Numbers (Malagasy)

Numbers (Malagasy)

1

1:1b.NUM.001.001 [Ny nandaminana ny firenen'Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe:

1:2b.NUM.001.002 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,

1:3b.NUM.001.003 dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.

1:4b.NUM.001.004 Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.

1:5b.NUM.001.005 Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;

1:6b.NUM.001.006 ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;

1:7b.NUM.001.007 ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;

1:8b.NUM.001.008 ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;

1:9b.NUM.001.009 ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;

1:10b.NUM.001.010 ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;

1:11b.NUM.001.011 ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;

1:12b.NUM.001.012 ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;

1:13b.NUM.001.013 ny avy amin'i Asera dia Fagiela, zanak'i Okrana;

1:14b.NUM.001.014 ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela;

1:15b.NUM.001.015 ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana.

1:16b.NUM.001.016 Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.

1:17b.NUM.001.017 Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,

1:18b.NUM.001.018 dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.

1:19b.NUM.001.019 Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.

1:20b.NUM.001.020 Ary tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,

1:21b.NUM.001.021 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.

1:22b.NUM.001.022 Ary tamin'ny taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika

1:23b.NUM.001.023 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.

1:24b.NUM.001.024 Ary tamin'ny taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

1:25b.NUM.001.025 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.

1:26b.NUM.001.026 Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

1:27b.NUM.001.027 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.

1:28b.NUM.001.028 Ary tamin'ny taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

1:29b.NUM.001.029 izay voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.

1:30b.NUM.001.030 Ary tamin'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

1:31b.NUM.001.031 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.

1:32b.NUM.001.032 Ary tamin'ny taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

1:33b.NUM.001.033 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;

1:34b.NUM.001.034 ary tamin'ny taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

1:35b.NUM.001.035 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.

1:36b.NUM.001.036 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

1:37b.NUM.001.037 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.

1:38b.NUM.001.038 Ary tamin'ny taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

1:39b.NUM.001.039 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.

1:40b.NUM.001.040 Ary tamin'ny taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika

1:41b.NUM.001.041 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.

1:42b.NUM.001.042 Ary tamin'ny taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

1:43b.NUM.001.043 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.

1:44b.NUM.001.044 Ireo no voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy.

1:45b.NUM.001.045 Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely,

1:46b.NUM.001.046 dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.

1:47b.NUM.001.047 [Ny amin'ny raharahan'ny Levita] Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.

1:48b.NUM.001.048 Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

1:49b.NUM.001.049 Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely;

1:50b.NUM.001.050 fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.

1:51b.NUM.001.051 Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.

1:52b.NUM.001.052 Dia hitoby ny Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany ary, araka ny antokony.

1:53b.NUM.001.053 Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona.Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.

1:54b.NUM.001.054 Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.

2

2:1b.NUM.002.001 [Ny filaharan'ny tobin'ny Isiraely araka ny fireneny avy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:

2:2b.NUM.002.002 Samy eo amin'ny fanevany sy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.

2:3b.NUM.002.003 Ary ny hitoby eo amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay momba ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;

2:4b.NUM.002.004 ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.

2:5b.NUM.002.005 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;

2:6b.NUM.002.006 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.

2:7b.NUM.002.007 Dia vao ny firenen'i Zebolona; ary ny lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;

2:8b.NUM.002.008 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.

2:9b.NUM.002.009 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.

2:10b.NUM.002.010 Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;

2:11b.NUM.002.011 ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.

2:12b.NUM.002.012 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;

2:13b.NUM.002.013 ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.

2:14b.NUM.002.014 Dia vao ny firenen'i Gada; ary ny lohan'ny taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela;

2:15b.NUM.002.015 ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.

2:16b.NUM.002.016 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.

2:17b.NUM.002.017 Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny fanevany.

2:18b.NUM.002.018 Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;

2:19b.NUM.002.019 ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.

2:20b.NUM.002.020 Ary ny firenen'i Manase ho eo anilany; ary ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela, zanak'i Pedazora;

2:21b.NUM.002.021 ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.

2:22b.NUM.002.022 Dia vao ny firenen'i Benjamina; ary ny lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;

2:23b.NUM.002.023 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.

2:24b.NUM.002.024 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.

2:25b.NUM.002.025 Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;

2:26b.NUM.002.026 ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.

2:27b.NUM.002.027 Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana;

2:28b.NUM.002.028 ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.

2:29b.NUM.002.029 Dia vao ny firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;

2:30b.NUM.002.030 ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.

2:31b.NUM.002.031 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.

2:32b.NUM.002.032 Ireo no nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay nalamina tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.

2:33b.NUM.002.033 Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.

2:34b.NUM.002.034 Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.

3

3:1b.NUM.003.001 [Ny nandaminana ny firenen'i Levy, sy ny nitobiany, ary ny zavatra hotandremany] Ary izao no taranak'i Arona sy Mosesy tamin'ny andro nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.

3:2b.NUM.003.002 Ny anaran'ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.

3:3b.NUM.003.003 Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.

3:4b.NUM.003.004 Fa maty teo anatrehan'i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah tany an-efitr'i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan'i Arona rainy.

3:5b.NUM.003.005 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

3:6b.NUM.003.006 Ento ny firenen'i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan'i Arona mpisorona mba hanompo azy.

3:7b.NUM.003.007 Dia hitandrina ny anjara-raharahan'i Arona sy ny anjara raharahan'ny fiangonana rehetra eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.

3:8b.NUM.003.008 Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.

3:9b.NUM.003.009 Ary homenao an'i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny Zanak'Isiraely ireo.

3:10b.NUM.003.010 Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.

3:11b.NUM.003.011 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

3:12b.NUM.003.012 Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita,

3:13b.NUM.003.013 satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.

3:14b.NUM.003.014 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay ka nanao hoe:

3:15b.NUM.003.015 Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny iray volana no ho miakatra no halaminao.

3:16b.NUM.003.016 Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin'i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.

3:17b.NUM.003.017 Ary izao no zanakalahin'i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.

3:18b.NUM.003.018 Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.

3:19b.NUM.003.019 Ary ny zanakalahin'i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.

3:20b.NUM.003.020 Ary ny zanakalahin'i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon'ny Levita, araka ny fianakaviany.

3:21b.NUM.003.021 Avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita.

3:22b.NUM.003.022 Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.

3:23b.NUM.003.023 Ny fokon'ny Gersonita dia hitoby eo ivohon'ny tabernakely, dia eo andrefany.

3:24b.NUM.003.024 Ary ny lohan'ny fianakavian'ny Gersonka dia Efiasafa, zanak'i Laela.

3:25b.NUM.003.025 Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,

3:26b.NUM.003.026 ary ny fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.

3:27b.NUM.003.027 Ary avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Amramita sy ny fokon'ny Jizarita sy ny fokon'ny Hebronita ary ny fokon'ny Ozielita; ireo no fokon'ny Kehatita.

3:28b.NUM.003.028 Ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia enin-jato amby valo arivo.

3:29b.NUM.003.029 Ny fokon'ny zanak'i Kehata dia hitoby eo amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely.

3:30b.NUM.003.030 Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'ny Kehatita dia Elisafana, zanak'i Oziela.

3:31b.NUM.003.031 Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.

3:32b.NUM.003.032 Ary ny lehiben'ny lohan'ny Levita dia Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, izay lehiben'ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerana masina.

3:33b.NUM.003.033 Avy tamin'i Merary ny fokon'ny Malita sy ny fokon'ny Mosita; Ireo no fokon'i Merary.

3:34b.NUM.003.034 Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo,

3:35b.NUM.003.035 Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'i Merary dia Zoriela, zanak'i Abihaila; ireo no hitoby eo amin'ny lafiny avaratra amin'ny tabernakely.

3:36b.NUM.003.036 Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Merary dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,

3:37b.NUM.003.037 ary ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.

3:38b.NUM.003.038 Ary ny mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.

3:39b.NUM.003.039 Ny tontalin'izay nalamina avy tamin'ny Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah, avy tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.

3:40b.NUM.003.040 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.

3:41b.NUM.003.041 Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.

3:42b.NUM.003.042 Dia nalamin'i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.

3:43b.NUM.003.043 Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.

3:44b.NUM.003.044 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

3:45b.NUM.003.045 Alao ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.

3:46b.NUM.003.046 Ary ny amin'ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,

3:47b.NUM.003.047 dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masina no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).

3:48b.NUM.003.048 Dia homenao an'i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr'ireo mihoatra isa ireo.

3:49b.NUM.003.049 Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;

3:50b.NUM.003.050 tamin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masina;dia nomen'i Mosesy an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i Jehovah, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

3:51b.NUM.003.051 dia nomen'i Mosesy an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i Jehovah, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

4

4:1b.NUM.004.001 [Ny raharahan'ny Levita, sy ny isany isam-pirazanany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:

4:2b.NUM.004.002 Alao isa ny taranak'i Kehata eo amin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,

4:3b.NUM.004.003 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao raharaha ao amin'ny trano-lay fihaonana.

4:4b.NUM.004.004 Izao no ho fanompoan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra:

4:5b.NUM.004.005 Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny Vavolombelona'izany;

4:6b.NUM.004.006 ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon'ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin'io, dia hataony eo aminy ny baony.

4:7b.NUM.004.007 Ary hamelatra lamba, volon'ondry manga eo ambonin'ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.

4:8b.NUM.004.008 Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin'ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony.

4:9b.NUM.004.009 Dia haka lamba volon'ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;

4:10b.NUM.004.010 ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.

4:11b.NUM.004.011 Ary hamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;

4:12b.NUM.004.012 dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon'ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.

4:13b.NUM.004.013 Dia hanaisotra ny lavenona amin'ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny.

4:14b.NUM.004.014 Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran'afony sy ny fitrebiny sy ny sotron'afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.

4:15b.NUM.004.015 Ary rehefa vitan'i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak'i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan'ny taranak'i Kehata.

4:16b.NUM.004.016 Ary ny raharahan'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin'ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy.

4:17b.NUM.004.017 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:

4:18b.NUM.004.018 Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon'ny Kehatita tsy ho amin'ny Levita:

4:19b.NUM.004.019 fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin'ny fanompoany avy sy amin'ny entany avy;

4:20b.NUM.004.020 fa izy dia tsy hiditra hijery ny fitoerana masina, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao maty.

4:21b.NUM.004.021 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

4:22b.NUM.004.022 Alao isa koa ny taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy;

4:23b.NUM.004.023 ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.

4:24b.NUM.004.024 Izao no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:

4:25b.NUM.004.025 ny ambain'ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,

4:26b.NUM.004.026 ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin'ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin'ireo no ho fanompoany.

4:27b.NUM.004.027 Araka ny tenin'i Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.

4:28b.NUM.004.028 Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita ny amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin'izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak'i Arona mpisorona.

4:29b.NUM.004.029 Ny amin'ny taranak'i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;

4:30b.NUM.004.030 ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.

4:31b.NUM.004.031 Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin'ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,

4:32b.NUM.004.032 sy ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.

4:33b.NUM.004.033 Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.

4:34b.NUM.004.034 Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,

4:35b.NUM.004.035 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.

4:36b.NUM.004.036 Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.

4:37b.NUM.004.037 Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah nampitondrainy an'i Mosesy.

4:38b.NUM.004.038 Ary izay nalamina tamin'ny taranak'i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,

4:39b.NUM.004.039 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana

4:40b.NUM.004.040 izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo.

4:41b.NUM.004.041 Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah.

4:42b.NUM.004.042 Ary izay nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany

4:43b.NUM.004.043 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony, hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana,

4:44b.NUM.004.044 izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;

4:45b.NUM.004.045 ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

4:46b.NUM.004.046 Ny tontalin'ny taranak'i Levy izay nalamin'i Mosesy sy Arona mbamin'ny lohan'ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany

4:47b.NUM.004.047 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin'ny trano-lay fihaonana,

4:48b.NUM.004.048 izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.Araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin'ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

4:49b.NUM.004.049 Araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin'ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

5

5:1b.NUM.005.001 [Lalàna ny amin'ny famoahana izay misy fahalotoana ho any ivelan'ny toby] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

5:2b.NUM.005.002 Mandidia ny Zanak'Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin'ny toby;

5:3b.NUM.005.003 na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan'ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.

5:4b.NUM.005.004 Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan'ny toby; araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.

5:5b.NUM.005.005 [Ny amin'ny fanonerana, raha misy manao izay mahadiso] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

5:6b.NUM.005.006 Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan'ny olona ka manao izay mahadiso amin'i Jehovah ary meloka,

5:7b.NUM.005.007 dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin'ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an'ilay nanaovany diso.

