Philemon (Malagasy)

Philemon (Malagasy)

1

1:1b.PHM.001.001 [Fiarahabana an'i Filemona, sy fifonana ho an'i Onesimosy, ary fanaovam-beloma] Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,

1:2b.PHM.001.002 ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:

1:3b.PHM.001.003 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

1:4b.PHM.001.004 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,

1:5b.PHM.001.005 satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [ Na: ny finoanao]

1:6b.PHM.001.006 mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.

1:7b.PHM.001.007 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.

1:8b.PHM.001.008 Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,

1:9b.PHM.001.009 nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [ Na: ambasadôra]

1:10b.PHM.001.010 Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy, [ Onesimosy = Mahasoa]

1:11b.PHM.001.011 ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;

1:12b.PHM.001.012 izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;

1:13b.PHM.001.013 saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara;

1:14b.PHM.001.014 nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.

1:15b.PHM.001.015 Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,

1:16b.PHM.001.016 tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.

1:17b.PHM.001.017 Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.

1:18b.PHM.001.018 Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;

1:19b.PHM.001.019 izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.

1:20b.PHM.001.020 Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.

1:21b.PHM.001.021 Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.

1:22b.PHM.001.022 Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.

1:23b.PHM.001.023 Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,

1:24b.PHM.001.024 sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

1:25b.PHM.001.025 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.


Holder of rights
Multilingual Bible Corpus

Citation Suggestion for this Object
TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Philemon (Malagasy). Philemon (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A5D9-9