Psalms (Malagasy)
1
1:1b.PSA.001.001 [BOKY VOALOHANY][Ny tsi-fitovian'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy] Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;
1:2b.PSA.001.002 Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.
1:3b.PSA.001.003 Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
1:4b.PSA.001.004 Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy.
1:5b.PSA.001.005 Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina.Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana.
1:6b.PSA.001.006 Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana.
2
2:1b.PSA.002.001 [Ny mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
2:2b.PSA.002.002 Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
2:3b.PSA.002.003 "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."
2:4b.PSA.002.004 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
2:5b.PSA.002.005 Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:
2:6b.PSA.002.006 "Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."
2:7b.PSA.002.007 "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
2:8b.PSA.002.008 Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.
2:9b.PSA.002.009 Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy."
2:10b.PSA.002.010 Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.
2:11b.PSA.002.011 Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
2:12b.PSA.002.012 Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
3
3:1b.PSA.003.001 [Ny fahatokian'izay manana an'Andriamanitra ho Mpiaro. na dia be aza ny fahavalony] Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
3:2b.PSA.003.002 Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.
3:3b.PSA.003.003 Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
3:4b.PSA.003.004 Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.
3:5b.PSA.003.005 Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.
3:6b.PSA.003.006 Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
3:7b.PSA.003.007 Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao]
3:8b.PSA.003.008 An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao]
4
4:1b.PSA.004.001 [Fivavaky ny azom-pahoriana, sy fanantenany an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
4:2b.PSA.004.002 Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?
4:3b.PSA.004.003 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.[Na: fa efa nomen'i Jehovah voninahitra ny olo-masiny]
4:4b.PSA.004.004 Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.[Na: Mangovita]
4:5b.PSA.004.005 Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.
4:6b.PSA.004.006 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.
4:7b.PSA.004.007 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony.Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
4:8b.PSA.004.008 Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
5
5:1b.PSA.005.001 [Salamo hatao amin'ny maraina, milaza ny amin'ny olona mahazo manatona an'Andriamanitra, sy ny hitsarana ny ratsy fanahy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
5:2b.PSA.005.002 Henoy ny feon'ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.
5:3b.PSA.005.003 Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.[Heb: handaharako]
5:4b.PSA.005.004 Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
5:5b.PSA.005.005 Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
5:6b.PSA.005.006 Haringanao ny mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho zava-betaveta.
5:7b.PSA.005.007 Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho.
5:8b.PSA.005.008 Jehovah ô, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ny amin'ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
5:9b.PSA.005.009 Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.[Na: lavaka mitanatana]
5:10b.PSA.005.010 Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany, satria efa niodina taminao.
5:11b.PSA.005.011 Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.
5:12b.PSA.005.012 Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.
6
6:1b.PSA.006.001 [Fivavaky ny olona anarin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
6:2b.PSA.006.002 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.
6:3b.PSA.006.003 Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?
6:4b.PSA.006.004 Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.
6:5b.PSA.006.005 Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?[Heb. Sheola]
6:6b.PSA.006.006 Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.
6:7b.PSA.006.007 Lanin'alahelo ny masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra.
6:8b.PSA.006.008 Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako.
6:9b.PSA.006.009 Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.
6:10b.PSA.006.010 Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.
7
7:1b.PSA.007.001 [Fiantsoana an'Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
7:2b.PSA.007.002 Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
7:3b.PSA.007.003 Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
7:4b.PSA.007.004 Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana]
7:5b.PSA.007.005 Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka.
7:6b.PSA.007.006 Jehovah ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
7:7b.PSA.007.007 Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao,
7:8b.PSA.007.008 Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
7:9b.PSA.007.009 Aoka ho tapaka ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
7:10b.PSA.007.010 Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
7:11b.PSA.007.011 Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro.
7:12b.PSA.007.012 Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,[Na: iverenana]
7:13b.PSA.007.013 Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
7:14b.PSA.007.014 Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza; [Heb: lainga]
7:15b.PSA.007.015 Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy;
7:16b.PSA.007.016 Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony.Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra.
7:17b.PSA.007.017 Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra.
8
8:1b.PSA.008.001 [Ny voninahitr'Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona] Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao.
8:2b.PSA.008.002 Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
8:3b.PSA.008.003 Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
8:4b.PSA.008.004 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
8:5b.PSA.008.005 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
8:6b.PSA.008.006 Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony,
8:7b.PSA.008.007 Dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
8:8b.PSA.008.008 Mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina.Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!
8:9b.PSA.008.009 Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!
9
9:1b.PSA.009.001 [Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy] Ho an'ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
9:2b.PSA.009.002 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
9:3b.PSA.009.003 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
9:4b.PSA.009.004 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.
9:5b.PSA.009.005 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
9:6b.PSA.009.006 Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka ho mandrakizay ny fandravana]
9:7b.PSA.009.007 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
9:8b.PSA.009.008 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy.
9:9b.PSA.009.009 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy.
9:10b.PSA.009.010 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
9:11b.PSA.009.011 Mankalazà an'i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin'ny firenena ny asany.
9:12b.PSA.009.012 Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
9:13b.PSA.009.013 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana,
9:14b.PSA.009.014 Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no hifaliako amin'ny famonjenao.
9:15b.PSA.009.015 Ny jentilisa efa latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,
9:16b.PSA.009.016 Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny asan'ny tànany Izy.
9:17b.PSA.009.017 Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola]
9:18b.PSA.009.018 Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny mahantra.
9:19b.PSA.009.019 Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Na: fampianarana]
9:20b.PSA.009.020 Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Na: fampianarana]
10
10:1b.PSA.010.001 [Salamo abidy. Fitarainana sy fangataham-pamonjena noho ny fireharehan'ny ratsy]Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin'ny andro fahoriana?
10:2b.PSA.010.002 Noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon'ny fahendrena nataony izy ireny.[Na: miolomay manenjika ny malahelo izy]
10:3b.PSA.010.003 Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.
10:4b.PSA.010.004 Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy Andriamanitra" no tontalin-keviny.
10:5b.PSA.010.005 Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? [Heb. Mahery]
10:6b.PSA.010.006 Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
10:7b.PSA.010.007 Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.
10:8b.PSA.010.008 Mamitsaka amin'ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.
10:9b.PSA.010.009 Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.
10:10b.PSA.010.010 Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy.
10:11b.PSA.010.011 Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.
10:12b.PSA.010.012 Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
10:13b.PSA.010.013 Nahoana no mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?
10:14b.PSA.010.014 Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
10:15b.PSA.010.015 Torotoroy ny sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.
10:16b.PSA.010.016 Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny jentilisa.
10:17b.PSA.010.017 Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona etỳ an-tany.
10:18b.PSA.010.018 Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona etỳ an-tany.
11
11:1b.PSA.011.001 [Ny avalin'ny mahery finoana izay sakaizany saro-tahotra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely? [Na: ry voronkely]
11:2b.PSA.011.002 Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
11:3b.PSA.011.003 Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry]
11:4b.PSA.011.004 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.
11:5b.PSA.011.005 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny.
11:6b.PSA.011.006 Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]
11:7b.PSA.011.007 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]
12
12:1b.PSA.012.001 [Fitarainana noho ny tsi-fahamarinan'ny maro] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona.
12:2b.PSA.012.002 Samy milaza lainga amin'ny namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
12:3b.PSA.012.003 Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
12:4b.PSA.012.004 Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
12:5b.PSA.012.005 Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany. [Na: Hataoko mahita ny famonjena iriny izy]
12:6b.PSA.012.006 Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.
12:7b.PSA.012.007 Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity.Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.
12:8b.PSA.012.008 Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.
13
13:1b.PSA.013.001 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?
13:2b.PSA.013.002 Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan'andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan'ny fahavaloko ho amboniko?
13:3b.PSA.013.003 Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;
13:4b.PSA.013.004 Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.
13:5b.PSA.013.005 Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin'ny famonjenao ny foko.Hihira ho an'i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;
13:6b.PSA.013.006 Hihira ho an'i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;
14
14:1b.PSA.014.001 [Ny faharatsian'ny olona, sy ny fanirian'ny sasany famonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
14:2b.PSA.014.002 Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
14:3b.PSA.014.003 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
14:4b.PSA.014.004 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?
14:5b.PSA.014.005 Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina.
14:6b.PSA.014.006 Na dia foananareo aza ny fisainan'ny ory, Jehovah kosa no arony.Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
14:7b.PSA.014.007 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
15
15:1b.PSA.015.001 [Ny toetry ny olona izay mahazo monina ao amin'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?
15:2b.PSA.015.002 Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;
15:3b.PSA.015.003 Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
15:4b.PSA.015.004 Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry sy maniva tena]Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
15:5b.PSA.015.005 Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
16
16:1b.PSA.016.001 [Ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny fahafatesana] Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
16:2b.PSA.016.002 Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
16:3b.PSA.016.003 Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra. [Na: Dia izaho sy ny olona ambonin'ny tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako indrindra]
16:4b.PSA.016.004 Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.
16:5b.PSA.016.005 Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
16:6b.PSA.016.006 Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
16:7b.PSA.016.007 Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. [Na: mamporisika][Heb: voako]
16:8b.PSA.016.008 Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
16:9b.PSA.016.009 Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.[Heb: voninahitro]
16:10b.PSA.016.010 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny lavaka Hianao.[Heb: Sheola][Heb: hahita][Na: ho tratry ny lò]Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
16:11b.PSA.016.011 Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
17
17:1b.PSA.017.001 [Fivavaky ny ory mba hovonjen'Andriamanitra tsy ho azon'ny hery sy ny reharehan'ny fahavalony] Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.
17:2b.PSA.017.002 Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
17:3b.PSA.017.003 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro. [Na: fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny vavako aho]
17:4b.PSA.017.004 Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny.
17:5b.PSA.017.005 Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
17:6b.PSA.017.006 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
17:7b.PSA.017.007 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
17:8b.PSA.017.008 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,
17:9b.PSA.017.009 Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
17:10b.PSA.017.010 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
17:11b.PSA.017.011 Manodidina anay amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na: Ahy]
17:12b.PSA.017.012 Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.
17:13b.PSA.017.013 Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon'ny ratsy fanahy;
17:14b.PSA.017.014 Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
17:15b.PSA.017.015 Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
18
18:1b.PSA.018.001 [Fitantaran'i Davida ny namonjen'Andriamanitra azy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
18:2b.PSA.018.002 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
18:3b.PSA.018.003 Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
18:4b.PSA.018.004 Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
18:5b.PSA.018.005 Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb: Sheola]
18:6b.PSA.018.006 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
18:7b.PSA.018.007 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
18:8b.PSA.018.008 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
18:9b.PSA.018.009 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.
18:10b.PSA.018.010 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin'ny ela-drivotra Izy.
18:11b.PSA.018.011 Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.[Heb: aizin-drano]
18:12b.PSA.018.012 Ary teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
18:13b.PSA.018.013 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
18:14b.PSA.018.014 Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
18:15b.PSA.018.015 Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.
18:16b.PSA.018.016 Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy;
18:17b.PSA.018.017 Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny
18:18b.PSA.018.018 Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
18:19b.PSA.018.019 Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
18:20b.PSA.018.020 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.
18:21b.PSA.018.021 Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;
18:22b.PSA.018.022 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
18:23b.PSA.018.023 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
18:24b.PSA.018.024 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony.
18:25b.PSA.018.025 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
18:26b.PSA.018.026 Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina. [Heb: miolakolaka]
18:27b.PSA.018.027 Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
18:28b.PSA.018.028 Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
18:29b.PSA.018.029 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
18:30b.PSA.018.030 Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
18:31b.PSA.018.031 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
18:32b.PSA.018.032 Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
18:33b.PSA.018.033 Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.
18:34b.PSA.018.034 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
18:35b.PSA.018.035 Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
18:36b.PSA.018.036 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
18:37b.PSA.018.037 Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.
18:38b.PSA.018.038 Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
18:39b.PSA.018.039 Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
18:40b.PSA.018.040 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
18:41b.PSA.018.041 Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
18:42b.PSA.018.042 Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.
18:43b.PSA.018.043 Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
18:44b.PSA.018.044 Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy. [Na: Ny olona re laza ihany aza, dia hafa firenena, mikoy ahy]
18:45b.PSA.018.045 Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.
18:46b.PSA.018.046 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
18:47b.PSA.018.047 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
18:48b.PSA.018.048 Mamonjy ahy amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe.
18:49b.PSA.018.049 Koa izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
18:50b.PSA.018.050 Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
19
19:1b.PSA.019.001 [Fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra, amin'ny asan'ny tànany, na amin'ny lalàna nomeny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
19:2b.PSA.019.002 Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.
19:3b.PSA.019.003 Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay tsy re ny feony]
19:4b.PSA.019.004 Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony]
19:5b.PSA.019.005 Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.
19:6b.PSA.019.006 Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany.
19:7b.PSA.019.007 Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
19:8b.PSA.019.008 Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.
19:9b.PSA.019.009 Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.
19:10b.PSA.019.010 Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.
19:11b.PSA.019.011 Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
19:12b.PSA.019.012 Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra.
19:13b.PSA.019.013 Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
19:14b.PSA.019.014 Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
20
20:1b.PSA.020.001 [Vavaka ho an'ny mpanjaka raha mivoaka hanafika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin'ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo anie ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba.
20:2b.PSA.020.002 Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
20:3b.PSA.020.003 Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao.
20:4b.PSA.020.004 Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
20:5b.PSA.020.005 Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
20:6b.PSA.020.006 Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.
20:7b.PSA.020.007 Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
20:8b.PSA.020.008 Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]
20:9b.PSA.020.009 Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]
21
21:1b.PSA.021.001 [Fisaorana atao rehefa miverina avy any an-tafika ny mpanjaka] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao!
21:2b.PSA.021.002 Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao.
21:3b.PSA.021.003 Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
21:4b.PSA.021.004 Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
21:5b.PSA.021.005 Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
21:6b.PSA.021.006 Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy.
21:7b.PSA.021.007 Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
21:8b.PSA.021.008 Ho azon'ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
21:9b.PSA.021.009 Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
21:10b.PSA.021.010 Ny zanany haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;[Heb: vokany]
21:11b.PSA.021.011 Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
21:12b.PSA.021.012 Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
21:13b.PSA.021.013 Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
22
22:1b.PSA.022.001 [Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny fanjakan'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.
22:2b.PSA.022.002 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
22:3b.PSA.022.003 Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.
22:4b.PSA.022.004 Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
22:5b.PSA.022.005 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
22:6b.PSA.022.006 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.
22:7b.PSA.022.007 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
22:8b.PSA.022.008 Ankino amin'i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]
22:9b.PSA.022.009 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko;
22:10b.PSA.022.010 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
22:11b.PSA.022.011 Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
22:12b.PSA.022.012 Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy.
22:13b.PSA.022.013 Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
22:14b.PSA.022.014 Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
22:15b.PSA.022.015 Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
22:16b.PSA.022.016 Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy]
22:17b.PSA.022.017 Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
22:18b.PSA.022.018 Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
22:19b.PSA.022.019 Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
22:20b.PSA.022.020 Vonjeo amin'ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa.
22:21b.PSA.022.021 Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga. [Na: teo amin'ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho]
22:22b.PSA.022.022 Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao.
22:23b.PSA.022.023 Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.
22:24b.PSA.022.024 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
22:25b.PSA.022.025 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.
22:26b.PSA.022.026 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
22:27b.PSA.022.027 Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.
22:28b.PSA.022.028 Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.
22:29b.PSA.022.029 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.[Heb: matavy]
22:30b.PSA.022.030 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
22:31b.PSA.022.031 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
23
23:1b.PSA.023.001 [Ny Mpiandry Tsara] Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
23:2b.PSA.023.002 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
23:3b.PSA.023.003 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
23:4b.PSA.023.004 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
23:5b.PSA.023.005 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.
23:6b.PSA.023.006 Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.
24
24:1b.PSA.024.001 [Fiomanana handray ny Mpanjakan'ny voninahitra] Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
24:2b.PSA.024.002 Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy.
24:3b.PSA.024.003 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina?
24:4b.PSA.024.004 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka.
24:5b.PSA.024.005 Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy.
24:6b.PSA.024.006 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. [Na: Izay mitady ny tavanao, ry Andriamanitr'i Jakoba]
24:7b.PSA.024.007 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay]
24:8b.PSA.024.008 Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.
24:9b.PSA.024.009 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.
24:10b.PSA.024.010 Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.
25
25:1b.PSA.025.001 [Salamo abidy. Fangatahana fiarovanana sy fitarihana] Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko.
25:2b.PSA.025.002 Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho.
25:3b.PSA.025.003 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
25:4b.PSA.025.004 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.
25:5b.PSA.025.005 Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.
25:6b.PSA.025.006 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.
25:7b.PSA.025.007 Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
25:8b.PSA.025.008 Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
25:9b.PSA.025.009 Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
25:10b.PSA.025.010 Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
25:11b.PSA.025.011 Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
25:12b.PSA.025.012 Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
25:13b.PSA.025.013 Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
25:14b.PSA.025.014 Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
25:15b.PSA.025.015 Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato.
25:16b.PSA.025.016 Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
25:17b.PSA.025.017 Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.
25:18b.PSA.025.018 Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
25:19b.PSA.025.019 Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
25:20b.PSA.025.020 Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.
25:21b.PSA.025.021 Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.
25:22b.PSA.025.022 Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.
26
26:1b.PSA.026.001 [Fangatahana mba tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.
26:2b.PSA.026.002 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
26:3b.PSA.026.003 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.
26:4b.PSA.026.004 Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.
26:5b.PSA.026.005 Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.
26:6b.PSA.026.006 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,
26:7b.PSA.026.007 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
26:8b.PSA.026.008 Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.
26:9b.PSA.026.009 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,
26:10b.PSA.026.010 Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
26:11b.PSA.026.011 Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.
26:12b.PSA.026.012 Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.
27
27:1b.PSA.027.001 [Fahatokiana an'i Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony] Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako?
27:2b.PSA.027.002 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo.
27:3b.PSA.027.003 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
27:4b.PSA.027.004 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
27:5b.PSA.027.005 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
27:6b.PSA.027.006 Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho.
27:7b.PSA.027.007 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.
27:8b.PSA.027.008 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
27:9b.PSA.027.009 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
27:10b.PSA.027.010 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy. [Na: Fa na dia mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah aho]
27:11b.PSA.027.011 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.
27:12b.PSA.027.012 Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.
27:13b.PSA.027.013 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.
27:14b.PSA.027.014 Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.
28
28:1b.PSA.028.001 [Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka ny olony sy hanameloka ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
28:2b.PSA.028.002 Mihainoa ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny fitoeranao masina indrindra aho.
28:3b.PSA.028.003 Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.
28:4b.PSA.028.004 Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.
28:5b.PSA.028.005 Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny.
