Judges (Malagasy)

Judges (Malagasy)

1

1:1b.JDG.001.001 [Ny niadian'ny Zanak'Isiraely tamin'ny Kananita taorian'ny nahafatesan'i Josoa] Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny Kananita ho anay?

1:2b.JDG.001.002 Dia hoy Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-tànany Aho.

1:3b.JDG.001.003 Ary hoy Joda tamin'i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin'ny lovako, ka aoka isika hiady amin'ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin'ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.

1:4b.JDG.001.004 Dia niakatra Joda, ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy.

1:5b.JDG.001.005 Ary nahita an'i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita.

1:6b.JDG.001.006 Nefa nandositra Adoni-bezeka;ary nanenjika azy izy ireto ka nisambotra azy, dia nanapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony.

1:7b.JDG.001.007 Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin'ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin'Andriamanitra ahy! Ary nentin'ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.

1:8b.JDG.001.008 Ary namely an'i Jerosalema ny taranak'i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna.

1:9b.JDG.001.009 Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak'i Joda hiady amin'ny Kananita izay nonina tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny tany atsimo ary tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.[Heb. Sefela]

1:10b.JDG.001.010 Dia nandeha Joda hiady amin'ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i Hebrona taloha), ka namono an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.

1:11b.JDG.001.011 Dia niala tao izy ka nandeha hiady amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).

1:12b.JDG.001.012 Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.

1:13b.JDG.001.013 Ary Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.

1:14b.JDG.001.014 Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no ilainao?

1:15b.JDG.001.015 Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.

1:16b.JDG.001.016 Ary ny taranak'ilay Kenita, zaodahin'i Mosesy dia niara-niakatra tamin'ny taranak'i Joda niala tao amin'ny tanàna be rofia hankany an-efitr'i Joda, atsimon'i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin'ny Isiraely.[Na: rafozan'][palma]

1:17b.JDG.001.017 Ary Joda nandeha niaraka tamin'i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana ireo, ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Horma.[Heb. herema][Horma = Herema]

1:18b.JDG.001.018 Dia afak'i Joda Gaza sy ny sisin-taniny an Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny.

1:19b.JDG.001.019 Ary Jehovah nomba an'i Joda, ka dia azony ny tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina teny amin'ny tany lemaka izy, satria nanana kalesy vy ireny.

1:20b.JDG.001.020 Ary Hebrona dia nomeny an'i Kaleba, araka izay efa nolazain'i Mosesy, ka noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.

1:21b.JDG.001.021 Ary ny taranak'i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin'ny taranak'i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.

1:22b.JDG.001.022 Ary ny taranak'i Josefa dia niakatra koa hamely an'i Betela; ary Jehovah nomba azy.

1:23b.JDG.001.023 Dia naniraka hisafo an'i Betela ny taranak'i Josefa (Lozy no anaran'ny tanàna taloha);

1:24b.JDG.001.024 ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao izahay.

1:25b.JDG.001.025 Dia natoron-dralehilahy azy ny fidirana mankao an-tanàna, ka dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny tanàna; fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra dia navelany handeha.

1:26b.JDG.001.026 Ary nandeha ho any amin'ny tanin'ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka androany.

1:27b.JDG.001.027 Ary Manase tsy nahafaka an'i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.

1:28b.JDG.001.028 Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita. fa tsy nandroaka azy rehetra izy.

1:29b.JDG.001.029 Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita. izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.

1:30b.JDG.001.030 Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.

1:31b.JDG.001.031 Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika. na ny tany Rehoba;

1:32b.JDG.001.032 fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany ny taranak'i Asera, fa tsy nandroaka azy.

1:33b.JDG.001.033 Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy Bet-anata.

1:34b.JDG.001.034 Ary ny Amorita nanesika ny taranak'i Dana ho any amin'ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina ho any amin'ny tany lemaka,

1:35b.JDG.001.035 fa tian'ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan'ny taranak'i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany.

1:36b.JDG.001.036 Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany.

2

2:1b.JDG.002.001 [Ny nisehoan'Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'ny Isiraely tao Bokima] Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;

2:2b.JDG.002.002 koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?

2:3b.JDG.002.003 Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.

2:4b.JDG.002.004 Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.

2:5b.JDG.002.005 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.[Bokima = Mitomany]

2:6b.JDG.002.006 [Ny toetry ny Isiraely tamin'ny andron'ny Mpitsara, ary ny anaran'ny firenena sisa mbola tsy resiny] Ary rehefa nampodin'i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin'ny lovany avy ny Zanak'Isiraely rehetra handova ny tany.

2:7b.JDG.002.007 Ary nanompo an'i Jehovah ny vahoaka tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely.

2:8b.JDG.002.008 Ary maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.

2:9b.JDG.002.009 Dia nalevina tao anatin'ny fari-tanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.

2:10b.JDG.002.010 Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin'ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an'i Jehovah na ny asa efa nataony ho an'ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.

2:11b.JDG.002.011 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, fa nanompo ireo Bala

2:12b.JDG.002.012 ka nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin'ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah.

2:13b.JDG.002.013 Eny, nahafoy an'i Jehovah izy ka nanampo an'i Bala sy Astarta.

2:14b.JDG.002.014 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka natolony teo an-tànan'ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan'ny fahavalony intsony.

2:15b.JDG.002.015 Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan'i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain'i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.

2:16b.JDG.002.016 Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin'ny tànan'ireo namabo azy.

2:17b.JDG.002.017 Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin'ny lalana izay nandehanan'ny razany nanaraka ny didin'i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.

2:18b.JDG.002.018 Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin'ny tanan'ny fahavalony tamin'ny andro rehetra niainan'izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin'ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.

2:19b.JDG.002.019 Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon'ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin'ny fanaony na tamin'ny lalana nanaovany ditra izy.

2:20b.JDG.002.020 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,

2:21b.JDG.002.021 dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin'ny firenena izay tsy mbola resy hatramin'ny andro nahafatesan'i Josoa,

2:22b.JDG.002.022 mba hizahako toetra ny Isiraely amin'ireny, na hitandrina ny lalan'i Jehovah ka handeha amin'izany araka izay nitandreman'ny razany izany izy, na tsia.Dia navelan'i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan'i Josoa ireny.

2:23b.JDG.002.023 Dia navelan'i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan'i Josoa ireny.

3

3:1b.JDG.003.001 Ary ny firenena navelan'i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,

3:2b.JDG.003.002 mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak'Isiraely izany amin'ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;

3:3b.JDG.003.003 dia ireo andriana dimy tamin'ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin'i Bala-hermona ka hatramin'ny lalana mankany Hamata.

3:4b.JDG.003.004 Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin'i Jehovah, izay nasainy nandidian'i Mosesy ny razany, izy, na tsia.

3:5b.JDG.003.005 Ary ny Zanak'Isiraely nonina teo amin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

3:6b.JDG.003.006 Ary naka ny zanakavavin'ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin'ny zanakalahin'ireny ka nanompo ny andriamaniny.

3:7b.JDG.003.007 [Ny ratsy nataon'ny Isiraely, sy ny nanirahan'Andriamanitra mpitsara hamonjy azy. Ny tantaran'i Otniela sy Ehoda ary Samgara] Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]

3:8b.JDG.003.008 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely.[Arama-naharaima]

3:9b.JDG.003.009 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba.

