Song of Solomon (Malagasy)
1
1:1b.SON.001.001 Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon'i Solomona.
1:2b.SON.001.002 [Ny ampakarina sy ny zanakavavin'i Jerosalema] Enga anie ka hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
1:3b.SON.001.003 Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan'ny zatovovavy anao.
1:4b.SON.001.004 Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
1:5b.SON.001.005 Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin'i Jerosalema, toy ny lain'i Kedara, toy ny ambain-dain'i Solomona.
1:6b.SON.001.006 Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon'ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak'ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an'ny tenako, tsy mba nandrasako.
1:7b.SON.001.007 Lazao amiko, ry ilay tian'ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin'ny andian'ny namanao? [Na: misarona fisalobonana]
1:8b.SON.001.008 Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian'ny ondry aman'osy, ary andraso eny amin'ny lain'ny mpiandry ondry ny zanak'osinao.
1:9b.SON.001.009 [Ny mpanjaka sy ny ampakarina] Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin'ny soavalivaviko mitarika ny kalesin'i Farao.
1:10b.SON.001.010 Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
1:11b.SON.001.011 Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
1:12b.SON.001.012 Raha mipetraka amin'ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
1:13b.SON.001.013 Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
1:14b.SON.001.014 Ny malalako dia tahaka ny vonin'ny kofera amiko, any an-tanimbolin'i En-jedy.
1:15b.SON.001.015 Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.[Na: Manana masom-boromailala ianao]
1:16b.SON.001.016 Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.Sedera ny sakamandimbin'ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.
1:17b.SON.001.017 Sedera ny sakamandimbin'ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.
2
2:1b.SON.002.001 Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany sy lilia eny an-dohasaha.[Na: any Sarôna]
2:2b.SON.002.002 Toy ny lilia eo amin'ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin'ny zazavavy.
2:3b.SON.002.003 Toy ny hazo poma amin'ny hazo any an'ala, dia toy izany ny malalako eo amin'ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin'ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
2:4b.SON.002.004 Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
2:5b.SON.002.005 Hatanjaho amin'ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin'ny poma aho, fa mararim-pitia.
2:6b.SON.002.006 Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
2:7b.SON.002.007 Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]
2:8b.SON.002.008 [Tenin'ny ampakarina, raha nitoetra irery izy] Injay, ny feon'ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin'ny havoana.
2:9b.SON.002.009 Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin'ny makarakara.[Anaram-biby haingan-tongotra][Heb. ivelan'ny rindrinay]
2:10b.SON.002.010 Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
2:11b.SON.002.011 Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
2:12b.SON.002.012 Miposaka eo amin'ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin'ny tanintsika ny feon'ny domohina.
2:13b.SON.002.013 Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary![aviavimbazaha]
2:14b.SON.002.014 E, ry voromailalako ao amin'ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin'ny fialokalofana amin'ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
2:15b.SON.002.015 Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika.
2:16b.SON.002.016 Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin'ny lilia.Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao. [Heb. mandositra ny aloka][Anaram-biby haingan-tongotra][Na: tendrombohitra manelanelana]
2:17b.SON.002.017 Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao. [Heb. mandositra ny aloka][Anaram-biby haingan-tongotra][Na: tendrombohitra manelanelana]
3
3:1b.SON.003.001 Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian'ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy.
3:2b.SON.003.002 Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian'ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.
3:3b.SON.003.003 Hitan'ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian'ny fanahiko iny?
3:4b.SON.003.004 Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian'ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon'ineny, dia any amin'ny efi-tranon'ilay niteraka ahy.
3:5b.SON.003.005 Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]
3:6b.SON.003.006 [Ny amin'ny nampakarana an-dravehivavy] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin'ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin'ny vovoka manitra samy hafa entin'ny mpandranto?
3:7b.SON.003.007 Indro ny filanjan'i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin'ny lehilahy mahery amin'ny Isiraely, no manotrona azy.[Heb. farafara]
3:8b.SON.003.008 An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin'ny alina.
3:9b.SON.003.009 Nanao filanjana ho azy Solomona mpanjaka tamin'ny hazo avy any Libanona: [Heb. farafara]
3:10b.SON.003.010 Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin'ny fanomezam-pitiavana avy tamin'ny zanakavavin'i Jerosalema.Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, ka mijere an'i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin'ny andro nampakarany vady, dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.
3:11b.SON.003.011 Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, ka mijere an'i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin'ny andro nampakarany vady, dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.
4
4:1b.SON.004.001 Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.[Na: volonao milantolanto]
4:2b.SON.004.002 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.
4:3b.SON.004.003 Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao,[Heb. fitenenanao][Na: volonao milantolanto]
4:4b.SON.004.004 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery.
4:5b.SON.004.005 Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin'ny lilia.
4:6b.SON.004.006 Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. mandositra ny aloka]
4:7b.SON.004.007 Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
4:8b.SON.004.008 Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
4:9b.SON.004.009 Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.[Heb. ampakariko]
4:10b.SON.004.010 Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! [Heb. ampakariko]
4:11b.SON.004.011 Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao, ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona.