5:8b.NUM.005.008 Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny mpisorona, ho fanampin'ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.

5:9b.NUM.005.009 Ary ny fanatitra rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.

5:10b.NUM.005.010 Ary ho azy ny zava-masina aterin'ny olona rehetra; na inona na inona omen'olona ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.

5:11b.NUM.005.011 [Ny lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny ahiahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

5:12b.NUM.005.012 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin'ny lahy,

5:13b.NUM.005.013 fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;

5:14b.NUM.005.014 kanefa misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;

5:15b.NUM.005.015 dia ho entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.

5:16b.NUM.005.016 Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan'i Jehovah;

5:17b.NUM.005.017 dia haka rano masina amin'ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin'izay itoeran'ny tabernakely dia hangalan'ny mpisorona ka hataony amin'ny rano;

5:18b.NUM.005.018 ary ravehivavy dia hampitoeran'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan'ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;

5:19b.NUM.005.019 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin'ny vadinao ho amin'ny fahalotoana ianao, dia afaka amin'ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;

5:20b.NUM.005.020 fa raha nivily niala tamin'ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,

5:21b.NUM.005.021 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin'ny firenenao, amin'ny fampifezahan'i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;

5:22b.NUM.005.022 ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.

5:23b.NUM.005.023 Ary hosoratan'ny mpisorona amin'ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin'ny rano mangidy ny soratra;

5:24b.NUM.005.024 dia hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.

5:25b.NUM.005.025 Dia halain'ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara.

5:26b.NUM.005.026 Dia horaofin'ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.

5:27b.NUM.005.027 Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin'ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin'ny fireneny ravehivavy.

5:28b.NUM.005.028 Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan'anaka.

5:29b.NUM.005.029 Izany no lalàna ny amin'ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin'ny vadiny ka voaloto;

5:30b.NUM.005.030 na misy lehilahy azon'ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany aminy.Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.

5:31b.NUM.005.031 Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.

6

6:1b.NUM.006.001 [Ny lalàna ny amin'ny mivoady ho Nazirita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

6:2b.NUM.006.002 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an'i Jehovah,

6:3b.NUM.006.003 dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina.

6:4b.NUM.006.004 Amin'ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin'ny voaloboka hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny izy.

6:5b.NUM.006.005 Amin'ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny volondohany.

6:6b.NUM.006.006 Amin'ny andro rehetra izay itokanany ho an'i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;

6:7b.NUM.006.007 aoka tsy handoto tena izy na dia amin'ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin'ny lohany ny fitokanana ho an'Andriamaniny.

6:8b.NUM.006.008 Amin'ny andro fitokanany rehetra dia ho masina ho an'i Jehovah izy.

6:9b.NUM.006.009 Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin'ny andro fanadiovana azy izy, dia amin'ny andro fahafito no hanaratany azy;

6:10b.NUM.006.010 ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy.

6:11b.NUM.006.011 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin'ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin'izany andro izany izy.

6:12b.NUM.006.012 Dia hanokana ho an'i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany

6:13b.NUM.006.013 Ary izao no lalàna ny amin'ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy;

6:14b.NUM.006.014 ary hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,

6:15b.NUM.006.015 ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin'ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.

6:16b.NUM.006.016 Dia haterin'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany;

6:17b.NUM.006.017 dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.

6:18b.NUM.006.018 Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin'ny afo izay eo ambanin'ny fanati-pihavanana.

6:19b.NUM.006.019 Dia halain'ny mpisorona ny sorok'ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin'ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin'ny tanan'ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.

6:20b.NUM.006.020 Dia hahevahevan'ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho masina izany ho an'ny mpisorona ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.

6:21b.NUM.006.021 Izany no lalàna ny amin'ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin'ny fitokanany.

6:22b.NUM.006.022 [Ny tso-drano fanaon'ny mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

6:23b.NUM.006.023 Mitenena amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak'Isiraely:

6:24b.NUM.006.024 Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;

6:25b.NUM.006.025 Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;

6:26b.NUM.006.026 Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.

6:27b.NUM.006.027 Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.

7

7:1b.NUM.007.001 [Ny zavatra naterin'ny lohan'ny firenen'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara] Ary tamin'ny andro izay nahavitan'i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,

7:2b.NUM.007.002 dia nitondra fanatitra ny lohan'ny firenen'ny Isiraely, dia ny lohan'ny fianakaviana (ireo no lohan'ny firenena, izay nifehy ny voalamina).

7:3b.NUM.007.003 Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan'i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin'ny folo, dia sariety iray no avy amin'ny lohan'ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan'ny tabernakely izy.

7:4b.NUM.007.004 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

7:5b.NUM.007.005 Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy.

7:6b.NUM.007.006 Dia noraisin'i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.

7:7b.NUM.007.007 Sariety roa sy omby efatra no nomeny ho an'ny taranak'i Gersona, araka ny fanompoany;

7:8b.NUM.007.008 ary sariety efatra sy omby valo no nomeny ho an'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany, eo amin'ny fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona.

7:9b.NUM.007.009 Fa ny taranak'i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.

7:10b.NUM.007.010 Dia ny lohan'ny firenena no nanatitra ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan'ny alitara izy.

7:11b.NUM.007.011 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aoka ny lohan'ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin'ny an'androny avy ho amin'ny fitokanana ny alitara.

7:12b.NUM.007.012 Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin'ny andro voalohany dia Nasona, zanak'i Aminadaba, avy tamin'ny firenen'i Joda.

7:13b.NUM.007.013 Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:14b.NUM.007.014 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

7:15b.NUM.007.015 ary vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

7:16b.NUM.007.016 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

7:17b.NUM.007.017 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Nasona, zanak'i Aminadaba.

7:18b.NUM.007.018 Ary tamin'ny andro faharoa dia Netanela, zanak'i Zoara, lohan'ny taranak'Isakara, no nanatitra.

7:19b.NUM.007.019 Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:20b.NUM.007.020 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

7:21b.NUM.007.021 ary vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

7:22b.NUM.007.022 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

7:23b.NUM.007.023 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Netanela, zanak'i Zoara.

7:24b.NUM.007.024 Ary tamin'ny andro fahatelo dia Eliaba, zanak'i Helona, lohan'ny taranak'i Zebolona, no nanatitra.

7:25b.NUM.007.025 Ny fanatiny dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:26b.NUM.007.026 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

7:27b.NUM.007.027 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

7:28b.NUM.007.028 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;

7:29b.NUM.007.029 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliaba, zanak'i Helona.

7:30b.NUM.007.030 Ary tamin'ny andro fahefatra dia Elizora, zanak'i Sedeora, lohan'ny taranak'i Robena, no nanatitra.

7:31b.NUM.007.031 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:32b.NUM.007.032 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra;

7:33b.NUM.007.033 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

7:34b.NUM.007.034 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

7:35b.NUM.007.035 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray ireo no fanatitr'i Elizora, zanak'i Sedeora.

7:36b.NUM.007.036 Ary tamin'ny andro fahadimy dia Selomiela, zanak'i Zorisaday, lohan'ny taranak'i Simeona, no nanatitra.

7:37b.NUM.007.037 Ny fanatiny dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:38b.NUM.007.038 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

7:39b.NUM.007.039 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

7:40b.NUM.007.040 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;

7:41b.NUM.007.041 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Selomiela, zanak'i Zorisaday,

7:42b.NUM.007.042 Ary tamin'ny andro fahenina dia Eliasafa, zanak'i Doela, lohan'ny taranak'i Gada, no nanatitra.

7:43b.NUM.007.043 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:44b.NUM.007.044 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

7:45b.NUM.007.045 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

7:46b.NUM.007.046 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

7:47b.NUM.007.047 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliasafa, zanak'i Doela.

7:48b.NUM.007.048 Ary tamin'ny andro fahafito dia Elisama, zanak'i Amihoda, lohan'ny taranak'i Efraima, no nanatitra.

7:49b.NUM.007.049 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:50b.NUM.007.050 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

7:51b.NUM.007.051 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

7:52b.NUM.007.052 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

7:53b.NUM.007.053 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Elisama, zanak'i Amihoda.

7:54b.NUM.007.054 Ary tamin'ny andro fahavalo dia Gamaliela, zanak'i Pedazora, lohan'ny taranak'i Manase, no nanatitra.

7:55b.NUM.007.055 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:56b.NUM.007.056 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

7:57b.NUM.007.057 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

7:58b.NUM.007.058 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

7:59b.NUM.007.059 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Gamaliela, zanak'i Pedazora.

7:60b.NUM.007.060 Ary tamin'ny andro fahasivy dia Abidana, zanak'i Gideony, lohan'ny taranak'i Benjamina, no nanatitra.

7:61b.NUM.007.061 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:62b.NUM.007.062 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

7:63b.NUM.007.063 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;

7:64b.NUM.007.064 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

7:65b.NUM.007.065 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Abidana, zanak'i Gideony.

7:66b.NUM.007.066 Ary tamin'ny andro fahafolo Ahiezera, zanak'i Amisaday, lohan'ny taranak'i Dana, no nanatitra.

7:67b.NUM.007.067 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:68b.NUM.007.068 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

7:69b.NUM.007.069 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

7:70b.NUM.007.070 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

7:71b.NUM.007.071 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahiezera, zanak'i Amisaday.

7:72b.NUM.007.072 Ary tamin'ny andro fahiraika ambin'ny folo dia Pagiela, zanak'i Okrana, lohan'ny taranak'i Asera. no nanatitra.

7:73b.NUM.007.073 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:74b.NUM.007.074 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

7:75b.NUM.007.075 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

7:76b.NUM.007.076 osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

7:77b.NUM.007.077 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Pagiela, zanak'i Okrana.

7:78b.NUM.007.078 Ary tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo dia Ahira, zanak'i Enana, lohan'ny taranak'i Naftaly, no nanatitra.

7:79b.NUM.007.079 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

7:80b.NUM.007.080 lovia kely volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

7:81b.NUM.007.081 vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;

7:82b.NUM.007.082 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

7:83b.NUM.007.083 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahira, zanak'i Enana.

7:84b.NUM.007.084 Ireo no zavatra naterin'ny lohan'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin'ny folo, lovia volafotsy roa ambin'ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin'ny folo;

7:85b.NUM.007.085 sekely telo-polo amby zato avy no lanjan'ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia famafazana; ny lanjan'ny volafotsy rehetra tamin'ireo fanaka ireo dia sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masina;

7:86b.NUM.007.086 lovia kely volamena roa ambin'ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masina; ny lanjan'ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.

7:87b.NUM.007.087 Ny isan'ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo, ondrilahy roa ambin'ny folo, zanak'ondry roa ambin'ny folo, izay samy iray taona,'mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota.

7:88b.NUM.007.088 Ary ny isan'ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr'ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak'ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin'ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.Ary rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, avy eo anelanelan'ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.

7:89b.NUM.007.089 Ary rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, avy eo anelanelan'ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.

8

8:1b.NUM.008.001 [Ny amin'ny fampirehetana ny jiro, sy ny nanadiovana ny Levita, ary ny fe-taona hanompoany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

8:2b.NUM.008.002 Mitenena amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy.

8:3b.NUM.008.003 Dia nataon'i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

8:4b.NUM.008.004 Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah an'i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.

8:5b.NUM.008.005 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

8:6b.NUM.008.006 Alao ny Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy.

8:7b.NUM.008.007 Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.

8:8b.NUM.008.008 Dia asaovy maka vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.

8:9b.NUM.008.009 Ary ento ny Levita hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.

8:10b.NUM.008.010 Ary ento ny Levita hankeo anatrehan'i Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tànany aminy;

8:11b.NUM.008.011 ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.

8:12b.NUM.008.012 Ary ny Levita hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita.

8:13b.NUM.008.013 Ary apetraho eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an'i Jehovah izy.

8:14b.NUM.008.014 Ary ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.

8:15b.NUM.008.015 Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;

8:16b.NUM.008.016 fa efa nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.

8:17b.NUM.008.017 Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.

8:18b.NUM.008.018 Ary efa nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely.

8:19b.NUM.008.019 Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy.

8:20b.NUM.008.020 Dia nataon'i Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.

8:21b.NUM.008.021 Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.

8:22b.NUM.008.022 Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataony taminy.

8:23b.NUM.008.023 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

8:24b.NUM.008.024 Ny amin'ny Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana;

8:25b.NUM.008.025 fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.

8:26b.NUM.008.026 kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.

9

9:1b.NUM.009.001 [Ny nitandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska tany an-efitr'i Sinay] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:

9:2b.NUM.009.002 Aoka hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany.

9:3b.NUM.009.003 Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity no hitandremanareo azy amin'ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.

9:4b.NUM.009.004 Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely mba hitandrina ny Paska.

