Job (Malagasy)
1
1:1b.JOB.001.001 [Ny amin'ny toetr'i Joba sy ny fizahan-toetra azy voalohany] Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
1:2b.JOB.001.002 Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.
1:3b.JOB.001.003 Ary ny fananany dia ondry aman'osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
1:4b.JOB.001.004 Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
1:5b.JOB.001.005 Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva.
1:6b.JOB.001.006 Ary tamin'ny indray andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.
1:7b.JOB.001.007 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
1:8b.JOB.001.008 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
1:9b.JOB.001.009 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i Joba an'Andriamanitra?
1:10b.JOB.001.010 Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan'ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny.
1:11b.JOB.001.011 Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
1:12b.JOB.001.012 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
1:13b.JOB.001.013 Ary tamin'ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;
1:14b.JOB.001.014 ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
1:15b.JOB.001.015 dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
1:16b.JOB.001.016 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
1:17b.JOB.001.017 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
1:18b.JOB.001.018 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;
1:19b.JOB.001.019 ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
1:20b.JOB.001.020 Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka
1:21b.JOB.001.021 sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i JehovahTamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.
1:22b.JOB.001.022 Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.
2
2:1b.JOB.002.001 [Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an'i Joba, sy ny namangian'ny sakaizany telo lahy azy] Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah.
2:2b.JOB.002.002 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
2:3b.JOB.002.003 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
2:4b.JOB.002.004 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy.
2:5b.JOB.002.005 Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza Izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
2:6b.JOB.002.006 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
2:7b.JOB.002.007 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany.
2:8b.JOB.002.008 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
2:9b.JOB.002.009 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.
2:10b.JOB.002.010 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.
2:11b.JOB.002.011 Ary rehefa ren'ny sakaizan'i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin'ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
2:12b.JOB.002.012 Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin'ny lanitra hiraraka amin'ny lohany.Ary niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
2:13b.JOB.002.013 Ary niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
3
3:1b.JOB.003.001 [Ny fitarainan'i Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
3:2b.JOB.003.002 nanao hoe:
3:3b.JOB.003.003 Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
3:4b.JOB.003.004 Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
3:5b.JOB.003.005 Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy]
3:6b.JOB.003.006 Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;
3:7b.JOB.003.007 Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
3:8b.JOB.003.008 Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
3:9b.JOB.003.009 Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,
3:10b.JOB.003.010 Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.
3:11b.JOB.003.011 Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?
3:12b.JOB.003.012 Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
3:13b.JOB.003.013 Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
3:14b.JOB.003.014 Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava, [Na: namboatra][Na: fasana lehibe]
3:15b.JOB.003.015 Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
3:16b.JOB.003.016 Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
3:17b.JOB.003.017 Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
3:18b.JOB.003.018 Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.
3:19b.JOB.003.019 Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.
3:20b.JOB.003.020 Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?
3:21b.JOB.003.021 Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:
3:22b.JOB.003.022 Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
3:23b.JOB.003.023 Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.
3:24b.JOB.003.024 Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
3:25b.JOB.003.025 Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
3:26b.JOB.003.026 Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
4
4:1b.JOB.004.001 [Ny teny voalohany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
4:2b.JOB.004.002 Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
4:3b.JOB.004.003 Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
4:4b.JOB.004.004 Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
4:5b.JOB.004.005 Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
4:6b.JOB.004.006 Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb. fahatahoranao]
4:7b.JOB.004.007 Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
4:8b.JOB.004.008 Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
4:9b.JOB.004.009 Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy.
4:10b.JOB.004.010 Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;
4:11b.JOB.004.011 Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
4:12b.JOB.004.012 Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
4:13b.JOB.004.013 Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
4:14b.JOB.004.014 Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
4:15b.JOB.004.015 Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
4:16b.JOB.004.016 Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
4:17b.JOB.004.017 Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan']
4:18b.JOB.004.018 Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
4:19b.JOB.004.019 Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany]
4:20b.JOB.004.020 Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
4:21b.JOB.004.021 Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
5
5:1b.JOB.005.001 Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao?
5:2b.JOB.005.002 Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana.
5:3b.JOB.005.003 Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
5:4b.JOB.005.004 Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
5:5b.JOB.005.005 Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
5:6b.JOB.005.006 Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana,
5:7b.JOB.005.007 Nefa teraka ho amin'ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra
5:8b.JOB.005.008 Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
5:9b.JOB.005.009 Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
5:10b.JOB.005.010 Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin'ny tany ary mampandeha rano eny amin'ny saha,
5:11b.JOB.005.011 Ka apetrany amin'ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory,
5:12b.JOB.005.012 Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan'ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
5:13b.JOB.005.013 Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava;
5:14b.JOB.005.014 Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina;
5:15b.JOB.005.015 Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny mahery izy.
5:16b.JOB.005.016 Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
5:17b.JOB.005.017 Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha;
5:18b.JOB.005.018 Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
5:19b.JOB.005.019 Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
5:20b.JOB.005.020 Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy;
5:21b.JOB.005.021 Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
5:22b.JOB.005.022 Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
5:23b.JOB.005.023 Fa vita fanekena amin'ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
5:24b.JOB.005.024 Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
5:25b.JOB.005.025 Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany;
5:26b.JOB.005.026 Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoana.Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
5:27b.JOB.005.027 Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
6
6:1b.JOB.006.001 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
6:2b.JOB.006.002 Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako!
6:3b.JOB.006.003 Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
6:4b.JOB.006.004 Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
6:5b.JOB.006.005 Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?
6:6b.JOB.006.006 Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody? [Na: ranon-tsikobonkobon-danitra]
6:7b.JOB.006.007 Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
6:8b.JOB.006.008 Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko!
6:9b.JOB.006.009 Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,
6:10b.JOB.006.010 Dia hahita fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho.
6:11b.JOB.006.011 Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho? [Na: hanalava ny androko]
6:12b.JOB.006.012 Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
6:13b.JOB.006.013 Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
6:14b.JOB.006.014 Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
6:15b.JOB.006.015 Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
6:16b.JOB.006.016 Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala;
6:17b.JOB.006.017 Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy;
6:18b.JOB.006.018 Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.
6:19b.JOB.006.019 Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy;
6:20b.JOB.006.020 Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
6:21b.JOB.006.021 Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
6:22b.JOB.006.022 Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,
6:23b.JOB.006.023 Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha?
6:24b.JOB.006.024 Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
6:25b.JOB.006.025 Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
6:26b.JOB.006.026 Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.
6:27b.JOB.006.027 Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
6:28b.JOB.006.028 Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
6:29b.JOB.006.029 Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.Moa misy heloka va eo amin'ny lelako?
6:30b.JOB.006.030 Moa misy heloka va eo amin'ny lelako?
7
7:1b.JOB.007.001 Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?
7:2b.JOB.007.002 Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany,
7:3b.JOB.007.003 Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
7:4b.JOB.007.004 Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.[Heb. hariva]
7:5b.JOB.007.005 Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
7:6b.JOB.007.006 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
7:7b.JOB.007.007 Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
7:8b.JOB.007.008 Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
7:9b.JOB.007.009 Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola]
7:10b.JOB.007.010 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
7:11b.JOB.007.011 Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.
7:12b.JOB.007.012 Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?