28:6b.PSA.028.006 Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.
28:7b.PSA.028.007 Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.
28:8b.PSA.028.008 Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.[Heb: ento]
28:9b.PSA.028.009 Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.[Heb: ento]
29
29:1b.PSA.029.001 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny fiandrianany izay miseho amin'ny kotrokorana] Salamo nataon'i Davida. Manomeza an'i Jehovah, ry zanak'Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
29:2b.PSA.029.002 Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina.
29:3b.PSA.029.003 Ny feon'i Jehovah no eny ambonin'ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin'ny rano be.
29:4b.PSA.029.004 Ny feon'i Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra.
29:5b.PSA.029.005 Ny feon'i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.
29:6b.PSA.029.006 Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.
29:7b.PSA.029.007 Ny feon'i Jehovah mampisaraka ny lelafo;
29:8b.PSA.029.008 Ny feon'i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy.
29:9b.PSA.029.009 Ny feon'i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!
29:10b.PSA.029.010 Jehovah nipetraka teo ambonin'ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.
29:11b.PSA.029.011 Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.
30
30:1b.PSA.030.001 [Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
30:2b.PSA.030.002 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
30:3b.PSA.030.003 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]
30:4b.PSA.030.004 Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina.[Heb: fahatsiarovana]
30:5b.PSA.030.005 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
30:6b.PSA.030.006 Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]
30:7b.PSA.030.007 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
30:8b.PSA.030.008 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
30:9b.PSA.030.009 Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
30:10b.PSA.030.010 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
30:11b.PSA.030.011 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]
30:12b.PSA.030.012 Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]
31
31:1b.PSA.031.001 [Fitarainana nataon'izay tra-panenjehana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
31:2b.PSA.031.002 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.
31:3b.PSA.031.003 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.
31:4b.PSA.031.004 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
31:5b.PSA.031.005 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.
31:6b.PSA.031.006 Halako izay mivavaka amin'ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako.[Heb: zava-poana mandainga]
31:7b.PSA.031.007 Hifaly sy ho ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko,
31:8b.PSA.031.008 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka Hianao.
31:9b.PSA.031.009 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban'alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.
31:10b.PSA.031.010 Fa lanin'alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.
31:11b.PSA.031.011 Noho ny ataon'ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin'ny namako aza,sady atahoran'ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.
31:12b.PSA.031.012 Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
31:13b.PSA.031.013 Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.
31:14b.PSA.031.014 Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
31:15b.PSA.031.015 Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
31:16b.PSA.031.016 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.
31:17b.PSA.031.017 Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb: Sheola]
31:18b.PSA.031.018 Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny fanamavoana.
31:19b.PSA.031.019 Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao ho an'ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay mialoka aminao!
31:20b.PSA.031.020 Hanafina azy ao amin'ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon'ny lela mifanditra izy.
31:21b.PSA.031.021 Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.
31:22b.PSA.031.022 Fa hoy izaho tamin'ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.
31:23b.PSA.031.023 Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.
31:24b.PSA.031.024 Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.
32
32:1b.PSA.032.001 [Ny amin'ny famelan-keloka] Nataon'i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
32:2b.PSA.032.002 Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.
32:3b.PSA.032.003 Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva,
32:4b.PSA.032.004 Fa efa navesatra tamiko andro aman'alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon'ny fahamainana amin'ny lohataona.
32:5b.PSA.032.005 Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
32:6b.PSA.032.006 Izany no aoka hivavahan'ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin'izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany.
32:7b.PSA.032.007 Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.
32:8b.PSA.032.008 Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
32:9b.PSA.032.009 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy.
32:10b.PSA.032.010 Be ny fanaintainan'ny ratsy fanahy, fa izay matoky an'i Jehovah kosa dia ho hodidinin'ny famindram-po.Mifalia amin'i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
32:11b.PSA.032.011 Mifalia amin'i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
33
33:1b.PSA.033.001 [Fiderana an'Andriamanitra Mpitondra izao rehetra izao sy Mpiaro ny olona] Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.
33:2b.PSA.033.002 Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.
33:3b.PSA.033.003 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana.
33:4b.PSA.033.004 Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
33:5b.PSA.033.005 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany.
33:6b.PSA.033.006 Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
33:7b.PSA.033.007 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
33:8b.PSA.033.008 Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.
33:9b.PSA.033.009 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
33:10b.PSA.033.010 Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
33:11b.PSA.033.011 Ny fisainan'i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
33:12b.PSA.033.012 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
33:13b.PSA.033.013 Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy;
33:14b.PSA.033.014 Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany,
33:15b.PSA.033.015 Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
33:16b.PSA.033.016 Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny.
33:17b.PSA.033.017 Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny.
33:18b.PSA.033.018 Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
33:19b.PSA.033.019 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
33:20b.PSA.033.020 Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
33:21b.PSA.033.021 Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika.Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
33:22b.PSA.033.022 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
34
34:1b.PSA.034.001 [Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon'izay efa novonjena tamin'ny fahoriana] Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
34:2b.PSA.034.002 Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
34:3b.PSA.034.003 Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
34:4b.PSA.034.004 Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.
34:5b.PSA.034.005 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
34:6b.PSA.034.006 Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.
34:7b.PSA.034.007 Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
34:8b.PSA.034.008 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
34:9b.PSA.034.009 Matahora an'i Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
34:10b.PSA.034.010 Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
34:11b.PSA.034.011 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo.
34:12b.PSA.034.012 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
34:13b.PSA.034.013 Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
34:14b.PSA.034.014 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
34:15b.PSA.034.015 Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
34:16b.PSA.034.016 Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy.
34:17b.PSA.034.017 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.
34:18b.PSA.034.018 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
34:19b.PSA.034.019 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.
34:20b.PSA.034.020 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
34:21b.PSA.034.021 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
34:22b.PSA.034.022 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
35
35:1b.PSA.035.001 [Fiantsoana an'Andriamanitra hamaly ny ratsy ataon'ny mpanenjika] Nataon'i Davida. Jehovah ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin'izay mamely ahy.
35:2b.PSA.035.002 Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
35:3b.PSA.035.003 Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin'ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
35:4b.PSA.035.004 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
35:5b.PSA.035.005 Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan'ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin'i Jehovah handroaka azy.
35:6b.PSA.035.006 Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin'i Jehovah hanenjika azy.
35:7b.PSA.035.007 Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.
35:8b.PSA.035.008 Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin'izany fandringanana izany indrindra izy.
35:9b.PSA.035.009 Fa ny fanahiko kosa hifaly amin'i Jehovah sy ho ravoravo amin'ny famonjeny.
35:10b.PSA.035.010 Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin'izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin'izay mamabo azy?
35:11b.PSA.035.011 Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
35:12b.PSA.035.012 Mamaly ratsy ahy ho solon'ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
35:13b.PSA.035.013 Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
35:14b.PSA.035.014 Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin'alahelo toy ny fisaona reny aho.
35:15b.PSA.035.015 Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona;olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;[Na: Olona faraidina, izay fantatro, no nitangorona hamely ahy]
35:16b.PSA.035.016 Naman'ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.[Heb. hahazoa-mofo; na;tena mpanendrikendrika indrindra]
35:17b.PSA.035.017 Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny fanahiko ho afaka amin'ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin'ny liona tanora.
35:18b.PSA.035.018 Hisaotra Anao eo amin'ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan'ny olona maro aho.
35:19b.PSA.035.019 Aoka tsy hifalian'izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
35:20b.PSA.035.020 Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin'ny tany.
35:21b.PSA.035.021 Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita'ny masonay.
35:22b.PSA.035.022 Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
35:23b.PSA.035.023 Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin'ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin'ny adiko.
35:24b.PSA.035.024 Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian'ireo aho.
35:25b.PSA.035.025 Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
35:26b.PSA.035.026 Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin'ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
35:27b.PSA.035.027 Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony.Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.
35:28b.PSA.035.028 Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.
36
36:1b.PSA.036.001 [Ny maharatsy ny miala amin'Andriamanitra, ary ny mahatsara ny mihavana aminy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.[Na: Misy filazana ny ao am-pon'ny ratsy fanahy manao hoe:]
36:2b.PSA.036.002 Fa miarahaba tena izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
36:3b.PSA.036.003 Ny tenin'ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
36:4b.PSA.036.004 Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
36:5b.PSA.036.005 Jehovah ô, mipaka amin'ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
36:6b.PSA.036.006 Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,[Heb: tendrombohitr'Andriamanitra]
36:7b.PSA.036.007 Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.
36:8b.PSA.036.008 Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
36:9b.PSA.036.009 Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
36:10b.PSA.036.010 Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo.
36:11b.PSA.036.011 Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
36:12b.PSA.036.012 Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
37
37:1b.PSA.037.001 [Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
37:2b.PSA.037.002 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
37:3b.PSA.037.003 Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.
37:4b.PSA.037.004 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.
37:5b.PSA.037.005 Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
37:6b.PSA.037.006 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
37:7b.PSA.037.007 Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy.
37:8b.PSA.037.008 Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany.
37:9b.PSA.037.009 Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany.
37:10b.PSA.037.010 Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.
37:11b.PSA.037.011 Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana.
37:12b.PSA.037.012 Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.
37:13b.PSA.037.013 Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
37:14b.PSA.037.014 Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
37:15b.PSA.037.015 Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
37:16b.PSA.037.016 Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.
37:17b.PSA.037.017 Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
37:18b.PSA.037.018 Fantatr'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
37:19b.PSA.037.019 Tsy mba ho menatra amin'ny andro fahoriana ireny; ary amin'ny taona mosarena dia ho voky izy.
37:20b.PSA.037.020 Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.
37:21b.PSA.037.021 Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.[Na: tsy mahonitra]
37:22b.PSA.037.022 Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
37:23b.PSA.037.023 Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.
37:24b.PSA.037.024 Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.
37:25b.PSA.037.025 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.
37:26b.PSA.037.026 Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.
37:27b.PSA.037.027 Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.
37:28b.PSA.037.028 Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,
37:29b.PSA.037.029 Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay
37:30b.PSA.037.030 Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.
37:31b.PSA.037.031 Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.
37:32b.PSA.037.032 Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
37:33b.PSA.037.033 Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.
37:34b.PSA.037.034 Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.
37:35b.PSA.037.035 Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;
37:36b.PSA.037.036 Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
37:37b.PSA.037.037 Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an'ny olona tia fihavanana. [Na: taranaka][Na: Fa fiadanana no faran'izany olona izany]
37:38b.PSA.037.038 Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra.
37:39b.PSA.037.039 Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy.Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
37:40b.PSA.037.040 Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
38
38:1b.PSA.038.001 [Fivavak'izay ory dia ory indrindra] Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
38:2b.PSA.038.002 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao,
38:3b.PSA.038.003 Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
38:4b.PSA.038.004 Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
38:5b.PSA.038.005 Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.
38:6b.PSA.038.006 Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
38:7b.PSA.038.007 Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
38:8b.PSA.038.008 Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko.
38:9b.PSA.038.009 Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
38:10b.PSA.038.010 Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy.
38:11b.PSA.038.011 Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.
38:12b.PSA.038.012 Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva.
38:13b.PSA.038.013 Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
38:14b.PSA.038.014 Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
38:15b.PSA.038.015 Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.
38:16b.PSA.038.016 Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.
38:17b.PSA.038.017 Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
38:18b.PSA.038.018 Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako. [Na: Malahelo]
38:19b.PSA.038.019 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
38:20b.PSA.038.020 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara.
38:21b.PSA.038.021 Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
38:22b.PSA.038.022 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
39
39:1b.PSA.039.001 [Ny fahatsinontsinon'izao fiainana izao] Ho an'ny mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
39:2b.PSA.039.002 Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainan'ny aretiko.[Na; na dia teo anatrehan'ny tsara fanahy aza]
39:3b.PSA.039.003 Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny lelako aho.
39:4b.PSA.039.004 Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
39:5b.PSA.039.005 Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza.[Na: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona rehetra]
39:6b.PSA.039.006 Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.
39:7b.PSA.039.007 Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
39:8b.PSA.039.008 Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.
39:9b.PSA.039.009 Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.
39:10b.PSA.039.010 Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao.
39:11b.PSA.039.011 Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra.
39:12b.PSA.039.012 Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.
39:13b.PSA.039.013 Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.
40
40:1b.PSA.040.001 [Fisaorana noho ny famonjena efa azo sy fanolorana ny tena hankatò ny tenin'Andriamanitra, ary fangatahana ho amin'ny andro sisa] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry dia niandry an'i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.
40:2b.PSA.040.002 Dia nampakatra ahy avy tao amin'ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
40:3b.PSA.040.003 Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an'i Jehovah.
40:4b.PSA.040.004 Sambatra izay olona manao an'i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman'ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin'ny lainga.
40:5b.PSA.040.005 Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.
40:6b.PSA.040.006 Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao; [Heb: Ny sofiko no nohadinao]
40:7b.PSA.040.007 Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy.
40:8b.PSA.040.008 Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.
40:9b.PSA.040.009 Efa nilaza teny mahafaly ny amin'ny fahamarinana teo amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.
40:10b.PSA.040.010 Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe aho.
40:11b.PSA.040.011 Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.
40:12b.PSA.040.012 Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.
40:13b.PSA.040.013 Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
40:14b.PSA.040.014 Aoka ho indray menatra sy mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay mankasitraka ahy ho ory.
40:15b.PSA.040.015 Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireny manao amiko hoe: Hià! sakoa izay!
40:16b.PSA.040.016 Aoka ho faly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah.Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Andriamanitro ô.
40:17b.PSA.040.017 Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Andriamanitro ô.
41
41:1b.PSA.041.001 [Fitarainan'ilay ampahorin'ny olon-tsy tia sy ny sakaiza mamadika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana.
41:2b.PSA.041.002 Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony.
41:3b.PSA.041.003 Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
41:4b.PSA.041.004 Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
41:5b.PSA.041.005 Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
41:6b.PSA.041.006 Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
41:7b.PSA.041.007 Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
41:8b.PSA.041.008 Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
41:9b.PSA.041.009 Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.
41:10b.PSA.041.010 Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.
41:11b.PSA.041.011 Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko ahy.
41:12b.PSA.041.012 Ary ny amiko, dia manohana ahy amin'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.
41:13b.PSA.041.013 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.
42
42:1b.PSA.042.001 [BOKY FAHAROA][Faniriana an'Andriamanitra raha lavitra an'i Ziona] Ho an'ny mpiventy hira. Maskila. Nataon'ny Koraita. Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
42:2b.PSA.042.002 Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?
42:3b.PSA.042.003 Ny ranomasoko no fiahiko andro aman'alina, amin'ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
42:4b.PSA.042.004 Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin'ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon'Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
42:5b.PSA.042.005 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an'Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen'ny tavany.
42:6b.PSA.042.006 Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin'ny tanin'i Jordana sy amin'ireo Hermona ary amin'ny tendrombohitra Mizara.
42:7b.PSA.042.007 Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon'ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.
42:8b.PSA.042.008 Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko.
42:9b.PSA.042.009 Hoy izaho amin'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
42:10b.PSA.042.010 Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan'ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan'andro: Aiza izay Andriamanitrao?Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
42:11b.PSA.042.011 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
43
43:1b.PSA.043.001 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.
43:2b.PSA.043.002 Fa Hianao no Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
43:3b.PSA.043.003 Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin'ny tabernakelinao.
43:4b.PSA.043.004 Dia hankany amin'ny alitaran'Andriamanitra aho, dia any amin'Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin'ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro.Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
43:5b.PSA.043.005 Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
44
44:1b.PSA.044.001 [Fivavaky ny Isiraely nony saiky resim-pahavalo, nefa tsy nahafoy an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny.
44:2b.PSA.044.002 Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
44:3b.PSA.044.003 Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
44:4b.PSA.044.004 Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba.
44:5b.PSA.044.005 Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay.
44:6b.PSA.044.006 Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy.
44:7b.PSA.044.007 Fa namonjy anay tamin'ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra.
44:8b.PSA.044.008 Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.
44:9b.PSA.044.009 Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin'ny antokon'ny miaramilanay Hianao.
44:10b.PSA.044.010 Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.
44:11b.PSA.044.011 Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin'ny firenen-tsamy hafa.
44:12b.PSA.044.012 Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin'ny vidiny.
44:13b.PSA.044.013 Ataonao fandatsan'ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson'izay manodidina anay.
44:14b.PSA.044.014 Ataonao ho ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny olona maro.
44:15b.PSA.044.015 Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako,
44:16b.PSA.044.016 Noho ny feon'ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.
44:17b.PSA.044.017 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.
44:18b.PSA.044.018 Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay.
44:19b.PSA.044.019 Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana.[Na: jakala]
44:20b.PSA.044.020 Raha nanadino ny anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa,
44:21b.PSA.044.021 Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.
44:22b.PSA.044.022 Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
44:23b.PSA.044.023 Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.
44:24b.PSA.044.024 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?
44:25b.PSA.044.025 Fa miankohoka amin'ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin'ny tany ny kibonay.Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.
44:26b.PSA.044.026 Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.
45
45:1b.PSA.045.001 [Tonon-kiram-panambadiana, fiderana ny mpanjaka be voninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'ny Koraita. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan'ny faingan-tsoratra ny lelako.
45:2b.PSA.045.002 Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin'ny molotrao; izany no nitahian'Andriamanitra anao mandrakizay.
45:3b.PSA.045.003 Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
45:4b.PSA.045.004 Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin'ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
45:5b.PSA.045.005 Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra - Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao - ka mitsatoka ao am-pon'ny fahavalon'ny mpanjaka.
45:6b.PSA.045.006 Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
45:7b.PSA.045.007 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
45:8b.PSA.045.008 Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory no mampifaly anao.[Heb: ahalota]
45:9b.PSA.045.009 Zanakavavin'andriamanjaka no isan'ny malalanao; eo ankavananao no itoeran'ny vadin'ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
45:10b.PSA.045.010 Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
45:11b.PSA.045.011 Raha irin'ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao - fa izy no tomponao - dia miankohofa eo anatrehany.
45:12b.PSA.045.012 Ary ny zanakavavin'i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin'ny vahoaka hila sitraka aminao.
45:13b.PSA.045.013 Be voninahitra ny zanakavavin'ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
45:14b.PSA.045.014 Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin'ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.
45:15b.PSA.045.015 Entina amin'ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy.
45:16b.PSA.045.016 Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin'ny tany rehetra izy.Hampahatsiaro ny anaranao hatramin'ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran'ny firenena anao mandrakizay doria.
45:17b.PSA.045.017 Hampahatsiaro ny anaranao hatramin'ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran'ny firenena anao mandrakizay doria.
46
46:1b.PSA.046.001 [Fahatokiana an'Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.
46:2b.PSA.046.002 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
46:3b.PSA.046.003 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.
46:4b.PSA.046.004 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra.
46:5b.PSA.046.005 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.