9:5b.NUM.009.005 Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.

9:6b.NUM.009.006 Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin'izany andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany andro izany

9:7b.NUM.009.007 ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?

9:8b.NUM.009.008 Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo.

9:9b.NUM.009.009 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

9:10b.NUM.009.010 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy.

9:11b.NUM.009.011 Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.

9:12b.NUM.009.012 Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin'ny Paska ihany koa no hitandremany azy.

9:13b.NUM.009.013 Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.

9:14b.NUM.009.014 Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin'ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.

9:15b.NUM.009.015 [Ny amin'ny rahona izay nitarihan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely] Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro.

9:16b.NUM.009.016 Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.

9:17b.NUM.009.017 Ary rehefa niakatra niala tamin'ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak'Isiraely, ka teo amin'izay nijanonan'ny rahona no nitobiany.

9:18b.NUM.009.018 Araka ny didin'i Jehovah no niaingan'ny Zanak'Isiraely, ary araka ny didin'i Jehovah koa no nitobiany; tamin'ny andro rehetra izay nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely no nitobiany.

9:19b.NUM.009.019 Ary na dia nijanona ela teo ambonin'ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremana ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga.

9:20b.NUM.009.020 Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely; araka ny didin'i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany.

9:21b.NUM.009.021 Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely; koa na andro na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy.

9:22b.NUM.009.022 Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.Araka ny didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

9:23b.NUM.009.023 Araka ny didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

10

10:1b.NUM.010.001 [Ny trompetra volafotsy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

10:2b.NUM.010.002 Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.

10:3b.NUM.010.003 Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.

10:4b.NUM.010.004 Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan'ny firenena, izay mpifehy arivo amin'ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao.

10:5b.NUM.010.005 Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.

10:6b.NUM.010.006 Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.

10:7b.NUM.010.007 Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.

10:8b.NUM.010.008 Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.

10:9b.NUM.010.009 Ary raha misy ady eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny fahavalonareo.

10:10b.NUM.010.010 Ary amin'ny andro fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.

10:11b.NUM.010.011 [Ny niaingan'ny Zanak'Isiraely niala tany an-efitr'i Sinay, sy ny teny nataon'i Mosesy tamin i Hobaba. Ary tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa, no niakaran'ny rahona niala teo ambonin'ny tabernakelin'ny Vavolombelona.

10:12b.NUM.010.012 Dia niainga tany an-efitr'i Sinay ny Zanak'Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.

10:13b.NUM.010.013 Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

10:14b.NUM.010.014 Ary ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak'i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.

10:15b.NUM.010.015 Ary Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara.

10:16b.NUM.010.016 Ary Eliaba, zanak'i Helona, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Zebolona.

10:17b.NUM.010.017 Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary, nitondra ny tabernakely.

10:18b.NUM.010.018 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak'i Sedeora, no mpifehy ny antokony.

10:19b.NUM.010.019 Ary Selomiela, zanak'i Zorisaday, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Simeona.

10:20b.NUM.010.020 Ary Eliasafa, zanak'i Doela, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Gada.

10:21b.NUM.010.021 Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.

10:22b.NUM.010.022 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak'i Amihoda, no mpifehy ny antokony.

10:23b.NUM.010.023 Ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Manase.

10:24b.NUM.010.024 Ary Abidana, zanak'i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak'i Benjamina.

10:25b.NUM.010.025 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak'i Amisaday, no mpifehy ny antokony.

10:26b.NUM.010.026 Ary Pagiela, zanak'i Okrana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Asera.

10:27b.NUM.010.027 Ary Ahira, zanak'i Enana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Naftaly.

10:28b.NUM.010.028 Izany no fandehan'ny Zanak'Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.

10:29b.NUM.010.029 Dia hoy Mosesy tamin'i Hobaba, zanak'i Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin'ny Isiraely.

10:30b.NUM.010.030 Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin'ny taniko sy ny havako.

10:31b.NUM.010.031 Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao.

10:32b.NUM.010.032 Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon'i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.

10:33b.NUM.010.033 Dia niainga niala tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an'ny olona.

10:34b.NUM.010.034 Ary ny rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny nitobiany.

10:35b.NUM.010.035 Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina.

10:36b.NUM.010.036 Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina.

11

11:1b.NUM.011.001 [Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely tao Tabera sy Kibrota-hatava] Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan'i Jehovah ny olona, ary nony ren'i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon'i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin'ny toby.

11:2b.NUM.011.002 Dia nitaraina tamin'i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin'i Jehovah, dia maty ny afo.

11:3b.NUM.011.003 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon'i Jehovah.

11:4b.NUM.011.004 Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!

11:5b.NUM.011.005 Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin'ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.

11:6b.NUM.011.006 Fa izao dia maina ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany.

11:7b.NUM.011.007 Ary ny mana dia toy ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny bedola.

11:8b.NUM.011.008 Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny laona, ary nahandro azy tamin'ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.

11:9b.NUM.011.009 Ary raha nilatsaka tamin'ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana.

11:10b.NUM.011.010 Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin'ny isam-pianakaviany, samy teo amin'ny varavaran'ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary tsy sitrak'i Mosesy koa izany.

11:11b.NUM.011.011 Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity?

11:12b.NUM.011.012 Izaho va no torontoronina an'ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono, ho any amin'ny tany izay nianiananao tamin'ny razany homena azy?

11:13b.NUM.011.013 Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?

11:14b.NUM.011.014 Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.

11:15b.NUM.011.015 Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.

11:16b.NUM.011.016 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.

11:17b.NUM.011.017 Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin'ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin'ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.

11:18b.NUM.011.018 Koa lazao amin'ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan'i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo.

11:19b.NUM.011.019 Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza,

11:20b.NUM.011.020 fa hatramin'ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?

11:21b.NUM.011.021 Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana.

11:22b.NUM.011.022 Moa ondry aman'osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy?

11:23b.NUM.011.023 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nihafohy va ny tànan'i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.

11:24b.NUM.011.024 Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.

11:25b.NUM.011.025 Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.

11:26b.NUM.011.026 Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.

11:27b.NUM.011.027 Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.

11:28b.NUM.011.028 Dia namaly Josoa, zanak'i Nona, izay nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.

11:29b.NUM.011.029 Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny!

11:30b.NUM.011.030 Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely.

11:31b.NUM.011.031 Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin'ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin'ny tany izy.

11:32b.NUM.011.032 Dia nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson'iny koa ka nanangona ny papelika; ary izay kely fanangona no folo homera; ary nahahiny ho maina ireny manodidina ny toby.

11:33b.NUM.011.033 Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin'ny olona ny fahatezeran'i Jehovah, ary namely ny olony tamin'ny kapoka mafy indrindra Izy.

11:34b.NUM.011.034 Ary ny anaran'izany tany izany nataony hoe: Kibrota-hatava, satria teo no nandevenana ny olona izay liana.Ary niala tao Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy.

11:35b.NUM.011.035 Ary niala tao Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy.

12

12:1b.NUM.012.001 [Ny nanomezan'i Miriama sy Arona tsiny an'i Mosesy, sy ny nataon'Andriamanitra tamin'izany] Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.

12:2b.NUM.012.002 Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany.

12:3b.NUM.012.003 Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny tany.

12:4b.NUM.012.004 Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.

12:5b.NUM.012.005 Ary andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy.

12:6b.NUM.012.006 Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy.

12:7b.NUM.012.007 Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra.

12:8b.NUM.012.008 Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko?

12:9b.NUM.012.009 Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy.

12:10b.NUM.012.010 Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy.

12:11b.NUM.012.011 Ary hoy Arona tamin'i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.

12:12b.NUM.012.012 Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.

12:13b.NUM.012.013 Ary Mosesy dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!

12:14b.NUM.012.014 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha nandrora tamin'ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan'ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.

12:15b.NUM.012.015 Dia natokana tany ivelan'ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.

12:16b.NUM.012.016 Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.

13

13:1b.NUM.013.001 [Ny amin'ny mpisafo-tany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:

13:2b.NUM.013.002 Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy.

13:3b.NUM.013.003 Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.

13:4b.NUM.013.004 Ary izao no anarany: Avy tamin'ny firenen'i Robena dia Samoa, zanak'i Zakora;

13:5b.NUM.013.005 avy tamin'ny firenen'i Simeona dia Safata, zanak'i Hory;

13:6b.NUM.013.006 avy tamin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;

13:7b.NUM.013.007 avy tamin'ny firenen'Isakara dia Jigala, zanak'i Josefa;

13:8b.NUM.013.008 avy tamin'ny firenen'i Efraima dia Hosea, zanak'i Nona;

13:9b.NUM.013.009 avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Palty, zanak'i Rafo;

13:10b.NUM.013.010 avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Gadiela, zanak'i Sody;

13:11b.NUM.013.011 avy tamin'ny firenen'i Josefa, tamin'ny firenen'i Manase, dia Gady, zanak'i Sosy;

13:12b.NUM.013.012 avy tamin'ny firenen'i Dana dia Amiela, zanak'i Gemaly;

13:13b.NUM.013.013 avy tamin'ny firenen'i Asera dia Setora, zanak'i Mikaela;

13:14b.NUM.013.014 avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Naby, zanak'i Vofsy;

13:15b.NUM.013.015 avy tamin'ny firenen'i Gada dia Geoela, zanak'i Maky.

13:16b.NUM.013.016 Ireo no anaran'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa.

13:17b.NUM.013.017 Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin'ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;

13:18b.NUM.013.018 dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;

13:19b.NUM.013.019 ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;

13:20b.NUM.013.020 ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialin-taona.

13:21b.NUM.013.021 Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin'ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin'i Hamata.

13:22b.NUM.013.022 Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)

13:23b.NUM.013.023 Dia nankany amin'ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny ampongaben-danitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.

13:24b.NUM.013.024 Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin'ny Zanak'Isiraely teo.

13:25b.NUM.013.025 Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.

13:26b.NUM.013.026 Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.

13:27b.NUM.013.027 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.

13:28b.NUM.013.028 Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.

13:29b.NUM.013.029 Ny Amalekita no monina eo amin'ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin'ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny ranomasina sy eo amoron'i Jordana.

13:30b.NUM.013.030 Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.

13:31b.NUM.013.031 Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.

13:32b.NUM.013.032 Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.

13:33b.NUM.013.033 ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.

14

14:1b.NUM.014.001 [Ny nandavan'ny Zanak'Isiraely tsy hiakatra ho eny amin'ny tany Kanana] Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.

14:2b.NUM.014.002 Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona ny Zanak'Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin'ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin'ity efitra ity!

14:3b.NUM.014.003 Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?

14:4b.NUM.014.004 Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.

14:5b.NUM.014.005 Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.

14:6b.NUM.014.006 Ary Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, izay isan'ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;

14:7b.NUM.014.007 ary niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.

14:8b.NUM.014.008 Raha sitrak'i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.

14:9b.NUM.014.009 Fa aza miodina amin'i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.

14:10b.NUM.014.010 Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.

14:11b.NUM.014.011 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?

14:12b.NUM.014.012 Hamely azy amin'ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.

14:13b.NUM.014.013 Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Dia ho ren'ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,

14:14b.NUM.014.014 ary holazainy amin'ny monina eo amin'ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin'ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin'ny andri-rahona nony andro, ary amin'ny andri-afo nony alina.

14:15b.NUM.014.015 Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:

14:16b.NUM.014.016 Satria tsy zakan'i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.

14:17b.NUM.014.017 Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben'ny herin'ny Tompo, araka ilay teninao hoe:

14:18b.NUM.014.018 Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika.

14:19b.NUM.014.019 Mifona aminao aho, mamelà ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok'ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.

14:20b.NUM.014.020 Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.

14:21b.NUM.014.021 Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,

14:22b.NUM.014.022 ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,

14:23b.NUM.014.023 dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.

14:24b.NUM.014.024 Fa ny amin'i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin'ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.

14:25b.NUM.014.025 Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin'ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.

14:26b.NUM.014.026 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:

14:27b.NUM.014.027 Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin'izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, izay imonomononany amiko.

14:28b.NUM.014.028 Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:

14:29b.NUM.014.029 Etỳ amin'ity efitra ity no hiampatramparan'ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,

14:30b.NUM.014.030 dia tsy ho tonga mihitsy any amin'ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona.

14:31b.NUM.014.031 Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.

14:32b.NUM.014.032 Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin'ity efitra ity ny fatinareo;

14:33b.NUM.014.033 ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan'ny valin'ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.

14:34b.NUM.014.034 Araka ny isan'ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.

14:35b.NUM.014.035 Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin'izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin'ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.

14:36b.NUM.014.036 Ary ny lehilahy izay nirahin'1 Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin'i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy,

14:37b.NUM.014.037 dia matin'ny areti-mandringana teo anatrehan'i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny.