3:10b.JDG.003.010 Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima.

3:11b.JDG.003.011 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza.

3:12b.JDG.003.012 Fa nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ny zanak'Isiraely ary i Jehovah nampahery an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, hiady amin'ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.

3:13b.JDG.003.013 Dia nampiangona ny taranak'i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia.[Palma]

3:14b.JDG.003.014 Dia nanompo an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, valo ambin'ny folo taona ny Zanak'Isiraely.

3:15b.JDG.003.015 Ary nitaraina tamin'i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak'i Gera, avy amin'ny taranak'i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, ny Zanak'Isiraely.

3:16b.JDG.003.016 Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin'ny fehin-kibony ambanin'ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.

3:17b.JDG.003.017 Dia nitondra ny fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.

3:18b.JDG.003.018 Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.

3:19b.JDG.003.019 Fa nony tonga teo amin'ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.[Na: sarin-javatra voasokitra]

3:20b.JDG.003.020 Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin'Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianana Eglona.

3:21b.JDG.003.021 Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin'ny kibon'i Eglona izany;

3:22b.JDG.003.022 ary difotra mbamin'ny zarany, ka voasaron'ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin'ny kibony izy; ary niboroaka teo amin'ny vodiny izany.

3:23b.JDG.003.023 Dia nivoaka teo amin'ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran'ny trano ka nanidy azy tao.

3:24b.JDG.003.024 Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon'i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran'ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.

3:25b.JDG.003.025 Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran'ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin'ny rihana ny tompony

3:26b.JDG.003.026 Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seirata.

3:27b.JDG.003.027 Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin'ny tany havoana ny Zanak'Isiraely, ary izy no nitarika azy.

3:28b.JDG.003.028 Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.

3:29b.JDG.003.029 Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.

3:30b.JDG.003.030 Dia resin'ny tanan'ny Isiraely ny Moabita tamin'izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak'i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin'ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.

3:31b.JDG.003.031 Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak'i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin'ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.

4

4:1b.JDG.004.001 [Ny nampahorian'i Jabina ny Isiraely, sy ny namonjen'i Debora mpaminanivavy azy] Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.

4:2b.JDG.004.002 Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny miaramilany.

4:3b.JDG.004.003 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak'Isiraely roa-polo taona izy.

4:4b.JDG.004.004 Ary Debora mpaminanivavy, vadin'i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro izany.

4:5b.JDG.004.005 Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.[Palma]

4:6b.JDG.004.006 Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?

4:7b.JDG.004.007 Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.

4:8b.JDG.004.008 Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.

4:9b.JDG.004.009 Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin'i Baraka hankany Kadesy

4:10b.JDG.004.010 Ary nantsoin'i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.

4:11b.JDG.004.011 Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan'i Kadesy.[Na: rafozan']

4:12b.JDG.004.012 Ary nisy nilaza tamin'i Sisera fa Baraka, zanak'i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.

4:13b.JDG.004.013 Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona.

4:14b.JDG.004.014 Ary hoy Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.

4:15b.JDG.004.015 Dia nampifanaritahin'i Jehovah tamin'ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan'i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin'ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra.

4:16b.JDG.004.016 Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

4:17b.JDG.004.017 Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita.

4:18b.JDG.004.018 Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.

4:19b.JDG.004.019 Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.

4:20b.JDG.004.020 Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.

4:21b.JDG.004.021 Dia naka tsima-day Jaela, vadin'i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin'ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.

4:22b.JDG.004.022 Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an'i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin'i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin'ny fihirifany.

4:23b.JDG.004.023 Dia naetrin'Andriamanitra teo anoloan'ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany Jabina, mpanjakan'i Kanana.Ary ny tanan'ny Zanak'Isiraely nihahery tamin'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringany azy.

4:24b.JDG.004.024 Ary ny tanan'ny Zanak'Isiraely nihahery tamin'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringany azy.

5

5:1b.JDG.005.001 [Ny fihirana nataon'i Debora noho ny nandresena an'i Sisera] Ary Debora sy Baraka, zanak'i Abinoama, dia nihira tamin'izany andro izany ka nanao hoe:

5:2b.JDG.005.002 Noho ny fitarihan'ny lehibe tamin'ny Isiraely sy ny fahazotoan'ny vahoaka nanolotena, dia miderà an'i Jehovah.[Na: fitombadahin']

5:3b.JDG.005.003 Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an'i Jehovah; hankalaza an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.

5:4b.JDG.005.004 Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin'ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.[Heb. tamin'ny saha]

5:5b.JDG.005.005 Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan'i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

5:6b.JDG.005.006 Tamin'ny andron'i Samgara, zanak'i Anata, sy tamin'ny andron'i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan'ny mpandeha.

5:7b.JDG.005.007 Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin'ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin'ny Isiraely.[Na: Tsy nisy mpanapaka; eny nitsahatra]

5:8b.JDG.005.008 Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin'izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin'ny olona efatra alina tamin'ny Isiraely?

5:9b.JDG.005.009 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin'ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin'ny vahoaka, miderà an'i Jehovah ianareo.

5:10b.JDG.005.010 Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin'ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin'ny lalana, samia milaza.

5:11b.JDG.005.011 Lavitra ny feon'ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin'ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon'i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin'ny tany Isily; Tamin'izany dia nidina ny olon'i Jehovah ho any am-bavahady.[Na: tamin'ny fitondrany ny]

5:12b.JDG.005.012 Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin'i Abinoama.

5:13b.JDG.005.013 Tamin'izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin'ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery.[Na: ho isan']

5:14b.JDG.005.014 Ny avy amin'i Efraima, izay miorina amin'i Amaleka, dia nomba anao teo amin'ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan'ny mpanao lalàna, ary avy tamin'i Zebolona ireo mitana ny tehin'ny mpifehy.[Na: mpanoratra]

5:15b.JDG.005.015 Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!

5:16b.JDG.005.016 Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!

5:17b.JDG.005.017 Gileada nitoetra tany an-dafin'i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany.

5:18b.JDG.005.018 Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin'ny fitoerana avo any an-tsaha.

5:19b.JDG.005.019 Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan'i Kanana, dia teo anilan'ny ranon'i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.

5:20b.JDG.005.020 Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin'ny nalehany niady tamin'i Sisera.

5:21b.JDG.005.021 Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko![Na: ony be ady]

5:22b.JDG.005.022 Tamin'izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny.

5:23b.JDG.005.023 Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin'i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an'i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an'i Jehovah hamely ny mahery.[Na: isan']

5:24b.JDG.005.024 Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin'i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.

5:25b.JDG.005.025 Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian'andriana no nitondrany rononomandry.

5:26b.JDG.005.026 Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan'ny mpiasa, dia namely an'i Sisera tamin'ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.

5:27b.JDG.005.027 Teo amin'ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin'ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin'izay niondrehany no niamparan'ny fatiny.

5:28b.JDG.005.028 Tao amin'ny varavarankely no nitsirihan'ny renin'i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin'ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian'ny kalesiny?

5:29b.JDG.005.029 Izay hendry tamin'ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe:

5:30b.JDG.005.030 Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo.Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.

5:31b.JDG.005.031 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.

