'ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak'olombelona amin'ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.

9:13b.ECC.009.013 Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin'ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:

9:14b.ECC.009.014 Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy.

9:15b.ECC.009.015 Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin'ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.

9:16b.ECC.009.016 Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren'ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.

9:17b.ECC.009.017 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny fahendrena sy ny fahadalana, ary ny amin'ny fanaovan-tsoa sy ny fahazotoana ary ny fahamarinana] Ny tenin'ny hendry izay re amin'ny mangingina dia mahery noho ny fitreron'izay mpanapaka adala.Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.

9:18b.ECC.009.018 Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.

10

10:1b.ECC.010.001 Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.

10:2b.ECC.010.002 Ny fon'ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon'ny adala kosa dia eo ankaviany.

10:3b.ECC.010.003 Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin'ny olona rehetra izy fa adala.

10:4b.ECC.010.004 Raha tezeran'ny mpanapaka ianao, aza miala amin'ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.

10:5b.ECC.010.005 Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon'ny mpanapaka izany;

10:6b.ECC.010.006 Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin'ny toerana ambany.

10:7b.ECC.010.007 Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.

10:8b.ECC.010.008 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin'ny menarana.

10:9b.ECC.010.009 Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.

10:10b.ECC.010.010 Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.

10:11b.ECC.010.011 Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?

10:12b.ECC.010.012 Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.

10:13b.ECC.010.013 Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.

10:14b.ECC.010.014 Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?

10:15b.ECC.010.015 Ny fisasaran'ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.

10:16b.ECC.010.016 Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!

10:17b.ECC.010.017 Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan'andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!

10:18b.ECC.010.018 Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan'ny tanana no mampitete ny trano.

10:19b.ECC.010.019 Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.

10:20b.ECC.010.020 Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.

11

11:1b.ECC.011.001 Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.

11:2b.ECC.011.002 Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin'ny tany.

11:3b.ECC.011.003 Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin'ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin'izay ianjerany ihany no handriany.

11:4b.ECC.011.004 Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.[Heb. mijery]

11:5b.ECC.011.005 Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.

11:6b.ECC.011.006 Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.

11:7b.ECC.011.007 Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro;

11:8b.ECC.011.008 fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin'ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.

11:9b.ECC.011.009 [Anatra ho an'ny tanora fanahy mba hanampoizany ny hihavian'ny fahanterana sy ny fahafatesana] Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany.Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.

11:10b.ECC.011.010 Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.

12

12:1b.ECC.012.001 Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao;

12:2b.ECC.012.002 dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana;

12:3b.ECC.012.003 fa amin'izay dia hangovitra ny mpiandry trano, ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely,

12:4b.ECC.012.004 ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon'ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;[ Na: ka tsy mafy noho ny an'ny voron-kely aza ny feony]

12:5b.ECC.012.005 ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin'ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe [Na: hitsaha-panirian-javatra izy]

12:6b.ECC.012.006 dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano,

12:7b.ECC.012.007 ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny.

12:8b.ECC.012.008 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!

12:9b.ECC.012.009 [Teny farany] Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy.

12:10b.ECC.012.010 Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin'ny fahamarinana.

12:11b.ECC.012.011 Ny tenin'ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona, omen'ny mpiandry iray izy;

12:12b.ECC.012.012 ary he koa, anaka! minoa anatra ianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.

12:13b.ECC.012.013 Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra.Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.[Na: mbamin'ny]

12:14b.ECC.012.014 Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.[Na: mbamin'ny]


Holder of rights
Multilingual Bible Corpus

Citation Suggestion for this Object
TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Ecclesiastes (Malagasy). Ecclesiastes (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A56D-4