Proverbs (Malagasy)
1
1:1b.PRO.001.001 [Fitarihan-teny] Ny Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely:
1:2b.PRO.001.002 Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana;
1:3b.PRO.001.003 Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
1:4b.PRO.001.004 Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo.
1:5b.PRO.001.005 Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
1:6b.PRO.001.006 Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
1:7b.PRO.001.007 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy.
1:8b.PRO.001.008 Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
1:9b.PRO.001.009 Fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, Ary rado amin'ny vozonao.
1:10b.PRO.001.010 Anaka, raha taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky.
1:11b.PRO.001.011 Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
1:12b.PRO.001.012 Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;[Heb. Sheola]
1:13b.PRO.001.013 Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
1:14b.PRO.001.014 Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
1:15b.PRO.001.015 Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany;
1:16b.PRO.001.016 Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
1:17b.PRO.001.017 Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan'ny vorona.
1:18b.PRO.001.018 Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran'ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
1:19b.PRO.001.019 Toy izany no iafaran'izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain'izay fatra-pila azy izany.
1:20b.PRO.001.020 [Fiantsoana sy fananarana ataon'ny fahendrena] Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
1:21b.PRO.001.021 Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
1:22b.PRO.001.022 Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana?
1:23b.PRO.001.023 Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
1:24b.PRO.001.024 Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
1:25b.PRO.001.025 Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
1:26b.PRO.001.026 Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
1:27b.PRO.001.027 Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
1:28b.PRO.001.028 Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
1:29b.PRO.001.029 Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah,
1:30b.PRO.001.030 Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
1:31b.PRO.001.031 Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
1:32b.PRO.001.032 Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy.Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
1:33b.PRO.001.033 Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
2
2:1b.PRO.002.001 [Ny soa hitan'izay mandray ny fahendrena] Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
2:2b.PRO.002.002 Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
2:3b.PRO.002.003 Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
2:4b.PRO.002.004 Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
2:5b.PRO.002.005 Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.
2:6b.PRO.002.006 Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
2:7b.PRO.002.007 Izy mitahiry fanambinanaho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;[Na: tena fahendrena]
2:8b.PRO.002.008 Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan'ny olony masina.
2:9b.PRO.002.009 Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
2:10b.PRO.002.010 Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin'ny fanahinao ny fahalalana,[Na: Fa ho tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, Ka ho]
2:11b.PRO.002.011 Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
2:12b.PRO.002.012 Ka hamonjy anao amin'ny lalan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka,
2:13b.PRO.002.013 Izay mahafoy ny lalan'ny fahamarinana Mba hizorany amin'ny lalan'ny fahamaizinana,
2:14b.PRO.002.014 Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy,
2:15b.PRO.002.015 Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin'ny alehany;
2:16b.PRO.002.016 Ary hamonjy anao amin'ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo amin'ny teniny,[Heb. vehivavy tsy vadinao]
2:17b.PRO.002.017 Izay mahafoy ny vadin'ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.[Heb. sakaizan']
2:18b.PRO.002.018 Fa ny tranony milentika ho amin'ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin'ny maty.
2:19b.PRO.002.019 Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin'ny lalan'aina,
2:20b.PRO.002.020 Handehananao amin'ny lalan'ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan'ny marina.
2:21b.PRO.002.021 Fa ny olona mahitsy no honina amin'ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.
2:22b.PRO.002.022 Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.
3
3:1b.PRO.003.001 [Famporisihana hitondra tena tsara] Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
3:2b.PRO.003.002 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
3:3b.PRO.003.003 Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
3:4b.PRO.003.004 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
3:5b.PRO.003.005 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
3:6b.PRO.003.006 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
3:7b.PRO.003.007 Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
3:8b.PRO.003.008 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
3:9b.PRO.003.009 Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra;
3:10b.PRO.003.010 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.
3:11b.PRO.003.011 Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
3:12b.PRO.003.012 Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.
3:13b.PRO.003.013 [Ny fahasambaran'izay olona mahita fahendrena] Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
3:14b.PRO.003.014 Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
3:15b.PRO.003.015 Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]
3:16b.PRO.003.016 Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
3:17b.PRO.003.017 Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
3:18b.PRO.003.018 Hazon'aina ho an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
3:19b.PRO.003.019 Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
3:20b.PRO.003.020 Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona.
3:21b.PRO.003.021 Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
3:22b.PRO.003.022 Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
3:23b.PRO.003.023 Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
3:24b.PRO.003.024 Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
3:25b.PRO.003.025 Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany; [Na: ny fandringanana avy amin'ny]
3:26b.PRO.003.026 Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
3:27b.PRO.003.027 [Famporisihana hanao soa amin'olona sy hanao ny marina] Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;
3:28b.PRO.003.028 Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
3:29b.PRO.003.029 Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
3:30b.PRO.003.030 Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
3:31b.PRO.003.031 Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
3:32b.PRO.003.032 Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
3:33b.PRO.003.033 Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa.
3:34b.PRO.003.034 Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.
3:35b.PRO.003.035 Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.
4
4:1b.PRO.004.001 [Fananarana hikatsaka ny fahendrena tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy] Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
4:2b.PRO.004.002 Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
4:3b.PRO.004.003 Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason'ineny.[Heb. malemilemy]
4:4b.PRO.004.004 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
4:5b.PRO.004.005 Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
4:6b.PRO.004.006 Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
4:7b.PRO.004.007 Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.[Na: Fahendrena no ambony indrindra]
4:8b.PRO.004.008 Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
4:9b.PRO.004.009 Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
4:10b.PRO.004.010 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
4:11b.PRO.004.011 Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.
4:12b.PRO.004.012 Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
4:13b.PRO.004.013 Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
4:14b.PRO.004.014 Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.
4:15b.PRO.004.015 Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
4:16b.PRO.004.016 Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
4:17b.PRO.004.017 Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.
4:18b.PRO.004.018 Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.
4:19b.PRO.004.019 Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
4:20b.PRO.004.020 Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
4:21b.PRO.004.021 Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
4:22b.PRO.004.022 Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.
4:23b.PRO.004.023 Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina. [Heb. fivoahan']
4:24b.PRO.004.024 Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
4:25b.PRO.004.025 Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
4:26b.PRO.004.026 Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;[Na: Saino tsara izay]Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
4:27b.PRO.004.027 Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
5
5:1b.PRO.005.001 [Fananarana tsy hijejojejo] Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny fahalalako,
5:2b.PRO.005.002 Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana.
5:3b.PRO.005.003 Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;[Heb. vehivavy tsy vadiny]
5:4b.PRO.005.004 Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
5:5b.PRO.005.005 Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola]
5:6b.PRO.005.006 Tsy mahazo mandia ny lalan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
5:7b.PRO.005.007 Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako.