6

6:1b.JDG.006.001 [Ny nampahorian'ny Midiana ny Isiraely, sy ny niantsoan'Andriamanitra an'i Gideona ho mpamonjy azy] Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ka dia natolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Midiana fito taona izy;

6:2b.JDG.006.002 ary ny tanan'ny Midiana dia nahery tamin'ny Isiraely, ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran'ny Zanak'Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin'ny fiarovana.

6:3b.JDG.006.003 Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.

6:4b.JDG.006.004 Dia nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin'i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany hiveloman'ny Isiraely, na ondry aman'osy, na omby, na boriky;

6:5b.JDG.006.005 fa niakatra izy nitondra ny omby aman'ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin'ny tany izy handrava azy

6:6b.JDG.006.006 Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin'i Jehovah izy.

6:7b.JDG.006.007 Ary raha nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely noho ny Midiana,

6:8b.JDG.006.008 Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin'ny zanak'Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny trano nahandevozana

6:9b.JDG.006.009 ary namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny tànan'izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka ireny teo anoloanareo Aho, ka nomeko anareo ny taniny;

6:10b.JDG.006.010 ary hoy Izaho taminareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita, izay tompon'ny tany onenanareo; nefa tsy nihaino ny feoko ianareo.

6:11b.JDG.006.011 Dia tonga Ilay Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin'ny fantàka teo anilan'ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin'ny Midiana.

6:12b.JDG.006.012 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.

6:13b.JDG.006.013 Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan'ny Midiana.

6:14b.JDG.006.014 Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?

6:15b.JDG.006.015 Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko.

6:16b.JDG.006.016 Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao.

6:17b.JDG.006.017 Dia hoy izy taminy: Masina Hianao, raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko.

6:18b.JDG.006.018 Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.

6:19b.JDG.006.019 Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy.

6:20b.JDG.006.020 Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.

6:21b.JDG.006.021 Ary naroson'Ilay Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo imasony.

6:22b.JDG.006.022 Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho.

6:23b.JDG.006.023 Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory.

6:24b.JDG.006.024 Ary Gideona nanorina alitara teo ho an'i Jehovah-saloma; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany mandraka androany.[Jehovah-saloma = Jehovah no fiadanana]

6:25b.JDG.006.025 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany;[Na: sy][Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]

6:26b.JDG.006.026 dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.[Na: amin'ny zavatra vonona eo]

6:27b.JDG.006.027 Ary Gideona naka folo lahy tamin'ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.

6:28b.JDG.006.028 Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,

6:29b.JDG.006.029 dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e? Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak'i Joasy, no nanao izany zavatra izany.

6:30b.JDG.006.030 Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.

6:31b.JDG.006.031 Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.[Na: mandra-pahamarain']

6:32b.JDG.006.032 Ary tamin'izany andro izany ny anaran'ny Gideona dia nataony hoe Jerobala, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.[Jerobala = Aoka Bala no handahatra]

6:33b.JDG.006.033 [Ny nandresen'i Gideona ny Midiana] Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.

6:34b.JDG.006.034 Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.

6:35b.JDG.006.035 Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo.

6:36b.JDG.006.036 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao,

6:37b.JDG.006.037 indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.

6:38b.JDG.006.038 Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia.

6:39b.JDG.006.039 Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.

6:40b.JDG.006.040 Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.

7

7:1b.JDG.007.001 Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharano Haroda; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan'ny havoana More.[Haroda = Fangovitana; izahao and.3]

7:2b.JDG.007.002 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.

7:3b.JDG.007.003 Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan'ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.

7:4b.JDG.007.004 Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.

7:5b.JDG.007.005 Ary dia nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin'ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.

7:6b.JDG.007.006 Ary telon-jato lahy no isan'izay nanainga ny tànany tamin'ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.

7:7b.JDG.007.007 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin'ny fonenany avy.

7:8b.JDG.007.008 Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.[Na: Ary nitondra ny vatsin'ny olona ireo]

7:9b.JDG.007.009 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mitsangàna, midina ho any amin'ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io.

7:10b.JDG.007.010 Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin'ny toby Pora zatovonao;

7:11b.JDG.007.011 dia ho renao izay lazain'ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin'ny toby. Dia nidina niaraka tamin'i Pora zatovony izy ho any an-tsisin'ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin'ny toby.

7:12b.JDG.007.012 Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.

7:13b.JDG.007.013 Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny tobin'ny Midina ka nankamin'ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.

7:14b.JDG.007.014 Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.

7:15b.JDG.007.015 Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana.

7:16b.JDG.007.016 Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin'ny siny.

7:17b.JDG.007.017 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.

7:18b.JDG.007.018 Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An'i Jehovah sy Gideona!

7:19b.JDG.007.019 Dia nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.

7:20b.JDG.007.020 Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona!

7:21b.JDG.007.021 Ary samy nijanona teo amin'ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.

7:22b.JDG.007.022 Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin'i Jehovah tamin'ny sabatra ny miaramila eran'ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin'ny fari-tanin'i Abela-mehola akaiky an'i Tabata.

7:23b.JDG.007.023 Dia nivory ny lehilahy amin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.

7:24b.JDG.007.024 Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.

7:25b.JDG.007.025 Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.

8

8:1b.JDG.008.001 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin'ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.

8:2b.JDG.008.002 Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao. raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?

8:3b.JDG.008.003 Teo an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin'ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran'ireo taminy.

8:4b.JDG.008.004 Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.

8:5b.JDG.008.005 Ary hoy izy tamin'ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana.

8:6b.JDG.008.006 Fa hoy ireo andrianan'i Sokota: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?

8:7b.JDG.008.007 Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr'i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin'ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo.[Heb. nofonareo]

8:8b.JDG.008.008 Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin'ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin'ny mponina tao Sokota ihany.

8:9b.JDG.008.009 Dia niteny tamin'ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity.

8:10b.JDG.008.010 Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin'ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.[Heb. mpanatsoaka sabatra]

8:11b.JDG.008.011 Ary Gideona niakatra tamin'ny lalan'ny mpitoetra an-day, atsinanan'i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.

8:12b.JDG.008.012 Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin'ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.

8:13b.JDG.008.013 Dia niverina avy tamin'ny ady Gideona, zanak'i Joasy, avy teo amin'ny fiakarana Heresa;

8:14b.JDG.008.014 ary nisambotra zatovo tamin'ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan'ilay zatovo ny anaran'ireo andrianan'i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.

8:15b.JDG.008.015 Ary Gideona dia nankany amin'ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?

8:16b.JDG.008.016 Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota.

8:17b.JDG.008.017 Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.

8:18b.JDG.008.018 Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'andriana avokoa izy rehetra.

8:19b.JDG.008.019 Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo.

8:20b.JDG.008.020 Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.

8:21b.JDG.008.021 Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an'i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin'ny vozon'ny ramevany.

8:22b.JDG.008.022 Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana ianao.

8:23b.JDG.008.023 Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.

8:24b.JDG.008.024 Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin'ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).

8:25b.JDG.008.025 Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin'ny babony teo.

8:26b.JDG.008.026 Ary ny lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin'ny vozon'ny ramevany.

8:27b.JDG.008.027 Dia nataon'i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin'i Gideona sy ny ankohonany izany.

