Ruth (Malagasy)
1
1:1b.RUT.001.001 [Ny nanjo an'i Naomy, sy ny niarahan'i Rota taminy, rehefa niverina ho any Betlehema izy] Ary tamin'ny andro nitsaran'ny mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin'ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny zanany roa lahy;
1:2b.RUT.001.002 Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran'ny vadiny, ary ny anaran'ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin'ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.
1:3b.RUT.001.003 Ary maty Elimeleka, vadin'i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa.
1:4b.RUT.001.004 Ary naka vady tamin'ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran'ny anankiray, ary Rota no anaran'ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.
1:5b.RUT.001.005 Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy.
1:6b.RUT.001.006 Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin'ny tany Moaba; fa efa reny tany amin'ny tany Moaba fa novangian'i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.
1:7b.RUT.001.007 Dia niala tamin'izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin'ny tanin'ny Joda.
1:8b.RUT.001.008 Ary hoy Naomy tamin'ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin'ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin'i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin'ny maty sy tamiko koa.
1:9b.RUT.001.009 Homen'i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin'izay tranon'ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.
1:10b.RUT.001.010 Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin'ny firenenao.
1:11b.RUT.001.011 Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?
1:12b.RUT.001.012 Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,
1:13b.RUT.001.013 moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tànan'i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy.
1:14b.RUT.001.014 Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.
1:15b.RUT.001.015 Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.
1:16b.RUT.001.016 Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
1:17b.RUT.001.017 izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.
1:18b.RUT.001.018 Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy.
1:19b.RUT.001.019 Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?
1:20b.RUT.001.020 Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon'ny Tsitoha amiko. [Naomy = Mahafinaritra][Mara = Mangidy]
1:21b.RUT.001.021 Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea.
1:22b.RUT.001.022 Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea.
2
2:1b.RUT.002.001 [Ny nitsimponan'i Rota salohim-bary teny an-tanimbarin'i Boaza, sy ny soa nataon'i Boaza taminy] Ary nisy havan'ny vadin'i Naomy avy amin'ny fokon'i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.
2:2b.RUT.002.002 Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin'i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian'izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka.
2:3b.RUT.002.003 Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian'ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin'ny tanimbarin'i Boaza, izay avy amin'ny fokon'i Elimeleka, izy.
2:4b.RUT.002.004 Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin'ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.
2:5b.RUT.002.005 Dia hoy Boaza tamin'ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak'iza moa io zazavavy io?
2:6b.RUT.002.006 Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an'i Naomy avy tany amin'ny tany Moaba io;
2:7b.RUT.002.007 fa hoy izy: Masìna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian'ny mpijinja eny anelanelan'ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin'ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano.
2:8b.RUT.002.008 Dia hoy Boaza tamin'i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan'ny zatovovavy.
2:9b.RUT.002.009 Aoka ny masonao ho amin'ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin'ny siny, ka misotroa amin'izay antsakain'ny zatovo.
2:10b.RUT.002.010 Dia niondrika sy niankohoka tamin'ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?
2:11b.RUT.002.011 Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin'ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan'ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin'ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin'ny firenena tsy mbola fantatrao.
2:12b.RUT.002.012 Hamaly ny nataonao anie Jehovah. ka homen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin'ny elany ianao.
2:13b.RUT.002.013 Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin'ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin'ny zatovovavinao aza aho.
2:14b.RUT.002.014 Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin'ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan'ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
2:15b.RUT.002.015 Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian'i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan'ny amboara aza, ka aza maninona azy.
2:16b.RUT.002.016 Ary asio latsadatsaka avy amin'ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza raràna izy.
2:17b.RUT.002.017 Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan'ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.
2:18b.RUT.002.018 Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan'ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin'ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany.
2:19b.RUT.002.019 Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin'ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran'ny lehilahy, izay tompon'ny tanimbary nitsimponako androany
2:20b.RUT.002.020 Dia hoy Naomy tamin'ny vinantonivavy: Hotahin'i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin'ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan'izay mahavotra antsika izy.
2:21b.RUT.002.021 Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan'ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana.
2:22b.RUT.002.022 Ary hoy Naomy tamin'i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin'ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.Ary izy tsy nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin'ny rafozani-vavy Izy.