5:8b.PRO.005.008 Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony;
5:9b.PRO.005.009 Fandrao omenao ho an'ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an'izay lozabe;
5:10b.PRO.005.010 Fandrao hivokisan'ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon'ny vahiny;
5:11b.PRO.005.011 Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
5:12b.PRO.005.012 Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
5:13b.PRO.005.013 Ka tsy nihaino ny tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
5:14b.PRO.005.014 Efa saiky azon'ny ratsy rehetra aho Tao amin'ny fiangonana sy ny fivoriana.
5:15b.PRO.005.015 Misotroa rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny fantsakanao.
5:16b.PRO.005.016 Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin'ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
5:17b.PRO.005.017 Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa.
5:18b.PRO.005.018 Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao.
5:19b.PRO.005.019 Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao.
5:20b.PRO.005.020 Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga? [Heb. vehivavy tsy vadiny]
5:21b.PRO.005.021 Fa eo imason'i Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
5:22b.PRO.005.022 Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azyMaty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.
5:23b.PRO.005.023 Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.
6
6:1b.PRO.006.001 [Ny tsy mahamety ny miantoka olona sy ny hakamoana sy ny fitaka sy ny avonavona; ary ny zavatra fito loha izay halan'i Jehovah] Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
6:2b.PRO.006.002 Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
6:3b.PRO.006.003 Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao.
6:4b.PRO.006.004 Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
6:5b.PRO.006.005 Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tanan'ny mpamandrika.[Izahao 2 Sam. ii.18]
6:6b.PRO.006.006 Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
6:7b.PRO.006.007 Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
6:8b.PRO.006.008 Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano.
6:9b.PRO.006.009 Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao ianao?
6:10b.PRO.006.010 Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
6:11b.PRO.006.011 Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
6:12b.PRO.006.012 Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
6:13b.PRO.006.013 Izay mami-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany;
6:14b.PRO.006.014 Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
6:15b.PRO.006.015 Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
6:16b.PRO.006.016 Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
6:17b.PRO.006.017 Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
6:18b.PRO.006.018 Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
6:19b.PRO.006.019 Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.
6:20b.PRO.006.020 [Fananarana hankatò tsara ny ana-dray aman-dreny mba hifady ny fifangajangana] Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
6:21b.PRO.006.021 Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
6:22b.PRO.006.022 Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
6:23b.PRO.006.023 Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan'aina ny anatra famaizana,
6:24b.PRO.006.024 Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga. [Heb. lelam-bahiny]
6:25b.PRO.006.025 Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy.
6:26b.PRO.006.026 Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa.
6:27b.PRO.006.027 Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
6:28b.PRO.006.028 Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
6:29b.PRO.006.029 Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
6:30b.PRO.006.030 Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
6:31b.PRO.006.031 Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.[Na: Ny olona tsy manome tsiny ny mpangalatra, noana; Nefa]
6:32b.PRO.006.032 Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
6:33b.PRO.006.033 Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra.
6:34b.PRO.006.034 Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany.Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.[Heb. avotra]
6:35b.PRO.006.035 Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.[Heb. avotra]
7
7:1b.PRO.007.001 Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
7:2b.PRO.007.002 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
7:3b.PRO.007.003 Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.
7:4b.PRO.007.004 Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
7:5b.PRO.007.005 Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.[Heb. vehivavy tsy vadinao]
7:6b.PRO.007.006 Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako,
7:7b.PRO.007.007 Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
7:8b.PRO.007.008 Izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
7:9b.PRO.007.009 Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina.
7:10b.PRO.007.010 Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po,
7:11b.PRO.007.011 Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
7:12b.PRO.007.012 Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
7:13b.PRO.007.013 Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
7:14b.PRO.007.014 Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
7:15b.PRO.007.015 Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
7:16b.PRO.007.016 Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
7:17b.PRO.007.017 Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.[Heb. ahalima]
7:18b.PRO.007.018 Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny fitiavana isika.
7:19b.PRO.007.019 Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
7:20b.PRO.007.020 Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana.
7:21b.PRO.007.021 Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy,
7:22b.PRO.007.022 Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana, [Na: Na iza na iza mandeha manaraka azy dia][Heb. tahaka ny gadra ho famaizana ny adala]
7:23b.PRO.007.023 Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
7:24b.PRO.007.024 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
7:25b.PRO.007.025 Aoka tsy hivily ho any amin'ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany.
7:26b.PRO.007.026 Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]
7:27b.PRO.007.027 Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]
8
8:1b.PRO.008.001 [Ny fiantsoan'ny fahendrena, sy ny fahatsarany] Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
8:2b.PRO.008.002 Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
8:3b.PRO.008.003 Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
8:4b.PRO.008.004 Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona.
8:5b.PRO.008.005 Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
8:6b.PRO.008.006 Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro.
8:7b.PRO.008.007 Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.
8:8b.PRO.008.008 Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
8:9b.PRO.008.009 Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana.
8:10b.PRO.008.010 Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
8:11b.PRO.008.011 Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]
8:12b.PRO.008.012 Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.
8:13b.PRO.008.013 Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
8:14b.PRO.008.014 Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;[Na: tena fahendrena]
8:15b.PRO.008.015 Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;
8:16b.PRO.008.016 Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.
8:17b.PRO.008.017 Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
8:18b.PRO.008.018 Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
8:19b.PRO.008.019 Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
8:20b.PRO.008.020 Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,
8:21b.PRO.008.021 Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
8:22b.PRO.008.022 Jehovah nahary ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.[Na: nahazo]
8:23b.PRO.008.023 Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
8:24b.PRO.008.024 Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
8:25b.PRO.008.025 Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
8:26b.PRO.008.026 Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao.
8:27b.PRO.008.027 Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy,
8:28b.PRO.008.028 Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,
8:29b.PRO.008.029 Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,
8:30b.PRO.008.030 Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;[Na: notezaina]
8:31b.PRO.008.031 Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.
8:32b.PRO.008.032 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
8:33b.PRO.008.033 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
8:34b.PRO.008.034 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.
8:35b.PRO.008.035 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
8:36b.PRO.008.036 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
9
9:1b.PRO.009.001 [Ny fiantsoan'ny fahendrena sy ny fahadalana] Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
9:2b.PRO.009.002 Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
9:3b.PRO.009.003 Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
9:4b.PRO.009.004 Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy:
9:5b.PRO.009.005 Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
9:6b.PRO.009.006 Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana.[Na: Mitsahara, ry]
9:7b.PRO.009.007 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
9:8b.PRO.009.008 Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9:9b.PRO.009.009 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
9:10b.PRO.009.010 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
9:11b.PRO.009.011 Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
9:12b.PRO.009.012 Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany.
9:13b.PRO.009.013 Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
9:14b.PRO.009.014 Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna,
9:15b.PRO.009.015 Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe:
9:16b.PRO.009.016 Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:
9:17b.PRO.009.017 Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana,Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.[Heb: Shoela]
9:18b.PRO.009.018 Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.[Heb: Shoela]
10
10:1b.PRO.010.001 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny toetry ny hendry sy ny adala, mbamin'ny valin'ny ataony avy] Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
10:2b.PRO.010.002 Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.
