1 Chronicles (Malagasy)

1 Chronicles (Malagasy)

1

1:1b.1CH.001.001 [Filaharan'ny firazanana hatramin'i Adama ka hatramin'i Abrahama] Adama, Seta, Enosy,

1:2b.1CH.001.002 Kenana, Mahalalila, Jareda,

1:3b.1CH.001.003 Enoka, Metosela, Lameka,

1:4b.1CH.001.004 Noa, Sema, Hama ary Jafeta.

1:5b.1CH.001.005 Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseta ary Tirasa.

1:6b.1CH.001.006 Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.

1:7b.1CH.001.007 Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima ary ny Dodanita.

1:8b.1CH.001.008 Ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.

1:9b.1CH.001.009 Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragarna ary Sabteka. Ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.

1:10b.1CH.001.010 Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery teo ambonin'ny tany.

1:11b.1CH.001.011 Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita

1:12b.1CH.001.012 sy ny Patrosita sy ny Kaslohita (izay nihavian'ny Filistina) ary ny Kaftorita.

1:13b.1CH.001.013 Ary Kanana niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta

1:14b.1CH.001.014 ary ny Jebosita sy ny Amorita sy ny Girgasita

1:15b.1CH.001.015 sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita

1:16b.1CH.001.016 sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Harnatita.

1:17b.1CH.001.017 Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpahada sy Loda sy Arama sy Oza sy Hola sy Gatera ary Maseka.

1:18b.1CH.001.018 Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera.

1:19b.1CH.001.019 Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.[Palega = Fizarana]

1:20b.1CH.001.020 Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera

1:21b.1CH.001.021 sy Hadorama sy Ozala sy Dikla

1:22b.1CH.001.022 sy Ebala sy Abimaela sy Sheba

1:23b.1CH.001.023 sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.

1:24b.1CH.001.024 Sema, Arpaksada, Sela,

1:25b.1CH.001.025 Ebera, Palega, Reo,

1:26b.1CH.001.026 Seroga, Nahora, Tera,

1:27b.1CH.001.027 Abrama (dia Abrahama izany).

1:28b.1CH.001.028 [Ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Esao sy Jakoba] Ny zanakalahin'i Abrahama dia Isaka sy Isimaela.

1:29b.1CH.001.029 Izao no taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, dia Kedara sy Abdela sy Mibsama

1:30b.1CH.001.030 sy Misma sy Doma sy Masa sy Hadada sy Tema

1:31b.1CH.001.031 sy Jetora sy Nafisy ary Kedma. Ireo no zanakalahin'Isimaela.

1:32b.1CH.001.032 Ary ny zanakalahin'i Ketora, vaditsindranon'i Abrahama. Izy no niteraka an'i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin'i Joksana dia Sheba sy Dedana.

1:33b.1CH.001.033 Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Ketora.

1:34b.1CH.001.034 Ary Abrahama niteraka an'Isaka. Ny zanakalahin'i Isaka dia Esao sy Isiraely.

1:35b.1CH.001.035 Ny zanakalahin'i Esao dia Elifaza sy Regoela sy Jeosy sy Jalama ary Kora.

1:36b.1CH.001.036 Ny zanak'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama sy Kenaza sy Timna ary Amaleka.

1:37b.1CH.001.037 Ny zanakalahin'i Regoela dia Nahata sy Zera sy Sama ary Miza.

1:38b.1CH.001.038 Ary ny zanakalahin'i Seira dia Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana sy Disona sy Ezera ary Disana.

1:39b.1CH.001.039 Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Homama; ary Timna no anabavin'i Lotana.

1:40b.1CH.001.040 Ary ny zanakalahin'i Sobala dia Aliana sy Manahata sy Ebala sy Sefy ary Onama. Ary ny zanakalahin'i Zibona dia Aia sy Ana.

1:41b.1CH.001.041 Ary ny zanakalahin'i Ana dia Disona. Ary ny zanakalahin'i Disona dia Hamrana sy Esbana sa Jitrana ary Kerana.

1:42b.1CH.001.042 Ary ny zanakalahin i Ezera dia Bilana sy Zavana ary Jakana. Ny zanakalahin'i Disana dia Oza sy Arana.

1:43b.1CH.001.043 Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely: Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.

1:44b.1CH.001.044 Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera, avy any Bozra.

1:45b.1CH.001.045 Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama, avy any amin'ny tanin'ny Temanita.

1:46b.1CH.001.046 Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.

1:47b.1CH.001.047 Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka.

1:48b.1CH.001.048 Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron'ny Ony.

1:49b.1CH.001.049 Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.

1:50b.1CH.001.050 Ary maty Bala-hanana, dia nanjaka nandimby azy Hadada; ary Pao no anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.

1:51b.1CH.001.051 Dia maty koa Hadada. Ary ny loham-pirenen'i Edoma dia Timna loham-pireneny, Alva loham-pireneny, Jetata loham-pireneny,

1:52b.1CH.001.052 Oholibama loham-pireneny, Elaha loham-pireneny, Pinona loham-pireneny,

1:53b.1CH.001.053 Kenaza loham-pireneny, Temana loham-pireneny, Mibzara loham-pireneny,Magdiela loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenen'i Edoma.

1:54b.1CH.001.054 Magdiela loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenen'i Edoma.

2

2:1b.1CH.002.001 [Ny amin'ny zanakalahin'Isiraely, sy ny taranak'i Joda, ary ny fonenany] Izao no zanakalahin'Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona

2:2b.1CH.002.002 sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera.

2:3b.1CH.002.003 Ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak'i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason'i Jehovah Era, lahimatoan'i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.

2:4b.1CH.002.004 Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an'i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin'i Joda rehetra.

2:5b.1CH.002.005 Ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.

2:6b.1CH.002.006 Ary ny zanakalahin'i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.

2:7b.1CH.002.007 Ary ny zanakalahin'i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin'ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona.[Heb; natao herema]

2:8b.1CH.002.008 Ary ny zanakalahin'i Etana dia Azaria.

2:9b.1CH.002.009 Ary ny zanakalahin'i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;

2:10b.1CH.002.010 ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, lohan'ny taranak'i Joda;

2:11b.1CH.002.011 ary Nasona niteraka an'i Salma; ary Salma niteraka an'i Boaza;

2:12b.1CH.002.012 ary Boaza niteraka an'i Obeda; ary Obeda niteraka an'i Jese;

2:13b.1CH.002.013 ary Jese niteraka an'i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,

2:14b.1CH.002.014 sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,

2:15b.1CH.002.015 sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;

2:16b.1CH.002.016 Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin'i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;

2:17b.1CH.002.017 ary Abigaila niteraka an'i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain'i Amasa.

2:18b.1CH.002.018 Ary Kaleba, zanakalahin'i Hezrona, niteraka tamin'i Azoba vadiny sy tamin'i Jeriota. Izao no zanakalahin'i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.

2:19b.1CH.002.019 Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain'i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an'i Hora taminy;

2:20b.1CH.002.020 ary Hora niteraka an'i Ory; ary Ory niteraka an'i Bezalila.

2:21b.1CH.002.021 Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an'i Segoba taminy ravehivavy;

2:22b.1CH.002.022 ary Segoba niteraka an'i Jaira, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin'ny tany Gileada.

2:23b.1CH.002.023 Ary nalain'i Gesora sy Arama tamin'ny Jairita ny tanàna madinika an'i Jaira mbamin'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an'ny zanak'i Makira, rain'i Gileada.

2:24b.1CH.002.024 Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin'i Hezrona, dia niteraka an'i Asora, razamben'ny any Tekoa, taminy.

2:25b.1CH.002.025 Ary ny zanakalahin'i Jeramela, lahimatoan'i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.

2:26b.1CH.002.026 Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin'i Onama.

2:27b.1CH.002.027 Ary ny zanakalahin'i Rama, lahimatoan'i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera.

2:28b.1CH.002.028 Ary ny zanakalahin'i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin'i Samay dia Nadaba sy Abisora.

2:29b.1CH.002.029 Ary ny anaran'ny vadin'i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an'i Abana sy Molida taminy.

2:30b.1CH.002.030 Ary ny zanakalahin'i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda.

2:31b.1CH.002.031 Ary ny zanakalahin'i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin'i Sesana dia Ahelay.

2:32b.1CH.002.032 Ary ny zanakalahin'i Jada, rahalahin'i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera.

2:33b.1CH.002.033 Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin'i Jeramela.

2:34b.1CH.002.034 Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany.

2:35b.1CH.002.035 Ary ny zananivavy nomen'i Sesana ho vadin'i Jara mpanompony; ary izy niteraka an'i Atahy taminy.

2:36b.1CH.002.036 Ary Atahy niteraka an'i Natana; ary Natana niteraka an'i Zabada;

2:37b.1CH.002.037 ary Zabada niteraka an'i Efiala; ary Efiala niteraka an'i Obeda;

2:38b.1CH.002.038 ary Obeda niteraka an'i Jeho; ary Jeho niteraka an'i Azaria;

2:39b.1CH.002.039 ary Azaria niteraka an'i Haleza; ary Haleza niteraka an'i Elasa;

2:40b.1CH.002.040 ary Elasa niteraka an'i Sismay; ary Sismay niteraka an'i Saloma;

2:41b.1CH.002.041 ary Saloma niteraka an'i Jekamia; ary Jekamia niteraka an'i Elisama.

2:42b.1CH.002.042 Ary ny zanakalahin'i Kaleba, rahalahin'i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben'ny any Zifa, sy ny zanakalahin'i Maresa, razamben'ny any Hebrona.

2:43b.1CH.002.043 Ary ny zanakalahin'i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema.

2:44b.1CH.002.044 Ary Sema niteraka an'i Rahama, rain'i Jorkeama, ary Rakema niteraka an'i Samay;

2:45b.1CH.002.045 ary ny zanakalahin'i Samay dia Maona, ary Maona no razamben'ny any Beti-zora;

2:46b.1CH.002.046 ary Efaha, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an'i Gazeza.

2:47b.1CH.002.047 Ary ny zanakalahin'i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa.

2:48b.1CH.002.048 Maka, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Sabera sy Tirana.

2:49b.1CH.002.049 Izy koa niteraka an'i Safa, razamben'ny any Madmana, sy Seva, razamben'ny any Makbena sady razamben'ny any Gibea; ary ny zanakavavin'i Kaleba dia Aksa.

2:50b.1CH.002.050 Izao no zanakalahin'i Kaleba, zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata: Sobala, razamben'ny any Kiriata-Jearima,

2:51b.1CH.002.051 Salma, razamben'ny any Betlehema, Harefa, razamben'ny any Beti-gadera.

2:52b.1CH.002.052 Ary Sobala, razamben'ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota

2:53b.1CH.002.053 ary ny fokon'i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraita; avy tamin'ireo no nihavian'ny Zoraita sy ny Estaolita.

2:54b.1CH.002.054 Ny zanakalahin'i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraitaary ny fokon'ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin'i Hamata, rain'ny taranak'i Rekaba.

2:55b.1CH.002.055 ary ny fokon'ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin'i Hamata, rain'ny taranak'i Rekaba.

3

3:1b.1CH.003.001 [Ny taranak'i Davida] Ary izao no zanakalahin'i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak'i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;

3:2b.1CH.003.002 Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak'i Hagita, no fahefatra;

3:3b.1CH.003.003 Sefatia, zanak'i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak'i Egla vadiny, no fahenina.

3:4b.1CH.003.004 Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.

3:5b.1CH.003.005 Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak'i Batsoa, zanakavavin'i Amiela)

3:6b.1CH.003.006 sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta

3:7b.1CH.003.007 sy Noga sy Nafega sy Jafia

3:8b.1CH.003.008 sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.

3:9b.1CH.003.009 Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin'ireo.