8:28b.JDG.008.028 Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona.

8:29b.JDG.008.029 Dia nandeha Jerobala, zanak'i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony.

8:30b.JDG.008.030 Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy.

8:31b.JDG.008.031 Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.

8:32b.JDG.008.032 Dia maty Gideona. zanak'i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin'ny fasan'i Joasy rainy tao Ofran'ny Abiezrita izy.

8:33b.JDG.008.033 Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak'Isiraely ka nanao an'i Bala-berita ho andriamaniny.

8:34b.JDG.008.034 Ary ny Zanak'Isiraely tsy nahatsiaro an'i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra nanodidina,sady tsy nanao soa tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy.

8:35b.JDG.008.035 sady tsy nanao soa tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy.

9

9:1b.JDG.009.001 [Ny ratsy nataon'i Abimeleka, sy ny nanjo azy] Ary Abimeleka, zanak'i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin'ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin'izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny nanao hoe:

9:2b.JDG.009.002 Mba mitenena ianareo eo anatrehan'ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan'izy fito-polo lahy zanak'i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan'ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.

9:3b.JDG.009.003 Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan'ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon'ireo dia ta-hanaraka an'i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy.

9:4b.JDG.009.004 Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon'i Bala-berita izy, ary nanambazan'i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.

9:5b.JDG.009.005 Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak'i Jerobala, teo ambonin'ny vato iray; ary Jotama, faralahin'i Jerobala, no sisa velona. satria niery izy.

9:6b.JDG.009.006 Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an'i Abimeleka teo anilan'ny hazo terebinta, akaikin'ny tsangambato any Sekema.[Heb. fiarovana][Na: rovan'ny miaramila]

9:7b.JDG.009.007 Ary nisy nilaza izany tamin'i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan'Andriamanitra anareo kosa.

9:8b.JDG.009.008 Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin'ny oliva: Manjaka aminay ianao.

9:9b.JDG.009.009 Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan'ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?

9:10b.JDG.009.010 Ary hoy ny hazo tamin'ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay.[aviavimbazaha]

9:11b.JDG.009.011 Dia hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho? [aviavimbazaha]

9:12b.JDG.009.012 Dia hoy ny hazo tamin'ny voaloboka: Avia ianao, ka manjakà aminay.

9:13b.JDG.009.013 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?

9:14b.JDG.009.014 Ary hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilo: Avia ianao, ka manjakà aminay.

9:15b.JDG.009.015 Fa hoy ny tsilo tamin'ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin'ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin'ny tsilo ka handevona ny sederan'i Libanona.

9:16b.JDG.009.016 Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin'ny nampanjakanareo an'i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin'i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon'ny tànany izy

9:17b.JDG.009.017 (fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Midiana;

9:18b.JDG.009.018 nefa ianareo kosa niodina tamin'ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin'ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin'ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),

9:19b.JDG.009.019 koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin'i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin'i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.

9:20b.JDG.009.020 Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin'i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin'ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an'i Abimeleka.[Heb. fiarovana]

9:21b.JDG.009.021 Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an'i Abimeleka rahalahiny.

9:22b.JDG.009.022 Ary rehefa nanapaka telo taona tamin'ny Isiraely Abimeleka,

9:23b.JDG.009.023 Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin'i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an'i Abimeleka,

9:24b.JDG.009.024 mba hitsingerenan'ny loza natao tamin'ny namonoana ny zanak'i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an'i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.[Heb. ran']

9:25b.JDG.009.025 Ary nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany.

9:26b.JDG.009.026 Dia tonga tao Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy.

9:27b.JDG.009.027 Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an'i Abimeleka.

9:28b.JDG.009.028 Ary hoy Gala, zanak'i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak'i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak'i Hamora, rain'i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?

9:29b.JDG.009.029 Ary enga anie ka ho eo ambanin'ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin'i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.

9:30b.JDG.009.030 Ary rehefa ren'i Zebola, komandin'ny tanàna, ny tenin'i Gala, zanak'i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.

9:31b.JDG.009.031 Dia naniraka olona mangingina tany amin'i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy.

9:32b.JDG.009.032 Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.

9:33b.JDG.009.033 Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan'ny tananao.

9:34b.JDG.009.034 Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin'i Sekema,

9:35b.JDG.009.035 Dia nivoaka Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.

9:36b.JDG.009.036 Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.

9:37b.JDG.009.037 Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin'ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin'ny lalana eo amin'ny hazo terebinta Meonenima.[Heb. mpanandro]

9:38b.JDG.009.038 Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.

9:39b.JDG.009.039 Dia nivoaka teo anoloan'ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin'i Abimeleka.

9:40b.JDG.009.040 Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan'ny vavahady aza.

9:41b.JDG.009.041 Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an'i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony.

9:42b.JDG.009.042 Ary nony ampitson'iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany,

9:43b.JDG.009.043 Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.

9:44b.JDG.009.044 Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.

9:45b.JDG.009.045 Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira.

9:46b.JDG.009.046 Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin'ny efi-trano fierena tao an-tranon'i Berita andriamaniny izy.

9:47b.JDG.009.047 Ary nolazaina tamin'i Abimeleka fa tafangona tao amin'ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra.

9:48b.JDG.009.048 Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo.

9:49b.JDG.009.049 Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an'i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin'ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany.

9:50b.JDG.009.050 Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin'i Tebeza ka nahafaka azy.

9:51b.JDG.009.051 Fa nisy tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon'ny tilikambo izy.

9:52b.JDG.009.052 Ary Abimeleka nankany amin'ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran'ny tilikambo izy handoro azy amin'ny afo.

9:53b.JDG.009.053 Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.[Heb. vato ambony]

9:54b.JDG.009.054 Dia nantsoin'i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.

9:55b.JDG.009.055 Ary rehefa hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin'ny fonenany avy izy.

9:56b.JDG.009.056 Izany no namalian'Andriamanitra ny ratsy nataon'i Abimeleka, izay efa nataony tamin'ny rainy tamin'ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.

9:57b.JDG.009.057 Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.

10

10:1b.JDG.010.001 [Ny tantaran'i Tola sy Jaïra] Ary taorian'i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy tamin'ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy.

10:2b.JDG.010.002 Ary nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.

10:3b.JDG.010.003 Ary nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona.

10:4b.JDG.010.004 Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin'ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo.[Havota-jaïra = Tanàna madinika an'i Jaïra]

10:5b.JDG.010.005 Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona.

10:6b.JDG.010.006 [Ny nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr'i Syria sy ny andriamanitr'i Sidona sy ny andriamanitr'i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak'i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an'i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.

10:7b.JDG.010.007 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'ny Filistina sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona Izy.

10:8b.JDG.010.008 Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak'Isiraely ireo tamin'izany taona izany: valo ambin'ny folo taona no nampahoriany ny Zanak'Isiraely rehetra, izay tany an-dafin'i Jordana, tany amin'ny tanin'ny Amorita any Gileada.

10:9b.JDG.010.009 Ary nita an'i Jordana ny taranak'i Amona mba hiady koa amin'ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak'i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.

10:10b.JDG.010.010 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an'Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.

10:11b.JDG.010.011 Ary hoy Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak'i Amona ary ny Filistina va Aho?

10:12b.JDG.010.012 Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin'ny tànany.