7:13b.JOB.007.013 Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
7:14b.JOB.007.014 Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;
7:15b.JOB.007.015 Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;[Heb. taolako]
7:16b.JOB.007.016 Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
7:17b.JOB.007.017 Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
7:18b.JOB.007.018 Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
7:19b.JOB.007.019 Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
7:20b.JOB.007.020 Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
7:21b.JOB.007.021 Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
8
8:1b.JOB.008.001 [Ny teny voalohany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
8:2b.JOB.008.002 Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
8:3b.JOB.008.003 Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
8:4b.JOB.008.004 Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
8:5b.JOB.008.005 Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.
8:6b.JOB.008.006 Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,[Na: hiambina]
8:7b.JOB.008.007 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
8:8b.JOB.008.008 Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany
8:9b.JOB.008.009 (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);
8:10b.JOB.008.010 Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
8:11b.JOB.008.011 Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
8:12b.JOB.008.012 Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.
8:13b.JOB.008.013 Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,[Na: ratsy fanahy]
8:14b.JOB.008.014 Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
8:15b.JOB.008.015 Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
8:16b.JOB.008.016 Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;
8:17b.JOB.008.017 Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
8:18b.JOB.008.018 Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
8:19b.JOB.008.019 Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.
8:20b.JOB.008.020 Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
8:21b.JOB.008.021 Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
8:22b.JOB.008.022 Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
9
9:1b.JOB.009.001 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
9:2b.JOB.009.002 Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?
9:3b.JOB.009.003 Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.
9:4b.JOB.009.004 Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
9:5b.JOB.009.005 Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,
9:6b.JOB.009.006 Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
9:7b.JOB.009.007 Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
9:8b.JOB.009.008 Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
9:9b.JOB.009.009 Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,[Heb. ireny efi-trano erỳ atsimo]
9:10b.JOB.009.010 Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
9:11b.JOB.009.011 Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
9:12b.JOB.009.012 Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
9:13b.JOB.009.013 Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.[Rahaba = Rehareha]
9:14b.JOB.009.014 Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
9:15b.JOB.009.015 Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.
9:16b.JOB.009.016 Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
9:17b.JOB.009.017 Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
9:18b.JOB.009.018 Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
9:19b.JOB.009.019 Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
9:20b.JOB.009.020 Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
9:21b.JOB.009.021 Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
9:22b.JOB.009.022 Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
9:23b.JOB.009.023 Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb. fikapohana]
9:24b.JOB.009.024 Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
9:25b.JOB.009.025 Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
9:26b.JOB.009.026 Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana zozoro]
9:27b.JOB.009.027 Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
9:28b.JOB.009.028 Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
9:29b.JOB.009.029 Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
9:30b.JOB.009.030 Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,
9:31b.JOB.009.031 Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
9:32b.JOB.009.032 Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.
9:33b.JOB.009.033 Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
9:34b.JOB.009.034 Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
9:35b.JOB.009.035 Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
10
10:1b.JOB.010.001 Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko
10:2b.JOB.010.002 Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho.
10:3b.JOB.010.003 Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?
10:4b.JOB.010.004 Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?
10:5b.JOB.010.005 Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,
10:6b.JOB.010.006 No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
10:7b.JOB.010.007 Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?
10:8b.JOB.010.008 Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
10:9b.JOB.010.009 Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!
10:10b.JOB.010.010 Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
10:11b.JOB.010.011 Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.
10:12b.JOB.010.012 Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
10:13b.JOB.010.013 Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
10:14b.JOB.010.014 Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.
10:15b.JOB.010.015 Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
10:16b.JOB.010.016 Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
10:17b.JOB.010.017 Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
10:18b.JOB.010.018 Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
10:19b.JOB.010.019 Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
10:20b.JOB.010.020 Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
10:21b.JOB.010.021 Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
10:22b.JOB.010.022 Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
11
11:1b.JOB.011.001 [Ny teny voalohany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
11:2b.JOB.011.002 Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
11:3b.JOB.011.003 Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
11:4b.JOB.011.004 Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
11:5b.JOB.011.005 Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
11:6b.JOB.011.006 Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.[Heb. roa sosona]
11:7b.JOB.011.007 Takatry ny sainao va ny fomban'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha [Na: ny famantarana an']
11:8b.JOB.011.008 Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? [Heb. Sheola]
11:9b.JOB.011.009 Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
11:10b.JOB.011.010 Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
11:11b.JOB.011.011 Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.[Na: Ary hitany ny heloka izay tsy heverin'ny olona akory]
11:12b.JOB.011.012 Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.[Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena; Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia]
11:13b.JOB.011.013 Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
11:14b.JOB.011.014 Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
11:15b.JOB.011.015 Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
11:16b.JOB.011.016 Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
11:17b.JOB.011.017 Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
11:18b.JOB.011.018 Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy.
11:19b.JOB.011.019 Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.
11:20b.JOB.011.020 Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.
12
12:1b.JOB.012.001 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
12:2b.JOB.012.002 Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
12:3b.JOB.012.003 Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
12:4b.JOB.012.004 Tonga fihomehezan'ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an'Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
12:5b.JOB.012.005 Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin'izay ela mangozohozo ny latsa.[Na: Fanilo milopilony ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, ka tandrifiny ho an'izay efa ho tafintohina ihany]
12:6b.JOB.012.006 Mandry fahizay ny lain'ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an'Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin'ny tànany ho andriamaniny
12:7b.JOB.012.007 Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;
12:8b.JOB.012.008 Ary makà saina amin'ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.[Na: amin'ny hazo madinika]
12:9b.JOB.012.009 Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan'i Jehovah,[Na: Iza amin'ireny rehetra ireny no tsy mahalala]
12:10b.JOB.012.010 Izay mitana ny ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?
12:11b.JOB.012.011 Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
12:12b.JOB.012.012 Ao amin'ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
12:13b.JOB.012.013 Ao amin'Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.
12:14b.JOB.012.014 Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
12:15b.JOB.012.015 Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.
12:16b.JOB.012.016 Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
12:17b.JOB.012.017 Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan'ny mpitsara.
12:18b.JOB.012.018 Vahany ny fifehezan'ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.
12:19b.JOB.012.019 Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.
12:20b.JOB.012.020 Koroiny ny laha-tenin'ny mahay, ary ny fahazavan-tsain'ny anti-panahy dia esoriny.
12:21b.JOB.012.021 Mandatsaka fanamavoana amin'ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon'ny matanjaka.
12:22b.JOB.012.022 Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin'ny mazava.
12:23b.JOB.012.023 Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.
12:24b.JOB.012.024 Mahavery saina ny loholona amin'ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;Mitsapatsapa amin'ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.
12:25b.JOB.012.025 Mitsapatsapa amin'ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.
13
13:1b.JOB.013.001 Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.
13:2b.JOB.013.002 Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
13:3b.JOB.013.003 Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
13:4b.JOB.013.004 Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
13:5b.JOB.013.005 Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
13:6b.JOB.013.006 Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
13:7b.JOB.013.007 Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
13:8b.JOB.013.008 Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo
13:9b.JOB.013.009 Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?
13:10b.JOB.013.010 Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
13:11b.JOB.013.011 Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
13:12b.JOB.013.012 Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
13:13b.JOB.013.013 Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
13:14b.JOB.013.014 Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.[Na: Ka manao ny aiko eo an-tanako]
13:15b.JOB.013.015 Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho]
13:16b.JOB.013.016 Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.[Na: Ary ho famonjena ahy Izy, fa ny][Na: ratsy fanahy]
13:17b.JOB.013.017 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.