3:10b.1CH.003.010 Ary ny zanakalahin'i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin'i Abia, Josafata no zanakalahin'i Asa,

3:11b.1CH.003.011 Jehorama no zanakalahin'i Josafata, Ahazia no zanakalahin'i Jehorama. Joasy no zanakalahin'i Ahazia,

3:12b.1CH.003.012 Amazia no zanakalahin'i Joasy, Azaria no zanakalahin'Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria,

3:13b.1CH.003.013 Ahaza no zanakalahin'i Jotama Hezekia no zanakalahin'i Ahaza, Manase no zanakalahin'i Hezetia,

3:14b.1CH.003.014 Amona no zanakalahin'i Manase, Josia no zanakalahin'i Amona.

3:15b.1CH.003.015 Ary izao no zanakalahin'i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.

3:16b.1CH.003.016 Ary ny zanakalahin'i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak'i Jekonia.

3:17b.1CH.003.017 Ary ny zanakalahin'Jekonia dia Asira, Sealtiela no zanak'i Asira,[Na: Jekonia mpifatotra]

3:18b.1CH.003.018 ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia.

3:19b.1CH.003.019 Ary ny zanakalahin'i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin'i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny,

3:20b.1CH.003.020 ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy.

3:21b.1CH.003.021 Ary ny zanakalahin'i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin'i Rafaia sy ny zanakalahin'i Arnana sy ny zanakalahin'i Obadia ary ny zanakalahin'i Sekania.

3:22b.1CH.003.022 Ary ny zanakalahin'i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin'i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy.

3:23b.1CH.003.023 Ary ny zanakalahin'i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy.Ary ny zanakalahin'i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy.

3:24b.1CH.003.024 Ary ny zanakalahin'i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy.

4

4:1b.1CH.004.001 [Ny amin'ny taranak'i Joda sisa] Ny zanakalahin'i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.

4:2b.1CH.004.002 Ary Reaia, zanakalahin'i Sobala, niteraka an'i Jahata; ary Jahata niteraka an'i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon'ny Zoraita.

4:3b.1CH.004.003 Ary izao no avy amin'ny rain'i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran'ny anabaviny,

4:4b.1CH.004.004 ary Penoela, rain'i Gedora, sy Ezera, rain'i Hosa. Ireo no zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata, razamben'ny any Betlehema.

4:5b.1CH.004.005 Ary Asora, razamben'ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.

4:6b.1CH.004.006 Ary Nara niteraka an'i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin'i Nara.

4:7b.1CH.004.007 Ary ny zanakalahin'i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.

4:8b.1CH.004.008 Ary Hakoza niteraka an'i Anoba sy Zobeba ary ny fokon'i Aharela, zanakalahin'i Haroma.

4:9b.1CH.004.009 Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.

4:10b.1CH.004.010 Ary Jabeza niantso an'Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin'ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen'Andriamanitra azy ny nangatahiny.

4:11b.1CH.004.011 Ary Keloba, rahalahin'i Soha, niteraka an'i Mehira, rain'i Estona;

4:12b.1CH.004.012 ary Estona niteraka an'i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain'Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.

4:13b.1CH.004.013 Ary ny zanakalahin'i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin'i Otniela dia Hatata.

4:14b.1CH.004.014 Ary Meonotahy niteraka an'i Ofra; ary Seraia niteraka an'i Joaba, razamben'ny ao an-dohasahan'ny mpiasa; fa mpiasa ireo.

4:15b.1CH.004.015 Ary ny zanakalahin'i Kaleba, zanakalahin'i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin'i Elaha dia Kenaza.

4:16b.1CH.004.016 Ary ny zanakalahin'i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela.

4:17b.1CH.004.017 Ary ny zanakalahin'i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an'i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben'ny any Estemoa.

4:18b.1CH.004.018 Ary Jehodia vadiny niteraka an'i Jareda, razamben'ny any Gedora, sy Hebera, razamben'ny any Soko, ary Jakotiela, razamben'ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin'i Bitia, zanakavavin'i Farao, izay novadin'i Mareda.

4:19b.1CH.004.019 Ary ny zanakalahin'i Hodia vadiny, izay anabavin'i Nahama, dia ny razamben'ny an'i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.

4:20b.1CH.004.020 Ary ny zanakalahin'i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.

4:21b.1CH.004.021 Ary ny zanakalahin'i Sela, zanak'i Joda, dia Era, rain'i Leka, sy Lada, rain'i Maresa, sy ny fokon'ny mpanao rongony fotsy madinika amin'ny ankohonan'i Asbea;

4:22b.1CH.004.022 ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.

4:23b.1CH.004.023 Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin'ny mpanjaka hanao ny asany.

4:24b.1CH.004.024 [Ny taranak'i Simeona sy ny fonenany] Ny zanakalahin'i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,

4:25b.1CH.004.025 dia Saloma no zanakalahin'i Saoly, Mibsama no zanakalahin'i Saloma, Misma no zanakalahin'i Mibsama.

4:26b.1CH.004.026 Ary ny zanakalahin'i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin'i Hamoela, Simey no zanakalahin'i Zakora.

4:27b.1CH.004.027 Ary Simey nanan-janaka enina ambin'ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak'i Joda ny fokony rehetra.

4:28b.1CH.004.028 Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala

4:29b.1CH.004.029 sy Bila sy Ezema sy Tolada

4:30b.1CH.004.030 sy Betoela sy Horma sy Ziklaga

4:31b.1CH.004.031 sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan'i Davida.

4:32b.1CH.004.032 Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,

4:33b.1CH.004.033 ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.

4:34b.1CH.004.034 Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak'i Amazia,

4:35b.1CH.004.035 ary Joela sy Jeho, zanak'i Josibia, zanak'i Seraia, zanak'i Asiela,

4:36b.1CH.004.036 ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia

4:37b.1CH.004.037 sy Ziza, zanak'i Sify, zanak'i Alona, zanak'i Jedaia, zanak'i Simry, zanak'i Semaia;

4:38b.1CH.004.038 ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin'ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.

4:39b.1CH.004.039 Ary nankany amin'ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin'ny ilany atsinanana amin'ny lohasaha, hitady ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny.

4:40b.1CH.004.040 Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak'i Hama no nonina tany taloha.

4:41b.1CH.004.041 Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny tany.[Na: sy ny Meonita][Heb. nanao azy ho herema]

4:42b.1CH.004.042 Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin'ny taranak'i Simeona nankany amin'ny tendrombohitra Seira ka nanana an'i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin'i Jisy, ho mpifehy azy.Ary namely ny sisa afaka tamin'ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.

4:43b.1CH.004.043 Ary namely ny sisa afaka tamin'ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.

5

5:1b.1CH.005.001 [Ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase] Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo;

5:2b.1CH.005.002 fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian'ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an'i Josefa ihany),

5:3b.1CH.005.003 ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.

5:4b.1CH.005.004 Ny zanakalahin'i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin'i Semaia, Sirney no zanakalahin'i Goga,

5:5b.1CH.005.005 Mika no zanakalahin'i simey, Reaia no zanakalahin'i Mika, Bala no zanakalahin'i Reaia,

5:6b.1CH.005.006 Bera no zanakalahin'i Bala, izay nobaboin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria; izy no loham-pirenen'ny Robenita.

5:7b.1CH.005.007 Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan'ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria

5:8b.1CH.005.008 ary Bela, zanak'i Azaza, zanak'i Sema, zanak'i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.

5:9b.1CH.005.009 Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin'ny efitra ka hatramin'ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman'ondriny nihamaro teny amin'ny tany Gileada.

5:10b.1CH.005.010 Ary tamin'ny andron'i Saoly dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada izy.[Na: tany antsinanan'i Gileada]

5:11b.1CH.005.011 Ary ny taranak'i Gada nonina tandrifiny, teny amin'ny tany Basana hatrany Saleka;

5:12b.1CH.005.012 Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.

5:13b.1CH.005.013 Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.

5:14b.1CH.005.014 Ireo no zanakalahin'i Abihaila, zanak'i Hory, zanak'i Jaroa, zanak'i Gileada, zanak'i Mikaela, zanak'i Jesisay, zanak'i Jado, zanak'i Boza;

5:15b.1CH.005.015 Ahia, zanak'i Abdiela, zanak'i Gony, no lohan'ny fianakaviany.

5:16b.1CH.005.016 Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin'ny zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra an-tsisin'i Sardna manodidina izy.

5:17b.1CH.005.017 Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin'ny andron'i Jotama, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely.

5:18b.1CH.005.018 Ny taranak'i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan'ny azo nalefa hanafika.

5:19b.1CH.005.019 Ary niady tamin'ny Hagarita sy tamin'i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.

5:20b.1CH.005.020 Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.

5:21b.1CH.005.021 Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman'osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;

5:22b.1CH.005.022 fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin'Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan'ny namaboana azy kosa.

5:23b.1CH.005.023 Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nonina tamin'ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin'ny tendrombohitra Hermona.

5:24b.1CH.005.024 Ary izao no lohan'ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy.

5:25b.1CH.005.025 Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany.

5:26b.1CH.005.026 Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany.

5:27b.1CH.005.027 [Ny taranak'i Levy] Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.

5:28b.1CH.005.028 Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.

5:29b.1CH.005.029 Ary ny zanak'i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.

5:30b.1CH.005.030 Eleazara niteraka an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka an'i Abisoa;

5:31b.1CH.005.031 ary Abisoa niteraka an'i Boky; ary Boky niteraka an'i Ozy;

5:32b.1CH.005.032 ary Ozy niteraka an'i Zerahia; ary Zerahia niteraka an'i Meraiota;

5:33b.1CH.005.033 ary Meraiota niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;

5:34b.1CH.005.034 ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza;

5:35b.1CH.005.035 ary Ahimaza niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Johanana;

5:36b.1CH.005.036 ary Johanana niteraka an'i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany Jerosalema);

5:37b.1CH.005.037 ary Azaria niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;

5:38b.1CH.005.038 ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Saloma;

5:39b.1CH.005.039 ary Saloma niteraka an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka an'i Azaria;

5:40b.1CH.005.040 ary Azaria niteraka an'i Seraia; ary Seraia niteraka an'i Jozadaka;ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.

5:41b.1CH.005.041 ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.

6

6:1b.1CH.006.001 Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.

6:2b.1CH.006.002 Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona: Libny sy Semey.

6:3b.1CH.006.003 Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.

6:4b.1CH.006.004 Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ary izao no fokon'ny Levita araka ny rainy:

6:5b.1CH.006.005 Avy amin'i Gersona: Libny no zanak'i Gersona, Jahata no zanak'i Libny, Zima no zanak'i Jahata,

6:6b.1CH.006.006 Joa no zanak'i Zima, Ido no zanak'i Joa, Zera no zanak'Ido, Jeateray zanak'i Zera.

6:7b.1CH.006.007 Ny zanakalahin'i Kehata dia Aminadaba, Kora no zanakalahin'i Aminadaba, Asira no zakalahin'i Kora,

6:8b.1CH.006.008 Elkana no zanakalahin'i Asira, Ebiasafa no zanakalahin'i Elkana, Asira no zanakalahin'i Ebiasafa,

6:9b.1CH.006.009 Tahata no zanakalahin'i Asira, Oriela no zanakalahin'i Tahata, Ozia no zanakalahin'i Oriela, ary Saoly no zanakalahin'i Ozia.

6:10b.1CH.006.010 Ary ny zakalahin'i Elkana dia Amasay sy Ahimota.

6:11b.1CH.006.011 Ny amin'i Elkana, ny zananilahy dia Zofay, ary Nahata no zanakalahin'i Zofay,

6:12b.1CH.006.012 Eliaba no zanakalahin'i Nahata, Jerohama no zanakalahin'i Eliaba, Elkana no zanakalahin'i Jerohama.