10:13b.JDG.010.013 Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.

10:14b.JDG.010.014 Mandehana, ka mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny andron'ny fahantranareo.

10:15b.JDG.010.015 Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.

10:16b.JDG.010.016 Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely.

10:17b.JDG.010.017 [Ny tantaran'i Jefta, sy ny nandreseny ny Amonita] Dia nivory ny taranak'i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tany Mizpa.Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.

10:18b.JDG.010.018 Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.

11

11:1b.JDG.011.001 Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.

11:2b.JDG.011.002 Ary ny vadin'i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an'i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin'ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.

11:3b.JDG.011.003 Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin'i Jefta ka niaraka taminy.

11:4b.JDG.011.004 Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.

11:5b.JDG.011.005 Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak'i Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka an'i Jefta hiala any amin'ny tany Toba.

11:6b.JDG.011.006 Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i Amona.

11:7b.JDG.011.007 Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?

11:8b.JDG.011.008 Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.

11:9b.JDG.011.009 Dia hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin'ny taranak'i Amona, ka hatolotr'i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?

11:10b.JDG.011.010 Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.

11:11b.JDG.011.011 Dia nandeha Jefta niaraka tamin'ny loholon'i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan'i Jehovah tao Mizpa.

11:12b.JDG.011.012 Dia naniraka olona Jefta nankamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin'ny taniko ianao?

11:13b.JDG.011.013 Dia hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona tamin'ny irak'i Jefta: Satria nalain'ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin'ny fihavanana ary izany ankehitriny.

11:14b.JDG.011.014 Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin'ny mpanakan'ny taranak'i Amona

11:15b.JDG.011.015 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin'i Moaba na ny tanin'ny taranak'i Amona.

11:16b.JDG.011.016 Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin'ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.

11:17b.JDG.011.017 Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin'ny mpanjakan'i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan'i Edoma. Ary naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.

11:18b.JDG.011.018 Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan'i Moaba, ka nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo anatin'ny faritanin'i Moaba; fa Arnona no fari-tanin'i Moaba.

11:19b.JDG.011.019 Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay mpanjakan'i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin'ny fonenanay.

11:20b.JDG.011.020 Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin'ny Isiraely.

11:21b.JDG.011.021 Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an'i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan'ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon'ny Isiraely ny tanin'ny Amorita rehetra, mponina tany amin'izany tany izany.

11:22b.JDG.011.022 Dia nahazo ny tanin'ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin'ny efitra ka hatrany Jordana.

11:23b.JDG.011.023 Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?

11:24b.JDG.011.024 Moa tsy hotananao izay tany omen'i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen'i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.

11:25b.JDG.011.025 Moa tsara noho Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy?

11:26b.JDG.011.026 Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny tanàna rehetra eny amoron'i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin'izany andro izany?

11:27b.JDG.011.027 Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;

11:28b.JDG.011.028 Nefa tsy nohenoin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona ny tenin'i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy.

11:29b.JDG.011.029 Ary tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an'i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin'ny taranak'i Amona.

11:30b.JDG.011.030 Ary Jefta nivoady tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak'i Amona,

11:31b.JDG.011.031 dia ho an'i Jehovah Izay mivoaka amin'ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.

11:32b.JDG.011.032 Dia nandeha Jefta nankany amin'ny taranak'i Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ireo.

11:33b.JDG.011.033 Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.

11:34b.JDG.011.034 Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.

11:35b.JDG.011.035 Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.

11:36b.JDG.011.036 Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao.

11:37b.JDG.011.037 Dia hoy koa izy tamin'ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin'ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin'ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory.

11:38b.JDG.011.038 Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.

11:39b.JDG.011.039 Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraelyny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.[Na: hitomany]

11:40b.JDG.011.040 ny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.[Na: hitomany]

12

12:1b.JDG.012.001 [Ny hatezeran'ny Efraima tamin'i Jefta, sy ny niadian'i Jefta taminy] Ary nivory ny lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin'i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny afo ny tranonao sy ianao. [Na: nankany Zafona]

12:2b.JDG.012.002 Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin'ny taranak'i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin'ny tànany ianareo.

12:3b.JDG.012.003 Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona, ary natolotr'i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?

12:4b.JDG.012.004 Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin'ny Gileada ka niady tamin'ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin'ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin'ny Efraima ao amin'ny taranak'i Efraima sy Manase.

12:5b.JDG.012.005 Dia novonjen'ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin'ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin'ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin'ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,

12:6b.JDG.012.006 dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin'ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin'izany andro izany.

12:7b.JDG.012.007 Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin'ny tanana anankiray any Gileada.

12:8b.JDG.012.008 [Ny tantaran'Ibzana sy Elona ary Abdona] Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta.

12:9b.JDG.012.009 Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.

12:10b.JDG.012.010 Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.

12:11b.JDG.012.011 Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.

12:12b.JDG.012.012 Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin'ny tanin'ny Zebolona.

12:13b.JDG.012.013 Ary Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.

12:14b.JDG.012.014 Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita.

12:15b.JDG.012.015 Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita.

13

13:1b.JDG.013.001 [Ny nahaterahan'i Samsona] Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, ka dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Filistina efa-polo taona izy.

13:2b.JDG.013.002 Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin'ny fokon'ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.

13:3b.JDG.013.003 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy.

13:4b.JDG.013.004 Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.

13:5b.JDG.013.005 Fa, indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin'ny tanan'ny Filistina.

13:6b.JDG.013.006 Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin'ny vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin'Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.

13:7b.JDG.013.007 Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny

13:8b.JDG.013.008 Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.

13:9b.JDG.013.009 Ary Andriamanitra nihaino ny feon'i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin'Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.

13:10b.JDG.013.010 Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin'ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin'ilay indray andro.

13:11b.JDG.013.011 Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.

13:12b.JDG.013.012 Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?

13:13b.JDG.013.013 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany avokoa.

13:14b.JDG.013.014 Izay rehetra avy amin'ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.

13:15b.JDG.013.015 Ary hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak'osy ho Anao.

13:16b.JDG.013.016 Dia hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin'ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr'i Manoa ho Anjelin'i Jehovah Izy.

13:17b.JDG.013.017 Dia hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao?

13:18b.JDG.013.018 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany.

13:19b.JDG.013.019 Dia naka ny zanak'osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin'ny vatolampy ho an'i Jehovah; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady.

13:20b.JDG.013.020 Ary raha niakatra ho amin'ny lanitra ny lelafo avy teo amin'ny alitara, dia niakatra teo anatin'ny lelafo avy teo amin'ny alitara Ilay Anjelin'i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin'ny tany.

13:21b.JDG.013.021 Ary tsy niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny intsony Ilay Anjelin'i Jehovah; dia fantatr'i Manoa fa Anjelin'i Jehovah Izy.

13:22b.JDG.013.022 Ary hoy Manoa tamin'ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an'Andriamanitra.

13:23b.JDG.013.023 Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak'i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin'ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.

13:24b.JDG.013.024 Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy.Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin'i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan'i Zora sy Estaola.[Mahane-dana = Tobin'i Dana]

13:25b.JDG.013.025 Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin'i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan'i Zora sy Estaola.[Mahane-dana = Tobin'i Dana]

14

14:1b.JDG.014.001 [Ny nanambadian'i Samsona ny vehivavy Filistina anankiray, sy ny namaliany ny Filistina] Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina.