46:6b.PSA.046.006 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.
46:7b.PSA.046.007 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.
46:8b.PSA.046.008 Avia, jereo ny asan'i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
46:9b.PSA.046.009 Mampitsahatra ady hatramin'ny faran'ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin'ny afo.
46:10b.PSA.046.010 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho.Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.
46:11b.PSA.046.011 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.
47
47:1b.PSA.047.001 [Fihobiana noho ny niakaran'ny Tompo] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra.
47:2b.PSA.047.002 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy.
47:3b.PSA.047.003 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika.
47:4b.PSA.047.004 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr'i Jakoba izay tiany.
47:5b.PSA.047.005 Efa niakatra tamin'ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin'ny fitsofana ny anjomara.
47:6b.PSA.047.006 Mankalazà an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.
47:7b.PSA.047.007 Fa Mpanjaka amin'ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.
47:8b.PSA.047.008 Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany masina.Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy.
47:9b.PSA.047.009 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy.
48
48:1b.PSA.048.001 [Ny tsy nahazoan'ny fahavalo hamely ny tanànan'Andriamanitra, Mpanjaka lehibe] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.
48:2b.PSA.048.002 Avo mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe.
48:3b.PSA.048.003 Andriamanitra ao an-tranon'andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
48:4b.PSA.048.004 Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
48:5b.PSA.048.005 Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
48:6b.PSA.048.006 Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka.
48:7b.PSA.048.007 Amin'ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon'i Tarsisy.
48:8b.PSA.048.008 Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao an-tanànan'Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay.
48:9b.PSA.048.009 Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin'ny tempolinao.
48:10b.PSA.048.010 Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin'ny faran'ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
48:11b.PSA.048.011 Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin'Joda, noho ny fitsaranao.
48:12b.PSA.048.012 Manodidina an'i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,
48:13b.PSA.048.013 Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon'andrianany, mba hambaranareo amin'ny taranaka mandimby.Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza.
48:14b.PSA.048.014 Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza.
49
49:1b.PSA.049.001 [Ny fahafoanan'ny harena amam-boninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:
49:2b.PSA.049.002 Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
49:3b.PSA.049.003 Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana.
49:4b.PSA.049.004 Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
49:5b.PSA.049.005 Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy,
49:6b.PSA.049.006 Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?
49:7b.PSA.049.007 Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,
49:8b.PSA.049.008 (Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
49:9b.PSA.049.009 Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka.[Na: ho tratry no lò]
49:10b.PSA.049.010 Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa.
49:11b.PSA.049.011 Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny.[Na: Ankalazaina ny anarany eny amin'ny tany maro]
49:12b.PSA.049.012 Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
49:13b.PSA.049.013 Izany no falehan'ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny.
49:14b.PSA.049.014 Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany.[Heb: Sheola]
49:15b.PSA.049.015 Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy.[Na: Rehefa azony aho]
49:16b.PSA.049.016 Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
49:17b.PSA.049.017 Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
49:18b.PSA.049.018 Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao -
49:19b.PSA.049.019 Dia hankany amin'ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.
49:20b.PSA.049.020 Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.
50
50:1b.PSA.050.001 [Ny amin'ny fivavahana marina sy ny fanatitra sitrak'Andriamanitra] Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany.
50:2b.PSA.050.002 Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan'Andriamanitra.
50:3b.PSA.050.003 Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
50:4b.PSA.050.004 Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:
50:5b.PSA.050.005 Angony etỳ amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin'ny fanatitra.
50:6b.PSA.050.006 Hasehon'ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara.
50:7b.PSA.050.007 Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.
50:8b.PSA.050.008 Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.
50:9b.PSA.050.009 Tsy maka vantotr'ombilahy amin'ny tranonao Aho, na osilahy amin'ny valanao;
50:10b.PSA.050.010 Fa Ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.
50:11b.PSA.050.011 Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.
50:12b.PSA.050.012 Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
50:13b.PSA.050.013 Hihinana ny nofon'ombilahy va Aho, na hisotro ny ran'osilahy?
50:14b.PSA.050.014 Manatera fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra; ary efao amin'ny Avo Indrindra ny voadinao;
50:15b.PSA.050.015 Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
50:16b.PSA.050.016 Fa amin'ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
50:17b.PSA.050.017 Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.
50:18b.PSA.050.018 Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin'ny mpijangajanga.
50:19b.PSA.050.019 Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.
50:20b.PSA.050.020 Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao.[Na: manosika]
50:21b.PSA.050.021 Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
50:22b.PSA.050.022 Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an'Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.
50:23b.PSA.050.023 Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.
51
51:1b.PSA.051.001 [Fifonan'ny manan-keloka mba hahafahan'ny helony sy hodian'ny fifaliany amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
51:2b.PSA.051.002 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
51:3b.PSA.051.003 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
51:4b.PSA.051.004 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
51:5b.PSA.051.005 Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
51:6b.PSA.051.006 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.
51:7b.PSA.051.007 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.[Heb: toy ny oram-panala]
51:8b.PSA.051.008 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao.
51:9b.PSA.051.009 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
51:10b.PSA.051.010 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
51:11b.PSA.051.011 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
51:12b.PSA.051.012 Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
51:13b.PSA.051.013 Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
51:14b.PSA.051.014 Vonjeo ho afaka amin'ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako.[Heb: ny lelako]
51:15b.PSA.051.015 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
51:16b.PSA.051.016 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
51:17b.PSA.051.017 Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
51:18b.PSA.051.018 Manaova soa amin'i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan'i Jerosalema.Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.
51:19b.PSA.051.019 Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.
52
52:1b.PSA.052.001 [Ny loza hanjo izay tsy miambim-bava] Ho an'ny mpiventy hira. Maskila nataon'i Davida, fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin'i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon'i Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin'ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon'Andriamanitra maharitra mandrakariva.
52:2b.PSA.052.002 Loza no heverin'ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.
52:3b.PSA.052.003 Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina.
52:4b.PSA.052.004 Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.
52:5b.PSA.052.005 Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona. [Na: hanongana]
52:6b.PSA.052.006 Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:
52:7b.PSA.052.007 Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben'ny hareny ka nikikitra tamin'ny faharatsiany.
52:8b.PSA.052.008 Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay doria aho.Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny olonao masina aho, fa tsara izany.
52:9b.PSA.052.009 Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny olonao masina aho, fa tsara izany.
53
53:1b.PSA.053.001 [Ny faharatsian'ny olona sy ny faniriam-pamonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara.
53:2b.PSA.053.002 Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
53:3b.PSA.053.003 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
53:4b.PSA.053.004 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny?
53:5b.PSA.053.005 Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan'izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian'Andriamanitra izy.Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
53:6b.PSA.053.006 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
54
54:1b.PSA.054.001 [Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy, na dia be aza ny fahavalo] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin'ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.
54:2b.PSA.054.002 Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin'ny vavako.
54:3b.PSA.054.003 Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an'Andriamanitra ho eo anatrehany izy.
54:4b.PSA.054.004 Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.
54:5b.PSA.054.005 Hamaly ny ratsy ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.
54:6b.PSA.054.006 Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko.
54:7b.PSA.054.007 Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko.
55
55:1b.PSA.055.001 [Fitarainana nataon'izay navadiky ny sakaizany nahatoky azy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny fitarainako.
55:2b.PSA.055.002 Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
55:3b.PSA.055.003 Noho ny feon'ny fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy.
55:4b.PSA.055.004 Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
55:5b.PSA.055.005 Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
55:6b.PSA.055.006 Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
55:7b.PSA.055.007 Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra.
55:8b.PSA.055.008 Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
55:9b.PSA.055.009 Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
55:10b.PSA.055.010 Hodidininy andro aman'alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
55:11b.PSA.055.011 Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny.
55:12b.PSA.055.012 Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
55:13b.PSA.055.013 Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
55:14b.PSA.055.014 Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra.
55:15b.PSA.055.015 Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany. [Na: Aoka hahazo azy ny fandringanana][Heb: Sheola][Na: Fa hevi-dratsy ny ao amin'ny firaketany, dia ao am-pony]
55:16b.PSA.055.016 Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
55:17b.PSA.055.017 Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
55:18b.PSA.055.018 Ka hanavotra ny fanahiko ho amin'ny fiadanana hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no miady amiko.
55:19b.PSA.055.019 Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an'Andriamanitra.
55:20b.PSA.055.020 Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
55:21b.PSA.055.021 Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
55:22b.PSA.055.022 Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
55:23b.PSA.055.023 Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
56
56:1b.PSA.056.001 [Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
56:2b.PSA.056.002 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
56:3b.PSA.056.003 Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao.
56:4b.PSA.056.004 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko?
56:5b.PSA.056.005 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.[Na: Mamily ny teniko mandrakariva ireny]
56:6b.PSA.056.006 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
56:7b.PSA.056.007 Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.[Na: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy]
56:8b.PSA.056.008 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny?
56:9b.PSA.056.009 Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
56:10b.PSA.056.010 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
56:11b.PSA.056.011 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?
56:12b.PSA.056.012 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.[Na: fahazavan'aina]
56:13b.PSA.056.013 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.[Na: fahazavan'aina]
57
57:1b.PSA.057.001 [Fangataham-pamindram-po sy fahatokiana an'Andriamanitra, na dia hodidinim-pahavalo aza] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan'ny loza.
57:2b.PSA.057.002 Hitaraina amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.
57:3b.PSA.057.003 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy; eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
57:4b.PSA.057.004 Ny fanahiko dia eo afovoan'ny liona; handry eo amin'ny masiaka aho, dia eo amin'ny zanak'olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.
57:5b.PSA.057.005 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
57:6b.PSA.057.006 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Na: nitanondrika ny fanahiko]
57:7b.PSA.057.007 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
57:8b.PSA.057.008 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.[Na: Hampifoha ny maraina aho]
57:9b.PSA.057.009 Hidera Anao eny amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin'ny firenena aho.
57:10b.PSA.057.010 Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
57:11b.PSA.057.011 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
58
58:1b.PSA.058.001 [Ny amin'ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak'olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?]
58:2b.PSA.058.002 Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany ianareo.
58:3b.PSA.058.003 Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.
58:4b.PSA.058.004 Misy poizina tahaka ny an'ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,
58:5b.PSA.058.005 Ka tsy mihaino ny feon'ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.
58:6b.PSA.058.006 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah ô.
58:7b.PSA.058.007 Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;
58:8b.PSA.058.008 Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.
58:9b.PSA.058.009 Dieny tsy mbola mafanan'ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
58:10b.PSA.058.010 Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy;Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]
58:11b.PSA.058.011 Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]
59
59:1b.PSA.059.001 [Fitarainan'izay misy fahavalo maro mitady hahafaty azy] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin'ny avo aho tsy ho azon'izay miodina amiko.
59:2b.PSA.059.002 Afaho amin'ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin'ny mpandatsa-drà.
59:3b.PSA.059.003 Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
59:4b.PSA.059.004 Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.[Heb. vokatra]
59:5b.PSA.059.005 Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy.
59:6b.PSA.059.006 Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
59:7b.PSA.059.007 Indro, mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono, no handre?
59:8b.PSA.059.008 Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.
59:9b.PSA.059.009 Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.
59:10b.PSA.059.010 Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny fahavaloko aho.
59:11b.PSA.059.011 Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin'ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.
59:12b.PSA.059.012 Ny fahotan'ny vavany dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.
59:13b.PSA.059.013 Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka hatramin'ny faran'ny tany.
59:14b.PSA.059.014 Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
59:15b.PSA.059.015 Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
59:16b.PSA.059.016 Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.
59:17b.PSA.059.017 Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.
60
60:1b.PSA.060.001 [Fiantsoan'ny efa resim-pahavalo, mba hotsarovan'Andriamanitra ny teniny] Ho an'ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.[Arama-naharaima]
60:2b.PSA.060.002 Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
60:3b.PSA.060.003 Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
60:4b.PSA.060.004 Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.
60:5b.PSA.060.005 Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
60:6b.PSA.060.006 Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;
60:7b.PSA.060.007 Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;
60:8b.PSA.060.008 Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
60:9b.PSA.060.009 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?
60:10b.PSA.060.010 Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ô? [Na: Tsy efa nanary anay va Hianao]
60:11b.PSA.060.011 Vonjeo amin'ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
60:12b.PSA.060.012 Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
61
61:1b.PSA.061.001 [Fangatahan'ny mpanjaka efa nandositra, mba hampodin'Andriamanitra indray] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.
61:2b.PSA.061.002 Any am-paran'ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;
61:3b.PSA.061.003 Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.
61:4b.PSA.061.004 Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho,
61:5b.PSA.061.005 Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao.
61:6b.PSA.061.006 Halavao ny andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.
61:7b.PSA.061.007 Aoka hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko.
61:8b.PSA.061.008 Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko.
62
62:1b.PSA.062.001 [Fiantombenan'ny fanahy izay manantena an'Andriamanitra, na dia mafy aza ny famelin'ny fahavalo] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
62:2b.PSA.062.002 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
62:3b.PSA.062.003 Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;
62:4b.PSA.062.004 Misaina hanongana azy hiala amin'ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany izy, fa manozona amin'ny fony.
62:5b.PSA.062.005 Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
62:6b.PSA.062.006 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
62:7b.PSA.062.007 Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.
62:8b.PSA.062.008 Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika.
62:9b.PSA.062.009 Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin'ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
62:10b.PSA.062.010 Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin'ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.
62:11b.PSA.062.011 Indray mandeha no nitenenan'Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an'Andriamanitra ny hery.Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
62:12b.PSA.062.012 Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
63
63:1b.PSA.063.001 [Ny hetahetan'ny fanahy maniry an'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
63:2b.PSA.063.002 Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
63:3b.PSA.063.003 Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
63:4b.PSA.063.004 Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.
63:5b.PSA.063.005 Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao.
63:6b.PSA.063.006 Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.
63:7b.PSA.063.007 Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako.
63:8b.PSA.063.008 Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
63:9b.PSA.063.009 Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;
63:10b.PSA.063.010 Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo izy.[volpa]Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.
63:11b.PSA.063.011 Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.
64
64:1b.PSA.064.001 [Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fandrika amam-pitaka ataon'ny olona, sy fanambarana ny havaliny ireny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo.
64:2b.PSA.064.002 Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy,
64:3b.PSA.064.003 Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.
64:4b.PSA.064.004 Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.
64:5b.PSA.064.005 Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?
64:6b.PSA.064.006 Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony.
64:7b.PSA.064.007 Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany.
64:8b.PSA.064.008 Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy.[Na: Mihifikifi-doha]
64:9b.PSA.064.009 Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.
64:10b.PSA.064.010 Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.
65
65:1b.PSA.065.001 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany] Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.[Na: Ny fiononana dia fiderana ankasitrahinao]
65:2b.PSA.065.002 Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin'ny nofo rehetra.
65:3b.PSA.065.003 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
65:4b.PSA.065.004 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao.
65:5b.PSA.065.005 Zava-mahatahotra no ataonao amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.
65:6b.PSA.065.006 Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy.
65:7b.PSA.065.007 Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena.
65:8b.PSA.065.008 Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.
65:9b.PSA.065.009 Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.
65:10b.PSA.065.010 Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.
65:11b.PSA.065.011 Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.
65:12b.PSA.065.012 Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikina fifaliana ny havoana.Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.
65:13b.PSA.065.013 Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.
66
66:1b.PSA.066.001 [Fiantsoana izao rehetra izao hisaotra an'Andriamanitra noho ny nataony ho an'ny mpanompony] Ho an'ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo. Mihobia ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra;
66:2b.PSA.066.002 Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
66:3b.PSA.066.003 Lazao amin'Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan'ny herinao no hikoizan'ny fahavalonao Anao.
66:4b.PSA.066.004 Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy.
66:5b.PSA.066.005 Avia, ka jereo ny asan'Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona.
66:6b.PSA.066.006 Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin'Andriamanitra.[Na: Ao no aoka hifaliantsika amin']
66:7b.PSA.066.007 Manjaka mandrakizay amin'ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra.
66:8b.PSA.066.008 Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
66:9b.PSA.066.009 Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
66:10b.PSA.066.010 Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy.
66:11b.PSA.066.011 Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.
66:12b.PSA.066.012 Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.
66:13b.PSA.066.013 Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,
66:14b.PSA.066.014 Izay notononin'ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
66:15b.PSA.066.015 Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin'ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho.
66:16b.PSA.066.016 Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an'ny fanahiko.
66:17b.PSA.066.017 Izy no nantsoin'ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin'ny lelako.
66:18b.PSA.066.018 Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;[Heb: nijery]
66:19b.PSA.066.019 Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon'ny fivavako Izy.Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.
66:20b.PSA.066.020 Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.
67
67:1b.PSA.067.001 [Fanirian'ny olo-marina mba hanaiky an'Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
67:2b.PSA.067.002 Mba ho fantatra etỳ ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.
67:3b.PSA.067.003 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
67:4b.PSA.067.004 Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao;
67:5b.PSA.067.005 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
67:6b.PSA.067.006 Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
67:7b.PSA.067.007 Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
68
68:1b.PSA.068.001 [Fankalazana an'Andriamanitra noho ny fitondrany ny Isiraely sy ny fandreseny ny fahavalony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
68:2b.PSA.068.002 Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon'ny savoka eo anoloan'ny afo no aoka hahalevonan'ny ratsy fanahy eo anatrehan'Andriamanitra.
68:3b.PSA.068.003 Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan'Andriamanitra izy ka faly tokoa.
68:4b.PSA.068.004 Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
68:5b.PSA.068.005 Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina.
68:6b.PSA.068.006 Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin'ny tany karankaina.
68:7b.PSA.068.007 Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan'ny olonao Hianao ka namaky ny efitra,
68:8b.PSA.068.008 Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
68:9b.PSA.068.009 Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
68:10b.PSA.068.010 Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.[Heb. bibinao]
68:11b.PSA.068.011 Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
68:12b.PSA.068.012 Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.
68:13b.PSA.068.013 Raha mandry eo amin'ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara
68:14b.PSA.068.014 Raha aelin'ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
68:15b.PSA.068.015 Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr'i Basana.
68:16b.PSA.068.016 Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.
68:17b.PSA.068.017 Ny kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin'ny itoerana masina.[Na: amin'ny fahamasinana]
68:18b.PSA.068.018 Efa niakatra ho any amin'ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin'ny olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra aza,- mba hitoeran'i Jehovah Andriamanitra any.[Na: ao aminy; na: mba hitoeranao any, ry Jehovah Andriamanitra; na: Efa nandray olona ho fanomezana Hianao Eny, na dia ny maditra aza mba hitoeranay ao amin'i Jehovah Andriamanitra]
68:19b.PSA.068.019 Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Na: Isaorana isan'andro isan'andro anie ny Tompo; Raha misy mahavesatra antsika, dia Andriamanitra no famonjena antsika; na: Isaorana anie ny Tompo, Izay mampitondra entana antsika isan'andro isan'andro]
68:20b.PSA.068.020 Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an'i Jehovah Tompo ny fanafahana amin'ny fahafatesana.