10:3b.PRO.010.003 Tsy avelan'i Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy fanahy.
10:4b.PRO.010.004 Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto.
10:5b.PRO.010.005 Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
10:6b.PRO.010.006 Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy.[Na: Fa manaron-doza]
10:7b.PRO.010.007 Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy.
10:8b.PRO.010.008 Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
10:9b.PRO.010.009 Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.
10:10b.PRO.010.010 Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
10:11b.PRO.010.011 Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. [Izahao and. 6]
10:12b.PRO.010.012 Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
10:13b.PRO.010.013 Amin'ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina.
10:14b.PRO.010.014 Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana.
10:15b.PRO.010.015 Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy.
10:16b.PRO.010.016 Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy.
10:17b.PRO.010.017 Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
10:18b.PRO.010.018 Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
10:19b.PRO.010.019 Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
10:20b.PRO.010.020 Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
10:21b.PRO.010.021 Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
10:22b.PRO.010.022 Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.[Na: Ary tsy ampiany alahelo]
10:23b.PRO.010.023 Toa laolaon'ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa. [Na: Toa laolaon'ny adala ny fahafetsena; Fa ny manan-tsaina no manam-pahendrena]
10:24b.PRO.010.024 Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin'ny marina no homena azy.
10:25b.PRO.010.025 Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
10:26b.PRO.010.026 Toy ny vinaingitra amin'ny nify sy ny setroka amin'ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy.
10:27b.PRO.010.027 Ny fahatahorana an'i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy hohafohezina.
10:28b.PRO.010.028 Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.
10:29b.PRO.010.029 Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.
10:30b.PRO.010.030 Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin'ny tany.
10:31b.PRO.010.031 Eo amin'ny vavan'ny marina no itsimohan'ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
10:32b.PRO.010.032 Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
11
11:1b.PRO.011.001 Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
11:2b.PRO.011.002 Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.
11:3b.PRO.011.003 Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany.
11:4b.PRO.011.004 Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana.
11:5b.PRO.011.005 Ny fahamarinan'ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon'ny haratsiany ihany.
11:6b.PRO.011.006 Ny fahamarinan'ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
11:7b.PRO.011.007 Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan'ny mpanao ratsy. [Na: mahery]
11:8b.PRO.011.008 Ny marina dia vonjena amin'ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
11:9b.PRO.011.009 Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. [Na: ratsy fanahy][Na: Ny fahalalan'ny marina no hanafahana ny namany]
11:10b.PRO.011.010 Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
11:11b.PRO.011.011 Ny fisaoran'ny marina no isandratan'ny tanàna; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy no aharavany.[Na: Ny fitahiana avy amin']
11:12b.PRO.011.012 Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangina.
11:13b.PRO.011.013 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
11:14b.PRO.011.014 Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
11:15b.PRO.011.015 Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
11:16b.PRO.011.016 Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
11:17b.PRO.011.017 Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an'ny tenany; Fa ny lozabe dia todin'ny halozany.
11:18b.PRO.011.018 Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
11:19b.PRO.011.019 Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin'ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan'ny fahafatesana.
11:20b.PRO.011.020 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
11:21b.PRO.011.021 Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.[Na: Azo ifandraisan-tanana fa; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia]
11:22b.PRO.011.022 Toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.[Na: efa niala tamin'ny fahendrena]
11:23b.PRO.011.023 Ny soa ihany no irin'ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan'ny ratsy fanahy.
11:24b.PRO.011.024 Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.[Heb. mamafy][Na: mihazona ny hareny]
11:25b.PRO.011.025 Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa. [Heb. Ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa]
11:26b.PRO.011.026 Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin'ny olona; Fa saotra no ho amin'ny lohan'izay mivarotra.
11:27b.PRO.011.027 Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan'izany.
11:28b.PRO.011.028 Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
11:29b.PRO.011.029 Izay mampidi-doza amin'ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon'ny hendry.
11:30b.PRO.011.030 Ny vokatry ny marina dia hazon'aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
11:31b.PRO.011.031 Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
12
12:1b.PRO.012.001 Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
12:2b.PRO.012.002 Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
12:3b.PRO.012.003 Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika.
12:4b.PRO.012.004 Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin'ny taolana.
12:5b.PRO.012.005 Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy.
12:6b.PRO.012.006 Ny tenin'ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy.
12:7b.PRO.012.007 Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra.[Na: Vetivety foana dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy]
12:8b.PRO.012.008 Araka ny fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
12:9b.PRO.012.009 Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
12:10b.PRO.012.010 Ny marina mitsimbina ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon'ny ratsy fanahy;
12:11b.PRO.012.011 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.[Na: ny zava-poana]
12:12b.PRO.012.012 Ny mpanota maniry ny hazan'ny ratsy fanahy; Fa ny fakan'ny marina mitrebona. [Na: ny fandriky][Na: Fa ny marina ataon'Andriamanitra miorim-paka]
12:13b.PRO.012.013 Amin'ny fahotan'ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana.
12:14b.PRO.012.014 Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan'ny tànany hitsingerina aminy.
12:15b.PRO.012.015 Ny lalan'ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
12:16b.PRO.012.016 Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry.
12:17b.PRO.012.017 Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
12:18b.PRO.012.018 Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa.
12:19b.PRO.012.019 Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
12:20b.PRO.012.020 Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.
12:21b.PRO.012.021 Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.[Heb. henika ny ratsy]
12:22b.PRO.012.022 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
12:23b.PRO.012.023 Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana.[Heb. manafina fahalalana]
12:24b.PRO.012.024 Ny tanan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
12:25b.PRO.012.025 Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
12:26b.PRO.012.026 Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
12:27b.PRO.012.027 Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto.[Na: tsy mahatono izay nohazainy]Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
12:28b.PRO.012.028 Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
13
13:1b.PRO.013.001 Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
13:2b.PRO.013.002 Ny vokatry ny vavan'ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
13:3b.PRO.013.003 Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.[Na: ny fanahiny]
13:4b.PRO.013.004 Ny fanahin'ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina.
13:5b.PRO.013.005 Ny lainga dia halan'ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
13:6b.PRO.013.006 Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
13:7b.PRO.013.007 Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
13:8b.PRO.013.008 Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
13:9b.PRO.013.009 Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty.[Heb. mifaly]
13:10b.PRO.013.010 Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena.
13:11b.PRO.013.011 Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
13:12b.PRO.013.012 Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
13:13b.PRO.013.013 Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.[Na: mahavery tena]
13:14b.PRO.013.014 Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana.
13:15b.PRO.013.015 Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan'ny mpivadika.
13:16b.PRO.013.016 Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
13:17b.PRO.013.017 Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.[Na: fanasitranana]
13:18b.PRO.013.018 Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
13:19b.PRO.013.019 Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy. [Na: efa mitranga]
13:20b.PRO.013.020 Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza.[Na: ho ratsy]
13:21b.PRO.013.021 Ny mpanota dia enjehin'ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
13:22b.PRO.013.022 Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina.