14:2b.JDG.014.002 Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.

14:3b.JDG.014.003 Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin'ny zana-kavanao, na ato amin'ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin'ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.

14:4b.JDG.014.004 Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin'i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin'ny Filistina Izy; fa tamin'izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.[Na: izy]

14:5b.JDG.014.005 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.

14:6b.JDG.014.006 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony.

14:7b.JDG.014.007 Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an'i Samsona izy.

14:8b.JDG.014.008 Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona.

14:9b.JDG.014.009 Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely.

14:10b.JDG.014.010 Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain'i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo.

14:11b.JDG.014.011 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.

14:12b.JDG.014.012 Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin'ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.

14:13b.JDG.014.013 Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.

14:14b.JDG.014.014 Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin'ny mpihinana no nivoahan'ny hanina; Ary avy tao amin'ny mahery no nivoahan'ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin'ny hateloana.

14:15b.JDG.014.015 Ary nony tamin'ny andro fahafito, dia hoy izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin'ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va? [Na: (fahefatra)]

14:16b.JDG.014.016 Ary ny vadin'i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?

14:17b.JDG.014.017 Dia nitomany teo anatrehany tamin'ny hafitoana izay nisian'ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin'ny andro fahafito dia nolazain'i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneny.

14:18b.JDG.014.018 Ary nony tamin'ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.

14:19b.JDG.014.019 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian'ireo ka nomeny ho an'izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran'i Samsona, ka niakatra nankany amin'ny tranon-drainy izy.Ary ny vadiny dia lasan'ny namany, izay efa nataony sakaizany.

14:20b.JDG.014.020 Ary ny vadiny dia lasan'ny namany, izay efa nataony sakaizany.

15

15:1b.JDG.015.001 Ary nony afaka kelikely, tamin'ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak'osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin'ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,

15:2b.JDG.015.002 fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an'ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masina ianao, aoka izy halainao ho solony.

15:3b.JDG.015.003 Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.

15:4b.JDG.015.004 Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon'ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan'ny rambony ilay hatao fanilo.

15:5b.JDG.015.005 Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin'ny varin'ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.

15:6b.JDG.015.006 Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton'ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an'ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin'ny afo.

15:7b.JDG.015.007 Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.

15:8b.JDG.015.008 Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak'ilay harambato mitresaka any Etama.

15:9b.JDG.015.009 Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin'ny Joda ka niely tany Lehy.

15:10b.JDG.015.010 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an'i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.

15:11b.JDG.015.011 Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin'ny Joda nankany amin'ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin'i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.

15:12b.JDG.015.012 Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan'ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo.

15:13b.JDG.015.013 Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin'ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin'ilay harambato.

15:14b.JDG.015.014 Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin'i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin'ny afo ny mahazaka teny amin'ny sandriny ary afaka tamin'ny tànany ny fatorana.

15:15b.JDG.015.015 Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.

15:16b.JDG.015.016 Ary hoy Samsona: Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.

15:17b.JDG.015.017 Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy.[Ramata-hely = Havoanan'ny valanorano]

15:18b.JDG.015.018 Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin'ny tanan'ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan'ny tsy mifora!

15:19b.JDG.015.019 Dia nampitresahin'Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.[En-hakore = Loharanon'ilay niantso]Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin'ny andron'ny Filistina izy.

15:20b.JDG.015.020 Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin'ny andron'ny Filistina izy.

16

16:1b.JDG.016.001 [Ny nisamboran'ny Filistina an'i Samsona sy ny namalian'i Samsona azy] Ary Samsona nankany Gaza ka nahita vehivavy janga teo, dia niditra tao aminy.

16:2b.JDG.016.002 Ary nolazaina tamin'ny Gazita hoe: Tonga atỳ Samsona. Dia nanemitra azy izy ary nanotrika mandritra ny alina teo am-bavahadin'ny tanàna ka nangina mandritra ny alina; fa hoy izy: Raha maraina ny andro, dia hovonointsika izy.

16:3b.JDG.016.003 Ary nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin'ny tanàna mbamin'ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin'ny hidiny ka nataony teny antsorony, dia nentiny ho any an-tampon'ny tendrombohitra izay tandrifin'i Hebrona.

16:4b.JDG.016.004 Ary rehefa afaka izany, dia tia vehivavy atao hoe Delila tany an-dohasaha Soreka izy.

16:5b.JDG.016.005 Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra nankany amin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Kolikoleo izy, ka izahao izay itoeran'ny heriny lehibe sy izay hahazoanay mamatotra azy mba hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekely zato amby arivo avy izahay rehetra.

16:6b.JDG.016.006 Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Masìna ianao, lazao amiko izay itoeran'ny herinao lehibe sy izay hahazoana mamatotra anao hahafolaka anao.

16:7b.JDG.016.007 Dia hoy Samsona taminy: Raha tady vaovao fito izay tsy mbola maina no amatorany ahy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.

16:8b.JDG.016.008 Dia niakatra nankany aminy ireo andrianan'ny Filistina nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola maina, dia namatotra azy tamin'ireny ravehivavy.

16:9b.JDG.016.009 Ary nisy lehilahy nanotrika ka nitoetra taminy tao an'efi-trano. Dia hoy ravehivavy tamin'i Samsona: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notosany ny tady, tahaka ny fahamaiton'ny taretra rongony, raha lelafin'ny afo. Dia tsy fantatra ny heriny.

16:10b.JDG.016.010 Ary hoy Delila tamin'i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, masìna ianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao.

16:11b.JDG.016.011 Dia hoy kosa izy taminy: Raha mahazaka vaovao izay tsy mbola nanaovan-draharaha no amatorany ahy mafy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.

16:12b.JDG.016.012 Dia naka mahazaka vaovao Delila, ka namatorany azy, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Ary nisy mpanotrika nitoetra tao an'efi-trano. Dia notosan'i Samsona ho afaka amin'ny sandriny ireny tahaka ny fahamaiton'ny taretra.

16:13b.JDG.016.013 Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenomina hikambana amin'ny tenona ny foto-bolo fito amin'ny lohako.

16:14b.JDG.016.014 Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona.

16:15b.JDG.016.015 Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran'ny herinao lehibe.

16:16b.JDG.016.016 Ary rehefa nitorikisina taminy isan'andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina.

16:17b.JDG.016.017 Ary dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra,

16:18b.JDG.016.018 Ary rehefa hitan'i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan'ny Filistina nanao hoe: Miakara amin'izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao ampony rehetra. Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany.

16:19b.JDG.016.019 Ary ravehivavy nanondana an'i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin'ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.

16:20b.JDG.016.020 Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.

16:21b.JDG.016.021 Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin'ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.

16:22b.JDG.016.022 Ary dia naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra.

16:23b.JDG.016.023 Ary nivory ireo andrianan'ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an'i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika.

16:24b.JDG.016.024 Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika.

16:25b.JDG.016.025 Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an'i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan'ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan'ny andry izy.

16:26b.JDG.016.026 Ary hoy Samsona tamin'ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano, hiankinako aminy.

16:27b.JDG.016.027 Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan'ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an'i Samsona nanao laolao.