68:21b.PSA.068.021 Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan'ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an'izay mandroso amin'ny fahadisoany.
68:22b.PSA.068.022 Lazain'ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin'ny ranomasina lalina Aho,
68:23b.PSA.068.023 Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran'ny lelan'ny amboanao ny fahavalo.
68:24b.PSA.068.024 Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan'Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina.[Na: amin'ny fahamasinana]
68:25b.PSA.068.025 Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan'ny zatovovavy mively ampongatapaka.
68:26b.PSA.068.026 Misaora an'Andriamanitra eo amin'ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin'ny loharanon'ny Isiraely.
68:27b.PSA.068.027 Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon'ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.
68:28b.PSA.068.028 Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
68:29b.PSA.068.029 Noho ny tempolinao eo an-tampon'i Jerosalema, no hitondran'ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.[Na: Avy amin']
68:30b.PSA.068.030 Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian'ny ombilahy mbamin'ireo vahoaka zanak'omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
68:31b.PSA.068.031 Ho avy ny tremalahin'i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin'Andriamanitra.
68:32b.PSA.068.032 Ry fanjakana ambonin'ny tany, mihirà ho an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo,
68:33b.PSA.068.033 Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.
68:34b.PSA.068.034 Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin'ny lanitra.Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
68:35b.PSA.068.035 Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
69
69:1b.PSA.069.001 [Fitarainan'izay nenjehina sy nampahorina noho ny amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin'ny aiko ny rano.
69:2b.PSA.069.002 Milentika amin'ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin'ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.
69:3b.PSA.069.003 Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an'Andriamanitro aho.
69:4b.PSA.069.004 Maro noho ny volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
69:5b.PSA.069.005 Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.
69:6b.PSA.069.006 Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon'ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.
69:7b.PSA.069.007 Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.
69:8b.PSA.069.008 Efa vahiny amin'ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin'ny zanak'ineny aho.
69:9b.PSA.069.009 Fa ny firehetako ny amin'ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
69:10b.PSA.069.010 Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.
69:11b.PSA.069.011 Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentin-teny tamin'ireny aho.
69:12b.PSA.069.012 Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon'ny mpisotro toaka an-kira aho.
69:13b.PSA.069.013 Fa izaho hivavaka aminao amin'ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao , Andriamanitra ô noho ny haben'ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan'ny famonjenao.
69:14b.PSA.069.014 Afaho amin'ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin'izay mankahala ahy sy amin'ny rano lalina.
69:15b.PSA.069.015 Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.
69:16b.PSA.069.016 Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben'ny fiantranao.
69:17b.PSA.069.017 Ary aza manafina ny tavanao amin'ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.
69:18b.PSA.069.018 Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon'ny fahavaloko.
69:19b.PSA.069.019 Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.
69:20b.PSA.069.020 Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.
69:21b.PSA.069.021 Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.
69:22b.PSA.069.022 Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an'ny tsy manana ahiahy.
69:23b.PSA.069.023 Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.
69:24b.PSA.069.024 Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan'ny fahaviniranao.
69:25b.PSA.069.025 Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.
69:26b.PSA.069.026 Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy.
69:27b.PSA.069.027 Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin'ny fahamarinanao izy.
69:28b.PSA.069.028 Aoka hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin'ny marina.
69:29b.PSA.069.029 Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.
69:30b.PSA.069.030 Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.
69:31b.PSA.069.031 Fa ho sitrak'i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.
69:32b.PSA.069.032 Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an'Andriamanitra.
69:33b.PSA.069.033 Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.
69:34b.PSA.069.034 Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.
69:35b.PSA.069.035 Fa Andriamanitra hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.
69:36b.PSA.069.036 Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.
70
70:1b.PSA.070.001 [Fangatataham-pamonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
70:2b.PSA.070.002 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin'ny manjo ahy;
70:3b.PSA.070.003 Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!
70:4b.PSA.070.004 Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.
70:5b.PSA.070.005 Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.
71
71:1b.PSA.071.001 [Vavaka ataon'izay mahatsiaro ny famindram-pon'Andriamanitra taminy hatry ny fony tanora] Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
71:2b.PSA.071.002 Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho.
71:3b.PSA.071.003 Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.
71:4b.PSA.071.004 Andriamanitro ô, afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, dia amin'ny tanan'ny mpanao meloka sy ny lozabe.
71:5b.PSA.071.005 Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
71:6b.PSA.071.006 Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.[Na: no Mpiaro, na Mpanisy soa, ahy hatry, etc]
71:7b.PSA.071.007 Tonga toa zava-mahagaga eo imason'ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
71:8b.PSA.071.008 Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.
71:9b.PSA.071.009 Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.
71:10b.PSA.071.010 Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko.
71:11b.PSA.071.011 Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.
71:12b.PSA.071.012 Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy.
71:13b.PSA.071.013 Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.
71:14b.PSA.071.014 Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
71:15b.PSA.071.015 Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
71:16b.PSA.071.016 Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
71:17b.PSA.071.017 Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
71:18b.PSA.071.018 Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy.
71:19b.PSA.071.019 Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
71:20b.PSA.071.020 Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany.[Na: anay]
71:21b.PSA.071.021 Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao.
71:22b.PSA.071.022 Izaho kosa hidera Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely ô.
71:23b.PSA.071.023 Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.
71:24b.PSA.071.024 Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.
72
72:1b.PSA.072.001 [Ny handrosoan'ny fanjakan'ny mpanjaka voatendrin'Andriamanitra] Nataon'i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an'ny mpanjaka ny fitsarànao,ary ho an'ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
72:2b.PSA.072.002 Hitsara ny olonao amin'ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin'ny fahitsiana.[Na: Aoka, etc]
72:3b.PSA.072.003 Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an'ny olona, eny, ny havoana koa amin'ny fahamarinana.
72:4b.PSA.072.004 Hitsara2 ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
72:5b.PSA.072.005 Hatahotra2 anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
72:6b.PSA.072.006 Hidina2 tahaka ny ranonorana amin'ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin'ny tany.
72:7b.PSA.072.007 Ny2 marina hitrebona amin'ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
72:8b.PSA.072.008 Ary hanjaka hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina izy, ary hatramin'ny ony ka hatramin'ny faran'ny tany.[Eofrata]
72:9b.PSA.072.009 Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
72:10b.PSA.072.010 Ny mpanjakan'i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan'i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.
72:11b.PSA.072.011 Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
72:12b.PSA.072.012 Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;
72:13b.PSA.072.013 Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo.
72:14b.PSA.072.014 Hanavotra ny fanahiny amin'ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny.
72:15b.PSA.072.015 Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan'andro no hisaorany azy.[Na: Dia ho velona Izy ka homena]
72:16b.PSA.072.016 Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany.
72:17b.PSA.072.017 Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.[Izaho Gen.xxii. 18]
72:18b.PSA.072.018 Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
72:19b.PSA.072.019 Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
72:20b.PSA.072.020 Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
73
73:1b.PSA.073.001 [BOKY FAHATELO][Ny amin'ny tsy hahaketraka ny olon'Andriamanitra, raha mahita ny ratsy fanahy ambinina] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.
73:2b.PSA.073.002 Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,
73:3b.PSA.073.003 Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.
73:4b.PSA.073.004 Fa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
73:5b.PSA.073.005 Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.
73:6b.PSA.073.006 Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.
73:7b.PSA.073.007 Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.
73:8b.PSA.073.008 Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
73:9b.PSA.073.009 Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.
73:10b.PSA.073.010 Izany no itodihan'ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin'ireny;
73:11b.PSA.073.011 Ka hoy izy: Hataon'Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?
73:12b.PSA.073.012 Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.
73:13b.PSA.073.013 Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin'ny fahamarinana.
73:14b.PSA.073.014 Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
73:15b.PSA.073.015 Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.
73:16b.PSA.073.016 Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
73:17b.PSA.073.017 Mandra-piditro tao amin'ny fitoera-masin'Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
73:18b.PSA.073.018 Eo amin'izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
73:19b.PSA.073.019 Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!
73:20b.PSA.073.020 Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.
73:21b.PSA.073.021 Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,
73:22b.PSA.073.022 Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho.[Na: hipopotamosy]
73:23b.PSA.073.023 Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
73:24b.PSA.073.024 Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho.
73:25b.PSA.073.025 Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.
73:26b.PSA.073.026 Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
73:27b.PSA.073.027 Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.
73:28b.PSA.073.028 Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.
74
74:1b.PSA.074.001 [Fitarainana tamin'Andriamanitra, satria mafy ny fanenjehana, sady nosimbàna ny tempoly] Maskila nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin'ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
74:2b.PSA.074.002 Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
74:3b.PSA.074.003 Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin'ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin'ny fitoerana masina dia simban'ny fahavalo avokoa.
74:4b.PSA.074.004 Nierona tao anatin'ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy.
74:5b.PSA.074.005 Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka;
74:6b.PSA.074.006 Ary amin'izao ny rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta.
74:7b.PSA.074.007 Efa nandoro ny fitoeranao masina tamin'ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin'ny tany ny fonenan'ny anaranao.[Heb: Nolotoiny hatramin'ny tany]
74:8b.PSA.074.008 Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon'Andriamanitra eran'ny tany rehetra izy.
74:9b.PSA.074.009 Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan'izao.
74:10b.PSA.074.010 Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian'ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?
74:11b.PSA.074.011 Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy amin'ny tratranao, ka mandringàna.
74:12b.PSA.074.012 Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin'ny tany Izy.
74:13b.PSA.074.013 Nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan'ny dragona tao anaty rano Hianao.
74:14b.PSA.074.014 Hianao nanorotoro ny lohan'ny mamba ka nanome azy hohanin'izay firenena any an-efitra.
74:15b.PSA.074.015 Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.
74:16b.PSA.074.016 Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.
74:17b.PSA.074.017 Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.
74:18b.PSA.074.018 Tsarovy izao: Manaratsy an'i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.
74:19b.PSA.074.019 Aza manolotra ny ain'ny voromailalanao ho an'ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain'ny olo-mahantranao.
74:20b.PSA.074.020 Hevero ny fanekena; fa feno fonenan'ny fandozana ny fitoera-maizina amin'ny tany.
74:21b.PSA.074.021 Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.
74:22b.PSA.074.022 Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian'ny adala Anao isan'andro.Aza manadino ny feon'ny rafinao, dia ny fitabataban'ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.
74:23b.PSA.074.023 Aza manadino ny feon'ny rafinao, dia ny fitabataban'ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.
75
75:1b.PSA.075.001 [Ny fahakaikin'ny Mpitsara, sy ny kapoaky ny fahatezerany] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
75:2b.PSA.075.002 Fa ho avy tokoa amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.
75:3b.PSA.075.003 Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.
75:4b.PSA.075.004 Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;[Na: Hoy izaho tamin'ny adala: Aza manao adala]
75:5b.PSA.075.005 Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.
75:6b.PSA.075.006 Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.[Na: Na avy amin'ny efitra ny tendrombohitra no ihavian'ny fitsarana]
75:7b.PSA.075.007 Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
75:8b.PSA.075.008 Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.[Na: mena]
75:9b.PSA.075.009 Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
75:10b.PSA.075.010 Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
76
76:1b.PSA.076.001 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny nisehoan'ny fitsarany marina] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin'ny Joda; malaza eo amin'ny Isiraely ny anarany;
76:2b.PSA.076.002 Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
76:3b.PSA.076.003 Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.
76:4b.PSA.076.004 Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin'ny tendrombohitra fitohàna.[Na: noho]
76:5b.PSA.076.005 Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.[Heb. nahita]
76:6b.PSA.076.006 Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
76:7b.PSA.076.007 Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
76:8b.PSA.076.008 Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
76:9b.PSA.076.009 Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin'ny tany.
76:10b.PSA.076.010 Fa ny fahatezeran'ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
76:11b.PSA.076.011 Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra.Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.
76:12b.PSA.076.012 Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.
77
77:1b.PSA.077.001 [Fahatsiarovana ny amin'ny taon-dasa ho enti-mampionona ny fo, raha mila ho reraka] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Ny feoko dia mankany amin'Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin'Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
77:2b.PSA.077.002 Tamin'ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
77:3b.PSA.077.003 Ta-hahatsiaro an'Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko.
77:4b.PSA.077.004 Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
77:5b.PSA.077.005 Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
77:6b.PSA.077.006 Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin'ny alina aho; te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
77:7b.PSA.077.007 Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
77:8b.PSA.077.008 Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
77:9b.PSA.077.009 Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?
77:10b.PSA.077.010 Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra.[Na: Nefa tsarovako ny taon']
77:11b.PSA.077.011 Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
77:12b.PSA.077.012 Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
77:13b.PSA.077.013 Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra? [Na: amin'ny fahamasinana]
77:14b.PSA.077.014 Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao.
77:15b.PSA.077.015 Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.
77:16b.PSA.077.016 Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
77:17b.PSA.077.017 Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
77:18b.PSA.077.018 Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.[Na: dia nikodiadia]
77:19b.PSA.077.019 Tany amin'ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
77:20b.PSA.077.020 Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
78
78:1b.PSA.078.001 [Famaranana nalaina tamin'ny tantaran'ny Isiraely hatramin'i Mosesy ka hatramin'i Davida] Maskila nataon'i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny tenin'ny vavako.
78:2b.PSA.078.002 Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
78:3b.PSA.078.003 Izay efa rentsika sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika,
78:4b.PSA.078.004 Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
78:5b.PSA.078.005 Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
78:6b.PSA.078.006 Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin'ny zanany kosa,
78:7b.PSA.078.007 Mba hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
78:8b.PSA.078.008 Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin'Andriamanitra ny fanahiny.
78:9b.PSA.078.009 Ny zanak'i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin'ny andro fiadiana.
78:10b.PSA.078.010 Tsy nitandrina ny fanekena amin'Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
78:11b.PSA.078.011 Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
78:12b.PSA.078.012 Teo anatrehan'ny razany no nanaovany fahagagana tany amin'ny tany Egypta, dia tany amin'ny tany lemak'i Zoana.
78:13b.PSA.078.013 Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
78:14b.PSA.078.014 Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
78:15b.PSA.078.015 Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina.
78:16b.PSA.078.016 Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin'ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
78:17b.PSA.078.017 Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
78:18b.PSA.078.018 Dia naka fanahy an'Andriamanitra tam-pony izy, tamin'ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
78:19b.PSA.078.019 Dia niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?
78:20b.PSA.078.020 Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an'ny olony va Izy?
78:21b.PSA.078.021 Koa nony ren'i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin'i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
78:22b.PSA.078.022 Satria tsy nino an'Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
78:23b.PSA.078.023 Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran'ny lanitra no novohàny,
78:24b.PSA.078.024 Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin'ny lanitra no nomeny azy.
78:25b.PSA.078.025 Ny fihinan'ny mahery no nohanin'ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
78:26b.PSA.078.026 Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin'ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
78:27b.PSA.078.027 Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,
78:28b.PSA.078.028 Ka nalatsany teny afovoan'ny tobiny, manodidina ny fitoerany.
78:29b.PSA.078.029 Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.
78:30b.PSA.078.030 Nefa tsy niala tamin'ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
78:31b.PSA.078.031 Dia nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin'ny Isiraely.
78:32b.PSA.078.032 Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.
78:33b.PSA.078.033 Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin'ny fampitahorana.
78:34b.PSA.078.034 Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an'Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
78:35b.PSA.078.035 Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
78:36b.PSA.078.036 Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
78:37b.PSA.078.037 Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
78:38b.PSA.078.038 Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
78:39b.PSA.078.039 Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
78:40b.PSA.078.040 Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin'ny tany foana!
78:41b.PSA.078.041 Naka fanahy an'Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin'ny Isiraely.
78:42b.PSA.078.042 Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin'ny fahavalo,
78:43b.PSA.078.043 Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak'i Zoana:
78:44b.PSA.078.044 Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.
78:45b.PSA.078.045 Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.[Na: fihitra, na kalalao]
78:46b.PSA.078.046 Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an'ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an'ny valala.
78:47b.PSA.078.047 Namono ny voalobony tamin'ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin'ny havandra vaventy.
78:48b.PSA.078.048 Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an'ny havandra Izy, ary ny omby aman'ondriny ho an'ny varatra.
78:49b.PSA.078.049 Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
78:50b.PSA.078.050 Namboatra lalana ho an'ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin'ireo tamin'ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin'ny areti-mandringana;
78:51b.PSA.078.051 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan'ainy tany an-dain'i Hama;
78:52b.PSA.078.052 Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.
78:53b.PSA.078.053 Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron'ny ranomasina.
78:54b.PSA.078.054 Ary nitondra azy ho any amin'ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon'ny tànany ankavanana.
78:55b.PSA.078.055 Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin'ireny ho lova nozaraina tamin'ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen'Isiraely tao an-dainy.
78:56b.PSA.078.056 Nefa naka fanahy an'Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.
78:57b.PSA.078.057 Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.
78:58b.PSA.078.058 Ary nampahatezitra Azy tamin'ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin'ny sarin-javatra voasokitra.
78:59b.PSA.078.059 Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,
78:60b.PSA.078.060 Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin'ny olona;
78:61b.PSA.078.061 Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan'ny fahavalo.
78:62b.PSA.078.062 Dia nanolotra ny olony ho an'ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin'ny lovany Izy.
78:63b.PSA.078.063 Ny zatovolahiny dia lanin'ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
78:64b.PSA.078.064 Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan'ireo tsy nisaona.
78:65b.PSA.078.065 Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon'ny divay.
78:66b.PSA.078.066 Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
78:67b.PSA.078.067 Dia nanary ny lain'i Josefa Izy, ary ny firenen'i Efraima tsy nofidiny.
78:68b.PSA.078.068 Fa nifidy ny firenen'i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
78:69b.PSA.078.069 Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
78:70b.PSA.078.070 Dia nifidy an'i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan'ondry;
78:71b.PSA.078.071 Tany amin'ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony sy Isiraely lovany;Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.
78:72b.PSA.078.072 Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.
79
79:1b.PSA.079.001 [Fifonana noho ny faharavana nataon'ny fahavalo] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, tonga eto amin'ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masina sady nanao an'i Jerosalema ho korontam-bato.
79:2b.PSA.079.002 Ny fatin'ny mpanomponao nomeny hohanin'ny voro-manidina, ny nofon'ny olonao masina ho an'ny bibidia;
79:3b.PSA.079.003 Ny ràny naidiny manodidina an'i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.
79:4b.PSA.079.004 Tonga fandatsan'ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran'izay manodidina anay.
79:5b.PSA.079.005 Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?
79:6b.PSA.079.006 Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin'ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;
79:7b.PSA.079.007 Fa efa nandany an'i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.