6:13b.1CH.006.013 Ary ny zanakalahin'i Samoela dia Vasny lahimatoa sy Abia.[Na: (Jozla sy Abia faralahy); izahao and 18 sy 1 Sam. viii.2]

6:14b.1CH.006.014 Ny zanakalahin'i Merary dia Maly, Libny no zanakalahin'i Maly, Semey no zanakalahin'i Libny, Oza no zanakalahin'i Semey,

6:15b.1CH.006.015 Simea no zanakalahin'i Oza, Hagia no zanakalahin'i Simea, Asaba no zanakalahin'i Hagia.

6:16b.1CH.006.016 Ary izao no notendren'i Davida ho mpiventy hira tao amin'ny tranon'i Jehovah, rehefa voapetraka tao ny fiara,

6:17b.1CH.006.017 ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin'ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon'i Solomona ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy,

6:18b.1CH.006.018 dia izao no nanompo mbamin'ny zanany: Tamin'ny zanakalahin'ny Kehatita dia Hemana mpihira, zanakalahin'i Joela, zanakalahin'i Samoela,

6:19b.1CH.006.019 zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Jerohama, zanakalahin'i Eliala, zanakalahin'i Toa.

6:20b.1CH.006.020 zanakalahin'i Zofa, zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Mahata, zanakalahin'i Amasay,

6:21b.1CH.006.021 zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Joela, zanakalahin'i Azaria, zanakalahin'i Zefania,

6:22b.1CH.006.022 zanakalahin'i Tahata, zanakalahin'i Asira, zanakalahin'i Ebiasafa, zanakalahin'i Kora,

6:23b.1CH.006.023 zanakalahin'i Jizara, zanakalahin'i Kehata, zanakalahin'i Levy, zanak'Isiraely.

6:24b.1CH.006.024 Ary Asafa rahalahiny, izay nitsangana teo amin'ny ankavanany, dia Asafa, zanakalahin'i Berekia, zanakalahin'i Simea,

6:25b.1CH.006.025 zanakalahin'i Mikaela, zanakalahin'i Beseia, zanakalahin'i Malkia,

6:26b.1CH.006.026 zanakalahin'i Etny, zanakalahin'i Zera, zanakalahin'i Adaia,

6:27b.1CH.006.027 zanakalahin'i Etana, zanakalahin'i Zima, zanakalahin'i Simey,

6:28b.1CH.006.028 zanakalahin'i Jahata, zanakalahin'i Gersona, zanakalahin'i Levy.

6:29b.1CH.006.029 Ary ny rahalahin'ireo kosa, dia ny zanakalahin'i Merary, nitsangana teo amin'ny ankaviany: Etana, zanakalahin'i Kisy, zanakalahin'i Abdia, zanakalahin'i Maloka,

6:30b.1CH.006.030 zanakalahin'i Hasabia, zanakalahin'i Amazia, zanakalahin'i Hilkia,

6:31b.1CH.006.031 zanakalahin'i Amzy, zanakalahin'i Bany, zanakalahin'i Samera,

6:32b.1CH.006.032 zanakalahin'i Maly, zanakalahin'i Mosy, zanakalahin'i Merary, zanakalahin'i Levy.

6:33b.1CH.006.033 Ary ny Levita rahalahin'ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin'ny tabernakelin'ny tranon'Andriamanitra.

6:34b.1CH.006.034 Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra teo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin'ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an'ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra.[Heb. nandoro ho fofona]

6:35b.1CH.006.035 Ary ny zanakalahin'i Arona dia Eleazara, ary Finehasa no zanakalahin'i Eleazara, Abisoa no zanakalahin'i Finehasa,

6:36b.1CH.006.036 Boky no zanakalahin'i Abisoa, Ozy no zanakalahin'i Boky, Zerahia no zanakalahin'i Ozy,

6:37b.1CH.006.037 Meraiota no zanakalahin'i Zerahia, Amaria no zanakalahin'i Meraiota, Ahitoba no zanakalahin'i Amaria,

6:38b.1CH.006.038 Zadoka no zanakalahin'i Ahitoba, Ahimaza no zanakalahin'i Zadoka.

6:39b.1CH.006.039 Ary izao no fonenany araka ny vohiny tao amin'ny zara-taniny avy, dia ny an'ny taranak'i Arona, avy amin'ny fokon'ny Kehatita; fa azy ny loka:

6:40b.1CH.006.040 Nomeny azy Hebrona tao amin'ny tanin'ny Joda sy ny tany manodidina azy.

6:41b.1CH.006.041 Fa ny saha momba ny tanàna sy ny vohiny kosa nomeny an'i Kaleba, zanak'i Jefone.

6:42b.1CH.006.042 Ary ny taranak'i Arona nomeny an'i Hebrona, tanàna fiarovana, ary Libna sy ny tany manodidina azy ary Jatira sy Estemoa sy ny tany manodidina azy

6:43b.1CH.006.043 ary Hilena sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy

6:44b.1CH.006.044 ary Asana sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy;

6:45b.1CH.006.045 ary avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Geba sy ny tany manodidina azy ary Alemeta sy ny tany manodidina azy ary Anotata sy ny tany manodidina azy. Dia telo ambin'ny folo no isan'ny tanànan'izy mianakavy rehetra.

6:46b.1CH.006.046 Ary ny an'ny taranak'i Kehata sisa tamin'ny fokon'izany firenena izany dia tanàna folo araka ny filokana tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase.

6:47b.1CH.006.047 Ary ny an'ny taranak'i Gersona araka ny fokony dia tanàna telo ambin'ny folo tamin'ny firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary ny firenen'i Manase any Basana.

6:48b.1CH.006.048 Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary araka ny fokony dia tanàna roa ambini ny folo avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.

6:49b.1CH.006.049 Dia nomen'ny Zanak'i Isiraely ho an'ny Levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy.

6:50b.1CH.006.050 Ary nomeny tamin'ny filokana ireto tanàna tononina ireto avy tamin'ny firenena taranak'i Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ary ny firenena taranak'i Benjamina.

6:51b.1CH.006.051 Fa ny sasany amin'ny fokon'ny taranak'i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin'ny firenen'i Efraima.

6:52b.1CH.006.052 Ary nomeny azy Sekema, tanàna fiarovana, tao amin'ny tany havoan'i Efraima sy ny tany manodidina azy ary Gazera sy ny tany manodidina azy

6:53b.1CH.006.053 ary Jokmeama sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy

6:54b.1CH.006.054 ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy;

6:55b.1CH.006.055 ary ny avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary Bileama sy ny tany manodidina azy, dia ho an'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa.

6:56b.1CH.006.056 Ary ny an'ny taranak'i Gersona dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy ary Astarta, sy ny tany manodidina azy avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase;

6:57b.1CH.006.057 ary ny avy tamin'ny firenen'Isakara dia Kadesy sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy

6:58b.1CH.006.058 ary Ramota sy ny tany manodidina azy ary Anema sy ny tany manodidina azy;

6:59b.1CH.006.059 ary ny avy tamin'ny firenen'i Asera dia Masala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy

6:60b.1CH.006.060 ary Hokoka sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny tany manodidina azy;

6:61b.1CH.006.061 ary ny avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy ary Hamona sy ny tany manodidina azy ary Kiriataima sy ny tany manodidina azy.

6:62b.1CH.006.062 Ary ny an'ny sisa, taranak'i Merary, dia avy tamin'ny firenen'i Zebolona, dia Rimono sy ny tany manodidina azy ary Tabara sy ny tany manodidina azy;

6:63b.1CH.006.063 ary any an-dafin'i Jordana, tandrifin'i Jeriko, atsinanan'i Jordana, koa dia avy tamin'ny firenen'i Robena, dia Bazera any an-efitra sy ny tany manodidina azy ary Jaza sy ny tany manodidina azy

6:64b.1CH.006.064 ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy;

6:65b.1CH.006.065 ary avy tamin'ny firenen'i Gada dia Ramota-gileada sy ny tany manodidina azy ary Mahanaima sy ny tany manodidina azyary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy.

6:66b.1CH.006.066 ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy.

7

7:1b.1CH.007.001 [Ny taranak'Isakara sy Benjamina sy Naftaly sy ny antsasaky ny firenen'i Manase sy Efraima ary Asera] Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy.

7:2b.1CH.007.002 Ary ny zanakalahin'i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan'ny fianakaviany avy, dia zanak'i Tola sady samy lehilahy mahery tamin'ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin'ny andron'i Davida.

7:3b.1CH.007.003 Ary ny zanakalahin'i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin'i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo.

7:4b.1CH.007.004 Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak'ireo.

7:5b.1CH.007.005 Ary ny rahalahiny ao amin'ny fokon'ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan'izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.

7:6b.1CH.007.006 Ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy.

7:7b.1CH.007.007 Ary ny zanakalahin'i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina.

7:8b.1CH.007.008 Ary ny zanakalahin'i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Bakera.

7:9b.1CH.007.009 Ary ny isany araka ny firazanany amin'ny fireneny, izay samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.

7:10b.1CH.007.010 Ny zanakalahin'i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin'i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara

7:11b.1CH.007.011 Ireo zanakalahin'i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan'ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan'ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.

7:12b.1CH.007.012 Sopima koa sy Hopima, zanakalahin'Iry, ary Hosima, zanakalahin'i Ahera.

7:13b.1CH.007.013 Ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin'i Bila ireo.

7:14b.1CH.007.014 Ny zanakalahin'i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an'i Matira, rain'i Gileada.[Heb. Aramiana]

7:15b.1CH.007.015 Ary Makira naka vady ho an'i Hopima sy Sopima; ny anaran'ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran'ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy.

7:16b.1CH.007.016 Ary Imaka, vadin'i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran'ny rahalahiny; ary ny anaran'ny zananilahy dia Olama sy Rakema.

7:17b.1CH.007.017 Ary ny zanakalahin'i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin'i Gileada, zanakalahin'i Makira, zanakalahin'i Manase.

7:18b.1CH.007.018 Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an'Isehoda sy Abiezera ary Mahala.

7:19b.1CH.007.019 Ary ny zanakalahin'i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.

7:20b.1CH.007.020 Ary ny zanakalahin'i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin'i Sotela, Tahata no zanakalahin'i Bareda, Elada no zanakalahin'i Tahata, Tahata no zanakalahin'i Elada,

7:21b.1CH.007.021 Zabada no zanakalahin'i Tahata, Sotela no zanakalahin'i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin'ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman'ondriny izy.

7:22b.1CH.007.022 Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.

7:23b.1CH.007.023 Ary nony niray tamin'ny vadiny izy, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin'izany.

7:24b.1CH.007.024 (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).

7:25b.1CH.007.025 Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin'i Beria, Tela no zanakalahin'i Rasefa, Tahana no zanakalahin'i Tela,

7:26b.1CH.007.026 Ladana no zanakalahin'i Tahana, Amihoda no zanakalahin'i Ladana, Elisama no zanakalahin'i Amihoda.

7:27b.1CH.007.027 Nona no zanakalahin'i Elisama, Josoa no zanakalahin'i Nona.

7:28b.1CH.007.028 Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;

7:29b.1CH.007.029 ary teo amin'ny sisin-tanin'ny taranak'i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin'ireo no nonenan'ny taranak'i Josefa, zanak'Isiraely.

7:30b.1CH.007.030 Ny zanakalahin'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin'ireo.

7:31b.1CH.007.031 Ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela, rain'i Birzavita.

7:32b.1CH.007.032 Ary Hebera niteraka an'i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin'ireo.

7:33b.1CH.007.033 Ary ny zanakalahin'i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin'i Jafleta.

7:34b.1CH.007.034 Ary ny zanakalahin'i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama.

7:35b.1CH.007.035 Ary ny zanakalahin'i Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala.