14:38b.NUM.014.038 Fa Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, kosa, izay isan'ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany.

14:39b.NUM.014.039 Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona.

14:40b.NUM.014.040 Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota izahay.

14:41b.NUM.014.041 Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin'i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.

14:42b.NUM.014.042 Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,

14:43b.NUM.014.043 fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.

14:44b.NUM.014.044 Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tsy niala teo an-toby.Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.

14:45b.NUM.014.045 Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.

15

15:1b.NUM.015.001 [Didy samy hafa ny amin'ny fanatitra] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

15:2b.NUM.015.002 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo

15:3b.NUM.015.003 ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia omby na ondry aman'osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin'ny sitrapo na amin'ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:

15:4b.NUM.015.004 izay manatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;

15:5b.NUM.015.005 ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-drà, amin'ny isan-janak'ondry iray.

15:6b.NUM.015.006 Ary ho fanampin'ny isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina;

15:7b.NUM.015.007 ary divay ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

15:8b.NUM.015.008 Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-drà ianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah,

15:9b.NUM.015.009 dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin'ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;

15:10b.NUM.015.010 ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

15:11b.NUM.015.011 Izany no hatao amin'ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak'ondry iray, na ny isan-janak'osy iray.

15:12b.NUM.015.012 Tahaka izany no hataonareo amin'izy rehetra, araka ny isan'ny zavatra aterinareo.

15:13b.NUM.015.013 Ny tompon-tany rehetra samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy.

15:14b.NUM.015.014 Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.

15:15b.NUM.015.015 Ary ny amin'ny fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan'i Jehovah na ianareo na ny vahiny.

15:16b.NUM.015.016 Lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo.

15:17b.NUM.015.017 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

15:18b.NUM.015.018 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany izay itondrako anareo ianareo

15:19b.NUM.015.019 ka hihinana mofo avy amin'ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an'i Jehovah.

15:20b.NUM.015.020 Hanokana mofo iray izay hatao amin'ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin'ny famoloana no hanokananareo izany.

15:21b.NUM.015.021 Ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an'i Jehovah hatramin'ny taranakareo fara mandimby.

15:22b.NUM.015.022 Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy,

15:23b.NUM.015.023 dia izay rehetra nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy anareo, hatramin'ny andro izay nanaovan'i Jehovah izany didy izany ka hatramin'ny taranakareo fara mandimby,

15:24b.NUM.015.024 koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr'ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.

15:25b.NUM.015.025 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.

15:26b.NUM.015.026 Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mbamin'izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy,

15:27b.NUM.015.027 Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.

15:28b.NUM.015.028 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny helony.

15:29b.NUM.015.029 Lalàna iray ihany no hatao amin'izay manota tsy nahy, na amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny vahiny eo aminareo.

15:30b.NUM.015.030 Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

15:31b.NUM.015.031 Fa ny tenin'i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.

15:32b.NUM.015.032 [Ny natao tamin'ilay lehilahy nanangona kitay tamin'ny andro Sabata] Ary raha tany an-efitra ny Zanak'Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin'ny andro Sabata.

15:33b.NUM.015.033 Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.

15:34b.NUM.015.034 Dia nambenana ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy.

15:35b.NUM.015.035 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra.

15:36b.NUM.015.036 Dia namoaka azy ho eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ihany.

15:37b.NUM.015.037 [Ny amin'ny hanaovana somotraviavy amin'ny sisin'ny fitafian'ny Zanak'Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

15:38b.NUM.015.038 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany hatramin'ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny somotraviaviny.

15:39b.NUM.015.039 Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,

15:40b.NUM.015.040 mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo ianareo.Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

15:41b.NUM.015.041 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

16

16:1b.NUM.016.001 [Ny niodinan'i Kora sy ny namany, sy ny nanamarinan'i Jehovah ny fisoronan'i Arona] Ary Kora, zanak'i Jizara, zanak'i Kehata, zanak'i Levy, ary Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, sy Ona, zanak'i Peleta, izay samy taranak'i Robena, dia nandrendri-bahoaka,

16:2b.NUM.016.002 ka nitsangana teo anatrehan'i Mosesy izy ireo sy ny Zanak'Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan'ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin'ny fiangonana sady nanan-daza;

16:3b.NUM.016.003 koa niangona hiodina amin'i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin'ny fiangonan'i Jehovah ianareo?

16:4b.NUM.016.004 Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy

16:5b.NUM.016.005 ka niteny tamin'i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'i Jehovah izay Azy sy izay masina ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.

16:6b.NUM.016.006 Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran'afo ho anareo rahampitso.

16:7b.NUM.016.007 dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin'i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay ianareo, ry taranak'i Levy!

16:8b.NUM.016.008 Dia hoy koa Mosesy tamin'i Kora: Henoy, ry taranak'i Levy:

16:9b.NUM.016.009 Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan'Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin'ny fiangonan'ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin'i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan'ny fiangonana hanompo azy?

16:10b.NUM.016.010 Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak'i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?

16:11b.NUM.016.011 Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin'i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo?

16:12b.NUM.016.012 Ary Mosesy naniraka nampaka an'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay.

16:13b.NUM.016.013 Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin'izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao?

16:14b.NUM.016.014 Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason'ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.

16:15b.NUM.016.015 Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin'i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin'ny anankiray aminy akory aza.

16:16b.NUM.016.016 Dia hoy Mosesy tamin'i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan'i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona.

16:17b.NUM.016.017 Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran'afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan'i Jehovah, dia fitondran'afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran'afony avy.

16:18b.NUM.016.018 Ary samy naka ny fitondran'afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona.

16:19b.NUM.016.019 Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah.

16:20b.NUM.016.020 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:

16:21b.NUM.016.021 Mihataha amin'ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja.

16:22b.NUM.016.022 Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra va Hianao?

16:23b.NUM.016.023 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

16:24b.NUM.016.024 Mitenena amin'ny fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama.

16:25b.NUM.016.025 Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin'i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon'ny Isiraely.

16:26b.NUM.016.026 Dia niteny tamin'ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin'ny lain'ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra.

16:27b.NUM.016.027 Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin'ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy mbamin'ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.

16:28b.NUM.016.028 Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin'ny saiko izany:

16:29b.NUM.016.029 Raha maty toy ny fahafatin'ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.

16:30b.NUM.016.030 Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo.

16:31b.NUM.016.031 Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny;

16:32b.NUM.016.032 eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra.

16:33b.NUM.016.033 Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy.

16:34b.NUM.016.034 Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany.Ary nisy afo nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.

16:35b.NUM.016.035 Ary nisy afo nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.

17

17:1b.NUM.017.001 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

17:2b.NUM.017.002 Mitenena amin'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin'ny may ny fitondran'afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masina ireny;

17:3b.NUM.017.003 ary ny fitondran'afon'ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin'ny alitara; fa nateriny teo anatrehan'i Jehovah ireny ka masina; ary ho famantarana ho an'ny Zanak'Isiraely ireny.

17:4b.NUM.017.004 Ary nalain'i Eleazara mpisorona ny fitondran'afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin'ny alitara

17:5b.NUM.017.005 ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak'i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah; fandrao ho tahaka an'i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

17:6b.NUM.017.006 Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin'i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon'i Jehovah.

17:7b.NUM.017.007 Ary raha niangona hanome tsiny an'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i Jehovah.

17:8b.NUM.017.008 Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana.

17:9b.NUM.017.009 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

17:10b.NUM.017.010 Mialà amin'io fiangonana io handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.

17:11b.NUM.017.011 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Alao ny fitondran'afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin'ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin'i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.

17:12b.NUM.017.012 Dia nalain'i Arona izany, araka izay nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an'ny olona.

17:13b.NUM.017.013 Dia nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.

17:14b.NUM.017.014 Ary izay efa matin'ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin'i Kora.

17:15b.NUM.017.015 Ary Arona niverina ho eo amin'i Mosesy teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.

17:16b.NUM.017.016 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

17:17b.NUM.017.017 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan'ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin'ny folo; ary samy soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'izy rehetra.

17:18b.NUM.017.018 Fa ny anaran'i Arona no hosoratanao amin'ny tehin'i Levy; fa tehina iray avy no ho an'ny lohan'ny fianakaviany.

17:19b.NUM.017.019 Dia hataonao ao amin'ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan'ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo.

17:20b.NUM.017.020 Ary ny tehin'ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.

17:21b.NUM.017.021 Ary Mosesy dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, ka ny lohan'ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo; ary ny tehin'i Arona dia teo afovoan'ireo tehiny ireo.

17:22b.NUM.017.022 Dia napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah, dia tao amin'ny trano lain'ny Vavolombelona ireo tehina ireo.

17:23b.NUM.017.023 Ary nony ampitso dia niditra tao amin'ny trano-lain'ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin'i Arona, izay ho an'ny taranak'i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.

17:24b.NUM.017.024 Dia nentin'i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan'i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin'ny Zanak'Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.

17:25b.NUM.017.025 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Avereno ny tehin'i Arona ho eo anoloan'ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an'ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.

17:26b.NUM.017.026 Dia nataon'i Mosesy izany; araka izay efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.

17:27b.NUM.017.027 Dia niteny tamin'i Mosesy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra.Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty va izahay?

17:28b.NUM.017.028 Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty va izahay?

18

18:1b.NUM.018.001 [Ny amin'ny raharahan'ny Levita sy ny mpisorona, ary ny zavatra izay natao anjarany] Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.

18:2b.NUM.018.002 Ary ny rahalahinao avy amin'ny firenen'i Levy izay firenen'ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan'ny trano-lain'ny Vavolombelona.

18:3b.NUM.018.003 Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa.

18:4b.NUM.018.004 Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.

18:5b.NUM.018.005 Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak'Isiraely intsony.

18:6b.NUM.018.006 Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin'ny Zanak'Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an'i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.

18:7b.NUM.018.007 Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin'ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin'ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.

18:8b.NUM.018.008 Ary Jehovah niteny tamin'i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay.

18:9b.NUM.018.009 Izao no ho anao amin'ny zavatra masina indrindra, avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ny taranakao izany.

18:10b.NUM.018.010 Toy ny fihinananao ny zavatra masina indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy: masina ho anao izany.

18:11b.NUM.018.011 Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana izany.

18:12b.NUM.018.012 Izay rehetra tsara indrindra amin'ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an'i Jehovah, dia efa nomeko anao.

18:13b.NUM.018.013 Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin'ny taniny, izay hateriny ho an'i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.

18:14b.NUM.018.014 Ny zavatra rehetra voatokana amin'ny Isiraely dia ho anao.

18:15b.NUM.018.015 Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an'i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.

18:16b.NUM.018.016 Ary ny amin'ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany).

18:17b.NUM.018.017 Fa ny voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy kosa tsy mba havotanao, fa masina ireny; ny ràny dia hatopinao amin'ny alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

18:18b.NUM.018.018 Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana.

18:19b.NUM.018.019 Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin'ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan'i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa.

18:20b.NUM.018.020 Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin'ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin'ny Zanak'Isiraely.

18:21b.NUM.018.021 Ary, indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana.

18:22b.NUM.018.022 Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak'Isiraely, fandrao meloka izy ka maty.

18:23b.NUM.018.023 Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.

18:24b.NUM.018.024 Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.

18:25b.NUM.018.025 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

18:26b.NUM.018.026 Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany.

18:27b.NUM.018.027 Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana.

18:28b.NUM.018.028 Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an'i Jehovah avy amin'ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin'ny Zanak'Isiraely; ary avy amin'izany no hanateranareo ho an'i Jehovah, dia ho an'i Arona mpisorona.

18:29b.NUM.018.029 Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.

18:30b.NUM.018.030 Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an'ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana izany.

18:31b.NUM.018.031 Dia mahazo mihinana izany eo amin'ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin'ny trano-lay fihaonana.Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.

18:32b.NUM.018.032 Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.

19

19:1b.NUM.019.001 [Ny lalàna ny amin'ny vantotr'ombivavy mena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:

19:2b.NUM.019.002 Izao no lalàna hotandremana, izay efa nandidian'i Jehovah: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondrany vantotr'ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola nasiana zioga.

19:3b.NUM.019.003 Ary omeo ho an'i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan'ny toby ka hovonoina eo anatrehany.

19:4b.NUM.019.004 Dia hanalan'i Eleazara mpisorona amin'ny fanondrony ny ràny ka hafafiny impito manandrify ny trano-lay fihaonana.

19:5b.NUM.019.005 Dia hodorana eo imasony ilay vantotr'ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny ràny mbamin'ny tain-drorohany dia hodorana avokoa.

19:6b.NUM.019.006 Ary ny mpisorona dia haka hazo sedera sy hysopa ary jaky ka hanipy azy eo afovoan'ny afo andoroana ny vantotr'ombivavy.