79:8b.PSA.079.008 Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.
79:9b.PSA.079.009 Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.
79:10b.PSA.079.010 Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin'ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran'ny mpanomponao izay nalatsaka.
79:11b.PSA.079.011 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan'ny mpifatotra; araka ny halehiben'ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.
79:12b.PSA.079.012 Ary valio impito heny ho ao an-tratran'ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.
79:13b.PSA.079.013 Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.
80
80:1b.PSA.080.001 [Fivavahana ho an'ny Isiraely, voalobok'i Jehovah] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra.
80:2b.PSA.080.002 Fohazy ny herinao eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
80:3b.PSA.080.003 Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
80:4b.PSA.080.004 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?[Na: na dia mivavaka aza ny olonao]
80:5b.PSA.080.005 Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
80:6b.PSA.080.006 Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
80:7b.PSA.080.007 Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
80:8b.PSA.080.008 Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
80:9b.PSA.080.009 Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
80:10b.PSA.080.010 Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.[Heb: sederan'Andriamanitra]
80:11b.PSA.080.011 Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony.[Eofrata]
80:12b.PSA.080.012 Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
80:13b.PSA.080.013 Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
80:14b.PSA.080.014 Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
80:15b.PSA.080.015 Arovy izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.[Na: Dia]
80:16b.PSA.080.016 Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy.
80:17b.PSA.080.017 Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
80:18b.PSA.080.018 Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
80:19b.PSA.080.019 Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
81
81:1b.PSA.081.001 [Fiantsoana ny Isiraelita hifaly amin'Andriamanitra noho ny nitondràny azy nivoaka avy tany Egypta] Ho an'ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon'i Asafa. Mihobia ho an'Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
81:2b.PSA.081.002 Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha.
81:3b.PSA.081.003 Tsofy ny anjomara amin'ny volana; eny, amin'ny feno-volana, dia amin'ny andro firavoravoantsika.
81:4b.PSA.081.004 Fa lalàna ho an'ny Isiraely izany, ary fitsipik'Andriamanitr'i Jakoba.
81:5b.PSA.081.005 Notendreny ho vavolombelona eo amin'i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.
81:6b.PSA.081.006 Nampiala ny sorony tamin'ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.
81:7b.PSA.081.007 Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin'ny fiafenan'ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin'ny ranon'i Meriba.
81:8b.PSA.081.008 Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.
81:9b.PSA.081.009 Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin'ny andriamanitry ny firenena hafa.
81:10b.PSA.081.010 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.
81:11b.PSA.081.011 Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;
81:12b.PSA.081.012 Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan'ny tenany.
81:13b.PSA.081.013 Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely;
81:14b.PSA.081.014 Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;
81:15b.PSA.081.015 Izay mankahala an'i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron'ny oloko;Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako anao.
81:16b.PSA.081.016 Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako anao.
82
82:1b.PSA.082.001 [Ny fitsaran'Andriamanitra ny mpitsara etỳ an-tany] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra dia eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no itsarany.
82:2b.PSA.082.002 Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy?
82:3b.PSA.082.003 Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;
82:4b.PSA.082.004 Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy.
82:5b.PSA.082.005 Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin'ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra.
82:6b.PSA.082.006 Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra;
82:7b.PSA.082.007 Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin'ny lehibe.Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.
82:8b.PSA.082.008 Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.
83
83:1b.PSA.083.001 [Fitarainana noho ny nikambanan'ny firenena maro hamely ny Isiraely] Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
83:2b.PSA.083.002 Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
83:3b.PSA.083.003 Ny olonao no iokoany amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
83:4b.PSA.083.004 Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran'Isiraely.
83:5b.PSA.083.005 Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
83:6b.PSA.083.006 Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
83:7b.PSA.083.007 Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.
83:8b.PSA.083.008 Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo.
83:9b.PSA.083.009 Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy Jabina teo amin'ny ony Kisona;
83:10b.PSA.083.010 Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
83:11b.PSA.083.011 Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an'i Zebaha sy Zaimona,
83:12b.PSA.083.012 Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra.
83:13b.PSA.083.013 Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra,
83:14b.PSA.083.014 Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
83:15b.PSA.083.015 Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny tafio-drivotrao.
83:16b.PSA.083.016 Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
83:17b.PSA.083.017 Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.
83:18b.PSA.083.018 Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.
84
84:1b.PSA.084.001 [Alahelo ny tranon'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon'ny Koraita. Endrey ny hatsaran'ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô!
84:2b.PSA.084.002 Manina sady vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an'Andriamanitra velona.
84:3b.PSA.084.003 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
84:4b.PSA.084.004 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy.
84:5b.PSA.084.005 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
84:6b.PSA.084.006 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.[Baka = Fitomaniana]
84:7b.PSA.084.007 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
84:8b.PSA.084.008 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr'i Jakoba ô.
84:9b.PSA.084.009 Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan'ny voahosotrao.
84:10b.PSA.084.010 Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain'ny ratsy fanahy.
84:11b.PSA.084.011 Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen'i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy.Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.
84:12b.PSA.084.012 Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.
85
85:1b.PSA.085.001 [Fangatahana mba hampodin'Andriamanitra indray ny fankasitrahany ny olony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny Koraita. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany.
85:2b.PSA.085.002 Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra.
85:3b.PSA.085.003 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra.
85:4b.PSA.085.004 Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
85:5b.PSA.085.005 Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?
85:6b.PSA.085.006 Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao?
85:7b.PSA.085.007 Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.
85:8b.PSA.085.008 Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo.
85:9b.PSA.085.009 Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika.
85:10b.PSA.085.010 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.
85:11b.PSA.085.011 Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.
85:12b.PSA.085.012 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
85:13b.PSA.085.013 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
86
86:1b.PSA.086.001 [Vavaka nataon'ny mpanompon'Andriamanitra, fony nenjehin'ny mpirehareha izy] Fivavak'i Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.
86:2b.PSA.086.002 Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
86:3b.PSA.086.003 Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.
86:4b.PSA.086.004 Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.
86:5b.PSA.086.005 Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
86:6b.PSA.086.006 Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.
86:7b.PSA.086.007 Amin'ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.
86:8b.PSA.086.008 Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin'ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
86:9b.PSA.086.009 Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
86:10b.PSA.086.010 Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
86:11b.PSA.086.011 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
86:12b.PSA.086.012 Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
86:13b.PSA.086.013 Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra.[Heb. Shoela]
86:14b.PSA.086.014 Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
86:15b.PSA.086.015 Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
86:16b.PSA.086.016 Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.
86:17b.PSA.086.017 Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.
87
87:1b.PSA.087.001 [Ny tanànan'i Jehovah, izay hahaterahan'ny firenena maro ho isan'ny Isiraely] Salamo nataon'ny Koraita. Tonon-kira. Ny naorin'i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masina;
87:2b.PSA.087.002 Ny vavahadin'i Ziona dia tian'i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba.
87:3b.PSA.087.003 Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan'Andriamanitra
87:4b.PSA.087.004 Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan'izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin'i Etiopia, Ity no efa teraka teo.[Na: Egypta]
87:5b.PSA.087.005 Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.
87:6b.PSA.087.006 Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo.Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
87:7b.PSA.087.007 Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
88
88:1b.PSA.088.001 [Vavaka nataon'izay nasian'ny fahoriana mafy ka toa foin'Andriamanitra] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Ho an'ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon'i Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no itarainako eo anatrehanao;
88:2b.PSA.088.002 Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin'ny fitarainako ny sofinao;
88:3b.PSA.088.003 Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.[Heb. Sheola]
88:4b.PSA.088.004 Natao ho isan'izay midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;
88:5b.PSA.088.005 Efa nafoy ho any amin'ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.[Na: Ny fandriako dia any amin'ny maty]
88:6b.PSA.088.006 Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny lalina.
88:7b.PSA.088.007 Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko.
88:8b.PSA.088.008 Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao. fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.
88:9b.PSA.088.009 Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan'andro aho, Mamefy tanana aminao aho.
88:10b.PSA.088.010 Haneho fahagagana amin'ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?
88:11b.PSA.088.011 Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin'ny fandringanana?
88:12b.PSA.088.012 Ho fantatra ao amin'ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin'ny tany fanadinoana?
88:13b.PSA.088.013 Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.
88:14b.PSA.088.014 Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?
88:15b.PSA.088.015 Ory aho ka efa ho faty hatramin'ny fahazazako; Raha itambesa-ran'ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;
88:16b.PSA.088.016 Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin'ny fampitahoranao aho;
88:17b.PSA.088.017 Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.
88:18b.PSA.088.018 Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.
89
89:1b.PSA.089.001 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatsarany, indrindra fa noho ny fanekeny tamin'i Davida] Maskila nataon'i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon'i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran'ny vavako ny fahamarinanao.
89:2b.PSA.089.002 Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
89:3b.PSA.089.003 Efa nanao fanekena tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe:
89:4b.PSA.089.004 Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
89:5b.PSA.089.005 Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina.
89:6b.PSA.089.006 Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah,
89:7b.PSA.089.007 Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy?
89:8b.PSA.089.008 Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
89:9b.PSA.089.009 Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
89:10b.PSA.089.010 Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
89:11b.PSA.089.011 Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
89:12b.PSA.089.012 Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona.
89:13b.PSA.089.013 Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
89:14b.PSA.089.014 Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
89:15b.PSA.089.015 Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany.
89:16b.PSA.089.016 Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
89:17b.PSA.089.017 Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay.
89:18b.PSA.089.018 Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay.
89:19b.PSA.089.019 Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin'ny olona.[Na: nanandratra zatovo avy]
89:20b.PSA.089.020 Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;
89:21b.PSA.089.021 Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
89:22b.PSA.089.022 Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. [Na: hitaky trosa aminy]
89:23b.PSA.089.023 Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
89:24b.PSA.089.024 Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony.
89:25b.PSA.089.025 Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.
89:26b.PSA.089.026 Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy.
89:27b.PSA.089.027 Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.
89:28b.PSA.089.028 Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
89:29b.PSA.089.029 Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra.
89:30b.PSA.089.030 Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
89:31b.PSA.089.031 Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
89:32b.PSA.089.032 Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
89:33b.PSA.089.033 Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
89:34b.PSA.089.034 Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako.
89:35b.PSA.089.035 Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho:
89:36b.PSA.089.036 Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
89:37b.PSA.089.037 Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra.[Na: Ary ny vavolombelona any an-danitra dia marina]
89:38b.PSA.089.038 Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao.
89:39b.PSA.089.039 Efa nahafoana ny fanekena tamin'ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
89:40b.PSA.089.040 Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
89:41b.PSA.089.041 Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan'ny mpiray monina aminy izy.
89:42b.PSA.089.042 Efa nampisandratra ny tanana ankavanan'ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
89:43b.PSA.089.043 Efa nampihemotra ny lelan'ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny ady.[Na: nampilefitra]
89:44b.PSA.089.044 Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany.
89:45b.PSA.089.045 Efa nahafohy ny andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
89:46b.PSA.089.046 Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
89:47b.PSA.089.047 Tsarovy ny hafohin'ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra!
89:48b.PSA.089.048 Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon'ny tanan'ny fiainan-tsi-hita? [Heb. Sheola]
89:49b.PSA.089.049 Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin'i Davida tamin'ny fahamarinanao?
89:50b.PSA.089.050 Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran'ny firenena rehetra,
89:51b.PSA.089.051 Dia ny nandatsan'ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian'ny voahosotrao.Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.
89:52b.PSA.089.052 Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.
90
90:1b.PSA.090.001 [BOKY FAHEFATRA][Ny fiankinan'ny olo-marina amin'Andriamanitra, na dia mandalo faingana aza ny androny sady isehoan'ny fahatezeran'Andriamanitra] Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.
90:2b.PSA.090.002 Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.
90:3b.PSA.090.003 Mamerina ny olona ho amin'ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.[Heb. fahatorotoroana]
90:4b.PSA.090.004 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina.
90:5b.PSA.090.005 Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin'ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
90:6b.PSA.090.006 Amin'ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin'ny hariva voajinja izy ka maina.[Na: Amin'ny maraina dia tahaka ny kolokolon'ahitra izy]
90:7b.PSA.090.007 Fa lanin'ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
90:8b.PSA.090.008 Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny tavanao.
90:9b.PSA.090.009 Fa ny androanay rehetra efa lasa amin'ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
90:10b.PSA.090.010 Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
90:11b.PSA.090.011 Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
90:12b.PSA.090.012 Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
90:13b.PSA.090.013 Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin'ny mpanomponao.
90:14b.PSA.090.014 Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay.
90:15b.PSA.090.015 Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
90:16b.PSA.090.016 Aoka hiseho amin'ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin'ny zanany.Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay; Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.
90:17b.PSA.090.017 Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay; Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.
91
91:1b.PSA.091.001 [Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
91:2b.PSA.091.002 Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
91:3b.PSA.091.003 Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
91:4b.PSA.091.004 Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
91:5b.PSA.091.005 Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
91:6b.PSA.091.006 Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana.
91:7b.PSA.091.007 Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
91:8b.PSA.091.008 Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
91:9b.PSA.091.009 Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
91:10b.PSA.091.010 Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
91:11b.PSA.091.011 Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao.
91:12b.PSA.091.012 Eny an-tànany no hitondran'ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.
91:13b.PSA.091.013 Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
91:14b.PSA.091.014 Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
91:15b.PSA.091.015 Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
91:16b.PSA.091.016 Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
92
92:1b.PSA.092.001 [Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina] Salamo. Tonon-kira hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
92:2b.PSA.092.002 Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
92:3b.PSA.092.003 Amin'ny valiha tory folo Sy amin'ny feon-dokanga.
92:4b.PSA.092.004 Fa ampifalinao amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako.
92:5b.PSA.092.005 Jehovah ô, akory ny halehiben'ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
92:6b.PSA.092.006 Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
92:7b.PSA.092.007 Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
92:8b.PSA.092.008 Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
92:9b.PSA.092.009 Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
92:10b.PSA.092.010 Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an'ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
92:11b.PSA.092.011 Ary faly ny masoko mahita ny amin'ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin'ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
92:12b.PSA.092.012 Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy; [palma][Heb. Ho tonga lehibe]
92:13b.PSA.092.013 Efa nambolena tao an-tranon'i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan'Andriamanitsika;
92:14b.PSA.092.014 Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
92:15b.PSA.092.015 Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
93
93:1b.PSA.093.001 [Ny fiandrianan'Andriamanitra] Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
93:2b.PSA.093.002 Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin'ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.
93:3b.PSA.093.003 Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.
93:4b.PSA.093.004 Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo.Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.
93:5b.PSA.093.005 Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.
94
94:1b.PSA.094.001 [Fitarainana amin'Andriamanitra noho ny fampahoriana ataon'ny lozabe] Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
94:2b.PSA.094.002 Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
94:3b.PSA.094.003 Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?
94:4b.PSA.094.004 Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
94:5b.PSA.094.005 Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
94:6b.PSA.094.006 Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
94:7b.PSA.094.007 Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba.
94:8b.PSA.094.008 Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
94:9b.PSA.094.009 Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?[Heb. Mpamboly]
94:10b.PSA.094.010 Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?
94:11b.PSA.094.011 Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.
94:12b.PSA.094.012 Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao,
94:13b.PSA.094.013 Mba homenao fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy.
94:14b.PSA.094.014 Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
94:15b.PSA.094.015 Fa ny fitsarana hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
94:16b.PSA.094.016 Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
94:17b.PSA.094.017 Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko.
94:18b.PSA.094.018 Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
94:19b.PSA.094.019 Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
94:20b.PSA.094.020 Hikambana aminao va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna? [Na: Izay misaina fampahoriana araka ny lalàny]
94:21b.PSA.094.021 Manao andiany hamely ny fanahin'ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
94:22b.PSA.094.022 Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy.
94:23b.PSA.094.023 Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy.
95
95:1b.PSA.095.001 [Fiantsoana hivavaka amin'Andriamanitra sy hankatò ny teniny] Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika.
95:2b.PSA.095.002 Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika.
95:3b.PSA.095.003 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy.
95:4b.PSA.095.004 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.
95:5b.PSA.095.005 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.
95:6b.PSA.095.006 Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika;
95:7b.PSA.095.007 Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
95:8b.PSA.095.008 Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra,[Na: Anio raha hihaino ny feony ianareo, dia aza]
95:9b.PSA.095.009 Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
95:10b.PSA.095.010 Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin'izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin'ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.
95:11b.PSA.095.011 Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.
96
96:1b.PSA.096.001 [Hira fifaliana noho ny hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra] Mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Mihirà ho an'i Jehovah ry tany rehetra.
96:2b.PSA.096.002 Mihirà ho an'i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
96:3b.PSA.096.003 Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
96:4b.PSA.096.004 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra.
96:5b.PSA.096.005 Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
96:6b.PSA.096.006 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany masina.
96:7b.PSA.096.007 Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
96:8b.PSA.096.008 Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
96:9b.PSA.096.009 Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.
96:10b.PSA.096.010 Lazao any amin'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy.
96:11b.PSA.096.011 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.
96:12b.PSA.096.012 Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin'izay ny hazo rehetra any an'alaEo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.
96:13b.PSA.096.013 Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.
97
97:1b.PSA.097.001 [Ny fisehoan'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny hery izay maharava ny sampy, fa mahasoa ny mpanompon'Andriamanitra kosa] Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.
97:2b.PSA.097.002 Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany.
97:3b.PSA.097.003 Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
97:4b.PSA.097.004 Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
97:5b.PSA.097.005 Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
97:6b.PSA.097.006 Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
97:7b.PSA.097.007 Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan'i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.
97:8b.PSA.097.008 Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin'i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
97:9b.PSA.097.009 Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra rehetra Hianao.
97:10b.PSA.097.010 Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.
97:11b.PSA.097.011 Ny fahazavana no voafafy ho an'ny marina, Ary ny fifafiana ho an'ny mahitsy fo.Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina.[Na: ny fahatsiarovana ny fahamasinany]
97:12b.PSA.097.012 Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina.[Na: ny fahatsiarovana ny fahamasinany]
98
98:1b.PSA.098.001 [Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny nanehoany ny famonjeny sy ny fahamarinany] Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
98:2b.PSA.098.002 Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason'ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
98:3b.PSA.098.003 Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
98:4b.PSA.098.004 Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.
98:5b.PSA.098.005 Mankalazà an'i Jehovah amin'ny lokanga, Dia amin'ny lokanga sy ny feo fihirana,
98:6b.PSA.098.006 Amin'ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan'i Jehovah Mpanjaka.
98:7b.PSA.098.007 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
98:8b.PSA.098.008 Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitraEo anatrehan'i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin'ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin'ny fahitsiana.
98:9b.PSA.098.009 Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin'ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin'ny fahitsiana.
99
99:1b.PSA.099.001 [Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny fahalehibiazany sy ny fahamarinany] Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin'ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.