13:23b.PRO.013.023 Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan'izay tsy rariny.
13:24b.PRO.013.024 Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.
13:25b.PRO.013.025 Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.
14
14:1b.PRO.014.001 Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin'ny tànany.[Heb. fahendren'ny vehivavy][Heb. fahadalana]
14:2b.PRO.014.002 Mandeha mahitsy izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
14:3b.PRO.014.003 Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
14:4b.PRO.014.004 Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny omby.[Heb. madio]
14:5b.PRO.014.005 Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
14:6b.PRO.014.006 Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
14:7b.PRO.014.007 Mialà eo anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
14:8b.PRO.014.008 Ny mitandrina ny alehany no fahendren'ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan'ny adala.
14:9b.PRO.014.009 Ny adala ihomehezan'ny fanati-panonerana; Fa ao amin'ny marina no misy fankasitrahana.[Na: Ihomehezan'ny adala ny heloka]
14:10b.PRO.014.010 Ny fo no mahalala ny fangidian'ny alahelony; Ary tsy raharahan'ny olon-kafa ny hafaliany.
14:11b.PRO.014.011 Ravana ny tranon'ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain'ny marina.
14:12b.PRO.014.012 Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
14:13b.PRO.014.013 Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran'ny hafaliana dia alahelo.
14:14b.PRO.014.014 Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
14:15b.PRO.014.015 Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
14:16b.PRO.014.016 Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin'ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.[Na: misafoaka]
14:17b.PRO.014.017 Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
14:18b.PRO.014.018 Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.[Na: mandray fahalalana]
14:19b.PRO.014.019 Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin'ny marina.
14:20b.PRO.014.020 Ny malahelo dia halan'ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian'ny maro.
14:21b.PRO.014.021 Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran'izay mamindra fo amin'ny ory!
14:22b.PRO.014.022 Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an'izay manao asa tsara. [Na: misaina ny][Na. misaina ny]
14:23b.PRO.014.023 Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
14:24b.PRO.014.024 Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany.
14:25b.PRO.014.025 Ny vavolombelona marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
14:26b.PRO.014.026 Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
14:27b.PRO.014.027 Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
14:28b.PRO.014.028 Ny fahabetsahan'ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
14:29b.PRO.014.029 Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
14:30b.PRO.014.030 Ny fo mionona no fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
14:31b.PRO.014.031 Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
14:32b.PRO.014.032 Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny fahafatesana aza.[Na: roahina]
14:33b.PRO.014.033 Mandry tsara ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary.
14:34b.PRO.014.034 Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olonaNy fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.
14:35b.PRO.014.035 Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.
15
15:1b.PRO.015.001 Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
15:2b.PRO.015.002 Ny lelan'ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana.
15:3b.PRO.015.003 Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
15:4b.PRO.015.004 Ny teny malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.[Heb. lela]
15:5b.PRO.015.005 Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
15:6b.PRO.015.006 Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza.
15:7b.PRO.015.007 Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala.
15:8b.PRO.015.008 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
15:9b.PRO.015.009 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
15:10b.PRO.015.010 Famaizana mafy no hihatra amin'izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
15:11b.PRO.015.011 Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i Jehovah, Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona![Heb. Sheola]
15:12b.PRO.015.012 Tsy tian'ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
15:13b.PRO.015.013 Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy.
15:14b.PRO.015.014 Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana.
15:15b.PRO.015.015 Ratsy avokoa ny andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
15:16b.PRO.015.016 Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
15:17b.PRO.015.017 Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo. [Heb. fitiavana][Heb. fankahalana]
15:18b.PRO.015.018 Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
15:19b.PRO.015.019 Ny lalan'ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben'ny marina dia voalamina tsara.
15:20b.PRO.015.020 Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
15:21b.PRO.015.021 Ny fahadalana dia fifalian'ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
15:22b.PRO.015.022 Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
15:23b.PRO.015.023 Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy!
15:24b.PRO.015.024 Làlan'aina ho any ambony no alehan'ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany,[Heb. Sheola]
15:25b.PRO.015.025 Ravan'i Jehovah ny tranon'ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny mafy.
15:26b.PRO.015.026 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.[Na: Fa ny madio manao]
15:27b.PRO.015.027 Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
15:28b.PRO.015.028 Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
15:29b.PRO.015.029 Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
15:30b.PRO.015.030 Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.[Heb. Ny fahazavan'ny maso]
15:31b.PRO.015.031 Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry.
15:32b.PRO.015.032 Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
15:33b.PRO.015.033 Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
16
16:1b.PRO.016.001 Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah.
16:2b.PRO.016.002 Ataon'ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.
16:3b.PRO.016.003 Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
16:4b.PRO.016.004 Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza.
16:5b.PRO.016.005 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy.[Heb. Azo ifandraisan-tanana; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia]
16:6b.PRO.016.006 Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny ratsy.
16:7b.PRO.016.007 Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
16:8b.PRO.016.008 Aleo ny kely omban'ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.
16:9b.PRO.016.009 Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
16:10b.PRO.016.010 Ny teny marina dia eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.
16:11b.PRO.016.011 An'i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.[Heb. Asany]
16:12b.PRO.016.012 Fahavetavetana eo imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianana.
16:13b.PRO.016.013 Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
16:14b.PRO.016.014 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
16:15b.PRO.016.015 Amin'ny fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin'ny fararano.
16:16b.PRO.016.016 Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
16:17b.PRO.016.017 Ny manalavitra ny ratsy no lalamben'ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.[Na: fanahiny]
16:18b.PRO.016.018 Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
16:19b.PRO.016.019 Tsara ny malemy fanahy ao amin'izay manetry tena Noho ny mizara babo amin'izay miavonavona.
16:20b.PRO.016.020 Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.
16:21b.PRO.016.021 Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso fahendrena.
16:22b.PRO.016.022 Loharanon'aina ny fahazavan-tsaina amin'izay manana izany; Fa ny famaizana ataon'ny adala dia fahadalana ihany.
16:23b.PRO.016.023 Ny fon'ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin'ny molony.
16:24b.PRO.016.024 Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
16:25b.PRO.016.025 Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
16:26b.PRO.016.026 Ny fahanoanan'ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy.[Heb. miasa ho azy][Heb. vavany]
16:27b.PRO.016.027 Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony.
16:28b.PRO.016.028 Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
16:29b.PRO.016.029 Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin'ny lalana tsy tsara.
16:30b.PRO.016.030 Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.
16:31b.PRO.016.031 Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin'ny lalan'ny fahamarinana no ahazoana azy.
16:32b.PRO.016.032 Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.
16:33b.PRO.016.033 Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.
17
17:1b.PRO.017.001 Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
17:2b.PRO.017.002 Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin'ny mpirahalahy.
17:3b.PRO.017.003 Ny memy ho an'ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
17:4b.PRO.017.004 Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin'ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
17:5b.PRO.017.005 Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin'ny fahorian'ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
17:6b.PRO.017.006 Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
17:7b.PRO.017.007 Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga.