2:23b.RUT.002.023 Ary izy tsy nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin'ny rafozani-vavy Izy.
3
3:1b.RUT.003.001 [Ny nangatahan'i Rota an'i Boaza hitondra loloha azy araka ny hevitra natoron'i Naomy] Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?
3:2b.RUT.003.002 Ary ankehitriny tsy isan'ny havantsika va Boaza, tompon'ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.
3:3b.RUT.003.003 Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.
3:4b.RUT.003.004 Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao.
3:5b.RUT.003.005 Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.
3:6b.RUT.003.006 Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian'ny rafozani-vavy azy.
3:7b.RUT.003.007 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin'ny faran'ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
3:8b.RUT.003.008 Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.
3:9b.RUT.003.009 Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao.
3:10b.RUT.003.010 Dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin'ny ato aoriana ianao noho ny tamin'ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.
3:11b.RUT.003.011 Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr'izay rehetra ao an-tanànan'ny fireneko fa vehivavy tsara ianao.
3:12b.RUT.003.012 Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.
3:13b.RUT.003.013 Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain'ny andro.
3:14b.RUT.003.014 Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain'ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr'olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy.
3:15b.RUT.003.015 Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin'ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.
3:16b.RUT.003.016 Ary rehefa tonga tany amin'ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.
3:17b.RUT.003.017 Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin'ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin'ny rafozanao-vavy.Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.
3:18b.RUT.003.018 Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.
4
4:1b.RUT.004.001 [Ny nampakaran'i Boaza an'i Rota, sy ny nahaterahan'i Obeda, ary ny filazam-pirazanana hatramin'i Fareza ka hatramin'i Davida] Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
4:2b.RUT.004.002 Dia naka folo lahy tamin'ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo.
4:3b.RUT.004.003 Dia niteny tamin'Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin'ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an'i Elimeleka rahalahintsika.
4:4b.RUT.004.004 Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eto anatrehan'ny loholona amin'ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.
4:5b.RUT.004.005 Dia hoy Boaza: Amin'izay andro ividiananao ny tany amin'ny tànan'i Naomy, dia amin'i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany ianao.
4:6b.RUT.004.006 Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
4:7b.RUT.004.007 Ary ny amin'ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin'ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin'ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an'ny namany; dia vavolombelona teo amin'ny Isiraely izany.
4:8b.RUT.004.008 Ary hoy ilay havana mahavotra tamin'i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.
4:9b.RUT.004.009 Ary hoy Boaza tamin'ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin'ny tànan'i Naomy izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona sy Malona.
4:10b.RUT.004.010 Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran'ny maty eo amin'ny rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.
4:11b.RUT.004.011 Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon'i Jehovah tahaka an'i Rahely sy tahaka an'i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon'ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;
4:12b.RUT.004.012 ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity.
4:13b.RUT.004.013 Ary Boaza dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan'anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.
4:14b.RUT.004.014 Ary hoy ireo vehivavy tamin'i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin'ny Isiraely.
4:15b.RUT.004.015 Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
4:16b.RUT.004.016 Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.
4:17b.RUT.004.017 Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an'i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain'i Jese, rain'i Davida.
4:18b.RUT.004.018 Ary izao no taranak'i Fareza: Fareza niteraka an'i Hezrona;
4:19b.RUT.004.019 ary Hezrona niteraka an'i Rama; ary Rama niteraka an'i Aminadaba;
4:20b.RUT.004.020 ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona;
4:21b.RUT.004.021 ary Salmona niteraka an'i Boaza; ary Boaza niteraka an'i Obeda;ary Obeda niteraka an'i Jese; ary Jese niteraka an'i Davida.
4:22b.RUT.004.022 ary Obeda niteraka an'i Jese; ary Jese niteraka an'i Davida.
- Holder of rights
- Multilingual Bible Corpus
- Citation Suggestion for this Object
- TextGrid Repository (2025). Malagasy Collection. Ruth (Malagasy). Ruth (Malagasy). Multilingual Parallel Bible Corpus. Multilingual Bible Corpus. https://hdl.handle.net/21.11113/0000-0016-A546-F