99:2b.PSA.099.002 Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin'ny firenena rehetra Izy.
99:3b.PSA.099.003 Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masina Jehovah.
99:4b.PSA.099.004 Ny herin'ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin'i Jakoba.
99:5b.PSA.099.005 Manandrata an'i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin'ny fitoeran-tongony; Fa masina Izy.
99:6b.PSA.099.006 Mosesy sy Arona tamin'ny mpisorony, Ary Samoela tamin'izay mpiantso ny anarany, Niantso an'i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.
99:7b.PSA.099.007 Niteny taminy tao anatin'ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy.
99:8b.PSA.099.008 Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah Andriamanitsika.
99:9b.PSA.099.009 Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah Andriamanitsika.
100
100:1b.PSA.100.001 [Fiantsoana izao tontolo izao hanompo an'i Jehovah] Salamo ho fiderana. Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra.
100:2b.PSA.100.002 Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana.
100:3b.PSA.100.003 Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.[Na: fa tsy isika]
100:4b.PSA.100.004 Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin'ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany,Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.
100:5b.PSA.100.005 Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.
101
101:1b.PSA.101.001 [Fikasan'ny mpanjaka ny amin'ny hitondrany marina ny fanjakany] Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.
101:2b.PSA.101.002 Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho.
101:3b.PSA.101.003 Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.
101:4b.PSA.101.004 Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka iza ratsy aho,[Heb. hahalala]
101:5b.PSA.101.005 Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;
101:6b.PSA.101.006 Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy.
101:7b.PSA.101.007 Tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga.Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.
101:8b.PSA.101.008 Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.
102
102:1b.PSA.102.001 [Fitarainan'ny mpanompon'Andriamanitra noho ny fahoriana nahazo azy sy ny naharavan'i Jerosalema] Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
102:2b.PSA.102.002 Aza manafina ny tavanao amiko amin'ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
102:3b.PSA.102.003 Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
102:4b.PSA.102.004 Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
102:5b.PSA.102.005 Noho ny fisentoan'ny foko Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro.
102:6b.PSA.102.006 Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
102:7b.PSA.102.007 Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
102:8b.PSA.102.008 Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
102:9b.PSA.102.009 Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
102:10b.PSA.102.010 Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
102:11b.PSA.102.011 Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
102:12b.PSA.102.012 Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
102:13b.PSA.102.013 Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
102:14b.PSA.102.014 Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
102:15b.PSA.102.015 Hatahotra ny anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny voninahitrao;
102:16b.PSA.102.016 Fa Jehovah nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy;
102:17b.PSA.102.017 Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
102:18b.PSA.102.018 Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah;
102:19b.PSA.102.019 Fa Izy nitazana tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i Jehovah ny tany,
102:20b.PSA.102.020 Mba hihaino ny fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty, [Heb. zanaky ny fahafatesana]
102:21b.PSA.102.021 Mba hotorina any Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
102:22b.PSA.102.022 Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah.
102:23b.PSA.102.023 Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
102:24b.PSA.102.024 Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
102:25b.PSA.102.025 Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra.
102:26b.PSA.102.026 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
102:27b.PSA.102.027 Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.[Na: dia mbola haharitra]
102:28b.PSA.102.028 Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.[Na: dia mbola haharitra]
103
103:1b.PSA.103.001 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny famindram-pony] Nataon'i Davida Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
103:2b.PSA.103.002 Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
103:3b.PSA.103.003 Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
103:4b.PSA.103.004 Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
103:5b.PSA.103.005 Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.[Na: fanahinao, na fahanteranao][Na: ho toy ny voromahery]
103:6b.PSA.103.006 Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.
103:7b.PSA.103.007 Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.
103:8b.PSA.103.008 Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
103:9b.PSA.103.009 Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
103:10b.PSA.103.010 Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
103:11b.PSA.103.011 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.
103:12b.PSA.103.012 Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
103:13b.PSA.103.013 Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;
103:14b.PSA.103.014 Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
103:15b.PSA.103.015 Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
103:16b.PSA.103.016 Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
103:17b.PSA.103.017 Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
103:18b.PSA.103.018 Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
103:19b.PSA.103.019 Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
103:20b.PSA.103.020 Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.
103:21b.PSA.103.021 Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.
103:22b.PSA.103.022 Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.
104
104:1b.PSA.104.001 [Fiderana an'Andriamanitra, Mpamorona sy Mpiahy izao rehetra izao] Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
104:2b.PSA.104.002 Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
104:3b.PSA.104.003 Ary mametraka ny rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra,
104:4b.PSA.104.004 Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.[Na: Manao ny anjeliny ho rivotra Ary ny mpanompony ho lelafo]
104:5b.PSA.104.005 Nanorina ny tany tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
104:6b.PSA.104.006 Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
104:7b.PSA.104.007 Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon'ny kotrokoranao dia nirifatra izy
104:8b.PSA.104.008 Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin'izay namboarinao hitoerany.
104:9b.PSA.104.009 Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
104:10b.PSA.104.010 Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; Eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny,
104:11b.PSA.104.011 Ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, Sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany;
104:12b.PSA.104.012 Eo amboniny no itoeran'ny voro-manidina; Ary eo amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany.
104:13b.PSA.104.013 Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
104:14b.PSA.104.014 Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin'ny tany.
104:15b.PSA.104.015 Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain'ny olona.
104:16b.PSA.104.016 Voky ny hazon'i Jehovah, Dia ny sederan'i Libanona, izay namboleny;
104:17b.PSA.104.017 Izay anaovan'ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin'ny kypreso no anaovany ny tranony.
104:18b.PSA.104.018 Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an'ny hyraka.
104:19b.PSA.104.019 Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
104:20b.PSA.104.020 Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an'ala;
104:21b.PSA.104.021 Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra.
104:22b.PSA.104.022 Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
104:23b.PSA.104.023 Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin'ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan'ny andro.
104:24b.PSA.104.024 Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany. [Na: ny harenao]
104:25b.PSA.104.025 Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
104:26b.PSA.104.026 Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.[Na: holaolaovinao]
104:27b.PSA.104.027 Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany.
104:28b.PSA.104.028 Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
104:29b.PSA.104.029 Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy,
104:30b.PSA.104.030 Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao.
104:31b.PSA.104.031 Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany.
104:32b.PSA.104.032 Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
104:33b.PSA.104.033 Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
104:34b.PSA.104.034 Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah.Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.
104:35b.PSA.104.035 Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.
105
105:1b.PSA.105.001 [Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny asany mahagaga tamin'ny nitondrany ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta] Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.
105:2b.PSA.105.002 Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
105:3b.PSA.105.003 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
105:4b.PSA.105.004 Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
105:5b.PSA.105.005 Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
105:6b.PSA.105.006 Ry taranak'i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
105:7b.PSA.105.007 Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
105:8b.PSA.105.008 Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
105:9b.PSA.105.009 Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka;
105:10b.PSA.105.010 Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
105:11b.PSA.105.011 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina,
105:12b.PSA.105.012 Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
105:13b.PSA.105.013 Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
105:14b.PSA.105.014 Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
105:15b.PSA.105.015 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
105:16b.PSA.105.016 Dia niantso ny mosary ho amin'ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan'aina;
105:17b.PSA.105.017 Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
105:18b.PSA.105.018 Nampijaliny tamin'ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
105:19b.PSA.105.019 Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah.
105:20b.PSA.105.020 Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
105:21b.PSA.105.021 Nanao azy ho tompon'ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
105:22b.PSA.105.022 Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
105:23b.PSA.105.023 Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin'ny tanin'i Hama.
105:24b.PSA.105.024 Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
105:25b.PSA.105.025 Nampiova ny fon'ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
105:26b.PSA.105.026 Naniraka an'i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
105:27b.PSA.105.027 Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama.
105:28b.PSA.105.028 Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
105:29b.PSA.105.029 Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
105:30b.PSA.105.030 Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian'ny mpanjakany aza.
105:31b.PSA.105.031 Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin'ny faritaniny rehetra. [Na: fihitra, na kalalao]
105:32b.PSA.105.032 Nahatonga havandra ho solon'ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin'ny taniny.
105:33b.PSA.105.033 Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin'ny taniny.
105:34b.PSA.105.034 Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
105:35b.PSA.105.035 Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin'ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
105:36b.PSA.105.036 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin'ny taniny Izy, Dia ny voalohan'ainy rehetra.
105:37b.PSA.105.037 Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin'ny fireneny.
105:38b.PSA.105.038 Faly Egypta tamin'ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
105:39b.PSA.105.039 Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
105:40b.PSA.105.040 Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
105:41b.PSA.105.041 Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin'ny tany maina ho renirano.
105:42b.PSA.105.042 Fa nahatsiaro ny teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy,
105:43b.PSA.105.043 Dia nitondra ny olony nivoaka tamin'ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin'ny fihobiana;
105:44b.PSA.105.044 Ka dia nanome azy ny tanin'ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan'ny firenena maro ireny,Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
105:45b.PSA.105.045 Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
106
106:1b.PSA.106.001 [Ny fivadibadihan'ny Isiraely ampitahaina amin'ny fahamarinan'Andriamanitra] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
106:2b.PSA.106.002 Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
106:3b.PSA.106.003 Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
106:4b.PSA.106.004 Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho,
106:5b.PSA.106.005 Hahitako ny soa azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao.
106:6b.PSA.106.006 Efa nanota izahay mbamin'ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
106:7b.PSA.106.007 Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan'ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron'ny Ranomasina Mena
106:8b.PSA.106.008 Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
106:9b.PSA.106.009 Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,
106:10b.PSA.106.010 Namonjy azy tamin'ny tanan'ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin'ny tanan'ny fahavalo.
106:11b.PSA.106.011 Dia nosaronan'ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
106:12b.PSA.106.012 Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
106:13b.PSA.106.013 Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
106:14b.PSA.106.014 Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany foana.
106:15b.PSA.106.015 Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.[Na: ny fanahiny]
106:16b.PSA.106.016 Dia nialona an'i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah.
106:17b.PSA.106.017 Nisokatra ny tany, dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon'i Abìrama.[Heb. ny fiangonany]
106:18b.PSA.106.018 Dia nisy afo nirehitra tamin'ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.[Heb. ny fiangonany]
106:19b.PSA.106.019 Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina.
106:20b.PSA.106.020 Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra.
106:21b.PSA.106.021 Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
106:22b.PSA.106.022 Dia fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina Mena.
106:23b.PSA.106.023 Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin'ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.[Heb. nilaza]
106:24b.PSA.106.024 Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
106:25b.PSA.106.025 Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah.
106:26b.PSA.106.026 Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
106:27b.PSA.106.027 Ary ny taranany kosa any amin'ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin'ny tany maro Izy.
106:28b.PSA.106.028 Nikambana tamin'i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an'ny maty,
106:29b.PSA.106.029 Dia nampahatezitra an'i Jehovah tamin'ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
106:30b.PSA.106.030 Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
106:31b.PSA.106.031 Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin'ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
106:32b.PSA.106.032 Nampahatezitra an'i Jehovah teo anilan'ny ranon'i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an'i Mosesy noho ny nataon'ireo;
106:33b.PSA.106.033 Fa niodina tamin'ny Fanahin'i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
106:34b.PSA.106.034 Tsy naringany ny firenena Izay nasain'i Jehovah naringany;
106:35b.PSA.106.035 Fa nifangaro tamin'ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
106:36b.PSA.106.036 Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
106:37b.PSA.106.037 Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia ireo;[Heb. ireo tompo]
106:38b.PSA.106.038 Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran'ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an'ny sampin'i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin'ny rà izy.
106:39b.PSA.106.039 Ary naloto tamin'ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
106:40b.PSA.106.040 Dia nirehitra tamin'ny olony ny fahatezeran'i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
106:41b.PSA.106.041 Dia nanolotra azy teo an-tànan'ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
106:42b.PSA.106.042 Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin'ny tànany izy.
106:43b.PSA.106.043 Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.
106:44b.PSA.106.044 Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
106:45b.PSA.106.045 Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben'ny famindram-pony.
106:46b.PSA.106.046 Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin'izay rehetra namabo azy.
106:47b.PSA.106.047 Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina Sy hifalianay amin'ny fiderana Anao.Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.
106:48b.PSA.106.048 Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.
107
107:1b.PSA.107.001 [BOKY FAHADIMY][Fiantsoana ny olona efa nahita soa tamin'Andriamanitra mba hisaotra Azy] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
107:2b.PSA.107.002 Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afa-ka tamin'ny tanan'ny fahavalo, [Na: fahoriana]
107:3b.PSA.107.003 Sy nangoniny avy tany amin'ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin'ny ranomasina.
107:4b.PSA.107.004 Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
107:5b.PSA.107.005 Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
107:6b.PSA.107.006 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny;
107:7b.PSA.107.007 Dia nitondra azy tamin'ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin'izay tanàna honenana.
107:8b.PSA.107.008 Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
107:9b.PSA.107.009 Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
107:10b.PSA.107.010 Izay nipetraka tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
107:11b.PSA.107.011 Satria nandà ny tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
107:12b.PSA.107.012 Dia nampietreny tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;[Heb. tafintohina]
107:13b.PSA.107.013 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
107:14b.PSA.107.014 Nitondra azy nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.
107:15b.PSA.107.015 Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
107:16b.PSA.107.016 Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
107:17b.PSA.107.017 Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
107:18b.PSA.107.018 Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy.
107:19b.PSA.107.019 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
107:20b.PSA.107.020 Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany.
107:21b.PSA.107.021 Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
107:22b.PSA.107.022 Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin'ny fihobiana.
107:23b.PSA.107.023 Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin'ny rano lehibe
107:24b.PSA.107.024 No mahita ny asan'i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin'ny rano lalina.
107:25b.PSA.107.025 Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;
107:26b.PSA.107.026 Niakatra hatramin'ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin'ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.
107:27b.PSA.107.027 Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
107:28b.PSA.107.028 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny Izy.
107:29b.PSA.107.029 Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
107:30b.PSA.107.030 Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy.
107:31b.PSA.107.031 Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
107:32b.PSA.107.032 Ary aoka hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona izy Ka hidera Azy eo amin'ny fipetrahan'ny loholona.
107:33b.PSA.107.033 Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
107:34b.PSA.107.034 Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian'ny mponina eo.
107:35b.PSA.107.035 Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
107:36b.PSA.107.036 Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
107:37b.PSA.107.037 Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
107:38b.PSA.107.038 Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
107:39b.PSA.107.039 Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
107:40b.PSA.107.040 Mampidina fanamavoana amin'ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
107:41b.PSA.107.041 Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy,Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.
107:42b.PSA.107.042 Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah.
107:43b.PSA.107.043 Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah.
108
108:1b.PSA.108.001 [Fahatokiana an'Andriamanitra sy fanantenana ny heriny haharesy ny fahavalo] Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.[Heb. ny voninahitro]
108:2b.PSA.108.002 Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho. [Na: hampifoha ny maraina aho]
108:3b.PSA.108.003 Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.
108:4b.PSA.108.004 Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao.
108:5b.PSA.108.005 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
108:6b.PSA.108.006 Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
108:7b.PSA.108.007 Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;
108:8b.PSA.108.008 Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
108:9b.PSA.108.009 Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako.
108:10b.PSA.108.010 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
108:11b.PSA.108.011 Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
108:12b.PSA.108.012 Vonjeo amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
108:13b.PSA.108.013 Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
109
109:1b.PSA.109.001 [Ny amin'ny loza hanjo ny manao teny ratsy sy tia ozona] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. RY Andriamanitra fidèrako ô, aza mangina Hianao,
109:2b.PSA.109.002 Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin'ny lela mandainga izy.
109:3b.PSA.109.003 Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
109:4b.PSA.109.004 Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
109:5b.PSA.109.005 Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
109:6b.PSA.109.006 Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.[Na: aoka Satana]
109:7b.PSA.109.007 Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.
109:8b.PSA.109.008 Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany.
109:9b.PSA.109.009 Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny
109:10b.PSA.109.010 Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.
109:11b.PSA.109.011 Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany.
109:12b.PSA.109.012 Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty.
109:13b.PSA.109.013 Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin'ny taranaka mandimby ny anarany.
109:14b.PSA.109.014 Aoka hotsarovan'i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.
109:15b.PSA.109.015 Aoka ho eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin'ny tany anie ny fahatsiarovana azy.
109:16b.PSA.109.016 Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy;
109:17b.PSA.109.017 Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
109:18b.PSA.109.018 Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin'ny taolany tahaka ny diloilo;
109:19b.PSA.109.019 Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.
109:20b.PSA.109.020 Izany no famaliana avy amin'i Jehovah ho an'ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
109:21b.PSA.109.021 Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao.
109:22b.PSA.109.022 Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.
109:23b.PSA.109.023 Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.
109:24b.PSA.109.024 Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin'ny nofoko.
109:25b.PSA.109.025 Ary izaho dia tonga fandatsan'ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.
109:26b.PSA.109.026 Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;
109:27b.PSA.109.027 Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.
109:28b.PSA.109.028 Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
109:29b.PSA.109.029 Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.
109:30b.PSA.109.030 Hidera an'i Jehovah indrindra amin'ny vavako aho; Eny, eo amin'ny olona maro no hiderako Azy.Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny.
109:31b.PSA.109.031 Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny.
110
110:1b.PSA.110.001 [Ny haherezan'ny Mpanjakan'i Ziona, Izay sady Mpanjaka no Mpisorona] Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
110:2b.PSA.110.002 Ny tehin'ny herinao Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao.
110:3b.PSA.110.003 Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin'ny andro anafihanao; Amin'ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.[Na: andron'ny herinao]
110:4b.PSA.110.004 Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka.
110:5b.PSA.110.005 Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin'ny andron'ny fahatezerany
110:6b.PSA.110.006 Hitsara any amin'ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin'ny tany malalaka Izy.[Heb. loha]Hisotro amin'ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany.
110:7b.PSA.110.007 Hisotro amin'ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany.
111
111:1b.PSA.111.001 [Salamo abidy. Ny fahatsaran'Andriamanitra, sy ny soa ataony amin'ny olony] Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe.
111:2b.PSA.111.002 Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy.
111:3b.PSA.111.003 Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
111:4b.PSA.111.004 Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.
111:5b.PSA.111.005 Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.[Heb. toha]
111:6b.PSA.111.006 Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa.
111:7b.PSA.111.007 Ny asan'ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;
111:8b.PSA.111.008 Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
111:9b.PSA.111.009 Manatitra fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany.Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo]
111:10b.PSA.111.010 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo]
112
112:1b.PSA.112.001 [Salamo abidy. Ny toetry ny olona marina sy ny mahasambatra azy] Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
112:2b.PSA.112.002 Hahery ambonin'ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.
112:3b.PSA.112.003 Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
112:4b.PSA.112.004 Ao amin'ny maizina no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.[Na: Izy]
112:5b.PSA.112.005 Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
112:6b.PSA.112.006 Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
112:7b.PSA.112.007 Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony.