17:8b.PRO.017.008 Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason'izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
17:9b.PRO.017.009 Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
17:10b.PRO.017.010 Ny anatra dia manan-kery kokoa amin'ny hendry Noho ny kapoka injato amin'ny adala.
17:11b.PRO.017.011 Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
17:12b.PRO.017.012 Aleo mifanena amin'ny bera very anaka Toy izay amin'ny adala feno hadalana.
17:13b.PRO.017.013 Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
17:14b.PRO.017.014 Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
17:15b.PRO.017.015 Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina,Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
17:16b.PRO.017.016 Hatao inona re ity vola an-tànan'ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
17:17b.PRO.017.017 Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.[Heb. ateraka]
17:18b.PRO.017.018 Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany.
17:19b.PRO.017.019 Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
17:20b.PRO.017.020 Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin'ny loza.
17:21b.PRO.017.021 Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain'ny adala tsy ho faly.
17:22b.PRO.017.022 Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
17:23b.PRO.017.023 Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
17:24b.PRO.017.024 Eo anoloan'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason'ny adala dia mibirioka any amin'ny faran'ny tany.
17:25b.PRO.017.025 Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin'ny reniny niteraka azy.
17:26b.PRO.017.026 Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.[Na: tsy amin'ny rariny]
17:27b.PRO.017.027 Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
17:28b.PRO.017.028 Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
18
18:1b.PRO.018.001 Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
18:2b.PRO.018.002 Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
18:3b.PRO.018.003 Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin'ny fahafaham-baraka ny henatra.
18:4b.PRO.018.004 Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena,
18:5b.PRO.018.005 Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin'ny fitsarana.
18:6b.PRO.018.006 Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
18:7b.PRO.018.007 Ny vavan'ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
18:8b.PRO.018.008 Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
18:9b.PRO.018.009 Ary izay malaina amin'ny asany Dia rahalahin'ny mpanimba.
18:10b.PRO.018.010 Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.[Heb. atao amin'ny avo]
18:11b.PRO.018.011 Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
18:12b.PRO.018.012 Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
18:13b.PRO.018.013 Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
18:14b.PRO.018.014 Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
18:15b.PRO.018.015 Ny fon'ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin'ny hendry mitady izany.
18:16b.PRO.018.016 Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.
18:17b.PRO.018.017 Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
18:18b.PRO.018.018 Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.
18:19b.PRO.018.019 Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin'ny lapan'ny mpanjaka.
18:20b.PRO.018.020 Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
18:21b.PRO.018.021 Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
18:22b.PRO.018.022 Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin'i Jehovah.
18:23b.PRO.018.023 Fitarainana no ataon'ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.[Na: tsy maintsy hita fa ratsy]
18:24b.PRO.018.024 Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.[Na: tsy maintsy hita fa ratsy]
19
19:1b.PRO.019.001 Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin'ny molony sady adala.
19:2b.PRO.019.002 Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
19:3b.PRO.019.003 Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony.
19:4b.PRO.019.004 Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny sakaizany.
19:5b.PRO.019.005 Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
19:6b.PRO.019.006 Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra.
19:7b.PRO.019.007 Ny malahelo dia halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin'ny teny tsy misy izy.[Heb. manenjika teny tsy misy]
19:8b.PRO.019.008 Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
19:9b.PRO.019.009 Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
19:10b.PRO.019.010 Ny ho velona amin'ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny mpanompo ny zanak'andriana.
19:11b.PRO.019.011 Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
19:12b.PRO.019.012 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin'ny ahitra.
19:13b.PRO.019.013 Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
19:14b.PRO.019.014 Trano sy harena no lova avy amin'ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah.
19:15b.PRO.019.015 Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.
19:16b.PRO.019.016 Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.[Na: ny fanahiny]
19:17b.PRO.019.017 Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
19:18b.PRO.019.018 Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
19:19b.PRO.019.019 Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
19:20b.PRO.019.020 Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin'izay hiafaranao.[Na: any aoriana]
19:21b.PRO.019.021 Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.
19:22b.PRO.019.022 Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
19:23b.PRO.019.023 Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
19:24b.PRO.019.024 Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany.
19:25b.PRO.019.025 Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
19:26b.PRO.019.026 Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
19:27b.PRO.019.027 Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana.[Na: Anaka, raha dia minia manalavitra ny tenin'ny fahalalana ianao, Dia mitsahara tsy hihaino anatra]
19:28b.PRO.019.028 Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.
19:29b.PRO.019.029 Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.
20
20:1b.PRO.020.001 Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.
20:2b.PRO.020.002 Ny fampitahoran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin'ny ainy,
20:3b.PRO.020.003 Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
20:4b.PRO.020.004 Ny malaina tsy mety miasa amin'ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.[Na: noho ny ririnina; na: noho ny haben'ny vokatra]
20:5b.PRO.020.005 Rano lalina ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
20:6b.PRO.020.006 Maro ny olona samy midera ny soa ataon'ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
20:7b.PRO.020.007 Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
20:8b.PRO.020.008 Mipetraka eo amin'ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
20:9b.PRO.020.009 Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
20:10b.PRO.020.010 Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
20:11b.PRO.020.011 Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin'ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
20:12b.PRO.020.012 Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon'i Jehovah avokoa.
20:13b.PRO.020.013 Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
20:14b.PRO.020.014 Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
20:15b.PRO.020.015 Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.[Na: perla]
20:16b.PRO.020.016 Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny niantohany.[Na: vahiny janga]
20:17b.PRO.020.017 Mamin'ny olona ny hanina azo amin'ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
20:18b.PRO.020.018 Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
20:19b.PRO.020.019 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin'izay mibedibedy foana.
20:20b.PRO.020.020 Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin'ny alim-pito ny jirony.
20:21b.PRO.020.021 Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.[Na: mahamahimahina]
20:22b.PRO.020.022 Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
20:23b.PRO.020.023 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
20:24b.PRO.020.024 Avy amin'i Jehovah ny dian'ny olona, Ary hataon'izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
20:25b.PRO.020.025 Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
20:26b.PRO.020.026 Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
20:27b.PRO.020.027 Jiron'i Jehovah ny fanahin'ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
20:28b.PRO.020.028 Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin'ny famindram-po ny seza fiandrianany.
20:29b.PRO.020.029 Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.[Heb. ratra avy amin'ny kapoaka]
20:30b.PRO.020.030 Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.[Heb. ratra avy amin'ny kapoaka]
21
21:1b.PRO.021.001 Rano velona eo an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka, Ka tarihiny amin'izay tiany.
21:2b.PRO.021.002 Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
21:3b.PRO.021.003 Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
21:4b.PRO.021.004 Ny fiandranandran'ny maso sy ny fiavonavon'ny fo Izay jiron'ny ratsy fanahy dia ota.[Na: asan']
21:5b.PRO.021.005 Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
21:6b.PRO.021.006 Ny fahazoan-karena amin'ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an'izay mitady fahafatesana.