13:18b.JOB.013.018 Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]
13:19b.JOB.013.019 Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
13:20b.JOB.013.020 Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
13:21b.JOB.013.021 Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
13:22b.JOB.013.022 Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
13:23b.JOB.013.023 Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
13:24b.JOB.013.024 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
13:25b.JOB.013.025 Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
13:26b.JOB.013.026 Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
13:27b.JOB.013.027 Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao.Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.
13:28b.JOB.013.028 Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.
14
14:1b.JOB.014.001 Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
14:2b.JOB.014.002 Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.[Na: malazo]
14:3b.JOB.014.003 kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana![Na: fitsaranao]
14:4b.JOB.014.004 Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
14:5b.JOB.014.005 Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
14:6b.JOB.014.006 Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin'ny androny toy ny mpikarama.[Na: hotaperany]
14:7b.JOB.014.007 Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
14:8b.JOB.014.008 Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,
14:9b.JOB.014.009 Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
14:10b.JOB.014.010 Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
14:11b.JOB.014.011 Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
14:12b.JOB.014.012 Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.
14:13b.JOB.014.013 Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]
14:14b.JOB.014.014 Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako.[Na: fiovako]
14:15b.JOB.014.015 Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao.
14:16b.JOB.014.016 Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
14:17b.JOB.014.017 Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
14:18b.JOB.014.018 Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany;
14:19b.JOB.014.019 Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona.
14:20b.JOB.014.020 Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
14:21b.JOB.014.021 Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
14:22b.JOB.014.022 Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
15
15:1b.JOB.015.001 [Ny teny fanindroany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
15:2b.JOB.015.002 Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va,
15:3b.JOB.015.003 Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
15:4b.JOB.015.004 Eny, foananao ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany;[Na: hamavoinao]
15:5b.JOB.015.005 Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao.[Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan'ny fetsy aza ianao?]
15:6b.JOB.015.006 Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
15:7b.JOB.015.007 Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va ianao?
15:8b.JOB.015.008 Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
15:9b.JOB.015.009 Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
15:10b.JOB.015.010 Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
15:11b.JOB.015.011 Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy?
15:12b.JOB.015.012 Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
15:13b.JOB.015.013 Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
15:14b.JOB.015.014 Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
15:15b.JOB.015.015 Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb. masina]
15:16b.JOB.015.016 Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
15:17b.JOB.015.017 Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
15:18b.JOB.015.018 Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany;
15:19b.JOB.015.019 Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
15:20b.JOB.015.020 Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.
15:21b.JOB.015.021 Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
15:22b.JOB.015.022 Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.
15:23b.JOB.015.023 Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
15:24b.JOB.015.024 Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,[Na: Alahelo sy ahiahy]
15:25b.JOB.015.025 Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
15:26b.JOB.015.026 Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,
15:27b.JOB.015.027 Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
15:28b.JOB.015.028 Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.
15:29b.JOB.015.029 Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin'ny tany ny fananany.[Heb. hilonjehitra amin'ny tany toy ny vary efa vokatra]
15:30b.JOB.015.030 Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy.
15:31b.JOB.015.031 Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
15:32b.JOB.015.032 Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
15:33b.JOB.015.033 Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
15:34b.JOB.015.034 Fa tsy ho vanona ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
15:35b.JOB.015.035 Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
16
16:1b.JOB.016.001 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
16:2b.JOB.016.002 Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
16:3b.JOB.016.003 Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
16:4b.JOB.016.004 Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
16:5b.JOB.016.005 Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro.
16:6b.JOB.016.006 Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.
16:7b.JOB.016.007 Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
16:8b.JOB.016.008 Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]
16:9b.JOB.016.009 Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
16:10b.JOB.016.010 Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
16:11b.JOB.016.011 Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota.
16:12b.JOB.016.012 Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
16:13b.JOB.016.013 Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.
16:14b.JOB.016.014 Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
16:15b.JOB.016.015 Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.[Heb. lamba malailay]
16:16b.JOB.016.016 Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
16:17b.JOB.016.017 Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
16:18b.JOB.016.018 Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
16:19b.JOB.016.019 Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.
16:20b.JOB.016.020 Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,
16:21b.JOB.016.021 Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako.[Heb. sakaizany]Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
16:22b.JOB.016.022 Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
17
17:1b.JOB.017.001 Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
17:2b.JOB.017.002 Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
17:3b.JOB.017.003 Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
17:4b.JOB.017.004 Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
17:5b.JOB.017.005 Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.
17:6b.JOB.017.006 Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
17:7b.JOB.017.007 Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
17:8b.JOB.017.008 Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40
17:9b.JOB.017.009 Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
17:10b.JOB.017.010 Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
17:11b.JOB.017.011 Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra;
17:12b.JOB.017.012 Ny alina ataon'ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
17:13b.JOB.017.013 Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola]
17:14b.JOB.017.014 Ny fasana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny fahalòvana]
17:15b.JOB.017.015 Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola]
17:16b.JOB.017.016 Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola]
18
18:1b.JOB.018.001 [Ny teny fanindroany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
18:2b.JOB.018.002 Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
18:3b.JOB.018.003 Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
18:4b.JOB.018.004 Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?
18:5b.JOB.018.005 Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
18:6b.JOB.018.006 Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
18:7b.JOB.018.007 Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
18:8b.JOB.018.008 Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;
18:9b.JOB.018.009 Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana
18:10b.JOB.018.010 Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
18:11b.JOB.018.011 Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.
18:12b.JOB.018.012 Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;[Na: Lanin'ny mosary izy]
18:13b.JOB.018.013 Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana.
18:14b.JOB.018.014 Ongotana hiala amin'ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
18:15b.JOB.018.015 Izay tsy taranany no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.
18:16b.JOB.018.016 Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.[Na: malazo]
18:17b.JOB.018.017 Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
18:18b.JOB.018.018 Roahina hiala amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy ary enjehina hiala amin'izao tontolo izao.
18:19b.JOB.018.019 Tsy manana fara mandimby eo amin'ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny fonenany.
18:20b.JOB.018.020 Ny manjo azy dia italanjonan'ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.
18:21b.JOB.018.021 Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.
19
19:1b.JOB.019.001 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
19:2b.JOB.019.002 Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny?
19:3b.JOB.019.003 Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
19:4b.JOB.019.004 Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako.
19:5b.JOB.019.005 Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
19:6b.JOB.019.006 Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony.
19:7b.JOB.019.007 Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
19:8b.JOB.019.008 Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako.
19:9b.JOB.019.009 Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
19:10b.JOB.019.010 Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
19:11b.JOB.019.011 Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
19:12b.JOB.019.012 Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
19:13b.JOB.019.013 Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
19:14b.JOB.019.014 Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
19:15b.JOB.019.015 Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
19:16b.JOB.019.016 Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.
19:17b.JOB.019.017 Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.
19:18b.JOB.019.018 Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
19:19b.JOB.019.019 Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
19:20b.JOB.019.020 Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
19:21b.JOB.019.021 Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa mikasika ahy.
19:22b.JOB.019.022 Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko?
19:23b.JOB.019.023 Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!
19:24b.JOB.019.024 Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy!
19:25b.JOB.019.025 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy.[Heb. Goela][Na: ho farany]
19:26b.JOB.019.026 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho]
19:27b.JOB.019.027 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.[Heb. voako]
19:28b.JOB.019.028 Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.[Heb. anatiko][Heb. ahy]Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
19:29b.JOB.019.029 Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
20
20:1b.JOB.020.001 [Ny teny fanindroany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
20:2b.JOB.020.002 Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany no mahatonga]
20:3b.JOB.020.003 Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.