16:28b.JDG.016.028 Ary Samsona niantso an'i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin'ny masoko roa.

16:29b.JDG.016.029 Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy.

16:30b.JDG.016.030 Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin'ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany.Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.

16:31b.JDG.016.031 Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.

17

17:1b.JDG.017.001 [Ny nanaovan'i Mika sarin-javatra hivavahana] Nisy lehilahy tany amin'ny tany havoan'i Efraima, Mika no anarany.

17:2b.JDG.017.002 Ary hoy izy tamin'ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin'i Jehovah anie ny zanako.

17:3b.JDG.017.003 Ary rehefa naveriny tamin'ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an'i Jehovah mihitsy ity vola avy amin'ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.[Na: Efa natokako]

17:4b.JDG.017.004 Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon'i Mika izany.

17:5b.JDG.017.005 Ary nanana tranon'andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.[Heb. nofenoiny ny tànany]

17:6b.JDG.017.006 Tamin'izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin'ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.

17:7b.JDG.017.007 Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin'ny fokon'i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.

17:8b.JDG.017.008 Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin'izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika.

17:9b.JDG.017.009 Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny amin'izay azoko hitoerana.

17:10b.JDG.017.010 Dia hoy Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita.

17:11b.JDG.017.011 Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy.

17:12b.JDG.017.012 Dia natokan'i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon'i Mika.Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.

17:13b.JDG.017.013 Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.

18

18:1b.JDG.018.001 [Ny nandehandehanan'ny firenen'i Dana nizaha tany hitoerany] Ary tamin'izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely; ary tamin'izany andro izany kosa ny firenen'i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin'izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin'ny firenen'Isiraely izy.

18:2b.JDG.018.002 Ary ny taranak'i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin'ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika izy, dia nandry tao.

18:3b.JDG.018.003 Rehefa mby teo akaikin'ny tranon'i Mika izy, dia fantany ny feon'ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?

18:4b.JDG.018.004 Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon'i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao.

18:5b.JDG.018.005 Dia hoy izy ireo taminy: Masìna ianao, manontania amin'Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin'ny lalana alehanay izahay, na tsia.

18:6b.JDG.018.006 Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan'i Jehovah izao lalana alehanareo izao.

18:7b.JDG.018.007 Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon'ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin'ny tany na amin'inona na amin'inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin'olona akory.[Na: hahamena-maso]

18:8b.JDG.018.008 Dia nandeha ho any amin'ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny taminy: Naninona moa ianareo?

18:9b.JDG.018.009 Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany.

18:10b.JDG.018.010 Raha mandeha ianareo, dia ho tonga any amin'ny olona tsy manana ahiahy sy any amin'ny tany malalaka; fa efa natolotr'Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany tapi-javatra irina atỳ ambonin'ny tany.

18:11b.JDG.018.011 Dia nisy niainga avy tamin'ny fokon'i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany.

18:12b.JDG.018.012 Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran'izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana; indro, eo andrefan'i Kiriata-jearima izany).

18:13b.JDG.018.013 Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao an-tranon'i Mika.

18:14b.JDG.018.014 Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo.

18:15b.JDG.018.015 Dia nivily tao izy ka tonga tao an-tranon'ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon'i Mika, ka niarahaba azy.

18:16b.JDG.018.016 Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany, izay avy tamin'ny taranak'i Dana, dia nijanona teo anoloan'ny vavahady.

18:17b.JDG.018.017 Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin'ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany nijanona teo anoloan'ny vavahady.

18:18b.JDG.018.018 Dia niditra tao an-tranon'i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo?

18:19b.JDG.018.019 Dia hoy ireo taminy: Mangina ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an'ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko iray amin'ny Isiraely?

18:20b.JDG.018.020 Dia faly ny fon'ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha voahodidin'ny olona izy.

18:21b.JDG.018.021 Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman'ondry mbamin'ny entany tsara dia nataony teo alohany.

18:22b.JDG.018.022 Ary rehefa lasa lavitra ny tranon'i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin'i Mika ka nahatratra ny taranak'i Dana.

18:23b.JDG.018.023 Dia niantso ny taranak'i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin'i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao?

18:24b.JDG.018.024 Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?

18:25b.JDG.018.025 Dia hoy ny taranak'i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.

18:26b.JDG.018.026 Dia nandeha tamin'ny nalehany ny taranak'i Dana; ary rehefa hitan'i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony.

18:27b.JDG.018.027 Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon'i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin'ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin'ny afo.

18:28b.JDG.018.028 Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin'olona akory izy, sady teo amin'ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao.

18:29b.JDG.018.029 Ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran'i Dana rainy, izay naterak'Isiraely; kanefa Laisy no anaran'ny tanàna taloha.

18:30b.JDG.018.030 Dia natsangan'ny taranak'i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an'ny firenen'i Dana hatramin'ny andro namaboana ny tany.[Na: Manase]Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon'i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan'ny tranon'Andriamanitra tao Silo.

18:31b.JDG.018.031 Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon'i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan'ny tranon'Andriamanitra tao Silo.

19

19:1b.JDG.019.001 [Ny ratsy nataon'ny mponina tao Gibea, sy ny namalian'ny Isiraely rehetra azy] Ary tamin'izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.

19:2b.JDG.019.002 Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.

19:3b.JDG.019.003 Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan'ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.

19:4b.JDG.019.004 Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.

19:5b.JDG.019.005 Ary nony tamin'ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin'ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.

19:6b.JDG.019.006 Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.

19:7b.JDG.019.007 Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.

19:8b.JDG.019.008 Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin'ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan'ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.

19:9b.JDG.019.009 Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian'ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.

19:10b.JDG.019.010 Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin'izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin'i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.

19:11b.JDG.019.011 Ary rehefa mby teo akaiky an'i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin'ny tompony: Andeha hiakatra ato amin'ity tanànan'ny Jebosita ity isika ka handry ato.

19:12b.JDG.019.012 Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin'ny tanànan'ny olona hafa firenena izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.

19:13b.JDG.019.013 Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Andeha isika hankamin'ny anankiray amin'ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.

19:14b.JDG.019.014 Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an'i Gibea, izay an'ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro.

19:15b.JDG.019.015 Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin'ny kianjan'ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.

19:16b.JDG.019.016 Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin'ny tany havoan'i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin'izany tanana izany dia Benjamita.

19:17b.JDG.019.017 Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan'ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza?

19:18b.JDG.019.018 Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon'i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;[Na: mankany]

19:19b.JDG.019.019 kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an'ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an'ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.

19:20b.JDG.019.020 Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja.

19:21b.JDG.019.021 Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro.

19:22b.JDG.019.022 Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin'ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.

19:23b.JDG.019.023 Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo.[Heb. fahadalana]

19:24b.JDG.019.024 Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany.

19:25b.JDG.019.025 Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain'ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.

19:26b.JDG.019.026 Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran'ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran'ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan'ny andro.

19:27b.JDG.019.027 Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran'ny trano, dia nivoaka handeha tamin'ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran'ny trano, ary ny tanany eo amin'ny tokonana.

19:28b.JDG.019.028 Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin'ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin'ny fonenany.

19:29b.JDG.019.029 Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin'ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin'ny taolana ho roa ambin'ny folo toko, ka nampitondrainy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra.Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.

19:30b.JDG.019.030 Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.