7:36b.1CH.007.036 Ny zanakalahin'i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra

7:37b.1CH.007.037 sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera.

7:38b.1CH.007.038 Ary ny zanakalahin'i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara.

7:39b.1CH.007.039 Ary ny zanakalahin'i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia.Ireo zanakalahin'i Asera rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben'ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan'ny azo nalefa hanafika.

7:40b.1CH.007.040 Ireo zanakalahin'i Asera rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben'ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan'ny azo nalefa hanafika.

8

8:1b.1CH.008.001 [Ny amin'ny taranak'i Benjamina sy ny firazanan'i Saoly] Ary Benjamina niteraka an'i Bela, lahimatoa, sy Asbela, lahiaivo, sy Ahara, fahatelo,

8:2b.1CH.008.002 sy Noha, fahefatra, ary Rafa, faralahy.

8:3b.1CH.008.003 Ary ny zanakalahin'i Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda

8:4b.1CH.008.004 sy Abisoa sy Namana sy Ahoa

8:5b.1CH.008.005 sy Gera sy Sefofana ary Horama.

8:6b.1CH.008.006 Ary izao no zanakalahin'i Ehoda (izao no lohan'ny fianakavian'ny mponina any Geba; ary nitondra azy ho babo tany Manahata,

8:7b.1CH.008.007 Namana sy Ahia ary Gera; izy no nitondra azy ho babo), niteraka an'i Oza sy Ahihoda izy.

8:8b.1CH.008.008 Ary Saharaima niteraka tao amin'ny tany Moaba taorian'ny nisaorany an'i Hosima sy Bara vadiny.

8:9b.1CH.008.009 Ary Hodesy vadiny no niterahany an'i Jobaba sy Ziba sy Mesa sy Malkama

8:10b.1CH.008.010 sy Jeoza sy Sakia ary Mirma. Ireo no zananilahy, samy lohan'ny fianakaviany avy.

8:11b.1CH.008.011 Ary Hosima no niterahany an'i Abitoba sy Elpala.

8:12b.1CH.008.012 Ary ny zanakalahin'i Elpala dia Ebera sy Misama ary Samera, izay nanorina an'i Ono sy Loda sy ny zana-bohiny;

8:13b.1CH.008.013 Beria koa sy Sema, izay lohan'ny fianakavian'ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata;

8:14b.1CH.008.014 ary Ahio sy Sasaka sy Jeremota

8:15b.1CH.008.015 sy Zebadia sy Arada sy Adera

8:16b.1CH.008.016 sy Mikaela sy Jispa sy Joha (zanakalahin'i Beria ireo),

8:17b.1CH.008.017 ary Zebadia sy Mesolama sy Hizky sy Hebera

8:18b.1CH.008.018 sy Jismeray sy Jizlia sy Jobaba (zanakalahin'i Elpala ireo),

8:19b.1CH.008.019 ary Jakima sy Zikry sy Zabdy

8:20b.1CH.008.020 sy Elienay sy Ziletahy sy Eliala

8:21b.1CH.008.021 sy Adaia sy Beraia sy Simrata (zanakalahin'i Simey ireo),

8:22b.1CH.008.022 ary Jispana sy Hebera sy Eliala

8:23b.1CH.008.023 sy Abdona sy Zikry sy Hanana

8:24b.1CH.008.024 sy Hanania sy Elama sy Antotia

8:25b.1CH.008.025 sy Jifdia sy Penoela (zanakalahin'i Sasaka ireo),

8:26b.1CH.008.026 ary Samseray sy Seharia sy Atalia

8:27b.1CH.008.027 sy Jaresia sy Elia sy Zitry (zanakalahin'i Jerohama ireo).

8:28b.1CH.008.028 Ireo no lohan'ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.

8:29b.1CH.008.029 Ary tao Gibeona no nonenan'ny razamben'ny an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka,

8:30b.1CH.008.030 ary Abdona no lahimatoany, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nadaba,

8:31b.1CH.008.031 dia Gedora, dia Ahio, dia Zakera.

8:32b.1CH.008.032 Ary Miklota niteraka an'i Simea. Ireo koa dia niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.

8:33b.1CH.008.033 Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

8:34b.1CH.008.034 Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an'i Mika.

8:35b.1CH.008.035 Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.

8:36b.1CH.008.036 Ary Ahaza niteraka an'i Joada; ary Joada niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;

8:37b.1CH.008.037 ary Moza niteraka an'i Binea; Rafa no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Rafa, Azela no zanakalahin'i Elasa

8:38b.1CH.008.038 Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Azela.

8:39b.1CH.008.039 Ary ny zanakalahin'i Eseka rahalahiny dia Olama, lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta, faralahy.Ary ny zanakalahin'i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak'i Benjamina.

8:40b.1CH.008.040 Ary ny zanakalahin'i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak'i Benjamina.

9

9:1b.1CH.009.001 [Ny amin'ny mponina tany Jerosalema talohan'ny namaboana azy] Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.

9:2b.1CH.009.002 Ary ny mponina taloha tamin'ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.

9:3b.1CH.009.003 Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:

9:4b.1CH.009.004 dia Otahy, zanak'i Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry, zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza, zanak'i Joda.

9:5b.1CH.009.005 Ary tamin'ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.

9:6b.1CH.009.006 Ary tamin'ny taranak'i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.

9:7b.1CH.009.007 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina dia Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Hodavia, zanak'i Hasenoa,

9:8b.1CH.009.008 sy Jibnia, zanak'i Jerohama, sy Elaha, zanak'i Ozy, zanak'i Mikry, sy Mesolama, zanak'i Sefatia, zanak'i Regoela, zanak'i Jibnia;

9:9b.1CH.009.009 ary ny isan'ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany avy.

9:10b.1CH.009.010 Ary tamin'ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina

9:11b.1CH.009.011 sy Azaria, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra,

9:12b.1CH.009.012 ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia, ary Masay, zanak'i Adiela, zanak'i Jazera, zanak'i Mesolama, zanak'i Mesilemita, zanak'Imera.

9:13b.1CH.009.013 Ary ny rahalahin'ireo, izay samy lohan'ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin'ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra ireo.

9:14b.1CH.009.014 Ary tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, tamin'ny taranak'i Merary,

9:15b.1CH.009.015 ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zikry, zanak'i Asafa,

9:16b.1CH.009.016 ary Obadia, zanak'i Semaia, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona, ary Berekia, zanak'i Asa, zanak'i Elkana, izay nonina tamin'ny vohitry ny Netotatita.

9:17b.1CH.009.017 Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;

9:18b.1CH.009.018 ambaraka ankehitriny dia ao amin'ny vavahadin'ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin'ny tobin'ny taranak'i Levy.

9:19b.1CH.009.019 Ary Saloma, zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah.

9:20b.1CH.009.020 Ary Finehasa, zanak'i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.

9:21b.1CH.009.021 Ary Zakaria, zanak'i Meselemia, no mpiandry ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

9:22b.1CH.009.022 Ary ny isan'ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.

9:23b.1CH.009.023 Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin'ny tranon'i Jehovah, dia ny trano-lay.

9:24b.1CH.009.024 Teo amin'ny lafiny efatra no nitoeran'ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.

9:25b.1CH.009.025 Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin'ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.

9:26b.1CH.009.026 Fa nanao tamin'ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan'ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian'ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon'Andriamanitra koa izy ireo.

9:27b.1CH.009.027 Ary manodidina ny tranon'Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.

9:28b.1CH.009.028 Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.

9:29b.1CH.009.029 Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.

9:30b.1CH.009.030 Ary ny sasany tamin'ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.

9:31b.1CH.009.031 Ary Matatia, anankiray tamin'ny Levita, lahimatoan'i Saloma Koraita, no tonian'ny zavatra izay natao tamin'ny fanendasana.

9:32b.1CH.009.032 Ary ny sasany tamin'ny rahalahiny, tamin'ny taranaky ny Kehatita, no tonian'ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.

9:33b.1CH.009.033 Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan'ny fianakaviana amin'ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin'izany raharaha izany andro aman'alina izy.

9:34b.1CH.009.034 Ireo dia lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.

9:35b.1CH.009.035 [Ny amin'ny fianakavian'i Saoly] Ary tao Gibeona no nonenan'i Jeiela, razamben'ny an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka;

9:36b.1CH.009.036 ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,

9:37b.1CH.009.037 dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.

9:38b.1CH.009.038 Ary Miklota niteraka an'i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.

9:39b.1CH.009.039 Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

9:40b.1CH.009.040 Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an'i Mika.

9:41b.1CH.009.041 Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.[Izahao viii. 35]

9:42b.1CH.009.042 Ary Ahaza niteraka an'i Jara; ary Jara niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;

9:43b.1CH.009.043 ary Moza niteraka an'i Binea; ary Refaia no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Refaia, Azela no zanakalahin'i Elasa.Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.

9:44b.1CH.009.044 Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.

10

10:1b.1CH.010.001 [Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zananilahy] Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.

10:2b.1CH.010.002 Ary ny Filistina nanenjika fatratra an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin'i Saoly.

10:3b.1CH.010.003 Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.

10:4b.1CH.010.004 Ka hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.

10:5b.1CH.010.005 Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka maty.

10:6b.1CH.010.006 Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.

10:7b.1CH.010.007 Ary nony hitan'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely teny amin'ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin'ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.

10:8b.1CH.010.008 Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny faty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.

10:9b.1CH.010.009 Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin'ny sampiny sy ny olona.

10:10b.1CH.010.010 Dia napetrany tao an-tranon'ny andriamaniny ny fiadian'i Saoly, ary nohomboany teo amin'ny tempolin'i Dagona ny lohany.

10:11b.1CH.010.011 Ary nony ren'ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,

10:12b.1CH.010.012 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin'ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.

10:13b.1CH.010.013 Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatraary noho ny tsy nanontaniany tamin'i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an'i Davida, zanak'i Jese, ny fanjakana.

10:14b.1CH.010.014 ary noho ny tsy nanontaniany tamin'i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an'i Davida, zanak'i Jese, ny fanjakana.

11

11:1b.1CH.011.001 [Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjaka handimby an'i Saoly, sy ny nahazoany an'i Jerosalema] Ary dia nivory teo amin'i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.

11:2b.1CH.011.002 Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.

11:3b.1CH.011.003 Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Samoela.

11:4b.1CH.011.004 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.

11:5b.1CH.011.005 Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).

11:6b.1CH.011.006 Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.

11:7b.1CH.011.007 Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan'i Davida

11:8b.1CH.011.008 Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin'ny tanàna.[Heb. fiarovana]

11:9b.1CH.011.009 Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon'ny maro, no nomba azy.

11:10b.1CH.011.010 [Ny amin'ny lehilahy maherin'i Davida izay niady hampanjaka azy] Ary izao no lohan'ny lehilahy maherin'i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely.

11:11b.1CH.011.011 Dia izao no isan'ny lehilahy maherin'i Davida: Jasobeama, zanak'i Hakmony, lehiben'ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin'ny lefona ka naharingana azy tamin'ny ady indray mandeha monja.

11:12b.1CH.011.012 Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery.

11:13b.1CH.011.013 Izy dia teo amin'i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.

11:14b.1CH.011.014 Fa nijanona teo afovoan'io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.

11:15b.1CH.011.015 Ary nisy telo lahy malaza tamin'ny telo-polo nidina nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny Lohasahan'ny Refaita.

11:16b.1CH.011.016 Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.

11:17b.1CH.011.017 Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady.

11:18b.1CH.011.018 Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tao amin'ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah.

11:19b.1CH.011.019 Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan'Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran'ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin'ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.

11:20b.1CH.011.020 Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, no lehibe tamin'izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.

11:21b.1CH.011.021 Eny, tamin'izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.

11:22b.1CH.011.022 Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin'ny lavaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny.[Heb. lionan'Andriamanitra]

11:23b.1CH.011.023 Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan'ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.