21:7b.PRO.021.007 Ny fitohatohan'ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
21:8b.PRO.021.008 Miolikolika ny lalan'ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon'ny madio.
21:9b.PRO.021.009 Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady.
21:10b.PRO.021.010 Ny fanahin'ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
21:11b.PRO.021.011 Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
21:12b.PRO.021.012 Ny Iray Marina no mandinika ny tranon'ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin'ny loza.
21:13b.PRO.021.013 Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
21:14b.PRO.021.014 Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin'ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
21:15b.PRO.021.015 Fifalian'ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
21:16b.PRO.021.016 Ny olona izay mivily miala amin'ny lalan'ny fahendrena Dia hitoetra ao amin'ny fivorian'ny fanahin'ny maty.
21:17b.PRO.021.017 Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
21:18b.PRO.021.018 Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon'ny mahitsy.
21:19b.PRO.021.019 Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin'ny vehivavy tia ady sady foizina.
21:20b.PRO.021.020 Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin'ny tranon'ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
21:21b.PRO.021.021 Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
21:22b.PRO.021.022 Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
21:23b.PRO.021.023 Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
21:24b.PRO.021.024 Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
21:25b.PRO.021.025 Ny fanirian'ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
21:26b.PRO.021.026 Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
21:27b.PRO.021.027 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany azy.
21:28b.PRO.021.028 Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
21:29b.PRO.021.029 Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
21:30b.PRO.021.030 Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an'i Jehovah.Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena.
21:31b.PRO.021.031 Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena.
22
22:1b.PRO.022.001 Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
22:2b.PRO.022.002 Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
22:3b.PRO.022.003 Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
22:4b.PRO.022.004 Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
22:5b.PRO.022.005 Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
22:6b.PRO.022.006 Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.
22:7b.PRO.022.007 Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra.
22:8b.PRO.022.008 Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany.
22:9b.PRO.022.009 Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny.
22:10b.PRO.022.010 Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
22:11b.PRO.022.011 Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy.
22:12b.PRO.022.012 Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany.
22:13b.PRO.022.013 Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dalambe aho.
22:14b.PRO.022.014 Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.[Heb. vehivavy tsy vadiny]
22:15b.PRO.022.015 Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
22:16b.PRO.022.016 Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
22:17b.PRO.022.017 [Ohabolana ny amin'ny fahamarinana sy ny fitondran-tenan'ny hendry] Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
22:18b.PRO.022.018 Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao.
22:19b.PRO.022.019 Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah.
22:20b.PRO.022.020 Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
22:21b.PRO.022.021 Mba hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin'izay naniraka anao?
22:22b.PRO.022.022 Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
22:23b.PRO.022.023 Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin'ny adiny. Ary hanimba ny ain'izay manimba azy.
22:24b.PRO.022.024 Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,
22:25b.PRO.022.025 Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.
22:26b.PRO.022.026 Aza mety ho isan'ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
22:27b.PRO.022.027 Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
22:28b.PRO.022.028 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin'ny razanao.Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy.
22:29b.PRO.022.029 Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy.
23
23:1b.PRO.023.001 Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,[Na: anoloanao]
23:2b.PRO.023.002 Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
23:3b.PRO.023.003 Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
23:4b.PRO.023.004 Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
23:5b.PRO.023.005 Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.
23:6b.PRO.023.006 Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
23:7b.PRO.023.007 Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
23:8b.PRO.023.008 Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
23:9b.PRO.023.009 Aza miteny amin'91 ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao.[Heb. an-tsofin']
23:10b.PRO.023.010 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'ny sahan'ny kamboty;[Heb. miditra amin']
23:11b.PRO.023.011 Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.
23:12b.PRO.023.012 Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
23:13b.PRO.023.013 Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; [Na: Fa tsy ho faty izy, raha asianao ny hazo]
23:14b.PRO.023.014 Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.[Heb. Sheola]
23:15b.PRO.023.015 Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
23:16b.PRO.023.016 Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.[Heb. voako]
23:17b.PRO.023.017 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro;
23:18b.PRO.023.018 Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
23:19b.PRO.023.019 Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lalana ny fonao.
23:20b.PRO.023.020 Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
23:21b.PRO.023.021 Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
23:22b.PRO.023.022 Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
23:23b.PRO.023.023 Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
23:24b.PRO.023.024 Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
23:25b.PRO.023.025 Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
23:26b.PRO.023.026 Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;[Na: Ary aoka ny masonao handinika ny lalako]
23:27b.PRO.023.027 Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ; [Heb. vehivavy tsy vadiny]
23:28b.PRO.023.028 Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
23:29b.PRO.023.029 An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena? [Na: manjambena]
23:30b.PRO.023.030 An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
23:31b.PRO.023.031 Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;[Heb. kapoaka]
23:32b.PRO.023.032 Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
23:33b.PRO.023.033 Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.[Heb. vehivavy tsy vadiny][Na: Ny masonao hahita zavatra hafahafa, Ary ny fonao hirediredy foana]
23:34b.PRO.023.034 Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo.Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
23:35b.PRO.023.035 Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
24
24:1b.PRO.024.001 Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
24:2b.PRO.024.002 Fa fandravana no saintsainin'ny fony, Ary fampahoriana notenenin'ny molony.
24:3b.PRO.024.003 Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
24:4b.PRO.024.004 Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin'izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
24:5b.PRO.024.005 Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
24:6b.PRO.024.006 Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
24:7b.PRO.024.007 Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.[Na: Ataon'ny adala ho haingohaingo foana ny fahendrena]
24:8b.PRO.024.008 Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
24:9b.PRO.024.009 Ota ny fikasan'ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason'ny olona ny mpaniratsira.
24:10b.PRO.024.010 Raha reraka amin'ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.
24:11b.PRO.024.011 Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
24:12b.PRO.024.012 Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.[Na: io]
24:13b.PRO.024.013 Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao;[Heb.lanilaninao]
24:14b.PRO.024.014 Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
24:15b.PRO.024.015 Aza manotrika ao akaikin'ny tranon'ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;
24:16b.PRO.024.016 Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana.[Na: ka idiran-doza]
24:17b.PRO.024.017 Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
24:18b.PRO.024.018 Fandrao hitan'i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
24:19b.PRO.024.019 Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
24:20b.PRO.024.020 Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.[Heb. farany]
24:21b.PRO.024.021 Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova;[Na: hafa saina noho izany]
24:22b.PRO.024.022 Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny? [Heb. taonany]
24:23b.PRO.024.023 Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.
24:24b.PRO.024.024 Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;
24:25b.PRO.024.025 Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
24:26b.PRO.024.026 Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra.
24:27b.PRO.024.027 Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
24:28b.PRO.024.028 Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao?