20:4b.JOB.020.004 Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,
20:5b.JOB.020.005 Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44
20:6b.JOB.020.006 Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,
20:7b.JOB.020.007 Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?[Na: ny tain'omby atainy]
20:8b.JOB.020.008 Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.
20:9b.JOB.020.009 Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
20:10b.JOB.020.010 Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
20:11b.JOB.020.011 Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.[Na: ota tsy fantatra]
20:12b.JOB.020.012 Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,
20:13b.JOB.020.013 Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,
20:14b.JOB.020.014 Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.
20:15b.JOB.020.015 Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
20:16b.JOB.020.016 Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.
20:17b.JOB.020.017 Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
20:18b.JOB.020.018 Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
20:19b.JOB.020.019 Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
20:20b.JOB.020.020 Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.
20:21b.JOB.020.021 Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
20:22b.JOB.020.022 Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.
20:23b.JOB.020.023 Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
20:24b.JOB.020.024 Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
20:25b.JOB.020.025 Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.
20:26b.JOB.020.026 Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.
20:27b.JOB.020.027 Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
20:28b.JOB.020.028 Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.
20:29b.JOB.020.029 Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.
21
21:1b.JOB.021.001 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
21:2b.JOB.021.002 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
21:3b.JOB.021.003 Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
21:4b.JOB.021.004 Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
21:5b.JOB.021.005 Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
21:6b.JOB.021.006 Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
21:7b.JOB.021.007 Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
21:8b.JOB.021.008 Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
21:9b.JOB.021.009 Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.
21:10b.JOB.021.010 Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
21:11b.JOB.021.011 Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.
21:12b.JOB.021.012 Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.
21:13b.JOB.021.013 Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita.[Heb. Sheola]
21:14b.JOB.021.014 Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
21:15b.JOB.021.015 Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
21:16b.JOB.021.016 Indro, tsy avy amin'ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy![Heb. tsy eo an-tànany]
21:17b.JOB.021.017 Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,[Na: izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny]
21:18b.JOB.021.018 Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra.
21:19b.JOB.021.019 Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
21:20b.JOB.021.020 Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha.
21:21b.JOB.021.021 Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny?
21:22b.JOB.021.022 Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza? [Heb. avo]
21:23b.JOB.021.023 Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
21:24b.JOB.021.024 Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany.[Na: Manotraka ny kibony]
21:25b.JOB.021.025 Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
21:26b.JOB.021.026 Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
21:27b.JOB.021.027 Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
21:28b.JOB.021.028 Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy? [Na: Manotraka ny kibony]
21:29b.JOB.021.029 Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran'Ireo hoe: [Heb. famantarana]
21:30b.JOB.021.030 Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
21:31b.JOB.021.031 Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy? [Na: Azy]
21:32b.JOB.021.032 Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;[Na: mbola misy miambina]
21:33b.JOB.021.033 Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany.Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
21:34b.JOB.021.034 Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
22
22:1b.JOB.022.001 [Ny teny fanintelony nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
22:2b.JOB.022.002 Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
22:3b.JOB.022.003 Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
22:4b.JOB.022.004 Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana?
22:5b.JOB.022.005 Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
22:6b.JOB.022.006 Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra.[Heb. mitanjaka]
22:7b.JOB.022.007 Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana.
22:8b.JOB.022.008 Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
22:9b.JOB.022.009 Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty.
22:10b.JOB.022.010 Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
22:11b.JOB.022.011 Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
22:12b.JOB.022.012 Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!
22:13b.JOB.022.013 Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
22:14b.JOB.022.014 Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.
22:15b.JOB.022.015 Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy.
22:16b.JOB.022.016 Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany,
22:17b.JOB.022.017 Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay? [Heb. azy]
22:18b.JOB.022.018 Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!
22:19b.JOB.022.019 Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
22:20b.JOB.022.020 Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.
22:21b.JOB.022.021 Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.
22:22b.JOB.022.022 Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
22:23b.JOB.022.023 Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
22:24b.JOB.022.024 Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
22:25b.JOB.022.025 Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.[Na tsara, na azo amin'ny fisasarana]
22:26b.JOB.022.026 Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.
22:27b.JOB.022.027 Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
22:28b.JOB.022.028 Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava.
22:29b.JOB.022.029 Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry izy]Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.
22:30b.JOB.022.030 Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.
23
23:1b.JOB.023.001 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
23:2b.JOB.023.002 Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.[Na: mangidy]
23:3b.JOB.023.003 Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!
23:4b.JOB.023.004 Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
23:5b.JOB.023.005 Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.
23:6b.JOB.023.006 Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy
23:7b.JOB.023.007 Fa amin'izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.
23:8b.JOB.023.008 Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
23:9b.JOB.023.009 Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
23:10b.JOB.023.010 Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
23:11b.JOB.023.011 Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
23:12b.JOB.023.012 Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.[Na: anjara-haniko]
23:13b.JOB.023.013 Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony.
23:14b.JOB.023.014 Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
23:15b.JOB.023.015 Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.
23:16b.JOB.023.016 Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy]
23:17b.JOB.023.017 Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy]
24
24:1b.JOB.024.001 Nahoana no tsy misy fotoan'andro voatendrin'ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan'ny mahalala Azy izany androny Izany?
24:2b.JOB.024.002 Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman'ondry sady miandry azy.
24:3b.JOB.024.003 Mandroaka ny borikin'ny kamboty izy, ary maka ny ombin'ny mpitondratena ho tsatòka.
24:4b.JOB.024.004 Manosika ny mahantra hiala amin'ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin'ny tany.
24:5b.JOB.024.005 Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak'ireny ho amin'ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an'ny zanany.
24:6b.JOB.024.006 Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
24:7b.JOB.024.007 Mandry mitanjaka amin'ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin'ny hatsiaka;
24:8b.JOB.024.008 Kotsan'ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin'ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
24:9b.JOB.024.009 Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin'ny ory.
24:10b.JOB.024.010 Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
24:11b.JOB.024.011 Manao diloilo eo anatin'ny tambohon'ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.[Heb. tambohon'ireny]
24:12b.JOB.024.012 Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin'ny voalefona; Nefa tsy ahoan'Andriamanitra akory ny ratsy atao.
24:13b.JOB.024.013 Ireny no mpikomy amin'ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin'ny alehany.
24:14b.JOB.024.014 Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
24:15b.JOB.024.015 Ny mason'ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
24:16b.JOB.024.016 Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
24:17b.JOB.024.017 Fa ny aizim-pito no marainan'ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran'ny aizim-pito izy.[Heb. aloky ny fahafatesana]
24:18b.JOB.024.018 Mitsinkafona paohin'ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin'ny tany; Tsy mivily ho amin'ny lalana mankeny amin'ny tanim-boaloboka izy.
24:19b.JOB.024.019 Toy ny andevonan'ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan'ny fiainan-tsi-hita ny mpanota.[Heb. Sheola]
24:20b.JOB.024.020 Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an'ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,[Heb. faharatsiana]
24:21b.JOB.024.021 Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
24:22b.JOB.024.022 Kanefa halavain'Andriamanitra amin'ny heriny ny andron'ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
24:23b.JOB.024.023 Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
24:24b.JOB.024.024 Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
24:25b.JOB.024.025 Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
25
25:1b.JOB.025.001 [Ny teny fanintelony nataon'i Bilidada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.