112:8b.PSA.112.008 Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy.
112:9b.PSA.112.009 Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.
112:10b.PSA.112.010 Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.
113
113:1b.PSA.113.001 [Fiderana an'Andriamanitra lehibe, Izay manandratra ny malahelo] Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah, Miderà ny anaran'i Jehovah.
113:2b.PSA.113.002 Isaorana anie ny anaran'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
113:3b.PSA.113.003 Hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany No hoderaina anie ny anaran'i Jehovah.
113:4b.PSA.113.004 Avo ambonin'ny jentilisa Jehovah; Ambonin'ny lanitra ny voninahiny.
113:5b.PSA.113.005 Iza no tahaka an'i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin'ny avo,
113:6b.PSA.113.006 Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
113:7b.PSA.113.007 Manangana ny malahelo hiala amin'ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin'ny zezika,
113:8b.PSA.113.008 Mba hametraka azy ho naman'ny mpanapaka ny olony.Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.
113:9b.PSA.113.009 Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.
114
114:1b.PSA.114.001 [Ny horohoron'ny tany aman-danitra tamin'ny nanavotan'Andriamanitra ny olony tany Egypta] Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak'i Jakoba avy tany amin'ny firenena hafa fiteny,
114:2b.PSA.114.002 Joda no fitoerany masina, Isiraely no fanjakany.
114:3b.PSA.114.003 Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.
114:4b.PSA.114.004 Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry.
114:5b.PSA.114.005 Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao?
114:6b.PSA.114.006 Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak'ondry?
114:7b.PSA.114.007 Mihorohoroa eo anatrehan'ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan'Andriamanitr'i Jakoba.Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.
114:8b.PSA.114.008 Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.
115
115:1b.PSA.115.001 [Fampitahana an'Andriamanitry ny Isiraely sy ny sampin'ny Jentilisa] Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
115:2b.PSA.115.002 Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
115:3b.PSA.115.003 Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
115:4b.PSA.115.004 Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:
115:5b.PSA.115.005 Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
115:6b.PSA.115.006 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
115:7b.PSA.115.007 Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
115:8b.PSA.115.008 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
115:9b.PSA.115.009 Ry Isiraely ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
115:10b.PSA.115.010 Ry taranak'i Arona ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
115:11b.PSA.115.011 Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
115:12b.PSA.115.012 Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak'i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak'i Arona Izy;
115:13b.PSA.115.013 Hotahiny izay matahotra an'i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
115:14b.PSA.115.014 Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin'ny zanakareo.
115:15b.PSA.115.015 Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
115:16b.PSA.115.016 Ny lanitra dia an'i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona.
115:17b.PSA.115.017 Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah. Na izay midina any amin'ny mangingina;Fa izahay hisaotra an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
115:18b.PSA.115.018 Fa izahay hisaotra an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
116
116:1b.PSA.116.001 [Fisaorana nataon'izay saiky maty, nefa novonjen'Andriamanitra] Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy.
116:2b.PSA.116.002 Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
116:3b.PSA.116.003 Nihodidina tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. [Heb. Sheola]
116:4b.PSA.116.004 Dia niantso ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
116:5b.PSA.116.005 Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
116:6b.PSA.116.006 Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
116:7b.PSA.116.007 Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
116:8b.PSA.116.008 Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana.
116:9b.PSA.116.009 Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho.
116:10b.PSA.116.010 Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.[Na: fa hiteny aho]
116:11b.PSA.116.011 Hoy izaho tamin'ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
116:12b.PSA.116.012 Inona no havaliko an'i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
116:13b.PSA.116.013 Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah.
116:14b.PSA.116.014 Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra.
116:15b.PSA.116.015 Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina.
116:16b.PSA.116.016 Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
116:17b.PSA.116.017 Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko.
116:18b.PSA.116.018 Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra,Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.
116:19b.PSA.116.019 Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.
117
117:1b.PSA.117.001 [Fiantsoana izao firenena rehetra izao hidera an'i Jehovah] Miderà an'i Jehovah ry firenena rehetra; Miderà Azy, ry olona rehetra.Fa lehibe ny famindram-pony amintsika; Ary mandrakizay ny fahamarinan'i Jehovah. Haleloia.
117:2b.PSA.117.002 Fa lehibe ny famindram-pony amintsika; Ary mandrakizay ny fahamarinan'i Jehovah. Haleloia.
118
118:1b.PSA.118.001 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny famindram-pony, indrindra noho ny namaliany ny vavaka nataon'ny mpanompony sy ny namonjeny azy tamin'ny fahavalony] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
118:2b.PSA.118.002 Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
118:3b.PSA.118.003 Aoka ny taranak'i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
118:4b.PSA.118.004 Aoka izay matahotra an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
118:5b.PSA.118.005 Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
118:6b.PSA.118.006 Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko?
118:7b.PSA.118.007 Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy.
118:8b.PSA.118.008 Tsara ny mialoka amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona.
118:9b.PSA.118.009 Tsara ny matoky an'i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
118:10b.PSA.118.010 Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa;
118:11b.PSA.118.011 Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa.
118:12b.PSA.118.012 Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa.
118:13b.PSA.118.013 Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
118:14b.PSA.118.014 Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
118:15b.PSA.118.015 Ao an-dain'ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery;
118:16b.PSA.118.016 Ny tanana ankavanan'i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery.
118:17b.PSA.118.017 Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan'i Jehovah.
118:18b.PSA.118.018 Nofaizan'i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.
118:19b.PSA.118.019 Vohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an'i Jehovah.
118:20b.PSA.118.020 Ity no vavahadin'i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
118:21b.PSA.118.021 Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
118:22b.PSA.118.022 Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
118:23b.PSA.118.023 Avy tamin'i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.
118:24b.PSA.118.024 Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.
118:25b.PSA.118.025 Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
118:26b.PSA.118.026 Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah; Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo.
118:27b.PSA.118.027 Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin'ny tandroky ny alitara aza.
118:28b.PSA.118.028 Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
118:29b.PSA.118.029 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
119
119:1b.PSA.119.001 [Salamo abidy. Fankalazana ny lalàn'Andriamanitra][ALEFA] Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah.
119:2b.PSA.119.002 Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra;
119:3b.PSA.119.003 Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.
119:4b.PSA.119.004 Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
119:5b.PSA.119.005 Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
119:6b.PSA.119.006 Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
119:7b.PSA.119.007 Hidera Anao amin'ny hitsim-po aho Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina.
119:8b.PSA.119.008 Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
119:9b.PSA.119.009 [BETA] Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
119:10b.PSA.119.010 Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.
119:11b.PSA.119.011 Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
119:12b.PSA.119.012 Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
119:13b.PSA.119.013 Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
119:14b.PSA.119.014 Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.
119:15b.PSA.119.015 Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
119:16b.PSA.119.016 Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
119:17b.PSA.119.017 [GIMELA] Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
119:18b.PSA.119.018 Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.
119:19b.PSA.119.019 Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
119:20b.PSA.119.020 Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
119:21b.PSA.119.021 Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao.
119:22b.PSA.119.022 Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
119:23b.PSA.119.023 Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.
119:24b.PSA.119.024 Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
119:25b.PSA.119.025 [DALETA] Miraikitra amin'ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
119:26b.PSA.119.026 Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
119:27b.PSA.119.027 Ampahalalao ahy ny lalan'ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
119:28b.PSA.119.028 Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
119:29b.PSA.119.029 Ny lalan'ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
119:30b.PSA.119.030 Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
119:31b.PSA.119.031 Mifikitra amin'ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
119:32b.PSA.119.032 Ny lalan'ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.[Na: Raha]
119:33b.PSA.119.033 [HE] Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany.
119:34b.PSA.119.034 Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho.
119:35b.PSA.119.035 Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
119:36b.PSA.119.036 Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana.
119:37b.PSA.119.037 Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho.
119:38b.PSA.119.038 Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.[Tovy amin'ny mpanomponao ny teninao, Izay mahatonga ny fahatahorana Anao]
119:39b.PSA.119.039 Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
119:40b.PSA.119.040 Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao.
119:41b.PSA.119.041 [VAO] Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
119:42b.PSA.119.042 Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
119:43b.PSA.119.043 Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
119:44b.PSA.119.044 Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
119:45b.PSA.119.045 Ary handeha amin'ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
119:46b.PSA.119.046 Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
119:47b.PSA.119.047 Ary hiravoravo amin'ny didinao aho Satria tiako ireny.
119:48b.PSA.119.048 Hasandratro ny tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
119:49b.PSA.119.049 [ZAINA] Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy.[Na: Satria nampanantenainao aho]
119:50b.PSA.119.050 Izao no mampionona ahy amin'ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
119:51b.PSA.119.051 Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin'ny lalànao aho.
119:52b.PSA.119.052 Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
119:53b.PSA.119.053 Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
119:54b.PSA.119.054 Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin'ny trano fivahiniako.
119:55b.PSA.119.055 Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
119:56b.PSA.119.056 Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho.
119:57b.PSA.119.057 [HETA] Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
119:58b.PSA.119.058 Mifona aminao amin'ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
119:59b.PSA.119.059 Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin'ny teni-vavolombelonao.
119:60b.PSA.119.060 Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin'ny fitandremana ny didinao.
119:61b.PSA.119.061 Nihodidina tamiko ny famato-ran'ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
119:62b.PSA.119.062 Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
119:63b.PSA.119.063 Naman'izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman'izay mitandrina ny didinao.
119:64b.PSA.119.064 Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
119:65b.PSA.119.065 [TETA] Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
119:66b.PSA.119.066 Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
119:67b.PSA.119.067 Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
119:68b.PSA.119.068 Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
119:69b.PSA.119.069 Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin'ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
119:70b.PSA.119.070 Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
119:71b.PSA.119.071 Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
119:72b.PSA.119.072 Ny lalàn'ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
119:73b.PSA.119.073 [JODA] Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
119:74b.PSA.119.074 Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
119:75b.PSA.119.075 Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
119:76b.PSA.119.076 Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin'ny mpanomponao.
119:77b.PSA.119.077 Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
119:78b.PSA.119.078 Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.[Na: nanoloky ahy tamin'ny lainga]
119:79b.PSA.119.079 Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
119:80b.PSA.119.080 Aoka ho marina tsara ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
119:81b.PSA.119.081 [KAFA] Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
119:82b.PSA.119.082 Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
119:83b.PSA.119.083 Fa tahaka ny siny hoditra ao amin'ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.
119:84b.PSA.119.084 Hoatrinona no andron'ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin'izay manenjika ahy Hianao?
119:85b.PSA.119.085 Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
119:86b.PSA.119.086 Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
119:87b.PSA.119.087 Saiky laniny teo amin'ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
119:88b.PSA.119.088 Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
119:89b.PSA.119.089 [LAMEDA] Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
119:90b.PSA.119.090 Hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
119:91b.PSA.119.091 Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.[Na: Araka ny nanendrenao azy]
119:92b.PSA.119.092 Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho.
119:93b.PSA.119.093 Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
119:94b.PSA.119.094 Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
119:95b.PSA.119.095 Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
119:96b.PSA.119.096 Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
119:97b.PSA.119.097 [MEMA] Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
119:98b.PSA.119.098 Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
119:99b.PSA.119.099 Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
119:100b.PSA.119.100 Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
119:101b.PSA.119.101 Efa narovako ny tongotro tsy ho amin'izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
119:102b.PSA.119.102 Tsy mba miala amin'ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
119:103b.PSA.119.103 Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
119:104b.PSA.119.104 Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
119:105b.PSA.119.105 [NONA] Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
119:106b.PSA.119.106 Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
119:107b.PSA.119.107 Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
119:108b.PSA.119.108 Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
119:109b.PSA.119.109 An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.[Heb. An-tanako]
119:110b.PSA.119.110 Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho.
119:111b.PSA.119.111 Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany.
119:112b.PSA.119.112 Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany.
119:113b.PSA.119.113 [SAMEKA] Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
119:114b.PSA.119.114 Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.
119:115b.PSA.119.115 Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin'Andriamanitro.
119:116b.PSA.119.116 Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin'ny fanantenako aho.
119:117b.PSA.119.117 Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
119:118b.PSA.119.118 Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.
119:119b.PSA.119.119 Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.
119:120b.PSA.119.120 Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
119:121b.PSA.119.121 [AINA] Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny mpampahory ahy.
119:122b.PSA.119.122 Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
119:123b.PSA.119.123 Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao.
119:124b.PSA.119.124 Ataovy amin'ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
119:125b.PSA.119.125 Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
119:126b.PSA.119.126 Efa andro tokony hampisehoan'i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.[Heb. hiasan'i Jehovah]
119:127b.PSA.119.127 Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
119:128b.PSA.119.128 Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
119:129b.PSA.119.129 [PE] Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
119:130b.PSA.119.130 Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.
119:131b.PSA.119.131 Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
119:132b.PSA.119.132 Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao.
119:133b.PSA.119.133 Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
119:134b.PSA.119.134 Vonjeo amin'ny fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao.
119:135b.PSA.119.135 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
119:136b.PSA.119.136 Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao.
119:137b.PSA.119.137 [TSADE] Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
119:138b.PSA.119.138 Efa voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
119:139b.PSA.119.139 Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
119:140b.PSA.119.140 Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao.
119:141b.PSA.119.141 Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
119:142b.PSA.119.142 Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
119:143b.PSA.119.143 Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
119:144b.PSA.119.144 Ny fahamarinan'ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
119:145b.PSA.119.145 [KOFA] Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako;
119:146b.PSA.119.146 Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
119:147b.PSA.119.147 Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
119:148b.PSA.119.148 Nialoha ny fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
119:149b.PSA.119.149 Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
119:150b.PSA.119.150 Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
119:151b.PSA.119.151 Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
119:152b.PSA.119.152 Efa fantatro ela tamin'ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
119:153b.PSA.119.153 [RESY] Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
119:154b.PSA.119.154 Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
119:155b.PSA.119.155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
119:156b.PSA.119.156 Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
119:157b.PSA.119.157 Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny teni-vavolombelonao aho.
119:158b.PSA.119.158 Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
119:159b.PSA.119.159 He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
119:160b.PSA.119.160 Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
119:161b.PSA.119.161 [SINA] Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran'ny foko.
119:162b.PSA.119.162 Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.
119:163b.PSA.119.163 Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.
119:164b.PSA.119.164 Impito isan'andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.
119:165b.PSA.119.165 Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
119:166b.PSA.119.166 Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.
119:167b.PSA.119.167 Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.
119:168b.PSA.119.168 Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
119:169b.PSA.119.169 Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.
119:170b.PSA.119.170 Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.
119:171b.PSA.119.171 Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.
119:172b.PSA.119.172 Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra.
119:173b.PSA.119.173 Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho.
119:174b.PSA.119.174 Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako.
119:175b.PSA.119.175 Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.
119:176b.PSA.119.176 Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.
120
120:1b.PSA.120.001 [Fitarainana ataon'ny olona miara-mitoetra amin'izay tia ady] Fihirana fiakarana. Jehovah no nitarainako tamin'ny fahoriako dia namaly ahy Izy,[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
120:2b.PSA.120.002 Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga, Eny, amin'ny lela mamitaka
120:3b.PSA.120.003 Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?
120:4b.PSA.120.004 Zana-tsipìkan'ny mahery sady voaranitra, Mbamin'ny vain'afon'anjavidy.[Izahao 1 Mpan. xix. 4]
120:5b.PSA.120.005 Lozako, fa mivahiny eto amin'ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain'ny Kedarita!
120:6b.PSA.120.006 Ela loatra izay no nitoeran'ny fanahiko teo amin'Izay tsy tia fihavanana.Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.
120:7b.PSA.120.007 Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.
121
121:1b.PSA.121.001 [Fahatokian'izay manana an'i Jehovah ho Mpiaro azy] Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy? [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][Na: Izay ihavian'ny famonjena ahy]
121:2b.PSA.121.002 Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
121:3b.PSA.121.003 Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
121:4b.PSA.121.004 Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
121:5b.PSA.121.005 Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.
121:6b.PSA.121.006 Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
121:7b.PSA.121.007 Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
121:8b.PSA.121.008 Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
122
122:1b.PSA.122.001 [Fifaliana ny amin'i Jerosalema sy fangatahan-tsoa ho azy] Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i Jehovah.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
122:2b.PSA.122.002 Ny tongotray efa mijoro Eo anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
122:3b.PSA.122.003 Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
122:4b.PSA.122.004 Any no iakaran'ny firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalàna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran'i Jehovah.
122:5b.PSA.122.005 Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida.
122:6b.PSA.122.006 Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;
122:7b.PSA.122.007 Fiadanana anie ho ao anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao
122:8b.PSA.122.008 Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.
122:9b.PSA.122.009 Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.
123
123:1b.PSA.123.001 [Fanantenana an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fanebahana sy ny fanamavoana] Fihirana fiakarana. Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
123:2b.PSA.123.002 Indro, toy ny fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.
123:3b.PSA.123.003 Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;Eny, tototry ny famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny mpiavonavona.
123:4b.PSA.123.004 Eny, tototry ny famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny mpiavonavona.
124
124:1b.PSA.124.001 [Fisaorana an'Andriamanitra noho ny nanafahany ny mpanompony saiky tra-doza] Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
124:2b.PSA.124.002 Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
124:3b.PSA.124.003 Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
124:4b.PSA.124.004 Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
124:5b.PSA.124.005 Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.
124:6b.PSA.124.006 Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny.
124:7b.PSA.124.007 Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
124:8b.PSA.124.008 Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
125
125:1b.PSA.125.001 [Ny fiarovana mahafinaritra hitan'izay matoky an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Izay matoky an'i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
125:2b.PSA.125.002 Tahaka ny tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema No anodidinan'i Jehovah ny olony Hatramin'izao ka ho mandrakizay
125:3b.PSA.125.003 Fa tsy hitoetra eo amin'ny anjaran'ny marina ny tehim-panjakan'ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy.
125:4b.PSA.125.004 Jehovah ô, manaova soa amin'ny tsara Sy ny mahitsy fo.Fa izay mivily ho amin'ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin'i Jehovah miaraka amin'ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
125:5b.PSA.125.005 Fa izay mivily ho amin'ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin'i Jehovah miaraka amin'ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
126
126:1b.PSA.126.001 [Fifalian'ny efa nampodin'i Jehovah, sy fifonana ho an'izay mbola babo] Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika. [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
126:2b.PSA.126.002 Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny.
126:3b.PSA.126.003 Eny, zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.
126:4b.PSA.126.004 Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka any amin'ny tany atsimo.
126:5b.PSA.126.005 Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa.
126:6b.PSA.126.006 Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa.
127
127:1b.PSA.127.001 [Ny fahatsinontsinon'ny ataon'ny olona, raha tsy ambinin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
127:2b.PSA.127.002 Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.
127:3b.PSA.127.003 Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.