24:29b.PRO.024.029 Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
24:30b.PRO.024.030 Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;
24:31b.PRO.024.031 Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron'ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
24:32b.PRO.024.032 Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
24:33b.PRO.024.033 Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
24:34b.PRO.024.034 Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
25
25:1b.PRO.025.001 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny fitondran-tena sy ny toetry ny olona marina] Izao koa no ohabolan'i Solomona, izay nangonin'ny olon'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda:[Heb. nafindran']
25:2b.PRO.025.002 Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.
25:3b.PRO.025.003 Ny hahavon'ny lanitra sy ny halalin'ny tany Ary ny fon'ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.
25:4b.PRO.025.004 Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an'ny mpanao an-idina.
25:5b.PRO.025.005 Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan'ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin'ny fahamarinana ny seza fiandrianany.
25:6b.PRO.025.006 Aza manandra-tena eo anatrehan'ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin'ny fitoeran'ny lehibe;
25:7b.PRO.025.007 Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason'ny manan-kaja izay hitan'ny masonao.
25:8b.PRO.025.008 Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin'ny farany, Rehefa omen'ny namanao henatra ianao.
25:9b.PRO.025.009 Miadia ihany ny adinao amin'ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian'ny sasany holazaina,
25:10b.PRO.025.010 Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.
25:11b.PRO.025.011 Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.[Na: poma volamena misy ravaka volafotsy]
25:12b.PRO.025.012 Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin'ny sofina mihaino.
25:13b.PRO.025.013 Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin'izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon'ny tompony izy.
25:14b.PRO.025.014 Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin'ny fizaram-bava.
25:15b.PRO.025.015 Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.[(Heb. lela]
25:16b.PRO.025.016 Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.
25:17b.PRO.025.017 Aza miditra matetika ao an-tranon'ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.
25:18b.PRO.025.018 Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.
25:19b.PRO.025.019 Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin'ny andro fahoriana.
25:20b.PRO.025.020 Toy ny miala lamba amin'ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin'ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin'ny malahelo am-po.
25:21b.PRO.025.021 Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
25:22b.PRO.025.022 Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
25:23b.PRO.025.023 Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan'ny mpifosa mampahavinitra endrika.
25:24b.PRO.025.024 Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampontrano Toy izay miray trano amin'ny vehivavy tia ady.
25:25b.PRO.025.025 Rano mangatsiaka amin'ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
25:26b.PRO.025.026 Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
25:27b.PRO.025.027 Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan'ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.[Na: Fa ny fandinihana izay sarotra dia voninahitra (na: mavesatra)]Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.
25:28b.PRO.025.028 Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.
26
26:1b.PRO.026.001 Toy ny oram-panala amin'ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an'ny adala.
26:2b.PRO.026.002 Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
26:3b.PRO.026.003 Ny karavasy ho amin'ny soavaly ny lamboridy ho amin'ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala.
26:4b.PRO.026.004 Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
26:5b.PRO.026.005 Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
26:6b.PRO.026.006 Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
26:7b.PRO.026.007 Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
26:8b.PRO.026.008 Toy ny manisy vato eo amin'ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
26:9b.PRO.026.009 Toy ny tsilo eny an-tànan'ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
26:10b.PRO.026.010 Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.[Na: Toy ny mpandefa zana-tsipìka mahavoa ny olona rehetra, Dia toy izany ny manakarama ny adala sy manakarama izay sendra mandalo]
26:11b.PRO.026.011 Toy ny amboa miverina amin'ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany.
26:12b.PRO.026.012 Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
26:13b.PRO.026.013 Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.
26:14b.PRO.026.014 Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin'ny fandriany,
26:15b.PRO.026.015 Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin'ny vavany dia mahasasatra azy.
26:16b.PRO.026.016 Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
26:17b.PRO.026.017 Izay mandalo ka mitsaraingona amin'ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin'ny sofiny.
26:18b.PRO.026.018 Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
26:19b.PRO.026.019 Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
26:20b.PRO.026.020 Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
26:21b.PRO.026.021 Toy ny arina atao amin'ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin'ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
26:22b.PRO.026.022 Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
26:23b.PRO.026.023 Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.[Heb. mirehitra]
26:24b.PRO.026.024 Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin'ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
26:25b.PRO.026.025 Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
26:26b.PRO.026.026 Ny lolompo dia miafina ao amin'ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
26:27b.PRO.026.027 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.
26:28b.PRO.026.028 Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.
27
27:1b.PRO.027.001 Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
27:2b.PRO.027.002 Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
27:3b.PRO.027.003 Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran'ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
27:4b.PRO.027.004 Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan'ny fahasaro-piaro?
27:5b.PRO.027.005 Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.
27:6b.PRO.027.006 Azo itokiana hahasoa ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan'ny fahavalo.
27:7b.PRO.027.007 Hitsakitsahin'ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin'ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
27:8b.PRO.027.008 Toy ny voron-kely miala amin'ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin'ny fonenany.
27:9b.PRO.027.009 Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin'ny sakaiza dia avy amin'ny ana-panahy ataony.
27:10b.PRO.027.010 Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
27:11b.PRO.027.011 Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
27:12b.PRO.027.012 Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
27:13b.PRO.027.013 Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny janga niantohany izy.
27:14b.PRO.027.014 Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin'ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
27:15b.PRO.027.015 Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
27:16b.PRO.027.016 Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.[Na: mihatra amin'ny]
27:17b.PRO.027.017 Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin'ny sakaizany.
27:18b.PRO.027.018 Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
27:19b.PRO.027.019 Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.
27:20b.PRO.027.020 Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan'ny mason'ny olona.[Heb. Sheola]
27:21b.PRO.027.021 Ny memy ho an'ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an'ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
27:22b.PRO.027.022 Na dia miara-totoinao ny fanoto amin'ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
27:23b.PRO.027.023 Fantaro tsara ny tarehin'ny ondry aman'osinao, Ary miahia tsara ny andian'ny bibinao;
27:24b.PRO.027.024 Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin'ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
27:25b.PRO.027.025 Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
27:26b.PRO.027.026 Ny zanak'ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;Ary ho ampy hosotroinao ny rononon'osy Sy ho an'ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman'ny ankizivavinao.
27:27b.PRO.027.027 Ary ho ampy hosotroinao ny rononon'osy Sy ho an'ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman'ny ankizivavinao.
28
28:1b.PRO.028.001 Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
28:2b.PRO.028.002 Ny fahotan'ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian'ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana. [Na: fikomian'][Na: manan-tsaina sady mahalala rariny][Na: Fa noho ny manan-tsaina no haharetan'ny fahamarinana]
28:3b.PRO.028.003 Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
28:4b.PRO.028.004 Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin'ny fanoherana azy.
28:5b.PRO.028.005 Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
28:6b.PRO.028.006 Ny malahelo izay mandeha amin'ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika.
28:7b.PRO.028.007 Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin'ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
28:8b.PRO.028.008 Izay mampitombo ny fananany amin'ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an'izay miantra ny malahelo
28:9b.PRO.028.009 Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
28:10b.PRO.028.010 Izay mampivily ny mahitsy ho amin'ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin'ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
28:11b.PRO.028.011 Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
28:12b.PRO.028.012 Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.[Na. mitsangana]
28:13b.PRO.028.013 Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
28:14b.PRO.028.014 Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
28:15b.PRO.028.015 Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin'ny olona reraka.