19:7b.NUM.019.007 Dia hosasan'ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin'ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin'ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan'ny andro ny mpisorona.

19:8b.NUM.019.008 Ary izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

19:9b.NUM.019.009 Dia hangonin'izay lehilahy madio anankiray ny lavenon'ilay vantotr'ombivavy ka hapetrany eo ivelan'ny toby eo amin'izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an'ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.

19:10b.NUM.019.010 Ary ilay nanangona ny lavenon'ny vantotr'ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany.

19:11b.NUM.019.011 Izay mikasika fatin'olona dia haloto hafitoana.

19:12b.NUM.019.012 Hanadio ny tenany amin'izany rano izany izy amin'ny andro fahatelo, ary amin'ny andro fahafito dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo kosa izy, dia tsy hadio amin'ny andro fahafito.

19:13b.NUM.019.013 Izay rehetra mikasika fatin'olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin'i Jehovah ka hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany.

19:14b.NUM.019.014 Izao no lalàna, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin'ny lay dia haloto hafitoana.

19:15b.NUM.019.015 Ary ny fanaka rehetra misokatra izay tsy misy rakotra voafehy aminy, dia haloto.

19:16b.NUM.019.016 Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin'olona, na taolan'olona, na fasana, dia haloto hafitoana.

19:17b.NUM.019.017 Dia hangalana ho an'ny maloto ny lavenon'ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany rano nalaina tamin'ny rano mandeha izany eo am-bilia.

19:18b.NUM.019.018 Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin'ny rano, dia hafafiny amin'ny lay mbamin'ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin'aretina, na ny fasana.

19:19b.NUM.019.019 Ary ny maloto dia hofafazan'ilay olona madio amin'ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin'ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny rano, dia hadio rehefa hariva.

19:20b.NUM.019.020 Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.

19:21b.NUM.019.021 Dia ho lalàna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan'ny andro.Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra- paharivan'ny andro.

19:22b.NUM.019.022 Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra- paharivan'ny andro.

20

20:1b.NUM.020.001 [Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely tao Kadesy, sy ny nahadiso an'i Mosesy sy Arona tamin'izy nampivoaka rano avy tamin'ny vatolampy] Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.

20:2b.NUM.020.002 Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.

20:3b.NUM.020.003 Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah!

20:4b.NUM.020.004 Fa nahoana no nitondra ny fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?

20:5b.NUM.020.005 Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin'ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?

20:6b.NUM.020.006 Dia niala teo anatrehan'ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah.

20:7b.NUM.020.007 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

20:8b.NUM.020.008 Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an'ny olona avy amin'ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

20:9b.NUM.020.009 Dia nalain'i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidiany azy.

20:10b.NUM.020.010 Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?

20:11b.NUM.020.011 Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

20:12b.NUM.020.012 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason'ny Zanak'Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin'ny tany izay nomeko azy ianareo.

20:13b.NUM.020.013 Ity no ranon'i Meriba, izay nilan'ny Zanak'Isiraely ady tamin'i Jehovah, ka nisehoan'i Jehovah ho masina tamin'ny nataony taminy.

20:14b.NUM.020.014 [Ny teny nampitondrain'ny Isiraely tamin'ny mpanjakan'i Edoma] Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:

20:15b.NUM.020.015 dia ny nidinan'ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;

20:16b.NUM.020.016 ary raha nitaraina tamin'i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin'ny faritry ny taninao, izahay;

20:17b.NUM.020.017 koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana akory: ny lalan'andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.

20:18b.NUM.020.018 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin'ny sabatra aho.

20:19b.NUM.020.019 Dia hoy ny Zanak'Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman'ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.

20:20b.NUM.020.020 Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.

20:21b.NUM.020.021 Toy izany no nandavan'ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak'Isiraely.

20:22b.NUM.020.022 Ary nifindra ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.

20:23b.NUM.020.023 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin'ny fari-tanin'i Edoma, ka nanao hoe:

20:24b.NUM.020.024 Arona hangonina any amin'ny razany; fa tsy hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny Zanak'Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin'ny ranon'i Meriba ianareo.

20:25b.NUM.020.025 Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;

20:26b.NUM.020.026 dia esory ny fitafian'i Arona, ka atafio an'i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin'ny razany ka ho faty ao.

20:27b.NUM.020.027 Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason'ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.

20:28b.NUM.020.028 Dia nesorin'i Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.

20:29b.NUM.020.029 Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.

21

21:1b.NUM.021.001 [Ny nandresen'ny Isiraely ny mpanjakan'i Arada] Ary raha ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo, fa efa mandeha amin'ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin'ny Isiraely.

21:2b.NUM.021.002 Dia nivoady tamin'i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.

21:3b.NUM.021.003 Ary Jehovah nihaino ny feon'ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon'ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Horma.

21:4b.NUM.021.004 [Ny Menarana Varahina] Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny lalana.

21:5b.NUM.021.005 Ary niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin'ny lalan'ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.

21:6b.NUM.021.006 Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.

21:7b.NUM.021.007 Dia nankeo amin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an'i Jehovah sy ianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy.

21:8b.NUM.021.008 Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantòny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.

21:9b.NUM.021.009 Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.

21:10b.NUM.021.010 [Ny nandehanan'ny Isiraely nanodidina ny tany Edoma sy Moaba, ary ny nandreseny an'i Sihona sy Oga] Ary ny Zanak'Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.

21:11b.NUM.021.011 Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin'ny efitra izay mifanolotra amin'i Moaba, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.

21:12b.NUM.021.012 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin'ny lohasahan-driaka Zareda.

21:13b.NUM.021.013 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita.

21:14b.NUM.021.014 Koa izany no ilazana eo amin'ny Bokin'ny Adin'i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona,

21:15b.NUM.021.015 Ary ny tany kisolosolo amin'ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin'ny tanin'i Ara ka mipaka amin'ny fari-tanin'i Moaba.

21:16b.NUM.021.016 Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan'i Jehovah tamin'i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy.

21:17b.NUM.021.017 Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy;

21:18b.NUM.021.018 Lavaka fantsakana izay nohadin'ireo mpanao lalàna, ary nolavahan'ireo manan-kaja amin'ny firenena. Tamin'ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.

21:19b.NUM.021.019 Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;

21:20b.NUM.021.020 ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin'ny tany Moaba, ao an-tampon'i Pisga, izay manatrika ny efitra.

21:21b.NUM.021.021 Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, hanao hoe:

21:22b.NUM.021.022 Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin'ny saha na ho amin'ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana; ny lalan'andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.

21:23b.NUM.021.023 Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin'ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin'ny Isiraely teo izy.

21:24b.NUM.021.024 Ary ny Isiraely namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin'ny taranak'i Amona; fa mafy ny fari-tanin'ny taranak'i Amona.

21:25b.NUM.021.025 Dia nalain'ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan'ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.

21:26b.NUM.021.026 Hesbona no tanànan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.

21:27b.NUM.021.027 Izany no nanaovan'ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan'i Sihona;

21:28b.NUM.021.028 Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan'i Sihona, Ka nandevona an'i Aran'i Moaba sy ny tompon'ny havoan'i Arnona.

21:29b.NUM.021.029 Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon'i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.

21:30b.NUM.021.030 Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an'i Medeba.

21:31b.NUM.021.031 Dia nitoetra tao amin'ny tanin'ny Amorita ny Isiraely.

21:32b.NUM.021.032 Ary Mosesy naniraka olona hisafo an'i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.

21:33b.NUM.021.033 Ary niverina ny olona ka niakatra tamin'ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan'i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.

21:34b.NUM.021.034 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.

21:35b.NUM.021.035 Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.

22

22:1b.NUM.022.001 Ary ny Zanak'Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

22:2b.NUM.022.002 [Ny nampanalan'i Balaka an'i Balama] Ary Balaka, zanak'i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon'ny Isiraely tamin'ny Amorita.

22:3b.NUM.022.003 Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan'ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak'Isiraely.

22:4b.NUM.022.004 Dia hoy izy tamin'ny loholon'ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan'ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak'i Zipora, no mpanjakan'i Moaba tamin'izany andro izany.

22:5b.NUM.022.005 Dia naniraka olona izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;

22:6b.NUM.022.006 koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin'ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.

22:7b.NUM.022.007 Dia nandeha ny loholon'ny Moabita sy ny loholon'ny Midianita nitondra ny saran'ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin'i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin'i Balaka.

22:8b.NUM.022.008 Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain'i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin'i Balama ireo andrian-dahin'i Moaba.

22:9b.NUM.022.009 Ary Andriamanitra nankao amin'i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?

22:10b.NUM.022.010 Dia hoy Balama tamin'Andriamanitra: Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe:

22:11b.NUM.022.011 Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.

22:12b.NUM.022.012 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.

22:13b.NUM.022.013 Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin'ireo andriandahin'i Balaka hoe: Andeha mody any amin'ny taninareo; fa tsy avelan'i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.

22:14b.NUM.022.014 Ary niainga ireo andriandahin'i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama.

22:15b.NUM.022.015 Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.

22:16b.NUM.022.016 Dia tonga tao amin'i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Balaka, zanak'i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;

22:17b.NUM.022.017 fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa masìna ianao, mankanesa atỳ, ozòny ho ahy ity firenena ity.

22:18b.NUM.022.018 Fa namaly Balama ka nanao tamin'ny mpanompon'i Balaka hoe: Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volemana eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin'i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.

22:19b.NUM.022.019 Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain'i Jehovah amiko koa.

22:20b.NUM.022.020 Ary nony alina dia nankao amin'i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan'ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.

22:21b.NUM.022.021 Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin'ireo andriandahin'i Moaba.

22:22b.NUM.022.022 Ary nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.

22:23b.NUM.022.023 Dia hitan'ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin'ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin'ny lalana.

22:24b.NUM.022.024 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan'ny tanim-boaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa.

22:25b.NUM.022.025 Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin'i Jehovah, dia niampify teo amin'ny fefy ka nanery ny tongotr'i Balama tamin'ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.

22:26b.NUM.022.026 Ary mbola nandroso Ilay Anjelin'i Jehovah ka nijanona teo amin'ny fitoerana èty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.

22:27b.NUM.022.027 Ary ny boriky nahita ilay Anjelin'i Jehovah, dia nandry teo ambanin'i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran'i Balama ka nikapoka ny boriky tamin'ny tehina izy.

22:28b.NUM.022.028 Dia nosokafan'i Jehovah ny vavan'ny boriky, ka hoy ny boriky tamin'i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?

22:29b.NUM.022.029 Dia hoy Balama tamin'ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.

22:30b.NUM.022.030 Ary hoy ny boriky tamin'i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.

22:31b.NUM.022.031 Dia nampahiratin'i Jehovah ny mason'i Balama hahita Ilay Anjelin'i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.

22:32b.NUM.022.032 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.

22:33b.NUM.022.033 Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.

22:34b.NUM.022.034 Dia hoy Balama tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.

22:35b.NUM.022.035 Fa hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Balama: Mandehana ihany miaraka amin'ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin'ireo andriandahin'i Balaka.

22:36b.NUM.022.036 Ary nony ren'i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin'ny Tanànan'i Moaba, teo amin'ny fari-tanin'i Arnona, izay eo amin'ny sisin'ny fari-tany.

22:37b.NUM.022.037 Ary hoy Balaka tamin'i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao;? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?

22:38b.NUM.022.038 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon'Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.

22:39b.NUM.022.039 Dia nandeha Balama niaraka tamin'i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.

22:40b.NUM.022.040 Ary Balaka namono omby sy ondry aman'osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an'i Balama sy ny andriandahy izay teo aminy.[Ny oha-teny nataon'i Balama] Ary nony maraina Balama dia nalain'i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin'ny sisin'ny tobiny.

22:41b.NUM.022.041 [Ny oha-teny nataon'i Balama] Ary nony maraina Balama dia nalain'i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin'ny sisin'ny tobiny.

23

23:1b.NUM.023.001 Ary hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.

23:2b.NUM.023.002 Dia narahin'i Balaka izay efa nolazain'i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.

23:3b.NUM.023.003 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.

23:4b.NUM.023.004 Ary Andriamanitra dia nihaona tamin'i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara aho.

23:5b.NUM.023.005 Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan'i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin'i Balaka, ary izany no holazainao.

23:6b.NUM.023.006 Dia niverina tany amin'i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba rehetra.

23:7b.NUM.023.007 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy avy tany amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.

23:8b.NUM.023.008 Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin'i Jehovah?

23:9b.NUM.023.009 Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.

23:10b.NUM.023.010 Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!

23:11b.NUM.023.011 Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.

23:12b.NUM.023.012 Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon'i Jehovah eto am-bavako?

