Micah (Malagasy)
1
1:1b.MIC.001.001 Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Morastita tamin'ny andro nanjakan'i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay hitany ny amin'i Samaria sy Jerosalema.
1:2b.MIC.001.002 [Ny loza hanjo an'i Samaria sy Joda] Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin'ny tempoliny masina.
1:3b.MIC.001.003 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin'ny fitoerany Ary midina ka mandia ny havoana amin'ny tany.
1:4b.MIC.001.004 Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin'ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin'ny hantsana.
1:5b.MIC.001.005 Noho ny fahadisoan'i Jakoba sy ny fahotan'ny taranak'Isiraely no isian'izany rehetra izany. Iza no nahadiso an'i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon'i Joda? Tsy Jerosalema va?
1:6b.MIC.001.006 Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.
1:7b.MIC.001.007 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin'ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin'ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin'ny vehivavy janga indray izy.
1:8b.MIC.001.008 Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.[Heb. hisaona][Na: jakala][Heb. hitomany]
1:9b.MIC.001.009 Fa tsy azo sitranina ny ferin'i Samaria; Fa mihatra amin'i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin'ny oloko aza, dia any Jerosalema.[He. ny feriny]
1:10b.MIC.001.010 Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Beti-le-afra aho.[Na: mihosinkosena... ianao][Beti-le-afra = fitoeram-bovoka]
1:11b.MIC.001.011 Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan'i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.[Safira: = tsara tarehy]
1:12b.MIC.001.012 Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin'i Jehovah ho ao am-bavahadin'i Jerosalema.[Heb. manaintaina][Marota = fangidiana]
1:13b.MIC.001.013 Fehezo amin'ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan'ny fahotan'i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan'Isiraely.
1:14b.MIC.001.014 Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an'i Moresetagata; Ranotrambo ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely ireo tranon'i Akziba.[Akziba = ranotrambo]
1:15b.MIC.001.015 Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr'Isiraely.[Maresa = lova]Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an'ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. [karazam-borona lehibe izay sola]
1:16b.MIC.001.016 Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an'ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. [karazam-borona lehibe izay sola]
2
2:1b.MIC.002.001 [Ny heloky ny Isiraely, sy ny hampijaliana azy, ary ny mbola hampodiana azy indray] Lozan'izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
2:2b.MIC.002.002 Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin'ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin'ny lovany.
2:3b.MIC.002.003 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.
2:4b.MIC.002.004 Amin'izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran'ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an'ny mpiodina avy ny tanintsika!
2:5b.MIC.002.005 Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin'ny fiangonan'i Jehovah.
2:6b.MIC.002.006 Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin'ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony![Heb. mampitete][Na: raha tsy miteniteny amin'ireto izy, dia tsy ho afaka]
2:7b.MIC.002.007 He! izany teny izany! Ry taranak'i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin'i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko? [Na: he!ianao izay atao hoe taranak'i]
2:8b.MIC.002.008 Vao omaly no omaly no nitsanganan'ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin'ny lamba ny kapôtin'izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.
2:9b.MIC.002.009 Ny vehivavy eo amin'ny oloko dia roahinareo hiala amin'ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin'ny zanany madinika ny voninahitro.
2:10b.MIC.002.010 Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.
2:11b.MIC.002.011 Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny aminao ny amin'ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin'ity firenena ity.[Heb. hampitete][Heb. mpampiteten']
2:12b.MIC.002.012 Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin'ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin'ny vala izy, Toy ny ondry andiany ao amin'ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan'ny olona.[Na: any Bozra]Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.
2:13b.MIC.002.013 Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.
3
3:1b.MIC.003.001 [Ny nahadiso ny lehiben'ny Isiraely sy ny mpaminany, ary ny handravana an'i Jerosalema]Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon'i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak'Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
3:2b.MIC.003.002 Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin'ny taolany,
3:3b.MIC.003.003 Eny, ianareo izay homana ny nofon'ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin'ny fahandroan-kena.
3:4b.MIC.003.004 Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo.
3:5b.MIC.003.005 Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina:
3:6b.MIC.003.006 Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro,
3:7b.MIC.003.007 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra.
3:8b.MIC.003.008 Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.[Na:amin']
3:9b.MIC.003.009 Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak'Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,
3:10b.MIC.003.010 Dia izay manangana an'i Ziona amin'ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin'ny faharatsiana.
3:11b.MIC.003.011 Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.
3:12b.MIC.003.012 Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.
4
4:1b.MIC.004.001 [Ny hampodian'i Jehovah ny voninahitr'i Ziona, rehefa avy nampahorina izy] Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.
4:2b.MIC.004.002 Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
4:3b.MIC.004.003 Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony.
4:4b.MIC.004.004 Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny.
4:5b.MIC.004.005 Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.
4:6b.MIC.004.006 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin'izay nampahoriko;
4:7b.MIC.004.007 Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.