4:12b.SON.004.012 Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.[Heb. anabaviko]
4:13b.SON.004.013 Hianao no saha anirian'ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
4:14b.SON.004.014 Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra;[Heb. ahalota]
4:15b.SON.004.015 Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
4:16b.SON.004.016 Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
5
5:1b.SON.005.001 Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin'ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin'ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
5:2b.SON.005.002 [Teny nataon'ny ampakarina sy ny mpanjaka ary ny zanakavavin'i Jerosalema] Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon'ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton'ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan'ny andon'ny alina.[Heb. ampakariko]
5:3b.SON.005.003 Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy?
5:4b.SON.005.004 Nampiditra ny tànany teo amin'ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko.
5:5b.SON.005.005 Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon'ny miora teo amin'ny famohana ny hidin-trano.
5:6b.SON.005.006 Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin'ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
5:7b.SON.005.007 Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako.
5:8b.SON.005.008 Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho.
5:9b.SON.005.009 Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?
5:10b.SON.005.010 Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin'ny alinalina.
5:11b.SON.005.011 Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.
5:12b.SON.005.012 Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
5:13b.SON.005.013 Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon'ny miora.[Heb. tilikambo]
5:14b.SON.005.014 Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;
5:15b.SON.005.015 Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, tsara toy ny sedera.[marmora fotsy]Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema! [Heb. lanilaniny]
5:16b.SON.005.016 Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema! [Heb. lanilaniny]
6
6:1b.SON.006.001 Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
6:2b.SON.006.002 Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin'ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin'ny tanimboly sy hioty ny lilia.
6:3b.SON.006.003 An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin'ny lilia.
6:4b.SON.006.004 Tsara tarehy tahaka an'i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an'i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva.
6:5b.SON.006.005 Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan'i Gileada.
6:6b.SON.006.006 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana,
6:7b.SON.006.007 Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao.[Na : ny volonao milantolanto]
6:8b.SON.006.008 Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.
6:9b.SON.006.009 Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
6:10b.SON.006.010 Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva?
6:11b.SON.006.011 Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.[Heb. an-tanin'egoza]Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.
6:12b.SON.006.012 Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.
7
7:1b.SON.007.001 Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin'ny Solemita? Dihy tahaka ny an'i Mahanaima.[Na: ataon'ny mpandihy roa tonta;]
7:2b.SON.007.002 Endrey! mahate-hijery ny famindran'ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon'ny tanan'ny mahay zavatra.[Heb. mikapa]
7:3b.SON.007.003 Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.
7:4b.SON.007.004 Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
7:5b.SON.007.005 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin'ny tanàna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an'i Damaskosy.[Na: eo am-bavahadin'i Beta-rabina]
7:6b.SON.007.006 Ny lohanao dia tahaka an'i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan'ny volo olioly ny mpanjaka!
7:7b.SON.007.007 Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra izao![Heb. ry fitiavana]
7:8b.SON.007.008 Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.[palma]
7:9b.SON.007.009 Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma,[palma]
7:10b.SON.007.010 Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako sady miditra misononoka amin'ny molotry ny matory.
7:11b.SON.007.011 An'ny malalako aho, sady manina ahy izy.[Heb. ho amiko ny faniriany;]
7:12b.SON.007.012 Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.
7:13b.SON.007.013 Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongaben-danitra any no hanehoako ny fitiavako anao.Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.[mandragora]
7:14b.SON.007.014 Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.[mandragora]
8
8:1b.SON.008.001 Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an'ineny, ianao! Dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny tsy ho azon'olona notevatevaina aho.
8:2b.SON.008.002 Dia ho entiko ka hampidiriko ho ao an-tranon'ineny ianao, ary hampianarinao aho; Hampisotroiko divay noharoharoan-java-manitra mbamin'ny ranon'ampongaben-danitro ianao.
8:3b.SON.008.003 Aoka hanondana ahy ny tànany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana.
8:4b.SON.008.004 Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.
8:5b.SON.008.005 [Ny nandehanany ho any amin'ny tany nihavian'ny ampakarina] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin'ny malalany? Teo ambanin'iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian'ilay niteraka anao.
8:6b.SON.008.006 Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehovah.[Heb. Sheola]
8:7b.SON.008.007 Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon'ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.
8:8b.SON.008.008 Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay; Ahoana no hataonay amin'ny zandrivavinay, raha mby amin'izay andro hangatahan'olona azy ho vady?[Na: isika][Na: hataontsika][Na: zandrivavintsika]
8:9b.SON.008.009 Raha manda izy, dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera.[Na: hananganantsika][Na: hotampenantsika]
8:10b.SON.008.010 Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.
8:11b.SON.008.011 Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin'olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon'ny vokatra.
8:12b.SON.008.012 Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an'ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an'izay mpiandry voly.
8:13b.SON.008.013 Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho.Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.[Anaram-biby haingan-tongotra]
8:14b.SON.008.014 Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.[Anaram-biby haingan-tongotra]
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Song of Solomon (Malagasy). Song of Solomon (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A570-F