11:24b.1CH.011.024 Izany zavatra izany no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.

11:25b.1CH.011.025 Indro fa be voninahitra tamin'ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.

11:26b.1CH.011.026 Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin'i Joaba, sy Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema,

11:27b.1CH.011.027 sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita

11:28b.1CH.011.028 sy Ira, zanak'Ikesy Tekoita, sy Abiezera Anatotita

11:29b.1CH.011.029 sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita

11:30b.1CH.011.030 sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak'i Bana Netofatita,

11:31b.1CH.011.031 sy Itahy, zanak'i Ribay avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina, sy Benaia Piratonita

11:32b.1CH.011.032 sy Horay, any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, sy Abiela Arbatita

11:33b.1CH.011.033 sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita

11:34b.1CH.011.034 sy ny zanak'i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak'i Sage Hararita,

11:35b.1CH.011.035 sy Ahiama, zanak'i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak'i Ora,

11:36b.1CH.011.036 sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita

11:37b.1CH.011.037 sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak'i Ezbay,

11:38b.1CH.011.038 sy Joela, rahalahin'i Natana, sy Mibara, zanak'i Hagry.

11:39b.1CH.011.039 sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia,

11:40b.1CH.011.040 sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita

11:41b.1CH.011.041 sy Oria Hetita sy Zabada, zanak'i Ahelay,

11:42b.1CH.011.042 sy Adina, zanak'i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa,

11:43b.1CH.011.043 sy Hanana, zanak'i Maka, sy Josafata Mitnita

11:44b.1CH.011.044 sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak'i Hotama Aroerita,

11:45b.1CH.011.045 sy Jediaela, zanak'i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny

11:46b.1CH.011.046 sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak'i Elnama, sy Jitma Moabitasy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaita.

11:47b.1CH.011.047 sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaita.

12

12:1b.1CH.012.001 [Ny lehilahy mahery izay nanatona an'i Davida, fony izy mbola nenjehin'i Saoly] Ary izao no nankany amin'i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an'i Saoly, zanak'i Kisy; ary isan'ny lehilahy mahery mpanampy amin'ny ady ireo

12:2b.1CH.012.002 sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan'ny Benjamita, rahalahin'i Saoly, ireo.

12:3b.1CH.012.003 Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak'i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak'i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita

12:4b.1CH.012.004 ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita

12:5b.1CH.012.005 sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita

12:6b.1CH.012.006 sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraita

12:7b.1CH.012.007 ary Joela sy Zebadia, zanak'i Jerohama avy any Gedora.

12:8b.1CH.012.008 Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.[Izahao 2 Sam. i. 19]

12:9b.1CH.012.009 Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,

12:10b.1CH.012.010 Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,

12:11b.1CH.012.011 Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,

12:12b.1CH.012.012 Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,

12:13b.1CH.012.013 Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny folo.

12:14b.1CH.012.014 Ireo no isan'ny taranak'i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.

12:15b.1CH.012.015 Ireo no nita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.

12:16b.1CH.012.016 Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana.

12:17b.1CH.012.017 Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.

12:18b.1CH.012.018 Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.[Na: ny telo-polo lahy]

12:19b.1CH.012.019 Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony.

12:20b.1CH.012.020 Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin'ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase.

12:21b.1CH.012.021 Ary ireo dia nanampy an'i Davida hamely ny antokon'ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin'ny miaramila.

12:22b.1CH.012.022 Fa tamin'izany nisy nankany amin'i Davida isan'andro isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin'Andriamanitra.

12:23b.1CH.012.023 [Ny amin'ny miaramila avy tamin'ny Isiraely rehetra izay nanatona an'i Davida tao Hebrona hampanjaka azy] Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah:

12:24b.1CH.012.024 Tamin'ny taranak'i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.

12:25b.1CH.012.025 Tamin'ny taranak'i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny ady.

12:26b.1CH.012.026 Tamin'ny taranak'i Levy, enin-jato amby efatra arivo.

12:27b.1CH.012.027 Ary Joiada dia lehiben'ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;

12:28b.1CH.012.028 ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy.

12:29b.1CH.012.029 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina, havan'i Saoly, telo arivo; fa hatramin'izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin'i Saoly ihany.

12:30b.1CH.012.030 Ary tamin'ny taranak'i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin'ny fianakaviany avy.

12:31b.1CH.012.031 Ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an'i Davida.

12:32b.1CH.012.032 Ary tamin'ny taranak'Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon'ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.

12:33b.1CH.012.033 Tamin'ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin'ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin'ny firaisan-kina.

12:34b.1CH.012.034 Ary tamin'ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin'ampinga lehibe sy lefona.

12:35b.1CH.012.035 Ary tamin'ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.

12:36b.1CH.012.036 Ary tamin'ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady.

12:37b.1CH.012.037 Ary avy tany an-dafin'i Jordana, tamin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra.

12:38b.1CH.012.038 Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an'i Davida amin'ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an'i Davida.

12:39b.1CH.012.039 Ary tao amin'i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely.

12:40b.1CH.012.040 Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely.

13

13:1b.1CH.013.001 [Ny namindrana ny fiara niala tao Kiriata-jearima, sy ny nitoerany tao an-tranon'i Obed-edoma] Ary Davida naka saina tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,

13:2b.1CH.013.002 Ka hoy Davida tamin'ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin'i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra ary amin'ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin'ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;

13:3b.1CH.013.003 Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran'Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin'ny andron'i Saoly izany.

13:4b.1CH.013.004 Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason'ny olona rehetra izany.

13:5b.1CH.013.005 Dia novorin'i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin'i Hamata haka ny fiaran'Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.

13:6b.1CH.013.006 Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran'i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin'ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.

13:7b.1CH.013.007 Ary nentiny tamin'ny sariety vaovao niala tao an-tranon'i Abinadaba ny fiaran'Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety.

13:8b.1CH.013.008 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.

13:9b.1CH.013.009 Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran'ny omby izany.

13:10b.1CH.013.010 Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra izy.

13:11b.1CH.013.011 Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran'izany tany izany mandraka androany.[Na: nalahelo][Perez-oza = Famelezana an'i Oza]

13:12b.1CH.013.012 Ary Davida natahotra an'Andriamanitra tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran'Andriamanitra ho atỳ amiko?

13:13b.1CH.013.013 Dia tsy nafindran'i Davida ho ao aminy ao an-tanànan'i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon'i Obededoma Gatita.Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.

13:14b.1CH.013.014 Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.

14

14:1b.1CH.014.001 [Ny lapa nataon'i Davida, sy ny anaran'ny zanany] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.

14:2b.1CH.014.002 Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.

14:3b.1CH.014.003 Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.

14:4b.1CH.014.004 Ary izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona

14:5b.1CH.014.005 sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta

14:6b.1CH.014.006 sy Noga sy Nafega sy Jafia

14:7b.1CH.014.007 sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.

14:8b.1CH.014.008 [Ny nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.

14:9b.1CH.014.009 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.

14:10b.1CH.014.010 Ary Davida nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.

14:11b.1CH.014.011 Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]

14:12b.1CH.014.012 Dia nilaozan'ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo.

14:13b.1CH.014.013 Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.

14:14b.1CH.014.014 Dia nanontany tamin'Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.

14:15b.1CH.014.015 Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin'izay hiady; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan'ny Filistina.

14:16b.1CH.014.016 Ary dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan'ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.

14:17b.1CH.014.017 Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.

15

15:1b.1CH.015.001 [Ny amin'ny nitondrana ny fiara niakatra tany Jerosalema] Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan'i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an'ny fiaran'Andriamanitra.

15:2b.1CH.015.002 Ary tamin'izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran'Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin'i Jehovah hitondra ny fiaran'Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.

15:3b.1CH.015.003 Dia novorin'i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran'i Jehovah ho any amin'ny fitoerana izay namboariny ho azy.

15:4b.1CH.015.004 Ary novorin'i Davida ny taranak'i Arona sy ny Levita:

15:5b.1CH.015.005 tamin'ny taranak'i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato;

15:6b.1CH.015.006 tamin'ny taranak'i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato;

15:7b.1CH.015.007 tamin'ny taranak'i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato;

15:8b.1CH.015.008 tamin'ny taranak'i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato;

15:9b.1CH.015.009 tamin'ny taranak'i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo,

15:10b.1CH.015.010 tamin'ny taranak'i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin'ny folo amby zato.

15:11b.1CH.015.011 Ary Davida niantso an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,

15:12b.1CH.015.012 ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan'ny fianakavian'ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin'ilay namboariko ho azy.

15:13b.1CH.015.013 Satria tsy ianareo no tamin'ilay teo, dia nasian'i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy.

15:14b.1CH.015.014 Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

15:15b.1CH.015.015 Ary ny Levita nilanja ny fiaran'Andriamanitra tamin'ny hazo, tahaka ny nandidian'i Mosesy araka ny tenin'i Jehovah.

15:16b.1CH.015.016 Ary ireo lehiben'ny Levita dia nasain'i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin'ny fifaliana.

15:17b.1CH.015.017 Ka dia notendren'ny Levita Hemana, zanak'i Joela; ary tamin'ny rahalahiny dia Asafa, zanak'i Berekia; ary tamin'ny taranak'i Merary rahalahiny dia Etana, zanak'i Kosaia;

15:18b.1CH.015.018 ary naman'ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana.

15:19b.1CH.015.019 Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.

15:20b.1CH.015.020 Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin'ny Alamota.

15:21b.1CH.015.021 Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin'ny Seminita ho mpitarika.

15:22b.1CH.015.022 Ary Kenania, lehiben'ny Levita, no tonian'ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay.[Na: ny hira]

15:23b.1CH.015.023 Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin'ny fiara.

15:24b.1CH.015.024 Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan'ny fiaran'Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin'ny fiara.

15:25b.1CH.015.025 Ary Davida sy ny loholon'ny Isiraely mbamin'ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamin'ny fifaliana.

15:26b.1CH.015.026 Ary rehefa nomban'Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia namono vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.

15:27b.1CH.015.027 Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian'ny fitondrana, mbamin'ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.

15:28b.1CH.015.028 Toy izany no nampakaran'ny Isiraely rehetra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tamin'ny fihobiana sy ny feon'ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin'ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.Ary nony tonga tao an-Tanànan'i Davida ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.

15:29b.1CH.015.029 Ary nony tonga tao an-Tanànan'i Davida ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.

16

16:1b.1CH.016.001 Ary nampiditra ny Fiaran'Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan'ny lay izay naorin'i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'Andriamanitra izy.

16:2b.1CH.016.002 Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin'ny anaran'i Jehovah izy.

16:3b.1CH.016.003 Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an'ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.[Na: divay eran'ny kapoaka]

16:4b.1CH.016.004 [Ny nandaminan'i Davida ny fanompoam-pivavahana, sy ny salamo natao ho fisaorana an'i Jehovah] Ary ny Levita sasany notendren'i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'ny fiaran'i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:

16:5b.1CH.016.005 Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;

16:6b.1CH.016.006 Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra.

16:7b.1CH.016.007 Tamin'izay andro izay no voalohan'ny nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i Jehovah.

16:8b.1CH.016.008 Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.

16:9b.1CH.016.009 Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.

16:10b.1CH.016.010 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.

16:11b.1CH.016.011 Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.

16:12b.1CH.016.012 Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,

16:13b.1CH.016.013 Hianareo taranak'Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.

16:14b.1CH.016.014 Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.

16:15b.1CH.016.015 Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,

16:16b.1CH.016.016 Eny, dia ilay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'Isaka,

16:17b.1CH.016.017 Izay naoriny ho lalàna ho an'i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,

16:18b.1CH.016.018 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin'ny famolaina;

16:19b.1CH.016.019 Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,

16:20b.1CH.016.020 Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,

16:21b.1CH.016.021 Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:

16:22b.1CH.016.022 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.