25:2b.JOB.025.002 Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin'ny avo Izy.
25:3b.JOB.025.003 Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan'iza no tsy ihoaran'ny Azy? [Na: Amin'iza no tsy iposahan'ny fahazavany?]
25:4b.JOB.025.004 Ary aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
25:5b.JOB.025.005 Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.
25:6b.JOB.025.006 Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.
26
26:1b.JOB.026.001 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
26:2b.JOB.026.002 Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
26:3b.JOB.026.003 Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
26:4b.JOB.026.004 Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin'izay no nivoaka avy tao aminao?
26:5b.JOB.026.005 Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any.
26:6b.JOB.026.006 Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.[Heb. Sheola]
26:7b.JOB.026.007 Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin'ny tsy misy.
26:8b.JOB.026.008 Fonosiny amin'ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin'ny rahona tsy mety triatra.
26:9b.JOB.026.009 Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy.
26:10b.JOB.026.010 Asiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano. Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina.
26:11b.JOB.026.011 Ny andrin'ny lanitra nihozongozona sady ankona amin'ny teny mafy ataony.
26:12b.JOB.026.012 Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba; [Izahao ix. 13]
26:13b.JOB.026.013 Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
26:14b.JOB.026.014 Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
27
27:1b.JOB.027.001 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
27:2b.JOB.027.002 Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
27:3b.JOB.027.003 Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra.
27:4b.JOB.027.004 Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
27:5b.JOB.027.005 Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
27:6b.JOB.027.006 Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza.
27:7b.JOB.027.007 Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
27:8b.JOB.027.008 Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? [Na: Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc]
27:9b.JOB.027.009 Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
27:10b.JOB.027.010 Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an'Andriamanitra mandrakariva va izy?
27:11b.JOB.027.011 Hampianatra anareo ny amin'ny tànan'Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin'ny hevitry ny Tsitoha.
27:12b.JOB.027.012 Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
27:13b.JOB.027.013 Izao no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny Tsitoha:
27:14b.JOB.027.014 Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an'ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
27:15b.JOB.027.015 Ny ankohonany sisa dia hasitrik'Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;[Na: halevina noho ny areti-mandringana]
27:16b.JOB.027.016 Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
27:17b.JOB.027.017 Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
27:18b.JOB.027.018 Manao ny tranony tahaka ny an'ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny mpiandry voly;
27:19b.JOB.027.019 Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
27:20b.JOB.027.020 Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;
27:21b.JOB.027.021 Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;
27:22b.JOB.027.022 Asian'Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tànany izy;[Heb. Torahan', na Tifirin']Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy]
27:23b.JOB.027.023 Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy]
28
28:1b.JOB.028.001 Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
28:2b.JOB.028.002 Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.
28:3b.JOB.028.003 Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
28:4b.JOB.028.004 Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
28:5b.JOB.028.005 Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
28:6b.JOB.028.006 Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
28:7b.JOB.028.007 Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,
28:8b.JOB.028.008 Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.
28:9b.JOB.028.009 Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;
28:10b.JOB.028.010 Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.
28:11b.JOB.028.011 Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.
28:12b.JOB.028.012 Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
28:13b.JOB.028.013 Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.
28:14b.JOB.028.014 Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
28:15b.JOB.028.015 Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
28:16b.JOB.028.016 Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
28:17b.JOB.028.017 Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
28:18b.JOB.028.018 Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
28:19b.JOB.028.019 Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
28:20b.JOB.028.020 Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
28:21b.JOB.028.021 Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina.
28:22b.JOB.028.022 Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.[Abadona = Fandringanana]
28:23b.JOB.028.023 Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
28:24b.JOB.028.024 Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao,
28:25b.JOB.028.025 Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana.
28:26b.JOB.028.026 Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana,
28:27b.JOB.028.027 Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.
28:28b.JOB.028.028 Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.
29
29:1b.JOB.029.001 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
29:2b.JOB.029.002 Enga anie ka ho tahaka ny tamin'ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro niarovan'Andriamanitra ahy!
29:3b.JOB.029.003 Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;
29:4b.JOB.029.004 Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;
29:5b.JOB.029.005 Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;[Na: ny ankizilahiko]
29:6b.JOB.029.006 Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
29:7b.JOB.029.007 Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,
29:8b.JOB.029.008 Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
29:9b.JOB.029.009 Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
29:10b.JOB.029.010 Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.
29:11b.JOB.029.011 Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
29:12b.JOB.029.012 Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
29:13b.JOB.029.013 Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko.[Heb. nampihobiko]
29:14b.JOB.029.014 Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
29:15b.JOB.029.015 Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa.
29:16b.JOB.029.016 Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
29:17b.JOB.029.017 Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
29:18b.JOB.029.018 Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
29:19b.JOB.029.019 Ny fakako ho azon'ny rano, ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina.
29:20b.JOB.029.020 Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
29:21b.JOB.029.021 Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy.
29:22b.JOB.029.022 Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan'ny teniko izy.
29:23b.JOB.029.023 Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
29:24b.JOB.029.024 Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
29:25b.JOB.029.025 Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
30
30:1b.JOB.030.001 Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko tsy ho isan'ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
30:2b.JOB.030.002 Eny, mampaninona ahy ny herin'ny tànan'ireo. Izay efa very fahatanjahana?
30:3b.JOB.030.003 Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.[Na: Ana, na Kaozatra, na Tsy manan-janaka]
30:4b.JOB.030.004 Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy no fihinany.[Heb. rotema; izahao 1 Mpan. xix. 4]
30:5b.JOB.030.005 Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
30:6b.JOB.030.006 Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
30:7b.JOB.030.007 Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana.
30:8b.JOB.030.008 Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany.
30:9b.JOB.030.009 Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
30:10b.JOB.030.010 Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
30:11b.JOB.030.011 Fa noketrahin'Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin'iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
30:12b.JOB.030.012 Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
30:13b.JOB.030.013 Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
30:14b.JOB.030.014 Toy ny fiditra eo amin'ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin'ny voarava no imaonany.[Na: Raha mbola miezinezina, dia mimaona izy]
30:15b.JOB.030.015 Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
30:16b.JOB.030.016 Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn'ny andro fahoriana aho.
30:17b.JOB.030.017 Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.[Heb. manindrona]
30:18b.JOB.030.018 Noho ny haben'ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
30:19b.JOB.030.019 Eny, nanary ahy teo amin'ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
30:20b.JOB.030.020 Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
30:21b.JOB.030.021 Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin'ny tananao no andrafianao ahy.
30:22b.JOB.030.022 Aingainao ho eny amin'ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin'ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
30:23b.JOB.030.023 Fa fantatro fa hampodinao any amin'ny fahafatesana aho, dia any amin'ny trano fivorian'ny olombelona rehetra.
30:24b.JOB.030.024 Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran'ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? [Na: raha mila ho potraka izy]
30:25b.JOB.030.025 Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
30:26b.JOB.030.026 Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
30:27b.JOB.030.027 Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
30:28b.JOB.030.028 Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.[Na: Efa mainty aho, fa tsy avy amin'ny hain'andro]
30:29b.JOB.030.029 Rahalahin'ny amboadia aho Ary naman'ny ostritsa.[Na: jakala]
30:30b.JOB.030.030 Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.[Heb. fahamainana]Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.