20

20:1b.JDG.020.001 Dia nivoaka ny Zanak'Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin'i Jehovah tany Mizpa.

20:2b.JDG.020.002 Ary ny loholona rehetra tamin'ny firenen'Isiraely niseho teo amin'ny fiangonan'ny olon'Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra.

20:3b.JDG.020.003 Ary ren'ny taranak'i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak'Isiraely. Dia hoy ny Zanak'Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao.

20:4b.JDG.020.004 Dia namaly ilay Levita, vadin-dravehivavy novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay an'ny Benjamita, izaho sy ny vaditsindranoko handry tao.

20:5b.JDG.020.005 Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin'ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.

20:6b.JDG.020.006 Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin'ny tany rehetra izay lovan'ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin'ny Isiraely ireo.[Heb. fahadalana]

20:7b.JDG.020.007 Koa indreto ianareo Zanak'Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo.

20:8b.JDG.020.008 Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin'ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.

20:9b.JDG.020.009 Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin'i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.

20:10b.JDG.020.010 Ary haka folo lahy isan-jato amin'ny firenen'Isiraely rehetra isika, dia zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ny olona, ka rehefa tonga any Gibean'ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin'ny Isiraely no hataony aminy.

20:11b.JDG.020.011 Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.

20:12b.JDG.020.012 Ary ny firenen'Isiraely dia naniraka olona tany amin'ny firenen'i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?

20:13b.JDG.020.013 Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.

20:14b.JDG.020.014 Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely.

20:15b.JDG.020.015 Dia voalamina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.

20:16b.JDG.020.016 Ary teo amin'izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin'ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.

20:17b.JDG.020.017 Ary ny lehilahy voalamina tamin'ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.

20:18b.JDG.020.018 Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.

20:19b.JDG.020.019 Dia niainga maraina koa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tandrifin'i Gibea.

20:20b.JDG.020.020 Ary nivoaka ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady amin'ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady aminy tao akaiky an'i Gibea.

20:21b.JDG.020.021 Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak'i Benjamina ka naharingana ny Zanak'Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany tamin'izany andro izany.

20:22b.JDG.020.022 Fa nifanome toky ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin'ilay nilaharany tamin'ny andro voalohany.

20:23b.JDG.020.023 Ary niakatra ny Zanak'Isiraely ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro, dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.)

20:24b.JDG.020.024 Ary ny Zanak'Isiraely dia nandroso tamin'ny andro faharoa hiady amin'ny taranak'i Benjamina.

20:25b.JDG.020.025 Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak'Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

20:26b.JDG.020.026 Dia niakatra ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nifady hanina tamin'izany andro izany mandra-paharivan'ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah izy.

20:27b.JDG.020.027 Dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely (fa tao ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany,

20:28b.JDG.020.028 ary Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona, nijanona teo anoloany tamin'izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.

20:29b.JDG.020.029 Ary nasian'ny Isiraely otrika manodidina an'i Gibea.

20:30b.JDG.020.030 Dia niakatra ny Zanak'Isiraely tamin'ny andro fahatelo hiady amin'ny taranak'i Benjamina ka nilahatra tandrifin'i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany.

20:31b.JDG.020.031 Dia nivoaka ny taranak'i Benjamina hiady tamin'ny olona ka voatarika niala tamin'ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin'ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.

20:32b.JDG.020.032 Ary hoy ny taranak'i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny tanàna ho any an-dalambe.

20:33b.JDG.020.033 Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin'fitoerany, avy tao an-tsahan'i Gibea.

20:34b.JDG.020.034 Ary tonga tandrifin'i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.

20:35b.JDG.020.035 Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan'ny Isiraely, ary tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina dia nahafatesan'ny Zanak'Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

20:36b.JDG.020.036 Ary hitan'ny taranak'i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin'ny Isiraely nanao tari-dositra tamin'ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin'i Gibea izy.

20:37b.JDG.020.037 Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin'ny lelan-tsabatra.

20:38b.JDG.020.038 Ary ny famantarana nifaneken'ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny otrika dia tsangan'afo lehibe hisavoana ao an-tanàna.

20:39b.JDG.020.039 Ary nirona tamin'ny ady ny lehilahy amin'ny Isiraely (ny taranak'i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin'ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin'ny ady voalohany;

20:40b.JDG.020.040 fa raha vao niakatra avy tao amin'ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak'i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin'ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).

20:41b.JDG.020.041 Ary raha niverina ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy.

20:42b.JDG.020.042 Dia niamboho teo anoloan'ny lehilahy amin'ny Isiraely hankany amin'ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin'ny tanàna koa dia novonoiny teo.

20:43b.JDG.020.043 Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana tandrifin'i Gibea atsinanany.[Na: teo Menoha]

20:44b.JDG.020.044 Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.

20:45b.JDG.020.045 Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.

20:46b.JDG.020.046 Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin'izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.

20:47b.JDG.020.047 Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana.Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.

20:48b.JDG.020.048 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.

21

21:1b.JDG.021.001 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin'ny Benjamita.

21:2b.JDG.021.002 Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan'Andriamanitra mandra-paharivan'ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy

21:3b.JDG.021.003 nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin'ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin'ny Isiraely?

21:4b.JDG.021.004 Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.

21:5b.JDG.021.005 Ary hoy ny Zanak'Isiraely: Iza amin'ny ferenen'Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin'ny fiangonana hanatona an'i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin'izay tsy niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.

21:6b.JDG.021.006 Ary ny Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin'ny Isiraely ankehitriny.

21:7b.JDG.021.007 Ahoana no hataontsika amin'ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin'i Jehovah tsy hanome vady azy amin'ny zanakavavintsika?

21:8b.JDG.021.008 Dia hoy izy: Iza amin'ny firenen'Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin'ny fiangonana.

21:9b.JDG.021.009 Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin'ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.

21:10b.JDG.021.010 Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra mbamin'ny zaza amim-behivavy.

21:11b.JDG.021.011 Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo.[Heb. hataonareo herema]

21:12b.JDG.021.012 Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin'ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin'ny tany Kanana.

21:13b.JDG.021.013 Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin'ny taranak'i Benjamina, izay tao amin'ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.

21:14b.JDG.021.014 Dia niverina tamin'izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin'ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.

21:15b.JDG.021.015 Ary ny olona nanenina noho ny amin'i Benjamina, satria nisy nobangain'i Jehovah ny firenen'Isiraely.

21:16b.JDG.021.016 Dia hoy ny loholon'ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an'ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin'ny Benjamita?

21:17b.JDG.021.017 Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin'ny Isiraely.

21:18b.JDG.021.018 Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita.

21:19b.JDG.021.019 Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona.

21:20b.JDG.021.020 Ary nandidy ny taranak'i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin'ny tanim-boaloboka,

21:21b.JDG.021.021 ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin'ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin'ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin'ny tanin'ny Benjamina indray.

21:22b.JDG.021.022 Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin'ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.

21:23b.JDG.021.023 Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.

21:24b.JDG.021.024 Dia samy nandeha niala teo ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany, samy ho any amin'ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin'ny lovany avy ny olona rehetra.Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.

21:25b.JDG.021.025 Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.


Holder of rights
Multilingual Bible Corpus

Citation Suggestion for this Object
TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Judges (Malagasy). Judges (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A543-2