23:13b.NUM.023.013 Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.

23:14b.NUM.023.014 Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.

23:15b.NUM.023.015 Dia hoy izy tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin'i Jehovah.

23:16b.NUM.023.016 Ary Jehovah nihaona tamin'i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin'i Balaka ary izany no holazainao.

23:17b.NUM.023.017 Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain'i Jehovah?

23:18b.NUM.023.018 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna,, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak'i Zipora;

23:19b.NUM.023.019 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?

23:20b.NUM.023.020 Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.

23:21b.NUM.023.021 Tsy mijery faharatsiana eo amin'i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin'ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin'andriana no re eo aminy.

23:22b.NUM.023.022 Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,

23:23b.NUM.023.023 Fa tsy misy fisikidianana eo amin'i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin'Isiraely. Fa amin'ny fotoana no hilazana amin'i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon'i Jehovah.

23:24b.NUM.023.024 Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran'ny voavono.

23:25b.NUM.023.025 Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory

23:26b.NUM.023.026 Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin'i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain'i Jehovah, izany no hataoko?

23:27b.NUM.023.027 Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Andeha ho entiko any amin'izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak'Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.

23:28b.NUM.023.028 Ary Balama dia nentin'i Balaka ho ao an-tampon'i Peora, izay manatrika ny efitra.

23:29b.NUM.023.029 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain'i Balama ka nanatitra vantotr'ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.

23:30b.NUM.023.030 Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain'i Balama ka nanatitra vantotr'ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.

24

24:1b.NUM.024.001 Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.

24:2b.NUM.024.002 Dia natopin'i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama.

24:3b.NUM.024.003 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony

24:4b.NUM.024.004 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:

24:5b.NUM.024.005 Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!

24:6b.NUM.024.006 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.

24:7b.NUM.024.007 Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.

24:8b.NUM.024.008 Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin'ny zana-tsipìkany.

24:9b.NUM.024.009 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!

24:10b.NUM.024.010 Dia nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.

24:11b.NUM.024.011 Koa ankehitriny, mandosira ho any amin'ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.

24:12b.NUM.024.012 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin'ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:

24:13b.NUM.024.013 Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin'i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin'ny saiko; izay holazain'i Jehovah ihany no holazaiko?

24:14b.NUM.024.014 Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin'ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin'izay hataon'ity firenena ity amin'ny vahoakanao any am-parany.

24:15b.NUM.024.015 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony;

24:16b.NUM.024.016 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:

24:17b.NUM.024.017 Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin'i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin'Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin'i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.

24:18b.NUM.024.018 Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.

24:19b.NUM.024.019 Ary avy amin'i Jakoba no isehoan'Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.

24:20b.NUM.024.020 Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin'ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.

24:21b.NUM.024.021 Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin'ny vatolampy ny akaninao.

24:22b.NUM.024.022 Kanefa ho ringana Kaina, alohan'ny hamaboan'i Asyra anao.

24:23b.NUM.024.023 Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?

24:24b.NUM.024.024 Ary hisy sambo avy any amin'ny tany Kitima, dia hampietry an'i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin'ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin'izay nalehany.

24:25b.NUM.024.025 Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin'ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin'izay nalehany.

25

25:1b.NUM.025.001 [Ny nijangajangan'ny Isiraely tamin'ny zanakavavin'ny Moabita] Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin'ny zanakavavin'ny Moabita izy.

25:2b.NUM.025.002 Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin'ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an'ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin'ny andriamaniny.

25:3b.NUM.025.003 Dia niray tamin'i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran'i Jehovah.

25:4b.NUM.025.004 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin'ny masoandro eo anatrehan'i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.

25:5b.NUM.025.005 Dia hoy Mosesy tamin'ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin'i Bala-peora.

25:6b.NUM.025.006 Ary, indro, avy ny anankiray tamin'ny Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny rahalahiny, teo imason'i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

25:7b.NUM.025.007 Ary raha nahita izany Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin'ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany;

25:8b.NUM.025.008 dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin'ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin'ny Zanak'Isiraely.

25:9b.NUM.025.009 Ary izay maty tamin'ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.

25:10b.NUM.025.010 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

25:11b.NUM.025.011 Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin'ny Zanak'Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak'Isiraely tamin'ny firehetan'ny fahatezerako.

25:12b.NUM.025.012 Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken'ny fihavanako;

25:13b.NUM.025.013 ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken'ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an'Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely.

25:14b.NUM.025.014 Ary ny anaran'ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Simeonita.

25:15b.NUM.025.015 Ary ny anaran'ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak'i Zora, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Midianita.

25:16b.NUM.025.016 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

25:17b.NUM.025.017 Rafeso ny Midianita, ka iadio;fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora.

25:18b.NUM.025.018 fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora.

26

26:1b.NUM.026.001 [Ny nandaminana ny Isiraely fanindroany, teo Arbota-moaba] Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Eleazara, zanak'i Arona mpisorona:

26:2b.NUM.026.002 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin'ny Isiraely azo halefa hanafika.

26:3b.NUM.026.003 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:

26:4b.NUM.026.004 Ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely izay nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.

26:5b.NUM.026.005 Robena, lahimatoan'Isiraely; ary ny zanak'i Robena dia Hanoka sy ny fokon'ny Hanokita; avy tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita;

26:6b.NUM.026.006 avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Karmy ny fokon'ny Karmita.

26:7b.NUM.026.007 Ireo no fokon'ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.

26:8b.NUM.026.008 Ary ny zanak'i Palo dia Eliaba.

26:9b.NUM.026.009 Ary ny zanak'i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin'ny fiangonana, izay nila ady tamin'i Mosesy sy Arona, teo amin'ny antokon'i Kora, raha nila ady tamin'i Jehovah izy,

26:10b.NUM.026.010 ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin'i Kora, tamin'ny nahafatesan'izany antokony izany, ary levon'ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.

26:11b.NUM.026.011 Kanefa ny zanak'i Kora tsy mba maty.

26:12b.NUM.026.012 Ny taranak'i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Nemoela ny fokon'ny Nemoelita; avy tamin'i Jamina ny fokon'ny Jaminita; avy tamin'i Jakina ny fokon'ny Jakinita;

26:13b.NUM.026.013 avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita; avy tamin'i Saoly ny fokon'ny Saolita.

26:14b.NUM.026.014 Ireo no fokon'ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.

26:15b.NUM.026.015 Ny taranak'i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Zefona ny fokon'ny Zefonita; avy tamin'i Hagy ny fokon'ny Hagita; avy tamin'i Sony ny fokon'ny Sonita;

26:16b.NUM.026.016 avy tamin'i Ozny ny fokon'ny Oznita; avy tamin'i Erỳ ny fokon'ny Erita;

26:17b.NUM.026.017 avy tamin'i Aroda ny fokon'ny Arodita; avy tamin'i Arely ny fokon'ny Arelita.

26:18b.NUM.026.018 Ireo no fokon'ny zanak'i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina

26:19b.NUM.026.019 Ny zanak'i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany.

26:20b.NUM.026.020 Ary ny taranak'i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sela ny fokon'ny Selita; avy tamin'i Fareza ny fokon'ny Farezita; avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita.

26:21b.NUM.026.021 Ary ny taranak'i Fareza dia izao: avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita.

26:22b.NUM.026.022 Ireo no fokon'i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.

26:23b.NUM.026.023 Ny taranak'Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Tola ny fokon'ny Tolita; avy tamin'i Pova ny fokon'ny Povita;

26:24b.NUM.026.024 avy tamin'i Jasoba ny fokon'ny Jasobita; avy tamin'i Simrona ny fokon'ny Simronita,

26:25b.NUM.026.025 Ireo no fokon'Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.

26:26b.NUM.026.026 Ny taranak'i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sereda ny fokon'ny Seredita; avy tamin'i Elona ny fokon'ny Elonita; avy tamin'i Jahalela ny fokon'ny Jahalelita.

26:27b.NUM.026.027 Ireo no fokon'ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy. dia diman-jato amby enina alina.

26:28b.NUM.026.028 Ny zanak'i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.

26:29b.NUM.026.029 Ny taranak'i Manase dia izao: avy tamin'i Makira ny fokon'ny Makirita; ary Makira niteraka an'i Gileada; avy tamin'i Gileada ny fokon'ny Gileadita.

26:30b.NUM.026.030 Izao no taranak'i Gileada: avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Heleka ny fokon'ny Helekita;

26:31b.NUM.026.031 ary avy tamin'i Äsriela ny fokon'ny Asrielita; ary avy tamin'i Sekema ny fokon'ny Sekemita;

26:32b.NUM.026.032 ary avy tamin'i Semida ny fokon'ny Semidita; ary avy tamin'i Hefera ny fokon'ny Heferita.

26:33b.NUM.026.033 Ary Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.

26:34b.NUM.026.034 Ireo no fokon'i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.

26:35b.NUM.026.035 Izao no taranak'i Efraima, araka ny fokony: avy tamin'i Sotela ny fokon'ny Sotelita; avy tamin'i Bekera ny fokon'ny Bekerita; avy tamin'i Tahana ny fokon'ny Tahanita.

26:36b.NUM.026.036 Ary izao no taranak'i Sotela: avy tamin'i Erana ny fokon'ny Eranita.

26:37b.NUM.026.037 Ireo no fokon'ny taranak'i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak'i Josefa araka ny fokony.

26:38b.NUM.026.038 Ny taranak'i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Bela ny fokon'ny Belita; avy tamin'i Asibela ny fokon'ny Asibelita; avy tamin'i Ahirama ny fokon'ny Ahiramita;

26:39b.NUM.026.039 avy tamin'i Sefofama ny fokon'ny Sefofamita; avy tamin'i Hofama ny fokon'ny Hofamita.

26:40b.NUM.026.040 Ary ny taranak'i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon'ny Ardita; ary avy tamin'i Namana ny fokon'ny Namanita.

26:41b.NUM.026.041 Ireo no taranak'i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.

26:42b.NUM.026.042 Izao no taranak'i Dana, araka ny fokony: avy tamin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i Dana, araka ny fokony.

26:43b.NUM.026.043 Ny fokon'ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.

26:44b.NUM.026.044 Ny taranak'i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin'i Jimna ny fokon'ny Jimnita; avy tamin'i Jisvy ny fokon'ny Jisvita; avy tamin'i Bena ny fokon'ny Berita;

26:45b.NUM.026.045 avy tamin'ny zanak'i Bena dia izao: avy tamin'i Hebera ny fokon'ny Heberita; avy tamin'i Malkiela ny fokon'ny Malkielita.

26:46b.NUM.026.046 Ary ny anaran'ny zanakavavin'i Asera dia Sera.

26:47b.NUM.026.047 Ireo no fokon'ny taranak'i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.

26:48b.NUM.026.048 Ny taranak'i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Jaziela ny fokon'ny Jazielita; avy tamin'i Gony ny fokon'ny Gonita;

26:49b.NUM.026.049 avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Silema ny fokon'ny Silemita.

26:50b.NUM.026.050 Ireo no fokon'i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.

26:51b.NUM.026.051 Ireo no voalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.

26:52b.NUM.026.052 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

26:53b.NUM.026.053 Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.

26:54b.NUM.026.054 Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.

26:55b.NUM.026.055 Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran'ny firenen'ny razany no hahazoany zara-tany.

26:56b.NUM.026.056 Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an'ny maro, na ny ho an'ny vitsy.

26:57b.NUM.026.057 Ary izao no voalamina tamin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony: avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Gersonita; avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Kehatita; avy tamin'i Merary ny fokon'ny Merarita.

26:58b.NUM.026.058 Izao no fokon'i Levy: ny fokon'ny Libnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita, ny fokon'ny Mosita, ny fokon'ny Koralta. Ary Kehata niteraka an'i Amrama.

26:59b.NUM.026.059 Ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin'i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an'i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin'i Amrama izy.

26:60b.NUM.026.060 Ary ny naterak'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.

26:61b.NUM.026.061 Fa maty Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah.

26:62b.NUM.026.062 Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin'ny Zanak'Isiraely.

26:63b.NUM.026.063 Ireo no voalamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

26:64b.NUM.026.064 Ary tamin'ireo dia tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay.Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.

26:65b.NUM.026.065 Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.

27

27:1b.NUM.027.001 [Ny fanontanian'ny zanakavavin'i Zelofada, sy ny lalàna izay natao ny amin'izany] Ary avy ny zanakavavin'i Zelofada, zanakalahin'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),

27:2b.NUM.027.002 dia nitsangana teo anatrehan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:

27:3b.NUM.027.003 Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan'ny antokon'i Kora izay niangona hiodina tamin'i Jehovah tsy akory; fa matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.