28:16b.PRO.028.016 Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
28:17b.PRO.028.017 Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
28:18b.PRO.028.018 Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
28:19b.PRO.028.019 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.[Na: zava-poana]
28:20b.PRO.028.020 Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
28:21b.PRO.028.021 Tsy mety raha mizaha tavan'olona; Kanefa na dia amin'ny sombin-kanina ihany aza dia sahin'ny olona hanotana.
28:22b.PRO.028.022 Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
28:23b.PRO.028.023 Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin'ny lelany.
28:24b.PRO.028.024 Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman'ny mpanimba.
28:25b.PRO.028.025 Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an'i Jehovah dia hohatavezina.[Na: miavonavona am-po]
28:26b.PRO.028.026 Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin'ny fahendrena no ho afa-miala.
28:27b.PRO.028.027 Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.[Na: mitsangana]
28:28b.PRO.028.028 Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.[Na: mitsangana]
29
29:1b.PRO.029.001 Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
29:2b.PRO.029.002 Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
29:3b.PRO.029.003 Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena.
29:4b.PRO.029.004 Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.[Na: mampandoa harena]
29:5b.PRO.029.005 Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
29:6b.PRO.029.006 Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
29:7b.PRO.029.007 Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
29:8b.PRO.029.008 Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.[Heb. mampirehitra]
29:9b.PRO.029.009 Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.[Na: Raha hendry miady amin'adala, na tezitra izy, na mihomehy, dia tsy misy fitsaharana]
29:10b.PRO.029.010 Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.[Na: Ary mitady ny ain'ny mahitsy]
29:11b.PRO.029.011 Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
29:12b.PRO.029.012 Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
29:13b.PRO.029.013 Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta.[Na: mpampanana vola]
29:14b.PRO.029.014 Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
29:15b.PRO.029.015 Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
29:16b.PRO.029.016 Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
29:17b.PRO.029.017 Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao.
29:18b.PRO.029.018 Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
29:19b.PRO.029.019 Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.[Heb. tsy misy valiny]
29:20b.PRO.029.020 Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
29:21b.PRO.029.021 Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
29:22b.PRO.029.022 Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
29:23b.PRO.029.023 Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
29:24b.PRO.029.024 Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
29:25b.PRO.029.025 Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.[Heb. hatao amin'ny avo]
29:26b.PRO.029.026 Maro no mila sitraka amin'ny mpanapaka; Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona.[Heb. mitady ny tavan']Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.
29:27b.PRO.029.027 Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.
30
30:1b.PRO.030.001 [Ny tenin'i Agora] Ny teny mavesa-danja nataon'i Agora, zanak'i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin'Itiela, eny, tamin'Itiela sy Okala:[Na: Ny tenin'i Agora, zanak'i Jake, avy any Masa]
30:2b.PRO.030.002 Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain'olombelona aho. [Na: Nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, ka lany ny heriko fa tahaka ny biby aho]
30:3b.PRO.030.003 Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masina.
30:4b.PRO.030.004 Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao!
30:5b.PRO.030.005 Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy.
30:6b.PRO.030.006 Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
30:7b.PRO.030.007 Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
30:8b.PRO.030.008 Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy;
30:9b.PRO.030.009 Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran'Andriamanitro.
30:10b.PRO.030.010 Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
30:11b.PRO.030.011 Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
30:12b.PRO.030.012 Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.
30:13b.PRO.030.013 Misy taranaka, endrey ny fiandrandran'ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!
30:14b.PRO.030.014 Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin'ny olona.
30:15b.PRO.030.015 Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
30:16b.PRO.030.016 Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.[Heb. Sheola]
30:17b.PRO.030.017 Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin'ny zana-boromahery.
30:18b.PRO.030.018 Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
30:19b.PRO.030.019 Ny nalehan'ny voromahery teny amin'ny habakabaka, Ny nalehan'ny bibilava teny amin'ny vatolampy, Ny nalehan'ny sambo teny amin'ny ranomasina, Ary ny nalehan'ny lehilahy tamin'ny tovovavy.
30:20b.PRO.030.020 Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
30:21b.PRO.030.021 Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
30:22b.PRO.030.022 Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,
30:23b.PRO.030.023 Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.[Heb. ankahalaina][Na: mandimby]
30:24b.PRO.030.024 Izao zavatra efatra izao dia kely amin'ny etỳ ambonin'ny tany, Nefa hendry sady mahay:
30:25b.PRO.030.025 Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra izy;
30:26b.PRO.030.026 Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy;
30:27b.PRO.030.027 Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
30:28b.PRO.030.028 Ny antsiantsy dia mandady amin'ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon'ny mpanjaka izy.[Na: azonao samborin-tanana]
30:29b.PRO.030.029 Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
30:30b.PRO.030.030 Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona,
30:31b.PRO.030.031 Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina. [Heb. voafehy kibo][Na: otronin'ny vahoakany]
30:32b.PRO.030.032 Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.
30:33b.PRO.030.033 Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.
31
31:1b.PRO.031.001 [Ny amin'ny tokony ho toetry ny mpanjaka] Ny tenin'i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.[Na: Ny teny ho an'][Na: Lemoela, mpanjakan'i Masa, dia ilay]
31:2b.PRO.031.002 Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
31:3b.PRO.031.003 Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an'izay manimba mpanjaka.[Heb. lalanao][Na: izay zavatra]
31:4b.PRO.031.004 Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
31:5b.PRO.031.005 Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
31:6b.PRO.031.006 Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy;
31:7b.PRO.031.007 Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
31:8b.PRO.031.008 Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan'ny kamboty ny rariny;
31:9b.PRO.031.009 Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
31:10b.PRO.031.010 [Fankalazana ny vehivavy izay sady tsara no mazoto] Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. [Na: mahay][Na: perla]
31:11b.PRO.031.011 Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
31:12b.PRO.031.012 Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany.
31:13b.PRO.031.013 Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany.
31:14b.PRO.031.014 Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny.
31:15b.PRO.031.015 Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny.
31:16b.PRO.031.016 Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
31:17b.PRO.031.017 Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
31:18b.PRO.031.018 Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
31:19b.PRO.031.019 Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
31:20b.PRO.031.020 Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra.
31:21b.PRO.031.021 Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa.
31:22b.PRO.031.022 Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
31:23b.PRO.031.023 Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona.
31:24b.PRO.031.024 Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto.[Heb. Kananita]
31:25b.PRO.031.025 Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
31:26b.PRO.031.026 Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany.
31:27b.PRO.031.027 Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana.
31:28b.PRO.031.028 Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
31:29b.PRO.031.029 Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.[Na: nahavory harena]
31:30b.PRO.031.030 Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.
31:31b.PRO.031.031 Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Proverbs (Malagasy). Proverbs (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A56A-7