4:8b.MIC.004.008 Ary ianao, ry tilikambon'ny andiany. Tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan' i Jerosalema zanakavavy.[Na: tilikambon'i Edera][Na: Ofelan'i Ziona][Na: hanjakana aminy]
4:9b.MIC.004.009 Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?
4:10b.MIC.004.010 Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan'i Jehovah anao ho afaka amin'ny tanan'ny fahavalonao.
4:11b.MIC.004.011 Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.[Heb. holotoina]
4:12b.MIC.004.012 Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.
4:13b.MIC.004.013 Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany.[Heb. hataoko herema]Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.
4:14b.MIC.004.014 Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.
5
5:1b.MIC.005.001 [Ny hahaterahan'ny Mesia, sy ny ho toetry ny fanjakany] Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.
5:2b.MIC.005.002 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'2 ny Zanak'Isiraely.[Na: ho any]
5:3b.MIC.005.003 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy.
5:4b.MIC.005.004 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.
5:5b.MIC.005.005 Ary handany ny tany Asyria amin'ny sabatra Sy ny tanin'i Nimroda ao an-tanànany ireo; Ary Izy hamonjy amin'ny Asyriana, Raha tonga amin'ny tanintsika sady manitsaka ato amin'ny fari-tanintsika ireny.[Heb. am-bavahadiny]
5:6b.MIC.005.006 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin'i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin'ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak'olombelona.
5:7b.MIC.005.007 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny jentilisa, Ao amin'ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin'ny biby any an'ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin'ny andian'ny ondry aman'osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.
5:8b.MIC.005.008 Aoka haingaina amin'ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.
5:9b.MIC.005.009 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao,
5:10b.MIC.005.010 Hofoanako ny tanàna amin'ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
5:11b.MIC.005.011 Hofoanako tsy hisy amin'ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.
5:12b.MIC.005.012 Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan'ny asan'ny tananao intsony ianao.
5:13b.MIC.005.013 Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tanànanao. [Anaran'andriamani-tsy-izy, na ny sariny][Na: haringako koa ny fahavalonao]Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.
5:14b.MIC.005.014 Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.
6
6:1b.MIC.006.001 [Teny fampibebahana ny Isiraely] Masìna ianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana ny feonao.
6:2b.MIC.006.002 Mihainoa ny adin'i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan'ny tany; Fa Jehovah manana ady amin'ny olony, Eny, amin'ny Isiraely no ifandaharany.
6:3b.MIC.006.003 Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
6:4b.MIC.006.004 Fa nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin'ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.
6:5b.MIC.006.005 Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon'i Balaka, mpanjakan'i Moaba, Sy izay navalin'i Balama, zanak'i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon'i Jehovah.
6:6b.MIC.006.006 Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
6:7b.MIC.006.007 Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko?
6:8b.MIC.006.008 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena
6:9b.MIC.006.009 Manaitra ny tanàna ny feon'i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.[Heb. ny fahendrena; na: ary fahendrena no kendren'ny anaranao]
6:10b.MIC.006.010 Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon'ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona? [Heb. efaha]
6:11b.MIC.006.011 Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina?
6:12b.MIC.006.012 Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.
6:13b.MIC.006.013 Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin'ny fandringanako anao noho ny helokao.
6:14b.MIC.006.014 Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin'ny sabatra.
6:15b.MIC.006.015 Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.
6:16b.MIC.006.016 Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.
7
7:1b.MIC.007.001 [Ny faharatsian'ny Isiraely, sy ny hanjo azy, ary ny hibebahany, sy ny hamindran'Andriamanitra fo aminy] Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin'ny fanahiko,
7:2b.MIC.007.002 Lany tsy misy amin'ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin'ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin'ny harato izy rehetra.
7:3b.MIC.007.003 Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
7:4b.MIC.007.004 Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao.[Heb. izy]
7:5b.MIC.007.005 Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran'ny vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza.
7:6b.MIC.007.006 Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.
7:7b.MIC.007.007 Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.
7:8b.MIC.007.008 Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
7:9b.MIC.007.009 Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
7:10b.MIC.007.010 Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.
7:11b.MIC.007.011 He ny andro hananganana ny mandanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra.32[Na: ho lavitra ny didy]
7:12b.MIC.007.012 Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny tanànan'i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin'ny Ony, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra.[Heb. Mazora][Eofrata]
7:13b.MIC.007.013 Nefa ho lao ny tany noho ny amin'ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
7:14b.MIC.007.014 Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an'ala ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin'ny andro taloha ela.
7:15b.MIC.007.015 Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
7:16b.MIC.007.016 Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
7:17b.MIC.007.017 Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
7:18b.MIC.007.018 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
7:19b.MIC.007.019 Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela.
7:20b.MIC.007.020 Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela.
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Micah (Malagasy). Micah (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A591-9