16:23b.1CH.016.023 Mihira ho an'i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.

16:24b.1CH.016.024 Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.

16:25b.1CH.016.025 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra.

16:26b.1CH.016.026 Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.

16:27b.1CH.016.027 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.

16:28b.1CH.016.028 Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.

16:29b.1CH.016.029 Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina

16:30b.1CH.016.030 Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.

16:31b.1CH.016.031 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin'ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.

16:32b.1CH.016.032 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.

16:33b.1CH.016.033 Dia hihoby eo anatrehan'i Jehovah amin'izay ny hazo an'ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.

16:34b.1CH.016.034 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.

16:35b.1CH.016.035 Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.

16:36b.1CH.016.036 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an'i Jehovah.

16:37b.1CH.016.037 Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan'i Davida teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan'andro,

16:38b.1CH.016.038 ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak'i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.

16:39b.1CH.016.039 Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah teo amin'ny fitoerana avo any Gibeona,

16:40b.1CH.016.040 hanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah marain-tsy hariva eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,

16:41b.1CH.016.041 ary naman'ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin'ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.

16:42b.1CH.016.042 Ary tao amin'i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an'izay mampaneno ary ny fomban'ny zava-manenon'Andriamanitra. Ary ny zanak'i Jedotona no mpiandry varavarana.Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.

16:43b.1CH.016.043 Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.

17

17:1b.1CH.017.001 [Ny nanirian'i Davida hanao tempoly, sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany] Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'ny neken'i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!

17:2b.1CH.017.002 Ary hoy Natana tamin'i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.

17:3b.1CH.017.003 Nefa tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra nanao hoe:

17:4b.1CH.017.004 Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;

17:5b.1CH.017.005 fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. [Heb. lay][Heb. tabernakely]

17:6b.1CH.017.006 Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran'ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?

17:7b.1CH.017.007 Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.

17:8b.1CH.017.008 Ary nomba anao tamin'izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.

17:9b.1CH.017.009 Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha

17:10b.1CH.017.010 sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.[Heb. hanao trano ho anao]

17:11b.1CH.017.011 Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;

17:12b.1CH.017.012 dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.

17:13b.1CH.017.013 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao;

17:14b.1CH.017.014 fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.

17:15b.1CH.017.015 Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.

17:16b.1CH.017.016 Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?

17:17b.1CH.017.017 Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.

17:18b.1CH.017.018 Inona intsony no holazain'i Davida aminao ny amin'ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao.

17:19b.1CH.017.019 Jehovah ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.

17:20b.1CH.017.020 Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.

17:21b.1CH.017.021 Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin'ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan'ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?

17:22b.1CH.017.022 Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.

17:23b.1CH.017.023 Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.

17:24b.1CH.017.024 Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao.

17:25b.1CH.017.025 Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin'ny mpanomponao fa homenao taranaka izy; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.[Heb. hanao trano ho azy Hianao]

17:26b.1CH.017.026 Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao,dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.

17:27b.1CH.017.027 dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.

18

18:1b.1CH.018.001 [Ny nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin'ny tanan'ny Filistina.

18:2b.1CH.018.002 Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon'i Davida nandoa hetra ireo.

18:3b.1CH.018.003 Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.[Na: nanangana saina]

18:4b.1CH.018.004 Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.

18:5b.1CH.018.005 Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.

18:6b.1CH.018.006 Ary nisy namponenin'i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.

18:7b.1CH.018.007 Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.

18:8b.1CH.018.008 Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.[Heb. ranomasina]

18:9b.1CH.018.009 Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba,

18:10b.1CH.018.010 dia naniraka an'i Hadorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon'i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.

18:11b.1CH.018.011 Dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin'ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita

18:12b.1CH.018.012 Ary Abisay, zanak'i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin'ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina.

18:13b.1CH.018.013 Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.

18:14b.1CH.018.014 [Ny mpanao raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin'ny fahamarinana.

18:15b.1CH.018.015 Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana.

18:16b.1CH.018.016 Ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]

18:17b.1CH.018.017 Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]

19

19:1b.1CH.019.001 [Ny nahatonga ny niadian'i Davida tamin'ny Syriana sy ny Amonita, ary ny nahareseny azy] Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan'ny taranak'i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.

19:2b.1CH.019.002 Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, fa soa no nataon'ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'i Hanona tany amin'ny tanin'ny Amonita ny mpanompon'i Davida hitsapa alahelo azy.

19:3b.1CH.019.003 Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan'ireo mpanompony ireo atỳ aminao?

19:4b.1CH.019.004 Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.

19:5b.1CH.019.005 Ary dia nisy lasa nanambara tamin'i Davida izay natao tamin'ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]

19:6b.1CH.019.006 Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin'i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak'i Amona.

19:7b.1CH.019.007 Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin'ny mpanjakan'i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin'i Medeba. Ary nivory ny taranak'Amona niala tany amin'ny tanànany avy ka tamy hiady.

19:8b.1CH.019.008 Ary nony ren'i Davida izany, dia naniraka an'i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.

19:9b.1CH.019.009 Ary ny taranak'i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.

19:10b.1CH.019.010 Ary rehefa hitan'i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana.

19:11b.1CH.019.011 Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin'ny taranak'i Amona ireo.

19:12b.1CH.019.012 Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao;

19:13b.1CH.019.013 mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ireo tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.

19:14b.1CH.019.014 Ary nandroso hiady tamin'ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.

19:15b.1CH.019.015 Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan'i Abisay, rahalahin'i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.

19:16b.1CH.019.016 Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadarezera, no nitarika azy.[Eofrata]

19:17b.1CH.019.017 Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin'ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.

19:18b.1CH.019.018 Fa vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin'ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin'ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin'ny miaramila.Ary nony hitan'ireo nanoa an'i Hadarezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona intsony ny Syriana.

19:19b.1CH.019.019 Ary nony hitan'ireo nanoa an'i Hadarezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona intsony ny Syriana.

20

20:1b.1CH.020.001 Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin'ny taranak'i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an'i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an'i Raba, ka dia nandrava azy.

20:2b.1CH.020.002 Dia nesorin'i Davida ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.[Na: Malkama; ]

20:3b.1CH.020.003 Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin'ny tsofa sy tamin'ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon'i Davida tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Heb. notsofiny]

20:4b.1CH.020.004 [Ny nataon'ny lehilahy maherin'i Davida tamin'ny niadiany tamin'ny Filistina] Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin'ny Filistina tao Gazera; tamin'izany no namonoan'i Sibekay Hosatita an'i Sipay, izay isan'ny taranaky ny Refaita, ka dia naetriny ny Filistina.

20:5b.1CH.020.005 Ary dia nisy ady tamin'ny Filistina indray ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy, rahalahin'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.

20:6b.1CH.020.006 Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan'ny taranaky ny Refaita.

20:7b.1CH.020.007 Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.Ireo no taranaky ny Refaita tao Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo.

20:8b.1CH.020.008 Ireo no taranaky ny Refaita tao Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo.

21

21:1b.1CH.021.001 [Ny nanisana ny vahoaka, sy ny aretina nanjo ny olona noho izany, ary ny fifonana nataon'i Davida] Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin'ny Isiraely ka nanome saina an'i Davida hanisa ny Isiraely.

21:2b.1CH.021.002 Dia hoy Davida tamin'i Joaba sy tamin'ireo lehiben'ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.

21:3b.1CH.021.003 Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon'ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan'ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?

21:4b.1CH.021.004 Nefa tsy azon'i Joaba nolavina ny tenin'ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.

21:5b.1CH.021.005 Ary natolotr'i Joaba an'i Davida ny isan'ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda.

21:6b.1CH.021.006 Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin'i Joaba ny tenin'ny mpanjaka.

21:7b.1CH.021.007 Ary tsy sitrak'Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.

21:8b.1CH.021.008 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.

21:9b.1CH.021.009 Ary hoy Jehovah tamin'i Gada mpahitan'i Davida:

21:10b.1CH.021.010 Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.

21:11b.1CH.021.011 Ary Gada nankany amin'i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Mifidia:

21:12b.1CH.021.012 Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan'ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr'i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin'i Jehovah handringana eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin'Izay naniraka ahy.

21:13b.1CH.021.013 Ary hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.

21:14b.1CH.021.014 Dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.

21:15b.1CH.021.015 Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anilan'ny famoloan'i Araona Jebosita.

21:16b.1CH.021.016 Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an'i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon'ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.[Heb. lamba malailay]

21:17b.1CH.021.017 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin'ny areti-mandringana.

21:18b.1CH.021.018 Ary Gada nasain'Ilay Anjelin'i Jehovah hilaza amin'i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.

21:19b.1CH.021.019 Koa dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, izay nolazainy tamin'ny anaran'i Jehovah.

21:20b.1CH.021.020 Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin'izay.

21:21b.1CH.021.021 Ary nony tonga teo amin'i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an'i Davida, ary dia niala avy teo amin'ny famoloana izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Davida.

21:22b.1CH.021.022 Ary hoy Davida tamin'i Araona: Mba omeo ahy amin'izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an'i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.

21:23b.1CH.021.023 Fa hoy Araona tamin'i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.

21:24b.1CH.021.024 Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny.

21:25b.1CH.021.025 Dia nomen'i Davida sekely volamena lanjan'enin-jato Araona ho vidin'ny tany.

21:26b.1CH.021.026 Ary Davida nanorina alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an'i Jehovah izy ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.

21:27b.1CH.021.027 Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin'ny tranony ny sabany.

21:28b.1CH.021.028 Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa novalian'i Jehovah teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.

21:29b.1CH.021.029 Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.

21:30b.1CH.021.030 nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.

22

22:1b.1CH.022.001 Dia hoy Davida: Eto no ho tranon'i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an'ny Isiraely.

22:2b.1CH.022.002 [Ny namorian'i Davida ny zavatra ho enti-manao ny tempoly, sy ny hafatra nataony ny amin'ny hanaovana azy] Ary nasain'i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin'ny tanin'ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon'Andriamanitra.

22:3b.1CH.022.003 Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon'ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja

22:4b.1CH.022.004 sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin'i Davida.

22:5b.1CH.022.005 Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an'i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin'ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.

22:6b.1CH.022.006 Ary niantso an'i Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an'i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely,

22:7b.1CH.022.007 ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro;

22:8b.1CH.022.008 saingy nisy tenin'i Jehovah tonga tamiko nanao hoe: Be ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an'ny anarako ianao, satria be ny rà efa nalatsakao tamin'ny tany teo imasoko.[Na: ny amiko]

22:9b.1CH.022.009 Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin'ny androny.[Solomona = Miadana]

22:10b.1CH.022.010 Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany amin'ny Isiraely mandrakizay.

22:11b.1CH.022.011 Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon'i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao.

22:12b.1CH.022.012 Ary homen'i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan'i Jehovah Andriamanitrao.

22:13b.1CH.022.013 Ary amin'izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho an'ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.

22:14b.1CH.022.014 Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon'i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.

22:15b.1CH.022.015 Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra.

22:16b.1CH.022.016 Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.

22:17b.1CH.022.017 Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely hanampy an'i Solomona zanany hoe:

22:18b.1CH.022.018 Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin'ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin'ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan'i Jehovah sy teo anoloan'ny olony.Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah.

22:19b.1CH.022.019 Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah.

23

23:1b.1CH.023.001 [Ny nanendrena an'i Solomona ho mpanjaka, sy ny nandaminana ny raharahan'ny Levita] Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin'ny Isiraely.[Heb. voky andro, na afa-pon'ny miaina]

23:2b.1CH.023.002 Ary novoriny ny lehiben'ny Isiraely rehetra mbamin'ny mpisorona sy ny Levita.

23:3b.1CH.023.003 Ary nisaina ny Levita hatramin'ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan'ny lehilahy.

23:4b.1CH.023.004 Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao an-tranon'i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,

23:5b.1CH.023.005 ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'i Jehovah amin'ny zavatra namboariko hiderana Azy.