30:31b.JOB.030.031 Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.
31
31:1b.JOB.031.001 Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? [Heb. virijina]
31:2b.JOB.031.002 Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha any amin'ny avo?
31:3b.JOB.031.003 Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
31:4b.JOB.031.004 Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? [Heb. Izy]
31:5b.JOB.031.005 Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.
31:6b.JOB.031.006 (Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
31:7b.JOB.031.007 Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:
31:8b.JOB.031.008 Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
31:9b.JOB.031.009 Raha tahìny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,
31:10b.JOB.031.010 Dia aoka kosa ny vadiko halain'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.[Na: hitoto ho an']
31:11b.JOB.031.011 Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara;
31:12b.JOB.031.012 Fa afo mandevona hatrany amin'ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
31:13b.JOB.031.013 Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an'ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
31:14b.JOB.031.014 Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
31:15b.JOB.031.015 Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
31:16b.JOB.031.016 Raha tàhiny aho nandà Izay nirin'ny malahelo ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena,
31:17b.JOB.031.017 Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan'ny kamboty
31:18b.JOB.031.018 (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
31:19b.JOB.031.019 Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
31:20b.JOB.031.020 Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon'ondriko;[Heb. valahany]
31:21b.JOB.031.021 Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
31:22b.JOB.031.022 Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin'ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin'ny taolam-panaviko.
31:23b.JOB.031.023 Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin'Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.[Na: Fa hanjo ahy ny zava-mahatahotra, dia]
31:24b.JOB.031.024 Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
31:25b.JOB.031.025 Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben'ny fananako sy noho ny nahazoan'ny tanako harena betsaka;
31:26b.JOB.031.026 Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin'ny fangarangarany izy,
31:27b.JOB.031.027 Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
31:28b.JOB.031.028 (Dia heloka hanamelohan'ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin'Andriamanitra Izay any ambony aho);
31:29b.JOB.031.029 Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
31:30b.JOB.031.030 (Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
31:31b.JOB.031.031 Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin'ny henany? [Na: Iza moa no tsy voky tamin'ny fianakaviany?]
31:32b.JOB.031.032 Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
31:33b.JOB.031.033 Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an'i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,[Na: tahaka ny olona]
31:34b.JOB.031.034 Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin'ny fokon'olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
31:35b.JOB.031.035 Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr'ilay manana ady amiko!
31:36b.JOB.031.036 Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
31:37b.JOB.031.037 Ny isan'ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon'ny zanak'andriana no hanatonako Azy.
31:38b.JOB.031.038 Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
31:39b.JOB.031.039 Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain'ny tompony:Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba.
31:40b.JOB.031.040 Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba.
32
32:1b.JOB.032.001 [Ny teny nataon'i Eliho] Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
32:2b.JOB.032.002 Ary nirehitra kosa ny fahatezeran'i Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama; eny, tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
32:3b.JOB.032.003 Ary tamin'ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an'i Joba.[Na: teny havaliny an'i Joba hanamelohany azy]
32:4b.JOB.032.004 Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
32:5b.JOB.032.005 Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
32:6b.JOB.032.006 ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
32:7b.JOB.032.007 Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan'ny taona no hampianatra fahendrena.
32:8b.JOB.032.008 Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry azy.[Na: Dia]
32:9b.JOB.032.009 Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
32:10b.JOB.032.010 Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
32:11b.JOB.032.011 Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
32:12b.JOB.032.012 Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
32:13b.JOB.032.013 Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.[Heb. fahendrena]
32:14b.JOB.032.014 Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
32:15b.JOB.032.015 Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
32:16b.JOB.032.016 Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
32:17b.JOB.032.017 Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
32:18b.JOB.032.018 Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
32:19b.JOB.032.019 Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
32:20b.JOB.032.020 Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
32:21b.JOB.032.021 Aoka tsy hizaha tavan'olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.
32:22b.JOB.032.022 Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.
33
33:1b.JOB.033.001 Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
33:2b.JOB.033.002 Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
33:3b.JOB.033.003 Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko; Ary ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
33:4b.JOB.033.004 Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy.
33:5b.JOB.033.005 Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
33:6b.JOB.033.006 Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga.
33:7b.JOB.033.007 Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
33:8b.JOB.033.008 Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon'ny teninao hoe:
33:9b.JOB.033.009 Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
33:10b.JOB.033.010 He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
33:11b.JOB.033.011 Mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
33:12b.JOB.033.012 He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona.
33:13b.JOB.033.013 Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony? [Na: Noho ny tsy amaliany ny tenin'olombelona?]
33:14b.JOB.033.014 Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,
33:15b.JOB.033.015 Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
33:16b.JOB.033.016 Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
33:17b.JOB.033.017 Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
33:18b.JOB.033.018 Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan'ny fiadiana.
33:19b.JOB.033.019 Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava;
33:20b.JOB.033.020 Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny.
33:21b.JOB.033.021 Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
33:22b.JOB.033.022 Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
33:23b.JOB.033.023 Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin'ny arivo, hanoro izay tokony halehan'ny olona,
33:24b.JOB.033.024 Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,[Na: Dia]
33:25b.JOB.033.025 Dia ho tsara noho ny an'ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin'ny andro nahatanorany izy;
33:26b.JOB.033.026 Hivavaka amin'Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana, fa hampodiny amin'ny zanak'olombelona ny fahamarinany.[Na: hamaly ny olona araka ny fahamarinany Izy]
33:27b.JOB.033.027 Dia hihira izy hilaza amin'ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
33:28b.JOB.033.028 Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin'ny fahitana ny mazava.
33:29b.JOB.033.029 Indro, izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra indroa amin'ny olona, eny, intelo aza,
33:30b.JOB.033.030 Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin'ny fahazavan'aina.[Na: hiala]
33:31b.JOB.033.031 Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
33:32b.JOB.033.032 Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
33:33b.JOB.033.033 Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
34
34:1b.JOB.034.001 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
34:2b.JOB.034.002 Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
34:3b.JOB.034.003 Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina.[Heb. lanilany]
34:4b.JOB.034.004 Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
34:5b.JOB.034.005 Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny;
34:6b.JOB.034.006 Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
34:7b.JOB.034.007 Aiza moa no misy lehilahy tahaka an'i Joba, izay manaram-po amin'ny famingavingana toy ny fisotro rano.
34:8b.JOB.034.008 Ary tonga naman'ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy?
34:9b.JOB.034.009 Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin'Andriamanitra.
34:10b.JOB.034.010 Koa amin'izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an'Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
34:11b.JOB.034.011 Fa ny nataon'ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
34:12b.JOB.034.012 Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
34:13b.JOB.034.013 Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
34:14b.JOB.034.014 Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
34:15b.JOB.034.015 Dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra, ary hiverina amin'ny vovoka ny olona.
34:16b.JOB.034.016 Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
34:17b.JOB.034.017 Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
34:18b.JOB.034.018 (Mety va ny miteny amin'ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin'ny zanak'andriana: Ry ilay ratsy!),
34:19b.JOB.034.019 Dia Ilay tsy mizaha ny tavan'ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan'ny tànany avokoa izy rehetra.
34:20b.JOB.034.020 Maty amin'ny indray mipi-maso monja amin'ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
34:21b.JOB.034.021 Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
34:22b.JOB.034.022 Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren'ny mpanao ratsy.