27:4b.NUM.027.004 Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay.

27:5b.NUM.027.005 Ary nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah ny tenin'ireo.

27:6b.NUM.027.006 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

27:7b.NUM.027.007 Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada: omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.

27:8b.NUM.027.008 Ary lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.

27:9b.NUM.027.009 Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.

27:10b.NUM.027.010 Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.

27:11b.NUM.027.011 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak'Isiraely izany araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

27:12b.NUM.027.012 [Ny amin'ny hahafatesan'i Mosesy, sy ny nanendrena an'i Josoa ho mpandimby azy. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.

27:13b.NUM.027.013 Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin'ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an'i Arona rahalahinao;

27:14b.NUM.027.014 fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)

27:15b.NUM.027.015 Ary Mosesy niteny tamin'i Jehovah hoe:

27:16b.NUM.027.016 Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana

27:17b.NUM.027.017 ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'i Jehovah.

27:18b.NUM.027.018 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;

27:19b.NUM.027.019 ary asaovy mijoro eo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.

27:20b.NUM.027.020 Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy.

27:21b.NUM.027.021 Ary Josoa hijanona eo anatrehan'i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin'ny fitsaran'i Orima eo anatrehan'i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak'Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.

27:22b.NUM.027.022 Ary nataon'i Mosesy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy; dia naka an'i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetraka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

27:23b.NUM.027.023 ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

28

28:1b.NUM.028.001 [Fandaharana ny fanatitra atao isan'andro sy amin'izay fotoana hafa voatendrin'Andriamanitra] Ary Jehovah niteny tamin'i ka nanao hoe:

28:2b.NUM.028.002 Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin'ny fotoany avy.

28:3b.NUM.028.003 Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin'ny afo, izay haterinareo ho an'i Jehovah: zanak'ondry roa isan'andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva

28:4b.NUM.028.004 (ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva),

28:5b.NUM.028.005 ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.

28:6b.NUM.028.006 Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

28:7b.NUM.028.007 Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray; ao amin'ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an'i Jehovah ho fanatitra aidina.

28:8b.NUM.028.008 Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

28:9b.NUM.028.009 Ary amin'ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak'ondry roa izay iray taona'sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.

28:10b.NUM.028.010 Fanatitra dorana amin'ny isan-tSabata izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.

28:11b.NUM.028.011 Ary izao no atero amin'ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,

28:12b.NUM.028.012 ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-ondrilahy iray,

28:13b.NUM.028.013 ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-janak'ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

28:14b.NUM.028.014 Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny hina ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.

28:15b.NUM.028.015 Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.

28:16b.NUM.028.016 Ary ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany dia Paskan'i Jehovah.

28:17b.NUM.028.017 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.

28:18b.NUM.028.018 Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory;

28:19b.NUM.028.019 fa izao no atero ho fanatitra atao amin'ny afo, dia fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo).

28:20b.NUM.028.020 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinareo amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,

28:21b.NUM.028.021 ary ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinao amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito),

28:22b.NUM.028.022 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.

28:23b.NUM.028.023 Atero ireo ho fanampin'ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva.

28:24b.NUM.028.024 Araka izany no hanateranareo isan'andro amin'ny hafitoana, ho hanina ho an'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.

28:25b.NUM.028.025 Ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.

28:26b.NUM.028.026 Ary amin'ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;

28:27b.NUM.028.027 ary izao no atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak'ondry fito, izay iray taona avy,

28:28b.NUM.028.028 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan'ondrilahy iray,

28:29b.NUM.028.029 ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry iray, dia amin'ny zanak'ondry fito)

28:30b.NUM.028.030 ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo.

28:31b.NUM.028.031 Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo.

29

29:1b.NUM.029.001 Ary amin'ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.

29:2b.NUM.029.002 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

29:3b.NUM.029.003 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,

29:4b.NUM.029.004 ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito)

29:5b.NUM.029.005 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,

29:6b.NUM.029.006 ho fanampin'ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

29:7b.NUM.029.007 Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.

29:8b.NUM.029.008 Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)

29:9b.NUM.029.009 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,

29:10b.NUM.029.010 ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia amin'ny zanak'ondry fito)

29:11b.NUM.029.011 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

29:12b.NUM.029.012 Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah.

29:13b.NUM.029.013 Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.

29:14b.NUM.029.014 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa

29:15b.NUM.029.015 ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry efatra ambin'ny folo)

29:16b.NUM.029.016 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

29:17b.NUM.029.017 Ary amin'ny andro faharoa koa dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

29:18b.NUM.029.018 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny isam-bantotr'ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

29:19b.NUM.029.019 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

29:20b.NUM.029.020 Ary amin'ny andro fahatelo koa dia vantotr'ombilahy iraika ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

29:21b.NUM.029.021 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

29:22b.NUM.029.022 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

29:23b.NUM.029.023 Ary amin'ny andro fahefatra koa dia vantotr'ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

29:24b.NUM.029.024 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

29:25b.NUM.029.025 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

29:26b.NUM.029.026 Ary amin'ny andro fahadimy koa dia vantotr'ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

29:27b.NUM.029.027 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

29:28b.NUM.029.028 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

29:29b.NUM.029.029 Ary amin'ny andro fahenina koa dia vantotr'ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

29:30b.NUM.029.030 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

29:31b.NUM.029.031 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

29:32b.NUM.029.032 Ary amin'ny andro fahafito koa dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

29:33b.NUM.029.033 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

29:34b.NUM.029.034 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

29:35b.NUM.029.035 Ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.

29:36b.NUM.029.036 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

29:37b.NUM.029.037 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

29:38b.NUM.029.038 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Ireo no haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.

29:39b.NUM.029.039 Ireo no haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.

30

30:1b.NUM.030.001 Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy.

30:2b.NUM.030.002 [Lalàna ny amin'ny hahatanterahana ny voady sy ny hanafoanana azy] Ary Mosesy niteny tamin'ireo lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:

30:3b.NUM.030.003 Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.

30:4b.NUM.030.004 Ary raha misy vehivavy mivoady amin'i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy,

30:5b.NUM.030.005 ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.

30:6b.NUM.030.006 Fa raha nandrara azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.

30:7b.NUM.030.007 Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon'ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,

30:8b.NUM.030.008 ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.

30:9b.NUM.030.009 Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.

30:10b.NUM.030.010 Fa ny amin'ny voadin'ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny.

30:11b.NUM.030.011 Ary raha nisy vehivavy nivoady tao an-tranon'ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady,

30:12b.NUM.030.012 ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.

30:13b.NUM.030.013 Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.

30:14b.NUM.030.014 Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy.

30:15b.NUM.030.015 Fa raha tsy niteny azy akory tamin'ny an-davan'andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany.

30:16b.NUM.030.016 Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian'ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy.Ireo no lalàna izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin'ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.

30:17b.NUM.030.017 Ireo no lalàna izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin'ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.

31

31:1b.NUM.031.001 [Ny tafika namaliana ny Midianita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

31:2b.NUM.031.002 Valio ny Midianita noho ny nataony tamin'ny Zanak'Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin'ny razanao ianao.

31:3b.NUM.031.003 Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy.

31:4b.NUM.031.004 Arivo lahy avy isam-pirenena amin'ny firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.

31:5b.NUM.031.005 Dia navahana tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.

31:6b.NUM.031.006 Ary nampandehanin'i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.

31:7b.NUM.031.007 Dia niady tamin'ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy

31:8b.NUM.031.008 ary ny mpanjakan'i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin'ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak'i Beora, koa dia novonoiny tamin'ny sabatra.

31:9b.NUM.031.009 Ary ny Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman'ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.

31:10b.NUM.031.010 Ary ny tanànany rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny afo.

31:11b.NUM.031.011 Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,

31:12b.NUM.031.012 dia nentiny tany amin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

31:13b.NUM.031.013 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby.

31:14b.NUM.031.014 Ary tezitra tamin'ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,

31:15b.NUM.031.015 ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?

31:16b.NUM.031.016 Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.

31:17b.NUM.031.017 Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.

31:18b.NUM.031.018 Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.

31:19b.NUM.031.019 Ary mitobia eo ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.

31:20b.NUM.031.020 Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon'osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.

31:21b.NUM.031.021 Ary hoy Eleazara mpisorona tamin'ny mpanafika, izay efa tany amin'ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian'i Jehovah'an i Mosesy:

31:22b.NUM.031.022 Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,

31:23b.NUM.031.023 dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin'ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin'ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin'ny rano ihany.

31:24b.NUM.031.024 Ary sasao ny fitafianareo amin'ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin'ny toby ianareo.

31:25b.NUM.031.025 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

31:26b.NUM.031.026 Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fiangonana ny isan'ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy;

31:27b.NUM.031.027 ary sasaho ny babo ho an'izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an'ny fiangonana rehetra;

31:28b.NUM.031.028 kanefa makà anjara ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy;

31:29b.NUM.031.029 ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an'i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an'i Jehovah.

31:30b.NUM.031.030 Ary ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah.

31:31b.NUM.031.031 Dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

31:32b.NUM.031.032 Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon'ny mpanafika, dia ondry aman'osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,

31:33b.NUM.031.033 sy omby roa arivo amby fito alina,

31:34b.NUM.031.034 sy boriky arivo amby enina alina,

31:35b.NUM.031.035 ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.

31:36b.NUM.031.036 Ary ny antsasany izay anjaran'ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan'ny ondry aman'osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;

31:37b.NUM.031.037 ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ny ondry aman'osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.

31:38b.NUM.031.038 Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby fito-polo.

31:39b.NUM.031.039 Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia iraika amby enim-polo.

31:40b.NUM.031.040 Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby telo-polo.

31:41b.NUM.031.041 Dia nomen'i Mosesy an'i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

31:42b.NUM.031.042 Ary avy tamin'ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely, izay nozarain'i Mosesy avy tamin'ny mpanafika

31:43b.NUM.031.043 (fa ny antsasany an'ny fiangonana dia ondry aman'osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,

31:44b.NUM.031.044 sy omby enina arivo amby telo alina,

31:45b.NUM.031.045 sy boriky diman-jato amby telo alina,

31:46b.NUM.031.046 ary olona enina arivo amby iray alina),

31:47b.NUM.031.047 ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely dia nanalan'i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an'ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin'i Jehovah izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

31:48b.NUM.031.048 Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an'i Mosesy

31:49b.NUM.031.049 ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan'ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;

31:50b.NUM.031.050 koa nitondra fanatitra ho an'i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an'ny ainay eo anatrehan'i Jehovah.

31:51b.NUM.031.051 Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.

31:52b.NUM.031.052 Ary ny volamena rehetra tamin'ny fanatitra nalain'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an'i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina

31:53b.NUM.031.053 (fa ny mpanafika samy namabo ho an'ny tenany).Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.

31:54b.NUM.031.054 Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.

32

32:1b.NUM.032.001 [Ny nahazoan'ny firenen'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase zara-tany tao an-dafy atsinanan'i Jordana] Ary nanana omby aman'ondry be indrindra ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry io,

32:2b.NUM.032.002 dia avy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka niteny tamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin'ny lohan'ny fiangonana ka nanao hoe:

32:3b.NUM.032.003 Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,

32:4b.NUM.032.004 ireo tany noresen'i Jehovah teo anoloan'ny fiangonan'ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman'ondry;

32:5b.NUM.032.005 dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an'i Jordana izahay.

32:6b.NUM.032.006 Dia hoy Mosesy tamin'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va?

32:7b.NUM.032.007 Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy?

32:8b.NUM.032.008 Izany no nataon'ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;

32:9b.NUM.032.009 fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay efa nomen'i Jehovah azy.

32:10b.NUM.032.010 Ary nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe:

32:11b.NUM.032.011 Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy;

32:12b.NUM.032.012 afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak'i Nona, izay tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah.

32:13b.NUM.032.013 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason'i Jehovah.

32:14b.NUM.032.014 Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.

32:15b.NUM.032.015 Fa raha miala amin'ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.

32:16b.NUM.032.016 Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an'ny omby aman'ondrinay sy tanàna koa ho an'ny zanakay madinika;

32:17b.NUM.032.017 fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin'ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin'ny tanàna mimanda noho ny mponina amin'ny tany.

32:18b.NUM.032.018 Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon'ny Zanak'Isiraely ny zara-taniny avy.

32:19b.NUM.032.019 Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin'i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana atỳ ny zara-taninay.

32:20b.NUM.032.020 Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan'i Jehovah ho any an-tafika,

32:21b.NUM.032.021 ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin'i Jordana eo anatrehan'i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,

32:22b.NUM.032.022 ka ho resy eo anatrehan'i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin'i Jehovah, na amin'ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan'i Jehovah.