127:4b.PSA.127.004 Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.
127:5b.PSA.127.005 Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.
128
128:1b.PSA.128.001 [Ny hatsaran'ny tokan-tranon'ny olona matahotra an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
128:2b.PSA.128.002 Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
128:3b.PSA.128.003 Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.
128:4b.PSA.128.004 Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.
128:5b.PSA.128.005 Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao.Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
128:6b.PSA.128.006 Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
129
129:1b.PSA.129.001 [Ny hiafaran'ny mpandrafy an'i Ziona] Fihirana fiakarana. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
129:2b.PSA.129.002 Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.
129:3b.PSA.129.003 Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.
129:4b.PSA.129.004 Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy Izy.
129:5b.PSA.129.005 Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an'i Ziona
129:6b.PSA.129.006 Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;
129:7b.PSA.129.007 Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin'izany;Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo.
129:8b.PSA.129.008 Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo.
130
130:1b.PSA.130.001 [Fitarainana ataon'izay latsaka amin'ny fahoriana lalina] Fihirana fiakarana. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô, [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
130:2b.PSA.130.002 Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.
130:3b.PSA.130.003 Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
130:4b.PSA.130.004 Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
130:5b.PSA.130.005 Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.
130:6b.PSA.130.006 Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina.
130:7b.PSA.130.007 Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.
130:8b.PSA.130.008 Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.
131
131:1b.PSA.131.001 [Fiononam-po sy fiankinana amin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
131:2b.PSA.131.002 Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.Ry Isiraely ô, manantenà an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
131:3b.PSA.131.003 Ry Isiraely ô, manantenà an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
132
132:1b.PSA.132.001 [Vavaka ho an'ny tranon'Andriamanitra sy ny ankohonan'i Davida] Fihirana fiakarana. Jehovah ô, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra,[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
132:2b.PSA.132.002 Dia ilay nianiana tamin'i Jehovah Sy nivoady tamin'ny Maherin'i Jakoba hoe:
132:3b.PSA.132.003 Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin'ny farafara fandriako,
132:4b.PSA.132.004 Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
132:5b.PSA.132.005 Mandra-pahitako fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.
132:6b.PSA.132.006 Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin'ny saha anaty ala isika.[Na: tany an-tsahan'i Jara]
132:7b.PSA.132.007 Aoka hiditra any amin'ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin'ny fitoeran-tongony.
132:8b.PSA.132.008 Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin'ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao.
132:9b.PSA.132.009 Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masina hihoby.
132:10b.PSA.132.010 Noho ny amin'i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan'ny voahosotrao.
132:11b.PSA.132.011 Jehovah efa nianiana tamin'i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin'ny seza fiandriananao.
132:12b.PSA.132.012 Raha hotandreman'ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.
132:13b.PSA.132.013 Fa Jehovah efa nifidy an'i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.
132:14b.PSA.132.014 Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.
132:15b.PSA.132.015 Hotahiko tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.
132:16b.PSA.132.016 Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masina ao.
132:17b.PSA.132.017 Ao no hampitsimohako tandroka ho an'i Davida Sy hanamboarako jiro ho an'ny voahosotro.Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.
132:18b.PSA.132.018 Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.
133
133:1b.PSA.133.001 [Ny mahatsara ny fifankatiavana] Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
133:2b.PSA.133.002 Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha, Izay mitsororoka amin'ny somotra, dia ny somotr'i Arona, Izay mitsororoka amin'ny moron-tongotr'akanjony; [Na: vozon'akanjony]Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin'ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin'i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.
133:3b.PSA.133.003 Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin'ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin'i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.
134
134:1b.PSA.134.001 [Hira ho fisaorana an'i Jehovah amin'ny alina] Fihirana fiakarana. Andeha, misaora an'i Jehovah, ianareo rehetra mpanompon'i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon'i Jehovah.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][Na: misaora an'i Jehovah amin'ny alina]
134:2b.PSA.134.002 Manandrata ny tananareo ho amin'ny fitoerana masina, Ka misaora an'i Jehovah.[Na: amin'ny fahamasinana]Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany.
134:3b.PSA.134.003 Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany.
135
135:1b.PSA.135.001 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny nitondrany ny Isiraely, ary filazana ny mahatsinontsinona ny sampy] Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah,
135:2b.PSA.135.002 Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.
135:3b.PSA.135.003 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
135:4b.PSA.135.004 Fa Jakoba nofidin'i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
135:5b.PSA.135.005 Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
135:6b.PSA.135.006 Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
135:7b.PSA.135.007 Mampiakatra zavona avy amin'ny faran'ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
135:8b.PSA.135.008 Dia Ilay namely ny voalohan-terak'i Egypta, Na olona, na biby.
135:9b.PSA.135.009 Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra,
135:10b.PSA.135.010 Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
135:11b.PSA.135.011 Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana rehetra;
135:12b.PSA.135.012 Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony.
135:13b.PSA.135.013 Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.
135:14b.PSA.135.014 Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony.
135:15b.PSA.135.015 Ny sampin'ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tànan'olona;
135:16b.PSA.135.016 Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
135:17b.PSA.135.017 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.
135:18b.PSA.135.018 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
135:19b.PSA.135.019 Misaora an'i Jehovah, ry taranak'Isiraely; Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Arona;
135:20b.PSA.135.020 Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Levy; Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, misaora an'i Jehovah.Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
135:21b.PSA.135.021 Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
136
136:1b.PSA.136.001 [Fankalazana an'Andriamanitra noho ny nanaovany izao rehetra izao sy ny nanavotany ny olony] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
136:2b.PSA.136.002 Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.[Heb. Andriamanitry ny andriamanitra]
136:3b.PSA.136.003 Miderà ny Tompon'ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
136:4b.PSA.136.004 Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:5b.PSA.136.005 Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:6b.PSA.136.006 Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:7b.PSA.136.007 Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:8b.PSA.136.008 Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:9b.PSA.136.009 Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:10b.PSA.136.010 Izay namely ny voalohan-terak'i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)
136:11b.PSA.136.011 Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:12b.PSA.136.012 Tamin'ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:13b.PSA.136.013 Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:14b.PSA.136.014 Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:15b.PSA.136.015 Fa nanary an'i Farao sy ny miaramilany tao anatin'ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:16b.PSA.136.016 Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:17b.PSA.136.017 Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:18b.PSA.136.018 Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:19b.PSA.136.019 Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:20b.PSA.136.020 Sy Oga, mpanjakan'i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:21b.PSA.136.021 Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:22b.PSA.136.022 Dia ho lovan'ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:23b.PSA.136.023 Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:24b.PSA.136.024 Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
136:25b.PSA.136.025 Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
136:26b.PSA.136.026 Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
137
137:1b.PSA.137.001 [Fahatsiarovana ny alahelon'ny babo tany Babylona] Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona.
137:2b.PSA.137.002 Teo amin'ny hazomalahelo teo afovoan'i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.
137:3b.PSA.137.003 Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran'i Ziona eto anatrehanay.
137:4b.PSA.137.004 Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?
137:5b.PSA.137.005 Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.
137:6b.PSA.137.006 Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin'ny fifaliako rehetra.
137:7b.PSA.137.007 Jehovah ô, tsarovy amin'ny taranak'i Edoma Ny andron'i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin'ny fanorenany.
137:8b.PSA.137.008 Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.[Na: ho resy]Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.
137:9b.PSA.137.009 Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.
138
138:1b.PSA.138.001 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny famindram-pony sy ny fahamarinany, izay mbola heken'ny mpanjaka rehetra] Nataon'i Davida. Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao.
138:2b.PSA.138.002 Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin'ny anaranao rehetra.
138:3b.PSA.138.003 Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.
138:4b.PSA.138.004 Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy.
138:5b.PSA.138.005 Eny hihira ny amin'ny lalan'i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr'i Jehovah.
138:6b.PSA.138.006 Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.[Na: Fa avo Jehovah ka]
138:7b.PSA.138.007 Na dia handeha eo amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan'ny tananao.
138:8b.PSA.138.008 Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan'ny tananao.
139
139:1b.PSA.139.001 [Fankalazana an'Andriamanitra, Izay mahalala ny zavatra rehetra sady manerana izao rehetra izao] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.
139:2b.PSA.139.002 Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
139:3b.PSA.139.003 Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
139:4b.PSA.139.004 Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô.
139:5b.PSA.139.005 Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.
139:6b.PSA.139.006 Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.
139:7b.PSA.139.007 Aiza no hialako amin'ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
139:8b.PSA.139.008 Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.[Heb. Sheola]
139:9b.PSA.139.009 Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran'ny ranomasina,
139:10b.PSA.139.010 Dia mbola entin'ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin'ny tananao ankavanana.
139:11b.PSA.139.011 Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,
139:12b.PSA.139.012 Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.[Na: Na dia hoy izaho aza: Hanarona ahy tokoa ny maizina, Dia ny alina aza no ho mazava manodidina ahy; Eny, etc]
139:13b.PSA.139.013 Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
139:14b.PSA.139.014 Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
139:15b.PSA.139.015 Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin'ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin'ny tany.
139:16b.PSA.139.016 Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
139:17b.PSA.139.017 Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron'ny isany!
139:18b.PSA.139.018 Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.
139:19b.PSA.139.019 Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà. [Na: Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô]
139:20b.PSA.139.020 Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.
139:21b.PSA.139.021 Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin'izay mitsangana hanohitra Anao? [Heb. ho maloiloy]
139:22b.PSA.139.022 Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
139:23b.PSA.139.023 Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
139:24b.PSA.139.024 Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
140
140:1b.PSA.140.001 [Fangataham-piarovana noho ny ataon'ny olona ratsy fanahy sy fetsy vava] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, vonjeo amin'ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe,
140:2b.PSA.140.002 Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan'andro
140:3b.PSA.140.003 Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony.
140:4b.PSA.140.004 Jehovah ô, vonjeo amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.
140:5b.PSA.140.005 Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.
140:6b.PSA.140.006 Hoy izaho tamin'i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon'ny fifonako, Jehovah ô!
140:7b.PSA.140.007 Jehovah, Tompo ô, ry Herin'ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin'ny andro fiadiana Hianao.
140:8b.PSA.140.008 Jehovah ô, aza manome ny irin'ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy.
140:9b.PSA.140.009 Ny lohan'izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan'ny ratsy tononin'ny molony.
140:10b.PSA.140.010 Aoka hisy vain'afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin'ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.
140:11b.PSA.140.011 Tsy hampitoerina amin'ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.
140:12b.PSA.140.012 Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin'ny mahantra Sady hanome rariny ho an'ny malahelo.Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.
140:13b.PSA.140.013 Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.
141
141:1b.PSA.141.001 [Fitarainana ataon'izay alaim-panahy sy enjehina] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
141:2b.PSA.141.002 Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
141:3b.PSA.141.003 Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan'ny vavako; Ambeno ny varavaran'ny molotro.
141:4b.PSA.141.004 Aza avela hirona ho amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
141:5b.PSA.141.005 Aoka ny marina hamely ahy amin'ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian'ireny.
141:6b.PSA.141.006 Havarina amin'ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
141:7b.PSA.141.007 Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola]
141:8b.PSA.141.008 Fa Hianao no andrandrain'ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.
141:9b.PSA.141.009 Arovy aho amin'ny fandrika amandrihany ahy Sy amin'ny tadivavaran'ny mpanao ratsy.Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin'ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
141:10b.PSA.141.010 Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin'ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
142
142:1b.PSA.142.001 [Vavaka ataon'izay foin'ny sakaizany sady enjehin'ny fahavalony] Maskila nataon'i Davida tamin'izy tao anaty lavaka. Fivavahana. Ny feoko no itarainako amin'i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin'i Jehovah.
142:2b.PSA.142.002 Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.
142:3b.PSA.142.003 Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin'ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy.
142:4b.PSA.142.004 Jereo eo an-kavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko.
142:5b.PSA.142.005 Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin'ny tanin'ny velona.
142:6b.PSA.142.006 Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin'ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.Avoahy hiala amin'ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.
142:7b.PSA.142.007 Avoahy hiala amin'ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.
143
143:1b.PSA.143.001 [Faniriam-pamindram-po noho ny fahoriana mafy] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.
143:2b.PSA.143.002 Ary aza dia mifandahatra amin'ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
143:3b.PSA.143.003 Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin'ny tany izy: Nampitoeriny tao amin'ny maizina aho, toy izay efa maty ela.
143:4b.PSA.143.004 Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.
143:5b.PSA.143.005 Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan'ny tananao no eritreretiko.
143:6b.PSA.143.006 Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.
143:7b.PSA.143.007 Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.
143:8b.PSA.143.008 Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
143:9b.PSA.143.009 Jehovah ô, vonjeo amin'ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.
143:10b.PSA.143.010 Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay tany marina.
143:11b.PSA.143.011 Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin'ny fahoriana.Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.
143:12b.PSA.143.012 Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.
144
144:1b.PSA.144.001 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny nanambinany ny mpanjaka, ary filazana ny mahatsinontsinona ny olombelona sy ny soa hitan'ny mpanompon'Andriamanitra] Nataon'i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,
144:2b.PSA.144.002 Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy
144:3b.PSA.144.003 Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak'olombelona, no iheveranao azy? [Heb. ahafantaranao]
144:4b.PSA.144.004 Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.
144:5b.PSA.144.005 Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.
144:6b.PSA.144.006 Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;
144:7b.PSA.144.007 Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin'ny rano be, Dia amin'ny tanan'ny hafa firenena,
144:8b.PSA.144.008 Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.
144:9b.PSA.144.009 Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin'ny valiha tory folo no hankalazako Anao,
144:10b.PSA.144.010 Izay manome famonjena ho an'ireo mpanjaka, Sady mamonjy an'i Davida mpanompony tsy ho voan'ny sabatra mandratra.
144:11b.PSA.144.011 Afaho aho, ka vonjeo amin'ny tanan'ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;
144:12b.PSA.144.012 Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy.
144:13b.PSA.144.013 Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;
144:14b.PSA.144.014 Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny.
144:15b.PSA.144.015 Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny.
145
145:1b.PSA.145.001 [Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpanjaka be indrafo] Fideran'i Davida. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.
145:2b.PSA.145.002 Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.
145:3b.PSA.145.003 Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany .
145:4b.PSA.145.004 Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.
145:5b.PSA.145.005 Ny lazan'ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
145:6b.PSA.145.006 Ny herin'ny asanao mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.
145:7b.PSA.145.007 Hanonona ny fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.
145:8b.PSA.145.008 Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
145:9b.PSA.145.009 Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra.
145:10b.PSA.145.010 Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao.
145:11b.PSA.145.011 Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,
145:12b.PSA.145.012 Mba hampahafantarina ny zanak'olombelona ny herinao Sy ny haben'ny voninahitry ny fanjakanao. [Heb. heriny][Heb. fanjakany]
145:13b.PSA.145.013 Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.
145:14b.PSA.145.014 Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
145:15b.PSA.145.015 Ny mason'izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin'ny fotoany.
145:16b.PSA.145.016 Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.
145:17b.PSA.145.017 Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.
145:18b.PSA.145.018 Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
145:19b.PSA.145.019 Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
145:20b.PSA.145.020 Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.
145:21b.PSA.145.021 Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.
146
146:1b.PSA.146.001 [Dera ho an'Andriamanitra, Mpamonjy tokana] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry fanahiko.
146:2b.PSA.146.002 Hidera an'i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an'Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.
146:3b.PSA.146.003 Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy.
146:4b.PSA.146.004 Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin'ny taniny izy; Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny fikasany.
146:5b.PSA.146.005 Sambatra izay manana an'Andriamanitr'i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an'i Jehovah Andriamaniny,
146:6b.PSA.146.006 Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,
146:7b.PSA.146.007 Izay manome rariny ho an'ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an'ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;
146:8b.PSA.146.008 Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
146:9b.PSA.146.009 Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa.Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin'ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
146:10b.PSA.146.010 Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin'ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
147
147:1b.PSA.147.001 [Haleloia ho an'ny Mpanohana izao rehetra izao, Izay nampody ny fahatsaran'i Jerosalema] Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
147:2b.PSA.147.002 Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
147:3b.PSA.147.003 Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
147:4b.PSA.147.004 Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny.
147:5b.PSA.147.005 Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
147:6b.PSA.147.006 Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany.
147:7b.PSA.147.007 Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga,
147:8b.PSA.147.008 Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
147:9b.PSA.147.009 Manome hanina ho an'ny biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina.
147:10b.PSA.147.010 Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
147:11b.PSA.147.011 Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
147:12b.PSA.147.012 Mankalazà an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô.
147:13b.PSA.147.013 Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
147:14b.PSA.147.014 Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
147:15b.PSA.147.015 Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
147:16b.PSA.147.016 Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.[Heb. volon'ondry]
147:17b.PSA.147.017 Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?
147:18b.PSA.147.018 Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
147:19b.PSA.147.019 Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.
147:20b.PSA.147.020 Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.
148
148:1b.PSA.148.001 [Fiantsoana izao rehetra izao hidera an'Andriamanitra] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.
148:2b.PSA.148.002 Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
148:3b.PSA.148.003 Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
148:4b.PSA.148.004 Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.
148:5b.PSA.148.005 Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
148:6b.PSA.148.006 Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
148:7b.PSA.148.007 Midera an'i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
148:8b.PSA.148.008 Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
148:9b.PSA.148.009 Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
148:10b.PSA.148.010 Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,
148:11b.PSA.148.011 Ny mpanjaka amin'ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin'ny tany,
148:12b.PSA.148.012 Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
148:13b.PSA.148.013 Samia midera ny anaran'i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin'ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
148:14b.PSA.148.014 Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
149
149:1b.PSA.149.001 [Haleloia ho an'i Jehovah, Izay aherezan'ny olony] Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona masina.
149:2b.PSA.149.002 Aoka ny Isiraely hifaly amin'ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin'ny Mpanjakany ny zanak'i Ziona.
149:3b.PSA.149.003 Aoka hidera ny anarany amin'ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin'ny ampongatapaka sy ny lokanga.
149:4b.PSA.149.004 Fa sitrak'i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
149:5b.PSA.149.005 Aoka ny olona masina hifaly amin'ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.
149:6b.PSA.149.006 Aoka hisy fanandratana an'Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,
149:7b.PSA.149.007 Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,
149:8b.PSA.149.008 Hamatorany ireo mpanjakany amin'ny gadra, Sy ny olo-malazany amin'ny gadra vy.Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masina rehetra Izany. Haleloia.
149:9b.PSA.149.009 Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masina rehetra Izany. Haleloia.
150
150:1b.PSA.150.001 [Haleloia farany] Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny.
150:2b.PSA.150.002 Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny.
150:3b.PSA.150.003 Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga.
150:4b.PSA.150.004 Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
150:5b.PSA.150.005 Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo.Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia.
150:6b.PSA.150.006 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia.
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Psalms (Malagasy). Psalms (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A567-A