23:6b.1CH.023.006 Ary nozarazarain'i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin'i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:

23:7b.1CH.023.007 Tamin'ny Gersonita dia Ladana sy Simey.

23:8b.1CH.023.008 Ny zanakalahin'i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.

23:9b.1CH.023.009 Ny zanakalahin'i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin'ny fianakavian'i Ladana.

23:10b.1CH.023.010 Ary ny zanakalahin'i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin'i Simey.

23:11b.1CH.023.011 Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.

23:12b.1CH.023.012 Ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.

23:13b.1CH.023.013 Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin'ny anarany mandrakizay.

23:14b.1CH.023.014 Nefa ny amin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia nisaina tamin'ny firenen'i Levy ihany ny zanany.

23:15b.1CH.023.015 Ny zanakalahin'i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.

23:16b.1CH.023.016 Tamin'ny zanakalahin'i Gersona dia Seboela no lohany.

23:17b.1CH.023.017 Ary tamin'ny zanakalahin'i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak'i Rehabia dia maro indrindra.

23:18b.1CH.023.018 Tamin'ny zanakalahin'i Jizara dia Selomota no lohany.

23:19b.1CH.023.019 Ny zanakalahin'i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.

23:20b.1CH.023.020 Ny zanakalahin'i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.

23:21b.1CH.023.021 Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin'i Maly dia Eleazara sy Kisy.

23:22b.1CH.023.022 Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin'i Kisy havany no nanambady ireo.

23:23b.1CH.023.023 Ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.

23:24b.1CH.023.024 Ireo no zanakalahin'i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.

23:25b.1CH.023.025 Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an'ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.

23:26b.1CH.023.026 Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.

23:27b.1CH.023.027 Fa araka ny fara-tenin'i Davida dia nisaina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.

23:28b.1CH.023.028 Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak'i Arona amin'ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah amin'ireo kianja sy efi-trano tao ary amin'ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra,

23:29b.1CH.023.029 ary amin'ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin'ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin'izay endasina amin'ny lapoely sy amin'izay vonton-diloilo ary amin'ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,

23:30b.1CH.023.030 ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an'i Jehovah, ary toy izany koa amin'ny hariva,

23:31b.1CH.023.031 ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an'i Jehovah na amin'ny Sabata, na amin'ny voaloham-bolana, na amin'ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.

23:32b.1CH.023.032 Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.

24

24:1b.1CH.024.001 [Ny nizarana ny mpisorona ho efatra amby roa-polo toko] Ary ny amin'ny taranak'i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;

24:2b.1CH.024.002 fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.

24:3b.1CH.024.003 Ary Davida sy Zadoka, isan'ny taranak'i Eleazara, sy Ahimeleka, isan'ny taranak'Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.

24:4b.1CH.024.004 Ary ny lohany tamin'ireo, dia tamin'ny taranak'i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin'ny taranak'Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin'ny taranak'i Eleazara dia enina ambin'ny folo no lohan'ny fianakaviana; ary tamin'ny taranak'Itamara dia valo kosa no lohan'ny fianakaviana.

24:5b.1CH.024.005 Ary samy nozarazaraina tamin'ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masina, dia mpifehy ho an'Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin'ny taranak'i Eleazara, na ny avy tamin'ny taranak'Itamara.

24:6b.1CH.024.006 Ary Semaia, zanak'i Netanela, mpanoratra anankiray tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an'i Eleazara, ary iray kosa ho an'Itamara.

24:7b.1CH.024.007 Ny loka voalohany dia azon'i Joariba, ny faharoa an'i Jedaia,

24:8b.1CH.024.008 ny fahatelo an'i Harima, ny fahefatra an'i Seorima,

24:9b.1CH.024.009 ny fahadimy an'i Malkia, ny fahenina an'i Miamina,

24:10b.1CH.024.010 ny fahafito an'i Hakoza, ny fahavalo an'i Abia,

24:11b.1CH.024.011 ny fahasivy an'i Jesoa, ny fahafolo an'i Sekania.

24:12b.1CH.024.012 ny fahiraika ambin'ny folo an'i Eliasiba, ny faharoa ambin'ny folo an'i Jakima,

24:13b.1CH.024.013 ny fahatelo ambin'ny folo an'i Hopa, ny fahefatra ambin'ny folo an'i Jesebaba,

24:14b.1CH.024.014 ny fahadimy ambin'ny folo an'i Bilga, ny fahenina ambin'ny folo an'Imera,

24:15b.1CH.024.015 ny fahafito ambin'ny folo an'i Hezira, ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hafizeza,

24:16b.1CH.024.016 ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela,

24:17b.1CH.024.017 ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola,

24:18b.1CH.024.018 ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia.

24:19b.1CH.024.019 Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.[Na: Ary ny raharahan'ireo tamin'ny fanompoana dia ny hiditra]

24:20b.1CH.024.020 Ary tamin'ny taranak'i Levy sisa dia izao; Tamin'ny taranak'i Amrama dia Sobaela; tamin'ny zanak'i Sobaela dia Jedala.

24:21b.1CH.024.021 Ny amin'i Rehabia: tamin'ny taranak'i Rehabia dia Jisia no voalohany.

24:22b.1CH.024.022 Tamin'ny Jizarita dia Selomota; tamin'ny taranak'i Selomota dia Jahata.

24:23b.1CH.024.023 Ary ny amin'ny taranak'i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.

24:24b.1CH.024.024 Ny zanakalahin'i Oziela dia Mika; tamin'ny taranak'i Mika dia Samira;

24:25b.1CH.024.025 ny rahalahin'i Mika dia Jisia; tamin'ny taranak'i Jisia dia Zakaria.

24:26b.1CH.024.026 Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin'i Jazia dia Beno.

24:27b.1CH.024.027 Ny zanakalahin'i Merary tamin'i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.

24:28b.1CH.024.028 Avy tamin'i Maly no nihavian'i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.

24:29b.1CH.024.029 Ny amin'i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.

24:30b.1CH.024.030 Ary ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.Ary ireo dia mba niara-niloka tamin'ny rahalahiny, taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.

24:31b.1CH.024.031 Ary ireo dia mba niara-niloka tamin'ny rahalahiny, taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.

25

25:1b.1CH.025.001 [Ny nizarana ny mpihira ho efatra amby roa-polo toko] Ary ny taranak'i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan'i Davida sy ireo komandin'ny miaramila ho amin'ny fanompoana mba haminany amin'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan'ny mpanao araka ny fanompoany avy:[Na: ny asany amin'ny]

25:2b.1CH.025.002 Tamin'ny zanakalahin'i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak'i Asafa, nofehezin'i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan'ny mpanjaka azy.

25:3b.1CH.025.003 Tamin'i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin'i Jedotona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hisaotra an'i Jehovah.

25:4b.1CH.025.004 Tamin'i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota.

25:5b.1CH.025.005 Ireo rehetra ireo no zanak'i Hemana, mpahitan'ny mpanjaka ny amin'ny tenin'Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen'Andriamanitra zazalahy efatra ambin'ny folo sy zazavavy telo.

25:6b.1CH.025.006 Ireo rehetra ireo no fehin'ny rainy tamin'ny hira natao tao an-tranon'i Jehovah tamin'ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin'ny mpanjaka.

25:7b.1CH.025.007 Ary ny isany mbamin'ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an'i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.

25:8b.1CH.025.008 Ary nanao filokana ny amin'ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.

25:9b.1CH.025.009 Ary ny loka voalohany dia azon'i Josefa avy amin'ny taranak'i Asafa; ny faharoa an'i Gedalia, izy mbamin'ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin'ny folo;

25:10b.1CH.025.010 ny fahatelo an'i Zakora, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:11b.1CH.025.011 ny fahefatra an'i Jizry, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:12b.1CH.025.012 ny fahadimy an'i Netania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:13b.1CH.025.013 ny fahenina an'i Bokia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:14b.1CH.025.014 ny fahafito an'i Jesarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:15b.1CH.025.015 ny fahavalo an'i Jesaia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:16b.1CH.025.016 ny fahasivy an'i Matania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:17b.1CH.025.017 ny fahafolo an'i Simey, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:18b.1CH.025.018 ny fahiraika ambin'ny folo an'i Azarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:19b.1CH.025.019 ny faharoa ambin'ny folo an'i Hasabia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:20b.1CH.025.020 ny fahatelo ambin'ny folo an'i Sobaela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:21b.1CH.025.021 ny fahefatra ambin'ny folo an'i Matitia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo;

25:22b.1CH.025.022 ny fahadimy ambin'ny folo an'i Jeremota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo;

25:23b.1CH.025.023 ny fahenina ambin'ny folo an'i Hanania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:24b.1CH.025.024 ny fahafito ambin'ny folo an'i Josbekasa, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:25b.1CH.025.025 ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hanany, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:26b.1CH.025.026 ny fahasivy ambin'ny folo an'i Maloty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:27b.1CH.025.027 ny faharoa-polo an'i Eliata, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:28b.1CH.025.028 ny fahiraika amby roa-polo an'i Hotira, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:29b.1CH.025.029 ny faharoa amby roa-polo an'i Gidalty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;

25:30b.1CH.025.030 ny fahatelo amby roa-polo an'i Mahaziota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;ny fahefatra amby roa-polo an'i Romamti-ezera, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo.

25:31b.1CH.025.031 ny fahefatra amby roa-polo an'i Romamti-ezera, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo.

26

26:1b.1CH.026.001 [Ny amin'ny mpiandry varavarana] Ary ny amin'ny antokon'ny mpiandry varavarana: Tamin'ny Koraita dia Meselemia, zanak'i Kore, avy tamin'ny zanak'i Asafa.

26:2b.1CH.026.002 Ary ny zanakalahin'i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra,

26:3b.1CH.026.003 sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.

26:4b.1CH.026.004 Ary ny zanakalahin'i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,

26:5b.1CH.026.005 sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.

26:6b.1CH.026.006 Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin'ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy.

26:7b.1CH.026.007 Ny zanakalahin'i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin'ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia.

26:8b.1CH.026.008 Ireo rehetra ireo no avy tamin'ny zanak'i Obededoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny fanompoany; roa amby enim-polo no an'i Obed-edoma.

26:9b.1CH.026.009 Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin'ny folo, samy lehilahy mahay avokoa.

26:10b.1CH.026.010 Ary Hosa, tamin'ny taranak'i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany),

26:11b.1CH.026.011 sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin'i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin'ny folo.

26:12b.1CH.026.012 Ireo lohan'ny tonian'ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin'ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'i Jehovah.

26:13b.1CH.026.013 Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin'ny isam-bavahady.

26:14b.1CH.026.014 Koa ny loka tamin'ny atsinanana dia azon'i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin'ny avaratra no azony.

26:15b.1CH.026.015 An'i Obed-edoma ny atsimo, ary an'ny zanany ny trano firaketana.

26:16b.1CH.026.016 An'i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin'ny vavahady Saleketa amin'ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.

26:17b.1CH.026.017 Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan'andro, ny atsimo nisy efatra isan'andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.

26:18b.1CH.026.018 Tany Parbara andrefana nisy efatra amin'ny lalana, ary roa tao Parbara.[Izahao 2 Mpan. xxiii. 11]

26:19b.1CH.026.019 Dia Ireo no antokon'ny mpiandry varavarana tamin'ny taranak'i Kora sy ny taranak'i Merary.

26:20b.1CH.026.020 [Ny amin'ny raharaha sasany koa nataon'ny Levita] Ary tamin'ny Levita dia Ahia no tonian'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.[Na: (ary ny Levita rahalahiny)]

26:21b.1CH.026.021 Ny taranak'i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan'ny fianakavian'i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita.

26:22b.1CH.026.022 Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.