32:23b.NUM.032.023 Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin'i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.

32:24b.NUM.032.024 Manaova tanàna ho an'ny zanakareo madinika sy vala ho an'ny ondry aman'osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.

32:25b.NUM.032.025 Dia niteny tamin'i Mosesy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:

32:26b.NUM.032.026 ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman'osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin'ny tanànan'i Gileada;

32:27b.NUM.032.027 fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko.

32:28b.NUM.032.028 Ary Mosesy dia nandidy an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ny amin'ireo

32:29b.NUM.032.029 ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an'i Jordana hiaraka aminareo ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;

32:30b.NUM.032.030 fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin'ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.

32:31b.NUM.032.031 Dia namaly ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain'i Jehovah tamin'ny mpanomponao no hataonay:

32:32b.NUM.032.032 Izabay handeha hita eo anatrehan'i Jehovah ho any amin'ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin'i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany.

32:33b.NUM.032.033 Dia nomen'i Mosesy ho an'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen'i Manase, zanak'i Josefa, ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorka, sy ny fanjakan'i Oga, mpanjakan'i Basana dia ny tany mbamin'ny tanànany ao amin'ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin'ny tany manodidina.

32:34b.NUM.032.034 Ary ny taranak'i Gada nanao an'i Dibona sy Atarota sy Aroera

32:35b.NUM.032.035 sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha

32:36b.NUM.032.036 sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an'ny ondry.

32:37b.NUM.032.037 Ary ny taranak'i Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima

32:38b.NUM.032.038 sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran'ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.

32:39b.NUM.032.039 Ary ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.

32:40b.NUM.032.040 Ary Gileada dia nomen'i Mosesy an'i Makira, zanak'i Manase, ka nonina tao izy.

32:41b.NUM.032.041 Ary Jaira, zanak'i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaira.Ary Noba nandeha ka nahafaka an'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.

32:42b.NUM.032.042 Ary Noba nandeha ka nahafaka an'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.

33

33:1b.NUM.033.001 [Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra] Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.

33:2b.NUM.033.002 Dia nosoratan'i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin'i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany:

33:3b.NUM.033.003 Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra.

33:4b.NUM.033.004 Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin'i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehovah.

33:5b.NUM.033.005 Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely, dia nitoby tao Sokota.

33:6b.NUM.033.006 Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin'ny efitra.

33:7b.NUM.033.007 Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin'i Balazefona, ka nitoby tandrifin'i Migdola.

33:8b.NUM.033.008 Ary nony niala tandrifin'i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan'ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.

33:9b.NUM.033.009 Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.

33:10b.NUM.033.010 Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron'ny Ranomasina Mena.

33:11b.NUM.033.011 Ary nony niala tao amoron'ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.

33:12b.NUM.033.012 Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.

33:13b.NUM.033.013 Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.

33:14b.NUM.033.014 Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny olona.

33:15b.NUM.033.015 Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr'i Sinay.

33:16b.NUM.033.016 Ary nony niala tany an-efitr'i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.

33:17b.NUM.033.017 Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota.

33:18b.NUM.033.018 Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma.

33:19b.NUM.033.019 Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza.

33:20b.NUM.033.020 Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna.

33:21b.NUM.033.021 Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa.

33:22b.NUM.033.022 Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata.

33:23b.NUM.033.023 Ary nony niala tao Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera.

33:24b.NUM.033.024 Ary. nony niala tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada.

33:25b.NUM.033.025 Ary nony niala tao Harada izy, dia nitoby tao Makelota.

33:26b.NUM.033.026 Ary nony niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata.

33:27b.NUM.033.027 Ary nony niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tera.

33:28b.NUM.033.028 Ary nony niala tao Tera izy, dia nitoby tao Mitka.

33:29b.NUM.033.029 Ary nony niala tao Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona.

33:30b.NUM.033.030 Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota.

33:31b.NUM.033.031 Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana.

33:32b.NUM.033.032 Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada.

33:33b.NUM.033.033 Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata.

33:34b.NUM.033.034 Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.

33:35b.NUM.033.035 Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.

33:36b.NUM.033.036 Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).

33:37b.NUM.033.037 Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma.

33:38b.NUM.033.038 Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin'i Jehovah, dia maty tao izy tamin'ny fahefa-polo taona taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy.

33:39b.NUM.033.039 Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.

33:40b.NUM.033.040 Ary ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo amin'ny tany Kanana, fa avy ny Zanak'Isiraely.

33:41b.NUM.033.041 Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona.

33:42b.NUM.033.042 Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona.

33:43b.NUM.033.043 Ary nony niala tao Ponona izy, dia nitoby tao Obota.

33:44b.NUM.033.044 Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin'ny faritanin'i Moaba.

33:45b.NUM.033.045 Ary nony niala tao Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada.

33:46b.NUM.033.046 Ary nony niala tao Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima.

33:47b.NUM.033.047 Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin'ny tendrombohitra Abarima, tandrifin'i Nebo.

33:48b.NUM.033.048 Ary nony niala tamin'ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

33:49b.NUM.033.049 Ary nitoby teo amoron'i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba.

33:50b.NUM.033.050 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:

33:51b.NUM.033.051 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ka tonga any amin'ny tany Kanana ianareo,

33:52b.NUM.033.052 dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin'ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra;

33:53b.NUM.033.053 dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo.

33:54b.NUM.033.054 Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin'izay ivoahan'ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen'ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.

33:55b.NUM.033.055 Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin'ny tany, dia ho lay amin'ny masonareo sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin'ny tany izay onenanareo izy;ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.

33:56b.NUM.033.056 ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.

34

34:1b.NUM.034.001 [Ny ho faritry ny tany Kanana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

34:2b.NUM.034.002 Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.

34:3b.NUM.034.003 Ary ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira any atsinanana,

34:4b.NUM.034.004 dia miolaka eo atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon'i Kadesibarnea, dia mahazo an'i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,

34:5b.NUM.034.005 ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ka dia mihatra amin'ny ranomasina.

34:6b.NUM.034.006 Ary ny amin'ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.

34:7b.NUM.034.007 Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin'ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;

34:8b.NUM.034.008 ary hatramin'ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an'i Zedada,

34:9b.NUM.034.009 dia hahazo an'i Zifrona, ka dia hihatra an'i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.

34:10b.NUM.034.010 Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin'i Hazar-enana ka hatrany Sefama,

34:11b.NUM.034.011 dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan'i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin'ny Ranomasin'i Kinereta atsinanana,

34:12b.NUM.034.012 dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.

34:13b.NUM.034.013 Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;

34:14b.NUM.034.014 fa ny firenena taranak'i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen'i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;

34:15b.NUM.034.015 dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana, hitsin'i Jeriko, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.

34:16b.NUM.034.016 [Ny anaran'ny lehilahy roa ambin'ny folo notendrena hizara ny tany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

34:17b.NUM.034.017 Izao no anaran'ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona.

34:18b.NUM.034.018 Ary loholona iray avy amin'ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.

34:19b.NUM.034.019 Ary izao no anaran'ireo lehilahy ireo: ny avy amin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;

34:20b.NUM.034.020 ary ny avy amin'ny firenena taranak'i Simeona dia Semoela, zanak'i Amihoda;

34:21b.NUM.034.021 ary ny avy amin'ny firenen'i Benjamina dia Elidada, zanak'i Kislona;

34:22b.NUM.034.022 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Dana dia Boky, zanak'i Jogly;

34:23b.NUM.034.023 ary ny avy amin'ny taranak'i Josefa: ny lohan'ny firenena taranak'i Manase dia Haniela, zanak'i Efoda;

34:24b.NUM.034.024 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Efraima dia Kemoela, zanak'i Siftana;

34:25b.NUM.034.025 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Zebolona dia Elizafana, zanak'i Parnaka;

34:26b.NUM.034.026 ary ny lohan'ny firenena taranak'Isakara dia Paltiela, zanak'i Azana;

34:27b.NUM.034.027 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Asera dia Ahihoda, zanak'i Selomy;

34:28b.NUM.034.028 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Naftaly dia Pedahela, zanak'i Amihoda.Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.

34:29b.NUM.034.029 Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.

35

35:1b.NUM.035.001 [Ny hanomezana tanàna ho an'ny Levita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:

35:2b.NUM.035.002 Mandidia ny Zanak'Isiraely mba hanome tanàna ao amin'ny zara-taniny avy honenan'ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.

35:3b.NUM.035.003 Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an'ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin'ny bibiny rehetra.

35:4b.NUM.035.004 Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny màndan'ny tanàna ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.

35:5b.NUM.035.005 Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna ianareo amin'ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.

35:6b.NUM.035.006 Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran'izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.

35:7b.NUM.035.007 Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin'ny tany manodidina azy.

35:8b.NUM.035.008 Ary ny amin'ny tanàna izay homenareo avy amin'ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an'ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.

35:9b.NUM.035.009 [Ny hifidianana tanàna handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

35:10b.NUM.035.010 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka tonga any amin'ny tany Kanana,

35:11b.NUM.035.011 dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy.

35:12b.NUM.035.012 Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.

35:13b.NUM.035.013 Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.

35:14b.NUM.035.014 Ny tanàna telo dia homenareo etỳ an-dafin'i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin'ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.

35:15b.NUM.035.015 Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.

35:16b.NUM.035.016 Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.

35:17b.NUM.035.017 Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.

35:18b.NUM.035.018 Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.

35:19b.NUM.035.019 Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.

35:20b.NUM.035.020 Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin'ny fanotrehana, ka mahafaty,

35:21b.NUM.035.021 na mamely amin'ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.

35:22b.NUM.035.022 Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin'inona na amin'inona, nefa tsy amin'ny fanotrehana,

35:23b.NUM.035.023 na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy,

35:24b.NUM.035.024 dia hotsarain'ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly rà araka izany lalàna izany.

35:25b.NUM.035.025 Ary hovonjen'ny fiangonana ho afaka amin'ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe izay voahosotra tamin'ny diloilo masina.

35:26b.NUM.035.026 Fa raha mivoaka ho eo ivelan'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra ilay nahafaty olona

35:27b.NUM.035.027 ka hitan'ny mpamaly rà eo ivelan'ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà amin'izany,

35:28b.NUM.035.028 satria tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin'ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.

35:29b.NUM.035.029 Ary izany zavatra izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby eny amin'izay rehetra onenanareo.

35:30b.NUM.035.030 Ny amin'izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin'ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.

35:31b.NUM.035.031 Ary ianareo tsy handray avotry ny ain'ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy.

35:32b.NUM.035.032 Ary ianareo tsy handray avotra ho an'izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin'ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.

35:33b.NUM.035.033 Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin'ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin'ny ran'izay nandatsaka azy ihany.Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely.

35:34b.NUM.035.034 Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely.

36

36:1b.NUM.036.001 [Lalàna ny amin'ny hanambadian'ny zazavavy mandova zara-tany] Dia nanatona ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny fokon'ny taranak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, ka niteny teo anatrehan'i Mosesy sy ny lehibe, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ka nanao hoe:

36:2b.NUM.036.002 Hianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hizara ny tany amin'ny filokana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hanome ny zara-tanin'i Zelofada rahalahinay ho an'ny zananivavy.

36:3b.NUM.036.003 Koa raha manambady ny zanakalahin'ny firenena sasany amin'ny Zanak'Isiraely ireo, dia hesorina amin'ny an'ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin'ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin'ny zara-taninay izay azonay tamin'ny filokana izany.

36:4b.NUM.036.004 Ary raha tonga ny Jobilin'ny Zanak'Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an'ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin'ny zara-tanin'ny razanay.

36:5b.NUM.036.005 Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin'ny firenena taranak'i Josefa.

36:6b.NUM.036.006 Izao no teny izay andidian'i Jehovah ny amin'ny zanakavavin'i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany no hovadiny.

36:7b.NUM.036.007 Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely; fa samy ho eo amin'ny zara-tanin'ny razany avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.

36:8b.NUM.036.008 Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany, mba hananan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny zara-tanin'ny razany avy.

36:9b.NUM.036.009 Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin'ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin'ny azy avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.

36:10b.NUM.036.010 Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny zanakavavin'i Zelofada,

36:11b.NUM.036.011 ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin'i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin'ny rainy avy.

36:12b.NUM.036.012 Izay avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Manase, zanak'i Josefa, no novadin'ireo, ka dia nitoetra teo amin'ny firenen'ny mpianakavin'ny rainy ihany ny zara-taniny.Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian'i Jehovah ka nampitondrainy an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

36:13b.NUM.036.013 Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian'i Jehovah ka nampitondrainy an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.


Holder of rights
Multilingual Bible Corpus

Citation Suggestion for this Object
TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Numbers (Malagasy). Numbers (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A53A-D