34:23b.JOB.034.023 Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
34:24b.JOB.034.024 Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
34:25b.JOB.034.025 Koa hita amin'izany fa fantany ny asan'ireo, ka dia mamono azy amin'ny alina ho torotoro Izy.
34:26b.JOB.034.026 Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin'ny ratsy fanahy ireo eo imason'ny vahoaka.[Na: Mamely azy toy ny famely ny ratsy fanahy Izy]
34:27b.JOB.034.027 Izao no nialan'ireo tamin'Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
34:28b.JOB.034.028 Dia ny mba hahatonga ny fitarainan'ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan'ny ory.
34:29b.JOB.034.029 Mangina Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin'ny firenena, na amin'ny olona tsirairay,[Na: Manome fiadanana]
34:30b.JOB.034.030 Mba tsy hanjakan'ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
34:31b.JOB.034.031 Fa moa mba efa nisy niteny tamin'Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;[Na: nijaly]
34:32b.JOB.034.032 Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
34:33b.JOB.034.033 Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.[Na: Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny olona Fa efa nandà, ka dia ianao no tsy maintsy mifidy, fa tsy izaho]
34:34b.JOB.034.034 Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
34:35b.JOB.034.035 Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
34:36b.JOB.034.036 Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon'ny ratsy fanahy!Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin'Andriamanitra.
34:37b.JOB.034.037 Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin'Andriamanitra.
35
35:1b.JOB.035.001 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
35:2b.JOB.035.002 Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an'Andriamanitra?
35:3b.JOB.035.003 Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin'ny fahotako? [Heb. anao]
35:4b.JOB.035.004 Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin'ny namanao.
35:5b.JOB.035.005 Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
35:6b.JOB.035.006 Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
35:7b.JOB.035.007 Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin'ny tananao?
35:8b.JOB.035.008 Mihatra amin'ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin'ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
35:9b.JOB.035.009 Noho ny habiazan'ny fampahoriana no itarainan'ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin'ny mahery,
35:10b.JOB.035.010 Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin'ny alina,
35:11b.JOB.035.011 Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an'ny biby ambonin'ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an'ny voro-manidina?
35:12b.JOB.035.012 Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy.
35:13b.JOB.035.013 Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin'Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
35:14b.JOB.035.014 Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
35:15b.JOB.035.015 Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
35:16b.JOB.035.016 Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
36
36:1b.JOB.036.001 Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
36:2b.JOB.036.002 Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an'Andriamanitra.
36:3b.JOB.036.003 Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
36:4b.JOB.036.004 Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin'ny fahalalana no eto aminao.
36:5b.JOB.036.005 Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin'ny herin'ny fahalalana Izy.
36:6b.JOB.036.006 Tsy mitsimbina ny ain'ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an'ny ory.
36:7b.JOB.036.007 Tsy mampiala ny masony amin'ny marina Izy; Eo amin'ny mpanjaka ambonin'ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
36:8b.JOB.036.008 Ary raha voafatotra amin'ny gadra izy sy voafehy amin'ny tadin'ny fahoriana.
36:9b.JOB.036.009 Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
36:10b.JOB.036.010 Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.
36:11b.JOB.036.011 Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny fahafinaretana
36:12b.JOB.036.012 Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
36:13b.JOB.036.013 Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; [Na: ny ratsy fanahy]
36:14b.JOB.036.014 Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin'ny olom-betaveta,[Dia ny olona mpanolo-tena ho amin'ny fijangajangana ho fanompoan-tsampy;]
36:15b.JOB.036.015 Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
36:16b.JOB.036.016 Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin'ny fahaterena ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin'ny latabatrao.
36:17b.JOB.036.017 Nefa raha fatra-pikikitra amin'ny adin'ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;[Na: Dia hifanaikaiky ny ady sy ny fanamelohana;]
36:18b.JOB.036.018 Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben'ny avotra.
36:19b.JOB.036.019 Moa hahatonga anao ho ao amin'izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
36:20b.JOB.036.020 Aza irinao ny hihavian'ny alina, izay ampialana ny olona amin'ny fitoerany.
36:21b.JOB.036.021 Tandremo, aza mivily ho amin'ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
36:22b.JOB.036.022 Indro, Andriamanitra miasa amin'ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
36:23b.JOB.036.023 Iza no efa nandidy Azy ny amin'izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
36:24b.JOB.036.024 Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon'ny olona an-kira.
36:25b.JOB.036.025 Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren'ny zanak'olombelona eny lavitra eny izany.
36:26b.JOB.036.026 Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
36:27b.JOB.036.027 Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
36:28b.JOB.036.028 Izay aidin'ny rahona ka alatsany amin'ny olona maro be.
36:29b.JOB.036.029 Ary koa, iza moa no mahalala ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
36:30b.JOB.036.030 Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany.
36:31b.JOB.036.031 Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
36:32b.JOB.036.032 Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;[Na: Ary baikoiny ny ady sy ny fanamelohana]Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.
36:33b.JOB.036.033 Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.
37
37:1b.JOB.037.001 Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany.
37:2b.JOB.037.002 Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany.
37:3b.JOB.037.003 Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin'ny faran'ny tany.[Heb. fahazavany]
37:4b.JOB.037.004 Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
37:5b.JOB.037.005 Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
37:6b.JOB.037.006 Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
37:7b.JOB.037.007 Mampiohona ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;[Heb. manisy tombo-kase]
37:8b.JOB.037.008 Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
37:9b.JOB.037.009 Avy any atsimo ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.[Heb. efi-trano][Heb. avy amin'ireo mpanahakahaka]
37:10b.JOB.037.010 Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
37:11b.JOB.037.011 Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra dia ampieleziny;[Heb. fahazavany]
37:12b.JOB.037.012 Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao,[Na: Eny ambonin'izao tontolo izao ho amin'ny tany]
37:13b.JOB.037.013 Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa.[Na: alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po]
37:14b.JOB.037.014 Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.
37:15b.JOB.037.015 Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony? [Heb. fahazavany]
37:16b.JOB.037.016 Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana?
37:17b.JOB.037.017 Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo,
37:18b.JOB.037.018 Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
37:19b.JOB.037.019 Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
37:20b.JOB.037.020 Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?[Heb. miteny ta-hatelina]
37:21b.JOB.037.021 Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
37:22b.JOB.037.022 Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.[Heb. ihavian'ny volamena]
37:23b.JOB.037.023 Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.[Na: mamaly]Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]
37:24b.JOB.037.024 Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]
38
38:1b.JOB.038.001 [Ny teny navalin'i Jehovah an'i Joba] Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe:
38:2b.JOB.038.002 Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?
38:3b.JOB.038.003 Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
38:4b.JOB.038.004 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
38:5b.JOB.038.005 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
38:6b.JOB.038.006 Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
38:7b.JOB.038.007 Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
38:8b.JOB.038.008 Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
38:9b.JOB.038.009 Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
38:10b.JOB.038.010 Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
38:11b.JOB.038.011 Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
38:12b.JOB.038.012 Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro,
38:13b.JOB.038.013 Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
38:14b.JOB.038.014 Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny, [Heb. fitafiana]
38:15b.JOB.038.015 Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
38:16b.JOB.038.016 Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina?
38:17b.JOB.038.017 Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana?
38:18b.JOB.038.018 Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
38:19b.JOB.038.019 Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina?
38:20b.JOB.038.020 Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
38:21b.JOB.038.021 Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao!