26:23b.1CH.026.023 Tamin'ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita

26:24b.1CH.026.024 dia Seboela, avy tamin'ny taranak'i Gersona, zanak'i Mosesy, no tonian'ny rakitra.

26:25b.1CH.026.025 Ary ny rahalahiny avy tamin'i Eliezera dia Rehabia, zanak'i Eliezera, sy Jesaia, zanak'i Rehabia, sy Jorama, zanak'i Jesaia, sy Zikry, zanak'i Jorama, ary Selomota, zanak'i Zikry.

26:26b.1CH.026.026 Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian'ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin'i Davida mpanjaka sy ny lohan'ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin'ny miaramila.

26:27b.1CH.026.027 Tamin'ny babo izay azony tamin'ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon'i Jehovah.

26:28b.1CH.026.028 Ary izay rehetra nohamasinin'i Samoela mpahita sy Saoly, zanak'i Kisy, sy Abnera, zanak'i Nera, sy Joaba, zanak'i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.

26:29b.1CH.026.029 Tamin'ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin'ny raharaha ivelany amin'ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara.

26:30b.1CH.026.030 Ary tamin'ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin'ny Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana ny amin'ny raharaha rehetra ho an'i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.

26:31b.1CH.026.031 Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin'ny taona fahefa-polo nanjakan'i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.

26:32b.1CH.026.032 sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.

27

27:1b.1CH.027.001 [Ny nandaminana ny miaramila] Ary ny amin'ny Zanak'Isiraely araka ny isany, dia ny lohan'ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin'izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan'ny isan-tokony.

27:2b.1CH.027.002 Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin'ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak'i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina;

27:3b.1CH.027.003 isan'ny taranak'i Fareza izy sady lohan'ny mpifehy rehetra tamin'ny miaramila amin'ny volana voalohany.

27:4b.1CH.027.004 Ary ny nifehy ny antokony ho amin'ny volana faharoa dia Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan'ny antokony; ary ny antokon'ny Ahohita dia efatra arivo amby roa alina.

27:5b.1CH.027.005 Ny komandin'ny antokony fahatelo tamin'ny miaramila, ho amin'ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak'i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.

27:6b.1CH.027.006 Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin'izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan'ny antokony.

27:7b.1CH.027.007 Ny fahefatra, ho amin'ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin'i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.

27:8b.1CH.027.008 Ny fahadimy, ho amin'ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.

27:9b.1CH.027.009 Ny fahenina, ho amin'ny volana fahenina, dia Ira, zanak'Ikesy Tekoita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.

27:10b.1CH.027.010 Ny fahafito, ho amin'ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.

27:11b.1CH.027.011 Ny fahavalo, ho amin'ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.

27:12b.1CH.027.012 Ny fahasivy, ho amin'ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan'ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.

27:13b.1CH.027.013 Ny fahafolo, ho amin'ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.

27:14b.1CH.027.014 Ny fahiraika ambin'ny folo, ho amin'ny volana fahiraika ambin'ny folo, dia Benaia Piratonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.

27:15b.1CH.027.015 Ny faharoa ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharoa ambin'ny folo, dia Helday Netofatita, isan'ny taranak'i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.

27:16b.1CH.027.016 [Ny lohan'ny firenena roa ambin'ny folo] Ary izao no lohan ny firenen'Isiraely: Tamin'ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin'i Zikry; tamin'ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin'i Maka;

27:17b.1CH.027.017 tamin'ny Levita dia Hasabia, zanakalahin'i Kemoela; tamin'ny Aronita dia Zadoka;

27:18b.1CH.027.018 tamin'ny Joda dia Eliho, izay isan'ny rahalahin'i Davida; tamin'ny Isakara dia Omry, zanakalahin'i Mikaela;

27:19b.1CH.027.019 tamin'ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin'i Obadia; tamin'ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin'i Azriela;

27:20b.1CH.027.020 tamin'ny taranak'i Efraima dia Hosea, zanakalahin'i Azazia; tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Joela, zanakalahin'i Pedaia;

27:21b.1CH.027.021 tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin'i Zakaria; tamin'ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin'i Abnera;

27:22b.1CH.027.022 tamin'ny Dana dia Azarela, zanakalahin'i Jerohama. Ireo no lohan'ny firenen'Isiraely.

27:23b.1CH.027.023 Nefa tsy nanisa ny hatramin'ny roa-polo taona no ho midina Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Izy.

27:24b.1CH.027.024 Joaba, zanak'i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Isiraely tamin'izany, ka dia tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Davida mpanjaka ny isany.

27:25b.1CH.027.025 [Ny mpitandrina ny fananan'i Davida, sy ny mpanolo-tsaina azy] Ary ny tonian'ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak'i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin'ny tanàna, na tamin'ny vohitra, na tamin'ny tilikambo, dia Jonatana, zanak'i Ozia;

27:26b.1CH.027.026 ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak'i Keloba;

27:27b.1CH.027.027 ary ny tonian'ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian'ny divay tehirizina any amin'ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita;

27:28b.1CH.027.028 ary ny tonian'ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian'ny diloilo tehirizina dia Joasy;[Heb. Sefela]

27:29b.1CH.027.029 ary ny tonian'ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian'ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak'i Adlay;

27:30b.1CH.027.030 ary ny tonian'ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian'ny borikivavy dia Jedda Meronotita;

27:31b.1CH.027.031 ary ny tonian'ny ondry aman'osy dia Jaziza Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian'ny fananan'i Davida mpanjaka.

27:32b.1CH.027.032 Ary Jonatana, rahalahin-drain'i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak'i Hakmony, dia teo amin'ny zanaky ny mpanjaka;ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan'ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an'i Ahitofela dia Joiada, zanak'i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjaka dia Joaba.

27:33b.1CH.027.033 ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan'ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an'i Ahitofela dia Joiada, zanak'i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjaka dia Joaba.

28

28:1b.1CH.028.001 [Ny hafatra nataon'i Davida ny amin'ny hanaovana ny tempoly sy ny amin'ny fivavahana] Ary novorin'i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely, dia ny lohan'ny firenena sy ny komandin'ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin'ny fananana rehetra an'ny mpanjaka sy ny zanany mbamin'ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.[Heb. ionoka]

28:2b.1CH.028.002 Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ho an'ny fitoeran-tongotr'Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;

28:3b.1CH.028.003 nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an'ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-drà.

28:4b.1CH.028.004 Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra ho mpanjakan'ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin'ny taranak'i Joda indray dia ny ankohonan'ny raiko no nofidiny; ary tamin'ny ankohonan'ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin'ny Isiraely rehetra.

28:5b.1CH.028.005 Ary tamin'ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen'i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Jehovah hanjaka amin'ny Isiraely.

28:6b.1CH.028.006 Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.

28:7b.1CH.028.007 Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin'izao anio izao.

28:8b.1CH.028.008 Ary ankehitriny, eto anatrehan'ny Isiraely rehetra, fiangonan'i Jehovah, sy eto anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.

28:9b.1CH.028.009 Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.

28:10b.1CH.028.010 Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.

28:11b.1CH.028.011 Ary Davida nanome an'i Solomona zanany ny sarin'ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,

28:12b.1CH.028.012 ary ny sarin'izay rehetra efa niseho tamin'ny fanahiny; dia ny amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,

28:13b.1CH.028.013 sy ho an'ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an'ny fanompoana rehetra ao an-tranon'i Jehovah sy ho an'ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon'i Jehovah,

28:14b.1CH.028.014 ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaka volamena samy hafa rehetra, ary ny lanjan'ny volafotsy koa hanaovana ny fanaka volafotsy samy hafa rehetra,

28:15b.1CH.028.015 ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony araka ny lanjany avy, ary ny lanjan'ny volafotsy hanaovana ny fanaovan-jiro volafotsy sy ny lela fanaovan-jirony araka ny fombany avy,

28:16b.1CH.028.016 ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin'ny volafotsy ho amin'ny latabatra volafotsy,

28:17b.1CH.028.017 ary ny amin'ny fitrebika sy ny lovia famafazana ary ny fitoeran-divay, izay samy volamena tsara, ary ny amin'ny kapoaka misarona, na ny volamena, na ny volafotsy, araka ny lanjany avy,

28:18b.1CH.028.018 ary ny lanjan'ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin'ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.

28:19b.1CH.028.019 Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin'i Jehovah ahy tamin'ny soratra avy tamin'ny tànany, izay atỳ amiko.

28:20b.1CH.028.020 Ary hoy koa Davida tamin'i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon'i Jehovah.Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.

28:21b.1CH.028.021 Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.

29

29:1b.1CH.029.001 [Ny zavatra naterin'ny lehibe amin'ny Isiraely ho enti-manao ny tempoly] Ary hoy Davida mpanjaka tamin'ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin'Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an'olona, fa ho an'i Jehovah Andriamanitra.

29:2b.1CH.029.002 Ary tamin'ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon'Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.[Na: beryla mbamin'ny tranontranony][Na: tenona samy hafa soratra][marmora fotsy]

29:3b.1CH.029.003 Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon'Andriamanitro dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitra, ho fanampin'ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,

29:4b.1CH.029.004 dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin'ny rindrin'ny isan-efi-trano,

29:5b.1CH.029.005 ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon'ny tanan'ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an'i Jehovah anio?

29:6b.1CH.029.006 Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan'ny fianakaviana sy ny lehiben'ny firenen'Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin'ny mpitandrina ny raharahan'ny mpanjaka

29:7b.1CH.029.007 ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin'ny tranon'Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy.[Ny darika dia anaran'ny farantsakely volamena, ary tokony ho ariary dimy sy loso no heviny]

29:8b.1CH.029.008 Ary izay nanana vato soa dia nanome azy no amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah, hotehirizin'i Jehiela Gersonita.

29:9b.1CH.029.009 Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan'ireo, fa tamin'ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an'i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.

29:10b.1CH.029.010 [Ny nisaoran'i Davida an'Andriamanitra sy ny fara-teniny tamin'ny Isiraely, sy ny nanendrena an'i Solomona, ary ny nahafatesan'i Davida] Koa dia nisaotra an'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr'Isiraely razanay, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

29:11b.1CH.029.011 Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.

29:12b.1CH.029.012 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.

29:13b.1CH.029.013 Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.

29:14b.1CH.029.014 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.

29:15b.1CH.029.015 Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana.

29:16b.1CH.029.016 Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an'ny anaranao masina ireto dia avy tamin'ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.

29:17b.1CH.029.017 Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin'ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin'ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.

29:18b.1CH.029.018 Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon'ny olonao mandrakizay izany fikasan'ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;

29:19b.1CH.029.019 ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.

29:20b.1CH.029.020 Ary hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah sy ny mpanjaka.

29:21b.1CH.029.021 Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah nony ampitson'iny, dia vantotr'ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak'ondry arivo mbamin'ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an'ny Isiraely rehetra.

29:22b.1CH.029.022 Ary nihinana sy nisotro tamin'ny fifaliana be teo anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak'i Davida, sady nohosorany ho an'i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.

29:23b.1CH.029.023 Ary Solomona dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.

29:24b.1CH.029.024 Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak'i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an'i Solomona mpanjaka.

29:25b.1CH.029.025 Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely.

29:26b.1CH.029.026 Toy izany no nanjakan'i Davida, zanak'i Jese, tamin'ny Isiraely rehetra.

29:27b.1CH.029.027 Ary ny andro nanjakany tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.

29:28b.1CH.029.028 Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.[Heb. voky andro sy harena ary voninahitra]

29:29b.1CH.029.029 Ary ny tantaran'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpahita sy ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany ary ao amin'ny bokin'i Gada mpahita izany,mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin'ny ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny tany.[Heb. ny andro niseho taminy]

29:30b.1CH.029.030 mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin'ny ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny tany.[Heb. ny andro niseho taminy]


Holder of rights
Multilingual Bible Corpus

Citation Suggestion for this Object
TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. 1 Chronicles (Malagasy). 1 Chronicles (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A555-E