38:22b.JOB.038.022 Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
38:23b.JOB.038.023 Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
38:24b.JOB.038.024 Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany?
38:25b.JOB.038.025 Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana,
38:26b.JOB.038.026 Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina,
38:27b.JOB.038.027 Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
38:28b.JOB.038.028 Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando?
38:29b.JOB.038.029 Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy?
38:30b.JOB.038.030 Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina.
38:31b.JOB.038.031 Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
38:32b.JOB.038.032 Mahavoaka ny Mazarota amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao? [Anaran-kintana; ny Zôdiaka(?)]
38:33b.JOB.038.033 Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao?
38:34b.JOB.038.034 Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
38:35b.JOB.038.035 Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
38:36b.JOB.038.036 Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? [Na: Iza no nanisy fahalalana ao am-pon'ny olona? Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?]
38:37b.JOB.038.037 Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon'ny lanitra, [Heb. siny hoditra]
38:38b.JOB.038.038 Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
38:39b.JOB.038.039 Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,
38:40b.JOB.038.040 Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala?Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
38:41b.JOB.038.041 Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
39
39:1b.JOB.039.001 Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?
39:2b.JOB.039.002 Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? [Heb. ny volana taperiny]
39:3b.JOB.039.003 Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
39:4b.JOB.039.004 Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
39:5b.JOB.039.005 Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,
39:6b.JOB.039.006 Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
39:7b.JOB.039.007 Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;
39:8b.JOB.039.008 Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
39:9b.JOB.039.009 Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?
39:10b.JOB.039.010 Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
39:11b.JOB.039.011 Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
39:12b.JOB.039.012 Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
39:13b.JOB.039.013 Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
39:14b.JOB.039.014 Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,
39:15b.JOB.039.015 Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
39:16b.JOB.039.016 Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
39:17b.JOB.039.017 Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
39:18b.JOB.039.018 Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
39:19b.JOB.039.019 Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
39:20b.JOB.039.020 Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!
39:21b.JOB.039.021 Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.[Heb. fiadiana]
39:22b.JOB.039.022 Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra.
39:23b.JOB.039.023 Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.[Heb. tranon-jana-tsipìka]
39:24b.JOB.039.024 Miriotra mafy amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara. [Heb. Mitelina ny tany][Na: Tsy mino izy fa feon'ny anjomara izany]
39:25b.JOB.039.025 Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.
39:26b.JOB.039.026 Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
39:27b.JOB.039.027 Noho ny didinao va no iakaran'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
39:28b.JOB.039.028 Eny amin'ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana.
39:29b.JOB.039.029 Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.
39:30b.JOB.039.030 Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.
40
40:1b.JOB.040.001 [Ny naneken'i Joba ny fahadisoan-keviny, sy ny navalin'i Jehovah azy] Ary Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe:
40:2b.JOB.040.002 Hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an'Andriamanitra no hamaly!
40:3b.JOB.040.003 Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
40:4b.JOB.040.004 Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
40:5b.JOB.040.005 Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
40:6b.JOB.040.006 Dia namaly an'i Joba teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
40:7b.JOB.040.007 Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
40:8b.JOB.040.008 Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
40:9b.JOB.040.009 Manan-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
40:10b.JOB.040.010 Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
40:11b.JOB.040.011 Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
40:12b.JOB.040.012 Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin'ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
40:13b.JOB.040.013 Asitriho ao amin'ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin'ny fiafenana ny tavany.
40:14b.JOB.040.014 Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
40:15b.JOB.040.015 He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.[hipopotamosy][Na: ho eo aminao]
40:16b.JOB.040.016 Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.
40:17b.JOB.040.017 Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny
40:18b.JOB.040.018 Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
40:19b.JOB.040.019 Voalohany amin'ny asan'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.[Heb. lalan']
40:20b.JOB.040.020 Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra;
40:21b.JOB.040.021 Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
40:22b.JOB.040.022 Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy
40:23b.JOB.040.023 Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.
40:24b.JOB.040.024 Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
40:25b.JOB.040.025 Mahasarika ny mamba amin'ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin'ny mahazaka?[Heb. leviatana]
40:26b.JOB.040.026 Mahisy tady zozoro amin'ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana?
40:27b.JOB.040.027 Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
40:28b.JOB.040.028 Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
40:29b.JOB.040.029 Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va ianao?
40:30b.JOB.040.030 Hataon'ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin'ny mpandranto?
40:31b.JOB.040.031 Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin'ny lohany?Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
40:32b.JOB.040.032 Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
41
41:1b.JOB.041.001 Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
41:2b.JOB.041.002 Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
41:3b.JOB.041.003 Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin'ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
41:4b.JOB.041.004 Tsy mbola hangina Aho ny amin'ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran'ny endriny.
41:5b.JOB.041.005 Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin'ny nifiny roa sosona?
41:6b.JOB.041.006 Iza no mahasokatra ny varavaran'ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
41:7b.JOB.041.007 Reharehany ny faharaoraon'ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin'ny tombo-kase ireo;[Heb. ampingany]
41:8b.JOB.041.008 Mikirindro ireo, ka tsy azon'ny rivotra idirana eo anelanelany.
41:9b.JOB.041.009 Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
41:10b.JOB.041.010 Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason'ny maraina.
41:11b.JOB.041.011 Lelafo no mivoaka avy amin'ny vavany; Kilalaon'afo no mipariaka avy aminy.
41:12b.JOB.041.012 Ny vavorony dia ivoahan'ny setroka, tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana.[Na: afon-kerana]
41:13b.JOB.041.013 Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin'ny vavany.
41:14b.JOB.041.014 Ny vozony no itoeran'ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
41:15b.JOB.041.015 Mivalombalona ny hotraka amin'ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
41:16b.JOB.041.016 Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
41:17b.JOB.041.017 Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
41:18b.JOB.041.018 Raha misy mamely azy amin'ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin'ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.
41:19b.JOB.041.019 Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.
41:20b.JOB.041.020 Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady.
41:21b.JOB.041.021 Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
41:22b.JOB.041.022 Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny fotaka izy.
41:23b.JOB.041.023 Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
41:24b.JOB.041.024 Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
41:25b.JOB.041.025 Tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia rehetra izy
41:26b.JOB.041.026 Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia rehetra izy
42
42:1b.JOB.042.001 [Ny teny farany nataon'i Joba, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy fiadanana indray] Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
42:2b.JOB.042.002 Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.
42:3b.JOB.042.003 Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
42:4b.JOB.042.004 Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
42:5b.JOB.042.005 Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
42:6b.JOB.042.006 Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.
42:7b.JOB.042.007 Ary rehefa voalazan'i Jehovah tamin'i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin'i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
42:8b.JOB.042.008 Koa ankehitriny makà vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
42:9b.JOB.042.009 Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an'i Joba.
42:10b.JOB.042.010 Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
42:11b.JOB.042.011 Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.[Heb. kesita;]
42:12b.JOB.042.012 Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
42:13b.JOB.042.013 Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
42:14b.JOB.042.014 ka ny anaran'ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran'ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran'ny faravavy Kerena-hapoka.
42:15b.JOB.042.015 Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin'ny anadahiny izy.
42:16b.JOB.042.016 Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza.Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.[Heb. voky andro]
42:17b.JOB.042.017 Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.[Heb. voky andro]
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Job (Malagasy). Job (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A564-D